Afaka Mahita Fampiononana Ianao Amin’ny Fotoana Isian’ny Fahorian-tsaina Mafy
AHOANA no tokony hiheverantsika ny fahatsapana fahorian-tsaina mafy? Raha nanolo-tena ho an’i Jehovah isika, moa ve isika tokony hihevitra izany ho hafahafa satria isika manana fanantenana mahatalanjona sy loharanom-panohanana ara-panahy? Moa ve ny fihetseham-po toy izany midika fa isika dia tsy mendrika ny hanompo an’Andriamanitra, raha jerena ny lafiny ara-panahy?
“Elia dia olona tahaka antsika ihany”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. (Jakoba 5:17). Na dia nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka aza i Elia, dia nahatsapa fahorian-tsaina mafy, na dia io mpaminany nahatoky io aza. “Aoka izay!”, hoy i Elia indray mandeha, “alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.” (1 Mpanjaka 19:4). Nahatsapa fahorian-tsaina mafy i Joba, ilay lehilahy nitana ny tsy fivadihany, sy i Hana, ilay vehivavy nahatoky, ary ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika maro hafa. Na i Davida mpanao salamo, izay tia an’Andriamanitra aza dia nivavaka hoe: “Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho.” — Salamo 25:17.
Tsy mahatonga ny olona ho afa-panahiana tanteraka akory ny fampiasan’i Jehovah azy ireo ao amin’ny fanompoana azy. Mbola manana kilema sy fihetseham-pon’olombelona ihany izy ireo, ary mety hahatsapa fahorian-tsaina mafy rehefa mandalo fitsapana. (Asan’ny Apostoly 14:15). Na dia izany aza, ireo mpanompon’Andriamanitra dia manana fanampiana tsara kokoa noho ny hafa rehefa miatrika fihenjanana ara-pihetseham-po. Aoka isika hijery ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly mba hahitana izay nanampy ny olona sasany handresy ny fahaketrahany ara-tsaina sy ny fahatsapany fahorian-tsaina mafy.
Apostoly nandalo fahorian-tsaina mafy ary nahita fampiononana
Fantatry ny apostoly Paoly izany atao hoe ketraka izany. “Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay”, hoy izy, “dia tsy nisy hiainan’ny nofonay (...) teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin’ny nahatongavan’i Titosy”. (2 Korintiana 7:5, 6). Ny fahaketrahan’i Paoly dia vokatry ny toe-javatra nampahory maro niara-nitranga tamin’ny fotoana iray ihany. “Teo ivelany nisy ady” — dia fanenjehana mafy nahatandindomin-doza ny aina mihitsy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 1:8.) Ambonin’izany, dia teo ny ‘tahotra tao anaty’ dia ireo fanahiana ny amin’ny kongregasiona, toy ilay tany Korinto.
Volana vitsivitsy talohan’izay, dia nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristiana tany Korinto i Paoly. Tao anatin’izany dia nomelohiny ny toe-javatra tena ratsy maromaro tao amin’ilay kongregasiona, ary toa nanahy izy ny amin’ny fomba handraisan’ireo Korintiana ny taratasiny. Nahazo fampiononana anefa i Paoly rehefa tonga avy tany Korinto i Titosy nitondra filazana tsara ny amin’ny fandraisan’izy ireo. Toy izany koa, i Jehovah dia mety hampiasa ny iray amin’ireo mpanompony amin’izao andro izao mba hitondra ho antsika vaovao tsara ary hampitony ny fahorian-tsaina mafy mahazo antsika.
Ny fomba hiheverana ny asa nanendren’Andriamanitra
Misy Kristiana mahita fahorian-tsaina sasany mifandray amin’ny fanompoana tontosainy. Marina tokoa fa misy mpanompon’i Jehovah sasany nihevitra fa ny fanatanterahana ny asa nanendren’Andriamanitra dia hitaky be loatra avy aminy. I Mosesy, ohatra, dia nahatsiaro ny tenany ho tsy mendrika ny ho solontenan’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita tany Egypta. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nolazainy fa tsy mahay mandaha-teny izy. (Eksodosy 3:11; 4:10). Noho ny fatokiana an’Andriamanitra anefa, sy noho ny fananany an’i Arona ho mpitondra teny, dia nanomboka nanatanteraka ny asa nanendrena azy i Mosesy.
Tsy ela, tatỳ aoriana dia tsy niankina tamin’i Arona intsony i Mosesy. Toy izany koa, amin’ny voalohany dia hitan’ny sasany fa sarotra ny fanompoana kristiana, kanefa mahazo fampiofanana izy ireny ary tonga mpitory ny filazantsara mahay. Tanora Vavolombelon’i Jehovah maro be, ohatra, no nihalehibe ary tonga mpitory manontolo andro, amin’ny maha-mpitory maharitra na misionera. Mampionona ny mahafantatra fa azo ianteherana foana i Jehovah mba hahatonga minisitra kristiana ho ampy fahaizana, sy hanome azy ireo hery hanatanterahany ny asa nanendren’Andriamanitra azy. — Zakaria 4:6; 2 Korintiana 2:14-17; Filipiana 4:13.
Fampiononana rehefa mahita fahorian-tsaina mafy noho ny nenina
Mety ho kivy isika satria manenina noho ny tsy nanaovantsika betsaka kokoa teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny rahalahy iray izay tsy nitory nandritra ny taona maro dia nanomboka nandray anjara indray tamin’ny asa fanompoana. Fotoana fohy taorian’izay, dia narary mafy izy ary tsy afaka niala teo am-pandriana intsony. Hoy ilay rahalahy ketraka: “Taloha kokoa, fony aho afaka niasa, dia niala andraikitra aho. Amin’izao fotoana izao, na dia maniry ny hiasa aza aho, dia tsy afaka.”
Moa ve tsy ho fahendrena ny hanaovana izay tsara indrindra vitantsika izao, toy izay handany hery ara-pihetseham-po amin’izay nitranga taloha? I Jakoba sy i Joda, rahalahin’i Jesosy ara-nofo iray reny taminy, dia tsy tonga mpino raha tsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany. Na dia nanenina ny amin’izany aza izy ireo, izany akory tsy nanakana azy tsy ho tonga mpanompon’Andriamanitra ary ho mpanoratra ny Baiboly mihitsy aza.
Aza atao tsirambina mihitsy ny vavaka
Rehefa ketraka ny vahoakan’Andriamanitra, dia tokony hivavaka amin-kafanam-po izy. Raha ny marina, ny Soratra Masina dia mirakitra vavaka maro natao tamin’ny fotoam-pahoriana. (1 Samoela 1:4-20; Salamo 42:8). Mety hieritreritra ny sasany hoe: ‘Ketraka loatra aho ka tsy afaka mivavaka.’ Koa nahoana àry raha mieritreritra an’i Jona? Raha tao an-kibon’ny trondro izy, dia nilaza hoe: “Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Jehovah aho; ka tonga tao aminao ny fivavako, dia tao amin’ny tempolinao masina. (...) Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko; an’i Jehovah ny famonjena.” (Jona 2:2-9). Eny, nivavaka i Jona, ary nampionona azy Andriamanitra tamin’ny famonjena azy.
Na dia mpitory maharitra nandritra ny taona maro aza ny anabavy iray tany Soeda, dia nahatsiaro ho rera-tsaina sy trotraka izy na dia teo aza ny fanompoany nahitam-bokatra. Notononiny tao amin’ny vavaka nataony tamin’i Jehovah ny fahaketrahany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia naharay antso an-telefaonina izy, avy tamin’ny rahalahy iray ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Nanontany azy izy io raha toa afaka manohana eo amin’ny asa fanitarana ny Betela, indray mandeha isan-kerinandro eo ho eo, izy. Tatỳ aoriana dia hoy io anabavy io: “Ny rivo-piainana tao amin’ny Betela sy ny fahafahako nahita ny fitaran’ny asa, ary ny fandraisana anjara tamin’izany, dia nanome ahy ilay tanjaka fanampiny nilaiko.”
Raha ketraka isika, dia tsara ny hitadidiantsika fa ny vavaka no fomba iray iadiana amin’ny fahaketrahana. (Kolosiana 4:2). Ho valin’ny vavaka ataontsika, i Jehovah dia mety hanokatra lalana ho amin’ny asa lehibe kokoa eo amin’ny fanompoana azy, na mety hitahy ny fanompoantsika izy mba hamokaran’izany bebe kokoa hatrany. (1 Korintiana 16:8, 9). Na ahoana na ahoana, “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22). Azo antoka fa izany dia mampahery ny saintsika.
Fahorian-tsaina mafy noho ny fisalasalana?
Indraindray, dia mety hanana fisalasalana ny mpanompon’i Jehovah. Raha mitranga amintsika izany, dia tsy tokony hanatsoaka hevitra avy hatrany isika fa namoy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tsy nolavin’i Jesosy ny apostoly Tomasy noho izy io nisalasala ny amin’ny filazana mikasika ny nitsanganan’ny Mpampianatra azy tamin’ny maty nataon’ny vavolombelona nanatri-maso. Nanampy an’i Tomasy tamim-pitiavana kosa i Jesosy mba handresy ny fisalasalany. Ary toy inona moa ny fientanam-po tsapan’i Tomasy rehefa takany fa velona i Jesosy! — Jaona 20:24-29.
Noho ny fampianaran-dison’izy ireo, ny fimonomononany, sy ny toy izany, ireo “olona ratsy fanahy” izay niditra an-tsokosoko tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia nahatonga ny sasany hanana fisalasalana nampahory saina mafy. Noho izany, dia nanoratra toy izao i Joda mpianatra: “Ary amindrao fo ny sasany izay [misalasala, NW ]; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy”. (Joda 3, 4, 16, 22, 23). Mba hahazoana hatrany ny fiheverana feno indrafo avy amin’Andriamanitra, ireo mpiara-manompo tamin’i Joda — indrindra fa ireo loholona tao amin’ny kongregasiona — dia nila naneho famindram-po tamin’ireo nisalasala izay mendrika izany. (Jakoba 2:13). Niankinan’ny fiainan’izy ireo mandrakizay izany, satria notandindomin-doza tamin’ny ‘afon’ny’ fandringanana mandrakizay izy ireo. (Ampitahao amin’ny Matio 18:8, 9; 25:31-33, 41-46.) Ary toy inona moa ny fifaliana tsapa rehefa misy fanampiana omena amin-katsaram-panahy an’ireo mpiray finoana manana fisalasalana ka manjary matanjaka ara-panahy izy ireo avy eo!
Raha toa ireo fitsapana mampahory ka mahatonga antsika hisalasala ny amin’ny fombàn’Andriamanitra antsika, dia ilaintsika ny milaza zavatra hentitra ao amin’ny vavaka ataontsika. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia aoka isika haharitra amin’ny fangatahana fahendrena amin’i Jehovah. Manome malalaka izy, tsy misy fandatsana antsika noho ny tsy fananantsika fahendrena sy noho ny fivavahantsika aminy mba hahazoana izany. Tsy maintsy ‘mangataka hatrany amin’ny finoana isika, ka tsy hisalasala mihitsy’, satria izay misalasala dia toy ny “alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany” any amin’ny vazan-tany efatra. Tsy mahazo na inona na inona avy amin’i Jehovah ny olona toy izany satria olona miroa saina izy, “miovaova” eo amin’ny vavaka sy ny alehany rehetra. (Jakoba 1:5-8, NW ). Aoka isika hanam-pinoana fa hanampy antsika i Jehovah mba hijery amin’ny fomba mety ny fitsapana mahazo antsika, ary hiaritra izany. Mety hisy andinin-teny hanintonana ny saintsika, angamba avy amin’ny mpiray finoana izany, na mandritra ny fianarana Baiboly. Mety hanampy antsika hahita ny tokony hataontsika ny zava-mitranga tarihin’Andriamanitra amim-pahakingana. Mety handray anjara amin’ny fanoroana lalana antsika ny anjely, na mety hahazo fitarihana avy amin’ny fanahy masina isika. (Hebreo 1:14). Ny zava-dehibe dia ny hivavahana mba hahazoana fahendrena, amim-patokiana tanteraka an’ilay Andriamanitsika be fitiavana. — Ohabolana 3:5, 6.
Tsarovy fa manome fampiononana i Jehovah
Niantehitra tamim-bavaka tamin’i Jehovah i Paoly ary fantany fa Loharanon’ny fampiononana Izy. Nanoratra toy izao ilay apostoly: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.” — 2 Korintiana 1:3, 4.
Ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra dia mahafantatra tsara ny fahoriana mahazo ny mpanompony ary maniry ny hanome azy ireo fanamaivanana. Tamin’ilay fanahian’i Paoly ny amin’ireo Korintiana, dia tonga ny fanamaivanana tamin’ny alalan’i Titosy, Kristiana mpiara-miasa taminy. Izany dia fomba iray mety hampiononana antsika koa amin’izao andro izao. Rehefa voan’ny fahorian-tsaina mafy isika, dia tokony hohalavirintsika àry ny fitokantokanana. (Ohabolana 18:1). Ny fiarahana amin’ireo Kristiana namana, dia iray amin’ireo fomba ampiononan’Andriamanitra antsika. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Ketraka aoka izany aho ka tsy ampy hery mba hiarahana amin’ireo namako kristiana’. Kanefa dia tokony hiady amin’ny fihetseham-po toy izany isika ary tsy hisakana ny tenantsika tsy handray ny fampiononana izay azon’ireo mpiray finoana amintsika omena.
Aza manary toky!
Ny sasany amintsika dia mety tsy ho nandalo fitsapana misy fiantraikany mafy toy izany, ka hoe nahatonga antsika ho voan’ny fahaketrahana mafy. Kanefa ny aretina mahatonga fahosana, ny fahafatesan’ny vady, na toe-javatra hafa misedra mafy dia mety hitondra fahoriana mafy ara-pihetseham-po. Raha mitranga izany, dia aoka isika tsy hanatsoaka hevitra fa tsy maintsy ho marary ara-panahy isika. Ny olona ketraka iray dia mety hahafeno fepetra tsara ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, afaka manampy ara-panahy ny hafa mihitsy aza. Nampirisika ireo rahalahy i Paoly mba “hiteny amin’ny fomba mampionona amin’ny fanahy ketraka”, fa tsy hieritreritra amim-piahiahiana hoe nanao zava-dratsy sy marary ara-panahy izy ireny. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Na dia ampifandraisina amin’ny fanaovan-dratsy sy ny heloka aza ny fahaketrahana indraindray, dia tsy izany no izy amin’ireo izay manompo an’Andriamanitra amin’ny fo madio. Ny fanompoam-pivavahana izay ataony amim-pahasahiranana fatratra angamba, dia azo ekena eo imason’i Jehovah. Tia azy ireny i Jehovah, ary mamonjy azy amin’ny fanomezana ny fanampiana sy fampiononana ilaina. — Salamo 121:1-3.
Ireo izay mahaforona ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy dia nandalo fahorian-tsaina mafy dia mafy noho ireo fitsapana tamin’ny taona 1918. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:16.) Saiky rava tanteraka ny fandaminany natao hitory, natao am-ponja tsy ara-drariny ny sasany tamin’izy ireo, ary nanjary tsy nahatoky, mpivadi-pinoana nanohitra, ny maro tamin’ireo mpiara-miasa taminy taloha. Ambonin’izany, dia tsy takatr’ireo voahosotra nahatoky ny antony namelan’Andriamanitra izany rehetra izany hitranga. Nandritra ny fotoana sasany dia ‘namafy tamim-pitomaniana’ izy ireo kanefa dia tsy nanary toky. Nanohy nanompo an’i Jehovah izy ireo ary nandini-tena koa. Inona no vokany? ‘Niverina nitondra ny amboarany tamin’ny fihobiana’ izy ireo. (Salamo 126:5, 6). Takatr’ireo voahosotra izao fa, matoa Andriamanitra namela fitsapana toy ireny hitranga, dia mba hanadiovana azy ireo ho amin’ilay asa fijinjana maneran-tany nanakaiky.
Raha manjary azon’ny fahorian-tsaina mafy noho ny fianjadian’ny fitsapana isan-karazany isika, dia afaka mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ireo sisa voahosotra. Toy izay hanary toky, dia aoka isika hanohy hanao izay mahitsy, na dia tsy maintsy manao izany amim-pitomaniana aza. Amin’ny fotoana mety dia hisy lalana ivoahana avy amin’ireo fitsapana mahazo antsika, ary dia ‘hiverina amin’ny fihobiana’ isika. Eny, hahazo fifaliana — izay vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra — isika satria niaritra ny fitsapana nahazo antsika. Hiseho ho “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ho antsika marina tokoa i Jehovah.