Ampio Fifikirana Amin’Andriamanitra ny Fiaretanareo
‘Ampio fiaretana ny finoanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo’. — 2 PETERA 1:5, 6, NW.
1, 2. a) Nanomboka tamin’ireo taona 1930, inona no nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro tany amin’ny tany notapahin’ny Nazia, ary nahoana? b) Nanao ahoana ny vahoakan’i Jehovah teo ambanin’izany fitondrana henjana izany?
VANIM-POTOANA nanjombona teo amin’ny tantaran’ny taonjato faha-20 tamin’izay. Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia nosamborina sy natsipy tsy ara-drariny tany amin’ireo toby fitanana ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro tany amin’ny tany notapahin’ny Nazia. Nahoana? Satria sahy nitoetra ho nialanalana izy ireo ary tsy nety nitsaoka an’i Hitler. Ahoana no nitondrana azy ireo? “Tsy nisy antokona voafonja (...) mora niharan’ny fifalian-kampijaly nasehon’ireo miaramila SS toy ny natao tamin’ny Mpianatra ny Baiboly [Vavolombelon’i Jehovah]. Izany fifalian-kampijaly izany dia voamariky ny fampijalijaliana ara-batana sy ara-tsaina nanao tohy vakana tsy nisy farany, dia fampijalijaliana izay tsy misy teny eo amin’izao tontolo izao mahalaza azy.” — Karl Wittig, mpitondra fanjakana alemanina taloha.
2 Nanao ahoana ny Vavolombelona? Nanao izao fanamarihana izao ny Dr. Christine E. King, ao amin’ny bokiny hoe Ny Fanjakana Nazia sy Ireo Fivavahana Vaovao: Fandinihana Natao Tamin’ny Toe-javatra Dimy teo Amin’ny Tsy Fanarahana (anglisy): “Teo amin’ireo Vavolombelona ihany ny fitondram-panjakana (...) no tsy nahomby.” Eny, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fitambarany dia namahatra tsara na dia nidika ho fiaretana hatramin’ny fahafatesana aza izany ho an’ny an-jatony maro tamin’izy ireo.
3. Inona no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho afaka hiaritra fitsapana mafy?
3 Inona no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho afaka niaritra fitsapana toy izany, tsy tany Alemaina Nazia ihany, fa nanerana izao tontolo izao koa? Nanampy azy ireo hiaritra ny Rainy any an-danitra noho ny fifikiran’izy ireo tamin’Andriamanitra. “Fantatr’i Jehovah ny fomba hamonjena ny olona manana fifikirana amin’Andriamanitra ho afaka amin’ny fitsapana”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Petera. (2 Petera 2:9, NW ). Talohan’izay, tao amin’io taratasy io ihany, i Petera dia nanoro hevitra ny Kristiana hoe: ‘Ampio fiaretana ny finoanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo’. (2 Petera 1:5, 6, NW ). Koa mifamatotra akaiky amin’ny fiaretana àry ny fifikirana amin’Andriamanitra. Raha ny marina, mba hiaretana hatramin’ny farany, dia tsy maintsy ‘mikatsaka ny fifikirana amin’Andriamanitra’ isika ary mampiseho izany. (1 Timoty 6:11, NW ). Fa inona marina moa no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra?
Ny atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra
4, 5. Inona no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra?
4 Ilay anarana grika nadika hoe “fifikirana amin’Andriamanitra” (eu·seʹbei·a) dia azo adika ara-bakiteny hoe “fanajana fatratra araka ny tokony ho izy”.a (2 Petera 1:6, Kingdom Interlinear). Izy io dia milaza fihetseham-po mafana sy feno fahatsorana amin’Andriamanitra. Araka ny filazan’i W. E. Vine, ilay mpamari-toetra hoe eu·se·besʹ, izay midika ara-bakiteny hoe “mendrika ny hohajaina fatratra araka ny tokony ho izy”, dia milaza “ilay hery, izay tarihin’ny tahotra masina an’Andriamanitra, miseho amin’ny asa feno fandavan-tena”. — 2 Petera 2:9, Int.
5 Ilay fitenenana hoe “fifikirana amin’Andriamanitra” àry dia manondro ny fanajana fatratra na fifikirana amin’i Jehovah, izay manosika antsika hanao izay hahafaly azy. Atao izany na dia eo anatrehan’ny fitsapana sarotra aza, satria tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika isika. Izy io dia firaiketam-po tsy mivadika sy manokana amin’i Jehovah, izay miseho eo amin’ny fomba itondrantsika ny fiainantsika. Ny Kristiana marina dia ampirisihina hivavaka mba hahafahany hanana “fiainana tony sy mandry feizay amin’ny fifikirana tanteraka amin’Andriamanitra”. (1 Timoty 2:1, 2, NW ). Araka ny filazan’ireo mpanazava hevi-teny atao hoe J. P. Louw sy i E. A. Nida, “amin’ny fiteny maromaro, ny [eu·seʹbei·a] ao amin’ny 1 Tim. 2.2 dia azo adika amin’ny fomba mety hoe ‘miaina araka izay irin’Andriamanitra hiainantsika’ na ‘miaina araka izay lazain’Andriamanitra fa tokony hiainantsika’ ”.
6. Inona no ifandraisan’ny fiaretana amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
6 Izao isika dia afaka mahatakatra kokoa ny fifandraisana eo amin’ny fiaretana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra. Noho isika miaina araka izay irin’Andriamanitra hiainantsika — amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra — dia iharan’ny fankahalan’izao tontolo izao, izay mitondra fitsapana ny finoana foana, isika. (2 Timoty 3:12). Kanefa dia tsy misy fomba hanosika antsika hiaritra fitsapana toy izany raha tsy noho ny firaiketam-pontsika manokana amin’ilay Raintsika any an-danitra. Ambonin’izany, dia mandray tsara ny fifikirana feno fahatsorana toy izany i Jehovah. Alao sary an-tsaina fotsiny ange hoe inona no tsy maintsy tsapany rehefa mitsinjo avy any an-danitra izy, ary mandinika ireo izay, noho ny fifikirana aminy, dia mikely aina mba hampifaly azy na dia eo aza ireo fomba fanoherana rehetra. Tsy mahagaga raha toa izy ka vonona ‘hamonjy ny olona manana fifikirana aminy ho afaka amin’ny fitsapana’!
7. Nahoana no tsy maintsy ambolena ny fifikirana amin’Andriamanitra?
7 Tsy teraka manana fifikirana amin’Andriamanitra anefa isika, na hoe tonga dia mahazo izany avy amin’ireo ray aman-dreny tia an’Andriamanitra. (Genesisy 8:21). Tsy maintsy ambolena kosa izy io. (1 Timoty 4:7, 10, NW ). Tsy maintsy miezaka isika mba hanampy fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretantsika sy ny finoantsika. Nilaza i Petera fa izany dia mitaky “ezaka mafy”. (2 Petera 1:5, NW ). Ahoana àry no ahafahantsika mahazo fifikirana amin’Andriamanitra?
Ahoana no ahazoantsika fifikirana amin’Andriamanitra?
8. Araka ny filazan’ny apostoly Petera, inona no fanalahidin’ny fahazoana fifikirana amin’Andriamanitra?
8 Nanazava ny fanalahidin’ny fahazoana fifikirana amin’Andriamanitra ny apostoly Petera. Hoy izy: “Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] amin’ny fahalalana [marina, NW ] Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany”. (2 Petera 1:2, 3). Koa mba hanampiana fifikirana amin’Andriamanitra ny finoantsika sy ny fiaretantsika, dia tsy maintsy mitombo eo amin’ny fahalalana marina isika, izany hoe fahalalana feno, na tanteraka, an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy.
9. Ahoana no ahazoana manazava hoe ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy i Kristy dia mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fahafantarana fotsiny hoe iza izy ireo?
9 Inona no atao hoe manana fahalalana marina an’Andriamanitra sy i Kristy? Mazava fa izany dia mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fahafantarana fotsiny hoe iza izy ireo. Inty misy fanazavana: Mety ho fantatrao hoe iza ilay mpifanila trano aminao, ary mety hiarahaba azy amin’ny anarany mihitsy aza ianao. Kanefa, moa ve ianao hampisambotra azy vola be? Tsia, raha tsy hoe tena fantatrao tokoa angaha hoe karazan’olona manao ahoana izy io. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 11:15.) Toy izany koa, fa ny fahafantarana marina, na amin’ny fomba feno, an’i Jehovah sy i Jesosy dia midika ho zavatra bebe kokoa noho ny finoana fotsiny fa misy izy ireo sy ny fahafantarana ny anarany. Mba hahavonona ny hiaritra fitsapana ho azy ireo na dia hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza, dia tsy maintsy tena mahafantatra azy ireo manokana tokoa isika. (Jaona 17:3). Inona no tafiditra amin’izany?
10. Mahatafiditra zavatra roa inona avy ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy i Kristy, ary nahoana?
10 Ny fananana fahalalana marina, na feno, an’i Jehovah sy i Jesosy dia mahatafiditra zavatra roa: 1) fahafantarana azy ireo amin’ny maha-persona — ny toetrany sy ny fihetseham-pony ary ny fombany — ary 2) fanahafana ny ohatr’izy ireo. Ny fifikirana amin’Andriamanitra dia mahatafiditra firaiketam-po manokana sy feno fahatsorana amin’i Jehovah ary miharihary izany eo amin’ny fomba intondrantsika ny fiainantsika. Noho izany, mba hahazoana azy io, dia tsy maintsy tonga amin’ny fahafantarana an’i Jehovah manokana isika ary manjary mahafantatra tanteraka ny sitrapony sy ny fombany araka izay farany tratran’ny sain’olombelona. Mba hahafantarana marina tokoa an’i Jehovah izay nanao antsika araka ny endriny, dia tsy maintsy mampiasa izany fahalalana izany isika ary mikely aina mba hitovy aminy. (Genesisy 1:26-28; Kolosiana 3:10). Ary satria nanahaka tanteraka an’i Jehovah tamin’izay nolazainy sy nataony i Jesosy, ny fahafantarana marina an’i Jesosy dia fanampiana sarobidy eo amin’ny fampitomboana fifikirana amin’Andriamanitra. — Hebreo 1:3.
11. a) Ahoana no ahafahantsika mahazo fahalalana marina an’Andriamanitra sy i Kristy? b) Nahoana no zava-dehibe ny hisaintsainana izay vakintsika?
11 Ahoana àry no ahafahantsika mahazo izany fahalalana marina an’Andriamanitra sy i Kristy izany? Amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly.b Kanefa raha mahatonga ny fahazoantsika fifikirana amin’Andriamanitra ny fianarana manokana ny Baiboly ataontsika, dia tena ilaina ny hakantsika fotoana mba hisaintsainana, izany hoe mba hieritreretana, handanjalanjana izay vakintsika. (Ampitahao amin’ny Josoa 1:8.) Nahoana no zava-dehibe izany? Tsarovy fa ny fifikirana amin’Andriamanitra dia fihetseham-po mafana sy feno fahatsorana amin’Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny fisaintsainana dia ampiarahina imbetsaka amin’ny fo ara-panoharana — ilay olona anaty. (Salamo 19:14; 49:3; Ohabolana 15:28). Rehefa mieritreritra amim-pahaiza-mahatakatra izay vakintsika isika, dia hidina tsikelikely ao amin’ilay olona anaty izany, ka noho izany dia hanohina ny fihetseham-pontsika, ary hisy heriny eo amin’ny fisainantsika. Amin’izay ihany ny fianarana vao ho afaka hanatanjaka ny firaiketam-pontsika manokana amin’i Jehovah sy hanosika antsika hiaina amin’ny fomba izay hampifaly an’Andriamanitra na dia eo anatrehan’ny toe-javatra mihantsy na ny fitsapana sarotra aza.
Fampiharana ny fifikirana amin’Andriamanitra ao an-trano
12. a) Araka ny filazan’i Paoly, ahoana no ahafahan’ny Kristiana iray mampihatra fifikirana amin’Andriamanitra ao an-trano? b) Nahoana ny Kristiana marina no mikarakara ireo ray aman-dreny be taona?
12 Tokony hampiharina ao an-trano aloha ny fifikirana amin’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha manana zanaka aman-jafy ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] amin’ny fianakaviany ka hamaly babena ny rainy aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4, DIEM ). Ny fikarakarana ireo ray aman-dreny be taona dia fisehoan’ny fifikirana amin’Andriamanitra, araka ny fanamarihan’i Paoly. Ny Kristiana marina dia manome izany fikarakarana izany, tsy noho ny fahatsapana adidy fotsiny, fa noho ny fitiavany ireo ray aman-dreniny. Lehibe kokoa noho izany anefa, fa eken’izy ireo ny fiheveran’Andriamanitra ho zava-dehibe ny fikarakarana ny fianakavian’ny tena. Fantatr’izy ireo tsara fa ny tsy fetezana hanampy ireo ray aman-dreniny amin’ny fotoana ilana izany, dia hitovy amin’ny ‘fandavana ny finoana kristiana’. — 1 Timoty 5:8.
13. Nahoana no tena zava-tsarotra tsy maintsy resena ny fampiharana ny fifikirana amin’Andriamanitra ao an-trano, ary fahafaham-po inona no entin’ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena?
13 Ekena aloha fa tsy mora foana ny mampihatra fifikirana amin’Andriamanitra ao an-trano. Mety ho voasaraky ny elanelan-tany lavitra be ireo mpikambana amin’ny fianakaviana. Mety ho efa mamelona ny fianakaviany manokana ary angamba sahirana ara-bola ireo zanaka efa lehibe. Ny toetra na ny ambaratongan’ilay fikarakarana ilain’ny ray na reny iray dia mety hitaky betsaka amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-pon’ireo izay manome ilay fikarakarana. Na dia izany aza, dia mety ho tena hitondra fahafaham-po ny fahafantarana fa ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena dia tsy vitan’ny hoe mitovy amin’ny ‘valim-babena’ fotsiny fa izany dia mahafaly koa Ilay “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana”. — Efesiana 3:14, 15.
14, 15. Milazà ohatra iray ny amin’ny fikarakarana araka an’Andriamanitra nataon’ny zanaka ho an’ny ray iray.
14 Hevero itỳ ohatra iray tena manohina ny fo itỳ. Miatrika asa sarotra i Ellis sy ny dimy amin’ireo iray tam-po aminy, eo amin’ny fikarakarana an-drainy ao an-trano. “Tamin’ny 1986, ny raiko dia tapaka lalan-dra, izay namela azy halemy tanteraka”, hoy ny fanazavan’i Ellis. Samy mandray anjara amin’ny fikarakarana izay ilain-drainy ireo zanaka enina, manomboka amin’ny fampandroana azy, ka hatramin’ny famadibadihana azy tsy tapaka mba tsy hampisy vay ny tenany vokatry ny fatoriana maharitra amin’ny ilany iray. “Mamaky zavatra ho azy izahay, miresaka aminy, mitendry zava-maneno ho azy. Tsy azonay antoka na mahalala izay mitranga manodidina azy izy na tsia, kanefa dia mitondra azy toy ny olona mahalala ny zava-drehetra izahay.”
15 Nahoana ny zanaka no mikarakara ny rainy toy ny ataon’izy ireo? Nanohy ny teniny toy izao i Ellis: “Taorian’ny nahafatesan’ny reninay tamin’ny 1964, dia nitaiza anay samy irery i Dada. Tamin’izany fotoana izany dia 5 ka hatramin’ny 14 ny filaharan’ny taonanay. Tamin’izany, dia teo izy, vonona ny hanampy anay; izao dia eto izahay, vonona ny hanampy azy.” Mazava fa tsy mora ny manome fikarakarana toy izany, ary tena manjary kivy indraindray ireo zanaka. “Takatray anefa fa ny toe-piainan-drainay dia zava-manahirana mihelina ihany”, hoy i Ellis. “Miandrandra ny fotoana hahasalama tsara indray ny rainay sy hiarahanay indray amin’ny reninay izahay.” (Isaia 33:24; Jaona 5:28, 28). Azo antoka fa ny fikarakarana feno fandavan-tena ny ray aman-dreny toy izany dia tsy maintsy manafana ny fon’Ilay nandidy ny zanaka mba hanaja ny ray aman-dreniny!c — Efesiana 6:1, 2.
Fifikirana amin’Andriamanitra eo amin’ny fanompoana
16. Inona no tokony ho antony voalohany indrindra anaovantsika ny fanompoana?
16 Rehefa manaiky ny fanasan’i Jesosy ‘hanaraka azy hatrany’ isika, dia tonga eo ambanin’ny fanirahana avy amin’Andriamanitra mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Matio 16:24, NW; 24:14; 28:19, 20). Mazava fa ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana dia adidy kristiana amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Ny antony manosika antsika hitory sy hampianatra anefa dia tokony hihoatra noho ny fahatsapana adidy na andraikitra fotsiny. Ny fitiavana lalina an’i Jehovah no tsy maintsy ho antony voalohany indrindra eo amin’izay ataontsika sy izay habetsahan’ny ataontsika eo amin’ny fanompoana. “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”, hoy i Jesosy. (Matio 12:34). Eny, rehefa safononoky ny fitiavana an’i Jehovah ny fontsika, dia mahatsiaro tena ho voatosika hanao fanambarana momba azy amin’ny hafa isika. Rehefa ny fitiavana an’Andriamanitra no antony manosika, ny fanompoantsika dia fisehoan’ny fifikirantsika amin’Andriamanitra misy heviny.
17. Ahoana no ahazoantsika mamboly ny antony manosika mety ho an’ny fanompoana?
17 Ahoana no ahazoantsika mamboly ny antony manosika mety ho an’ny fanompoana? Eritrereto amim-pahaiza-mahataka-javatra ireo antony telo nomen’i Jehovah antsika mba hitiavantsika azy. 1) Tia an’i Jehovah isika noho izay efa nataony ho antsika. Tsy misy fitiavana lehibe kokoa azony naseho noho ny fanomezana ny avotra. (Matio 20:28; Jaona 15:13). 2) Tia an’i Jehovah isika noho izay ataony ho antsika amin’izao fotoana izao. Isika dia manana fahafahana hiteny amin-kalalahana amin’i Jehovah izay mamaly ny vavaka ataontsika. (Salamo 65:2; Hebreo 4:14-16). Arakaraka ny hanomezantsika ny laharam-pahamehana ho an’ireo tombontsoan’ilay Fanjakana, dia mahazo ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana isika. (Matio 6:25-33). Isika dia mahazo tahirin-tsakafo ara-panahy tsy tapaka izay manampy antsika hisetra amim-pahombiazana ireo zava-manahirana atrehintsika. (Matio 24:45). Ary ananantsika ny fitahiana ho anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana maneran-tany iray izay tena mampiavaka antsika tokoa amin’ny sisa eo amin’izao tontolo izao. (1 Petera 2:17). 3) Tiantsika koa i Jehovah noho izay mbola hataony ho antsika. Noho ny fitiavany, dia ‘mihazona ny tena fiainana’ isika — dia ny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. (1 Timoty 6:12, 19). Rehefa mandinika ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamintsika isika, dia azo antoka fa ny fontsika dia hanosika antsika handray anjara amim-pandavan-tena eo amin’ny firesahana ny aminy sy ny fikasany sarobidy amin’ny hafa! Tsy voatery hilaza amintsika izay tokony hatao na izay habetsahan’ny atao any amin’ny fanompoana, ny hafa. Hanosika antsika hanao izay azontsika atao ny fontsika.
18, 19. Fanakantsakanana inona no noresen’ny anabavy iray mba handraisana anjara tamin’ny fanompoana?
18 Na dia eo anatrehan’ny toe-javatra mihantsy aza, ny fo hetsehin’ny fifikirana amin’Andriamanitra dia hanosika antsika hiteny. (Ampitahao amin’ny Jeremia 20:9.) Izany dia asehon’izay nitranga tamin’i Stella, vehivavy kristiana faran’izay saro-kenatra. Raha vao nianatra ny Baiboly izy, dia nieritreritra hoe: ‘Tsy ho afaka ny handeha isan-trano mihitsy aho!’ Toy izao ny fanazavany: “Be tsy miteny aho hatrizay. Tsy afaka nanatona olona mihitsy aho mba hanombo-dresaka.” Arakaraka ny nanohizany nianatra, dia nitombo ny fitiavany an’i Jehovah, ary nampitombo faniriana niredareda ny hiresaka tamin’ny hafa ny aminy izy. “Tsaroako ilay nilazako tamin’ny mpampianatra ny Baiboly ahy nanao hoe: ‘Maniry aoka izany hiresaka aho, saingy tsy afaka manao izany tsotra izao, ary tena manelingelina ahy mihitsy izany.’ Tsy hohadinoiko na oviana na oviana izay nolazainy tamiko hoe: ‘Stella a, zaranao aza hoe maniry ny hiresaka ianao.’ ”
19 Tsy ela, dia nanao fanambarana tamin’ny mpifanila trano taminy i Stella. Avy eo izy dia nanao ilay dingana izay goavana ho an’ny tenany — sambany izy vao nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. (Asan’ny Apostoly 20:20, 21). Izao no tsaroany: “Nanana ilay fomba fampiseho nataoko an-tsoratra aho. Natahotra aoka izany anefa aho ka, na dia nanana azy io teo anoloako aza aho, dia hendratrendratra loatra ka tsy afaka nijery ireo soratra nataoko!” Izao, maherin’ny 35 taona atỳ aoriana, dia mbola saro-kenatra be ihany i Stella satria efa toetrany izany. Kanefa dia tia ny asa fanompoana izy, ary manohy mandray anjara lehibe amin’izany.
20. Ohatra inona no mampiseho fa na dia ny fanenjehana na ny fanaovana an-tranomaizina aza dia tsy afaka manakombona ny vavan’ireo Vavolombelon’i Jehovah be fandavan-tena?
20 Tsy afaka manakombona ny vavan’ireo Vavolombelon’i Jehovah be fandavan-tena na dia ny fanenjehana na ny fanaovana an-tranomaizina aza. Diniho ilay ohatr’i Ernst sy Hildegard Seliger tany Alemaina. Noho ny finoan’izy ireo, dia nandany maherin’ny 40 taona tamin’ny fitambarany izy roa, tany amin’ireo toby fitanana nazia sy tany amin’ireo tranomaizina kaominista. Na dia tany am-ponja aza, dia nikiry nitory tamin’ireo voafonja hafa ihany izy ireo. Toy izao no tsaroan’i Hildegard: “Nanakilasy ahy ho nampidi-doza indrindra ireo mpanao fanjakana tao amin’ny fonja, satria, hono, araka ny voalazan’ny mpiambina vavy iray, niresaka ny amin’ny Baiboly nandritra ny andro aho. Koa napetraka tany amin’ny efitra kely tany ambany lakaly aho.” Rehefa avy nomena ny fahafahany izy ireo tamin’ny farany, dia samy nanokana ny fotoanany manontolo ho an’ny fanompoana kristiana ny Rahalahy sy ny Anabavy Seliger. Samy nanompo tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny izy roa, ny Rahalahy Seliger tamin’ny 1985, ary ny vadiny tamin’ny 1992.
21. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanampiana fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fiaretantsika?
21 Amin’ny fianarana amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fakana fotoana mba hisaintsainana amim-pahaiza-mahatakatra izay ianarantsika, dia hitombo eo amin’ny fahalalana marina an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy isika. Izany kosa dia hahatonga antsika hahazo fatrany feno kokoa amin’io toetra sarobidy io — dia ny fifikirana amin’Andriamanitra. Raha tsy misy fifikirana amin’Andriamanitra, dia tsy misy fomba hiaretana ireo fitsapana isan-karazany izay mianjady amintsika amin’ny maha-Kristiana antsika. Koa aoka àry isika hanaraka ilay torohevitry ny apostoly Petera, amin’ny fanohizana ‘manampy fiaretana amin’ny finoantsika ary manampy fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fiaretantsika’. — 2 Petera 1:5, 6, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manao izao fanamarihana izao mikasika ny eu·seʹbei·a i William Barclay: “Ny tapany [ny fototeny] hoe seb- amin’ilay teny no midika hoe fanajana fatratra na fanompoam-pivavahana. Ny eu no teny grika nadika hoe araka ny tokony ho izy; noho izany, ny eusebeia dia fanompoam-pivavahana, fanajana fatratra araka ny tokony ho izy ary omena ara-drariny.” — New Testament Words.
b Mba hanaovana dinidinika mikasika ny fomba fianarana mba handalinana ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1993, pejy faha-12-17.
c Mba hanaovana dinidinika feno mikasika ny fomba fampiharana ny fifikirana amin’Andriamanitra amin’ireo ray aman-dreny be taona, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1987, pejy faha-13-18.
Inona no Valin-teninao?
◻ Inona no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra?
◻ Inona no ifandraisan’ny fiaretana amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
◻ Inona no fanalahidin’ny fahazoana fifikirana amin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ahafahan’ny Kristiana iray mampihatra ny fifikirana amin’Andriamanitra ao an-trano?
◻ Inona no tsy maintsy ho antony voalohany indrindra anaovantsika ny fanompoana?
[Sary, pejy 18]
Naneho fiaretana sy fifikirana tamin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah nigadra tany amin’ny toby fitanana Nazia tany Ravensbrück