FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/5 p. 10-15
  • Fanomezana Fahazavana Momba ny Fanatrehan’i Kristy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana Fahazavana Momba ny Fanatrehan’i Kristy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Ny fanatrehan’ny Tompontsika’
  • Ilay famantarana
  • Ny asan’ireo anjely
  • Fitsanganan’ny maty ho any an-danitra
  • Fitoriana maneran-tany
  • Mitoera ho madio sy tsy hanan-tsiny
  • Fanatrehana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fiavian’i Jesosy sa Fanatrehan’i Jesosy — Iza Amin’ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Fanatrehan’ny Mesia sy ny Fanapahany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fiverenan’i Kristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/5 p. 10-15

Fanomezana Fahazavana Momba ny Fanatrehan’i Kristy

“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, (...) dia hanavaka [ny olona izy]”. — MATIO 25:31, 32.

1. Inona no hevitra nomen’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho an’ireo teny ao amin’ny Matio 24:3?

TELO andro talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, dia nanatona azy ny efatra tamin’ireo mpianany ka nanontany azy tamim-pahatsorana hoe: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao [Grika, pa·rou·siʹa] sy ny fahataperan’izao tontolo izao.” Nandritra ny taonjato maro, araka ny hevitra nomen’ireo klerjy sy mpanoratra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana azy, ireo teny natao tamin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:3 ireo dia midika fa ho hita maso ao amin’ny nofo indray izy, ka ho hitan’ny olombelona rehetra. Noho izany, dia nampianatra izy ireo fa ny fiverenan’i Kristy dia harahina fisehosehoana sy renty be hita maso. Miantso azy io hoe ny fahatongavan’i Kristy faharoa izy ireo. Marina ve anefa ny fiheveran’izy ireo?

2, 3. a) Fanavahana inona no nataon’ny Boky faha-2 amin’ny Études des Écritures teo amin’ny hoe “fiaviana” sy ny hoe “fanatrehana”? b) Inona no nanjary takatry ny vahoakan’i Jehovah momba ny hevitry ny pa·rou·siʹa-n’i Kristy?

2 Tamin’ny 1889, ireo voahosotr’i Jehovah, tamin’ny naha-mpitondra fahazavana azy ireo tamin’ny taonjato faha-19, dia efa nahazo fanitsiana momba ilay raharaha ny amin’ny fiverenan’i Kristy. Ao amin’ny Boky faha-2 amin’ny Études des Écritures, pejy faha-158 ka hatramin’ny faha-161, i Charles T. Russell, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society voalohany, dia nanoratra toy izao: “Ny hoe parousia (...) dia midika hoe fanatrehana, ary tsy tokony hadika mihitsy hoe fiaviana, toy ny hita ao amin’ny Baiboly anglisy mahazatra (...) Ny ‘Emphatic Diaglott’, izay fandikan-tenin’ny Testamenta Vaovao tena sarobidy tokoa, dia mandika ny hoe parousia araka ny tokony ho izy, izany hoe fanatrehana (...), tsy hoe fiaviana, toy ny hoe eny an-dalana akory, fa hoe fanatrehana, toy ny hoe aorian’ny fahatongavana (...) [I Jesosy] dia milaza hoe: ‘Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny parousia-n’ny [fanatrehan’ny] Zanak’olona.’ Mariho fa tsy momba ny fiavian’i Noa sy ny fiavian’ny Tompontsika akory ilay fampitahana (...) Ilay fifanoheran-javatra àry dia eo amin’ny fotoan’ny fanatrehan’i Noa teo anivon’ireo olona ‘talohan’ny safodrano’, sy ny fotoan’ny fanatrehan’i Kristy eo amin’izao tontolo izao, amin’ny fahatongavany faharoa, ‘alohan’ilay afo’, dia ilay fahoriana fara tampony amin’ny Andron’ny Tompo [Jehovah] izay hamarana izao andro izao.” — Matio 24:37.

3 Ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato faha-19 àry dia nahatakatra araka ny marina tsara fa ny pa·rou·siʹa-n’i Kristy dia ho tsy hita maso. Nanjary takatr’izy ireo koa fa ny faran’ny Andron’ny Jentilisa dia hitranga amin’ny fararanon’ny 1914 (any amin’ny ila bolan-tany avaratra). Rehefa nitombo ny fahazoana fahazavana ara-panahy, dia takatr’izy ireo tatỳ aoriana fa i Jesosy Kristy dia nomena ny fiandrianana tany an-danitra mba ho Mpanjakan’ilay Fanjakana tamin’io taona 1914 io ihany. — Ohabolana 4:18; Daniela 7:13, 14; Lioka 21:24; Apokalypsy 11:15.

‘Ny fanatrehan’ny Tompontsika’

4. Inona no tondroin’ny “fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika”?

4 Amin’izao androntsika izao àry, inona moa no hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika”? (1 Tesaloniana 5:23, NW ). Ny manam-pahaizana iray dia manazava fa ny teny hoe “fanatrehana”, pa·rou·siʹa, dia “nanjary ny teny ofisialy ilazana ny fitsidihan’ny olo-manan-kaja iray, indr[indra] fa ny an’ireo mpanjaka sy emperora nitsidika faritany iray”. Io teny io àry dia manondro ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny maha-Mpanjaka azy, nanomboka tamin’ny 1914 sy taorian’izay, nanaraka ny fanomezana azy ny fiandrianana tany an-danitra. Manatrika amin’ny fomba tsy hita maso izy mba ‘hanapaka eo amin’ny fahavalony’, ka tena manapaka tokoa amin’ny maha-Mpanjaka azy mba hanatanteraka io baiko ara-paminaniana io. (Salamo 110:2). Nandritra ny 79 taona teo ho eo, ny olombelona teto an-tany dia nahita ireo vokatry ny fanatrehana tsy hita mason’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka azy.

5. Fisehoan-javatra inona avy mandritra ny pa·rou·siʹa no hovelabelarina ato amin’ireo lahatsoratra telo natao hianarana amin’ity gazety ity?

5 Amin’ity fitohitohizana lahatsoratra telo ity isika dia handinika ny porofo manaitra ny amin’ireo zava-bitan’ny Fanjakan’i Kristy nandritra io fe-potoana io. Voalohany aloha, dia hampiseho faminaniana ara-baiboly maromaro manambara mialoha fisehoan-javatra izay efa nitranga, na eo am-pahatanterahana ankehitriny, isika. Faharoa manaraka izany, isika dia hilazalaza momba ilay asa lehibe notanterahin’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina izay ampiasain’i Jesosy mandritra izao fe-potoana manontolon’ny fanatrehany amin’ny maha-Mpanjaka azy izao. (Matio 24:45-47, NW ). Ilay lahatsoratra fahatelo dia hilazalaza ho antsika ilay fifaranana lehibe, dia ny fe-potoan’ny “fahoriana lehibe”. Izany no fotoana hiavian’i Jesosy amin’ny maha-Mpanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah, mba handringana ireo olombelona tsy marina ary hanafaka ireo olo-marina. (Matio 24:21, 29-31). Io fotoam-pandringanana io dia lazain’ny apostoly Paoly fa “hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, [amin’ny fampiharihariana an’i, NW ] Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. — 2 Tesaloniana 1:7, 8.

Ilay famantarana

6. Famantarana voaforon-javatra maro inona no voalazalaza ao amin’ny Matio toko faha-24 sy faha-25?

6 Sivinjato sy arivo taona lasa izay, ireo mpianatr’i Jesosy nitondra fahazavana dia nangataka taminy famantarana iray, na porofo, ny amin’ny fanatrehany ho avy rehefa avy nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy. Ny valin-teniny, voarakitra ao amin’ny toko faha-24 sy faha-25 amin’ny Matio, dia manome famantarana iray voaforon-javatra maro. Ny lafiny rehetra amin’izy io izao dia tanteraka amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena. Ny fahatanterahan’io famantarana io dia manamarika fotoam-pahoriana sy fisedrana mafy. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.” — Matio 24:4-6.

7. Lafin-javatra inona avy amin’ilay famantarana no efa hitantsika fa tanteraka nanomboka tamin’ny 1914?

7 Naminany koa i Jesosy fa hisy ady amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany. Ho fahatanterahan’izany, ny roa amin’ireo dia nokilasina ho ady lehibe, na ady maneran-tany, ka ny iray nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918 ary ny faharoa nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. Fanampin’izany, dia nilaza koa izy fa hisy mosary sy horohoron-tany amin’ny tany samy hafa. Henjehina mafy ireo Kristiana marina. Araka izany faminaniana izany indrindra, ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ireo mpitondra fahazavana amin’ny andro ankehitriny, dia niharan’ny fanenjehana nandritra ireo valopolo taona farany nanaovany ny fitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ‘amin’izao tontolo izao ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’. (Matio 24:7-14). Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah tsirairay dia manome porofo fanampiny fa eo am-pahatanterahana ireo lafiny amin’ilay famantarana ireo.

8, 9. a) Inona no tafiditra amin’ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy? b) Inona no asehon’ny faminanian’i Jesosy momba ireo Kristy sandoka raha ny amin’ny toerana sy fomba isehoan’ny fanatrehany?

8 Koa satria mihatra amin’ny tany manontolo ny maha-Mpanjaka an’i Jesosy, dia miely any amin’ny kontinenta rehetra ny fanompoam-pivavahana marina. Fotoana anaovany fandinihana maneran-tany ny fanatrehany ( pa·rou·siʹa) amin’ny maha-Mpanjaka. (1 Petera 2:12, NW ). Misy renivohitra, na foibe iray, hahafahana haka hevitra amin’i Jesosy ve anefa? Namaly izany i Jesosy tamin’ny filazana mialoha fa, eo am-piandrasana ny fanatrehany, dia hisy Kristy sandoka. Nampitandrina toy izao izy: “Raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy [Kristy], aza mankany hianareo; Indro, ao amin’ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny [tselatra, NW ] avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny [fanatrehan’ny, NW ] [ pa·rou·siʹa] Zanak’olona.” — Matio 24:24, 26, 27.

9 I Jesosy, ilay “Zanak’olona”, dia nahalala tsara kokoa noho ny olona na iza na iza eto an-tany, ny toerana hisy azy rehefa tena hanomboka tokoa ny fanatrehany. Tsy hitoetra etsy na erỳ na any amin’ny toerana voafaritra iray amin’ny tany izy. Tsy hiseho amin’ny toerana mitokana iray izy, toy ny “any an-efitra”, ka hoe ho afaka haka hevitra aminy any, ka tsy ho hitan’ireo manam-pahefana eo amin’ilay tany, ireo izay mitady ny Mesia, dia toerana iray hoe hahafahan’ireo mpanara-dia azy hiofana eo ambany fitarihany hanomana famelezana ara-politika mba hametrahana azy ho Mpanapaka Mesianika eo amin’izao tontolo izao. Ankoatra izany, dia tsy hiafina “ao amin’ny efi-trano” iray izy, ka hoe tsy hisy afa-tsy olom-boafidy no hahafantatra ny toerana hisy azy, ka hoe tsy hisy hahatazana na hahita azy mba hahafahany hanomana fiokoana sy tetika miafina miaraka amin’ireo mpiray tsikombakomba aminy mba hanonganana ireo fitondram-panjakana amin’ny tany ary hanosorana ny tenany ho ilay Mesia nampanantenaina. Tsia!

10. Nanao ahoana ny fanjelatry ny tselatry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny tany manontolo?

10 Mifanohitra amin’izany kosa, fa tsy tokony hisy na inona na inona hanafina ny fiavian’i Jesosy mba ho Mpanjaka, eo am-piandohan’ny fanatrehany amin’ny maha-Mpanjaka. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, ireo tselatry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia mitohy manjelatra amin’ny faritra midadasika maro hatrany atsinanana ka hatrany andrefana. Tena marina fa, amin’ny maha-mpitondra fahazavana amin’ny andro ankehitriny azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miseho ho “fanazavana ny jentilisa (...) mba ho [famonjen’i Jehovah] hatrany amin’ny faran’ny tany”. — Isaia 49:6.

Ny asan’ireo anjely

11. a) Tamin’ny fomba ahoana no nampiasana ireo andian’anjely mba hampamirapiratana ny fahazavan’ilay Fanjakana? b) Oviana ary ho amin’inona no nanangonana ny kilasin’ny vary?

11 Misy andinin-teny hafa mifandray amin’ny fanatrehan’i Jesosy milazalaza azy ho miaraka amin’ny andian’anjely, na koa hoe ‘maniraka azy ireo’. (Matio 16:27; 24:31). Ao amin’ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary, i Jesosy dia nanambara fa “ny tanimbary dia izao tontolo izao” ary koa fa “ny fararano [“fotoam-pijinjana”, NW ] dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely”. Tsy milaza anefa izany fa, mandritra ny fanatrehany, rehefa avy nahazo ny fahefana sy ny voninahitra ao amin’ilay Fanjakana izy, dia tsy manao afa-tsy ny mampiasa ireo anjely mba hamita iraka eto an-tany. Nanomboka tamin’ny 1919, ireo anjely eo ambany fitarihan’i Jesosy dia nanavaka ny kilasin’ny vary voaforon’ireo voahosotra nateraky ny fanahy teto an-tany, izay naparitak’ireo zava-niseho tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Ary dia vonona hanao asa fanampiny amin’ny anaran’ilay Mpanjaka ireto farany. (Matio 13:38-43). Tany amin’ireo taona 1920, dia nisy olona an’arivony maro hafa niandany tamin’ilay Fanjakan’Andriamanitra tafaorina ka voahosotry ny fanahin’Andriamanitra. Ireto voahosotra ireto dia nanampiana ny isan’ireo sisa tany am-boalohany. Amin’ny fitambarany, izy rehetra ireo dia mahaforona ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina ho amin’ny androntsika.

12. Asa fanadiovana inona no nandraisan’ireo anjely anjara, ary inona no vokatr’izany ho an’ny tany?

12 Ny ohatra hafa iray ny amin’ny fandraisan’ireo anjely anjara mandritra ny fanatrehan’i Jesosy taorian’ny nanomezana azy ny fiandrianana tamin’ny 1914 dia voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 12:7-9 manao hoe: “Mikaela [Jesosy Kristy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Araka izany, dia voadio izao ny lanitra any ambony, ka ny faritra eto an-tanin’ilay Fanjakana sisa no miandry hodiovina tanteraka, ho fanamasinana ny anaran’i Jehovah. Amin’izao taona 1993 izao, dia mbola mihatra ihany ilay fampitandreman’Andriamanitra manao hoe: “Loza ho an’ny tany (...) fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:12.

Fitsanganan’ny maty ho any an-danitra

13, 14. a) Inona no asehon’ny Soratra Masina fa nitranga nanomboka tamin’ny 1918? b) Inona no ahariharin’i Paoly sy i Jaona momba ny sisa voahosotra amin’izao andro izao?

13 Ny fisehoan-javatra mahatalanjona hafa mandritra ny fanatrehan’i Kristy dia ny fanombohan’ny fitsanganan’ny maty ho any an-danitra. Ny apostoly Paoly dia nampiseho fa ireo Kristiana voahosotra izay natory tao am-pasana hatramin’ny ela no ho voalohany homena fiainana indray ka hiara-miaina amin’i Kristy Jesosy any amin’ny faritra ara-panahy. Nisy porofo naroso arakaraka ny fandehan’ireo taona mba hampisehoana fa toa niseho nanomboka tamin’ny 1918 izany. Manoratra toy izao i Paoly: ‘Tahaka izany koa no ahaveloman’ny olona rehetra ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny [fanatrehany, NW ] [ pa·rou·siʹa].’ (1 Korintiana 15:22, 23). Ny fitsanganan’ireo voahosotra mandritra ny fanatrehan’i Kristy dia hamafisina ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:15-17 toy izao: “Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo; isika, izay velona ka mbola mitoetra [hatramin’ny fanatrehan’ny, NW ] [ pa·rou·siʹa] Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory (...), ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka”. Misy 144 000 ireo voahosotra izay an’i Kristy ka hahazo io valisoa mahatalanjona io amin’ny farany. — Apokalypsy 14:1.

14 Araka ny asehon’i Paoly, ireo anisan’ny sisa voahosotra velona amin’izao andro izao dia tsy hiditra ao amin’ilay Fanjakana alohan’ireo maritiora sy mpianatra kristiana voahosotra nahatoky tany am-boalohany. Milazalaza toy izao koa momba ireo anisan’ny voahosotra izay maty amin’izao andro izao ny apostoly Jaona: “Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo [manomboka, NW ] izao. Eny, hoy ny fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy”, izany hoe, any amin’ny fiainany aorian’ny hananganana azy amin’ny maty. (Apokalypsy 14:13). Ary milaza toy izao i Paoly: “Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.” (1 Korintiana 15:51, 52). Izany ka fahagagana mahatalanjona!

15, 16. a) Fanoharana inona no nomen’i Jesosy ao amin’ny Lioka 19:11-15, ary noho ny antony inona? b) Tamin’ny ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

15 Indray mandeha, rehefa nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny sasany tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy, dia nampiasa fanoharana iray mba hanampiana azy ireo hanitsy ny hevi-disony. Milaza toy izao ny fitantarana: “Nataon’ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra. Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. (...) Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ny fandrantoana.” — Lioka 19:11-15.

16 I Jesosy izany “andriandahy” izany izay nankany an-danitra, na “an-tany lavitra”, toerana izay tokony handraisany fanjakana. Izany Fanjakana izany dia azony tamin’ny 1914. Tsy ela taorian’izay, i Kristy tonga Mpanjaka dia nampamoaka ireo nihambo ho mpanara-dia azy mba hahitana izay nataon’izy ireo ho fikarakarana ireo tombontsoan’ilay Fanjakana nankinina taminy. Nisy olom-bitsy nahatoky voafidy mba handray ny teny fideran’ny tompony nanao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra hianao, dia manapaha tanàna folo.” (Lioka 19:17). Io fe-potoana aharetan’ny fanatrehan’i Kristy io dia nahafaoka asa mafy sady nitohy ho fitoriana momba ilay Fanjakana, ka anisan’izany ny fanambarana ireo didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ireo ratsy fanahy, ary ny fanaraha-maso io asa io dia tafiditra tao amin’ilay fahefana nankinina tamin’ilay “mpanompo tsara”.

Fitoriana maneran-tany

17. Fifaliana inona no mampiavaka ny pa·rou·siʹa?

17 Zavatra hafa inona koa no hitranga mandritra io pa·rou·siʹa io? Izy io dia ho fotoam-pifaliana lehibe eo amin’ny asa fitoriana sy eo amin’ny fanampiana ireo vaovao hiomana mba hamakivaky ny fahoriana lehibe ho avy ka ho tafita velona. Ireo olona ireo, izay anisan’ny “olona betsaka” manampy ny sisa, dia tonga “epistily filazan-tsoa”. (Apokalypsy 7:9; 2 Korintiana 3:1-3). Miresaka momba ny fifaliana avy amin’io asa fijinjana io i Paoly rehefa nanao hoe: “Inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny [fanatrehany, NW ] [ pa·rou·siʹa] va?” — 1 Tesaloniana 2:19.

Mitoera ho madio sy tsy hanan-tsiny

18. a) Vavaka nataon’i Paoly hoe ahoana no mifandray amin’ny pa·rou·siʹa? b) Toe-tsaina manao ahoana no tsy maintsy asehontsika rehetra mandritra izao fotoana izao, ary amin’ny fomba ahoana avy?

18 Nivavaka ho amin’ny fanamasinana ireo izay velona mandritra izao fotoan’ny fanatrehan’i Kristy izao koa i Paoly, ka nanao hoe: “Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny [fanatrehan’i, NW ] [ pa·rou·siʹa] Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Tesaloniana 5:23). Eny, amin’izao andro izao, na anisan’ny sisa voahosotra isika na anisan’ireo ondry hafa maro be, ny toe-tsain’ny fiaraha-miasa dia mampifamatotra antsika amim-pahatokiana mba hahafahantsika ho madio sy tsy hanan-tsiny hatrany amin’izao fotoana tsy manam-paharoa izao. Mitovy amin’izany koa, isika dia mila maneho faharetana. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, [hatramin’ny fanatrehan’ny, NW ] [ pa·rou·siʹa] Tompo. (...) Mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny, NW ] [ pa·rou·siʹa] Tompo.” — Jakoba 5:7, 8.

19. Fampitandremana inona no nomen’i Petera momba ny pa·rou·siʹa, ary tokony hanao ahoana ny fandraisantsika izany?

19 Nanan-javatra holazaina amintsika izay velona amin’izao fotoana ankehitriny izao koa ny apostoly Petera. Nampitandrina antsika amin’ireo mpaniratsira, izay maro dia maro any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, izy. Milaza toy izao i Petera: “Fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny [fanatrehany, NW ] [ pa·rou·siʹa]? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” (2 Petera 3:3, 4). Na dia hita hatraiza hatraiza aza ireo mpaniratsira mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ny vahoakan’i Jehovah dia manohy mamirapiratra toy ny fahazavan’izao tontolo izao, ho famonjena ny maro.

Fanontaniana ho Famerenana

◻ Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny vahoakan’i Jehovah fahazavana miandalana momba ny pa·rou·siʹa?

◻ Ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:4-8?

◻ Ahoana no niarahan’ireo anjely niasa tamin’i Kristy nahazo ny fiandrianana?

◻ Fahagagana mahatalanjona inona no toa niaraka tamin’ny pa·rou·siʹa?

◻ Fifaliana inona no tsapa mandritra izao fotoana izao, ary iza avy no mahatsapa izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara