Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
“ ‘Mivoaha eo aminy hianareo, (...) hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.” — 2 KORINTIANA 6:17.
1. Fifanakalozan-javatra inona no nandraman’i Satana natao tamin’i Jesosy, ary zavatra roa inona avy no ampianarin’io fanolorana nataony io antsika?
“IZAO rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Na dia natao an’arivony taona maro taorian’ny nanombohan’ny fivavahan-diso aza io fanolorana io, dia manome antsika ny fototra hahatakarana hoe iza no ao ambadiky ny fanompoam-pivavahan-diso sy izay fikasany. Tany amin’ny faramparan’ny taona 29 am.fan.ir., dia nanolotra ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao ny Devoly ho takalon’ny fanolorana fanompoam-pivavahana aminy indray mandeha. Milaza zavatra roa amintsika io fisehoan-javatra io: fa an’i Satana ireo fanjakana eo amin’ity tontolo ity ka afaka manome izany izy ary koa, fa ny zava-kendren’ny fivavahan-diso dia ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ny Devoly. — Matio 4:8, 9.
2. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 4:10?
2 Tamin’ny valinteny nomeny, i Jesosy dia tsy nanda ny fivavahan-diso fotsiny fa nampiseho koa hoe inona no tafiditra amin’ny fivavahana marina. Nanambara izy hoe: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. (Matio 4:10). Ny zava-kendren’ny fivavahana marina àry izany dia ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah. Tafiditra amin’izany ny finoana sy ny fankatoavana, ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah.
Ny niavian’ny fivavahan-diso
3. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny fivavahan-diso teto an-tany? b) Inona no fanaovan-javatra voarakitra an-tsoratra voalohany nampiseho tsy fahaiza-milefitra ara-pivavahana, ary tamin’ny fomba ahoana no nitohizan’ny fanenjehana ara-pivavahana nanomboka tamin’izay?
3 Ny fivavahan-diso dia nanomboka teto an-tany fony tsy nankatò an’Andriamanitra ireo olombelona voalohany fa nanaiky ny fanolorana nataon’ny Menarana taminy mba hanapa-kevitra ho an’ny tenany ny amin’ny “tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 3:5). Tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia nanda ny fiandrianan’i Jehovah ara-drariny ka namela ny fanompoam-pivavahana araka ny tokony ho izy, dia ny fivavahana marina. Izy ireo no olombelona voalohany ‘nanolo ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao, fa tsy ny Mpanao’. (Romana 1:25). Ilay zavaboary tsy fantany fa nofidiny mba hotolorana fanompoam-pivavahana dia tsy iza fa i Satana Devoly, “ilay menarana ela”. (Apokalypsy 12:9). Nanda tsy hanaraka ny torohevitra nomen’i Jehovah tamin-katsaram-panahy i Kaina, zanak’izy ireo lahimatoa, ka nikomy tamin’ny Fiandrianany. Na fantany izany na tsy fantany, i Kaina dia tonga “zanak’ilay ratsy”, izany hoe i Satana, sy mpanaraka ny fanompoam-pivavahana amin’ny Devoly. Namono an’i Abela, zandriny lahy, izay nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina, dia ny fivavahana marina, izy. (1 Jaona 3:12, Revised English Bible; Genesisy 4:3-8; Hebreo 11:4). Ny ran’i Abela no ra nalatsaka voalohany noho ny tsy fahaiza-milefitra ara-pivavahana. Mampalahelo ny milaza fa nanohy nandatsaka ra tsy manan-tsiny tsy an-kijanona hatramin’izao androntsika izao ny fivavahan-diso. — Jereo Matio 23:29-35; 24:3, 9.
4. Raha ny amin’i Noa, andinin-teny inona avy no mampiseho hoe inona marina ny fivavahana marina?
4 Talohan’ny Safodrano, dia nahavita nampiala ny ankamaroan’ny taranak’olombelona tamin’ny fivavahana marina i Satana. I Noa anefa dia “nahita fitia teo imason’i Jehovah”. Nahoana? Satria “niara-nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina” izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina izy. Tsy fombam-pivavahana na fombafomba akory ny fivavahana marina, fa fomba fiaina. Tafiditra amin’izany ny finoana an’i Jehovah sy ny fanompoana azy amim-pankatoavana, ny ‘fiaraha-mandeha’ aminy. Nanao izany indrindra i Noa. — Genesisy 6:8, 9, 22, MN; 7:1.
5. a) Inona no nandraman’ny Devoly naorina taorian’ny Safodrano, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanakanan’i Jehovah ny tetik’i Satana, ary inona no vokany?
5 Tsy ela taorian’ny Safodrano, i Satana dia toa nampiasa an’i Nimroda, lehilahy iray nalaza noho ny ‘fanoherany an’i Jehovah’, ka niezaka hampiray ny taranak’olombelona rehetra tao amin’ny karazana fanompoam-pivavahana iray izay hanohitra an’i Jehovah indray koa. (Genesisy 10:8, 9, MN; 11:2-4). Izany dia ho fivavahan-diso tafaray, fanompoam-pivavahana tamin’ny Devoly nampiraisina, nanana ny foibeny teo amin’ilay tanàna sy tilikambo naorin’ireo mpivavaka taminy. Nosakanan’i Jehovah izany teti-dratsy izany tamin’ny fanasafotofotoana ilay ‘fiteny iray’ nitenenan’ny olombelona rehetra tamin’izay. (Genesisy 11:5-9). Noho izany, ilay tanàna dia nanjary nantsoina hoe Babela, ary tatỳ aoriana dia hoe Babylona, izay samy midika hoe “Fisafotofotoana”. Io fisafotofotoana teo amin’ny fiteny io dia nitarika ho amin’ny fiparitahan’ny taranak’olombelona nanerana ny tany.
6. a) Hevitra ara-pivavahana inona avy no nampidirina tao amin’ireo mpivavaka tamin’i Satana tany Babylona talohan’ny niparitahan’izy ireo? b) Nahoana no manana zavatra inoana mitovy ireo fivavahana maneran-tany? d) Fikasan’i Satana inona no notanterahan’i Babylona, ary nanjary sary mampiseho inona iny tanàna fahizay iny?
6 Toa ho hita anefa, araka ny voalazan’ny angano sy ny fivavahana, fa, talohan’ny nanaparitahan’i Jehovah ny olombelona, dia efa nampidirin’i Satana tao an-tsain’ireo mpivavaka taminy ireo zavatra fototra sasany mahaforona ny fivavahan-diso. Anisan’izany ireo hevitra ara-pivavahana momba ny mbola fahaveloman’ny fanahy (âme) iray ihany aorian’ny fahafatesana, ny fahatahorana ny maty sy ny fisian’ny toerana ambanin’ny tany iray toy ny afobe, ary koa ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’andriamanitra sy andriamanibavy tsy hita isa, izay nakambana ho fitambaran-telo ny sasany aminy. Ireo finoana samihafa ireo dia nentin’ireo antokon’olona niforona ara-pitenenana hatrany amin’ny faran’ny tany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nandalo fiovana ireo hevitra fototra ireo. Kanefa, tamin’ny ankapobeny, dia fototra mahaforona ny fivavahan-diso any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany izy ireny. Na dia voasakana teo amin’ny fanandramany hamorona fivavahan-diso tafaray iray izay hanana ny renivohiny tao Babylona aza i Satana, dia nanapa-kevitra ny hihazona endrika maro samy hafa amin’ny fivavahan-diso, izay naka hevitra avy tamin’i Babylona avokoa sady nokendreny mba hisintonana ny fanompoam-pivavahana hiala amin’i Jehovah ho any amin’ny tenany. I Babylona dia nitohy nandritra ny taonjato maro ho foibe natanjaka ho an’ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana majika, mosavy ary ny fanandroana — samy zavatra fototra mahaforona ny fivavahan-diso avy. Tsy mahagaga raha oharin’ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny vehivavy janga vetaveta iray antsoina hoe Babylona Lehibe ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. — Apokalypsy 17:1-5.
Ny fivavahana marina
7. Nahoana no tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fivavahana marina ny fanasafotofotoana ny fiteny? b) Iza no nanjary fantatra ho toy ny “rain’ny olona rehetra izay mino”, ary nahoana?
7 Miharihary fa tsy voakasiky ny fanasafotofotoan’i Jehovah ny fomba fitenin’ny olombelona tao Babela ny fivavahana marina. Efa narahin’ny lehilahy sy vehivavy nahatoky talohan’ny Safodrano toa an’i Abela, Enoka, Noa, ny vadin’i Noa ary ireo zanakalahin’i Noa sy ny vinantovaviny, ny fanompoam-pivavahana marina. Taorian’ny Safodrano, dia voatahiry teo amin’ny taranak’i Sema, zanakalahin’i Noa, ny fanompoam-pivavahana marina. I Abrahama, taranak’i Sema, dia nanaraka ny fivavahana marina ka nanjary fantatra ho toy ny “rain’ny olona rehetra izay mino”. (Romana 4:11). Notohanan’ny asa ny finoany. (Jakoba 2:21-23). Fomba fiaina ny fivavahana taminy.
8. a) Tamin’ny ahoana no nifanandrinan’ny fivavahana marina tamin’ny fivavahan-diso tamin’ny taonjato faha-16 al.fan.ir., ary inona no vokany? b) Fandaharana vaovao inona no natombok’i Jehovah raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio?
8 Narahina hatrany teo amin’ireo taranak’i Abrahama ny fanompoam-pivavahana marina — teo amin’i Isaka sy i Jakoba (na Isiraely) ary ireo zanak’i Jakoba 12, izay nipoiran’ireo fokon’ny Isiraely 12. Tamin’ny faran’ny taonjato faha-16 al.fan.ir., ireo taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka dia hita ho niady mafy mba hampaharitra ny fivavahana marina teo anivon’ny manodidina azy nankahala sy nanompo sampy, izany hoe tany Egypta, izay nampietrena azy ireo tamin’ny fanandevozana. Nampiasa an’i Mosesy, mpanompony nahatoky, avy tamin’ny fokon’i Levy, i Jehovah mba hanafahana ireo mpivavaka taminy avy tamin’ny ziogan’i Egypta, tany tafalentika tao amin’ny fivavahan-diso. Tamin’ny alalan’i Mosesy, i Jehovah dia nanao fanekena tamin’ny Isiraely ka nanao azy io ho ny vahoaka voafidiny. Tamin’izany fotoana izany, i Jehovah dia nandahatra ny fanompoam-pivavahana taminy ho lalàna sy didy, tamin’ny famerana azy, nandritra ny fotoana tsy naharitra, ho ao anatin’ny fandaharana ho amin’ny fanolorana fanatitra notantanan’ny kilasin’ny mpisorona ary nisy fitoerana masina azo notsapain-tanana, dia ny tabernakely azo nobataina aloha, ary tatỳ aoriana dia ny tempoly tao Jerosalema.
9. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanarahana ny fanompoam-pivavahana marina talohan’ny faneken’ny Lalàna? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ireo lafin-javatra azo tsapain-tanana tamin’ny Lalàna dia tsy natao haharitra?
9 Tokony homarihina anefa fa tsy natao ho tonga zavatra haharitra hahaforona ny fivavahana marina ireny lafin-javatra azo notsapain-tanana ireny. “Aloky ny zavatra ho avy” ny Lalàna. (Kolosiana 2:17; Hebreo 9:8-10; 10:1). Talohan’ny Lalàn’i Mosesy, tamin’ny andron’ireo patriarka, ireo loham-pianakaviana dia toa nisolo toerana ireo ankohonany tamin’ny fanolorana fanatitra teo amin’ny alitara naorin’izy ireo. (Genesisy 12:8; 26:25; 35:2, 3; Joba 1:5). Kanefa tsy nisy kilasin’ny mpisorona voalamina na fandaharana ho amin’ny fanolorana fanatitra nisy fombam-pivavahana sy fombafomba. Ankoatra izany, ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nampiseho fa tsy haharitra akory ny fanompoam-pivavahana nalahatra ho lalàna sy didy izay hanana ny foibeny tao Jerosalema, rehefa nilaza toy izao tamin’ny vehivavy samaritana iray izy: “Avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity [Gerizima], na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. (...) Avy ny andro, ary tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:21-23). Nasehon’i Jesosy fa ny fivavahana marina dia tsy maintsy arahina, tsy amin’ny alalan’ny zavatra azo tsapain-tanana, fa amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Fahababoana babyloniana
10. a) Nahoana i Jehovah no namela ny vahoakany ho lasan-ko babo tany Babylona? b) Tamin’ny fomba roa inona avy no nanafahan’i Jehovah ny sisa nahatoky tamin’ny 537 al.fan.ir., ary inona no zava-nokendrena voalohany indrindra tamin’ny niverenan’izy ireo tany Joda?
10 Hatramin’ny fikomiana tany Edena, dia nisy fifandrafiana tsy tapaka teo amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso. Indraindray ireo mpivavaka marina, raha lazaina ara-panoharana, dia nobaboin’ny fivavahan-diso, izay nasehon’i Babylona an-tsary, nanomboka tamin’ny andron’i Nimroda. Talohan’ny namelan’i Jehovah ny vahoakany ho lasan-ko babo tany Babylona tamin’ny 617 al.fan.ir. sy tamin’ny 607 al.fan.ir., dia efa azon’ny fivavahan-diso babyloniana izy ireo. (Jeremia 2:13-23; 15:2; 20:6; Ezekiela 12:10, 11). Tamin’ny 537 al.fan.ir., dia nisy sisa nahatoky niverina tany Joda. (Isaiah 10:21). Nankatò ilay antso ara-paminaniana nanao hoe: “Mivoaha hiala any Babylona”, izy ireo. (Isaia 48:20). Tsy ho fanafahana ara-batana fotsiny akory izany. Ho fanafahana ara-panahy avy tamin’ny manodidina nanjakan’ny fivavahan-diso naloto sy nanompo sampy koa izany. Io sisa nahatoky io àry dia nomena ny baiko hoe: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” (Isaia 52:11). Ny zava-nokendrena voalohany indrindra tamin’ny niverenan’izy ireo tany Joda dia ny hamerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio, ny fivavahana marina.
11. Ankoatra ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tany Joda, dia fisehoan-javatra ara-pivavahana vaovao inona avy no nitranga tamin’ny taonjato fahenina al.fan.ir.?
11 Mahaliana ny manamarika fa io taonjato fahenina al.fan.ir. io koa dia nahita ny fipoiran’ny sampantsampana maro tamin’ny fivavahan-diso tao anatin’i Babylona Lehibe. Nahita ny fahaterahan’ny bodisma, ny konfiosianisma, ny zoroastrianisma ary ny jainisma izy io, ary tsy hohadinoina ny filôzôfia grika tsy mitoky afa-tsy amin’ny fiasan’ny saina izay nanan-kery aoka izany tatỳ aoriana teo amin’ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Raha teo am-pamerenana azy tamin’ny laoniny àry ny fanompoam-pivavahana madio tany Joda, ilay fahavalo lehiben’Andriamanitra dia nanolotra safidy lehibe kokoa teo amin’ny fivavahan-diso.
12. Fanafahana avy tamin’ny fahababoana babyloniana inona no nitranga tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., ary fampitandremana inona no nomen’i Paoly?
12 Tamin’ny fotoana nisehoan’i Jesosy teo amin’ny Isiraely, ny ankamaroan’ireo Jiosy dia efa nanaraka ny Jodaisma tamin’ny endriny samihafa, karazana fivavahana iray izay nandray hevitra ara-pivavahana babyloniana maro be. Nifikitra tamin’i Babylona Lehibe izy io. Nanameloka azy io i Jesosy ary nanafaka ny mpianany tamin’ny fahababoana babyloniana. (Matio toko faha-23; Lioka 4:18). Koa satria nandrobona ny fivavahan-diso sy ny filôzôfia grika teo amin’ireo faritra nitoriany, dia nanonona ny faminanian’i Isaia i Paoly ka nampihatra azy io tamin’ireo kristiana izay nila ny nitoetra ho afaka avy tamin’ny hery mitaona maloton’i Babylona Lehibe. Nanoratra toy izao izy: “Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy [babyloniana]? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.” “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.” — 2 Korintiana 6:16, 17.
Fanafahan-tena avy amin’ny fivavahan-diso amin’ny fotoan’ny farany
13. Inona no asehon’ireo hafatra nalefan’i Kristy tany amin’ireo kongregasiona fito tany Azia Minora, ary ho vokatr’izany dia inona no nipoitra?
13 Ireo hafatra nalefan’i Kristy tany amin’ireo kongregasiona fito tany Azia Minora tamin’ny alalan’ilay Fanambarana nomena ny apostoly Jaona dia mampiseho mazava tsara fa rehefa tonga ny faran’ny taonjato voalohany am.fan.ir., dia efa ho tafatsofoka tao amin’ny kongregasiona kristiana ireo fanao ara-pivavahana babyloniana. (Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3). Niroborobo ny fivadiham-pinoana, indrindra fa nanomboka tamin’ny taonjato faharoa ka hatramin’ny taonjato fahadimy am.fan.ir., ka nitarika ho amin’ny fipoiran’ny fanaovana hosoka ny fivavahana kristiana madio. Ny foto-pampianarana babyloniana toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny afobe mirehitra sy ny Trinite dia nampidirina tao amin’ireo fampianaran’ny kristianisma nivadi-pinoana. Ireo fiangonana katolika, ortôdôksa ary protestanta tatỳ aoriana dia samy nandray ireo fampianarana diso ireo, ka noho izany dia tonga anisan’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso an’ny Devoly.
14, 15. a) Inona no nasehon’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny ahidratsy? b) Inona no nitranga tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, ary tamin’ny 1914, fandrosoana inona no efa vitan’ireo kristiana marina raha ny amin’ny foto-pampianarana?
14 Tsy foana tanteraka na oviana na oviana ny fivavahana marina. Nisy olona tia ny fahamarinana foana nandritra ireo taonjato lasa, ka ny sasany taminy dia namoy ny ainy noho ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah sy ny Teniny, ny Baiboly. Kanefa, araka ny asehon’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny ahidratsy, ilay vary ara-panoharana, izany hoe ireo zanak’ilay Fanjakana voahosotra, dia tsy havahana amin’ireo ahidratsy, izany hoe ireo zanak’ilay ratsy, raha tsy amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 13:24-30, 36-43, MN). Arakaraka ny anakekezan’ny fotoan’ny farany — ny fotoana hitrangan’io fanavahana io — ireo mpianatra ny Baiboly tso-po tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 dia nanomboka nanafa-tena avy tamin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso.
15 Tamin’ny 1914 ireny kristiana ireny, fantatra amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia efa namboly finoana matanjaka ny fanavotana. Fantany fa tsy maintsy ho tsy hita maso ny fanatrehan’i Kristy. Takany fa ny 1914 dia hanamarika ny faran’ny “andron’ny Jentilisa”. (Lioka 21:24). Ary azony mazava tsara ny hevitry ny fanahy (âme) sy ny fitsanganan’ny maty. Nahazo fahazavana momba ny fahadisoana nibaribary teo amin’ny fampianaran’ireo fiangonana momba ny afobe sy ny Trinite izy ireny. Nahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy ireo ka nanomboka nampiasa azy io ary nahatakatra ny tsy maha-mety ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana sy ny fanaovana spiritisma.
16. Antso inona no novalian’ireo kristiana voahosotra tamin’ny 1919?
16 Fiandohan-javatra tsara no natao tamin’ny fialana tamin’ny fivavahan-diso. Ary tamin’ny 1919, i Babylona Lehibe dia namoy tanteraka ny fangejany ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny nanafahana sisa tavela tamin’ireo Jiosy avy tany Babylona tamin’ny 537 al.fan.ir., dia toy izany koa fa nankatò ny antso mba ‘hivoaka avy eo aminy [Babylona Lehibe]’ ny sisa nahatoky tamin’ireo kristiana voahosotra. — Isaia 52:11.
17. a) Inona no nitombo nanomboka tamin’ny 1922, ary inona no tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra fa nilaina? b) Fihetsika tafahoatra inona no noraisina, ary nahoana no mora azo ny nahatonga izany?
17 Nanomboka tamin’ny 1922, ireo fahamarinana ara-baiboly mahery vaika dia natonta ary naely ampahibemaso, ka nampihanjahanja ny fivavahan-diso babyloniana, indrindra fa ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Hita ny nilàna hanoritana tao an-tsain’ny vahoakan’Andriamanitra voadio fa tsy maintsy atao amin’ny fomba feno ny fanafahan-tena avy amin’ny fivavahan-diso amin’ny endriny rehetra. Araka izany, nandritra ny taona maro, na dia ny fampiasana ny teny hoe “fivavahana” aza dia nohalavirina rehefa niresaka ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Nasehoseho tamin’ny filaharana teny amin’ny araben’ireo tanàn-dehibe ireo teny natao faneva toy ny hoe “Ny fivavahana dia fandrika sy fanambakana”. Nanisy fanavahana mazava tsara teo amin’ny hoe “kristianisma” sy ny hoe “fivavahana” ny boky toy ny Government (Fitondram-panjakana) (1928) sy ny “La Vérité vous affranchira” (Ny fahamarinana dia hanafaka anareo) (1943). Mora azo ny nahatonga io fihetsika tafahoatra io, satria tsy maintsy natao mazava tsara ny fanafahan-tena tamin’ireo fandehan-javatra ara-pivavahan’i Babylona Lehibe niely hatraiza hatraiza.
Ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso
18. Fahatakarana vaovao inona momba ny hoe “fivavahana” no nomena tamin’ny 1951, ary ahoana no anazavana izany ao amin’ny Annuaire tamin’ny 1975?
18 Avy eo, tamin’ny 1951, dia tonga ny fotoana tsara indrindra hanomezan’i Jehovah ny vahoakany fahatakarana madio mangarangarana ny amin’ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso. Manao izao tatitra izao ny Annuaire des Témoins de Jéhovah tamin’ny 1975: “Tamin’ny 1951, dia nianatra zavatra lehibe iray momba ny teny hoe ‘fivavahana’ ireo mpanohana ny fanompoam-pivavahana marina. Ny sasany tamin’izy ireo dia afaka nahatsiaro tsara ny taona 1938, fony izy ireo nitondra ilay soratra famantarana hoe ‘Ny fivavahana dia fandrika sy fanambakana’. Tamin’ny fomba fihevitr’izy ireo tamin’izay, dia tsy kristiana, avy tamin’ny Devoly, ny ‘fivavahana’ rehetra. Kanefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Martsa 1951 dia nanaiky ny fampiasana ireo mpamaritra anarana hoe ‘marina’ sy ‘diso’ mifandray amin’ny fivavahana. Fanampin’izany, ilay boky mahaliana aoka izany hoe La religion a-t-elle servi l’humanité? (Inona no nataon’ny fivavahana ho an’ny olombelona?) (natonta tamin’ny 1951 ary navoaka nandritra ny Fivoriambe ‘Fanompoam-pivavahana madio’ tany amin’ny Kianja Wembley, tany Londres, any Angletera) dia nilaza toy izao: ‘Raha raisina amin’ny fomba fampiasana azy, ny hevitra tsotra indrindra omena ny hoe “fivavahana” dia fandaharana anaovana fanompoam-pivavahana, karazana fanompoam-pivavahana, tsy misy fanavahana na fanompoam-pivavahana marina izany na diso. Izany dia mifanaraka amin’ny dikan’ny teny Hebreo mandika azy io hoe ’a·boh·dáh, izay midika ara-bakiteny hoe “fanompoana”, tsy misy fiheverana izay anolorana azy’. Nanaraka izany, dia nanjary fampiasa teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny teny hoe ‘fivavahan-diso’ sy ‘fivavahana marina’. — Pejy faha-225.
19, 20. a) Nahoana ireo mpivavaka marina no tsy tezitra amin’ny fampiasana ny teny hoe “fivavahana” ampiharina amin’ny fanompoam-pivavahana marina? b) Nahatonga ny vahoakan’i Jehovah hanao inona io fahatakarana vaovao io?
19 Mba hamaliana ny fanontanian’ny mpamaky iray, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Aogositra 1951 dia nanambara hoe: “Tsy tokony hisy ho tezitra amin’ny fampiasana ny teny hoe ‘fivavahana’. Ny fampiasantsika azy io dia tsy mametraka antsika ho anisan’ny kilasin’ireo fivavahana voafatotry ny lovantsofina, toy ny tsy ametrahan’ny fiantsoantsika ny tenantsika hoe kristiana antsika ho anisan’ireo kristiana sandoka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.”
20 Tsy fanekena lembenana velively akory io fahatakarana vaovao momba ny teny hoe “fivavahana” io fa namela kosa ny vahoakan’i Jehovah hanitatra kokoa ihany ny hantsana misy eo anelanelan’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.
Mba Hitsapana Raha Azontsika Tsara
◻ Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny fivavahan-diso teto an-tany?
◻ Inona no nandraman’i Satana naorina taorian’ny Safodrano, ary tamin’ny fomba ahoana no naha-voasakana ny tetiny?
◻ Nanjary sary mampiseho inona i Babylona?
◻ Fanafahana inona avy no nitranga tamin’ny 537 al.fan.ir., tamin’ny taonjato voalohany, ary tamin’ny 1919?
◻ Fahatakarana vaovao inona momba ny teny hoe “fivavahana” no nomena tamin’ny 1951, ary nahoana no tamin’izay?
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Nanomboka tany Babylona ireo foto-pampianarana inoana maneran-tany:
◻ Ireo Trinite na fitambaran’andriamanitra telo
◻ Mbola velona ihany aorian’ny fahafatesana ny fanahy (âme) olombelona
◻ Spiritisma — firesahana amin’ny “maty”
◻ Fampiasana sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana
◻ Fampiasana mosavy mba hampitonena ireo demonia
◻ Fanapahan’ny klerjy mahery iray