Ny Baiboly — Mpitari-dalana Azo Ampiharina ho An’ny Olona Maoderina
“Ny Soratra rehetra dia avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ary azo ampiasaina amin’ny fomba hahazoana soa (...) mba hitarihana ny fiainan’ny olona.” — 2 Timoty 3:16, “The Jerusalem Bible”.
IO ANDININ-TENY io dia manazava ilay antony fototra maha-azo ampiharina ny Baiboly amin’izao androntsika izao. Azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy io. Koa satria namorona antsika Andriamanitra, dia tsy misy mahafantatra tsara kokoa momba ny vatantsika, ny saintsika, ny fihetseham-pontsika ary ny zavatra ilaintsika, mihoatra noho izy. Hoy i Davida, mpanjaka isiraelita, indray andro, momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Ny masonao efa nahita na dia ny tsaikako aza, ary voasoratra tao amin’ny bokinao avokoa ny tapany mahaforona azy rehetra”. (Salamo 139:16, NW ). Raha mahafantatra zavatra be dia be toy izany momba antsika ilay Mpamorona antsika, dia araka ny fandrindran-kevitra fa tsy maintsy ho mendrika ny hofakafakaina ny torohevitra omeny momba ny fomba hahazoantsika fahasambarana sy fahombiazana eo amin’ny fiainana.
Ny fanandraman-javatra dia nampiseho fa ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia sady azo ampiharina no araka ny zava-misy amin’izao androntsika izao. Tena voafaritra tsara koa izy ireo. Indreto misy ohatra efatra mampiseho ny maha-azo ampiharina ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro.
Fifandraisana eo amin’ny olona sy fitondran-tena: Ny Baiboly dia mampirisika ny hananana fari-pitondran-tena tsara ho an’ny tena izay afaka mitarika ho amin’ny fananana fifandraisana madio sy mahomby amin’ny hafa. Ohatra, ny firenen’ny Isiraely dia nomena izao didy izao: “Aza mamaly ratsy na manao lolompo (...) fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Levitikosy 19:18). Na dia tsy eo ambanin’ny lalàna isiraelita aza isika, ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly dia afaka manampy antsika hihavana amin’ireo namantsika. Eritrereto, ohatra, ireo zava-manahirana maro be ho azo alamina raha samy miezaka hamboly ireto toetra ara-panahy hita ao amin’ny Galatiana 5:22, 23 (NW ) ireto ny tsirairay: “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra ny zavatra toy izany.” — Ampitahao amin’ny Romana 8:5, 6.
Mampalahelo fa, rehefa mitombo ireo fanerena eo amin’ny fiainana, matetika dia mipoitra ny fihenjanana sy ny fifandonana. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ny fampiharana ireo teny fampitandremana hita ao amin’ny Ohabolana 29:11 dia afaka ny hampanalavitra zava-manahirana be dia be antsika. “Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:1; Matio 7:12; Kolosiana 3:12-14.
Torohevitra tsara tokoa — kanefa mandaitra ve eo amin’ny tena fiainana? Raiso ny ohatry ny lehilahy iray any Frantsa izay mora nisafoaka. Impiry impiry moa ny nataony no nampiditra azy tao anatin’ny fahasahiranana, ary tany an-tranomaizina mihitsy aza, noho izy niady tamin’olona. Nanampy trotraka izany koa ny naha-mpanao ady totohondry azy. Indray mandeha dia nipoaka ny fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny rainy. Talohan’ny nahafantarany izay nitranga, dia voazerany tamin’ny tany tamin’ny totohondry iray monja ny rainy. Izany dia nitarika ho amin’ny fisarahana feno fahatezerana teo amin’izy mianaka.
Nandritra izany fotoana izany, dia nanjary nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io lehilahy io ary nanomboka nianatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Izany dia nanosika azy handinika tsara ny fomba nifampiraharahany tamin’ny hafa. Nanao ezaka lehibe izy ka nanomboka nanova ny fitondran-tenany, ary dia nanjary tsy tia ady intsony. Avy eo indray andro, dia niverina tany amin-drainy io lehilahy io mba hihavana taminy indray. Voatohina aoka izany ny fon-drainy noho ireo fiovana hitany teo amin’ny zanany lahy, hany ka nifanerasera indray izy mianaka.
Izany dia iray monja amin’ireo ohatra maro manamarina ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela (...), ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” — Hebreo 4:12.
Fiainam-pianakaviana: Sambatra ve ny fianakavianao? Fianakaviana maro no tsy sambatra. “Azo antoka ankehitriny fa rahonan’ny loza ny fiainam-pianakaviana amin’ny maha-fandaharana azy”, hoy ny gazety The Natal Witness atsy Afrika Atsimo. Nanampy teny izy fa “ireo ankizy amin’izao andro izao dia teraka ao amin’ny revolisiona ara-tsosialy iray”.
Ny Baiboly anefa dia feno torohevitra azo ampiharina natao hanampiana ireo fianakaviana mba ho sambatra na dia misy zava-manahirana mipoitra aza. Momba ny anjara asan’ireo lehilahy manambady, ohatra, dia hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.” Raha mahatanteraka io fepetra io ilay lehilahy, dia ho fahafinaretana ho an’ny vadiny ny hamaly izany amin’ny fananana “fanajana lalina ny vadiny”. (Efesiana 5:25-29, 33, NW ). Ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia voalaza ao amin’ny Efesiana 6:4 toy izao: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” Ary izany kosa dia hiteraka ao amin’ny fianakaviana, rivo-piainana izay mahatonga ho mora kokoa ny hanarahan’ny ankizy ny didin’ny Baiboly sy hankatoavany ny ray aman-dreniny. — Efesiana 6:1.
Ireo vao notononina ireo dia santionany fotsiny ny amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana. Tamin’ny fanekena ny fitarihan’Andriamanitra, dia maro no nahita fahombiazana sy fahasambarana tao an-tokantrano. Manazava ireo soa azony tamin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly i Edward, manan-janaka roa. “Niharava ny fanambadiako”, hoy izy mahatsiaro. “Tsy nanam-potoana aho mba hananana fifandraisana nisy heviny tamin’ny zanako. Ny hany zavatra nampifanatona anay dia ny fampiharanay izay lazain’ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana.” — Ohabolana 13:24; 24:3; Kolosiana 3:18-21; 1 Petera 3:1-7.
Fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pihetseham-po: Ny fikarohana dia nampiseho fa misy ifamatoran’ny fahasalamana ara-batan’ny olona iray ihany amin’ny fahasalamany ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. “Anisan’ireo famantarana mahazatra ny fihenjanana”, hoy ny The World Book Encyclopedia, “ny fitomboan’ny hafainganan’ny fitepon’ny fo, ny fiakaran’ny tosi-dra, ny fihenjanan’ny hozatra, ny fahaketrahana ara-tsaina ary ny tsy fahafahana mifantoka.” Misy mino anefa fa ny fanahafana fanaovan-javatra mahery setra dia fomba iray hanamaivanana ny fihenjanana. “Afaka mandresy tsara ny fihenjanana ny fanaovana totohondry”, hoy ny The Star, gazety iray atsy Afrika Atsimo. Manonona ny tenin’i Jannie Claasens, mpanolo-tsaina momba ny fahasalamana, toy izao izy io: “Raha nahakivy ny vehivavy iray aoka izany ny andro iray, dia afaka manala ny fihenjanany amin’ny famelezana totohondry sac de sable iray izy.”
Tsy ho tsara lavitra ve anefa ny hianatra ny handamina ny fototra miteraka ilay fahakiviana? Ao amin’ny gazety Stress — The Modern Scourge, ny Dr. Michael Slutzkin dia milaza fa “zava-dehibe (...) ny fanekena ny fisian’ny fihenjanana, satria maro amin’ireo antony mahatonga azy no azo sitranina”. Milaza koa izy fa “ny fifehezana ny fihenjanana (...) dia mety hanampy mihitsy amin’ny fahasitranana amin’ny toe-javatra isan-karazany”.
Manazava toy izao ny amin’ny fomba mandaitra tsara azo ifehezana ny fihenjanana ny Baiboly: “Aza manahy na inona na inona, fa amin’ny zavatra rehetra (...) dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo; ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny eritreritra rehetra dia hiaro ny fonareo sy ny herin-tsainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7, NW ). Ny fifehezana ny fihenjanana amin’izany fomba izany dia misy tombony maro — na dia eo amin’ny ara-batana aza. Milaza izany toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo”. (Ohabolana 14:30). Manambara toy izao ny ohabolana hafa iray: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.” — Ohabolana 17:22.
Mba hanandramana handositra ny fihenjanana sy ny fanerena, dia maro no miantehitra amin’ny sigara, ny alkaola, ny zava-mahadomelina. Be dia be ny porofo marim-pototra ny amin’ny fahasimbana aterak’ireo fahazarana manandevo ireo. Kanefa, ny Baiboly dia efa nampirisika foana ny hitoerana ho “afaka amin’ny fahalotoana rehetra”. (2 Korintiana 7:1; ampitahao amin’ny Ohabolana 23:29-35.) Tena fiarovana azo ampiharina eo amin’ity tontolo ankehitriny ity tokoa ny fanalavirana ny fahazarana manimba toy izany.
Asa sy vola ary fanaovana ny fahamarinana: Tsy mahasoa na oviana na oviana ny fahakamoana. “Ny malaina tsy mety miasa amin’ny ririnina, ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo”, hoy ny Ohabolana 20:4. Ny asa mafy kosa dia ahazoana tombony. “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony”, hoy ny ambaran’ny Efesiana 4:28. Manampy teny io andinin-teny io amin’ny filazana fa tsara lavitra ny “hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana”. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 13:4.
Fantatrao ve fa azo ampiharina na dia eo amin’ny fifandraisana any am-piasana koa aza ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly? Ireo mpiasa, azo oharina amin’ireo “mpanompo” tamin’ny andron’ny Baiboly, dia haneho fahendrena amin’ny ‘fanekena ny tompony araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra’. Ireo mpampiasa, na koa hoe “tompo”, kosa dia tokony ‘hanao izay marina sy izay mety’ amin’ny mpiasany. — Kolosiana 3:22-24; 4:1; ampitahao amin’ny 1 Petera 2:18-20.
Misy teny be dia be ao amin’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina eo amin’ny fanao ara-barotra. Na dia mampalahelo aza fa tsy fahita ny fanaovana ny marina amin’izao andro izao, dia ekena sy ankasitrahana ho toy ny toetra tsara faniry izy io. Izany no antitranterin’ny Baiboly. Hoy i Jesosy indray mandeha: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” — Lioka 16:10; ampitahao amin’ny Ohabolana 20:10; 22:22, 23; Lioka 6:31.
Tany amin’ny tany iray atsy Afrika, dia sehatry ny fangalarana sy fandraisana kolikoly be dia be ny indostrian’ny diamondra. Tapaka fa hosoloana olon-kafa ilay mpiandraikitra. Nangatahina mba hanome ny anaran’ireo izay heveriny fa hety amin’io toerana io ireo minisitra tao amin’ny governemanta. Rehefa nivory izy ireo mba hanao fanapahan-kevitra, dia nailika tsirairay ireo anarana natolotra, noho ny fandraisana kolikoly, voalohany indrindra. Tamin’ny farany, dia tonga teo amin’ny anarana farany teo amin’ilay lisitra izy ireo — ny anarana nofidin’ny prezidà.
“Ka tsy mpikambana ao amin’ny antoko ange io e!”, hoy ny fandavan’ny minisitra iray.
Namaly ilay prezidà fa tsy mba hitana toerana ara-politika akory no tadiavina aminy.
“Vavolombelon’i Jehovah io olona io”, hoy ny nambaran’ny iray hafa.
“Ary izany indrindra no anomezana azy ilay asa”, hoy ilay prezidà. Avy eo izy dia nanampy teny hoe: “Fantatsika fa manao ny marina izy ireo, ary izany no karazan’olona ilaintsika. Fantatsika fa afaka matoky azy isika.”
Eny tokoa, ireo izay mampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly matetika dia mahita fa mitondra tombony ho azy izany na dia eo amin’ity tontolo ankehitriny ity aza.
Mitahiriza tena fahendrena
Tsy nandinika afa-tsy santionany kely amin’ny hevitry ny hoe ‘mahita ny fahalalana an’Andriamanitra’ isika teo. (Ohabolana 2:1-9). Misy torohevitra mety tsara sy azo ampiharina tondraka ao amin’ny Baiboly. Fotopoto-pitsipika mifandray amin’ny fahadiovana, ny fahazotoana miasa, ny fifampiresahana, ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny fisaraham-panambadiana, ny fandoavana hetra, ny fandaminana tsy fitovian-toetra ary ny fizakana ny fahantrana — ireo dia lafiny vitsivitsy monja amin’ny fiainana ka voaresaka ao amin’ny Baiboly. Olona an-tapitrisany maro no hanamarina fa ny halehiben’ny fahombiazana na faharesena hitany teo amin’ny fiainany dia niankina tamin’ny habetsahan’ny fampiharany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly.
Ary na dia anomezan-toky aza fa azo ampiharina ny Baiboly dieny izao, izy io koa dia manolotra fanantenana fa hisy soa haharitra maro. Ohatra, ny Baiboly dia mampanantena fa tsy ho ela dia ho voahitsy noho ny fandraisan’Andriamanitra anjara ny antony fototra nahatonga fanaintainana sy fahoriana teto amin’ity tontolo ankehitriny ity. — Daniela 2:44; 2 Petera 3:11-13; Apokalypsy 21:1-5.
Noho izany, dia mampirisika anao izahay mba hianatra betsaka araka izay azonao atao momba ny Baiboly. Raha mbola tsy manana Baiboly ianao, dia ataovy izay hahazoana iray. Ireo mpampanonta ity gazety ity dia ho faly hanampy anao. Tsy misy hafa amin’ireo olona maro be nahita soa tamin’ny fampiharana ireo fanipazan-kevitra azo ampiharina avy ao amin’ny Baiboly, ianao koa dia azo ampiana mba hahatakatra ny hasarobidin’ny Tenin’Andriamanitra, dieny ankehitriny ary koa amin’ny hoavy.
[Sary, pejy 7]
Ny Baiboly dia mpitari-dalana azo ampiharina mba hahazoana fiainam-pianakaviana sambatra