Eo am-pitadiavana fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany
“TSY misy sarintany hitarihana antsika any amin’izay halehantsika, dia any amin’io tontolo vaovao araka ny fiheverantsika manokana io. Raha mbola mitodika ny lasa any amin’ireo sivinjato taona nisian’ny ady sy fifandrafiana ary fifampiahiahiana izao tontolo izao, aoka koa isika mba hibanjina ny eo anoloana, dia ny taonjato vaovao iray, sady arivo taona vaovao iray hanjakan’ny fandriampahalemana sy ny fahafahana ary ny fanambinana.”
Ny prezidàn’i Etazonia, Atoa. George Bush, no nanao an’io filazan-kevitra io, tamin’ny 1 Janoary 1990. Tao amin’ny kabary iray mitovy amin’izany, ny prezidà sovietika, Atoa. Mikhail Gorbachev, dia nanolo-kevitra ny amin’ny farimbonasa, tao anatin’ireo taona 1990, mba hanafoanana “ny tontolon’ny tahotra sy ny fiahiahiana, ny fitaovam-piadiana tsy misy ilàna azy, ny fiheverana ara-politika mbamin’ny foto-pisainana ara-tafika efa lany andro, ary ny fefy naorin’olombelona hanasaraka ny vahoaka amin’ireo fanjakana.” Izany no notantarain’ny gazety japone Mainichi Daily News, nivoaka tamin’ny 3 janoary 1990.
Mazava ho azy fa be dia be ny fanantenana. Mbola nisy foana izany herintaona tatỳ aoriana. Tao amin’ny kabary nataony tamin’ny 29 Janoary 1991, dia nanisy firesahana an-kolaka ny amin’ny ady tany amin’ny Hoala persika ny prezidà Bush, ary niteny hoe: “Mihoatra noho ny tany kely iray monja [Koweit] no voakasika, hevitra lehibe izy io — fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany hahatafaray ny firenen-tsamihafa ho amin’ny zava-kendrena iombonana mba hanatratrarana ny faniriana maneran-tanin’ny taranak’olombelona, dia ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fahafahana sy ny fananan-kerin’ny lalàna.”
Tsy fikarohana vita mora
Olana maro be no manakana ny olombelona amin’ny fitadiavany fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany. Azo antoka fa manakantsakana izany ny ady ampiasana fiadiana. Raha niresaka ny amin’ny fifandrafiana nirongatra tamin’izay fotoana izay tany Irak sy Koweit ny gazety Time tamin’ny 28 Janoary 1991, dia nilaza hoe: “Nony niraraka ny baomba ary nitsoriaka ny bala afomanga dia nosoloan’ny fikorontanana fahita ny fanantenana fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany.” Nanampy toy izao ilay gazety: “Tsy misy tokony ho voafitak’izay mety ho hevi-dravina hoe efa eo na hoe akaiky akory aza ilay fandaharan-javatra vaovao haneran-tany nireharehana.”
Tsy vita na oviana na oviana ny farimbonasa iraisam-pirenena, ary izany dia nanakana ny fiezahan’ny olombelona hanorina fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany. Tao amin’ny tatitra iray nivoaka tao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra hoe The World & I (Janoary 1991), ireo manam-pahaizana dia nandinika ny amin’ny “volavolan-kevitra avy any ivelany naroson’ireo herim-panjakana sy izay azo inoana ho ny akony eo amin’ilay fandaharan-javatra vaovao haneran-tany.” Nanao fanatsoahan-kevitra toy izao ilay mpanoratra: “Mahatonga hihevitra ny tantara fa manify mbola tsy nisy toy izany ny tsipika manasaraka ny ady sy ny fandriampahalemana. Ny farimbonasa iraisam-pirenena, indrindra fa eo amin’ireo herim-panjakana lehibe, dia iankinan’ny aina eo amin’ny fiampitana mahomby avy amin’ny ady mangatsiaka mankamin’ny fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany.”
Misakana ny lalana mankamin’ny fandaharan-javatra vaovao haneran-tany andrandrain’ny maro koa ny zava-manahirana momba ny tontolo iainana. Ao amin’ny State of the World 1991 (tatitra nataon’ny Fikambanana mpandinika an’izao tontolo izao), dia miteny toy izao i Lester R. Brown: “Tsy misy afaka hilaza marina hoe ho toy inona ilay fandaharan-javatra vaovao. Nefa raha tsy maintsy manomana hoavy feno fampanantenana ho an’ny taranaka manaraka isika, ilay ezaka goavana takina mba handrodanana ny fahasimban’ny tontolo iainana eto amin’ny planeta dia hibahan-toerana eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao mandritra ny am-polony taona ho avy.” Nomarihin’ilay tatitra fa ny fandotoana ny rivotra dia “tonga hatramin’ny fandrahonana ny fahasalamana any amin’ny tanàn-dehibe an-jatony maro, ary mahatratra ny fara tampon’ny fanimbana any amin’ny tany maro be.” Nanampy izy io hoe: “Arakaraka ny fitomboan’ny isan’ny mponina eto amin’ny planeta no ihenan’ny isan’ireo karazan-javamaniry sy biby. Eo am-pampihenana ny karazan-javatra biôlôjikan’ny tany ny fanimbana sy ny fandotoana atao amin’ny tontolo iainana. Mety hanampy trotraka ny fahavoazana ny fiakaran’ny maripana sy ny fihenan’ny sosona ôzônina.”
Miharihary àry fa vesaran-java-manahirana ny fitadiavan’ny olombelona fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany. Hahita fahombiazana ve ny fitadiavana atao? Azo atao ve ny milaza fa efa antomotra ny tontolo vaovao iray? Raha izany no izy, ahoana no hisian’izany?