Tokony Hatao Batisa ve Ianao?
OLONA efa ho iray tapitrisa no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah batisa tao anatin’ireo telo taona lasa. Izany dia manome amin’ny antsalany 824 isan’andro, na olona 4 natao batisa isaky ny 7 minitra. Moa ve izany fakana tahaka fotsiny ny zotom-po ara-pivavahana nisy tamin’ny taonjato faha-15 sy faha-16?
Tsia, ireo olona ireo dia tsy natao batisa an-keriny, toy ny amin’ny fanovana olona tambabe, na vokatry ny fanentanana ara-pihetseham-po ataon’ny mpitory teny ara-pivavahana sasany. Natao batisa izy ireo satria nandidy ny hanaovana izany i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra sady Mpitarika ny Kristiana. Izy ireo dia nanaraka ireo dingana sy fomba fanaovan-javatra nosoritan’i Jesosy sady nampiharin’ireo apostoly nofidiny sy nampiofaniny manokana.
Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ary talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia nanome izao fanirahana farany izao izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Hatramin’izay fotoana izay no ho mankatỳ, dia io no hany batisa amin’ny rano mahazo sitraka amin’Andriamanitra.
Mifanaraka amin’izany, dia lazain’ny Baiboly amintsika fa ireo mpanara-dia voalohany an’i Kristy dia tonga ‘vavolombelon’[i Jesosy] any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany’. (Asan’ny Apostoly 1:8). Araka ny efa nambaran’i Jesosy mialoha, ny fitoriana sy ny fampianarana ataon’izy ireo dia hiafara amin’ny fanaovana batisa ireo mpino izay ho mpanara-dia an’i Kristy koa.
Nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. ny ohatra voalohany voatana an-tsoratra momba izany. Tamin’izay fotoana izay, dia “nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy” ary niteny tamin’ny vahoaka sesehena tafangona, nikasika an’i Jesosy ilay Mesia. Milaza amintsika ilay fitantarana fa ny toriteny nataony ‘dia nanindrona azy ireo tam-po’, ary nanontany izay tokony hataony izy ireo. “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo”, hoy i Petera. Ny vokany dia izao: “Izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany”. (Asan’ny Apostoly 2:14-41). Ireo fitantarana nanaraka dia nanamafy fa ny fanaovana batisa mpianatra dia nialohavan’ny fihainoan’izy ireo ny hafatra kristiana, sy ny finoany ny vaovao tsara, ary ny fibebahany. — Asan’ny Apostoly 8:12, 13, 34-38; 10:34-48; 16:30-34; 18:5, 8; 19:1-5.
Amin’ny fomba ahoana?
Ahoana anefa no tokony ho nanaovana batisa amin’ny rano ireny mpianatra vaovao ireny? Moa ve izany tamin’ny fafy rano (famafazan-drano), sa tamin’ny fanondrahana (fandrarahana rano eo ambony loha), sa tamin’ny fandrobohana (fandentehana tanteraka)? Inona no asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly? Koa satria namela modely ho antsika i Jesosy ‘mba hanarahantsika ny diany’, tamin’ny fomba ahoana no nanaovana batisa azy? — 1 Petera 2:21.
Asehon’ny Baiboly fa i Jesosy dia natao batisa tao Jordana izay ony lehibe ihany. Rehefa vita batisa izy, dia “niakatra avy teo amin’ny rano”. (Marka 1:10; Matio 3:13, 16). Koa raha ny marina, dia naroboka tao amin’ny Onin’i Jordana i Jesosy. I Jaona no nanao batisa an’i Jesosy. Ary i Jaona, izay nitady toerana sahaza ny fanaovana batisa, dia nifidy faritra teo amin’ny Lohasahan’i Jordana, akaikin’i Salima, “fa be rano tao”. (Jaona 3:23, DIEM ). Ny fandentehana tanteraka tao anaty rano no fanaovana batisa fanaraka teo amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Hita izany tamin’ireo teny nataon’ilay ionoka etiopiana. Rehefa nanaiky ny fampianarana nataon’i Filipo izy dia nihiaka hoe: “Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Avy eo isika dia mahamarika fa “niara-nidina nankeo anaty rano izy” ary avy eo dia niakatra “avy tao anaty rano”. — Asan’ny Apostoly 8:36-39, DIEM.
Moa ve ny tantara tsy ara-pivavahana koa manondro ny fanaovana batisa amin’ny fandrobohana anaty rano teo amin’ireo Kristiana? Izany dia izany tokoa. Ary mahaliana ny mahamarika fa mbola misy dobo lehibe maro fanaovana batisa, sahaza ny fandrobohana, any amin’ny tany maromaro. “Ireo porofo avy amin’ny arkeolojia dia manamarina amin’ny fomba ampy, fa ny fandrobohana no fomba nanaovana batisa nahazatra nandritra ireo taonjato folo ka hatramin’ny efatra ambin’ny folo voalohany”, hoy ny gazety Ministry. Nanampy teny toy izao izy io: “Azo soritana ny tantaran’ny batisa kristiana eo amin’ireo sisan-javatra tsy rava amin’ireo rafitra kristiana tany am-boalohany, ary koa ao amin’ireo fiangonana tranainy mbola ampiasaina. Ireo sary hoso-doko ao amin’ireo fasana sy fiangonana, ireo sarisary eo amin’ny ngorodona sy ny rindrina ary ny valin-drihana, ireo sokitra mivohitra, ary ireo sary eo amin’ireo sora-tanana tranainy momba ny Testamenta Vaovao, dia manampy tsipiriany an’io tantara io (...) Izany dia fanampin’ny porofo hita ombieny ombieny ao amin’ireo soratra nataon’ireo rain’ny eglizy, fa fandrobohana no fomba fanaovana batisa nahazatra ny eglizy tany am-boalohany”.
Niaiky toy izao ny New Catholic Encyclopedia: “Miharihary fa ny Batemy tao amin’ny Eglizy tany am-boalohany dia natao tamin’ny fandrobohana.” Tsy mahagaga àry raha mahita lohateny an-gazety toy ireto isika: “Mamerina Indray ny Batemy Amin’ny Fandrobohana ny Katolika” (The Edmonton Journal, Canada, 24 Septambra 1983), “Manjary Malaza eo Amin’ny Katolika Eto ny Batemy Amin’ny Fandrobohana” (St. Louis Post-Dispatch, 7 Aprily 1985), “Katolika Maro Mifidy ny Batemy Amin’ny Fandrobohana” (The New York Times, 25 Martsa 1989), ary “Velona Indray ny Batisa Amin’ny Fandrobohana” (The Houston Chronicle, 24 Aogositra 1991).
Ho fikendrena inona?
Nahoana i Jesosy no nitaky ny hanaovana batisa ny mpianany? Izany dia marika famantarana mifanentana amin’ny fanoloran-tenany tanteraka ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy notorina naneran-tany ny “vaovao tsara”, ary tsy maintsy natao mpianatra “ny firenena rehetra”. (Matio 24:14, NW; 28:19). Nidika izany fa tsy nifampiraharaha tamin’ny firenena jiosy manokana intsony Andriamanitra. Io firenena io dia voaforon’ny olona voatokana ho azy hatramin’ny nahaterahany. I Kornelio sy ny ankohonany no Jentilisa, na tsy Jiosy voalohany nanaiky ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy ary natao batisa.
Ny fanitrihana azy tao anaty rano dia nampiseho fa ireo natao batisa dia maty raha ny amin’ny fomba fiaina iray nifantoka tamin’ny tenany. Ny fanarenana azy avy tao anaty rano dia nampiseho fa velona izy ireo izao mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary nametraka izany sitrapon’Andriamanitra izany teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany izy ireo, toy ny nataon’i Jesosy. (Matio 16:24). Ny fanaovana batisa azy ireo tamin’ny “anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” dia nilaza fa efa nianatra sy nanaiky ny fahamarinana mikasika ny tsirairay avy amin’ireo izy ary nanaiky azy ireo araka ny maha-izy azy avy. (Matio 28:19; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:48.) Vao dingana voalohany fotsiny eo amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanekena ny sitrapony ny batisa.
Tsy tohanan’ny Soratra Masina ilay fiheverana ara-pivavahana inoana ombieny ombieny hoe ny batisa dia sakramenta, izany hoe fombafomba ara-pivavahana iray manome fahamendrehana — fahasoavana avy amin’Andriamanitra, fahamasinana, na soa ara-panahy — ho an’ilay atao batisa. Ilay didy navoakan’ny Papa Eugène IV voatonona ao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ohatra, dia nanohy nilaza toy izao mikasika ny batisa: “Ny vokatr’io sakramenta io dia ny famelana ny fahotana rehetra, ny fahotana tamin’ny fototra sy izay atao ankehitriny; toy izany koa ny amin’ireo fanasaziana rehetra noho ny fahotana. Ho vokatr’izany, dia tsy misy fanasaziana noho ny fahotana natao tamin’ny lasa ampiharina amin’ireo vita batemy; ary raha maty alohan’ny hanaovany fahotana izy, dia mahazo avy hatrany ny fanjakan’ny lanitra sy ny fahitana an’Andriamanitra.”
Natao batisa anefa i Jesosy na dia “tsy nanota akory” aza. (1 Petera 2:22). Ambonin’izany, araka ny Soratra Masina, ny famelana ny ota dia azo amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ihany. Nampirisika an’i Saoly avy any Tarsosy toy izao i Ananiasy: “Mitsangàna, raiso ny batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jeso”. (Asan’ny Apostoly 22:12-16, Kat.). Eny, amin’ny alalan’ny ra nalatsak’i Jesosy ihany sy amin’ny ‘fiantsoana ny anarany’ amim-pinoana ihany no mety hisian’ny famonjena. — Hebreo 9:22; 1 Jaona 1:7.
Ahoana àry ny amin’ireo tenin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 3:21? Izao no lazainy ao: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty”. Nampitaha ny batisa tamin’ny famakivakian’i Noa ny Safodrano i Petera. (Andininy faha-20). Naneho finoana feno an’Andriamanitra i Noa ka nanorina ny sambo fiara ho fitsimbinana ny ain’ny ankohonany. (Hebreo 11:7). Toy izany koa, amin’ny fanehoana finoana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fandaharam-pamonjena nataony tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ny olona amin’izao andro izao dia afaka ny ho voavonjy amin’ity tontolo ratsy ity. Tsy maintsy manao zavatra amin’izany finoana izany koa izy ireo. Amin’ny fibebahana noho ny fahotana, amin’ny fialana amin’ny lalan-dratsy, ary amin’ny fanaovana fanoloran-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny vavaka, dia atao amin’Andriamanitra ny fangatahana fieritreretana tsara. Kanefa dia mifototra amin’ny soron’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty izay nahafahany nampiseho ny vidin’izany sorona izany tamin’Andriamanitra tany an-danitra, no amelana ny fahotana sy ny mety hisian’ny famonjena. — 1 Petera 3:22.
Inona no hataonao?
Moa ve ianao iray amin’ireo izay niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny elaela ihany? Angamba ianao efa nanao ireo fiovana tena ilaina teo amin’ny fiainanao mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, fa tsy nanao ireo dingana amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Mety haniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ianao saingy mety hatahotra sao dia hamatotra anao ny batisa. Noho izany, dia mety ho tianao kokoa ny hanalavitra andraikitra sy fampamoahana toy izany mandritra ny fotoana kelikely aloha. Efa ho 11,5 tapitrisa ny olona nanatrika ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny taon-dasa. Ny tampon’isan’ireo izay nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara nandritra ilay taona anefa, dia latsaka ny 4,5 tapitrisa. Midika izany fa olona fito tapitrisa eo ho eo no mampiseho fankasitrahana ihany ny fahamarinan’Andriamanitra, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah vita batisa aza izy ireo. Marina fa ny sasany amin’izy ireny dia ankizy madinika sy olona liana vao haingana. Kanefa dia misy sasany amin’ireo mandray anjara amin’ny asa fitoriana koa mbola tsy vita batisa. Misy olona maro izay efa nahazo fahalalana marina ny amin’ny Baiboly saingy mbola tsy nanararaotra tamin’ny fomba feno ny fandaharam-pamonjena nataon’Andriamanitra, amin’ny fanekena hatao batisa.
Hevitra lehibe iray tokony hotadidina ny hoe: Ny fahafantarana izay zavatra takin’Andriamanitra aminao no mitondra fampamoahana. “Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota”, hoy ny Jakoba 4:17 (DIEM ). Asehon’ny Ezekiela 33:7-9 fa ny olona iray nilazana ny didy sy ny toromarik’Andriamanitra dia tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Koa ny raharaha iadiana hevitra dia ny hoe: Manana fitiavana amim-pahatsorana an’Andriamanitra sy tena faniriana hahazo sitraka aminy ve sa tsia ny olona iray. Ny olona izay manana marina tokoa izany fitiavana izany sy maniry hanana fifandraisana manokana amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tsy hiahotra hanolotra tsy misy fepetra ny fiainany ho Azy. Ny batisa dia marika famantarana ivelany fotsiny momba izany fanoloran-tena izany. Dingana tena ilaina ho amin’ny famonjena izy io. Ny tena mpino marina dia atao batisa. — Asan’ny Apostoly 8:12.
Ny fanantenana malaza izay omen’Andriamanitra ireo olona mahatoky vita fanoloran-tena ao amin’ilay tontolo vaovao, dia manan-tombo lavitra noho izay mety ho tombontsoa mihelina toa atolotr’ity fandehan-javatra ratsy tranainy ity. Hanjavona ny tahotra olona rehefa mieritreritra ny amin’ny tanana maherin’Andriamanitra isika. (1 Korintiana 10:22; 1 Petera 5:6, 7). Izao marina tokoa no fotoana tokony hanontanianao tena, toy ny nanontanian’ilay ionoka etiopiana an’i Filipo nanao hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”
[Sary, pejy 7]
Sahala amin’ilay ionoka etiopiana, moa ve ianao manontany tena hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”