Hahomby ve Ireo Planina ho Amin’ny Filaminana Maneran-tany?
“NY ADY mangatsiaka, izay nangeja izao tontolo izao nandritra ny 40 taona mahery, dia toa nifarana noho ny fanampian’Andriamanitra”, hoy ny ambaran’ny One World, gazetiboky iray an’ny WCC (Konsily maneran-tanin’ireo fiangonana). “Ireo zava-mitranga mifono heviny lehibe any amin’ny faritra afovoany sy atsinanan’i Eoropa (...) dia toa fambara tsara ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana any Eoropa sy ny tapany sisa amin’izao tontolo izao”, hoy ilay mpanoratra anglikana atao hoe John Pobee, ao amin’ny Fandaharan’ny WCC momba ny Fanabeazana teôlôjika.
Tsy irery akory ireo solontenan’ny WCC amin’ny fampifandraisana an’Andriamanitra amin’ireo planin’olombelona ho amin’ny filaminana maneran-tany. Tamin’ny Aprily 1991, fotoana fohy taorian’ny ady tao amin’ny Hoala persika, ny papa Joany Paoly dia nandefa hafatra ho an’Atoa Javier Peréz de Cuéllar, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana tamin’izany, izay nilazany toy izao: “Matoky ny fiezahan’ny Firenena Mikambana ireo eveka ao amin’ireo Fiangonana katolika any Atsinanana Afovoany sy any Andrefana. Manantena izy ireo fa amin’ny alalan’ny Firenena Mikambana sy ireo sampandraharahany manokana, dia hahomby eo amin’ny fitadiavany fifampiahiana sy firaisan-kina iraisam-pirenena ireo izay napetraky ny ady vao haingana ho ao anatin’ny toe-javatra ilàna fanampiana lehibe.”
Ambonin’izany, ny Vatikana dia anisan’ireo fanjakana 35 nanambara sy nanao sonia ilay Fifanarahana tany Helsinki tamin’ny 1975 sy ilay Taratasim-panekena tany Stockholm tamin’ny 1986. Rehefa nanambara ny taona 1986 ho ny “Taona Iraisam-pirenena ho an’ny Fandriampahalemana” ny Firenena Mikambana, dia namaly izany ny papa tamin’ny fanasana ireo solontenan’ny fivavahana lehibe eo izao tontolo izao, mba handray anjara tamin’ny fankalazana iray natao ho an’ny “Andro Iraisam-pirenena hanaovana Vavaka ho an’ny Fandriampahalemana.” Tamin’ny Oktobra 1986, ireo solontenan’ny Bodista, Hindoa, Silamo, Shinto, Anglikana, Loterana, Ôrtôdôksa grika, Jiosy, ary finoana hafa, dia niara-nivory tany Assise, any Italia, ary nifandimby nivavaka ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tao amin’ny toriteny iray nataony tany Roma, dia nampahatsiahy an’io fotoana voalaza etsy ambony io ny arseveka anglikanin’i Canterbury. “Tany Assise”, hoy izy, “dia nahita izahay fa ny Evekan’i Roma [ny papa] dia afaka namory ny Fiangonana kristiana niaraka. Afaka niara-nivavaka izahay sy nifampiresaka ary niara-nanao zavatra ho an’ny fandriampahalemana sy ny fiadanan’ny taranak’olombelona (...) Tao amin’izany dingana voalohany nanaovana vavaka ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany izany dia nahatsapa aho fa teo anatrehan’ilay Andriamanitra, izay nilaza hoe ‘Jereo fa manao zava-baovao Aho.’ ”
Ireo fivavahana hafa, na dia tsy nanana solontena tany Assise aza, dia manana fanantenana koa raha ny amin’ny planin’olombelona ho amin’ny filaminana maneran-tany. Milaza toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny Die Kerkbode, gazetin’ny Fiangonana “Reformée” Holanday atsy Afrika Atsimo: “Eo am-pandiavana ny fiampitana mankao amin’ny fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany isika. Izay zavatra toa tsy azo nosaintsainina taona vitsivitsy lasa izay, dia miseho eo anoloan’ny masontsika mihitsy. Ny fifampihavanana nitranga teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao lehibe kokoa, teo amin’ny Firaisana Sovietika sy ny Tandrefana dia nisy akony lehibe teo amin’ireo faritra kely kokoa. Ao amin’ny faritra misy anay eo amin’izao tontolo izao, ireo andaniny nifanohitra lalandava sy ireo mpifandrafy tsy nahitam-panafany, dia mifampiresaka izao ary hita ombieny ombieny ny fampirisihana ho amin’ny ‘fandriampahalemana’ (...) Araka ny fomba fijery kristiana iray, dia tokony horaisina tsara ny fiezahana rehetra atao mba hampisy fandriampahalemana eo amin’ny vahoaka. Afaka mivavaka ho an’ny fandriampahalemana isika amin’izao androntsika izao.”
Moa ve Andriamanitra mitahy ny planin’olombelona ho amin’ny filaminana maneran-tany?
Inona no lazain’ny Baiboly?
Raha ny amin’ny fianteherana amin’ireo fiezahan’olombelona, dia manome fampitandremana mivantana iray toy izao ny Baiboly: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4). Mety ho toa mampahery ny firosoana ho amin’ny fandriampahalemana amin’ny andro ankehitriny. Tokony hijery ny zavatra araka ny tena izy anefa isika. Voafetra ihany ny herin’olombelona. Matetika ny zava-miseho no lehibe lavitra raha oharina amin’izy ireo. Mahalana izy ireo vao afaka manavaka izay ao ambadik’ireo zava-miseho, ireo hery miafina izay hanakorontana ireo planiny tsara forona indrindra.
Fitonjato taona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, tamin’ny andron’i Isaia mpaminany, dia nanao planina ho amin’ny filaminana ireo filoha jiosy, tamin’ny alalan’ny dina niraisam-pirenena niaraka tamin’ireo tany nifanakaiky taminy, tamin’ny fomba azo ampitahaina amin’izay mitranga amin’ny andro ankehitriny. Tamin’izany andro izany koa ireo filoha ara-pivavahana dia nanohana izay nataon’ireo mpanao politika. Nampitandrina anefa i Isaia hoe: “Makà saina ihany hianareo, nefa mbola hofoanana izany; milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory.” (Isaia 8:10). Nivadika ho tsy fahombiazana nampahory ny volavolan-kevitr’izy ireo. Mety hitranga ve ny zavatra toy izany amin’izao andro izao?
Eny, mety hitranga izany satria tamin’ny alalan’io mpaminany io ihany, dia nanambara Andriamanitra fa manana ny Fomba fanaovany zavatra manokana Izy mba hampisy filaminana eto an-tany. Hisy izany, tsy amin’ny alalan’ny fandaminan’olombelona na inona izany na inona, fa amin’ny alalan’ny taranak’ilay mpanjaka isiraelita atao hoe Davida. (Isaia 9:5, 6). Io Mpandova an’i Davida mpanjaka io dia i Jesosy Kristy izay, rehefa nalain’i Pontio Pilato am-bavany, dia niaiky fa Mpanjaka ny tenany, nefa niteny hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” (Jaona 18:36; Lioka 1:32). Raha ny marina, dia tokony ho any an-danitra ny Fanjakan’i Jesosy. Ary tsy — ny Firenena Mikambana na firenena ara-politika na iza na iza etỳ an-tany — no tokony hitondra filaminana maharitra sy mendrika itokiana eto amin’ity tany ity. — Daniela 2:44.
Nanambara mialoha i Jesosy Kristy fa hanomboka hanapaka avy any an-danitra ny Fanjakany amin’ny fotoana hisian’ny “ady sy filazana ady”, miaraka amin’ny ‘firenena hitsangana hamely firenena ary fanjakana hitsangana hamely fanjakana.’ Ny fahatanterahan’ilay faminaniana dia manamarika ny 1914 ho ny fotoana nitrangan’izany, ary mampahafantatra ireo taona nanomboka teo ho “ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” — Matio 24:3, 6-8, MN.
Milaza inona izany? Milaza izany fa voafetra ny fotoana sisa tavela ho an’ity fandaharan-javatra maneran-tany ankehitriny ity, ary hifarana tsy ho ela izy io. Moa ve izany antony tokony hanahiana na halahelovana? Tsy izany mihitsy raha mitadidy ny halozana, ny tsy rariny, ny fampijaliana, ny ady, ary ny fahoriana rehetra nanamarika an’ity fandehan-javatra ity isika. Azo antoka fa ho fanamaivanana ny ho eo ambany fitondran’ny mpanapaka iray izay ny aminy no ilazan’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly hoe: “Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah.” — Isaia 11:2.
Tena filaminana eto an-tany
Raha ny marina, dia tsy hisy tena filaminana eto an-tany mandra-pahatanterak’ity faminanian’Isaia ity, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny ambaratonga maneran-tany: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17). Na firy na firy vavaka atolotr’ireo filoha ara-pivavahana mba ho tombontsoan’ity tontolo ity, dia tsy afaka ny hisolo toerana ny fomba hampiasain’Andriamanitra mba hitondrana fiadanana sy filaminana ireo planin’olombelona.
Ny filaminana haneran-tany sady haharitra hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho be voninahitra. Indro ny iray monja amin’ireo filazalazana hita ao amin’ny Baiboly: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” — Mika 4:3, 4.
Tsy misy afa-tsy ny filaminana ampanantenain’Andriamanitra ihany no afaka haharitra sy azo itokiana. Noho izany, toy izay hametraka ny fitokianao amin’ireo lehibe, nahoana no tsy mametraka ny fitokianao aminy? Amin’izay ianao dia hahita fa marina ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay.” — Salamo 146:5, 6.
[Efajoro, pejy 7]
Ny Eglizy Katolika sy ny Politika Maneran-tany
“Na dia nilaza aza i Kristy fa ‘tsy anisan’izao tontolo izao’ ny fanjakany, ireo mpitondra fivavahana manana toerana ambony sy ny fitondran’ny papa amin’ny maha-fikambanana kosa dia nandray anjara be dia be tamin’ireo ady ara-politika teo an-toerana sy niraisam-pirenena, hatramin’ny andron’i Constantin.” — “Ny Eglizy katolika ao amin’ny Tontolon’ny politika”, nosoratan’ny profesora Eric Hanson, ao amin’ny Oniversite jezoitan’i Santa Clara.