FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/12 p. 3-4
  • Inona Marina no Atao hoe Filazantsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona Marina no Atao hoe Filazantsara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe ny Filazantsara?
  • Famantarana ilay Filazantsara
  • Hafatra miavaka
  • Marina ve ny “Filazantsaran’i Jodasy”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Ahoana no Ahafahan’ny Filazantsara Mitondra Soa ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Vatosoan’ny Filazantsaran’i Lioka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-40 — Matio
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/12 p. 3-4

Inona Marina no Atao hoe Filazantsara?

MANDRITRA ny fotoan’ny Krisimasy, dia olona any amin’ny tany maro no mandre ny amin’ny Filazantsara, ary miresaka ny amin’izany mihitsy aza. Tena mahazatra ilay teny, kanefa moa ve izy io manana heviny lehibe kokoa noho izay heverin’ny maro? Moa ve ny Filazantsara mety hidika ho zavatra tsara amin’ny fomba miavaka ho anao sy ireo olo-malalanao?

Ny “Filazantsara” dia midika hoe “vaovao tsara”, ary azo antoka fa raisina tsara ny vaovao tsara, tsy amin’ny fotoan’ny Krisimasy ihany, fa amin’ny fotoana rehetra. Ilay Filazantsara anefa, dia tsy izay rehetra vaovao tsara fotsiny. Izy io dia vaovao tsara iray miavaka tsara, avy amin’ny loharano iray voafaritra tsara, ary mahakasika foto-kevitra iray manokana. Raha ny marina, izy io dia hafatra izay nasain’Andriamanitra hambara amin’ny taranak’olombelona iray manontolo.

I Eugênio Salles, arseveka any Rio de Janeiro, Brezila, dia niresaka ny amin’izany vaovao tsara izany rehefa nampirisika hoe: “Tokony hiasa mifanaraka amin’ny Filazantsara isika fa tsy hampiorina izay ataontsika amin’ny firehan-kevitra.” Marina ny an’ilay arseveka. Ny fiasana mifanaraka amin’ny Filazantsara anefa, dia mitaky ny hahafantarantsika ny atao hoe ny Filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mianatra izany? Ary amin’ny ahoana no hanampy antsika ny fiasana mifanaraka amin’ny Filazantsara?

Inona no atao hoe ny Filazantsara?

Adika vilana mazàna ny maha-izy ny Filazantsara. Tamin’ny 1918, ny Konsily Federalin’ireo Fiangonan’i Kristy tany Amerika dia niarahaba ny Fikambanam-pirenena, izay efa maty izao, ho ny fampisehoana ara-politika ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, ary nanambara fa izy io dia “mifototra amin’ny Filazantsara”. Tsy nahomby tamin’ny fomba nampalahelo teo amin’ny fikendreny hiaro ny fandriampahalemana anefa io fikambanana io. Miharihary fa diso ilay konsily. Tsy nisy nifandraisan’ny Fikambanam-pirenena tamin’ny Filazantsara mihitsy.

Tamin’ireo taona faramparany, ireo mpanohana ny teolojian’ny fanafahana, dia nanonona an-karihary ny Filazantsara rehefa niresaka ny amin’ny hevitr’izy ireo momba ny fanovana ara-politika na ara-tsosialy. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia tsy niraharaha ilay tena Filazantsara izy ireo. Nanazava toy izao ilay gazety brezilianina hoe Veja: “Nanomboka nankasitraka ny fanjakana ara-tsosialy ny Eglizy Katolika, ka tsy niraharaha ireo zavatra ara-panahy ilain’ny mpiangona ao aminy. Ireo izay nitady ny teny hoe Andriamanitra tao amin’ny toriteny iray dia mazàna tsy nahita afa-tsy fanaporofoan-kevitra be angolangolan-teny fotsiny hanoherana ny tsy rariny ara-tsosialy.”

Ny fanatsarana eo amin’ny toe-piainana na ny fiovana eo amin’ny fandehan-javatra ara-politika dia mety ho vaovao tsara ho an’ny olona sasany. Tsy izany anefa ilay vaovao tsara, dia ilay Filazantsara. Rehefa niaiky ny amin’ny tsy fahombiazan’ny fiangonany teo amin’ny fitoriana ilay tena Filazantsara ny eveka iray, dia niteny hoe: “Nanao tsirambina ny fampianarana ara-panahy ireo mpiangona ao aminay izahay hatramin’ireo taona 1960 noho ny fisalovanan’ireo zavatra ara-nofo teo amin’ny foto-pampianaranay.”

Nanipy hevitra ny tatitra iray tao amin’ny gazety amerikana Time fa nivaona tamin’ny Filazantsara koa ny Protestanta. Nanao izao fanamarihana izao ilay gazety: “Tsy vitan’ny hoe tsy nahavita nampita ny hafatr’izy ireo tamin’ny fomba azon’ny olona ireo fiangonana mahazatra; miha-tsy mahazo antoka hatrany fotsiny ny amin’izay dikan’izany hafatra izany izy ireo.” Fa tokony ho inona ny hafatr’izy ireo? Inona ilay Filazantsara?

Famantarana ilay Filazantsara

Ny “Filazantsara” dia faritan’ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary ho “ny hafatra mahakasika an’i Kristy, ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny famonjena”. Ilay teny hoe “filazantsara” koa dia faritana ho “fanazavana ny hevitry ny hafatra kristiana (filazantsara ara-tsosialy)”, “ny hafatra na fampianarana avy amin’ny mpampianatra ara-pivavahana iray”. Moa ve mihatra avokoa ireo famaritana rehetra ireo? Tsia, tsy mihatra izy ireo raha miresaka ny amin’ilay Filazantsara isika. Ny tena Filazantsara dia miorina amin’ny Baiboly; noho izany, dia ilay voalohany amin’ireo famaritana telo ireo ihany no marina. Ireo roa farany dia manome taratry ny fomba nanjary nampiasana ny teny hoe “filazantsara” amin’izao andro izao fotsiny.

Mifanaraka amin’izany hevitra izany, dia milaza ny Vine’s Expository Dictionary of New Testament Words fa, ao amin’ny Soratra Grika Kristiana (ny “Testamenta Vaovao”), ny Filazantsara dia “manondro vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy, izay tokony horaisina amim-pinoana, miorina amin’ny fahafatesany izay nampihavana”. Zava-dehibe ny hahatakarana izany satria ny fahatakarana tsara ilay tena vaovao tsara dia misy ifandraisany betsaka amin’izay mahasoa antsika dieny izao sy ny fahasambarantsika amin’ny hoavy.

Hafatra miavaka

Araka ny asehon’ilay boky fakàn-teny voalaza teo, ny Filazantsara dia mifamatotra akaiky amin’i Jesosy Kristy — akaiky aoka izany, hany ka antsoina hoe Filazantsara ireo fitantarana efatra ao amin’ny Baiboly momba ny fiainany teto an-tany. Hatrany am-piandohan’ny fiainany tamin’ny naha-olombelona, dia vaovao tsara ireo vaovao momba an’i Jesosy. Rehefa nanambara ny fahaterahany ny anjely iray, dia nilaza hoe: “Indro, milaza teny soa mahafaly [na filazantsara] aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio (...) dia Kristy Tompo”. — Lioka 2:10, 11.

Ilay Jesosy vao teraka dia hihalehibe mba ho tonga Kristy, ilay Mesia nampanantenaina. Hampiharihary ny fikasan’Andriamanitra momba ny famonjena izy, hanolotra ny fiainan’olombelona tanteraka nananany ho an’ny taranak’olombelona, hatsangana amin’ny maty, ary avy eo dia ho tonga Mpanjaka voafidy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Vaovao tsara marina tokoa izany! Izany no nahatonga ilay hafatra mahakasika azy hantsoina hoe ny Filazantsara.

Nandritra ny fanompoana fohy nataony teto an-tany, dia tena be zotom-po teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara i Jesosy. Izao no vakintsika ao amin’ny Filazantsaran’i Matio: “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana”. (Matio 9:35). Tsy natao hahatsaratsara kokoa ny olona fotsiny akory ny fitoriana nataony. Nilaza an’i Jesosy ho niteny toy izao i Marka: “Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara”. (Marka 1:15). Eny, ireo izay nandray tsara sy nankatò ilay vaovao tsara dia nahita fa nampiova ny fiainan’izy ireo izy io.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanohy nitory ny Filazantsara ireo mpanara-dia azy. Tsy vitan’ny hoe niresaka momba ilay Fanjakana izy ireo, fa nanampy izany tamin’ireo vaovao mahafaly hoe natsangana tamin’ny maty ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy ary nanolotra ny vidin’ny fiainan’olombelona tanteraka nananany ho an’ny taranak’olombelona. Amin’ny maha-voafidin’Andriamanitra azy hanapaka ny tany manontolo amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia izy no ho ilay Irak’Andriamanitra handringana ireo fahavalon’Andriamanitra sy hamerina ny tany ho paradisa. — Asan’ny Apostoly 2:32-36; 2 Tesaloniana 1:6-10; Hebreo 9:24-28; Apokalypsy 22:1-5.

Amin’izao andro izao, ny vaovao tsara dia mahafaoka foto-javatra fanampiny. Araka ireo porofo rehetra momba ny fahatanterahan’ny faminaniana, dia efa nomena seza fiandrianana izao i Jesosy, ary miaina amin’ny andro farany ho an’ity fandehan-javatra ity isika. (2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:7-12). Manatona haingana ny fotoana hamelezan’ilay Fanjakana ireo fahavalon’Andriamanitra. Vaovao tsara kokoa inona no mety hisy amin’izany?

Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny herin’ny Filazantsara. Nanampy vehivavy iray voafandriky ny magie noire, hahita fahafahana izy io. Nanampy lehilahy iray tany am-ponja noho ny halatra, hahita fahasambarana izy io. Ary hitondra soa lehibe ho anao koa izy io — raha mihaino sy mankatò ny vaovao tsara ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara