FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/10 p. 20-23
  • ‘Tokony Hatao Batisa ve Aho?’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tokony Hatao Batisa ve Aho?’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay tafiditra amin’ny batisa
  • Iza no tokony hatao batisa?
  • ‘Mbola kely aho’
  • ‘Efa antitra loatra aho’
  • ‘Mamonjy anareo izany ankehitriny’
  • Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Tokony Hatao Batisa ve Aho?—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?
    Manontany ny Tanora
  • Ry Tanora, Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/10 p. 20-23

‘Tokony Hatao Batisa ve Aho?’

AMIN’IREO fanapahan-kevitra rehetra izay asaina ataontsika eo amin’ny fiainana, dia tsy misy angamba lehibe kokoa noho ity: ‘Tokony hatao batisa ve aho?’ Nahoana izany no zava-dehibe aoka izany? Satria ny fanapahan-kevitsika momba izany dia raharaha izay misy fiantraikany mivantana, tsy eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao ihany, fa eo amin’izay hahasoa antsika mandrakizay koa.

Miatrika io fanapahan-kevitra io ve ianao? Angamba ianao efa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fotoana elaela. Na mety ho nampianatra anao ny Soratra Masina hatramin’ny fahazazanao ireo ray aman-dreninao. Izao ianao dia tonga eo amin’ny faritra iray izay tsy maintsy anapahanao hevitra ny amin’izay tokony hataonao. Mba hahafahanao handray ny fanapahan-kevitra mety, dia ilainao ny mahatakatra hoe inona no tafiditra amin’ny batisa ary iza no tokony hatao batisa.

Izay tafiditra amin’ny batisa

Somary mitovitovy amin’ny fampakaram-bady, ny batisa dia fombafomba iray izay ankalazana fifandraisana iray. Amin’ny fampakaram-bady, ilay lehilahy sy ilay vehivavy tafiditra dia efa nampitombo fifandraisana akaiky. Ilay fombafomba fampakaram-bady dia manao izay hahafantaran’ny besinimaro fotsiny izay efa nifanekena manokana tany, dia ny hoe samy eo am-pidirana ao anatin’ny tena firaisan’ny fanambadiana izy roa izao. Izany koa dia manome tombontsoa maro ho an’ilay mpivady sady mitondra andraikitra maro izay mahatonga azy ireo ho tsy maintsy miaina mifanaraka amin’izany eo amin’ny fiainana iarahany.

Mitovy tanteraka amin’ny batisa ilay toe-javatra. Arakaraka ny ianarantsika ny Baiboly, dia fantatsika ireo zavatra mampiseho fitiavana izay nataon’i Jehovah ho antsika. Tsy vitan’ny hoe nanome antsika ny fiainana sy izay rehetra ilaintsika mba hitanana izany fotsiny izy, fa nomeny koa ny Zanany lahitokana mba hampisy lalana hidiran’ny olombelona mpanota ao anatin’ny fifandraisana Aminy ary hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. Rehefa mieritreritra ny amin’izany rehetra izany isika, moa ve isika tsy voatosika hanao zavatra?

Inona no azontsika atao? Milaza amintsika i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra hoe: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Eny, afaka ny ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy isika, manaraka ny ohatra navelany teo amin’ny fiasana ho an’ny tombontsoan’i Jehovah Rainy. Ny fanaovana izany anefa, dia mitaky ny ‘handavantsika’ ny tenantsika, izany hoe, fahatapahan-kevitra an-tsitrapo ny hametraka ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny an’ny tenantsika; izany dia mahatafiditra ny fanolorana na fanokanana ny fiainantsika ho amin’ny fanaovana ny sitrapony. Mba hampahafantarana io fanapahan-kevitra an-tsitrapo sy manokana io, dia atao ny fombafomba ampahibemaso iray. Ny batisa amin’ny rano io fombafomba io mba hanamarihana ampahibemaso ny fanolorantsika tena ho an’Andriamanitra.

Iza no tokony hatao batisa?

Nanome toromarika ireo mpanara-dia azy i Jesosy Kristy mba ‘handeha sy hanao mpianatra ny olona amin’ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany azy ireo’. (Matio 28:19, 20). Mazava fa misy ambaratongam-pahamatorana sasany ara-tsaina sy ara-toe-po takina amin’ireo izay hatao batisa. Avy amin’ny fianarany manokana ny Tenin’Andriamanitra, dia nanjary takany tsara ny ilana ‘hibebaka sy hiverina’ avy amin’ny fomba fiainan’izy ireo taloha. (Asan’ny Apostoly 3:19). Avy eo, dia hitan’izy ireo ny ilana hanaovana ilay asan’ny evanjelisitra izay nataon’i Jesosy Kristy, amin’ny fahatongavana ho mpianany. Izany rehetra izany dia efa nitranga talohan’ny dingana ho amin’ny batisa.

Efa tonga amin’izany ambaratonga izany ve ianao eo amin’ny fitomboanao ara-panahy? Maniry hanompo an’Andriamanitra ve ianao? Raha izany no izy, dia diniho amim-bavaka ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ilay tandapa etiopiana, voarakitra ao amin’ny As 8 Asan’ny Apostoly toko faha-8. Rehefa nohazavaina tamin’io lehilahy io ireo faminaniana momba an’i Jesosy, ilay Mesia, dia nandinika ny sainy sy ny fony izy, ary avy eo dia nanontany hoe: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Toa tsy nisy na inona na inona nisakana azy; koa natao batisa izy. — Asan’ny Apostoly 8:26-38.

Amin’izao andro izao, dia maro no manao fanontaniana mitovy amin’izany: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Ho vokatr’izany, dia nisy olona nanolo-tena vao haingana 300 945 natao batisa tamin’ny 1991. Izany dia nitondra fifaliana lehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ary ireo loholona ao amin’ny kongregasiona dia faly manampy ireo olona tso-po hafa mba handroso ka hahafeno ireo fepetra ho amin’ny batisa.

Mety hanipy hevitra aminao mba hiandry anefa ireo loholona ao amin’ny kongregasiona misy anao. Na, raha tanora ianao, ireo ray aman-dreninao dia mety hitarika anao mba hiandry. Ahoana amin’izay? Aza kivy. Ataovy ao an-tsaina fa ny fidirana ao anatin’ny fifandraisana manokana amin’ilay Avo Indrindra dia raharaha tena lehibe. Misy fari-pitsipika ambony tsy maintsy fenoina sy hazonina. Koa henoy ireo fanipazan-kevitra natolotra ary ampiharo amin’ny fonao rehetra izy ireny. Raha tsy tena azonao tsara ny antony nomena, dia aza menatra, fa manontania mandra-pahatakaranao tsara izay fiomanana ilaina hataonao.

Etsy an-danin’izany, dia misy olona sasany mety hisalasala hanao io dingana lehibe io, araka ny fiantson’izy ireo azy. Iray amin’izy ireny ve ianao? Tsy azo lavina fa mety hisy antony voafaritra tsara mahatonga anao ho tsy maintsy mampihemotra ny fanoloran-tena sy ny batisa. Kanefa raha mahafeno fepetra ianao saingy mbola mampiseho tsy fahavononana, dia tsara ny anontanianao tena hoe: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Fakafakao amim-bavaka ny toerana misy anao ary jereo raha tena misy antony azo ekena ny fampihemoranao ny famalianao ilay fanasan’i Jehovah mba hiditra ao amin’ny fifandraisana manokana aminy.

‘Mbola kely aho’

Raha tanora ianao, dia mety hieritreritra hoe: ‘Mbola kely aho’. Marina fa raha mbola mankatò sy manaraka ireo ray aman-dreniny kristiana ny tanora, sady mampihatra ny Soratra Masina araka izay farany azony atao, dia afaka matoky izy ireo fa i Jehovah dia hihevitra azy ho “masina”. Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza amintsika fa ny fankasitrahan’Andriamanitra an’ireo ray aman-dreny manao ny marina dia miitatra hatrany amin’ny zanany mbola miankina aminy. (1 Korintiana 7:14). Tsy misy anefa taona voafetra ao amin’ny Baiboly ny amin’ny hoe rahoviana no mifarana io fotoana fiankinana io. Noho izany, dia zava-dehibe ho an’ireo tanora kristiana ny mandinika amim-pitandremana ilay fanontaniana hoe: ‘Tokony hatao batisa ve aho?’

Mampirisika ny tanora mba ‘hahatsiaro ny Mpanao azy amin’ny andro fahatanorany’ ny Baiboly. (Mpitoriteny 12:1). Ny amin’izany, dia manana ny ohatr’i Samoela zaza isika, izay “nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’i Jehovah raha mbola zaza”. Eo koa ny ohatr’i Timoty, izay nandray am-po ny fahamarinana izay nampianarin-dreniny sy ny renibeny azy hatramin’ny fahazazany. — 1 Samoela 2:18; 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.

Toy izany koa amin’izao andro izao, fa misy tanora maro nanolotra ny fiainany mba hanompo an’i Jehovah. I Akifusa, izay 15 taona, dia nilaza fa nisy tapany tamin’ny Fivoriana Momba ny Asa nanampy azy hanao ny fanapahan-keviny hatao batisa. Natao batisa i Ayumi fony izy folo taona. Naniry ny hanompo an’i Jehovah izy satria tena nanjary tia azy tokoa. Telo ambin’ny folo taona izy izao ary, vao nahita ny ankizy iray nampianariny ny Baiboly izay nanjary tia an’i Jehovah koa, ka natao batisa teo amin’ny faha-12 taonany. Natao batisa teo amin’ny faha-10 taonany koa ny anadahy kelin’i Ayumi. “Nisy nilaza fa kely loatra aho” hoy ny tsaroany, “kanefa dia nahafantatra izay tsapako i Jehovah. Tapa-kevitra ny hatao batisa aho vantany vao nanapa-kevitra ny hanolotra ny fiainako hanompo azy amin’izay rehetra ananako.”

Ny ohatr’ireo ray aman-dreny koa dia antony iray, araka ny tsapa amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny anabavy tanora iray. Noraran-drainy tsy hianatra ny Baiboly niaraka taminy sy ny zandriny lahy sy vavy ny reniny. Nikapoka azy ireo izy ary nandoro ny bokin’izy ireo. Kanefa noho ny fiaretana sy ny finoana nasehon’ilay reny, ireo ankizy dia afaka nahita ny maha-zava-dehibe ny anompoana an’i Jehovah Andriamanitra. Natao batisa teo amin’ny faha-13 taonany io ankizivavy kely io, ary nanaraka ny ohatra navelany ireo zandriny lahy sy vavy.

‘Efa antitra loatra aho’

Hoy ny mpanao salamo: “Na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah”. (Salamo 148:12, 13). Eny ireo antitra dia tsy maintsy miaiky koa ny amin’ny ilana hiandany amin’i Jehovah. Misy olona antitra sasany anefa, mirona hanalavitra ny fanaovana fiovana. Mihevitra izy ireo fa sarotra amin’ny olona antitra ny mianatra zava-baovao. Tsarovy anefa fa 75 taona i Abrahama fony i Jehovah nilaza taminy hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao”. (Asan’ny Apostoly 7:3; Genesisy 12:1, 4). Valopolo taona i Mosesy fony i Jehovah naniraka azy ka niteny hoe: ‘Ento mivoaka avy any Egypta ny oloko’. (Eksodosy 3:10). Ireo lehilahy ireo sy ny maro hafa dia samy efa niorina tsara teo amin’ny fiainany fony izy nangatahin’i Jehovah hampiseho ny fitiavany sy hanolo-tena ho azy. Tsy niahotrahotra namaly ny antson’i Jehovah izy ireo.

Ahoana ny amin’izao andro izao? Bodista nandritra ny 78 taona i Shizumu rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly. Nanohitra azy ny fianakaviany, tsy namela azy hianatra tao an-tranony mihitsy aza. Taorian’ny herintaona monja, dia tsapany ny ilana hanolorana ny tenany ho an’i Jehovah, ary dia natao batisa izy. Nahoana izy no nanao ilay fiovana? Hoy izy: “Nandritra ny taona maro aho dia voafitaky ny fivavahan-diso, ary naniry ny handray ny fahamarinana avy amin’i Jehovah mandrakizay aho.”

‘Mamonjy anareo izany ankehitriny’

Madiva ho tapitra ny fotoana. Misy aina maro, anisan’izany ny anao, tandindomin-doza. Mahadodona ny handinihanao tsara ny raharaha momba ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah ary ny hanamarihanao izany amin’ny batisa amin’ny rano. Nanamafy izany ny apostoly Petera tamin’ny filazana hoe: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa”. Fanampin’izany, dia nanazava izy fa ny batisa dia “tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa” (efa ho nanao izany ny olona iray talohan’ny nahafenoany fepetra ho amin’ny batisa) “fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra”. — 1 Petera 3:21.

Rehefa mahafeno ireo fepetra takin’i Jehovah ny mpianatra vita batisa, dia manjary manana fieritreretana tsara. Amin’ny fanohizany manao izay farany azony atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia manana fiadanan-tsaina sy fahafaham-po izy. (Jakoba 1:25). Ambonin’izany rehetra izany, dia afaka miandrandra amim-patokiana fitahiana tsy hanam-pahataperana avy amin’i Jehovah izy, ao amin’ilay fandehan-javatra vaovao ho avy. Enga anie mba ho izany no ho anjara lovanao rehefa mamaly hoe ‘eny’ ianao amin’ilay fanontaniana hoe: ‘Tokony hatao batisa ve aho?’

[Sary, pejy 21]

Fony izy mbola zaza, dia nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’i Jehovah i Samoela

[Sary, pejy 22]

Valopolo taona i Mosesy fony izy nirahin’i Jehovah

[Sary, pejy 23]

Amin’izao andro izao, ny tanora sy ny antitra izay atao batisa dia afaka miandrandra fitahiana tsy hanam-pahataperana ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara