Vahoaka Afaka fa Ampamoahina
“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — JAONA 8:32.
1, 2. a) Nanao ahoana ny fahafahana teo amin’ny tantaran’ny olombelona? b) Iza ihany no tena afaka marina? Hazavao.
FAHAFAHANA. Teny mahery re izany! Niaritra ady sy fikomiana fanonganam-panjakana tsy hita isa ary koa tabataba ara-tsosialy tsy hay lazaina ny taranak’olombelona, noho ny fanirian’ny olona ho afaka. Milaza toy izao tokoa Ny Firaketana Amerikana (anglisy): ‘Teo amin’ny fivoaran’ny sivilizasiôna, dia tsy nisy hevitra nanana anjara lehibe kokoa noho ny an’ny fahafahana.’
2 Na dia izany aza, firy moa ny olona tena sambatra? Firy akory aza no mahalala izay atao hoe fahafahana? Hoy Ny Firaketan’ireo boky eo amin’izao tontolo izao (anglisy): “Mba hahazoan’ny olona fahafahana feno, dia tsy tokony hisy fameperana na inona na inona eo amin’ny fomba ieritreretany, itenenany na anaovany zavatra. Tsy maintsy mahatsapa ireo zavatra azo isafidianana mipetraka eo anoloany izy ireo, ary tsy maintsy manana ny fahefana hanapa-kevitra ny amin’ireo zavatra azo isafidianana ireo.” Araka izany, moa ve ianao mahafantatra olona iray izay tena afaka marina? Iza no afaka milaza fa tsy manana “fameperana na inona na inona eo amin’ny fomba ieritreretany, itenenany na anaovany zavatra” ny tenany? Raha ny marina, dia persona iray ihany eo amin’izao rehetra izao no mifanentana amin’io filazalazana io — i Jehovah Andriamanitra. Izy irery no manana fahafahana feno. Izy irery no afaka misafidy araka izay tiany ary avy eo dia manatanteraka izany na dia eo aza ny fanoherana rehetra. Izy no ilay “Tsitoha”. — Apokalypsy 1:8; Isaia 55:11.
3. Noho ny fanarahana fepetra inona mazàna no ananan’ny olombelona fahafahana?
3 Ho an’ny olombelona ambany, dia voafetra ihany ny fahafahana. Mazàna izy io dia omen’ny fahefana iray na iantohany ny fiarovana azy, ary mifandray amin’ny fanekentsika izany fahefana izany. Saiky amin’ny toe-javatra rehetra tokoa dia tsy afaka ny ho afaka ny olona iray raha tsy rehefa manaiky ny fahefan’ilay mpiantoka ny fahafahany. Ohatra, ireo olona miaina any amin’ny “faritra afaka” amin’ny tany dia manana tombontsoa maro, toy ny fahafahana hanao zavatra, ny fahafahana hiteny ary ny fahafahana hanaraka fivavahana. Inona no miantoka ireo fahafahana ireo? Ny lalàna eo amin’ilay tany. Tsy afaka manana azy ireo ny olona iray raha tsy rehefa mankatò ny lalàna ihany. Raha mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahafahany izy ka mandika ny lalàna, dia ampamoahin’ireo manam-pahefana, ary mety ho tapaka tanteraka ny fahafahany noho ny sazy an-tranomaizina. — Romana 13:1-4.
Ny fahafahana araka an’Andriamanitra — Mahatonga hampamoahina
4, 5. Fahafahana inona no ananan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah, ary noho ny inona no hampamoahany azy ireo?
4 Tamin’ny taonjato voalohany, dia niresaka momba ny fahafahana i Jesosy. Hoy izy tamin’ireo Jiosy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32). Tsy niresaka momba ny fahafahana hiteny na ny fahafahana hanaraka fivavahana izy teo. Ary azo antoka fa tsy niresaka momba ny fanafahana avy tamin’ny ziogan’i Roma, izay nirin’ny Jiosy maro fatratra, koa izy. Tsia, zavatra sarobidy lavitra noho izany izy io, dia fahafahana, tsy omen’ireo lalàn’olombelona na ny haitraitran’ny mpanapaka olombelona iray, fa avy amin’ilay Tompom-piandrianana fara tampony eo amin’izao rehetra izao, dia i Jehovah. Izany dia fahafahana avy amin’ny finoanoam-poana, fahafahana avy amin’ny tsy fahalalana ara-pivavahana, ary be lavitra noho izany aza. Ny fahafahana omen’i Jehovah dia tena fahafahana, ary haharitra hatrany amin’ny mandrakizay.
5 Hoy ny apostoly Paoly: “[Jehovah, NW] izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’[i Jehovah, NW] no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17). Tao anatin’ireo taonjato maro nifandimby, i Jehovah dia nifampiraharaha tamin’ny taranak’olombelona mba hananan’ireo olo-mahatoky amin’ny farany ilay karazam-pahafahana tsara indrindra sy lehibe indrindra ho an’ny olombelona, dia “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21, NW). Mandritra izany fotoana izany, i Jehovah dia manome antsika fahafahana sasantsasany amin’ny alalan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary hampamoahiny isika raha mampiasa izany fahafahana izany amin’ny fomba ratsy. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” — Hebreo 4:13.
6-8. a) Fahafahana inona avy no nananan’i Adama sy i Eva, ary tamin’ny fanarahana fepetra inona no ho nahafahany nihazona izany fahafahana izany? b) Inona no verin’i Adama sy i Eva ho an’ny tenany sy ny taranany?
6 Nanjary nisongadina ny maha-hampamoahina antsika eo anatrehan’i Jehovah, tamin’ny fotoana nahaveloman’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Nanome azy ireo ny fanomezana sarobidy, dia ny safidy malalaka, i Jehovah fony namorona azy. Raha mbola nampiasa izany safidy malalaka izany tamin’ny fomba nampiseho fahaiza-mandray andraikitra izy ireo dia nahazo fitahiana maro hafa, toy ny fahafahana tamin’ny tahotra, fahafahana tamin’ny aretina, fahafahana tamin’ny fahafatesana ary ny fahafahana hanatona ny Rainy any an-danitra tamin’ny feon’ny fieritreretana madio. Rehefa nampiasa ny safidiny malalaka tamin’ny fomba ratsy anefa izy ireo, dia niova avokoa izany rehetra izany.
7 Nametraka an’i Adama sy i Eva tao amin’ny sahan’i Edena i Jehovah, ary nanome azy ireo, ho fahafinaretany, ny voa tamin’ny hazo rehetra tao amin’ilay saha — afa-tsy ny iray ihany. Nohazoniny ho an’ny tenany io iray io; izany dia “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 2:16). Tamin’ny tsy fihinanana tamin’ny voan’io hazo io, i Adama sy i Eva dia ho nampiseho fa nanaiky fa i Jehovah irery ihany no manana fahafahana hametra ny fari-pitsipika ny amin’izay tsara sy ratsy. Raha nanao zavatra tamin’ny fomba nampiseho fahaiza-mandray andraikitra izy ireo ka tsy nihinana ilay voankazo voarara, dia ho nanohy nanao izay hahazoany ireo fahafahany hafa i Jehovah.
8 Mampalahelo fa nihaino ny fanipazan-kevitra an-kolak’ilay Menarana ny amin’ny tokony ‘hahalalany izay tsara sy ratsy’ ho an’ny tenany, i Eva. (Genesisy 3:1-5). Izy aloha, avy eo i Adama, dia nihinana ilay voankazo voarara. Ho vokatr’izany, rehefa tonga hiresaka taminy tao amin’ny sahan’i Edena i Jehovah Andriamanitra, dia menatra izy ireo ary niafina. (Genesisy 3:8, 9). Mpanota izy ireo izao, namoy ny fahatsapana ho afaka hanatona an’Andriamanitra, izay azo avy amin’ny fananana feon’ny fieritreretana madio. Noho izany, dia veriny koa ny fahafahana tamin’ny aretina sy ny fahafatesana, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany. Hoy i Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” — Romana 5:12; Genesisy 3:16, 19.
9. Iza no voarakitra ao amin’ny tantara fa nampiasa tsara ny fahafahana sasany nananany?
9 Na dia izany aza, dia mbola nanana ny safidy malalaka ihany ny taranak’olombelona, ary arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nisy olombelona tsy tanteraka nampiasa azy io tamin’ny fomba mampiseho fahaiza-mandray andraikitra mba hanompoana an’i Jehovah. Narovana hatrany amin’ny andro fahagola ho antsika ny anaran’ny sasany amin’izy ireny. Ny lehilahy toa an’i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba (nantsoina koa hoe Isiraely) dia ohatra ny amin’ny olona nampiasa izay fahafahana mbola nananany mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ary nitondra vokatra tsara ho azy ireo izany. — Hebreo 11:4-21.
Ny fahafahan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra
10. Inona avy ireo fepetra tamin’ilay fanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’ny vahoakany manokana?
10 Tamin’ny andron’i Mosesy, i Jehovah dia nanafaka ireo zanak’i Isiraely — nisy teo amin’ny an-tapitrisany maro tamin’izany — tamin’ny fanandevozana tany Egypta ary nanao fanekena tamin’izy ireo mba hahatongavan’izy ireo ho vahoaka manokana ho azy. Teo ambanin’io fanekena io, ireo Isiraelita dia nanana fisoronana sy fandaharana momba ny sorona biby izay nanarona ny fahotany tamin’ny heviny ara-panoharana. Noho izany dia nanana fahafahana hanatona an’Andriamanitra teo amin’ny fanompoam-pivavahany izy ireo. Nanana fandaharana nisy lalàna sy fitsipika koa izy ireo mba hiarovana azy tamin’ny fanao feno finoanoam-poana sy tamin’ny fivavahan-diso. Tatỳ aoriana, dia handray ny Tany Nampanantenaina ho lova izy ireo, ary koa ny antoka fa hahazo ny fanampian’Andriamanitra mba hiaro azy tamin’ny fahavalony. Ny anjara napetrak’ilay fanekena tamin’ireo Isiraelita kosa dia ny tokony hankatoavany ny Lalàn’i Jehovah. Nanaiky izany fepetra izany an-tsitrapo ireo Isiraelita, ka nilaza hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” — Eksodosy 19:3-8; Deoteronomia 11:22-25.
11. Inona no vokatry ny tsy nanatanterahan’ny Isiraely ny anjarany tamin’ilay fanekena nifanaovany tamin’i Jehovah?
11 Nandritra ny 1 500 taona mahery, dia tao anatin’izany fifandraisana manokana tamin’i Jehovah izany ireo Isiraelita. Kanefa tsy nitsahatra nivadika tamin’ilay fanekena izy ireo. Nanaiky ho sodokan’ny fivavahan-diso tsy an-kijanona izy ireo ary nanjary babon’ny fanompoan-tsampy sy ny finoanoam-poana, hany ka navelan’Andriamanitra ho lasa andevon’ireo fahavalony tamin’ny heviny ara-bakiteny. (Mpitsara 2:11-19). Tsy nahazo ireo fitahiana nanafaka ho nentin’ny fanarahana ilay fanekena izy ireo, fa voasazy kosa noho ny fandikana azy. (Deoteronomia 28:1, 2, 15). Tamin’ny farany, tamin’ny 607 am.f.i., dia navelan’i Jehovah handevozina tany Babylona ilay firenena. — 2 Tantara 36:15-21.
12. Inona no nanjary niharihary tamin’ny farany raha ny amin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy?
12 Fianarana mafy tokoa izany. Tokony ho nianatra avy tamin’izy io ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny Lalàna, izy ireo. Kanefa, rehefa niverina tany amin’ny taniny, ireo Isiraelita, rehefa afaka 70 taona, dia mbola tsy nankatò ilay faneken’ny Lalàna araka ny tokony ho izy ihany. Efa ho zato taona taorian’ny niverenany, dia hoy i Jehovah tamin’ireo mpisoron’ny Isiraely: “Hianareo (...) dia efa nivily làlana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’i Levy.” (Malakia 2:8). Eny, na dia ny tso-po indrindra teo amin’ireo Isiraelita aza dia tsy afaka nanaraka io Lalàna tanteraka io. Tsy tonga fitahiana izy io, fa ‘ozona’ kosa, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (Galatiana 3:13). Mazava fa nisy zavatra fanampiny ankoatra ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy nilaina mba hitondrana ny olombelona tsy tanteraka mahatoky ho amin’ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Ny tena dikan’ny fahafahana kristiana
13. Fototra tsara kokoa inona ho an’ny fahafahana no nomena tamin’ny farany?
13 Izany zavatra fanampiny izany dia ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Tany amin’ny taona 50 am.f.i. tany ho any, dia nanoratra ho an’ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra tany Galatia i Paoly. Nilazalaza ny amin’ny fomba nanafahan’i Jehovah azy ireo tamin’ny fanandevozana tamin’ny faneken’ny Lalàna izy ary avy eo dia nilaza hoe: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” (Galatiana 5:1). Tamin’ny fomba hafa inona no nanafahan’i Jesosy ny olona?
14, 15. Tamin’ny fomba mahatalanjona ahoana avy no nanafahan’i Jesosy ireo Jiosy sy tsy Jiosy nino?
14 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ireo Jiosy nanaiky azy ho ilay Mesia ka tonga mpianany, dia tonga teo ambanin’ny fanekena vaovao iray, izay nisolo toerana ilay faneken’ny Lalàna taloha. (Jeremia 31:31-34; Hebreo 8:7-13). Teo ambanin’io fanekena vaovao io, izy ireo — ary koa ireo mpino tsy Jiosy izay niaraka taminy tatỳ aoriana — dia nanjary anisan’ny firenena vaovao, ara-panahy, iray izay nisolo toerana ny Isiraely araka ny nofo tamin’ny naha-vahoaka manokan’Andriamanitra. (Romana 9:25, 26; Galatiana 6:16). Tamin’ny naha-izany azy ireo, dia nanana ilay fahafahana nampanantenain’i Jesosy tamin’izao teny izao izy ireo: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Ankoatra ny fanafahana azy ireo tamin’ny ozon’ny Lalàn’i Mosesy, ny fahamarinana dia nanafaka ireo Kristiana jiosy tamin’ny finoanoam-poana diso rehetra nampiharin’ireo mpitondra ara-pivavahana taminy. Ary nanafaka ireo Kristiana tsy jiosy tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny finoanoam-poanan’ny fivavahany teo aloha koa izy io. (Matio 15:3, 6; 23:4; Asan’ny Apostoly 14:11-13; 17:16). Nisy zavatra hafa koa anefa.
15 Rehefa niresaka momba ilay fahamarinana izay manafaka i Jesosy dia nilaza hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” (Jaona 8:34). Hatramin’ny nanotan’i Adama sy i Eva, izay rehetra niaina teto an-tany dia mpanota ka noho izany dia andevon’ny ota. Ny hany naningana tamin’izany dia ny tenan’i Jesosy, ary ny soron’i Jesosy dia nanafaka ireo mpino tamin’izany fanandevozana izany. Marina fa mbola tsy tanteraka sy mpanota hatramin’ny nahaterahany ihany izy ireo. Izao anefa izy ireo dia afaka nibebaka tamin’ny fahotany ary nitalaho famelan-keloka niorina tamin’ny soron’i Jesosy, noho ny fatokiana fa ho re ny fangatahany. (1 Jaona 2:1, 2). Niorina tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, Andriamanitra dia nanambara azy ireo ho marina, ary afaka nanatona azy tamin’ny feon’ny fieritreretana voadio izy ireo. (Romana 8:33, NW). Ambonin’izany, koa satria ny avotra nanokatra ny fahatsinjovana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana, ny fahamarinana aza dia nanafaka azy ireo koa tamin’ny tahotra ny fahafatesana mihitsy. — Matio 10:28; Hebreo 2:15.
16. Amin’ny ahoana ny fahafahana kristiana no mahafaoka be kokoa noho izay fahafahana atolotr’izao tontolo izao?
16 Tamin’ny fomba mahatalanjona, ny fahafahana kristiana dia nosokafana ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra na inona na inona toerana misy azy, araka ny fomba fihevitr’olombelona. Ireo mahantra, ireo mpigadra, na dia ireo andevo aza, dia samy nety ho afaka. Tetsy an-daniny kosa, ireo nanana toerana ambony teo amin’ireo firenena ka nanda ilay hafatra momba ny Kristy dia mbola teo ambanin’ny fanandevozan’ny finoanoam-poana, ny ota ary ny tahotra ny fahafatesana ihany. Tsy tokony hitsahatra na oviana na oviana ny hisaotra an’i Jehovah isika noho io fahafahana ananantsika io. Na inona na inona atolotr’izao tontolo izao, dia tsy misy afaka hitovy aminy mihitsy.
Afaka fa ampamoahina
17. a) Tamin’ny ahoana ny sasany tamin’ny taonjato voalohany no tsy nahomby raha ny amin’ny fahafahana kristiana? b) Nahoana isika no tsy tokony ho voafitak’izay toa miseho ho fahafahana eo amin’ny tontolon’i Satana?
17 Tamin’ny taonjato voalohany, dia azo inoana fa ny ankamaroan’ireo Kristiana voahosotra dia nifaly noho ny fahafahany ary nihazona ny tsy fivadihany na nanao ahoana na nanao ahoana vidiny. Mampalahelo anefa fa nisy nanandrana ny fahafahana kristiana sy ny fitahiana rehetra niaraka taminy, kanefa avy eo dia nanitsakitsaka azy io ka niverina ho any amin’ny fanandevozan’izao tontolo izao. Inona no antony? Tsy isalasalana fa nihena ny finoan’ny maro ary dia ‘nindaosina hiala’ tsotra izao izy ireo. (Hebreo 2:1). Ny hafa ‘nanary ny finoana sy ny fieritreretana tsara ary vaky sambo ny amin’ny finoany’. (1 Timoty 1:19). Angamba lavo noho ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo na ny fomba fiaina maloto izy ireny. Endre ny maha-zava-dehibe ny hiarovantsika ny finoantsika sy hiorenantsika aminy ka hahavariana antsika foana amin’ny fianarana manokana, ny fiaraha-mivory, ny vavaka ary ny asa kristiana! (2 Petera 1:5-8). Enga anie isika tsy hitsahatra na oviana na oviana ny hankasitraka ny fahafahana kristiana! Marina fa mety hisy halaim-panahy noho ny tsy fisian’ny fameperana any ivelan’ny kongregasiona, ka hieritreritra fa afaka kokoa noho ny tenany ireo olona any amin’izao tontolo izao. Raha ny tena izy anefa, izay toa miseho ho fahafahana eo amin’izao tontolo izao mazàna dia tsy inona fa tsy fahaiza-mandray andraikitra fotsiny. Raha tsy andevon’Andriamanitra isika, dia andevon’ny ota ary ity fanandevozana farany ity dia mitaky vidiny mangidy. — Romana 6:23; Galatiana 6:7, 8.
18-20. a) Tamin’ny ahoana ny sasany no nanjary “fahavalon’ny hazo fijaliana”? b) Tamin’ny ahoana ny sasany no ‘nitondra ny fahafahany ho fanaronana ny ratsy’?
18 Fanampin’izany, ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Filipiana, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy ireny.” (Filipiana 3:18). Eny, nisy Kristiana teo aloha izay nanjary fahavalon’ny finoana, angamba tamin’ny fahatongavana ho mpivadi-pinoana. Endre ny maha-zava-dehibe ny tsy hanarahantsika ny lalany! Ankoatra izany, dia nanoratra toy izao i Petera: “Aoka ianareo ho toy ny olona afaka, kanefa amin’ny fitondrana ny fahafahanareo, tsy ho fanaronana ny ratsy akory, fa amin’ny maha-andevon’Andriamanitra.” (1 Petera 2:16, NW). Ahoana no mety hitondran’ny olona iray ny fahafahany ho fanaronana ny ratsy? Amin’ny fanaovana ota lehibe — angamba miafina — nefa mbola mifanerasera amin’ny kongregasiona ihany.
19 Tadidio i Diotrefa. Hoy i Jaona momba azy: “Diotrefa, izay te-ho lohany [tao amin’ny kongregasiona], dia tsy mba mandray anay. (...) Ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy (...), ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.” (3 Jaona 9, 10). Nampiasa ny fahafahany ho fanaronana ny fanirian-dazany feno fitiavan-tena i Diotrefa.
20 Nanoratra toy izao i Joda mpianatra: “Misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.” (Joda 4). Raha mbola nifanerasera tamin’ny kongregasiona ireny olona ireny dia hery nitaona nanimba. (Joda 8-10, 16). Ao amin’ny Apokalypsy isika dia mamaky fa tao amin’ny kongregasionan’i Pergamosy sy Tyatira, dia nisy fisaratsarahana, fanompoan-tsampy ary fahalotoam-pitondrantena. (Apokalypsy 2:14, 15, 20-23, NW). Endre izany fampiasana amin’ny fomba ratsy ny fahafahana kristiana!
21. Inona no miandry ireo izay mampiasa ny fahafahany kristiana amin’ny fomba ratsy?
21 Inona no miandry ireo izay mampiasa ny fahafahany kristiana amin’ny fomba ratsy toy izany? Tadidio izay nanjo ny Isiraely. Firenena voafidin’Andriamanitra ny Isiraely, kanefa tamin’ny farany dia nolavin’i Jehovah. Nahoana? Satria nampiasa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ho toy ny fanaronana ny ratsy, ireo Isiraelita. Nirehareha izy ireo fa zanak’i Abrahama nefa nanda an’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama sady Mesia nofidin’i Jehovah. (Matio 23:37-39; Jaona 8:39-47; Asan’ny Apostoly 2:36; Galatiana 3:16). “Ny Isiraelin’Andriamanitra” amin’ny fitambarany dia tsy hiseho ho tsy mahatoky toy izany. (Galatiana 6:16). Kanefa izay Kristiana rehetra mahatonga fahalotoana ara-panahy na ara-pitondrantena amin’ny farany dia hiatrika famaizana, fanamelohana mihitsy aza. Hampamoahina isika rehetra noho ny fomba ampiasantsika ny fahafahantsika kristiana.
22. Fifaliana inona no azon’ireo izay mampiasa ny fahafahany kristiana mba ho andevon’Andriamanitra?
22 Tsara lavitra tokoa ny ho andevon’Andriamanitra ka ho afaka marina. I Jehovah ihany no manome ny fahafahana tena misy vidiny. Hoy ny ohabolana hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Aoka isika hampiasa ny fahafahantsika kristiana mba hanamarinana an’i Jehovah. Raha manao izany isika, dia hisy vidiny ny fiainantsika, hitondra fahafinaretana ho an’ilay Raintsika any an-danitra, ary amin’ny farany isika dia ho anisan’ireo izay hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Afaka Manazava ve Ianao?
◻ Iza irery ihany no tena afaka marina?
◻ Fahafahana inona avy no nananan’i Adama sy i Eva, ary nahoana no verin’izy ireo izany?
◻ Fahafahana inona avy no nananan’ireo Isiraelita rehefa nitana ny fanekeny tamin’i Jehovah izy ireo?
◻ Fahafahana inona avy no azon’ireo izay nanaiky an’i Jesosy?
◻ Tamin’ny ahoana no namoizan’ny sasany tamin’ny taonjato voalohany ny fahafahany kristiana na nampiasany izany tamin’ny fomba ratsy?
[Sary, pejy 24]
Tsara lavitra noho izay fahafahana azon’ny olona omena ny fahafahana nomen’i Jesosy