Katsaho hatrany ny hatsaram-panahy miharo fitiavana
“Izay fatra-panaraka [mikatsaka, NW] fahamarinana sy famindrampo [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.” — OHABOLANA 21:21.
1. Nahoana isika no tokony hanantena ny hampisehoan’ireo izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra hatsaram-panahy?
TSARA fanahy sady miantra i Jehovah. “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] sy fahamarinana” izy. (Eksodosy 34:6, 7). Mora takatra àry raha tafiditra ho anisan’ny vokatry ny fanahiny ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy. — Galatiana 5:22, 23, NW.
2. Ohatra inona avy no hodinihintsika izao?
2 Ireo izay tarihin’ny fanahy masina, na hery miasan’Andriamanitra dia maneho hatsaram-panahy, izay vokatr’izany fanahy izany. Mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana izy ireo eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Manaraka ny ohatry ny apostoly Paoly tokoa izy ireo, ka mampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra “amin’ny hatsaram-panahy” sy amin’ny fomba maro hafa. (2 Korintiana 6:3-10, NW). Ny toe-tsainy tsara fanahy, miantra, mamela heloka dia mifanaraka tsara amin’ny toetran’i Jehovah, izay “be hatsaram-panahy” ka feno ohatra ny amin’ny olona nampiseho hatsaram-panahy ny Teniny. (Salamo 86:15, NW; Efesiana 4:32, NW). Inona no azo ianarana avy amin’izy ireo?
Mahatonga antsika tsy ho tia tena sy hahay mampiantrano vahiny ny hatsaram-panahy
3. Tamin’ny ahoana i Abrahama no fakan-tahaka raha ny amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy, ary fampirisihana inona mifandray amin’izany no nomen’i Paoly?
3 I Abrahama (Abrama) patriarka — “sakaizan’Andriamanitra” sady “rain’ny olona rehetra izay mino” — dia namela ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy. (Jakoba 2:23; Romana 4:11). Nandao ny tanànan’i Ora any Kaldea izy sy ny fianakaviany, anisan’izany i Lota zana-drahalahiny, ka niditra tany Kanana ho fanarahana ny baikon’Andriamanitra. Na dia i Abrahama aza no zokiolona sy lohan’ny fianakaviana, dia tsara fanahy sady tsy tia tena izy ka namela an’i Lota haka ny tany fiandrasam-biby tsara indrindra, fa izy kosa dia naka izay tavela. (Genesisy 13:5-18). Ny hatsaram-panahy mitovy amin’izany dia mety hanosika antsika hamela ny hafa, fa tsy ny tenantsika, hahazo tombontsoa. Ny hatsaram-panahy tsy misy fitiavan-tena toy izany dia mifanaraka tsara amin’ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” Ny tenan’i Paoly mihitsy dia ‘nanao izay hahafinaritra ny olona rehetra tamin’ny zavatra rehetra ka tsy nitady ny hahasoa azy ihany, fa ny hahasoa ny maro mba hovonjena izy.’ — 1 Korintiana 10:24, 33.
4. Tamin’ny fomba ahoana i Abrahama sy i Saraha no novaliana soa noho ny fampisehoana hatsaram-panahy rehefa nahay nampiantrano vahiny izy ireo?
4 Indraindray ny hatsaram-panahy dia miseho amin’ny alalan’ny fahaiza-mampiantrano vahiny avy amin’ny fo. Tsara fanahy sy nahay nampiantrano vahiny telo mirahalahy nandalo indray andro i Abrahama sy i Saraha vadiny. Nandresy lahatra azy ireo mba hijanona kelikely i Abrahama, sady nanomana haingana sakafo tsara ho an’ireo mpitsidika izy sy i Saraha. Fantatra tatỳ aoriana ho anjelin’i Jehovah ireo vahiny ireo, ka ny iray taminy dia nampita ilay fampanantenana fa hiteraka zazalahy i Saraha efa be taona sady tsy nanan-janaka. (Genesisy 18:1-15). Endrey izany valisoa noho ny fahaiza-mampiantrano vahiny tamin-katsaram-panahy!
5. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Gaio hatsaram-panahy, ary ahoana no hahafahantsika hanao zavatra mitovy amin’izany?
5 Ny fomba iray azon’ny kristiana rehetra ampisehoana hatsaram-panahy dia amin’ny fahaiza-mampiantrano vahiny. (Romana 12:13; 1 Timoty 3:1, 2). Mifanaraka amin’izany, dia mampiseho fahaiza-mampiantrano vahiny amin-katsaram-panahy amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany, ireo mpanompon’i Jehovah. Izany dia mampahatsiaro ny hatsaram-panahy nasehon’i Gaio, kristiana iray tamin’ny taonjato voalohany. Nanao ‘asa nahatoky’ izy tamin’ny fandraisana tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny ireo rahalahy tonga nitsidika — ary anefa “vahiny” tsy fantany teo aloha izy ireo. (3 Jaona 5-8). Mazàna dia fantatsika ireo izay azontsika ampisehoana fahaiza-mampiantrano vahiny amin-katsaram-panahy. Angamba voamaritsika fa malahelo mafy ny anabavy ara-panahy iray. Mety ho tsy mpino na olona voaroaka mihitsy aza ny vadiny. Fahafahana hampiseho hatsaram-panahy tokoa ny fanasana azy indraindray mba hifaly amin’ny fifaneraserana ara-panahy sy ny sakafo miaraka amin’ny fianakaviantsika! Na dia mety tsy hamelatra sakafo fanasana lehibe aza isika, dia azo antoka fa hahita fifaliana ny fianakaviantsika hampiseho hatsaram-panahy amin’izany anabavy izany. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:17.) Ary tsy isalasalana fa haneho ny fankasitrahany noho izany am-bava na amin’ny fisaorana feno hatsaram-panahy an-tsoratra izy.
6. Tamin’ny ahoana no nampisehoan’i Lydia hatsaram-panahy, ary nahoana no zava-dehibe ny hampisehoana fankasitrahana noho ny asa feno hatsaram-panahy?
6 Rehefa avy natao batisa i Lydia, vehivavy tia fivavahana iray, dia “nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo [i Paoly sy ireo niaraka taminy] ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.” “Dia nanery anay izy”, hoy ny teny nanampin’i Lioka. Tsy isalasalana fa nankasitrahana ny hatsaram-panahin’i Lydia. (Asan’ny apostoly 16:14, 15, 40). Fa ny tsy fahaizana mampiseho fankasitrahana kosa dia mety hahaketraka. Indray mandeha, ny anabavy 80 taona, izay voafetra ny heriny sy ny fivelomany, dia niezaka mafy mba hanomana sakafo ho an’ny vahiny vitsivitsy. Diso fanantenana indrindra izy rehefa tsy nilaza taminy akory ny tovolahy iray fa tsy ho afaka ny ho tonga. Tamin’ny tarehin-javatra hafa, dia tsy tonga tany amin’ny sakafo nomanin’ny vehivavy tanora iray manokana ho azy ireo ny anabavy roa. “Tafintohina aho”, hoy izy, “satria samy tsy nanadino izy mirahavavy ireo. (...) Ho naleoko aza nahare hoe nanadino tanteraka ny amin’ilay sakafo izy ireo, nefa samy tsy nanana hatsaram-panahy na fitiavana hiantso ahy an-telefaonina izy mirahavavy.” Moa ve ny hatsaram-panahy, vokatry ny fanahy masina, tsy hanosika anao hankasitraka sy hieritreritra ny hafa ao anatin’ny toe-javatra toy izany?
Mahatonga antsika hampiseho fiheverana ny hatsaram-panahy
7. Zavatra inona momba ny hatsaram-panahy no asehon’ny ezaka natao mba hanarahana ireo fanirian’i Jakoba momba ny fandevenana azy?
7 Tokony hanosika antsika hampiseho fiheverana ny hafa sy ny fanirian’izy ireo azo ekena ny hatsaram-panahy. Ho ohatra hampisehoana izany: Nangataka an’i Josefa zanany i Jakoba (Isiraely) mba haneho hatsaram-panahy taminy ka tsy handevina azy tany Egypta. Na dia nitaky ny hitondrana ny vatan’i Jakoba lavitra be aza izany, dia “nitondra azy tany amin’ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ny zohy amin’ny saha Makpela” i Josefa sy ireo zanakalahin’i Jakoba hafa. (Genesisy 47:29, NW; 49:29-31; 50:12, 13). Mifanaraka amin’izany ohatra izany, moa ve ny hatsaram-panahy tsy tokony hanosika antsika hanaiky ny fandaharana ho amin’ny fandevenana azo ekena araka ny Soratra masina irin’ny mpianakavintsika kristiana iray?
8. Inona no ampianarin’ny ohatr’i Rahaba antsika momba ny famaliana soa noho ny hatsaram-panahy?
8 Rehefa mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana amintsika ny hafa, moa ve isika tsy tokony haneho fankasitrahana na hitady fomba hanaovan-javatra ho setrin’izany? Azo antoka fa tokony hanao izany isika. Nampiseho hatsaram-panahy i Rahaba janga tamin’ny fanafenana ireo mpisafo tany isiraelita. Noho izany, dia nampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana ireo Isiraelita tamin’ny fiarovana azy sy ny ankohonany tsy ho faty rehefa nandringana ny tanànan’i Jeriko izy ireo. (Josoa 2:1-21, NW; 6:20-23). Endrey izany ohatra tsara dia tsara mampiseho fa tokony hamaly soa noho ny hatsaram-panahy naseho tamintsika isika amin’ny fampisehoan’ny tenantsika koa fiheverana sy hatsaram-panahy!
9. Nahoana ianao no hilaza fa mety ny hangatahantsika amin’olona mba hampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana amintsika?
9 Momba izany, dia mety ny mangataka olona mba hampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana amintsika. Izany no nataon’i Jonatana, zanak’i Saoly mpanjakan’ny Isiraely voalohany. Nangataka tamin’i Davida sakaizany tsy foiny tanora kokoa i Jonatana mba hampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana taminy sy ny ankohonany. (1 Samoela 20:14, 15, NW; 2 Samoela 9:3-7). Tadidin’i Davida izany rehefa namaly faty noho ny ratsy nataon’i Saoly tamin’ireo Gibeonita izy. Nahatsiaro “ny fianianana tamin’i Jehovah” nataon’ny tenany sy i Jonatana i Davida ka naneho hatsaram-panahy niharo fitiavana tamin’ny fitsimbinana ny ain’i Mefiboseta zanak’i Jonatana. (2 Samoela 21: 7, 8). Moa ve isika mamela ‘ny Eny nataontsika ho Eny’, mitovy amin’izany? (Jakoba 5:12, MN). Ary raha loholon’ny kongregasiona isika, moa ve isika miantra toy izany rehefa mila ny hampisehoana hatsaram-panahy miharo fitiavana ireo mpiray finoana amintsika?
Manamafy ireo fatorana ny hatsaram-panahy
10. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny hatsaram-panahy niharo fitiavan’i Rota?
10 Manamafy ny fatoram-pianakaviana ny hatsaram-panahy miharo fitiavana ary mampitombo ny fahasambarana. Izany no nasehon’ny ohatr’i Rota moabita. Niasa mafy sady naharitra izy nitsimpona ny voa navelan’ireo mpijinja tao amin’ny sahan’i Boaza efa be taona tany akaikin’i Betlehema, ka nahazo sakafo ho an’ny tenany sy ho an’i Naomy rafozambaviny nahantra. (Rota 2:14-18, MN). Nilaza toy izao tamin’i Rota i Boaza tatỳ aoriana: “Naneho ny hatsaram-panahinao miharo fitiavana tamin’ny fomba tsara kokoa ianao tamin’izao farany izao noho ny tamin’ny voalohany, tamin’ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manankarena.” (Rota 3:10, NW). Tamin’ny voalohany, dia nampiseho hatsaram-panahy niharo fitiavana tamin’i Naomy i Rota. “Tamin’izao farany izao”, dia naneho hatsaram-panahy niharo fitiavana io vehivavy moabita io tamin’ny fanekena an-tsitrapo ny hanambady an’i Boaza efa be taona mba hamelo-maso ny anaran’ny vadiny maty sy ny an’i Naomy efa antitra. Nanjary renin’i Obeda, raiben’i Davida, tamin’i Boaza i Rota. Ary nomen’i Jehovah azy ny “valim-pitia lehibe” ho anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy. (Rota 2:12; 4:13-17; Matio 1:3-6, 16; Lioka 3:23, 31-33). Fitahiana toy inona avy moa no nentin’ny hatsaram-panahin’i Rota ho an’ny tenany sy ny fianakaviany! Amin’izao andro izao koa, dia hita ny fitahiana, ny fahasambarana sy ny fanamafisana ireo fatorana ara-pianakaviana rehefa miroborobo ao amin’ireo tokantrano misy fitiavana an’Andriamanitra ny hatsaram-panahy miharo fitiavana.
11. Inona no vokatra nentin’ny hatsaram-panahin’i Filemona?
11 Manamafy ireo fatorana ao anatin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah ny hatsaram-panahy. I Filemona, lehilahy kristiana, dia fantatra noho ny nampisehoany hatsaram-panahy niharo fitiavana tamin’ireo mpiray finoana taminy. Nilaza toy izao taminy i Paoly: “Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ny fivavahako, satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra (...) Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ny [firaiketam-po maneho fitiavana ao amin’ny, MN] olona masina, ry rahalahy.” (Filemona 4-7). Tsy milaza ny Soratra masina hoe tamin’ny fomba ahoana no namelombeloman’i Filemona ny firaiketam-po feno fitiavan’ireo olona masina. Kanefa tsy maintsy nampiseho hatsaram-panahy niharo fitiavana tamin’ireo voahosotra tahaka azy tamin’ny fomba samihafa izay namelombelona azy ireo izy, ary tsy isalasalana fa nanamafy ny fatorana nisy teo amin’izy ireo izany. Hita amin’izao andro izao koa ny zavatra mitovy amin’izany rehefa maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana ny kristiana.
12. Niteraka inona ny hatsaram-panahy nasehon’i Onesiforosy?
12 Nisy vokany tsara koa ny hatsaram-panahin’i Onesiforosy. “Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy”, hoy i Paoly, “satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita (ny Tompo anie hampahita azy famindrampo amin’ny Tompo amin’izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.” (2 Timoty 1:16-18). Raha miezaka mafy isika mba hampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana amin’ireo mpiara-manompo amintsika, dia ho sambatra isika ka hanamafy ireo fatoran’ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy ao anatin’ny kongregasiona kristiana.
13, 14. Tamin’ny ahoana ny kongregasiona tany Filipy no fakan-tahaka, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Paoly teo anoloan’ny hatsaram-panahin’izy ireo?
13 Rehefa samy mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana amin’ireo mpiara-manompo aminy ny kongregasiona manontolo, izany dia manamafy ny fatorana misy amin’izy ireo. Nisy izany fatorana akaiky izany teo amin’i Paoly sy ny kongregasiona tao amin’ny tanànan’i Filipy. Raha ny marina, ny antony nanoratany ny taratasiny ho an’ireo Filipiana dia mba hanehoana ny fankasitrahany noho ny hatsaram-panahin’izy ireo sy ny fanampian’izy ireo ara-nofo. Nanoratra toy izao izy: “Tamin’ny niandohan’ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy hianareo ihany. Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy. (...) Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.” — Filipiana 4:15-18.
14 Tsy mahagaga raha nampidirin’i Paoly tao amin’ireo vavaka nataony ireo Filipiana tsara fanahy! Hoy izy hoe: “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana, noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.” (Filipiana 1:3-5). Ny fanohanana ny asa fitoriana ilay Fanjakana amin’ny fo feno hatsaram-panahy sy amim-pahalalahan-tanana toy izany dia tsy mahatonga ny kongregasiona hahantra na oviana na oviana. Rehefa avy nanao tamin-katsaram-panahy izay azony natao tamin’izany lafiny izany ireo Filipiana, dia nanome azy ireo izao toky izao i Paoly: “Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:19). Eny, mamaly soa noho ny hatsaram-panahy sy ny fahalalahan-tanana Andriamanitra. Hoy ny Teniny hoe: “Izay soa ataon’ny olona rehetra no horaisiny amin’ny Tompo [Jehovah].” — Efesiana 6:8.
Rehefa mampiseho hatsaram-panahy ireo vehivavy
15, 16. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahatsiarovana ny hatsaram-panahin’i Dorkasy, ary inona no nitranga rehefa maty izy? b) Amin’ny ahoana no tondraka ny asa soa ataon’ireo vehivavy kristiana manana fo feno hatsaram-panahy amin’izao andro izao?
15 Tsy very maina foana ka hoe tsy nahazo valisoa ny hatsaram-panahy niharo fitiavan’i Dorkasy (Tabita) mpianatra. “Be [tondraka, MN] ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany”, ary rehefa ‘narary izy ka maty’, dia nampiantso an’i Petera tany Lyda ny mpianatra. Rehefa tonga io, dia “nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony.” Alao sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra: Mpitondratena nalahelo sy nitomany nilaza tamin’ilay apostoly ny amin’ny hatsaram-panahin’i Dorkasy sy nampiseho taminy ireo akanjo porofon’ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny. Nampandeha ny rehetra i Petera ka nandohalika mba hivavaka ary nitodika tany amin’ilay faty. Henoy ange! Hoy izy hoe: “Ry Tabita, mitsangàna.” Dia indro! “Nahirany ny masony; ary raha nahita an’i Petera izy, dia niarina. Ary Petera nanolo-tànana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.” (Asan’ny apostoly 9:36-41). Endrey izany fitahiana avy tamin’Andriamanitra!
16 Izany no fananganana amin’ny maty voalohany nataon’ny apostolin’i Jesosy Kristy voarakitra an-tsoratra. Ary nifototra tamin’ny hatsaram-panahy ny toe-javatra nitarika ho amin’io fahagagana mahatalanjona io. Iza no afaka milaza fa ho naverina ho amin’ny fiainana indray i Dorkasy raha tsy tondraka ny asa soa sy ny fiantrana nataony — raha tsy be hatsaram-panahy niharo fitiavana izy? Tsy vitan’ny hoe notahina i Dorkasy sy ireo mpitondratena ireo, fa nitondra fanambarana ny amin’ny voninahitr’Andriamanitra io fahagagana ny amin’ny nitsanganany tamin’ny maty io. Eny, “fantatra eran’i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.” (Asan’ny apostoly 9:42). Amin’izao andro izao, dia tondraka koa ny asa soa ataon’ireo vehivavy kristiana manana fo feno hatsaram-panahy — angamba manjaitra akanjo ho an’ireo mpiray finoana aminy, manomana sakafo ho an’ireo efa antitra eo anivontsika, maneho fahaiza-mampiantrano vahiny amin’ny hafa. (1 Timoty 5:9, 10). Endrey izany fanambarana ataon’izany ho an’ireo mpitazana! Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia sambatra toy inona moa isika fa nanosika ‘ireo vehivavy mahaforona antokony lehibe ireo hilaza ny vaovao tsara’ ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahy, ho voninahitr’ilay Andriamanitsika, dia i Jehovah! — Salamo 68:11, MN.
Aza mitsahatra mikatsaka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana
17. Inona no voalaza ao amin’ny Ohabolana 21:21, ary amin’ny ahoana no iharan’izany teny izany amin’ny olona tia an’Andriamanitra?
17 Izay rehetra maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy mikatsaka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana. “Izay fatra-panaraka [mikatsaka, NW] fahamarinana sy famindrampo [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra”, hoy ny ohabolana mampiseho fahendrena iray. (Ohabolana 21:21, NW). Ny olona iray tia an’Andriamanitra dia mikatsaka ny fahamarinana araka an’Andriamanitra amim-pahazotoana, ka manaiky hotarihin’ireo fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra mandrakariva. (Matio 6:33). Mampiseho fitiavana tsy mivadika, na hatsaram-panahy miharo fitiavana, amin’ny hafa hatrany izy eo amin’ny ara-nofo ary indrindra fa eo amin’ny ara-panahy. Amin’ny fanaovana izany, dia mahita fahamarinana izy, satria ny fanahin’i Jehovah dia manampy azy hiaina amin’ny fomba marina. Raha ny marina, dia ‘mitafy fahamarinana’ sahala amin’i Joba, lehilahy tia an’Andriamanitra, izy. (Joba 29:14). Ny olona toy izany dia tsy mikatsaka ny voninahitry ny tenany ihany. (Ohabolana 25:27). Fa mandray izay voninahitra avelan’i Jehovah ho azony kosa izy, angamba rehefa maneho fanajana aminy ny mpiara-belona aminy izay atosik’Andriamanitra hanao zavatra ho azy amin-katsaram-panahy noho ny hatsaram-panahy niharo fitiavana nasehon’ny tenany tamin’izy ireo. Ambonin’izany, ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra amim-pahatokiana dia hahita fiainana — tsy mandritra ny taona vitsivitsy mihelina fotsiny, fa mandrakizay.
18. Nahoana isika no tokony hikatsaka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana?
18 Noho izany, dia aoka izay rehetra tia an’i Jehovah Andriamanitra hanohy hikatsaka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana. Io toetra io dia mahatonga antsika ho tsy foin’Andriamanitra sy ny hafa. Mampitombo ny fahaiza-mampiantrano vahiny izy io ary mahatonga antsika hampiseho fiheverana. Manamafy ny fatorana ao anatin’ny fianakaviana sy ny kongregasiona kristiana ny hatsaram-panahy. Ankasitrahan’ny hafa sy heveriny ho mendri-kaja ireo vehivavy mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana. Ary izay rehetra mikatsaka io toetra mendrika hoderaina io dia mitondra voninahitra ho an’ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miharo fitiavana, dia i Jehovah.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny ahoana i Abrahama no fakan-tahaka raha ny amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy?
◻ Inona no ampianarin’ny ohatr’i Rahaba amintsika momba ny famaliana soa noho ny hatsaram-panahy?
◻ Tamin’ny ahoana no nampisehoan’ny kongregasionan’i Filipy hatsaram-panahy?
◻ Amin’ny ahoana no tondraka ny asa soa ataon’ireo vehivavy kristiana manana fo feno hatsaram-panahy amin’izao andro izao?
◻ Nahoana isika no tokony hikatsaka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana?