FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/10 p. 15-20
  • “Diniho Aho, Andriamanitra Ô”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Diniho Aho, Andriamanitra Ô”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Sarobidy toy inona moa ireo hevitr’Andriamanitra!
  • Fankahalana izay halan’i Jehovah
  • Rehefa mandinika antsika Andriamanitra
  • Mahafantatra tsara antsika i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tena Mahafantatra Anao Tokoa ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Aoka ny Fonao Hampifaly An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Arovy ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/10 p. 15-20

“Diniho Aho, Andriamanitra Ô”

“Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko (...) tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” — SALAMO 139:23, 24.

1. Ahoana no ifampiraharahan’Andriamanitra amin’ireo mpanompony?

ISIKA rehetra dia samy tia ny hifampiraharahan’olona mahay mahatakatra ny fihevitry ny hafa, olona izay manisy fiheverana ny toe-javatra misy antsika, olona izay manampy rehefa manao fahadisoana isika, olona izay tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay mety ho vitantsika. Mifampiraharaha amin’ny mpanompony amin’izany fomba izany i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny Salamo 103:14: “Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” Ary i Jesosy Kristy, izay nampiseho taratry ny Rainy tamin’ny fomba tanteraka, dia nanao ilay fanasana maneho fitiavana hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako [na “Mankanesa eo ambanin’ny ziogako miaraka amiko”, fanamarihana ambany pejin’ny NW ], ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.

2. Ampifanohero ny fomba fijerin’i Jehovah sy ny an’olombelona mikasika a) an’i Jesosy Kristy, sy b) ireo mpanara-dia an’i Kristy.

2 Matetika ny fiheveran’i Jehovah ny mpanompony dia tena tsy mitovy amin’ny an’ny olombelona. Mijery zavatra avy amin’ny fomba fijery hafa izy, ary manisy fiheverana lafin-javatra izay mety tsy ho fantatry ny hafa mihitsy ny aminy. Rehefa nandia ny tany i Jesosy Kristy, dia “natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy”. ‘Tsy nahoan’ireo’ izay tsy nino azy ho Mesia izy. (Isaia 53:3; Lioka 23:18-21). Teo imason’Andriamanitra anefa, izy dia ‘Zanaka malalan’Andriamanitra’, izay nilazan’ny Ray hoe: “Hianao no sitrako.” (Lioka 3:22; 1 Petera 2:4). Eo amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, dia misy olona heverina ho ambany, noho izy ireo mahantra ara-nofo sy miaritra fahoriana be. Eo imason’i Jehovah sy ny Zanany anefa, dia mety ho mpanankarena ny olona toy izany. (Romana 8:35-39; Apokalypsy 2:9). Nahoana no misy tsy fitovian’ny fomba fijery toy izany?

3. a) Nahoana ny fomba fijerin’i Jehovah ny olona matetika no tena tsy mitovy amin’ny an’olombelona? b) Nahoana no zava-dehibe iankinan’ny aina ho antsika ny handinihantsika hoe karazan’olona manao ahoana isika ao anatintsika ao?

3 Mamaly toy izao ny Jeremia 11:20: “Jehovah (...) mamantatra ny voa sy ny fo”. Mahita ny maha-isika antsika anaty izy, na dia ireo lafin’ny maha-isika antsika izay miafina amin’ny hafa aza. Eo amin’ny fandinihana ataony, dia hamafisiny voalohany indrindra ireo toetra tsara sy toe-piainana izay tena ilaina amin’ny fifandraisana tsara aminy, dia ireo izay mahasoa antsika maharitra indrindra. Manome toky ny fahafantarantsika izany; mampieritreritra koa izany. Koa satria i Jehovah mandinika tsara ny maha-isika antsika anaty, dia zava-dehibe ny handinihantsika ny maha-isika antsika anaty raha te ho ny karazan’olona izay iriny ho ao amin’ny tontolony vaovao isika. Manampy antsika hanao fandinihana toy izany ny Teniny. — Hebreo 4:12, 13.

Sarobidy toy inona moa ireo hevitr’Andriamanitra!

4. a) Inona no nanosika ny mpanao salamo hanambara fa sarobidy taminy ireo hevitr’Andriamanitra? b) Nahoana izy ireo no tokony ho sarobidy amintsika?

4 Rehefa avy nisaintsaina ny amin’ny halehibe sy ny halalin’ny fahalalan’Andriamanitra ny mpanompony i Davida mpanao salamo, ary nisaintsaina koa ny amin’ny fahaizan’Andriamanitra mahatalanjona manome izay rehetra fanampiana mety hilain’izy ireo, dia nanoratra toy izao izy: “Endrey, zava-tsoa [“sarobidy”, NW ] amiko indrindra ny hevitrao”! (Salamo 139:17a). Ireo hevitra ireo, izay miseho ao amin’ny Teniny voasoratra, dia ambony lavitra noho izay mety ho hevitr’olombelona, na dia toa mampiseho fahakingan-tsaina toy inona aza izany. (Isaia 55:8, 9). Ireo hevitr’Andriamanitra dia manampy antsika mba hampitodika ny saintsika ho amin’ireo zavatra tena lehibe eo amin’ny fiainana, ary mba ho be zotom-po ao amin’ny fanompoana azy. (Filipiana 1:9-11). Asehon’izy ireo ny fomba fijery zavatra araka ny fomban’Andriamanitra. Manampy antsika ho marina amin’ny tenantsika izy ireo, hampiaiky ny tenantsika amim-pahamarinana ny amin’ny hoe karazan’olona manao ahoana marina tokoa moa isika raha ny tena izy. Vonona ny hanao izany ve ianao?

5. a) Inona no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra antsika hotandremana “mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana”? b) Ahoana no ahafahan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Kaina hitondra soa ho antsika? d) Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza isika, dia ahoana no anampian’izy io antsika hahatakatra izay ankasitrahan’i Jehovah?

5 Ny olombelona dia mirona hanantitrantitra be loatra ny amin’ny fisehoana ivelany, fa ny Soratra Masina kosa dia manoro hevitra antsika hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana”. (Ohabolana 4:23). Amin’ny alalan’ny fitsipika sy ny ohatra, dia manampy antsika hanao izany ny Baiboly. Lazainy amintsika fa nanao fanatitra tamim-pahazarana fotsiny ho an’Andriamanitra i Kaina, fa tao am-pony kosa izy dia nisamboaravoara noho ny hatezerana, ary avy eo dia noho ny fankahalana an’i Abela rahalahiny. Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hanahaka azy. (Genesisy 4:3-5; 1 Jaona 3:11, 12). Notanan’ny Baiboly an-tsoratra ny fitakin’ny Lalàn’i Mosesy fankatoavana. Manantitrantitra koa anefa izy io fa ny fitakin’ny Lalàna voalohany indrindra dia ny tsy maintsy itiavan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah Azy amin’ny fon’izy ireo rehetra, ny sainy sy ny fanahiny ary ny heriny rehetra; ary lazainy fa lehibe nanaraka izany ilay fandidiana azy ireo ho tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany. — Deoteronomia 5:29, 30; Marka 12:28-31, NW.

6. Rehefa mampihatra ny Ohabolana 3:1 isika, dia fanontaniana inona avy no tokony hataontsika amin’ny tenantsika?

6 Ao amin’ny Ohabolana 3:1, dia ampirisihina isika, tsy hoe hitandrina fotsiny ny didin’Andriamanitra fa mba hahazo antoka koa fa ny fankatoavana dia fisehoan’izay tena ao am-pontsika tokoa. Mila manontany tena isam-batan’olona toy izao isika: ‘Marina ve izany raha ny amin’ny fankatoavako an’ireo zavatra takin’Andriamanitra’? Raha takatsika fa amin’ny raharaha sasany dia misy zavatra tsy ampy amin’ny antony manosika antsika na ny fisainantsika — ary tsy misy amintsika afaka milaza tena ho tsy manan-tsiny — dia mila manontany isika hoe: ‘Inona no ataoko mba hanatsarana ny tarehin-javatra?’ — Ohabolana 20:9; 1 Jaona 1:8.

7. a) Amin’ny ahoana ilay fiampangan’i Jesosy an’ireo Fariseo ao amin’ny Matio 15:3-9 no manampy antsika hiaro ny fontsika? b) Tarehin-javatra inona avy no mety hitaky ny handraisantsika fepetra hentitra mba hifehezana ny saintsika sy ny fontsika?

7 Rehefa niseho ho nanome voninahitra an’Andriamanitra ireo Fariseo jiosy kanefa nampandroso tamin-kafetsen-dratsy fanao iray natosiky ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany, dia niampanga azy ireo ho mpihatsaravelatsihy i Jesosy, ary nasehony fa foana ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. (Matio 15:3-9). Nampitandrina koa i Jesosy fa mba hampifaliana an’Andriamanitra izay mahita ny fo, dia tsy ampy ny fananantsika fiainana madio ara-pitondran-tena ivelany, sady hikiry hanaram-po amin’ny eritreritra maloto koa, mba hahitana fahafinaretana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mety hila ny handray fepetra hentitra isika mba hifehezana ny saintsika sy ny fontsika. (Ohabolana 23:12; Matio 5:27-29). Ilaina koa izany fifehezana izany raha manjary manahaka an’izao tontolo izao isika, mamela azy io hamolavola antsika araka ny fari-pitsipiny noho ny asa fivelomantsika, na ny zava-kendrentsika eo amin’ny fianarana, na ny safidintsika eo amin’ny fialam-boly. Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana fa nantsoin’i Jakoba mpianatra hoe “mpijangajanga” ireo izay milaza tena fa an’Andriamanitra, kanefa maniry ny ho sakaizan’izao tontolo izao. Nahoana? Satria “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. — Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:15-17; 5:19.

8. Mba handraisan-tsoa feno avy amin’ireo hevitr’Andriamanitra sarobidy, dia inona no ilaintsika hatao?

8 Mba handraisan-tsoa feno avy amin’ireo hevitr’Andriamanitra mikasika ireny zavatra ireny sy ny amin’ny hafa, dia ilaintsika ny manokana fotoana mba hamakiana izany na hihainoana izany. Mihoatra noho izany aza, dia ilaintsika ny mianatra, ny miresaka ny amin’izany ary ny misaintsaina ny amin’izany. Maro amin’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana no manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay anaovana dinidinika momba ny Baiboly. Maka ny fotoana ilaina avy amin’izay ampiasaina amin’ny fikatsahana zavatra hafa izy ireo mba hanaovana izany. (Efesiana 5:15-17, NW ). Ary izay raisiny ho setrin’izany dia mendrika lavitra noho ny harena ara-nofo. Tsy toy izany ve no tsapanao?

9. Nahoana ny sasany izay manatrika ny fivoriana kristiana no mandroso haingana kokoa noho ny hafa?

9 Ny sasany izay manatrika ireny fivoriana ireny anefa, dia mandroso ara-panahy haingana kokoa noho ny hafa. Mampihatra ny fahamarinana amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainany izy ireo. Inona no mahatonga izany? Matetika, ny antony lehibe dia ny faharisihan’izy ireo eo amin’ny fianarana manokana. Takatr’izy ireo fa tsy mivelona amin’ny mofo ihany isika; ny sakafo ara-panahy isan’andro dia zava-dehibe toy ny fihinanana sakafo ara-nofo tsy tapaka. (Matio 4:4; Hebreo 5:14). Koa miezaka izy ireo mba handany fara fahakeliny fotoana sasany isan’andro hamakiana ny Baiboly na zavatra vita an-tsoratra izay manazava azy io. Manomana ireo fivorian’ny kongregasiona izy ireo, mianatra ireo lesona mialoha sy mijery ireo andinin-teny. Manao zavatra bebe kokoa noho ny famakiana ilay zavatra ianarana izy ireo; misaintsaina izany izy. Ny fomba fianaran’izy ireo dia mahatafiditra ny fieritreretana tsara ny amin’ny vokatra tokony hoentin’izay ianarany eo amin’ny fiainany. Arakaraka ny hitomboan’ny fiainany ara-panahy dia manjary mahatsapa izy ireo, toy ny tsapan’ny mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! (...) Mahagaga ny [fampahatsiarovanao, NW ]”. — Salamo 1:1-3; 119:97, 129.

10. a) Mandritra ny hafiriana no mahasoa ny hanohizana mianatra ny Tenin’Andriamanitra? b) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina izany?

10 Na efa nianatra ny Tenin’Andriamanitra hatramin’ny herintaona isika, na 5 taona, na 50 taona, dia tsy manjary famerimberenana fotsiny mihitsy izany — tsia, raha toa ka sarobidy amintsika ireo hevitr’Andriamanitra. Na toy inona na toy inona habetsahan’izay efa nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina, dia mbola betsaka kokoa ny tsy fantatsika. “Akory ny hamaron’ny isany!” hoy i Davida. “Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy”. Mihoatra ny fahafahantsika manisa ireo hevitr’Andriamanitra. Raha tanisaintsika ireo hevitr’Andriamanitra mandritra ny andro manontolo, ary mandeha matory isika mbola manao izany ihany, rehefa mifoha isika amin’ny maraina, dia mbola hisy bebe kokoa ihany hosainina. Noho izany, dia nanoratra toy izao i Davida: “Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.” (Salamo 139:17, 18). Mandritra ny mandrakizay manontolo, dia hisy bebe kokoa hianarantsika mikasika an’i Jehovah sy ny lalany. Tsy ho tonga hatramin’ny fahalalana ny zava-drehetra mihitsy isika. — Romana 11:33.

Fankahalana izay halan’i Jehovah

11. Nahoana no tsy ny fahalalana ny hevitr’Andriamanitra fotsiny no zava-dehibe fa ny fitoviana fihetseham-po aminy koa?

11 Ny fianarantsika ny Tenin’Andriamanitra dia tsy natao fotsiny mba hamenoana ny lohantsika amin’ny filazana. Arakaraka ny amelantsika ireo hevitr’Andriamanitra hiditra ao am-pontsika, no anombohantsika hitovy fihetseham-po aminy. Zava-dehibe toy inona moa izany! Raha tsy mampitombo fihetseham-po toy izany isika dia inona no mety ho vokany? Na dia mety ho afaka hamerimberina izay lazain’ny Baiboly aza isika, dia mety hijery izay zavatra andrarana ho toy faniry ihany na dia izany aza, na mety hihevitra fa enta-mavesatra izay zavatra takina. Marina fa na dia mankahala ny ratsy aza isika, dia mety hanana ady mafy atao isika noho ny tsy fahatanterahan’olombelona. (Romana 7:15). Kanefa raha tsy mikely aina manao ezaka mafy mba hampifanarahana ny maha-isika antsika anaty amin’izay marina isika, moa ve isika afaka manampo ny hampifaly an’i Jehovah, ilay “Mpamantatra ny fo”? — Ohabolana 17:3.

12. Manao ahoana ny maha-zava-dehibe moa ny fitiavana araka an’Andriamanitra sy ny fankahalana araka an’Andriamanitra?

12 Ny fankahalana araka an’Andriamanitra dia fiarovana mahery iray amin’ny fanaovan-dratsy, toy ny fitiavana araka an’Andriamanitra mahatonga ny fanaovana ny tsara ho fahafinaretana. (1 Jaona 5:3). Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika antsika hamboly fitiavana no sady hamboly fankahalana. “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. (Salamo 97:10). “Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.” (Romana 12:9). Manao izany ve isika?

13. a) Miray hevitra tanteraka amin’ny vavaka inona nataon’i Davida mikasika ny fandringanana ny ratsy fanahy isika? b) Araka ny naseho tao amin’ny vavak’i Davida, iza moa ireo ratsy fanahy izay nangatahin’i Davida tamim-bavaka ny mba handringanan’Andriamanitra azy?

13 Nilaza mazava tsara ny fikasany hamongotra ny ratsy fanahy hiala amin’ny tany sy hampiditra tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana i Jehovah. (Salamo 37:10, 11; 2 Petera 3:13). Ireo tia ny fahamarinana dia maniry mafy ny hahatongavan’izany fotoana izany. Izy ireo dia miray hevitra tanteraka amin’i Davida mpanao salamo izay nivavaka toy izao: “Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, ary mialà amiko, hianareo mpandatsa-dra, dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.” (Salamo 139:19, 20). Tsy naniry mafy ny handringana manokana ny ratsy fanahy toy izany akory i Davida. Nivavaka izy mba ho avy amin’ny tanan’i Jehovah ny famaliana. (Deoteronomia 32:35; Hebreo 10:30). Izy ireo akory tsy olona izay nanisy ratsy an’i Davida manokana fotsiny tamin’ny fomba sasany. Nampiseho an’Andriamanitra tamin’ny fomba diso izy ireo, tamin’ny fanonontononana foana ny anarany. (Eksodosy 20:7). Tamin’ny fomba tsy marina, dia nihambo ho nanompo an’Andriamanitra izy ireo, kanefa nampiasa ny anarany mba hampandrosoana ny teti-dratsin’izy ireo manokana. Tsy nanam-pitiavana an’ireo izay nifidy ny ho fahavalon’Andriamanitra i Davida.

14. Misy olona ratsy fanahy azo ampiana ve? Raha eny, amin’ny fomba ahoana?

14 Misy olona an’arivony tapitrisa maro izay tsy mahafantatra an’i Jehovah. Maro amin’izy ireny no manao zavatra izay asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa ratsy, noho ny tsy fahalalana. Raha mikiry amin’izany lalana izany izy ireo, dia ho anisan’ireo izay ho faty mandritra ny fahoriana lehibe. Tsy mahita fahafinaretana amin’ny fahafatesan’ny ratsy fanahy anefa i Jehovah, ary tokony ho toy izany koa isika. (Ezekiela 33:11). Raha mbola mamela izany koa ny fotoana, dia miezaka hanampy ny olona toy izany mba hianatra sy hampihatra ny lalan’i Jehovah, isika. Ahoana anefa raha maneho fankahalana mafy an’i Jehovah ny olona sasany?

15. a) Iza moa ireo izay noheverin’ny mpanao salamo ho ‘fahavalony’? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’izao andro izao fa ‘mankahala’ ireo izay mikomy amin’i Jehovah isika?

15 Mikasika azy ireo dia niteny toy izao ny mpanao salamo: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy [hahatsiaro rikoriko, NW ] amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 139:21, 22). Noho izy ireo nankahala mafy an’i Jehovah no nahatonga an’i Davida hihevitra azy ireo tamim-pankahalana. Ireo mpivadi-pinoana dia tafiditra ho anisan’ireo izay mampiseho ny fankahalany an’i Jehovah amin’ny fikomiana aminy. Ny fivadiham-pinoana, raha ny marina, dia fikomiana amin’i Jehovah. Ny mpivadi-pinoana sasany dia milaza ho mahafantatra sy manompo an’Andriamanitra, kanefa dia lavin’izy ireo ny fampianarana sy ireo fitakiana voalaza ao amin’ny Teniny. Ny hafa dia mihambo ho mino ny Baiboly, kanefa dia lavin’izy ireo ny fandaminan’i Jehovah, ary manandrana amim-paharisihana manakana ny asan’izy io izy ireo. Rehefa mifidy an-tsitrapo ny faharatsiana toy izany izy ireo taorian’ny nahafantarany izay tsara, rehefa manjary raiki-tampisaka aoka izany ny faharatsiana, hany ka tonga tapany amin’ny maha-izy azy ireo, amin’izay ny Kristiana dia tsy maintsy mankahala (araka ny hevitr’ilay teny ara-baiboly) ireo izay mifikitra tsy azo sarahina amin’ny faharatsiana. Mitovy fihetseham-po amin’i Jehovah mikasika ny mpivadi-pinoana toy izany ny Kristiana marina; tsy liana ta hahalala ny hevitr’ireo mpivadi-pinoana izy ireo. Mifanohitra amin’izany, fa ‘mahatsiaro rikoriko’ amin’izay nanao ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra izy ireo, kanefa dia avelany ho an’i Jehovah ny fanatanterahana famaliana. — Joba 13:16; Romana 12:19; 2 Jaona 9, 10.

Rehefa mandinika antsika Andriamanitra

16. a) Nahoana i Davida no naniry ny handinihan’i Jehovah azy? b) Mety hisy inona ny fontsika manokana matoa isika tokony hangataka an’Andriamanitra mba hanampy antsika hahay hanava-javatra?

16 Tsy naniry hitovy tamin’ny ratsy fanahy na tamin’inona na tamin’inona i Davida. Olona maro no manandrana manafina izay maha-izy azy anaty, kanefa i Davida dia nivavaka tamim-panetren-tena toy izao: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro [tsy mampandrimandry, NW ]; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24). Rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny fony i Davida dia tsy te hilaza ilay taova ara-batana izy. Mifanaraka amin’ny heviny ara-panoharan’io teny io, dia nanisy fitenenana ny amin’ny naha-izy azy anaty izy, ilay olona anaty. Isika koa dia tokony haniry ny handinihan’Andriamanitra ny fontsika sy hahitany raha toa isika ka manana faniriana na firaiketam-po, na fihetseham-po, na fikasana, na eritreritra, na antony manosika tsy araka ny tokony ho izy. (Salamo 26:2). Manasa antsika toy izao i Jehovah: “Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako”. — Ohabolana 23:26.

17. a) Toy izay hanafina ireo eritreritra tsy mampandrimandry, inona no tokony hataontsika? b) Tokony hahagaga antsika ve ny fahitana fironan-dratsy ao am-pontsika, ary inona no tokony hataontsika amin’izy ireny?

17 Raha misy eritreritra tsy mampandrimandry na mampahory miafina ao anatintsika ao, noho ny fanirian-dratsy na antony manosika ratsy, na noho ny fitondran-tena ratsy nataontsika, dia azo antoka fa hirintsika ny hanampian’i Jehovah antsika mba hanitsy ilay raharaha. Tsy milaza hoe “misy làlana mampahory” ny fandikan-tenin’i Moffat fa mampiasa ny fitenenana hoe “lalan-dratsy”; hoy ny The New English Bible: “Izay mety ho lalana mampalahelo azy [izany hoe, Andriamanitra].” Mety tsy hahatakatra mazava tsara izay eritreritra tsy mampandrimandry antsika ny tenantsika manokana, ka noho izany dia tsy haintsika ny fomba hilazana ny zava-manahirana antsika amin’Andriamanitra. Mahatakatra ny tarehin-javatra misy antsika anefa izy. (Romana 8:26, 27). Tsy tokony hahagaga antsika raha misy fironan-dratsy ao am-pontsika; na dia izany aza, dia tsy tokony hanala tsiny azy ireny isika. (Genesisy 8:21). Tokony hitady ny fanampian’Andriamanitra isika mba hamongorana azy ireny tanteraka. Raha tena tia an’i Jehovah sy ny lalany marina isika, dia ho afaka hanatona azy mba hangataka izany fanampiana izany, amin’ny fananana toky fa “Andriamanitra [dia] lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra”. — 1 Jaona 3:19-21.

18. a) Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika ho amin’ny lalana mandrakizay? b) Raha manohy manaraka ny fitarihan’i Jehovah isika, teny fiderana mafana inona no azontsika antenaina horaisina?

18 Mifanaraka amin’ilay vavaky ny mpanao salamo hoe hitarika azy ho amin’ny lalana mandrakizay i Jehovah, dia tena mitarika ny mpanompony manetry tena sy mankato tokoa i Jehovah. Mitarika azy ireo izy, tsy ho amin’ny lalana izay mety hidika ho fiainana lava fotsiny, amin’ny heviny hoe tsy ho faty alohan’ny fotoana izy ireo noho ny fanaovan-dratsy, fa amin’ny heviny hoe amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay koa. Ataony izay hahatsapantsika ny filantsika ny vidiny manarona ota ananan’ny soron’i Jesosy. Amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, dia manome antsika toromarika tena lehibe izy mba hahafahantsika hanao ny sitrapony. Hamafisiny amintsika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana tsara ny fanampiany mba hahatonga antsika ao anaty ao, ho ilay karazan’olona izay lazaintsika fa isika etỳ ivelany. (Salamo 86:11). Ary mampahery antsika izy amin’ny fanomezana fanantenana fahasalamana tanteraka eo amin’ny tontolo vaovao iray marina, miaraka amin’ny fiainana mandrakizay hampiasaina mba hanompoana azy, ilay hany Andriamanitra marina. Raha manohy mandray tsara amim-pahatokiana ny fitarihany isika, dia toy ny milaza amintsika izy hoe: “Hianao no sitrako”, toy ny nataony tamin’ny Zanany. — Lioka 3:22; Jaona 6:27; Jakoba 1:12.

Ahoana no Fanazavanao?

◻ Nahoana ny fomba fijerin’i Jehovah ny mpanompony matetika no tsy mitovy amin’ny an’ny olombelona?

◻ Inona no afaka manampy antsika hahay hanavaka izay hitan’Andriamanitra rehefa mandinika ny fontsika izy?

◻ Karazam-pianarana inona no manampy antsika hianatra filazana sy hiaro ny fontsika?

◻ Nahoana no zava-dehibe, tsy ny fahalalana fotsiny izay lazain’Andriamanitra fa ny fitoviana fihetseham-po aminy koa?

◻ Nahoana isika no tokony hivavaka manokana hoe: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko”?

Rehefa mianatra ianao, dia miezaha mafy mba hahatonga ireo hevitra sy fihetseham-pon’Andriamanitra ho ny an’ny tenanao manokana

[Sary, pejy 18]

“Maro isa lavitra noho ny fasika” ireo hevitr’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara