FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/1 p. 3-4
  • Hakarina ho any An-danitra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hakarina ho any An-danitra ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra isan-karazany momba ny fampiakarana
  • Hitsena ny Tompo eny Amin’ny Rahona
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • ‘Hakarina mba Hitsena ny Tompo’ — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fiverenan’i Kristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/1 p. 3-4

Hakarina ho any An-danitra ve Ianao?

MISY olona maro mino fa ho any an-danitra izy ireo rehefa maty. Mihevitra anefa ny sasany fa hakarina ho any an-danitra izy ireo ao amin’izay antsoina hoe fampiakarana. Izany ve no zavatra andrandrainao?

Ny fampiakarana dia “ilay fanjavonana tampoka hanjo olona an-tapitrisany maro dia maro, ka tsy hahitana popoka izay nalehany!” Toy izany ny filazan’ny evanjelisitra protestanta iray. Araka ny Evangelical Dictionary of Theology, ilay teny hoe “fampiakarana” dia manondro “ny fiangonana ampiraisina amin’i Kristy amin’ny fiaviany faharoa”.

Manelingelina ny sain’ny sasany ny fieritreretana hoe handao ireo havana aman-tsakaiza mba hitsena an’i Jesosy Kristy. Na dia izany aza, dia mino ny maro fa ny fampiakarana dia tsy maintsy hitranga. Hitranga ve izy io? Raha izany no izy, rahoviana?

Hevitra isan-karazany momba ny fampiakarana

Asehon’ny Baiboly fa alohan’ny hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona nampanantenaina an’i Kristy, dia hisy vanim-potoana antsoina hoe “fahoriana lehibe”. Hoy i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21; Apokalypsy 20:6). Misy mametraka ny fampiakarana alohan’ilay fahoriana lehibe. Ny hafa manantena izany mandritra io fotoana io. Ary misy hafa koa mihevitra fa ny fampiakarana dia ho tonga aorian’io fahoriana mbola tsy nisy toa azy io.

Nanjaka ilay fomba fijery ny fampiakarana ho aorian’ny fahoriana lehibe hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19. Avy eo, dia nisy fihetsiketsehana nitombo tany Angletera, notarihin’ny mpitondra fivavahana taloha iray tao amin’ny Fiangonan’i Irlanda, i John Nelson Darby. Nanjary fantatra hoe ny Brethren izy sy ireo Anglikana nitovy fihevitra taminy. Niainga avy teo amin’ilay fiangonany naoriny tao Plymouth i Darby, dia nandeha nitory tany Soisa sy tany an-toeran-kafa any Eoropa. Nambarany marimarina fa ny fiverenan’i Kristy dia hitranga amin’ny ambaratonga roa. Hanomboka amin’ny fampiakarana mangingina iray izany, ka amin’izay, ireo “olo-masina” dia hakarina alohan’ny vanim-potoam-pahoriana iray haharitra fito taona izay handrava ny tany. Avy eo, dia hiseho amin’ny fomba hita maso i Kristy miaraka amin’ireo “olo-masina” ireo, ary hiara-manapaka ny tany mandritra ny arivo taona izy ireo.

Nohamafisin’i Darby ny ilana ny ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, ary ireo izay niray hevitra taminy dia nanjary fantatra tamin’ny farany hoe ny Exclusive Brethren. I B. W. Newton dia nitarika antokon’olona hafa iray izay nino ny fampiakarana, nefa tsy ilay mialoha ny fahoriana lehibe akory. Nanizingizina ilay mpanohana ny fampiakarana aorian’ny fahoriana lehibe atao hoe Alexander Reese fa “ny tsangan-kevitra momba ny Fampiakarana Mangingina dia fandrahonana ny fanantenana ny amin’ny Fiavian’i Kristy”.

Ireo mpanohana ny fampiakarana alohan’ny fahoriana lehibe dia mino fa io tsy fitovian’ny fomba fijery io dia lehibe aoka izany ka misy fiantraikany eo amin’ny “toetran’ny fanantenan’[izy ireo] mifandray amin’ny fiavian’i Kristy”. Ny hafa dia mametraka ny fitokiany amin’ny “tsangan-kevitra momba ny fampiakarana tapatapany”, ka mino izy ireo fa ireo izay mahatoky indrindra eo anatrehan’i Kristy no hakarina voalohany, ary horaisina atỳ aoriana kokoa ireo izay araka an’izao tontolo izao kokoa.

Misy antoko maro mpitory ny Filazantsara manambara fampiakarana an’ireo Kristiana mahatoky efa antomotra. Noho ireo fomba fiheverana tsy mitovy anefa, dia hoy ny bokikely iray navoakan’ny Fiangonana Pentekotista Elim any Grande-Bretagne: “Na dia mino ireo hevi-dehibe momba ireo zava-mitranga mifandray amin’ny fiverenan’i Jesosy Tompo aza isika (...), dia avela hanana fahafahana eo amin’ny fanazavana ny faminaniana arakaraka ny fiekena mafy ananan’ny tsirairay. Misy olona maro tsy mitady hanazava ireo zavatra inoana, fa miandry amim-paharetana ny hanazavan’ireo zava-mitranga ihany ny fandaharana ara-paminaniana.”

Ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, ny Baiboly, no fari-pitsipika ilaintsika hamaritana ny fahamarinan’ireo zavatra inoana rehetra. (2 Timoty 1:13; 3:16, 17). Noho izany, inona no lazainy momba ny fampiakarana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara