FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/9 p. 9-14
  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiaretana — Ny dikany
  • Fiaretana — Nahoana?
  • Miareta hatramin’ny farany — Amin’ny fomba ahoana?
  • ‘Diniho Tsara Ilay Niaritra’
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • ‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Ny Fiaretana Izay Mahazo ny Fandresena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/9 p. 9-14

Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana

‘Ampio fiaretana ny finoanareo’. — 2 PETERA 1:5, 6, NW.

1, 2. Nahoana isika rehetra no tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany?

NITSIDIKA Kristiana namana iray teo amin’ny faha-90 taonany ny mpiandraikitra mpitety faritany iray sy ny vadiny. Nandany am-polony taona maro teo amin’ny fanompoana manontolo andro izy io. Teo am-piresahana, dia nampahatsiaro ny tombontsoa sasany nananany nandritra ny taona maro ilay rahalahy be taona. “Saingy”, hoy izy nitaraina, sady nanomboka nikoriana teo amin’ny tavany ny ranomaso, “izao aho dia tsy afaka manao zavatra firy.” Nanokatra ny Baiboliny ilay mpiandraikitra mpitety faritany ary namaky ny Matio 24:13, izay ilazana an’i Jesosy Kristy ho niteny hoe: “Izay maharitra [“miaritra”, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” Tamin’izay dia nijery an’ilay rahalahy malala ilay mpiandraikitra ary niteny hoe: “Ny fanendrena farany azontsika rehetra, na toy inona na toy inona habetsahana na hakelin’ny zavatra azontsika atao, dia ny miaritra hatramin’ny farany.”

2 Eny, amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tsy maintsy miaritra hatramin’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, na hatramin’ny faran’ny fiainantsika, isika rehetra. Tsy misy fomba hafa ahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah ho amin’ny famonjena. Ao anatin’ny hazakazaka iray ho amin’ny fiainana isika, ary tsy maintsy “mihazakazaka amim-piaretana” mandra-pandingantsika ilay tsipika fahatongavana. (Hebreo 12:1, NW ). Nanamafy ny maha-zava-dehibe io toetra io ny apostoly Petera rehefa nampirisika ireo Kristiana namany toy izao: ‘Ampio fiaretana ny finoanareo’. (2 Petera 1:5, 6, NW ). Fa inona marina moa no atao hoe fiaretana?

Fiaretana — Ny dikany

3, 4. Inona no atao hoe miaritra?

3 Inona no atao hoe miaritra? Ilay matoanteny grika nadika hoe “miaritra” (hy·po·meʹno), dia midika ara-bakiteny hoe “mitoetra na mijanona eo ambanin’ny”. Miseho in-17 ao amin’ny Baiboly izy io. Araka ireo mpanazava hevi-teny atao hoe W. Bauer sy i F. W. Gingrich ary i F. Danker, izy io dia midika hoe “mitoetra fa tsy mandositra (...), mamahatra tsara, tsy manaiky ho resy”. Ny anarana grika nadika hoe “fiaretana” (hy·po·mo·neʹ) dia miseho in-30 mahery. Mikasika azy io, dia hoy ny A New Testament Wordbook, nataon’i William Barclay: “Izy io dia fironana ara-tsaina izay afaka mizaka zavatra, tsy hoe amim-pahaiza-mionona fotsiny, fa amin’ny fanantenana miredareda kosa (...) Izany dia toetra tsara izay mitana ny olona iray hijoro amin’ny tongony miatrika ny rivotra. Izy io dia hatsaran-toetra izay afaka mampiova ny fitsapana mafy indrindra ho voninahitra, satria mahatsinjo ny tanjona any ankoatran’ilay fanaintainana izy io.”

4 Ny fiaretana àry dia mahatonga antsika ho afaka hamahatra tsara, ary tsy hanary toky eo anatrehan’ny fanakantsakanana sy ny zava-tsarotra. (Romana 5:3-5). Izy io dia mijery any ankoatran’ny fanaintainana ankehitriny, dia ny tanjona — ilay loka, na fanomezana, dia ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra izany na eto an-tany. — Jakoba 1:12.

Fiaretana — Nahoana?

5. a) Nahoana ny Kristiana rehetra no “mila fiaretana”? b) Azo zaraina ho karazany roa inona avy ny fitsapana mahazo antsika?

5 Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia “mila fiaretana” isika rehetra. (Hebreo 10:36, NW ). Nahoana? Amin’ny fotony, dia satria isika “mifanehatra amin’ny fitsapana samihafa”. Ilay andinin-teny grika eto, ao amin’ny Jakoba 1:2 (NW ), dia milaza tsy mivantana fifanenana iray tsy nampoizina na tsy nirina, toy ny rehefa mifanehatra amin’ny mpanendaka, ny olona iray. (Ampitahao amin’ny Lioka 10:30.) Mifanehatra amin’ny fitsapana izay azo zaraina ho karazany roa isika: ireo izay iombonan’ny olombelona vokatry ny ota nolovana, ary ireo izay mitranga noho ny fifikirantsika amin’Andriamanitra. (1 Korintiana 10:13; 2 Timoty 3:12, NW ). Inona avy ny sasany amin’ireny fitsapana ireny?

6. Ahoana no niaretan’ny Vavolombelona iray rehefa niatrika aretina nampanaintaina izy?

6 Aretina lehibe. Sahala amin’i Timoty, ny Kristiana sasany dia tsy maintsy miaritra ‘fahosahosana matetika’. (1 Timoty 5:23). Rehefa miatrika aretina mitaiza izay angamba mampanaintaina mafy isika, dia eo indrindra no ilantsika miaritra, mamahatra tsara, noho ny fanampian’Andriamanitra, ary tsy manary ny fahatsinjovana ny fanantenana kristiana ananantsika. Hevero ny ohatry ny Vavolombelona iray teo amin’ny faha-50 taonany, izay niady mafy naharitra ela tamin’ny fivontosana nifindrafindra toerana sady nitarika ho amin’ny fahafatesana (tumeur maligne) izay nitombo haingana. Tamin’ireo fandidiana roa dia nitoetra ho tsy nihozongozona teo amin’ny fahatapahan-keviny tsy hanaiky fampidiran-dra izy. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Nipoitra indray tao amin’ny kibony anefa ilay fivontosana ary nanohy nitombo teo akaikin’ny hazon-damosiny. Toy ny efa nihatra taminy, dia nandalo fanaintainana ara-batana tsy azo nosaintsainina, izay tsy nisy habetsahana fanafody afaka nampitsahatra azy, izy. Nijery tany ankoatran’ny fanaintainana ankehitriny anefa izy, tany amin’ny lokan’ny fiainana ao amin’ilay tontolo vaovao. Nanohy nizara ny fanantenany niredareda tamin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpitsidika izy. Niaritra hatramin’ny farany izy — dia ny faran’ny fiainany. Mety tsy handrahona aina, na hanaintaina toy ilay hitan’io rahalahy malala io, ny zava-manahirana ara-pahasalamana mahazo anao, kanefa dia mety mbola hametraka fitsapana lehibe ho an’ny fiaretana ihany izy io.

7. Mahatafiditra karazam-panaintainana inona ny fiaretana ho an’ny sasany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy?

7 Fanaintainana ara-pihetseham-po. Indraindray, ny sasany amin’ny vahoakan’i Jehovah dia tojo “alahelon’ny fo” izay miteraka ‘faharerahan’ny fanahy’. (Ohabolana 15:13). Tsy mahalana ny fisian’ny fahaketrahana mafy amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Nanao tatitra toy izao ny Science News tamin’ny 5 Desambra 1992: “Nitombo ny tahan’ny fahaketrahana mafy izay matetika nampitondra takaitra, teo amin’ireo taranaka nisesy izay teraka hatramin’ny 1915.” Isan-karazany ny anton’ny fahaketrahana toy izany, manomboka amin’ny antony fiziolojika izany ka hatramin’ny fanandraman-javatra tsy mahafinaritra amin’ny fomba mampanaintaina. Ho an’ny Kristiana sasany, ny fiaretana dia mahatafiditra ady mafy isan’andro mba hamaharana tsara eo anatrehan’ny fanaintainana ara-pihetseham-po. Tsy milavo lefona anefa izy ireo. Mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah izy ireo na dia eo aza ny ranomaso. — Ampitahao amin’ny Salamo 126:5, 6.

8. Fitsapana ara-bola inona no mety ho tojo antsika?

8 Ireo fitsapana isan-karazany izay tojo antsika dia mety hahatafiditra fahasahiranana lehibe ara-bola. Rehefa tsy nanana asa tampoka ny rahalahy iray any New Jersey, Etazonia, dia takatra mora foana fa nanahy ny amin’ny famelomana ny ankohonany izy, ary nanahy sao hamoy ny tranony. Tsy nanadino ny fanantenan’ilay Fanjakana anefa izy. Raha teo am-pitadiavana asa hafa izy, dia nanararaotra ny fahafahana hanompo tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy. Tamin’ny farany, dia nahita asa izy. — Matio 6:25-34.

9. a) Amin’ny ahoana ny famoizana olon-tiana iray tao amin’ny fahafatesana no mitaky fiaretana? b) Andinin-teny inona avy no mampiseho fa tsy ratsy ny mandatsa-dranomaso noho ny alahelo?

9 Raha efa nandalo tamin’ny famoizana olon-tiana iray tao amin’ny fahafatesana ianao, dia mila fiaretana izay maharitra ela be atỳ aorian’ny niverenan’ireo manodidina anao amin’ny fahazarany ara-dalàna, ianao. Mety ho hitanao mihitsy aza fa tena sarotra ho anao izany isan-taona, eo akaikikaikin’ilay fotoana nahafatesan’ny olon-tianao. Ny hoe miaritra ny famoizana toy izany akory tsy midika hoe ratsy ny mandatsa-dranomaso noho ny alahelo. Voajanahary ny alahelo noho ny fahafatesan’olona iray tiantsika, ary izany dia tsy milaza velively tsy fahampiam-pinoana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. (Genesisy 23:2; ampitahao amin’ny Hebreo 11:19.) “Nitomany” i Jesosy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy, na dia nilaza tamin-toky tamin’i Marta aza izy hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” Ary tena nitsangana tokoa i Lazarosy! — Jaona 11:23, 32-35, 41-44.

10. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no mila fiaretana manokana?

10 Ho fanampin’ny fiaretana ireo fitsapana izay iombonan’ny olombelona rehetra, dia mila fiaretana manokana ny vahoakan’i Jehovah. “Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako”, hoy i Jesosy nampitandrina. (Matio 24:9). Nilaza koa izy hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. (Jaona 15:20). Nahoana no misy izany fankahalana sy fanenjehana rehetra izany? Satria na aiza na aiza iainantsika eto amin’itỳ tany itỳ amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra, dia andraman’i Satana ravana ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah. (1 Petera 5:8; ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:17.) Ho amin’izany, dia matetika i Satana no mandrehitra afom-panenjehana, ka misedra mafy ny fiaretantsika.

11, 12. a) Niatrika fitsapana fiaretana inona ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanany tamin’ireo taona 1930 sy ny fiandohan’ireo taona 1940? b) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy miarahaba ny fanevam-pirenena?

11 Nanomboka tamin’ireo taona 1930 sy ny fiandohan’ireo taona 1940, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanany tany Etazonia sy tany Canada dia nanjary niharam-panenjehana satria tsy niharahaba ny fanevam-pirenena izy ireo noho ny antony mahakasika ny feon’ny fieritreretana. Manaja ny fanevan’ilay firenena misy azy ny Vavolombelona, saingy arahin’izy ireo ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 20:4, 5 manao hoe: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro”. Rehefa voaroaka tany an-tsekoly ny zanaka Vavolombelona mbola nianatra sasany noho izy ireo naniry hampiantefa ny fanompoam-pivavahana tany amin’i Jehovah Andriamanitra irery ihany, dia nanangana Sekolin’ilay Fanjakana ho fampianarana azy ireo ny Vavolombelona. Nivorina tany amin’ny sekolim-bahoaka ireny mpianatra ireny rehefa nanaiky ny toerana ara-pivavahana notanan’izy ireo ny Fitsarana Tampony tany Etazonia. Ny fiaretana feno herim-po nasehon’ireo tanora ireo anefa, dia ohatra mendrika iray, indrindra fa ho an’ireo tanora kristiana amin’izao andro izao izay mety hiatrika fanesoana noho izy ireo miezaka miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly. — 1 Petera 4:14.

12 Ireo fitsapana isan-karazany tojo antsika — ireo izay iombonan’ny olona sy ireo izay atrehintsika noho ny finoantsika kristiana — dia samy manondro ny antony mahatonga antsika hila fiaretana. Ahoana anefa no ahafahantsika miaritra?

Miareta hatramin’ny farany — Amin’ny fomba ahoana?

13. Ahoana no anomezan’i Jehovah fiaretana?

13 Ny vahoakan’Andriamanitra dia manana tombony tsy azo iadian-kevitra amin’ireo izay tsy manompo an’i Jehovah. Mba hahazoana fanampiana, dia afaka mangataka amin-kafanam-po any amin’ilay “Andriamanitra izay manome fiaretana” isika. (Romana 15:5, NW ). Ahoana anefa no anomezan’i Jehovah fiaretana? Ny fomba iray anaovany izany dia amin’ny alalan’ireo oha-piaretana voarakitra ao anatin’ny Teniny, ny Baiboly. (Romana 15:4). Eo am-pandinihantsika azy ireny, dia tsy vitan’ny hoe ampaherezina mba hiaritra isika, fa mianatra zavatra betsaka momba ny fomba hiaretana koa. Diniho ireto ohatra miavaka roa ireto — ny fiaretana feno herim-po nananan’i Joba sy ny fiaretana tsy nisy tomika nananan’i Jesosy Kristy. — Hebreo 12:1-3; Jakoba 5:11.

14, 15. a) Fitsapana inona avy no niaretan’i Joba? b) Ahoana no nahafahan’i Joba niaritra ireo fitsapana natrehiny?

14 Tarehin-javatra inona avy no nisedra ny fiaretan’i Joba? Nizaka fahasahiranana ara-bola izy rehefa namoy ny ankamaroan’ny fananany. (Joba 1:14-17; ampitahao amin’ny Joba 1:3.) Nahatsapa fanaintainan’ny fisarahana izy rehefa maty noho ny rivo-mahery avokoa ny zanany folo. (Joba 1:18-21). Niharan’ny aretim-be nampanaintaina mafy iray izy. (Joba 2:7, 8; 7:4, 5). Nanery azy hiala tamin’Andriamanitra ny vadiny. (Joba 2:9). Ireo namany akaiky dia nilaza zavatra izay nandratra sy feno haratsiam-panahy ary tsy marina. (Ampitahao ny Joba 16:1-3 sy ny Joba 42:7.) Nandritra izany rehetra izany anefa, dia namahatra mafy i Joba, ary nitana ny tsy fivadihany. (Joba 27:5). Ireo zavatra niaretany dia mitovy amin’ireo fitsapana hitan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao.

15 Ahoana no nahafahan’i Joba niaritra izany fitsapana rehetra izany? Zavatra iray manokana izay nanohana an’i Joba ny fanantenana. “Fa azo antenaina ny hazo”, hoy ny nambarany. “Na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony”. (Joba 14:7). Fanantenana inona no nananan’i Joba? Araka ny voamarika eo amin’ny andininy vitsivitsy eo aoriana, dia izao no nolazainy: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? (...) Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo [na hanembona] ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15). Eny, i Joba dia nijery tany ankoatran’ny fanaintainany tamin’izay fotoana izay. Fantany fa tsy haharitra mandrakizay ireo fitsapana nahazo azy. Fara fahahelany dia voatery hiaritra mandra-pahafatiny izy. Ny zavatra nandrandrainy tamim-panantenana dia ny hoe hamerina azy indray ho amin’ny fiainana i Jehovah izay maniry amim-pitiavana hanangana ny maty. — Asan’ny Apostoly 24:15.

16. a) Inona no ianarantsika mikasika ny fiaretana avy amin’ny ohatr’i Joba? b) Tokony ho tena izy toy inona amintsika moa ny fanantenan’ilay Fanjakana, ary nahoana?

16 Inona no ianarantsika avy amin’ny fiaretan’i Joba? Mba hiaretana hatramin’ny farany, dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny fanantenantsika isika. Tsarovy koa fa ny fahazoana antoka an’ilay fanantenan’ny Fanjakana dia midika fa izay mety ho fahoriana tojo antsika dia “vetivety foana” ihany. (2 Korintiana 4:16-18). Ny fanantenantsika sarobidy dia miorina mafy amin’ilay fampanantenan’i Jehovah fotoana iray amin’ny hoavy tsy ho ela, rehefa “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny maso[ntsika]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. (Apokalypsy 21:3, 4). Izany fanantenana izany, izay “tsy mba manodoka”, dia tsy maintsy miaro ny fisainantsika. (Romana 5:4, 5, DIEM; 1 Tesaloniana 5:8). Tsy maintsy ho zavatra tena izy ho antsika izy io — tena izy aoka izany, hany ka amin’ny alalan’ny mason’ny finoana, dia afaka maka sary an-tsaina ny tenantsika ao anatin’ilay tontolo vaovao isika — tsy miady intsony amin’ny aretina sy ny fahaketrahana fa mifoha isan’andro, salama tsara sy manana saina mazava tsara; tsy manahy intsony ny amin’ny fanerena lehibe ara-bola, fa miaina mandry feizay; tsy malahelo intsony ny fahafatesan’ireo olon-tiana, fa mahatsapa ny fientanam-po amin’ny fahitana azy ireo tafatsangana amin’ny maty. (Hebreo 11:1). Raha tsy manana fanantenana toy izany isika, dia mety hanjary ho tototra aoka izany amin’ireo fitsapana mahazo antsika ankehitriny, hany ka hilavo lefona. Noho ny fanantenantsika, dia fandrisihana mahatalanjona toy inona moa no ananantsika mba tsy hitsaharana hiady, tsy hitsaharana hiaritra hatramin’ny farany!

17. a) Fitsapana inona avy no niaretan’i Jesosy? b) Avy amin’inona no mety ho azo akana sary an-tsaina ilay fijaliana mafy niaretan’i Jesosy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

17 Mampirisika antsika “hifantoka tsara” amin’i Jesosy sy ‘hieritreritra tsara’ ny aminy ny Baiboly. Fitsapana inona avy no niaretany? Ny sasany tamin’izany dia vokatry ny ota sy ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Tsy vitan’ny hoe niaritra ny “fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota” i Jesosy fa niaritra koa ireo zava-nanahirana izay nipoitra teo amin’ireo mpianany, anisan’izany ny fifandiran’izy ireo niverimberina ny amin’ny hoe iza no lehibe indrindra. Ambonin’izany, dia tojo fisedrana tsy roa aman-tany ny finoany, izy. ‘Niaritra ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana’ izy. (Hebreo 12:1-3, DIEM; Lioka 9:46; 22:24). Sarotra na dia ny maka sary an-tsaina fotsiny aza ny fijaliana ara-tsaina sy ara-batana tafiditra tamin’ilay fanaintainan’ny famantsihana sy ilay fahafaham-baraka avy amin’ny hoe novonoina toy ny mpiteny ratsy.a

18. Araka ny apostoly Paoly, inona avy ireo zavatra roa izay nanohana an’i Jesosy?

18 Inona no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hiaritra hatramin’ny farany? Nanonona zavatra roa izay nanohana an’i Jesosy ny apostoly Paoly: “fivavahana sy fangatahana” ary koa “ny fifaliana napetraka teo anoloany”. I Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra lavorary, dia tsy menatra ny nangataka fanampiana. Nivavaka tamin’ny ‘fitarainana mafy sy ranomaso be’ izy. (Hebreo 5:7; 12:2). Rehefa nanatona indrindra ilay fitsapana tampony dia hitany fa tena nilaina ny nivavaka mba hahazoana tanjaka tamin’ny fomba niverimberina sy tamin-kafanam-po. (Lioka 22:39-44). Ho valin’ny fitalahoan’i Jesosy, dia tsy nanala ilay fitsapana akory i Jehovah, fa nanome azy hery mba hiaretana izany. Niaritra koa i Jesosy noho izy nijery tany ankoatran’ilay hazo fijaliana, tany amin’ilay valisoany — ny fifaliana ho azony noho ny fandraisana anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, ary noho ny fanavotana ny fianakavian’olombelona amin’ny fahafatesana. — Matio 6:9; 20:28.

19, 20. Amin’ny ahoana ny ohatr’i Jesosy no manampy antsika hanana fomba fijery ny zava-misy araka ny tena izy mikasika izay tafiditra amin’ny fiaretana?

19 Avy amin’ny ohatr’i Jesosy, isika dia mianatra zavatra maromaro izay manampy antsika hanana fomba fijery ny zava-misy araka ny tena izy mikasika izay tafiditra amin’ny fiaretana. Tsy mora ny lalan’ny fiaretana. Raha sarotra amintsika ny miaritra fitsapana manokana iray, dia mampionona ny mahafantatra fa marina koa izany na dia tamin’i Jesosy aza. Mba hiaretana hatramin’ny farany, dia tsy maintsy mivavaka imbetsaka mba hahazoana tanjaka isika. Rehefa mandalo fitsapana isika dia mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka indraindray. Manasa antsika anefa i Jehovah mba hamboraka aminy ny ao am-pontsika, satria ‘miahy antsika izy’. (1 Petera 5:7). Ary noho izay nampanantenain’i Jehovah tao amin’ny Teniny, dia nanery tena izy mba hanome “hery mihoatra noho ny mahazatra” ho an’izay mitady vonjy aminy amim-pinoana. — 2 Korintiana 4:7-9, NW.

20 Indraindray isika dia tsy maintsy miaritra amin-dranomaso. Ho an’i Jesosy, ilay fanaintainana teo amin’ny hazo fijaliana dia tsy antony nampifaly tamin’ny naha-izany azy fotsiny. Ilay fifaliana kosa dia tao amin’ilay valisoa izay napetraka teo anoloany. Raha ny amintsika, dia tsy ho fijerena ny zava-misy ny fanantenana fa ho falifaly sy ho ravoravo lalandava isika rehefa mandalo fitsapana. (Ampitahao amin’ny Hebreo 12:11.) Amin’ny fibanjinana mialoha ny valisoa anefa, dia mety ho azontsika ‘atao ho fifaliana avokoa’ izany, na dia rehefa sendra tarehin-javatra faran’izay misedra aza isika. (Jakoba 1:2-4; Asan’ny Apostoly 5:41). Ny zava-dehibe dia ny hitoerantsika tsy mihozongozona — na dia tsy maintsy amin-dranomaso aza no anaovana izany. Raha dinihina tokoa anie, i Jesosy tsy niteny hoe: ‘Izay latsa-dranomaso kely indrindra no hovonjena’, fa hoe: “Izay maharitra [“miaritra”, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:13.

21. a) Ao amin’ny 2 Petera 1:5, 6 (NW ), dia ampirisihina hanampy inona amin’ny fiaretantsika isika? b) Fanontaniana inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Araka izany, dia tena ilaina ho amin’ny famonjena ny fiaretana. Kanefa ao amin’ny 2 Petera 1:5, 6 (NW ), isika dia ampirisihina mba hanampy fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fiaretantsika. Inona no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan’izy io amin’ny fiaretana, ary ahoana no ahafahanao mahazo azy io? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ilay fijaliana mafy izay niaretan’i Jesosy dia mety ho azo alaina sary an-tsaina avy amin’ny hoe taorian’ny ora vitsivitsy monja teo amin’ny hazo fijaliana, dia maty ny vatany lavorary, kanefa ireo jiolahy nofantsihina teo anilany dia voatery notapahin-dranjo mba hanafainganana ny fahafatesana. (Jaona 19:31-33). Izy ireo dia tsy nandalo tamin’ilay fijaliana ara-tsaina sy ara-batana nahazo an’i Jesosy nandritra ilay fitsapana mafy tamin’ny alina manontolo tsy natoriana izay nialoha ny namantsihana azy. Angamba fahoriana mafy aoka izany ilay izy, hany ka tsy nahabata na dia ilay hazo fijaliany aza izy. — Marka 15:15, 21.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no atao hoe miaritra?

◻ Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no mila fiaretana manokana?

◻ Inona no nahatonga an’i Joba ho afaka hiaritra?

◻ Amin’ny ahoana ny ohatr’i Jesosy no manampy antsika hanana fomba fijery ny zava-misy araka ny tena izy mikasika ny fiaretana?

[Sary, pejy 10]

Naorina ireo Sekolin’ilay Fanjakana tamin’ireo taona 1930 sy 1940 mba hampianarana ireo ankizy kristiana voaroaka tany an-tsekoly noho ny tsy fetezan’izy ireo hiarahaba saina

[Sary, pejy 12]

Noho izy tapa-kevitra ny hanome voninahitra ny Rainy, dia nivavaka mba hahazoana tanjaka hiaretana i Jesosy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara