FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 3
  • Mamaly ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mamaly ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no angatahin’ny sasany?
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Ny Vavaka Ataon’iza no Mahazo Valiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ireo vavaka mahazo valiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 3

Mamaly ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

“TSY nahatsapa na oviana na oviana aho hoe novaliana ny vavaka nataoko”, hoy ny vehivavy iray monina any Hokkaido, any Japana. Tsy izy irery no toy izany. Olona maro be no mahatsapa fa tsy mahazo valiny mihitsy ny vavaka ataony. Raha ny marina, dia mety ho gaga ianao raha mamaly ny vavaka ataonao Andriamanitra.

An-tapitrisany maro no manao vavaka tsy tambo isaina amin’andriamanitra tsy tambo isaina. Nahoana no toa vavaka maro be aoka izany no tsy mahazo valiny? Mba hahitana izany, dia aoka isika aloha handinika ireo karazam-bavaka atolotry ny olona.

Inona no angatahin’ny sasany?

Mandritra ny Taom-baovao, dia androatokon’ny mponina any Japana na eo amin’ny olona 80 tapitrisa eo ho eo, no mivavaka any amin’ireo fitoerana masin’i Shinto na any amin’ireo tempoly bodista. Manome vola madinika izy ireo ho fanatitra ary mangataka fanambinana sy fiarovana ho an’ny fianakaviana.

Amin’ny Janoary sy Febroary, alohan’ny fanadinana fifaninanana indrindra, ny mpianatra dia mirohotra mankany amin’ireo fitoerana masina, toy ilay iray any Tokyo izay malaza noho ny andriamanitry ny fampianarana ao aminy. Manoratra ny faniriany eo amin’ny takelakazo fasiana vavaka izy ireo ary manantona izany eo amin’ireo tsivalan-kazo eo amin’ny manodidina ireo fitoerana masina. Fara fahakeliny dia 100 000 tamin’ireny takelakazo ireny no nanemitra ny fefin’ilay fitoerana masina malaza any Tokyo nandritra ny fotoam-panadinana 1990.

Vavaka maro be no mahakasika fahasalamana. Ao amin’ny fitoerana masina iray any Kawasaki, any Japana, dia mangataka fiarovana amin’ny SIDA ny olona. “Ny maha-zava-dehibe ny fangatahana tsy ho voan’ny SIDA”, hoy ny nohazavain’ilay mpisorona ao amin’ny fitoerana masina, “dia noho izy io hahatonga ny olona hitandrina ny fitondrantenany.” Nefa ny amin’izay ihany ve no ivavahan’ny olona?

Tao amin’ny tempoly hafa, dia nisy vaviantitra iray nivavaka mba ho “faty tampoka”. Nahoana? Satria naniry ny tsy hijaly amin’ny aretina maharitra izy ary tsy naniry ny hanjary enta-mavesatra ho an’ny fianakaviany.

Tao amin’ny tany iray milaza ho kristiana, dia nivavaka ny kapitenin’ny ekipa mpilalao baolina kitra iray mba handresen’ny ekipany sy hiarovana azy tsy haratra. Ireo katolika any Pôlônina dia mivavaka mba ho sambatra ary mampihaingo ny sary vongan’i Maria amin’ny firavaka sady mino fa henoina ny vavaka ataony. Olona maro be no mirohotra mankany am-piangonana toy ilay Guadalupe malaza ao amin’ny tanànan’i Mexique sy i Lourdes, any Frantsa, mangataka fanasitranana mahagaga.

Ny olona any Atsinanana sy any Andrefana dia manolotra vavaka noho ny antony manokana maro be sady isan-karazany. Mazava ho azy fa maniry ny hihainoana sy hamaliana ny vavaka ataony izy ireny. Kanefa araka ny tokony ho izy ve ny hanantenana fa hohenoina tsara daholo ny vavaka rehetra? Ahoana ny amin’ny vavaka ataonao manokana? Mahazo valiny ve izy ireny? Raha ny marina, moa ve Andriamanitra mba mamaly vavaka ihany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara