FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 9-14
  • Manehoa Finoana Miorina Amin’ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manehoa Finoana Miorina Amin’ny Fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe finoana?
  • Miorina amin’ny fahamarinana fototra
  • Vokatry ny fanahy masina
  • Fandavorariana ny finoana
  • Nahoana no mamakafaka ny finoantsika?
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Finoana: Ilay Toetra Manome Hery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Ampio Aho eo Amin’izay Ilàko Finoana!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 9-14

Manehoa Finoana Miorina Amin’ny Fahamarinana

“Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” — HEBREO 11:6.

1, 2. Ahoana no nisedrana ny finoan’i Adama, ary inona no vokany?

NY FINOANA dia mitaky zavatra mihoatra noho ny fiekena fa misy Andriamanitra. Tsy nanana fisalasalana ny amin’ny fisian’i Jehovah Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nampita hafatra tamin’i Adama Andriamanitra, azo inoana marimarina fa tamin’ny alalan’ny Zanany, ny Teny. (Jaona 1:1-3; Kolosiana 1:15-17). Kanefa dia nafoin’i Adama ny fahatsinjovany fiainana mandrakizay noho izy tsy nankatò an’i Jehovah sy tsy naneho finoana azy.

2 Toa notandindomin-doza ny fahasambaran’i Adama ho avy rehefa tsy nankatò an’i Jehovah i Eva vadiny. Eny, na dia ny fieritreretana fotsiny ny hamoizana ny vadiny aza dia nisedra ny finoan’ilay lehilahy voalohany! Moa ve Andriamanitra ho afaka handamina io zava-manahirana io amin’ny fomba izay hiantoka ny fitohizan’ny fahasambaran’i Adama sy izay mahasoa azy? Tamin’ny fanarahana an’i Eva tamin’ny fandikan-dalàna, dia nasehon’i Adama fa toa tsy nino izany izy. Nanandrana nandamina ilay zava-manahirana tamin’ny fombany manokana izy, fa tsy nitady fatratra ny fitarihan’Andriamanitra. Tamin’ny tsy fanehoana finoana an’i Jehovah, i Adama dia nitondra fahafatesana ho an’ny tenany sy ny taranany rehetra. — Romana 5:12.

Inona no atao hoe finoana?

3. Amin’ny ahoana ny famaritan’ny Baiboly ny atao hoe finoana no hafa noho ilay omen’ny rakibolana iray?

3 Ny rakibolana iray dia mamaritra ny finoana ho “fiekena mafy ny amin’ny zavatra iray izay tsy ananana porofo”. Tsy manohana velively izany fiheverana izany anefa ny Baiboly fa manantitrantitra kosa ny mifanohitra amin’izany indrindra. Miorina amin’ny zava-misy ny finoana, amin’ny zavatra tena izy, amin’ny fahamarinana. Hoy ny Soratra masina: “Ny finoana dia fiandrasana azo antoka ny zavatra antenaina, fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy tazana aza.” (Hebreo 11:1, NW). Ny olona manam-pinoana dia manana antoka fa ny zava-drehetra nampanantenain’Andriamanitra dia azo lazaina hoe tanteraka. Mafy aoka izany ilay porofo mampiaiky ny amin’ny zavatra tena izy nefa tsy hitan’ny maso hany ka lazaina fa ny finoana dia mitovy amin’io porofo io.

4. Ahoana no anohanan’ny boky fakàn-teny iray ny famaritan’ny Baiboly ny atao hoe finoana?

4 Ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia adika hoe “maneho finoana” indraindray ny endriny mpanao amin’ny matoanteny hebreo hoe ʼa·manʹ. Araka ny Theological Wordbook of the Old Testament, “ao anatin’ny dikan’ilay fototeny dia ahitana hevitra momba ny fahazoana antoka (...) mifanohitra amin’ny fiheverana môderina ny amin’ny finoana ho toy ny zavatra mety hisy sy antenaina ho marina, kanefa tsy azo antoka.” Hoy io boky io ihany: “Ilay teny mitovy fototeny hoe ʼāmēn ‘marina tokoa’, dia nafindra tao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ilay teny hoe amēn dia ilay teny hoe ‘amen’ amin’ny fiteny anglisy. Nampiasa matetika ilay teny i Jesosy (Mat. 5:18, 26, ets.) mba hanamafisana ny maha-azo antoka ny raharaha iray.” Ilay teny nadika hoe “finoana” ao amin’ny Soratra grika kristiana koa dia midika hoe fiekena ny amin’ny zavatra iray miorina mafy amin’ny zava-misy na ny fahamarinana.

5. Ahoana no nampiasana ilay teny grika nadika hoe “fiandrasana azo antoka” ao amin’ny Hebreo 11:1 (NW) tao amin’ireo taratasim-barotra fahiny, ary inona no hevitr’izany ho an’ny kristiana?

5 Ny teny grika (hy·poʹsta·sis) nadika hoe “fiandrasana azo antoka” ao amin’ny Hebreo 11:1 (NW) dia nampiasaina matetika tao amin’ireo taratasim-barotra vita tamin’ny “papyrus” fahiny mba hilazana ny hevitra momba ny zavatra iray izay miantoka ny fananan-javatra amin’ny hoavy. Nanipy hevitra ny amin’ny fandikana toy izao, ireo manam-pahaizana atao hoe Moulton sy Milligan: “Ny finoana dia taratasy filazana fananana momba ireo zavatra antenaina.” (Voambolan’ny Testamenta Grika [anglisy]). Mazava ho azy fa raha manana taratasy filazana ny maha-tompom-pananana azy ny olona iray, dia afaka ‘miandry amin’ny fomba azo antoka’ izy fa indray andro any dia ho tanteraka ny fanantenany hahazo azy io.

6. Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe “fampisehoana miharihary” ao amin’ny Hebreo 11:1 (MN)?

6 Ao amin’ny Hebreo 11:1, ny teny grika hoe “fampisehoana miharihary” (eʹleg·khos) dia manana ny hevitra hoe manolotra porofo mba hampisehoana zavatra iray, indrindra fa zavatra mifanohitra amin’izay miseho ho toa marina. Ny porofo tsy azo lavina na azo tsapaina dia manazava tsara izay tsy voavaka teo aloha, ka noho izany dia mandiso izay niseho ho toa marina fotsiny. Koa na ao amin’ny Soratra hebreo na ao amin’ny Soratra grika, ny hoe finoana dia tsy “fiekena mafy ny amin’ny zavatra iray izay tsy ananana porofo” velively. Mifanohitra amin’izany, ny finoana dia miorina amin’ny fahamarinana.

Miorina amin’ny fahamarinana fototra

7. Ahoana no nilazalazan’i Paoly sy i Davida an’ireo izay mandà ny fisian’Andriamanitra?

7 Nilaza fahamarinana fototra iray ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ny amin’ny Mpamorona fa ireo “toetrany tsy hita maso dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, noho izy ireo hitan’ny zavatra natao, na dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy aza, ka tsy azo alàna tsiny [ireo mpanohitra ny fahamarinana].” (Romana 1:20, NW). Eny, “ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra” ary ‘henika ny zavatra nataony ny tany’. (Salamo 19:1; 104:24). Kanefa, ahoana raha toa ny olona iray ka tsy vonona ny handinika ilay porofo? Hoy i Davida mpanao salamo hoe: “Ny ratsy fanahy, araka ny fieboeboany, [“noho izy mirehareha”, The New English Bible] dia tsy manao fikarohana; izao no tontalin-keviny: ‘Tsy misy Andriamanitra’ ”. (Salamo 10:4, NW; 14:1). Amin’ny lafiny sasany, ny finoana dia miorina amin’ilay fahamarinana fototra hoe: misy Andriamanitra.

8. Fahazoana antoka sy fahaiza-manavaka inona moa no mety hananan’izay maneho finoana?

8 Tsy hoe misy fotsiny Andriamanitra; mendrika itokiana koa izy, ary afaka miantehitra amin’ny fampanantenany isika. Niteny toy izao izy: “Azo antoka fa, toy izay noheveriko no tsy maintsy hitrangan’izany, ary toy ny nanoroako hevitra no hahatanteraka izany.” (Isaia 14:24, NW; 46:9, 10). Tsy teniteny foana akory ireo. Misy porofo mazava fa faminaniana an-jatony maro voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no efa tanteraka. Noho io fanazavana io, dia afaka manavaka koa ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly maro hafa amin’izao andro izao ireo maneho finoana. (Efesiana 1:18). Hitan’izy ireo, ohatra, ny fahatanterahan’ilay “famantarana” ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy, anisan’izany ny fitoriana nohafainganina momba ilay Fanjakana efa miorina, ary koa ny fitaran’ny fanompoam-pivavahana marina nambara mialoha. (Matio 24:3-14; Isaia 2:2-4; 60:8, 22). Fantany fa tsy ho ela ireo firenena dia hihiaka hoe “Miadana sy mandry fahizay”, ary fotoana fohy aorian’izay, Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. (1 Tesaloniana 5:3; Apokalypsy 11:18). Fitahiana toy inona moa ny manana finoana miorina amin’ireo fahamarinana ara-paminaniana!

Vokatry ny fanahy masina

9. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fanahy masina?

9 Ny fahamarinana izay eo aminy no iorenan’ny finoana dia hita ao amin’ny Baiboly, izay natao tamin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. (2 Samoela 23:2; Zakaria 7:12; Marka 12:36). Araka ny fandrindran-kevitra àry ny tsy ahafahan’ny finoana hisy afa-tsy avy amin’ny fiasan’ny fanahy masina ihany. Izany no nahafahan’i Paoly nanoratra hoe: “Ny vokatry ny fanahy dia [mahatafiditra ny] (...) finoana”. (Galatiana 5:22, NW). Maro anefa ireo mandà ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, amin’ny fandotoana ny fiainan’izy ireo amin’ny filan’ny nofo sy ny fomba fiheverana izay mampalahelo ny fanahin’Andriamanitra. Araka izany, dia “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”, noho izy ireo tsy manana fototra iorenana mba hampitomboana izany. — 2 Tesaloniana 3:2; Galatiana 5:16-21; Efesiana 4:30.

10. Ahoana no nampisehoan’ny mpanompon’i Jehovah voalohany sasany fa naneho finoana izy ireo?

10 Teo amin’ireo taranak’i Adama anefa, dia nisy olona sasany naneho finoana. Ny Hebreo toko faha-11 dia manisy fitenenana ny amin’i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Jakoba, i Josefa, i Mosesy, i Rahaba, i Gideona, i Baraka, i Samsona, i Jefta, i Davida, ary i Samoela mbamin’ny mpanompon’i Jehovah maro tsy voatonona anarana, izay “efa nahazo laza tsara noho ny finoana”. Mariho izay natao noho ny “finoana”. Finoana no “nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra” sy “nanamboaran’i Noa sambo-fiara”. Finoana no “naneken’i Abrahama (...) hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova”. Ary raha ny amin’i Mosesy, dia finoana no “nandaozany an’i Egypta”. — Hebreo 11:4, 7, 8, 27, 29, 39.

11. Inona no asehon’ny Asan’ny apostoly 5:32 raha ny amin’ireo olona mankatò an’Andriamanitra?

11 Miharihary fa ireo mpanompon’i Jehovah rehetra ireo dia nanao zavatra mihoatra noho ny fiekena fotsiny fa misy Andriamanitra. Tamin’ny fanehoana finoana, izy ireo dia natoky azy ho Ilay “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6). Nanao izay nitarihan’ny fanahin’Andriamanitra azy hataony izy ireo, nanao zavatra tamim-pahalalana marina ny fahamarinana izay azo nampiasaina tamin’izany fotoana izany, na dia voafetra aza. Endrey izany tsy fitoviana tamin’i Adama! Tsy nanao zavatra tamim-pinoana niorina tamin’ny fahamarinana na nifanaraka tamin’ny fitarihan’ny fanahy masina izy. Izay mankatò azy ihany no omen’i Jehovah ny fanahiny. — Asan’ny apostoly 5:32.

12. a) Nanam-pinoana ny amin’inona i Abela, ary ahoana no nanehoany izany? b) Na dia teo aza ny finoan’izy ireo, inona no tsy noraisin’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristiana?

12 Tsy nitovy tamin’i Adama rainy, fa nanam-pinoana i Abela tia an’Andriamanitra. Toa fantany avy tamin’ireo ray aman-dreniny ilay faminaniana voalohany mbola tsy nisy toy azy hoe: “Ampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Andriamanitra, araka izany, dia nampanantena ny hanafoana ny faharatsiana ary hamerina amin’ny laoniny ny rariny. Ny amin’ny hoe ahoana no hahatanterahan’io faminaniana io, dia tsy nahalala izany i Abela. Kanefa ny finoany fa Andriamanitra dia Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy dia ampy fahatanjahana mba hanosika azy hanolotra fanatitra. Azo inoana fa nieritreritra betsaka ny amin’ilay faminaniana izy ary nino fa tsy maintsy ilaina ny fandatsahan-dra mba hanatanterahana ilay fampanantenana ary mba hanandratana ny taranak’olombelona ho amin’ny fahalavorariana. Noho izany, dia nety ny sorona biby nataon’i Abela. Na dia teo aza anefa ny finoan’izy ireo, i Abela sy ireo vavolombelon’i Jehovah hafa talohan’ny andro kristiana “dia tsy mba nahazo ny fahatanterahan’ilay fampanantenana”. — Hebreo 11:39, NW.

Fandavorariana ny finoana

13. a) Inona no fantatr’i Abrahama sy i Davida mikasika ny fahatanterahan’ilay fampanantenana? b) Nahoana no azo natao ny nilaza fa “ny fahamarinana (...) dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”?

13 Ara-potoana, nandritra ireo taonjato, i Jehovah dia nampahafantatra fahamarinana fanampiny mikasika ny fomba hahatanteraka ilay fampanantenana ny amin’ny ‘taranaky ny vehivavy’. Izao no nolazaina tamin’i Abrahama: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:18). Tatỳ aoriana i Davida mpanjaka dia nilazana fa ilay Taranaka nampanantenaina dia ho avy amin’ny tarana-mpanjaka nisy azy. Niseho ho ny tenan’i Jesosy Kristy io Taranaka io tamin’ny taona 29 am.fan.ir.. (Salamo 89:3, 4; Matio 1:1; 3:16, 17). Nifanohitra tamin’i Adama tsy nanam-pinoana, i Jesosy Kristy ilay “Adama farany” dia fakan-tahaka tamin’ny fanehoana finoana. (1 Korintiana 15:45). Nanana fiainana feno fanompoana an’i Jehovah tamim-pandavan-tena izy ary nanatanteraka ireo faminaniana maro nanambara mialoha ny Mesia. Nataon’i Jesosy, araka izany, izay hampahazava kokoa ny fahamarinana mikasika ilay Taranaka nampanantenaina ary napetrany teo amin’ny faritry ny tena izy ireo zavatra naseho ho tandindona tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Kolosiana 2:16, 17). Noho izany, dia azo natao ny nilaza fa “ny fahamarinana (...) dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. — Jaona 1:17.

14. Ahoana no nanehoan’i Paoly tamin’ireo Galatiana fa naka endriny vaovao ny finoana?

14 Amin’izao nahatongavan’ny fahamarinana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izao, dia nisy fototra nihalehibe nanorenana ny finoana an’ilay “fampanantenana”. Natao mafy orina kokoa sady naka endriny vaovao ny finoana, raha azo atao ny milaza izany. Ny amin’izany dia hoy i Paoly tamin’ireo kristiana voahosotra namany: “Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin’ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an’i Jesosy Kristy. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika. Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” — Galatiana 3:22-26.

15. Ahoana ihany no azo nandavorariana ny finoana?

15 Ireo Isiraelita dia naneho finoana ny fifandraisan’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàna. Izao anefa dia nilaina ny hampitomboana io finoana io. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanehoana finoana an’ilay voahosotry ny fanahy, dia i Jesosy, ary ny hitarika azy ireo ho aminy no nanaovana ny Lalàna. Tamin’izany fomba izany ihany no nahafahan’ny finoana talohan’ny andro kristiana ho lavorary. Zava-dehibe tokoa ho an’ireo kristiana voalohany ireo ny ‘hibanjinana an’i Jesosy, ilay Iraka Lehibe indrindra sy Mpandavorary ny finoan’izy ireo’! (Hebreo 12:2, NW). Raha ny marina, dia mila ny manao toy izany ny kristiana rehetra.

16. Ahoana no nahatongavan’ny fanahy masina tamin’ny fomba nihanahery ary nahoana?

16 Noho ny fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra nitombo sy ny finoana lavorary vokatr’izany, moa ve ny fanahy masina koa nantenaina ho tonga tamin’ny fomba nihanahery kokoa? Eny. Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., ny fanahin’Andriamanitra, ilay mpanampy nampanantenaina noresahin’i Jesosy dia nalatsaka teo amin’ireo mpianany. (Jaona 14:26, NW; Asan’ny apostoly 2:1-4). Tamin’izay, ny fanahy masina dia niasa teo amin’izy ireo tamin’ny fomba vaovao tanteraka tamin’ny naha-rahalahin’i Kristy voahosotra azy. Nohatanjahina ny finoany izay vokatry ny fanahy masina. Izany dia nanome azy ireo fitaovana ampy ho an’ny asa goavana fanaovana mpianatra izay nivelatra teo anoloany. — Matio 28:19, 20.

17. a) Ahoana no nahatongavan’ny fahamarinana ary ny nandavorariana ny finoana hatramin’ny 1914? b) Porofo ny amin’ny fanahy masina eo am-perinasa inona no ananantsika hatramin’ny 1919?

17 Tonga ny finoana rehefa niseho tamin’ny naha-Mpanjaka Voatendry azy i Jesosy, maherin’ny 1 900 taona lasa izay. Kanefa amin’izao efa maha-Mpanjaka manapaka any an-danitra azy izao, ny fototra ananantsika ho an’ny finoana — dia ny fahamarinana voambara — dia nitombo tamin’ny fomba mahatalanjona, ka nandavorary ny finoantsika. Toy izany koa, ny fiasan’ny fanahy masina dia natao nihanahery. Nisy porofo mazava ny amin’izany tamin’ny 1919, rehefa novelomin’ny fanahy masina indray ireo mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena avy tao amin’ny toe-piainana saiky tsy nisy fanaovana na inona na inona. (Ezekiela 37:1-14; Apokalypsy 11:7-12). Napetraka tamin’izay ny fototra ho an’ny paradisa ara-panahy iray izay nanjary niharihary kokoa sy be voninahitra kokoa isan-taona isan-taona tao anatin’ireo am-polony taona maro nanaraka. Mety hisy porofo momba ny fanahy masin’Andriamanitra eo am-perinasa lehibe kokoa noho izany ve?

Nahoana no mamakafaka ny finoantsika?

18. Ahoana no tsy nitovian’ireo mpisafo tany isiraelita teo amin’izy samy izy raha ny amin’ny finoana?

18 Fotoana fohy taorian’ny nanafahana ireo Isiraelita avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta, dia nisy lehilahy 12 nalefa hisafo ny tany Kanana. Tsy nanam-pinoana anefa ny folo taminy, nisalasala ny amin’ny fahaizan’i Jehovah hanatanteraka ny fampanantenany hanome ilay tany ho an’ny Isiraely. Natosiky ny fahitana izy ireo, natosiky ny zavatra ara-nofo. Tamin’ireo 12, dia i Josoa sy i Kaleba ihany no nampiseho fa nandeha tamim-pinoana izy ireo fa tsy tamin’ny fahitana. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 5:7.) Noho ny nanehoany finoana, dia izy ireo ihany no tafita velona ka niditra tao amin’ny Tany nampanantenaina tamin’ireo lehilahy ireo. — Nomery 13:1-33; 14:35-38.

19. Amin’ny ahoana ny fototra anorenana finoana amin’izao fotoana izao no lalina kokoa mbola tsy nisy toy izany, ary inona no tokony hataontsika na dia izany aza?

19 Amin’izao andro izao isika dia eo an-tokonan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny rariny. Raha mikasa ny hiditra amin’izany isika, dia tena ilaina ny finoana. Soa ihany fa ny fototry ny fahamarinana izay iorenan’izany finoana izany dia nihalalina mbola tsy nisy toy izany. Ananantsika ny Tenin’Andriamanitra iray manontolo, ny ohatr’i Jesosy Kristy sy ny an’ireo mpanara-dia azy voahosotra, ny fanohanan’ny rahalahy sy anabavy ara-panahy an-tapitrisany maro, ary ny fanohanan’ny fanahy masin’Andriamanitra lehibe mbola tsy nisy toy izany. Na dia izany aza, dia tsara ny hamakafakantsika amim-pitandremana ny finoantsika ary hanaovana dingana mba hanatanjahana azy raha mbola afaka manao izany.

20. Fanontaniana inona avy no mety ny hanaovana azy amin’ny tenantsika?

20 ‘Eny e, miaiky aho fa fahamarinana izany’, hoy angamba ianao. Kanefa hatraiza ny tanjaky ny finoanao? Manontania tena hoe: ‘Moa ve ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra tena zava-misy amiko toy ny fitondram-panjakan’olombelona iray? Moa ve aho manaiky ary manohana tanteraka ny fandaminan’i Jehovah hita maso sy ny Kolejy foibeny? Amin’ny mason’ny finoana, moa ve aho afaka mahita fa ireo firenena izao dia voatarika amim-pahakingana ho eo amin’ny toerana tanany farany ho amin’ny Haramagedona? Moa ve ny finoana ananako tsara kokoa noho ny an’ny “vavolombelona maro be (...) toy ny rahona” voatonona ao amin’ny Hebreo toko faha-11?’ — Hebreo 12:1; Apokalypsy 16:14-16.

21. Ahoana no anosehan’ny finoana an’ireo izay manana azy, ary amin’ny fomba ahoana no itahiana azy ireo? (Ampidiro ireo fanazavana ao amin’ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-13.)

21 Voatosika hiasa ireo izay manana finoana miorina amin’ny fahamarinana. Toy ilay fanatitra azo nekena natolotr’i Abela, ny fanati-piderana ataon’izy ireo dia ankasitrahan’Andriamanitra. (Hebreo 13:15, 16). Sahala amin’i Noa, mpitory ny rariny izay nankatò an’Andriamanitra, izy ireo dia manaraka ny lalan’ny rariny amin’ny maha-mpitorin’ilay Fanjakana. (Hebreo 11:7; 2 Petera 2:5, MN). Sahala amin’i Abrahama, ireo izay manana finoana miorina amin’ny fahamarinana dia mankatò an’i Jehovah na dia eo aza ny zava-manahirana, eny fa na dia ao anatin’ny toe-javatra faran’izay misedra aza. (Hebreo 11:17-19). Sahala amin’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky fahiny, ireo izay manam-pinoana amin’izao andro izao dia mahazo fitahiana manana amby ampy sady karakarain’ny Rainy be fitiavana any an-danitra. — Matio 6:25-34; 1 Timoty 6:6-10.

22. Ahoana no ahafahana manatanjaka ny finoana?

22 Raha mpanompon’i Jehovah ianao nefa mahita fa osa amin’ny lafiny sasany ny finoanao, inona no azonao atao? Hatanjaho ny finoanao amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny famelana ny molotrao hampiboiboika ilay ranon’ny fahamarinana izay mameno ny fonao. (Ohabolana 18:4). Raha tsy hatanjahina tsy tapaka ny finoanao, dia mety hanjary ho osa, tsy hiasa, ary ho faty mihitsy aza. (1 Timoty 1:19; Jakoba 2:20, 26). Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hitrangan’izany amin’ny finoanao mihitsy. Mitalahoa fanampiana avy amin’i Jehovah amin’ny fivavahana hoe: “Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana!” — Marka 9:24, NW.

Ahoana no havalinao?

◻ Inona no atao hoe finoana?

◻ Nahoana ny finoana no tsy afaka hisy afa-tsy avy amin’ny fahamarinana sy ny fanahy masina?

◻ Ahoana no nahatonga an’i Jesosy Kristy ho ilay Mpandavorary ny finoantsika?

◻ Nahoana isika no tokony hamakafaka ny tanjaky ny finoantsika?

[Efajoro, pejy 13]

IREO MANAM-PINOANA DIA . . .

◻ Miresaka ny amin’i Jehovah. — 2 Korintiana 4:13.

◻ Manao asa sahala amin’ny an’i Jesosy. — Jaona 14:12.

◻ Loharanom-pampaherezana ho an’ny hafa. — Romana 1:8, 11, 12.

◻ Maharesy izao tontolo izao — 1 Jaona 5:5.

◻ Tsy manana antony hatahorana — Isaia 28:16.

◻ Tsara toerana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara