FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/12 p. 21-23
  • Nahoana no Mora Erỳ ny Mandainga?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mora Erỳ ny Mandainga?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony mahatonga handainga
  • Diniho ny vokany
  • Ny antony mahamora ny mandainga
  • Nahoana no milaza ny marina?
  • Ny Filazana Lainga — Azo Hamarinina Ihany Ve?
    Mifohaza!—2000
  • Ny Marina Momba ny Fandaingana
    Mifohaza!—1997
  • Miezaha Hilaza ny Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Lainga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/12 p. 21-23

Nahoana no Mora Erỳ ny Mandainga?

TSY misy olona tia ny handaingana. Na dia izany aza, dia mifandainga noho ny antony isan-karazany ny olona manerana izao tontolo izao. Ny fandinihana iray navoakan’ilay boky hoe The Day America Told the Truth, nataon’i James Patterson sy i Peter Kim, dia nampiharihary fa mandainga tsy tapaka ny 91 isan-jaton’ny Amerikana. Nilaza toy izao ilay mpanoratra: “Sarotra amin’ny ankamaroantsika ny miaina mandritra ny herinandro iray tsy andaingana. Ny iray ao anatin’ny dimy dia tsy afaka manao izany mandritra ny andro iray monja — ary ny tianay holazaina eto dia ny lainga iniana atao, nomanina mialoha.”

Fanao mahazatra saiky eo amin’ny lafim-piainana rehetra amin’izao andro maoderina izao ny mandainga. Mandainga amin’ny vahoakany ireo filoha ara-politika, sady mifandainga amin’izy samy izy. Miseho miverimberina ao amin’ny televiziona izy ireo mba hilaza fa tsy misy ifandraisany amin’ireo teti-dratsy mahafa-baraka izay, raha ny marina, dia tena mahatafiditra azy lalina. Ao amin’ny bokiny hoe Lying—Moral Choice in Public and Private Life, dia nanao izao fanamarihana izao i Sissela Bok: “Eo amin’ny lalàna sy ny fanaovan-gazety, eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny siansa mandinika ny fitambaran’olona, dia raisina ho azo ekena ny famitahana rehefa heverina fa azo alana tsiny izany amin’ireo izay milaza ny lainga sy mirona koa hanao ny fitsipika.”

Rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny lainga ara-politika any Etazonia ny Common Cause Magazine tamin’ny May/Jona 1989, dia nanao izao fanamarihana izao: “Ny raharahan’i Watergate sy i Vietnama dia azo antoka fa saiky nifaninana tamin’ny raharaha Iran-contra (fivarotana mangingina fitaovam-piadiana amerikana tamin’i Iran, ary ny fampiasana ny tombony tamin’izany mba hanohanana ireo mpikomy tany Nicaragua fantatra tamin’ny anarana hoe “contras”) raha ny amin’ny famitahan’ny fitondram-panjakana sy ny tsy fatokian’ny vahoaka. Koa inona no nahatonga ny andron’i Reagan ho fotoana nisehoan’ny fiovan-javatra lehibe toy izany? Nandainga ny maro, kanefa vitsy no nanenina.” Koa misy antony tsara àry mahatonga ny sarambabem-bahoaka tsy hatoky ireo filohany ara-politika.

Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia sarotra amin’ireny filoha ireny ny hifampatoky eo amin’izy samy izy. Nanao izao fanamarihana izao i Platon, filozofa grika: “Ireo mpanapaka eo amin’ny Fanjakana (...) dia azo avela handainga ho tombontsoan’ilay Fanjakana.” Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia toy ilay voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 11:27 no mitranga: “Eo an-databatra iray no hiresahany lainga”.

Eo amin’ny tontolon’ny varotra, dia fanaon’ny rehetra ny mandainga momba ireo zava-bita sy vokatra ary ireo asa atao ho an’ny hafa. Ireo mpividy dia tsy maintsy mitandrina rehefa miditra amin’ny fifanekena an-tsoratra, amin’ny fahazoana antoka fa hamaky ireo fepetra izay niniana natao tsy mazava. Ny tany sasany dia manana sampan-draharaha mpampanoa lalàna ao amin’ny fitondrana mba hiaro ny olona amin’ireo dokam-barotra mamitaka, amin’ireo entam-barotra manimba izay aseho ho toy ny mahasoa sy tsy manimba, ary amin’ny fanaovana hosoka. Na dia eo aza ireo ezaka ireo, dia very vola hatrany ny olona noho ireo mpivarotra mandainga.

Ho an’ny olona sasany, dia mora aoka izany ny mandainga hany ka tonga mahazatra izy io. Ny hafa, amin’ny ankapobeny, dia milaza ny marina, fa rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra izy ireo dia mandainga. Vitsy no tsy hanaiky handainga amin’ny toe-javatra rehetra.

Ny lainga dia faritana ho “1. filazana na fanaovan-javatra iray diso, indrindra fa izay atao ho fikendrena ny hamitaka (...) 2. izay zavatra manome na natao hanomezana fiheverana diso.” Ny zava-kendrena dia ny hahatonga ny hafa hino zavatra izay fantatr’ilay mandainga fa tsy marina. Amin’ny filazana lainga na amin’ny tsy filazana afa-tsy ny antsasaky ny fahamarinana, dia miezaka hamitaka ireo manana zo hahafantatra ny marina izy.

Antony mahatonga handainga

Mandainga noho ny antony maro ny olona. Mihevitra ny sasany fa voatery mandainga ny amin’ny fahaizany izy ireo mba hahitana fahombiazana eo amin’ity tontolo tia mifaninana ity. Ny hafa dia manandrana manarona fahadisoana na heloka amin’ny lainga. Mbola misy hafa koa manamboamboatra ireo tatitra mba hahatonga hihevitra fa nahavita asa izay tsy nataony akory izy ireo. Avy eo, dia eo ireo izay mandainga mba hanimbana ny laza tsaran’ny hafa, mba hialana amin’ny tarehin-javatra mahasanganehana, mba hanamarinana ny lainga natao teo aloha, na mba hisolokiana volan’olona.

Ny fomba mahazatra iray anamarinana ny lainga dia ny filazana fa miaro olon-kafa iray izy io. Misy mandray izany ho lainga masina satria mihevitra izy ireo fa tsy manimba na iza na iza izany. Moa ve anefa ireny lazaina fa lainga masina ireny tena tsy mamela vokany ratsy tokoa?

Diniho ny vokany

Ireo lainga masina dia mety hamela modely iray mety hitarika ho amin’ny fahazarana mandainga izay mety hahatafiditra raharaha lehibe kokoa. Nanazava toy izao i Sissela Bok: “Ireo lainga rehetra arovana ho ‘masina’ dia tsy azo ailika mora foana toy izany. Voalohany indrindra, dia fanta-bahoaka fa azo iadian-kevitra ny tsy fanimban’ny lainga. Izay heverin’ilay mandainga fa tsy manimba na mahasoa mihitsy aza, dia mety tsy ho toy izany eo imason’ilay voafitaka.”

Mandrava ny fifandraisana tsara eo amin’ny samy olombelona ny lainga, na toy inona na toy inona mety ho toa tsy fananany tsiny. Potika ny fahafahana hino ilay mandainga, ary mety hirodana amin’ny fomba maharitra mihitsy aza ny fatokiana azy. Nanoratra toy izao ilay mpanao famelabelarana lahatsoratra malaza atao hoe Ralph Waldo Emerson: “Ny fandikana ny fahamarinana rehetra dia tsy vitan’ny hoe karazana famonoan-tena ho an’ilay mpandainga fotsiny, fa fanimbana ny fahasalaman’ny fitambaran’olombelona koa.”

Mora ho an’ny mpandainga ny manao filazana tsy marina momba ny olon-kafa iray. Na dia tsy manome porofo aza izy, dia miteraka fiahiahiana ny laingany, ary maro no mino azy, tsy misy fanadihadiana ny amin’izay lazainy fa marina. Noho izany, dia simba ny laza tsaran’ny olona tsy manan-tsiny iray, ary manana andraikitra hanaporofo ny tsy fananany tsiny izy. Mahakivy àry rehefa ilay mandainga indray no inoan’ny olona kokoa noho ilay tsy manan-tsiny. Ary izany dia mandrava ny fihavanan’ilay tsy manan-tsiny amin’ilay mandainga.

Ny olona iray mandainga dia mety hampitombo mora foana fahazarana mandainga. Ny lainga iray mazàna dia mitondra ho amin’ny lainga hafa iray. Nanao izao fanamarihana izao i Thomas Jefferson, mpitondra fanjakana amerikana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany: “Tsy misy fahazaran-dratsy mampiseho fahambanian-tsaina toy izany, mampahonena toy izany, ary mendrika fanamavoana toy izany; ary izay mamela ny tenany hilaza lainga indray mandeha, dia mahita fa mora kokoa ny manao izany fanindroany sy fanintelony, mandra-pahatongan’izany ho fahazarana amin’ny farany.” Io no lalana mankany amin’ny fikororosiana ara-pitondrantena.

Ny antony mahamora ny mandainga

Nanomboka ny lainga rehefa nandainga tamin’ny vehivavy voalohany ny anjely mpikomy iray, ka nilaza taminy fa tsy ho faty izy raha tsy nankatò ny Mpamorona azy. Izany dia niteraka fanimbana tsy hita pesipesenina tamin’ny taranak’olombelona iray manontolo, nitondra tsy fahatanterahana sy aretina ary fahafatesana ho an’ny rehetra. — Genesisy 3:1-4; Romana 5:12.

Hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva tsy mpankatò, ny hery mamitaka ananan’io rain’ny lainga io dia nahatonga rivo-piainana izay mampirisika handainga teo amin’izao tontolo izaon’olombelona. (Jaona 8:44). Tontolo iray mikororosy izy io, ka ao, ny fahamarinana dia azo iadian-kevitra ihany. Nomarihin’ny The Saturday Evening Post tamin’ny Septambra 1986, fa ny zava-manahirana momba ny lainga dia “mahakasika ny raharaham-barotra, ny fitondram-panjakana, ny fampianarana, ny fialam-boly, ary ny fifandraisana andavanandro eo amin’ny samy olom-pirenena sy mpifanila trano. (...) Nekentsika ny tsangan-kevitra momba ny relativis­me, dia ilay lainga tokana lehibe izay milaza fa tsy misy izany fahamarinana tsy azo iadian-kevitra izany”.

Toy izany ny fomba fihevitr’ireo zatra mandainga, izay tsy mihevitra ny toeran’ireo olona fitahiny. Manjary mora ho azy ireo ny mandainga. Fomba fiainan’izy ireo izany. Mety tsy hisalasala ny handainga anefa ny hafa izay tsy zatra mandainga, noho ny tahotra — tahotra sao hiharihary ny zavatra nafenina, tahotra sazy, sy ny toy izany. Izany dia fahalemen’ny nofo tsy lavorary. Ahoana no ahafahana manolo io fironana io amin’ny fahatapahan-kevitra hilaza ny marina?

Nahoana no milaza ny marina?

Ny fahamarinana no fari-pitsipika nataon’ny Mpamorona antsika lehibe, ho antsika rehetra. Milaza ny Teniny voasoratra, ny Baiboly, ao amin’ny Hebreo 6:18 fa ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. Io fari-pitsipika io dia notohanan’ny Zanany, i Jesosy Kristy, izay solontenan’Andriamanitra manokana teto an-tany. Niteny toy izao tamin’ireo filoham-pivavahana jiosy izay nitady hamono azy i Jesosy: “Ankehitriny hianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra (...) ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho”. (Jaona 8:40, 55). Namela ohatra ho antsika izy satria “tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. — 1 Petera 2:21, 22.

Ny Mpamorona antsika, izay manana anarana hoe Jehovah, dia mankahala ny lainga, araka ny voalaza mazava toy izao ao amin’ny Ohabolana 6:16-19: “Izao enina izao no halan’i Jehovah, — eny, fito no ataony ho fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.”

Io Andriamanitra marina io dia mitaky ny hiainantsika mifanaraka amin’ny fari-pitsipiny mba hahazoana ny fankasitrahany. Mandidy antsika toy izao ny Teniny ara-tsindrimandry: “Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany”. (Kolosiana 3:9). Ny olona izay tsy mety miala amin’ny fahazarana mandainga dia tsy azony ekena; tsy hahazo ny fanomezany fiainana izy ireo. Raha ny marina, ny Salamo 5:6 dia mitsotra fa Andriamanitra dia ‘handringana ny mpiteny lainga’. Milaza koa ny Apokalypsy 21:8 fa ny anjaran’ireo “mpandainga” dia ny “fahafatesana faharoa”, izany hoe fandringanana mandrakizay. Koa ny fanekentsika ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny lainga dia manome antsika antony mafy mba hilazana ny marina.

Inona anefa no tokony hatao amin’ny tarehin-javatra izay mety hahatonga toe-javatra mahasanganehana na fihetseham-po ratsy ny filazana ny marina? Tsy ny fandaingana mihitsy no ala olana, fa ny tsy filazana na inona na inona indraindray. Nahoana ianao no hilaza lainga izay tsy hanao afa-tsy handrodana ny fahafahana hino anao ary hahatonga anao tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra?

Noho ny tahotra sy noho ny fahalemen’olombelona, ny olona iray dia mety halaim-panahy hitady fialokalofana ao amin’ny lainga. Izany no fanaovan-javatra mora indrindra na hatsaram-panahy diso toerana. Latsaka tao anatin’ny fakam-panahy toy izany ny apostoly Petera fony izy nanda intelo ho tsy nahafantatra an’i Jesosy Kristy. Taorian’izay dia voatsindrona tao am-pony izy noho izy nandainga. (Lioka 22:54-62). Ny fibebahany marina dia nanosika an’Andriamanitra hamela azy, araka ny miharihary amin’ny fanomezana azy tombontsoam-panompoana maro tatỳ aoriana. Ny fibebahana miaraka amin’ny fanapahan-kevitra hentitra ny hitsahatra tsy handainga no lalana izay mitondra ny famelan’Andriamanitra noho ny fanaovana izay ankahalainy.

Toy izay anefa hitady famelan-keloka aorian’ny lainga iray, dia aoka ianao hiaro ny fifandraisana tsara amin’ny Mpamorona anao sy hitana ny fahafahan’ny hafa hino anao, amin’ny filazana ny marina. Tadidio izay lazain’ny Salamo 15:1, 2 manao hoe: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara