FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/10 p. 14-19
  • “Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ny vehivavy
  • Vehivavy izay nanompo an’i Jesosy
  • Vehivavy kristiana nahatoky taorian’ny Pentekosta
  • Fihetsik’i Paoly teo anatrehan’ny vehivavy
  • Vehivavy miasa mafy amin’ny izao andro izao
  • Ny vadin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany
  • Ny vadin’ireo loholona
  • “Vehivavy anti-panahy” mahatoky
  • Hanjaka miaraka amin’i Kristy
  • Manaja ny Vehivavy Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Samy Sarobidy ny Andraikitry ny Lehilahy sy ny Vehivavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mendrika Voninahitra sy Fanajana ny Vehivavy Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny fivoaran’ny toeran’ny vehivavy amin’izao androntsika izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/10 p. 14-19

“Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”

“Veloma any amin’i Tryfena sy Tryfosa, vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo.” — ROMANA 16:12, MN.

1. Tamin’ny fomba ahoana ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany no hita fa fitahiana ho an’ny vehivavy?

FITAHIANA marina tokoa ho an’ny vehivavy jiosy ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Ny asa natombony dia hitondra fampiononana sy fanantenana, ary fahamendrehana vaovao ho an’ny vehivavy avy amin’ny firazanana rehetra. Tsy niraharaha mihitsy ny lovantsofin’ny jodaisma izay ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra’ izy. (Matio 15:6). Maro amin’ireny lovantsofina ireny no tsy nanisy vidiny ireo zo fototra nomen’Andriamanitra ny vehivavy.

Fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ny vehivavy

2. Nahoana no azo lazaina fa ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy dia nitondra fiovana lehibe tamin’izay?

2 Endrey izany fifanoherana niavaka teo amin’ny fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ny vehivavy sy ny an’ireo filoham-pivavahana jiosy! Araka ny Encyclopaedia Judaica, ireto farany dia nihevitra ny vehivavy ho “mpierina, mpihaino resak’olona, kamo, ary be fialonana”. Tsy tian’ny olona ny firesahana amin’ny vehivavy ary “nahamenatra ny avara-pianarana ny niresaka tamin’ny vehivavy teny amin’ny arabe.” (Jerosalema tamin’ny andron’i Jesosy [anglisy] nosoratan’i Joachim Jeremias; ampitahao amin’ny Jaona 4:27.) Be lavitra no azo lazaina momba ny fihetsika feno fanamavoana nasehon’ireo filohan’ny jodaisma tamin’ny vehivavy. Kanefa dia ampy izay voalaza etsy ambony mba hampisehoana fa nitondra fiovana lehibe marina tokoa tamin’izay fotoana izay ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy.

3. Zava-nitranga inona nandritra ny fanompoan’i Jesosy no mampiseho fa tsy nampaninona azy ny nampianatra fahamarinana lalina ara-panahy ny vehivavy?

3 Nomen’i Jesosy ny ohatra tanteraka ny amin’ny fomba ahafahan’ny lehilahy hanana fifandraisana mafana kanefa madio amin’ny vehivavy. Tsy vitan’ny hoe nifampiresaka tamin’izy ireny fotsiny izy, fa nampianatra azy ireo fahamarinana lalina ara-panahy koa. Raha ny marina, ny olona voalohany nanambarany mazava ny maha-Mesia azy dia vehivavy, ary amin’izay indray, vehivavy samaritana. (Jaona 4:7, 25, 26). Ambonin’izany, ilay zava-nitranga nahatafiditra an’i Marta sy i Maria dia mampiseho mazava tsara fa, tsy sahala amin’ireo filoham-pivavahana jiosy, i Jesosy dia tsy nihevitra hoe tsy nanana zo handao ny vilaniny sy ny lapoaliny vetivety ny vehivavy iray mba hampitomboana ny fahalalany ara-panahy. Tamin’izay fotoana izay, i Maria dia “nifidy ny anjara tsara”, tamin’ny fametrahana ny zavatra ara-panahy ho loha laharana. (Lioka 10:38-42). Volana vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, rehefa maty ny anadahin’izy ireo, dia i Marta, fa tsy i Maria akory no nampiseho fahadodonana lehibe kokoa hihaona tamin’ilay Mpampianatra. Endrey ny fientanam-pontsika, na dia amin’izao andro izao aza, rehefa mamaky izany resaka lalina ara-panahy nifanaovan’i Jesosy sy Marta momba ny fanantenana fitsanganan’ny maty izany! (Jaona 11:20-27). Tombontsoa toy inona moa izany ho an’i Marta!

Vehivavy izay nanompo an’i Jesosy

4, 5. Iza, teo anilan’ireo apostoly, no nanaraka an’i Jesosy nandritra ny fanompoany tany Galilia, ary tamin’ny fomba ahoana no nanompoan’izy ireo azy?

4 I Jesosy koa dia nanaiky ny fanompoana nataon’ny vehivavy raha teo am-pivezivezena tao amin’ilay tany izy. Ao amin’ny filazantsarany, i Marka dia nilaza ny amin’ny “vehivavy (...) izay nanaraka Azy [Jesosy] ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia”. (Marka 15:40, 41). Iza moa ireo vehivavy ireo, ary ahoana no nanompoany an’i Jesosy? Tsy fantatsika ny anaran’izy rehetra, kanefa i Lioka dia nampahafantatra ny vitsivitsy aminy ary nanazava ny fomba nanompoan’izy ireo an’i Jesosy.

5 Nanoratra toy izao i Lioka: “Ary taoriana kelin’izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra; ary ny roa ambin’ny folo lahy nanaraka Azy mbamin’ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ny demonia fito, sy Johana, vadin’ny Koza, mpitandrina ny fananan’i Heroda, ary Sosana mbamin’ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin’ny fananany.” (Lioka 8:1-3) Tsy nampaninona an’i Jesosy ny nanarahan’ireo vehivavy ireo azy sy ny nampiasan’izy ireo ny fananany mba hanomezana izay nilainy sy ireo apostoliny ara-nofo.

6. a) Iza no niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny dia farany nataony tany Jerosalema? b) Iza no nanohana an’i Jesosy hatramin’ny fahafatesany, ary ahoana no namalian-tsoa ny sasany tamin’izy ireo? d) Raha jerena araka ny lovantsofin’ny jodaisma, inona no miavaka amin’ny fitantarana ao amin’ny Jaona 20:11-18?

6 Rehefa novonoina i Jesosy, dia “nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. Isan’ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’i Jakoba sy Josesy”. (Matio 27:55, 56). Araka izany, dia nisy vehivavy nahatoky maro nanohana an’i Jesosy tamin’ny fotoana nahafatesany. Tsara homarihina koa fa vehivavy no vavolombelona voalohany nahita ny fitsanganany tamin’ny maty. (Matio 28:1-10). Na dia izany fotsiny aza dia efa famelezana ny lovantsofina jiosy, satria, tao amin’ny jodaisma, ny vehivavy dia noheverina fa tsy mendrika ny ho vavolombelona ara-dalàna. Amin’ny fitadidiana izany ao an-tsaina, dia vakio ny Jaona 20:11-18, ary manandrama maka sary an-tsaina ny fihetseham-po lalina tsy maintsy nananan’i Maria Magdalena rehefa niseho taminy ny Mpampianatra tafatsangana, niantso azy tamin’ny anarany, ary nampiasa azy ho vavolombelony mba hampilaza tamin’ny mpianany fa velona tokoa izy!

Vehivavy kristiana nahatoky taorian’ny Pentekosta

7, 8. a) Ahoana no ahafantarantsika fa nisy vehivavy teo fony nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta? b) Ahoana no nandraisan’ireo vehivavy kristiana anjara tamin’ny fitaran’ny kristianisma tany am-boalohany?

7 Taorian’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia nisy vehivavy tia fivavahana niaraka tamin’ireo apostoly nahatoky tao amin’ilay efitrano ambony rihana tao Jerosalema. (Asan’ny apostoly 1:12-14). Niharihary ny fisian’ny vehivavy teo amin’ireo izay nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta. Nahoana? Satria rehefa nanazava izay nitranga i Petera, dia nanonona ny Joela 3:1-3 izay nanisy fitenenana manokana ny amin’ny ‘zanakavavy’ sy ny ‘mpanompovavy’, na ‘andevovavy’. (Asan’ny apostoly 2:1, 4, 14-18). Koa nisy àry vehivavy kristiana voahosotra sy nateraky ny fanahy anisan’ny kongregasiona kristiana hatrany amin’ny fanorenana azy mihitsy.

8 Nitana anjara toerana lehibe, na dia tsy toeram-pahefana aza, teo amin’ny fampielezana ny kristianisma, ny vehivavy. I Maria, renin’i Marka sady nenitoan’i Barnabasy, dia nanome ny tranony toa nalalaka ihany mba hampiasain’ny kongregasiona tany Jerosalema. (Asan’ny apostoly 12:12). Ary nanao izany an-tsitrapo izy raha vao nitranga tampoka ny fanenjehana ireo kristiana. (Asan’ny apostoly 12:1-5). Nanana tombontsoa ho tonga mpaminanivavy kristiana ireo zanak’i Filipo evanjelistra efatra mirahavavy. — Asan’ny apostoly 21:9; 1 Korintiana 12:4, 10.

Fihetsik’i Paoly teo anatrehan’ny vehivavy

9. Torohevitra inona no nomen’i Paoly mikasika ny vehivavy kristiana ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, ary fotopoto-pitsipik’Andriamanitra inona no nampirisihany hohajain’ny vehivavy?

9 Indraindray ny apostoly Paoly dia ampangaina ho naneho “misogyne”, izany hoe, fankahalana sy tsy fatokiana ny vehivavy. Marina fa i Paoly no nanantitrantitra ny hitanan’ny vehivavy ny toerany ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Rehefa nizotra ara-dalàna ny zava-drehetra, dia tsy nahazo nampianatra teo amin’ny fivorian’ny kongregasiona izy ireo.(1 Korintiana 14:33-35). Raha toa ka niteny ny vehivavy kristiana iray tao amin’ny fivoriana noho ny tsy fisian’ny lehilahy kristiana teo, na noho izy naminany nasesiky ny fanahy masina, dia notakina taminy ny hanaovany saron-doha. Io saron-doha io dia “mariky ny fahefana”, porofo hita maso fa ilay vehivavy dia nanaiky ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny maha-filoha. — 1 Korintiana 11:3-6, 10, MN.

10. Ampangain’ny sasany ny amin’inona moa ny apostoly Paoly, kanefa inona no manaporofo fa diso io fiampangana io?

10 Toa hitan’i Paoly fa nilaina ny nampahatsiaro ireo kristiana voalohany ny amin’ireo fotopoto-pitsipika teokratika ireo mba ‘ho afaka hitana toerana amim-pahamendrehana ny zava-drehetra’ ao amin’ny fivoriana kristiana. (1 Korintiana 14:40, MN). Kanefa midika ve izany fa mpanohitra ny vehivavy i Paoly araka ny lazain’ny sasany? Tsia, tsy izany mihitsy. Tsy i Paoly ve no nandefa fiarahabana mafana ho an’ny vehivavy kristiana sivy ao amin’ny toko mamarana ny taratasiny ho an’ny Romana? Tsy izy ve no naneho fankasitrahana lalina an’i Foiby sy i Prisila, Tryfena sy i Tryfosa, tamin’ny fiantsoana ireto roa farany hoe “vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”? (Romana 16:1-4, 6, 12, 13, 15, MN). Ary mbola i Paoly koa no nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandry hoe: “Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.” (Galatiana 3:27, 28). Mazava fa tia sy nankasitraka ireo anabaviny kristiana i Paoly, anisan’izany i Lydia izay naneho fahaiza-mampiantrano vahiny fakan-tahaka nandritra ny fotoam-pisedrana. — Asan’ny apostoly 16:12-15, 40; Filipiana 4:2, 3.

Vehivavy miasa mafy amin’ny izao andro izao

11, 12. a) Ahoana no ahatanterahan’ny Salamo 68:11 ara-bakiteny amin’izao andro izao? b) Ao amin’ny toe-javatra manao ahoana no misy ny maro amin’ireo anabavintsika, ary nahoana izy ireo no mila firaiketam-po sy vavaka avy amintsika?

11 Ao amin’ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao, dia misy vehivavy kristiana maro izay “miasa mafy ao amin’ny Tompo”. Raha ny marina, dia asehon’ny antontan’isa fa “ny vehivavy mpilaza soa dia antokony [andian-tafika, MN] lehibe”, ka mahaforona ny ampahany lehibe amin’ny andian-tafiky ny Vavolombelona izay ampiasain’i Jehovah amin’izao fotoan’ny farany izao. (Salamo 68:11). Ireo vehivavy kristiana miasa mafy ireo dia nahazo laza tsara ho an’ny tenany eo am-piezahany mafy hanatanteraka ny anjara asany amin’ny maha-vady, reny, mpikarakara tokantrano, mpitady vola, ary koa amin’ny maha-minisitra kristiana.

12 Maro amin’ireo anabavy tsara dia tsara ireo no manambady tsy mpino. Tsy maintsy miatrika izany toe-javatra izany izy mandritra ny 24 ora isan’andro. Ny sasany dia efa niezaka mafy hatramin’ny taona maro mba ho tonga vady tsara sady nameno ireo fepetra mba ho mpanompo mahatokin’i Jehovah. Tsy mora izany, kanefa niaritra izy ireo, tamin’ny fanantenana foana fa “mety ho azo tsy amin-teny” ny vadiny amin’ny alalan’ny fitondrantena kristiana tsara dia tsara ananany. Ary toy inona moa ny fifalian’ny fianakaviana iray manontolo rehefa manaiky ny vady toy izany! (1 Petera 3:1, 2, NW). Mandritra izany fotoana izany, ireo anabavy mahatoky ireo dia azo antoka fa mila ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy sy ny vavaka ataon’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona. Toy ny maha-“sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra” ny “saina tony sy malefaka” izay iezahan’izy ireo haseho, dia sarobidy eo imasontsika koa ny tsy fivadihan’izy ireo tsy azo hozongozonina. — 1 Petera 3:3-6, MN.

13. Nahoana no azo lazaina fa ireo anabavintsika mpitory maharitra dia “vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo”, ary ahoana no tokony hiheverana azy ao amin’ny kongregasiona misy azy avy?

13 Ireo anabavy izay manompo amin’ny maha-mpitory maharitra dia azo antoka fa azo lazaina indrindra ho “miasa mafy ao amin’ny Tompo”. Maro amin’izy ireo no manan-tokantrano sy vady, ary ankizy hokarakaraina ho fanampin’ny asa fitoriana ataony. Manao asa tapak’andro ny sasany mba hahazoana izay ilainy ara-nofo. Izany rehetra izany dia mitaky fandaminan-javatra tsara, fahatapahan-kevitra, faharetana, ary asa mafy maro be. Ireo vehivavy kristiana ireo dia tokony ho afaka hahatsapa ny fitiavana sy ny fanohanan’ireo izay tsy manana fahafahana handany ora toy ny mpitory maharitra amin’ny asa fanambarana noho ny toerana misy azy.

14. a) Oha-paharetana tsara dia tsara inona no voalaza eto? b) Vehivavy kristiana hafa iza no mendri-piderana, ary nahoana? Milazà ohatra eo an-toerana.

14 Nisy vehivavy kristiana naneho fikirizana nahatalanjona teo amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Tany Kanada, i Grace Lounsbury dia nanandrana voalohany ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ny 1914. Voatery niala tamin’ny lisitry ny mpitory maharitra izy tamin’ny 1918 noho ny aretina, kanefa tany amin’ny 1924 tany ho any dia tafaverina tao amin’ny fanompoana manontolo andro indray izy. Tamin’ny fotoana nanaovana ity lahatsoratra ity, dia mbola tao anatin’ny lisitry ny mpitory maharitra izy, na dia efa 104 taona aza! Anabavy misionera maro izay niofana tao amin’ireo kilasy voalohandohany amin’ny Sekoly fianarana Baibolin’ny Watchtower ao Gileada, tany amin’ireo taona 1940, no mbola manompo amim-pahatokiana ihany, na eo amin’ny saha misionera izany, na amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela any Brooklyn, na any amin’ny iray amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Ireo vehivavy kristiana rehetra ireo, ary indrindra ireo anabavy rehetra izay manao amim-pitandremana ny asa ao amin’ny Betela, dia mampiseho toe-tsaina tia fahafoizan-tena ary ohatra tsara dia tsara izy ireo. Moa ve isika mba efa namela azy ireo hahafantatra fa ankasitrahana izy ireo?

Ny vadin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany

15, 16. Antokona vehivavy kristiana iza no mendrika manokana ny fiderana mafana avy amintsika ary nahoana?

15 Ny vadin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia mahaforona antokona vehivavy kristiana hafa izay mendrika ny fiderana mafana sy fampaherezana. Ireo anabavy malala ireo dia vonona hanaraka ny vadiny rehefa mifindrafindra isaky ny kongregasiona, na isaky ny fizaran-tany izy ireo mba hampiorina ara-panahy ireo rahalahiny. Ny ankamaroan’izy ireny dia namoy ny fiainana tsy mampanosarotra ao an-tokantrano; isan-kerinandro izy ireo dia matory amin’ny fandriana samy hafa, ary tsy fandriana tsara foana anefa. Kanefa dia faly izy ireo manaiky na inona na inona azon’ireo rahalahy atolotra. Ohatra tsara dia tsara ho an’ireo rahavaviny ara-panahy izy ireo.

16 Ireny vehivavy kristiana ireny koa dia manome fanohanana sarobidy ho an’ny vadin’izy ireo, sahala amin’ireo vehivavy tia fivavahana izay nanaraka an’i Jesosy “ka nanompo Azy”. (Marka 15:41). Izy ireo dia tsy afaka mandany fotoana betsaka loatra iarahana irery amin’ny vadiny izay mandrakariva dia ‘manan-javatra maro be hatao amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Korintiana 15:58, MN). Ny sasany amin’izy ireny, sahala amin’i Rosa Szumiga any Frantsa izay niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny 1948, dia nampirina ny valizin’ny vadiny, ary nanao dia lavitra niaraka taminy nandritra ny 30 na 40 taona. Vonona ny hanao sorona ho an’i Jehovah sy ho an’ny anadahiny sy rahavaviny izy ireo. Mendrika ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika, ary ny vavaka ataontsika ho azy izy ireo.

Ny vadin’ireo loholona

17, 18. a) Toetra inona no takina amin’ny vadin’ireo rahalahy voatendry ho amin’ny toeram-panompoana? b) Sorona inona no eken’ny vadin’ireo loholona hatao ho an’i Jehovah sy ireo anadahiny, ary ahoana no ahafahan’ny vehivavy hafa manampy ny vadiny?

17 Raha nitanisa ireo toetra tokony hananan’ireo rahalahy izay azo tendrena ho loholona sy mpikarakara momba ny asa ny apostoly Paoly, dia nanonona koa vehivavy tamin’ny fanoratana hoe: “Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.” (1 Timoty 3:11). Marina fa io torohevitra ankapobeny io dia mihatra amin’ny vehivavy kristiana rehetra. Kanefa raha jerena amin’ny teny manodidina, dia miharihary fa izany dia tokony harahin’ny vadin’ireo rahalahy voatendry ho amin’ny toeram-panompoana amin’ny fomba fakan-tahaka.

18 Soa ihany fa toy izany no hita amin’ny vadin’ireo mpiandraikitra kristiana an’arivony maro. Mahalala ny antonony izy ireo eo amin’ny fahazarany sy ny fitafiany, maotina eo amin’ny fiainana kristiana, mitandrina ny amin’izay lazainy, ary miezaka amim-pahatsorana ny hahatoky amin’ny zavatra rehetra. Manaiky ny hanao sorona koa izy ireo, amin’ny fanekena ny hanokanan’ny vadiny fotoana ho an’ireo raharahan’ny kongregasiona, fotoana izay nety ho niarahan’izy ireo taminy raha tsy izany. Mendrika ny fitiavana mafana sy fampaherezana avy amintsika ireo vehivavy kristiana mahatoky ireo. Angamba, betsaka kokoa ireo rahalahy ho afaka nahazo tombontsoa ao anatin’ireo kongregasiona maro be ananantsika raha toa ireo vadiny ka nanaiky tamim-panetren-tena ny hanao sorona toy izany mba hahasoa ny rehetra.

“Vehivavy anti-panahy” mahatoky

19. Nahoana no ankasitrahana tokoa ao amin’ny kongregasionany ny “vehivavy anti-panahy” maro be, ary inona no tokony ho fihetseham-pontsika amin’izy ireo?

19 Ny fandinihantsika indray ireo vehivavy voalaza ao amin’ny Baiboly dia mahatonga antsika hahita fa ny taona dia tsy manakana ny vehivavy manam-pinoana amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Voazava io zava-misy io tamin’ny ohatr’i Saraha sy i Elizabeta, ary i Ana. Amin’izao andro izao dia misy vehivavy kristiana be taona maro be izay ohatra tsara dia tsara amin’ny finoana sy ny fiaretana. Fanampin’izany, dia afaka manohana amim-pahamalinana ireo loholona izy ireo amin’ny fanampiana ireo anabavy tanora kokoa. Amin’ny fampiasana ny fanandraman-javatra maro be hitany, dia afaka manome torohevitra feno fahendrena ho an’ireo anabavy tanora kokoa izy ireo, toy ny amelan’ny Soratra masina hanaovany izany. (Titosy 2:3-5). Mety hitranga indraindray ny hoe mila torohevitra ny tenan’ny anabavy zokiolona iray. Raha izany no izy, ilay loholona manome izany torohevitra izany dia tokony hitondra azy “toy ny reny”. Tokony ‘hanome voninahitra ny mpitondratena’ ireo loholona, ary raha ilaina izany, dia handamina fanampiana ara-nofo ho azy. (1 Timoty 5:1-3, 5, 9, 10). Tena azo antoka fa tokony hahatsiaro tena ho ilaina sy ankasitrahana ireo anabavy malalantsika zokiolona ireo.

Hanjaka miaraka amin’i Kristy

20. Tombontsoa faran’izay ambony inona no nomena ny vehivavy kristiana maro, ary nahoana no afaka mifaly ny amin’izany ny ondry hafa?

20 Miharihary mazava tsara ao amin’ny Soratra masina fa “tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra” na ny amin’ny firazanana izany na eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. (Romana 2:10, 11; Galatiana 3:28). Ary izany dia marina koa raha ny amin’ny fomba nifidianan’i Jehovah ireo izay tsy maintsy hampiarahina amin’ny Zanany ao amin’ilay Fitondram-panjakana. (Jaona 6:44) Afaka ny ho feno fankasitrahana toy inona moa ny vahoaka betsaka amin’ny ondry hafa satria vehivavy nahatoky, toa an’i Maria renin’i Jesosy, Maria Magdalena, Prisila, Tryfena, Tryfosa, ary vehivavy sesehena hafa tao amin’ny kongregasiona kristiana voalohany, no mandray anjara amin’ny fanapahan’ilay Fanjakana izao, ka manatsara io fitondrana io amin’ny fahatakarany tsara ny fihetseham-po sy ny fanandraman-javatra hitan’ny vehivavy! Endrey izany fahaizana mitsinjo ny hoavy sy fahendrena nasehon’i Jehovah! — Romana 11:33-36.

21. Inona no fihetseham-pontsika amin’izao andro izao amin’ireo “vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”?

21 Afaka mahatsapa ny fihetseham-po nananan’i Paoly isika rehefa niresaka tamim-pitiavana sy fankasitrahana izy ny amin’ireo vehivavy izay ‘niara-niasa fatratra taminy teo amin’ny filazantsara’. (Filipiana 4:3). Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, na lahy na vavy, ho fifaliana sy tombontsoa ny fiarahana miasa eo anilan’ilay ‘antokony lehibe amin’ireo vehivavy mpilaza soa’, eny, “vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”. — Salamo 68:11; Romana 16:12, MN.

Fanontaniana famerenana

◻ Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa tsy niray hevitra tamin’ireo fitsarana an-tendrony nataon’ny filoham-pivavahana jiosy tamin’ny vehivavy izy?

◻ Ahoana no nanompoan’ny vehivavy natahotra an’Andriamanitra an’i Jesosy, ary tombontsoa lehibe inona no azon’ny sasany tamin’izy ireo?

◻ Torohevitra inona no nomen’i Paoly mikasika ny vehivavy, ao amin’ny fivorian’ny kongregasiona?

◻ Sokajin’anabavy iza avy no mendrika ny firaiketam-po sy ny fanohanantsika manokana, ary nahoana?

◻ Ahoana no tokony ho fihetseham-pontsika amin’izay “vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo” rehetra amin’izao andro izao?

[Sary, pejy 16, 17]

Ireo vehivavy nanompo an’i Jesosy sy ny apostoliny

[Sary, pejy 18]

Ny vadin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ireo loholona hafa mahafoy tena dia mitondra fanampiana sarobidy ao amin’ny asan’Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara