FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/6 p. 13-18
  • Manàna Saina Mahay Mitsara Zavatra — Antomotra ny Farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Saina Mahay Mitsara Zavatra — Antomotra ny Farany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony ilàna maika hananana saina mahay mitsara zavatra
  • Ny atao hoe manana saina mahay mitsara zavatra
  • Ny fomba iarovan’ny saina mahay mitsara zavatra antsika
  • Tadiavo ny fanampian’i Jehovah mba hitanana saina mahay mitsara zavatra
  • Saina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Saina Mahay Mitsara Zavatra” Arakaraka ny Maha-antomotra ny Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aoka Isika ho Hendry fa efa Antomotra ny Farany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Aoka Isika Hiaina Amin’ny Fananana Saina Mahay Mitsara Zavatra sy Araka ny Rarin
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/6 p. 13-18

Manàna Saina Mahay Mitsara Zavatra — Antomotra ny Farany

“Mihantomotra ny faran’ny zava-drehetra. Noho izany dia manàna saina mahay mitsara zavatra, ary miambena amin’ny fiheverana ny vavaka.” — 1 PETERA 4:7, NW.

1. a) Fahadisoam-panantenana inona no hitan’ny mpitondra fivavahana iray sy ireo mpanaraka azy? b) Koa satria nisy fanampoizan-javatra sasany tsy tanteraka, fanontaniana inona avy no mety hatao?

“NAHARAY fiantsoana avy tany amin’Andriamanitra aho nandritra ny vavaka farany, halina. Nilaza izy fa hisy olona 116 000 hiakatra any an-danitra ary hisokatra ho amin’ny lanitra ny fasan’ny mpino efa maty 3,7 tapitrisa.” Izany no nolazain’ny mpitarika iray ao amin’ny Misiona ho An’ireo Andro ho Avy, tamin’ny takarivan’ny 28 Oktobra 1992, ilay andro fitsarana araka ny faminanian’izy ireo. Rehefa tonga anefa ny 29 Oktobra, dia tsy nisy olona niakatra tany an-danitra na dia iray aza, ary tsy nisy fasan’ny maty nisokatra. Tsy nindaosina faingana tamin’ny fampiakarana tany an-danitra ireo nino ny andro fitsarana tany Korea ireo, fa andro hafa iray toy ny nahazatra ihany ny 29 Oktobra. Efa tonga ary efa lasa ilay fotoana farany ho an’ny andro fitsarana, kanefa dia mitoetra ho tapa-kevitra hatrany ireo mpanambara ny andro fitsarana. Inona no tokony hataon’ny Kristiana? Tokony hitsahatra tsy hino ve izy ireo fa manatona haingana ny farany?

2. Iza no niresaka tamin’ireo apostoly ny amin’ny andro fitsarana ho avy iray, ary tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana no nahafantaran’izy ireo izany?

2 Mba hamaliana izany, dia aoka isika hitadidy ilay fotoana niresahan’i Jesosy manokana tamin’ireo mpianany. Tamin’izay, tao amin’ny distrikan’i Kaisaria any Filipy, tany avaratra atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, nisy ny Tendrombohitra Hermona nandondona teo ivoho, dia nandre azy nilaza nivantana izy ireo fa hovonoina ho faty izy. (Matio 16:21). Nisy teny nampieritreritra mafy hafa nanaraka izany. Rehefa avy nanazava tamin’izy ireo i Jesosy fa ny maha-mpianatra dia midika fananana fiainana feno fahafoizan-tena mandrakariva, dia nampitandrina toy izao izy: “Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.” (Matio 16:27). Niresaka ny amin’ny fiaviana iray amin’ny hoavy i Jesosy. Amin’izay anefa, dia ho Mpitsara izy. Amin’izay fotoana izay, ny zava-drehetra dia hiankina amin’ny hoe ho hitany manaraka azy amim-pahatokiana ve sa tsia ny olona iray. Hiorina amin’ny fitondran-tena ny fitsaran’i Jesosy, na toy inona na toy inona fananana eo amin’izao tontolo izao mety hananan’ny olona iray na mety tsy hananany. (Matio 16:25, 26). Noho izany, dia ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy mba hiandrandra ny fiaviany be voninahitra, miaraka amin’ny fitsarany.

3. Ahoana no nanazavan’i Jesosy ny maha-azo antoka ny fiaviany amin’ny hoavy?

3 Izay nolazain’i Jesosy nanaraka izany dia manazava ny maha-azo antoka ny fiaviany amin’ny hoavy. Nilaza toy izao tamim-pahefana izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.” (Matio 16:28). Tanteraka ireo teny ireo enina andro tatỳ aoriana. Nampitolagaga ireo mpianany akaiky ny fahitana mamirapiratra iray momba an’i Jesosy niova tarehy. Tena nahita marina tokoa ny tarehin’i Jesosy namirapiratra toy ny masoandro sy ny akanjony fotsy nanjelajelatra izy ireo. Ilay fiovan-tarehy dia fampisehoana mialoha ny voninahitr’i Kristy sy ny Fanjakany. Nampahatanjaka toy inona moa izany fanamafisana ireo faminaniana momba ilay Fanjakana izany! Fampirisihana mahery toy inona moa izany mba hahatonga ireo mpianatra hanana saina mahay mitsara zavatra! — 2 Petera 1:16-19.

Ny antony ilàna maika hananana saina mahay mitsara zavatra

4. Nahoana ny Kristiana no tsy maintsy mailo ara-panahy raha ny amin’ny fiaviany?

4 Herintaona latsaka tatỳ aoriana, dia mahita an’i Jesosy mipetraka eo amin’ny Tendrombohitra Oliva isika, miresaka manokana indray amin’ireo mpianany. Teo am-pibanjinan’izy ireo ny tanànan’i Jerosalema, dia nanazava izay ho famantarana ny fanatrehany amin’ny hoavy izy ary nampitandrina toy izao avy eo: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” Tsy maintsy ho mailo mandrakariva ireo mpanara-dia azy satria tsy fantatra ny fotoana iaviany. Tsy maintsy vonona ho amin’izany lalandava izy ireo. — Matio 24:42.

5. Ahoana no azo anazavana ny ilana fiambenana?

5 Mitovy amin’ny mpangalatra iray ny Tompo eo amin’ny fomba fiaviany. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.” (Matio 24:43). Ny mpanami-trano iray dia tsy manao fampandrenesana mba hampahafantarana an’ilay tompon-trano ny amin’ny fotoana hahatongavany; ny fitaovam-piadiany lehibe indrindra dia ny fanampohana. Noho izany, dia tsy maintsy miambina tsy an-kijanona ilay tompon-trano. Ho an’ny Kristiana mahatoky anefa, ny fiambenana tsy an-kijanona dia tsy noho ny fambara loza mampahatahotra iray. Izany kosa dia atosiky ny fanantenana fatratra ny fiavian’i Kristy amim-boninahitra mba hampiditra ao amin’ny Fanjakana Arivo Taona feno fiadanana.

6. Nahoana isika no tsy maintsy manana saina mahay mitsara zavatra?

6 Na dia eo aza ny fiambenana rehetra, dia tsy hisy mihitsy afaka hanombantombana mialoha ilay andro marina tsy maintsy hiaviany. Hoy i Jesosy: “Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:44). Noho izany no ilana saina mahay mitsara zavatra. Raha toa ny Kristiana iray ka mieritreritra fa tsy ho avy i Kristy amin’ny andro iray, dia angamba ho io indrindra no andro tena hiaviany! Marina aloha fa nisy Kristiana nahatoky tsara fikasa tamin’ny lasa nanandrana tamim-pahatsorana nilaza mialoha ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny farany. Na dia izany aza, ny fampitandreman’i Jesosy dia hita fa marina imbetsaka: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” — Matio 24:36.

7. Mba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy, ahoana no tsy maintsy iainantsika ny fiainantsika?

7 Inona àry no tokony hotsoahintsika avy amin’izany? Izao: mba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy, isika dia tsy maintsy miaina amin’ny finoana mandrakariva fa antomotra ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity.

8. Inona no marika nampiavaka ny Kristiana hatrany am-piandohan’ny Kristianisma?

8 Ny fihetsika toy izany dia marika nampiavaka ny Kristiana foana, hoy ny fieken’ireo mpanoratra tantara sy manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly. Ireo mpampanonta ny The Translator’s New Testament, ohatra, dia milaza toy izao ao amin’ny fanazavany hevi-teny, eo ambanin’ilay teny hoe “Andro”: “Ireo Kristiana tamin’ny andron’ny T[estamenta] V[aovao] dia niaina tao anatin’ny fiandrasana ilay Andro (izay ny fotoana) hamaranana izao tontolo izao ankehitriny miaraka amin’ny ratsy sy ny faharatsiana rehetra eo aminy, ary hiverenan’i Jesosy indray eto an-tany mba hitsara ny taranak’olombelona, ka hisantarany vanim-potoana vaovao iray hisian’ny fiadanana sy hanombohany ny fahefany amin’ny maha-Tompo azy eo amin’izao tontolo izao manontolo.” Izao no nomarihin’ny Encyclopædia Britannica: “Ny fitarana maneran-tany tsy manam-paharoa eo amin’ny Kristianisma dia mifandray mivantana amin’ilay fiandrasan’ny Kristiana ny fotoan’ny farany, amin’ny endriky ny fanantenana ny fiverenan’i Kristy indray efa antomotra. Ny fiandrasan’ny Kristiana ny fotoan’ny farany dia tsy nidika mihitsy hoe faniriana mafy an’ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy fotsiny, tsy misy fanaovana na inona na inona.”

Ny atao hoe manana saina mahay mitsara zavatra

9. Na dia diso aza ny zavatra sasany nandrandrain’i Petera nikasika ny Mesia, nahoana izy no afaka natoky hatrany?

9 Tsy sasatra niandry ny fahatongavan’ny farany ny apostoly Petera, 30 taona tany ho any taorian’ireo resaka manokana nifanaovan’i Jesosy tamin’ny mpianany akaiky ireo. Na dia diso aza tany am-boalohany ny zavatra nandrandrain’ny tenany sy ireo mpianatra namany nikasika ny Mesia, dia natoky hatrany izy fa ny fitiavana sy ny herin’i Jehovah dia niantoka ny fahatanterahan’ny fanantenan’izy ireo. (Lioka 19:11; 24:21; Asan’ny Apostoly 1:6; 2 Petera 3:9, 10). Nilaza hevitra iray fandre matetika ao amin’ny Soratra Grika izy rehefa niteny hoe: “Mihantomotra ny faran’ny zava-drehetra.” Avy eo izy dia nampirisika ireo Kristiana namany toy izao: “Noho izany dia manàna saina mahay mitsara zavatra, ary miambena amin’ny fiheverana ny vavaka.” — 1 Petera 4:7, NW.

10. a) Inona no dikan’ny hoe manana saina mahay mitsara zavatra? b) Inona no tafiditra amin’ny hoe mahita zavatra araka ny tena fifandraisany amin’ny sitrapon’Andriamanitra?

10 Ny hoe manana “saina mahay mitsara zavatra” akory tsy midika hoe kinga saina araka ny fomba fihevitr’izao tontolo izao. Hoy i Jehovah: “Hofoanako ny fahendren’ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala.” (1 Korintiana 1:19). Ilay teny nampiasain’i Petera dia mety hidika hoe “manana saina tia mieritreritra”. Ny fitiavana mieritreritra ara-panahy dia mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika. Noho izany, satria isika miorina tsara ara-tsaina, dia hitantsika ireo zavatra araka ny tena fifandraisany amin’ny sitrapon’i Jehovah; takatsika ny hoe inona avy no zava-dehibe, ary inona avy no tsy toy izany. (Matio 6:33, 34). Na dia antomotra aza ny farany, dia tsy simba tanteraka ao amin’ny fomba fiaina iray feno fahataitairana amin-kadalana isika; ary tsy hoe tsy mihontsina koa amin’ny vanim-potoana misy antsika. (Ampitahao amin’ny Matio 24:37-39.) Isika kosa dia tapahin’ny fahalalana ny antonony sy ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fisainana, eo amin’ny toetra, ary eo amin’ny fitondran-tena izay aseho amin’Andriamanitra aloha (“miambena amin’ny fiheverana ny vavaka”), ary avy eo dia amin’ny namantsika (“mifankatiava fatratra”). — 1 Petera 4:7, 8, NW.

11. a) Inona no dikan’ny hoe ‘havaozina eo amin’ny hery izay manetsika ny saintsika’? b) Amin’ny ahoana ny hery ara-tsaina vaovao iray no manampy antsika hanao fanapahan-kevitra tsara?

11 Ny hoe manana saina mahay mitsara zavatra dia mahatafiditra ny ‘fanavaozana antsika eo amin’ny hery izay manetsika ny saintsika’. (Efesiana 4:23, NW ). Nahoana no havaozina? Koa satria isika nandova tsy fahatanterahana sy miaina eo anivon’ny manodidina feno ota, dia tapahin’ny fironana izay mifanohitra amin’ny fiainana ara-panahy ny saintsika. Izany hery izany dia manosika tsy an-kijanona ny eritreritra sy ny fironana ho amin’ny lalana feno fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, sy feno fitiavan-tena. Noho izany, rehefa misy olona tonga Kristiana, dia mila hery vaovao izy, na toe-tsaina manapaka vaovao, izay hanosika ny eritreriny ho any amin’ny lalana mety, dia ny lalana ara-panahy, mankany amin’ny fahavononana hahafoy tena. Araka izany, rehefa miseho ny safidy, ohatra, eo amin’ny fianarana, na amin’ny asa fidina hatao eo amin’ny fiainana, na asa fivelomana, na fanarian-dia, na fialam-boly, na didin’akanjo, na amin’inona izany na inona, dia ho fironana voalohany ao aminy ny fandinihana ilay raharaha amin’ny fomba fijery ara-panahy fa tsy ara-nofo sy feno fitiavan-tena akory. Io toe-tsaina vaovao io dia manamora ny fanaovana fanapahan-kevitra eo amin’ireo raharaha amin’ny saina mahay mitsara zavatra sy amin’ny fahafantarana fa akaiky ny farany.

12. Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho “salama amin’ny finoana”?

12 Ny hoe manana saina mahay mitsara zavatra dia milaza tsy mivantana fa salama tsara ara-panahy ny tenantsika. Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho “salama amin’ny finoana”? (Titosy 2:2, fanamarihana ambany pejy). Tsy maintsy mamahana ny saintsika amin’ilay karazan-tsakafo mety isika. (Jeremia 3:15, NW ). Ny sakafo voalanjalanja avy amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra, tohanan’ny fiasan’ny fanahiny masina, dia hanampy antsika hitana ny fahaizantsika mandanjalanja ara-panahy. Noho izany, dia iankinan’ny aina ny tsy fanapatapahana eo amin’ny fianarana manokana ary koa amin’ny asa fanompoana sy ny vavaka ary ny fiarahana kristiana.

Ny fomba iarovan’ny saina mahay mitsara zavatra antsika

13. Ahoana no iarovan’ny saina mahay mitsara zavatra antsika amin’ny fanaovana fahadisoana feno hadalana?

13 Ny saina mahay mitsara zavatra dia afaka miaro antsika amin’ny fanaovana fahadisoana feno hadalana izay mety hamoizantsika ny fiainantsika mandrakizay. Ahoana no hetezan’izany? Niresaka ny amin’ny ‘lalàn’ny saina’ ny apostoly Paoly. Ho an’ny olona iray salama amin’ny finoana, io lalàn’ny saina io dia tapahin-javatra izay ahitany fifaliana, dia ny “lalàn’Andriamanitra”. Marina fa miady amin’ny lalàn’ny saina ny “lalàn’ny ota”. Kanefa dia afaka ny ho mpandresy ny Kristiana noho ny fanampian’i Jehovah. — Romana 7:21-25.

14, 15. a) Hery mitaona roa inona avy no miady mafy mba hifehy ny saina? b) Ahoana no ahafahantsika mandresy amin’ilay ady ataon’ny saina?

14 Nanohy ny teniny i Paoly tamin’ny fampifanoherana mazava tsara ny saina tapahin’ny nofo mpanota izay mifantoka amin’ny fiainana feno fampanaranam-po ny tena, sy ny saina tapahin’ny fanahin’Andriamanitra izay mifantoka amin’ny fiainana feno fahafoizan-tena eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 8:5-7: “Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa dia fiainana, (sy fiadanana) satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany.”

15 Eo amin’ny andininy faha-11 i Paoly dia nanazava ny fomba andresen’ny saina izay miara-miasa amin’ny fanahy masina amin’ilay ady: “Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.”

16. Miaro antsika amin’ny fitaoman-dratsy inona avy ny saina mahay mitsara zavatra?

16 Noho izany, noho isika manana saina mahay mitsara zavatra dia tsy ho sodokan’ny fitaoman-dratsin’ity tontolo ity izay misy amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra isika. Izany fitaoman-dratsy izany dia miavaka amin’ny fampanaranam-po tena mihoa-pampana amin’izao karazana fahafinaretana sy zavatra ara-nofo ary fitondran-tena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy rehetra izao. Ny saintsika mahay mitsara zavatra dia hilaza amintsika mba ‘handositra ny fijangajangana’ ka tsy hiharan’ireo vokany mahatsiravina. (1 Korintiana 6:18). Ny toe-tsaintsika mahay mitsara zavatra dia hanosika antsika hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’ny toerana voalohany sy hiaro ny fisainantsika rehefa alaim-panahy isika noho ny fanolorana asa tsy ara-pivavahana fidina hatao eo amin’ny fiainana, izay mety hampaosa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

17. Ahoana no nanehoan’ny anabavy iray saina nahay nitsara zavatra rehefa niatrika andraikitra ara-bola?

17 Any amin’ny tany tropikaly iray any Azia Atsimo Atsinanana, ohatra, dia misy anabavy tanora iray izay nitana ny tombontsoan’ilay Fanjakana tamin’ny toerana voalohany tao an-tsainy. Namboly fitiavana ny fanompoana manontolo andro izy. Any amin’izany tany izany, ny ankamaroan’ny asa dia mitaky andro enina na fito iasana manontolo andro. Rehefa nahazo diplaoman’ny oniversite izy, dia nantenain-drainy, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah, fa hahazo vola be ho an’ny fianakaviana. Kanefa noho ilay anabavy naniry mafy hanao ny asan’ny mpisava lalana, dia nahita asa tapa-potoana izy ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Izany dia nahatezitra ny rainy izay nandrahona ny hanipy ny entany teny amin’ny arabe. Noho izy niloka, dia bokan’ny trosa izy, ary nantenainy ny handoavan’ny zanany vavy ny trosany. Nianatra tany amin’ny oniversite iray ny zandriny lahy, ary noho ireo trosa, dia tsy nisy vola nandoavana ny saram-pianarany. Nampanantena ilay zandriny lahy fa, raha manampy azy ny anabaviny, dia hokarakarainy ny fianakaviana rehefa mahazo asa izy. Voazarazaran’ny fitiavany ny anadahiny sy ny fitiavany ny asan’ny mpisava lalana ny fony. Rehefa avy nandinika ilay raharaha tamim-pitandremana izy dia nanapa-kevitra ny hanohy ny asan’ny mpisava lalana ary hitady asa hafa iray. Ho valin’ireo vavaka nataony, dia nahita asa tsara iray izy, dia asa izay tsy vitan’ny hoe nahafahany nanampy ara-bola ny fianakaviany sy ny anadahiny, fa nahafahany koa nanohy ilay zavatra tiany voalohany, dia ny asan’ny mpisava lalana.

Tadiavo ny fanampian’i Jehovah mba hitanana saina mahay mitsara zavatra

18. a) Nahoana no mety hahatsiaro tena ho kivy ny olona sasany? b) Andinin-teny inona avy no afaka mampionona ireo kivy?

18 Mety ho sarotra amin’ny mpanara-dia an’i Kristy sasany ny mitana ny sainy hahay hitsara zavatra. Mety hihena ny faharetan’izy ireo noho ity fandehan-javatra ratsy ity maharitra lava kokoa tsy araka ny nanampoizany azy. Mety hahatsiaro tena ho kivy noho izany izy ireo. Ho avy anefa ny farany. Nampanantena izany i Jehovah. (Titosy 1:2). Ary torak’izany koa ny fampanantenany Paradisa an-tany. Manome antoka ny amin’izany i Jehovah. (Apokalypsy 21:1-5). Rehefa ho tonga tokoa ilay tontolo vaovao, dia hisy ny “hazon’aina” ho an’izay rehetra nitana ny sainy hahay hitsara zavatra. — Ohabolana 13:12.

19. Ahoana no ahafahana mitana saina mahay mitsara zavatra?

19 Ahoana no ahafahantsika mitana saina mahay mitsara zavatra? Tadiavo ny fanampian’i Jehovah. (Salamo 54:4). Mitoera ho akaiky azy. Endre ny hafaliantsika fa maniry ny fisakaizana akaiky amintsika i Jehovah! “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. (Jakoba 4:8). Hoy i Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:4-7). Ary rehefa toa lehibe loatra mila tsy ho zaka intsony ny enta-mavesatr’ity fandehan-javatra miala aina ity, dia apetraho amin’i Jehovah izany, ary ny tenany mihitsy no hanohana anao. — Salamo 55:22.

20. Fomba fanaovan-javatra inona no tokony hotohizantsika, araka ny 1 Timoty 4:10?

20 Eny, antomotra ny farany, koa manàna saina mahay mitsara zavatra! Torohevitra tsara izany, 1 900 taona lasa izay; torohevitra iankinan’ny aina izany amin’izao andro izao. Aoka isika hanohy hampiasa ireo fahaizantsika ara-tsaina miasa tsara mba hiderana an’i Jehovah raha eo am-panohizana mitarika antsika ho ao anatin’ilay tontolony vaovao Izy. — 1 Timoty 4:10.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no atao hoe saina mahay mitsara zavatra?

◻ Nahoana no ilaina maika ny hananana saina mahay mitsara zavatra?

◻ Ahoana no ahafahana manavao antsika eo amin’ny hery manetsika ny saintsika?

◻ Ady tsy an-kijanona inona no tsy maintsy ataontsika ao an-tsaintsika?

◻ Ahoana no itanantsika saina mahay mitsara zavatra?

[Sary, pejy 15]

Ny fanatonana akaiky an’Andriamanitra amin’ny vavaka dia manampy antsika hitana saina mahay mitsara zavatra

[Sary, pejy 17]

Noho isika manana saina mahay mitsara zavatra, dia tsy ho sodokan’ireo fitaoman-dratsin’ity tontolo ity isika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara