Ireo fahitana mampientam-po izay manatanjaka ny finoana
Hevi-dehibe ao amin’ny Apokalypsy
I JAONA mpanompon’i Jehovah dia teo amin’ny nosy kely iray atao hoe Patmo, lavitra ny morontsiraka andrefan’i Azia minora. Tao no nahitan’io apostoly efa be taona io zavatra mahagaga maro, izay ara-panoharana, manaitra mazàna, ary misy heviny lehibe tokoa! Tonga teo amin’ny andron’ny Tompo izy, ary niala haingana avy eo amin’ny fanomezana fiandrianana an’i Jesosy tamin’ny 1914 ka tonga hatreo amin’ny faran’ny Fanjakany arivo taona. Na dia nahita ireo fisehoan-javatra izay hitranga mandritra ny ora maizina indrindran’ny taranak’olombelona aza i Jaona, dia toy inona moa ny hakanton’ny fahitany mialoha ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy! Endrey izany fitahiana ho azon’ny olombelona mankatò amin’izany!
Nosoratan’i Jaona ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly izany fahitana izany. Nosoratana tany amin’ny 96 am.fan.ir. tany ho any izy io, ary afaka manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny faminaniana, sy ny Zanany, Jesosy Kristy. — Mba hahazoana ny tsipiriany, dia jereo ilay boky hoe La Révélation — Le grand dénouement est proche!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Manome torohevitra feno fitiavana i Kristy
Ao amin’ny voalohany amin’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra nomeny tamin’ny alalan’i Kristy no ahitana ireo taratasy ho an’ny kongregasiona fito voaforon’ireo mpiara-mandova ny Fanjakana amin’i Kristy. (1:1–3:22). Amin’ny fitambarany, ireo taratasy dia manome teny fiderana, mampiseho zava-manahirana, manome fanitsiana sy/na fampaherezana, ary milaza ireo fitahiana vokatry ny fankatoavana tamim-pahatokiana. Na dia niaritra aza ny Efesiana, dia namela ny fitiavana nananany tamin’ny voalohany. Ny kongregasionan’i Smyrna, nanankarena ara-panahy, dia nampirisihina mba hitoetra ho mahatoky ao anatin’ny fahoriana. Tsy naharesy ny kongregasionan’i Pergamosy ny fanenjehana, nefa nilefitra tamin’ny fitokotokoana izy io. Na dia teo aza ny asa nitombo nataon’ireo kristiana tany Tyatira, dia nisy fitaoman’i Jezebela tao. Nila ny nifoha ara-panahy ny kongregasionan’i Sardisy, ary ny tany Filadelfia dia nampirisihina mba hitana izay ananany, ary nila fanasitranana ara-panahy kosa ny Laodikiana matimaty.
Teny tsara dia tsara re izany ho fampiofanana ireo ho mpanjaka any an-danitra amin’ny hoavy, ary raha ny marina dia ho an’ny kristiana rehetra! Ohatra, nisy nanjary matimaty ve tamintsika? Manaova àry zavatra! Aoka ianao ho tonga famelombelomana toy ny rano mangatsiaka amin’ny andro migaingaina nefa koa manomboha mampiseho zotom-po mirehitra ho an’i Jehovah sy ny asany. — Ampitahao amin’ny Matio 11:28, 29; Jaona 2:17.
Manokatra horonamboky iray ny Zanak’ondry
Hita teo ambonin’ny seza fiandrianany manjelajelatra i Jehovah nanaraka izany. (4:1–5:14). Nohodidinin’ny loholona 24 sy zavamananaina efatra izy. Nisy horonamboky voaisy tombo-kase sy tombo-kase fito teny an-tanany. Iza no afaka hamaha ilay horonamboky? Ny Zanak’ondry, i Jesosy Kristy, no mendrika ny hanao izany!
Nisy fisehoan-javatra nampangitakitaka nitranga tsikelikely arakaraka ny namahan’ny Zanak’ondry ny enina tamin’ireo tombo-kase. (6:1–7:17). Nony novahana ny tombo-kase voalohany, dia nipoitra i Kristy nitaingina soavaly fotsy, nandray satroboninahitra (tamin’ny 1914), ary nivoaka mba handresy. Nony novahana ny tombo-kase telo hafa, dia nisy mpitaingin-tsoavaly hafa nitondra ady sy mosary ary fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona. Tamin’ny famahana ny tombo-kase fahadimy, ireo maty martiora ho an’i Kristy dia niantso mafy ny amin’ny hamaliana ny rany, ary ny tsirairay taminy dia nomena “fitafiana fotsy”, milaza toerana marina mifandray amin’ny fananganana azy ireo ho tonga zavaboary ara-panahy tsy mety maty manana tombontsoa hanjaka. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:5; 4:4.) Rehefa novahana ny tombo-kase fahenina, dia nambara mialoha tamin’ny alalan’ny horohorontany ny andro fahatezeran’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry. Nefa “ny rivotra efatra amin’ny tany”, mampiseho ny fitsarana fandringanana, dia nohazonina mandra-panisy tombo-kase ireo mpanompon’Andriamanitra 144 000. Rehefa nohosorana ny fanahin’Andriamanitra sy natsangana ho zanany ara-panahy izy ireo, dia nandray famantarana mialoha, izany hoe tombo-kase na mariky ny lovany any an-danitra. Aorian’ny fitsapana ihany vao hanjary haharitra ny fanasiana tombo-kase. (Romana 8:15-17; 2 Korintiana 1:21, 22). Ary toy inona ny tsy maintsy ho fitalanjonan’i Jaona nahita ‘vahoaka betsaka’ avy amin’ny firenena rehetra, dia vahoaka sesehena manana fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany iray! Izy ireo dia avy tamin’ny “fahoriana lehibe”, fotoam-pahoriana tsy misy toa azy ho an’ny taranak’olombelona.
Fisehoan-javatra manaitra toy inona no nitranga nony novahana ny tombo-kase fahafito! (8:1–11:14). Nisy fahanginana antsasak’adiny namela ny vavaky ny olona masina ho re, narahin’ny fanipazana ho amin’ny tany ny afo avy eo amin’ny alitara. Avy eo ny anjely fito dia niomana ny hitsoka ny trompetra manambara ny loza halefan’Andriamanitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Naneno nandritra ny fotoan’ny farany ka hatramin’ny fahoriana lehibe ny trompetra. Trompetra efatra no nanambara ireo loza ho an’ny tany, ny ranomasina, ny loharano, ary ny masoandro, ny volana, ary ny kintana. Ny fampanenoana ny fahadimy dia nampipoitra ireo valala izay mampiseho an’ohatra ireo kristiana voahosotra manao andiany nivoaka mba hiady nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’izao. Tamin’ny feon’ny trompetra fahenina, dia nitranga ny famelezan’ny mpitaingin-tsoavaly. Ho fanatanterahana izany, ireo voahosotra, nampian’ny ‘vahoaka betsaka’ tamin’ny 1935, dia nitory hafatra fanamelohana nampijaly ho an’ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Manaraka izany, i Jaona dia nihinana horonamboky kely, mampiseho fa manaiky ny fanendrena azy ny voahosotra ary manovo sakafo avy amin’ny tapany amin’ny Tenin’Andriamanitra mirakitra ireo fampisehoana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ambaran’izy ireo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nasaina nandrefy ny tempoly fitoerana masina ilay apostoly, ka izany dia milaza ny fahatanterahana azo antoky ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny fandaminana ny tempoly ary mba hanarahan’ireo izay mikambana aminy ny fari-pitondrantena avy amin’Andriamanitra. Avy eo ny “vavolombelona roa” voahosotr’Andriamanitra dia naminany sady nanao akanjo fisaonana, novonoina, nefa natsangana. Izany dia tamin’ny 1918-1919, rehefa saika maty ny asa fitorian’izy ireo noho ireo fahavalo, nefa novelomina indray tamin’ny fomba mahagaga ho amin’ny fanompoany, ireo mpanompon’i Jehovah.
Teraka ilay Fanjakana!
Ny fampanenoana ny trompetra fahafito dia nanambara ny fahaterahan’ilay Fanjakana. (11:15–12:17). Tany an-danitra dia nisy vehivavy ara-panoharana iray (ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra) niteraka zazalahy iray (ny Fanjakan’Andriamanitra manana an’i Kristy ho mpanjaka), nefa nanandrana tsy nisy vokany handrapaka azy io ilay dragona (Satana). Namarana ny ady tany an-danitra nanaraka ny fahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 i Mikaela (Jesosy Kristy) mpandresy tamin’ny fanjerana ilay dragona sy ireo anjeliny tetỳ an-tany. Etỳ ilay dragona dia manohy miady amin’ny sisa voahosotra anisan’ny taranak’ilay vehivavy any an-danitra.
Manaraka izany dia nahita bibidia izay nanaovana sary maharikoriko i Jaona. (13:1-18). Io bibidia ara-politika manana loha fito sy tandroka folo io dia nivoaka avy tany amin’ny “ranomasina”, izany hoe ny sarambaben’olona misamboaravoara nipoiran’ny fitondram-panjakan’olombelona. (Ampitahao amin’ny Daniela 7:2-8; 8:3-8, 20-25.) Iza no loharanon’ny fahefana ananan’io zavaboary ara-panoharana io? Tsy hafa fa i Satana, ilay dragona! Ary alao sary an-tsaina fotsiny! Io biby sampona ara-politika manan-tandroka roa (ny herim-panjakana maneran-tany anglisy amerikana) io no nanaovana “sary”, izay fantatra ho ny Firenena mikambana ankehitriny. Maro be no noterena hiankohoka amin’ny bibidia sy handray ny ‘mariky ny bibidia’ amin’ny fanaovana zavatra araka izay tian’izy io sy amin’ny famelana azy io hanapaka ny fiainany. Nefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanda tamin’ny fomba hentitra io marika araka ny demonian’ny bibidia io!
Manao zavatra ny mpanompon’i Jehovah
Mpanompon’i Jehovah maro samihafa no hita eo am-panaovan-javatra nony nararaka ny lovian’ny fahatezerany. (14:1–16:21). Henoy ange! Teo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra i Jaona dia afaka nandre ny 144 000 mihira toa tonon-kira vaovao. Misy anjely iray manidina eny afovoan’ny lanitra manana ny vaovao tsara mandrakizay hotorina amin’ny mponina amin’ny tany. Inona no asehon’izany? Mampiseho izany fa mahazo ny fanampian’ny anjely ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Tsy maintsy ho taitra i Jaona nahita ny voaloboky ny tany nojinjaina sy ny firenena manontolo torotoro rehefa nohitsahina ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Isaia 63:3-6; Joela 4:12-14 [3:12-14, MN].) Araka ny baikon’i Jehovah, dia nisy anjely fito nanaraka izany, nandraraka lovia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano, ary koa ny masoandro, ny seza fiandrianan’ilay bibidia, ary ny onin’i Eofrata, dia voa tamin’ny fandrarahana ny lovia enina voalohany. Alao sary an-tsaina ny fahatairan’i Jaona rehefa nanamarika izy fa ny fampielezan-kevitra araka ny demonia dia eo am-panangonana ireo mpanjaka olombelona ho amin’ny adin’i Haramagedona. Ary ny vokany dia mandrava nony nararaka tamin’ny rivotra ny tao anatin’ny lovia fahafito.
Vehivavy ara-panoharana roa
Azo antoka fa nientam-po i Jaona nanatrika ny faran’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, sy nandinika ireo fisehoan-javatra mahafaly nanaraka ny fandravana azy. (17:1–19:10). Mamon’ny ran’ny olona masina izy, ary hita fa nitaingina bibidia mivolon-jaky manan-doha fito sy tandroka folo (ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena mikambana mpandimby azy). Nefa toy inona moa ny fandravana nanjo azy rehefa niodina namely azy ireo tandroka!
Nisy feo avy tany an-danitra re nidera an’i Jah noho ny nandravana an’i Babylona Lehibe. Ary endrey izany hira fiderana nitalakotrokotroka nanambara ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sy ny ampakariny, dia ireo voahosotra natsangana tamin’ny maty!
Mandresy i Kristy ary manapaka
Nahita ny Mpanjakan’ireo mpanjaka mitarika ireo tafika any an-danitra teo am-pandravana ny fandehan-javatr’i Satana i Jaona nanaraka izany. (19:11-21). Eny, i Jesosy, “Ny Tenin’Andriamanitra”, dia miady amin’ireo firenena. Ilay apostoly dia nahita ny bibidia (ny fandaminana ara-politikan’i Satana) sy ny mpaminany sandoka (ny herim-panjakana maneran-tany anglisy amerikana) natsipy tao amin’ny “farihy afo”, mariky ny fandringanana tanteraka sady mandrakizay.
Inona ny manaraka? Nahita ny fanipazana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Jaona. Nanaraka izany ny fahitana mialoha ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, izay nandritra izany no nitsaran’i Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy natsangana tamin’ny maty ny taranak’olombelona, sy nanandratany ireo mpankatò ho amin’ny fahatanterahan’olombelona! (20:1-10). Tonga izao ny fotoana ho an’ny fitsapana farany. Nafahana avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana mba hanomboka hamitaka ny taranak’olombelona tonga tanteraka, nefa hamarana ny asan’ny demonia mbamin’ny olombelona mpikomy amin’Andriamanitra rehetra ny fandringanana.
Raha nitodika ny lasa i Jaona, toy inona no tsy maintsy ho fahagagany nahita izay rehetra tao amin’ny fahafatesana sy ny hadesy (ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona) ary ny ranomasina natsangana ka notsaraina teo anatrehan’Andriamanitra izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana fotsy lehibe iray! (20:11-15). Ary toy inona ny fanamaivanana ho azon’izay hatsangana rehefa hatsipy any amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny hadesy, ka tsy hitady olona hobaboina indray na oviana na oviana!
Nony tonga teo amin’ny farany ny fahitan’i Jaona, dia nahatazana an’i Jerosalema vaovao izy. (21:1–22:21). Io tanàna misy ny fitondram-panjakana io dia nidina avy any an-danitra ka nitondra fanazavana ho an’ireo firenena. Avy ao Jerosalema vaovao dia nisy “onin’ny ranon’aina” niboiboika, mampiseho an-tsary ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina sy ireo fandaharana hafa rehetra avy amin’Andriamanitra miorina amin’ny soron’i Jesosy mba hanavotana ny olombelona mankatò ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, ary hanomezana azy ireo fiainana mandrakizay. (Jaona 1:29; 17:3; 1 Jaona 2:1, 2). Teo amin’ny andaniny roa amin’io ony io dia nahitan’i Jaona hazo misy raviny manasitrana, mampiseho an-tsary tapany amin’ny fandaharan’i Jehovah natao hanomezana fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò. Nisy hafatra ho famaranan-teny avy amin’Andriamanitra sy Kristy narahin’ny fanasana iray. Endrey fa mahatalanjona ery ny mandre ny fanahy sy ny ampakarina manasa izay rehetra mangetaheta mba ho ‘tonga, ka hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’! Ary rehefa mamaky ireo teny famaranana ao amin’ny Apokalypsy isika, dia tsy isalasalana fa miray feo amin-kafanam-po amin’i Jaona ka mihiaka hoe: “Amena. Avia Jesosy Tompo!”
[Efajoro/Sary, pejy 29]
Miambena hatrany: Ao amin’ireo teny ara-paminaniana momba ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona, dia voalaza hoe: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho [Jesosy Kristy]. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.” (Apokalypsy 16:15). Izany dia mety ho fanasiana fitenenana ny amin’ny adidin’ilay mpiandraikitra na mpitandrin-draharahan’ny tempoly tao amin’ny fitoerana avo tao Jerosalema. Nandritra ny fiambenana, dia namakivaky ny tempoly izy mba hijery raha niambina na natory ireo Levita mpiambina tao amin’ny toeram-piasany. Izay mpiambina tratra natory dia nokapohina tamin’ny tsorakazo, ary nety ho nodorana ny fitafiany ivelany ho toy ny famaizana mahamenatra. Noho Haramagedona efa akaiky dia akaiky izao, ny sisa voahosotra amin’ny “fanjakà-mpisorona”, na “trano ara-panahy”, dia vonona ny hiambina hatrany eo amin’ny ara-panahy. Izany koa no tsy maintsy ataon’ireo mpiara-dia aminy, ny “vahoaka betsaka”, manana fanantenana ho eto an-tany, satria eo am-panaovana fanompoana masina ho an’Andriamanitra ao amin’ny tempoly koa izy ireo. (1 Petera 2:5, 9, MN; Apokalypsy 7:9-17, MN). Ireo mpiandraikitra kristiana indrindra no tokony hiambina hatrany mba tsy hisian’ny fitomboan’ny toe-piainana ratsy ao anatin’ny kongregasiona. Noho izy ireo miambina hatrany, ireo mpivavaka mahatoky rehetra ao amin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra dia miaro ny “fitafiany”, ka izany dia mampiseho ny fanompoana be voninahitra ataony amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy.