Mety Hisy ny Fitiavana ny Mpiara-belona
NY FANOHARANA nataon’i Jesosy Kristy mikasika ilay Samaritana dia mampiseho ny tena atao hoe fitiavana marina ny mpiara-belona. (Lioka 10:25-37). Nampianatra toy izao koa i Jesosy: “‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao [“mpiara-belona aminao”, NW ] tahaka ny tenanao’.” — Matio 22:37-39.
Sahala amin’ny olona maro, moa ve sarotra aminao ny mitia ny mpiara-belona aminao izay avy amin’ny antokom-pirazanana hafa noho ny anao? Izany angamba no izy satria ianao efa nandre na niharan’ny fanavakavahana sy fanaovana ny tsy rariny manokana. Mety ho efa nizaka fitondrana ratsy avy amin’olona hafa firazanana mihitsy aza ianao na ny olo-malalanao.
Koa satria nilaza i Jesosy fa iray amin’ny didin’Andriamanitra ny hitiavantsika ny mpiara-belona amintsika, dia tsy maintsy azo atao ny mandresy fihetseham-po mahery toy izany. Ny fanalahidin’ny fanaovana izany dia ny fiheverana ny olona toy ny ataon’Andriamanitra sy i Kristy. Mikasika izany, dia aoka isika handinika ny ohatr’i Jesosy sy ny an’ireo Kristiana voalohany.
Ohatra tsara dia tsara navelan’i Jesosy
Ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia nanana fankahalana lalina an’ireo Samaritana, olona niaina teo amin’ny faritra iray anelanelan’i Jodia sy i Galilia. Indray mandeha dia nanontany tamim-panesoana an’i Jesosy toy izao ireo Jiosy mpanohitra: “Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?” (Jaona 8:48). Nahery aoka izany ny tsy fitiavana ny Samaritana, hany ka nisy aza Jiosy sasany nanozona ampahibemaso mihitsy ny Samaritana tany amin’ny synagoga ary nivavaka isan’andro mba tsy hanomezana azy ireo fiainana mandrakizay.
Tsy isalasalana fa ny fahafantarana io fankahalana namaka lalina io no nanosika an’i Jesosy hanome ilay fanoharana ny amin’ilay Samaritana izay niseho ho tena mpiara-belona tamin’ny fikarakarana ilay lehilahy jiosy nokapohin’ny mpanendaka. Ahoana no mety ho navalin’i Jesosy rehefa nanontany azy toy izao ilay lehilahy nahay ny Lalàn’i Mosesy: “Iza ary no namako [“mpiara-belona amiko”, NW ]?” (Lioka 10:29). Azon’i Jesosy natao ny namaly nivantana, tamin’ny filazana hoe: ‘Tsy ny Jiosy namanao ihany no anisan’ny mpiara-belona aminao, fa ny olon-kafa koa, na dia ny Samaritana aza.’ Ho sarotra tamin’ny Jiosy anefa ny nanaiky izany. Koa nanao ilay fanoharana momba ny Jiosy iray izay niantran’ny Samaritana iray izy. Tamin’izay i Jesosy dia nanampy ireo mpihaino jiosy mba hanatsoaka hevitra fa ny tena fitiavana ny mpiara-belona dia miitatra hatrany amin’ny tsy Jiosy.
Tsy nahatsapa tsy fitiavana ny Samaritana i Jesosy. Rehefa nanao dia lavitra namakivaky an’i Samaria izy indray mandeha, dia niala sasatra teo akaikin’ny fantsakana iray raha mbola nankany amin’ilay tanàna akaiky ireo mpianany mba hahazo sakafo. Rehefa tonga hantsaka rano ny vehivavy samaritana iray, dia hoy izy: “Omeo Aho hosotroiko.” Koa satria tsy nisy nifampiraharahan’ny Jiosy tamin’ny Samaritana, dia nanontany ravehivavy hoe: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana?” Avy eo i Jesosy dia nanao fanambarana taminy, ka nambarany niharihary mihitsy aza fa izy no Mesia. Namaly izany ravehivavy tamin’ny fandehanana tany an-tanàna sy tamin’ny fiantsoana ny hafa mba ho tonga hihaino azy. Inona no vokatr’izany? “Maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy”. Fiafarana tsara dia tsara toy inona moa izany satria i Jesosy tsy voafatotry ny fihetsika nanjaka teo amin’ireo Jiosy niara-niaina taminy! — Jaona 4:4-42.
Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra
Sitrapon’Andriamanitra ny hitorian’i Jesosy voalohany indrindra tamin’ny Jiosy, “ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely”. (Matio 15:24). Noho izany, ireo mpanara-dia azy voalohany dia nanam-piaviana jiosy. Telo taona monja taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. anefa, dia nataon’i Jehovah nazava tsara fa niriny ny hanitaran’ireo mpino jiosy ny asa fanaovana mpianatra tany amin’ireo firenena, dia ny Jentilisa.
Ho an’ny saina jiosy, ny fitiavana Samaritana iray toy ny tenany, dia efa tena sarotra. Vao mainka ho sarotra kokoa ihany ny fanehoana fitiavana ny mpiara-belona amin’ireo Jentilisa tsy voafora, dia olona izay tsy nisy nifandraisany firy tamin’ny Jiosy noho ny Samaritana. Nilaza toy izao ny The International Standard Bible Encyclopaedia rehefa nanazava ny fihetsiky ny Jiosy tamin’ireo Jentilisa: “Hitantsika tamin’ny andron’ny T[estamenta] V[aovao] ny tsy fitiavana sy ny fanamavoana ary ny fankahalana fara tampony indrindra. Noheverina ho tsy madio izy ireo [Jentilisa], tsy araka ny lalàna ny fananana fifandraisam-pisakaizana taminy. Fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany izy ireo, ary tsy nomena azy ireo ny fahalalana an’Andriamanitra raha tsy tonga proselita izy ireo, ary na dia tamin’izany aza, dia tsy azo noraisina tanteraka ho namana izy ireo, toy ny tamin’ny andro taloha. Norarana tsy hanome torohevitra azy ireo ny Jiosy, ary raha nanontany ny amin’ireo zavatra araka an’Andriamanitra izy ireo dia nozonina.”
Na dia maro aza no nitana ireo fiheverana ireo, dia nataon’i Jehovah izay hahazoan’ny apostoly Petera fahitana iray izay nanambarana taminy mba ‘tsy hanao ho fady izay efa nodiovin’Andriamanitra’. Tamin’izay Andriamanitra dia nitarika azy tany an-tranon’i Kornelio izay Jentilisa. Nanao fanambarana ny amin’ny Kristy tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ary tamin’ny Jentilisa hafa i Petera. “Hitako marina tokoa izao”, hoy i Petera, “fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Raha teo am-pitoriana i Petera, dia nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpino vaovao izay natao batisa avy eo, ary nanjary ny Jentilisa voalohany mpanara-dia an’i Kristy. — Asan’ny Apostoly toko faha-10.
Nanaiky izany fisehoan-javatra izany ireo Jiosy mpanara-dia an’i Kristy, rehefa takany fa ilay baikon’i Jesosy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’ dia tsy voafetra ho tamin’ireo Jiosy tany amin’ny tany rehetra fotsiny, fa nahatafiditra ny Jentilisa koa. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 11:18). Nandresy izay rehetra fihetseham-po tsy tia Jentilisa nety ho nananany izy ireo, ka nandamina tamin-jotom-po ezaka manokana tamin’ny fitoriana mba hanaovana mpianatra teo amin’ireo firenena. Latsaka ny 30 taona tatỳ aoriana, dia azo nolazaina fa efa ‘notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. — Kolosiana 1:23.
Loha laharana teo amin’io asa fitoriana io ny apostoly Paoly, izay kristiana nanam-piaviana jiosy. Talohan’ny nahatongavan’ny tenany ho mpanara-dia an’i Kristy, dia mpikambana be zotom-po tao amin’ny antokom-pivavahan’ny Fariseo izy. Izy ireo dia tsy vitan’ny hoe nanamavo ny Jentilisa fotsiny, fa na dia ny sarambaben’olona iray firazanana taminy koa aza. (Lioka 18:11, 12). Tsy namela izany fiheverana izany hanakana azy tsy haneho fitiavana ny mpiara-belona tamin’ny hafa anefa i Paoly. Tonga “Apostolin’ny jentilisa” kosa izy, nanokana ny fiainany ho amin’ilay asa fanaovana mpianatra nanerana ireo tany nanamorona an’i Mediterane. — Romana 11:13.
Nandritra ny fanompoana nataony, dia notoraham-bato i Paoly, nokapohina, ary natao an-tranomaizina. (Asan’ny Apostoly 14:19; 16:22, 23). Nahatonga azy ho sosotra ve izany fanandraman-javatra mafy izany ka hanatsoaka hevitra fa lany andro fotsiny izy teo amin’ny firenena sy antokom-pirazanana sasany? Tsy izany velively. Fantany fa nisy olona nahitsy fo niely nanerana ireo antokom-pirazanana maro be tamin’ny androny.
Rehefa nahita Jentilisa vonona ny hampianarina ny lalan’Andriamanitra i Paoly, dia nanjary tia azy ireny. Nanoratra toy izao izy, ohatra, ho an’ireo Tesaloniana: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:7, 8). Ireo teny feno fahatsorana ireo dia mampiseho fa tena tia ireo Tesaloniana jentilisa tokoa i Paoly, ary tsy namela na inona na inona hanimba ilay fifaliana tamin’ny fifandraisana tsara tamin’izy ireo, izy.
Fitiavana ny mpiara-belona am-perinasa
Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ireo izay mifikitra amin’ny kongregasiona kristiana dia mamboly fitiavana ny mpiara-belona amin’olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra. Amin’ny fampitomboana fomba fijery araka an’Andriamanitra mikasika ny hafa sy amin’ny fizarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’izy ireny, ny Kristiana marina dia nampitombo ny fahatakarany ny fihevitry ny olona izay mety ho tsy fantany mihitsy raha tsy izany. Manana fitiavan-drahalahy amin’izy ireny mihitsy aza izy ireo. (Jaona 13:34, 35). Afaka manandrana izany koa ianao.
Misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany fitiavana izany, na dia hita any amin’ny tany 229 sy mampiseho “ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” aza izy ireo. (Apokalypsy 7:9). Amin’ny maha-fitambaran-drahalahy maneran-tany azy, dia tafaray izy ireo ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, ao amin’ny fandavan’izy ireo tsy handray anjara amin’ireo fifandonana sy fifandrafiana ara-pirazanana, ary ao amin’ny fanariany ireo fitsarana an-tendrony izay manaisotra ao amin’ny olona ny fifandraisana mafana amin’ny olombelona namany.
Mifaneraserà amin’ny Vavolombelona, dia ho hitanao ny fomba anaovan’ny olona avy amin’ny fiaviana ara-pirazanana rehetra ny sitrapon’Andriamanitra. Ho hitanao ny fitiavana ny mpiara-belona am-perinasa rehefa manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo. Eny, any amin’ny kongregasionan’izy ireo ianao dia hifankahita amin’olona tsara fanahy sy tso-po izay mampiseho eo amin’ny fiainany fa tena nianatra nitia ny mpiara-belona aminy tokoa izy ireo.
[Sary, pejy 6]
Hahita olona falifaly avy amin’ny firazanana rehetra ianao any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Fahatongavan’ilay Samaritana Tsara Fanahy tao Amin’ny Tranom-bahiny/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.