Fahitana ny Fanalahidin’ny Firaiketam-pon-drahalahy
“Ampio firaiketam-pon-drahalahy ny fifikiranareo amin’Andriamanitra”. — 2 PETERA 1:5-7, NW.
1. Inona no antony iray lehibe mahatonga ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah ho fotoana mahafaly aoka izany?
INDRAY mandeha ny dokotera iray izay tsy Vavolombelon’i Jehovah dia nanatrika ny fandraisan’ny zanany vavy diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, izay nahazoany fampiofanana ho misionera. Talanjona aoka izany izy tamin’ilay vahoaka sambatra, hany ka nilaza ny heviny izy fa tsy maintsy ho vitsy dia vitsy ny aretina eo amin’ireo olona ireo. Inona no mahatonga io vahoaka io ho sambatra toy izany? Inona koa no mahatonga ireo fivoriana rehetra ataon’ny vahoakan’i Jehovah, any amin’ny kongregasiona sy any amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany ary any amin’ireo fivoriamben’ny distrika, ho fotoana mahafaly? Moa ve izany tsy noho ny firaiketam-pon-drahalahy izay ifanehoan’izy ireo? Tsy isalasalana fa ny firaiketam-pon-drahalahy dia antony iray nilazana fa tsy misy antoko-mpivavaka mahazo fahafinaretana sy hasambarana ary fahafaham-po be toy izany avy amin’ny fivavahana toy ny Vavolombelon’i Jehovah.
2, 3. Teny grika roa inona avy no mivaofy ny amin’ny fihetseham-po tokony hananana eo amintsika samy isika, ary inona avy no toetra mampiavaka azy ireo?
2 Tokony hanantena hahita firaiketam-pon-drahalahy toy izany isika raha jerena amin’ny tenin’ny apostoly Petera ao amin’ny 1 Petera 1:22 manao hoe: “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy [“firaiketam-pon-drahalahy”, NW ] tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo”. Iray amin’ireo tapany fototra amin’ilay teny grika nadika eto hoe “firaiketam-pon-drahalahy” ny phi·liʹa (firaiketam-po). Ny dikan’izy io dia mifandray akaiky amin’ny dikan’ny a·gaʹpe, ilay teny adika mazàna hoe “fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Na dia azo ampifamadihina aza matetika ny fampiasana ny hoe firaiketam-pon-drahalahy sy ny hoe fitiavana, dia manana ny maha-izy azy voafaritra tsara izy ireo. Tsy tokony hampifangaro azy ireo toy ny ataon’ny mpandika tenin’ny Baiboly maro, isika. (Ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ sy ao amin’ilay manaraka, dia hivaofy ny tsirairay amin’ireo teny ireo isika).
3 Mikasika ny tsy fitoviana eo amin’ireo teny grika roa ireo, dia nisy manam-pahaizana manokana iray nanamarika fa ny hoe phi·liʹa dia “teny mampiseho mazava hafanana sy fahakekezana ary firaiketam-po”. Etsy an-danin’izany, ny a·gaʹpe dia misy ifandraisany kokoa amin’ny saina. Noho izany, raha nasaina ho tia (a·gaʹpe) ny fahavalontsika isika, dia tsy manana firaiketam-po amin’izy ireny kosa. Fa nahoana? Satria ny “fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (1 Korintiana 15:33). Mbola milaza ny fisian’ny fahasamihafana koa ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo.” — 2 Petera 1:5-7, NW; ampitahao amin’ny Jaona 21:15-17.a
Ohatra ny amin’ny firaiketam-pon-drahalahy tena manokana
4. Nahoana i Jesosy sy i Jaona no nifaneho firaiketam-po manokana?
4 Ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika ohatra tsara dia tsara maromaro ny amin’ny firaiketam-pon-drahalahy tena manokana. Io firaiketam-pon-drahalahy manokana io dia tsy vokatry ny haitraitra sasany, fa miorina amin’ny fankasitrahana toetra tsara miavaka. Tsy isalasalana fa ny ohatra be mpahalala indrindra dia ilay firaiketam-po nananan’i Jesosy Kristy tamin’ny apostoly Jaona. Tsy misy iadian-kevitra fa nanana firaiketam-pon-drahalahy tamin’ireo apostoliny nahatoky rehetra i Jesosy, ary izany dia noho ny antony tsara. (Lioka 22:28). Fomba iray nanehoany izany ny fanasany ny tongotr’izy ireo, ka tamin’izany izy dia nanome ho azy ireo fianarana ny amin’ny fanetren-tena. (Jaona 13:3-16). Kanefa i Jesosy dia nanana firaiketam-po manokana tamin’i Jaona, dia firaiketam-po izay nasian’i Jaona fitenenana imbetsaka. (Jaona 13:23; 19:26; 20:2). Na dia nanana antony tsara hanehoana firaiketam-po tamin’ireo mpianany sy ireo apostoliny aza i Jesosy, dia azo inoana fa nanome an’i Jesosy antony hananana firaiketam-po manokana i Jaona noho ny fankasitrahan’io lalina an’i Jesosy. Afaka mahita izany isika amin’ireo asa soratra nataon’i Jaona sy ny Filazantsarany ary ireo taratasiny ara-tsindrimandry. Impiry akory moa izy no manisy fitenenana ny amin’ny fitiavana ao amin’ireo asa soratra ireo! Ny fankasitrahan’i Jaona bebe kokoa an’ireo toetra tsara ara-panahy nananan’i Jesosy, dia hita ao amin’izay nosoratany ao amin’ny Jaona toko 1 sy faha-13 ka hatramin’ny faha-17, ary hita koa izany amin’ny fanisiany fitenenana imbetsaka ny amin’ny fiainan’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy. — Jaona 1:1-3; 3:13; 6:38, 42, 58; 17:5; 18:37.
5. Inona no azo lazaina mikasika ilay firaiketam-po manokana nifanehoan’i Paoly sy i Timoty?
5 Toy izany koa, dia tsy hodiantsika tsy hita ilay firaiketam-pon-drahalahy tena manokana nisy teo amin’ny apostoly Paoly sy ilay namany kristiana atao hoe Timoty, dia firaiketam-po izay azo antoka fa niorina tamin’ny fankasitrahan’ny andaniny avy ireo toetra tsaran’ny ankilany. Mirakitra filazana tsara dia tsara momba an’i Timoty ireo asa soratra nataon’i Paoly, toy ny hoe: “Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko [“aminy”, NW ] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. (...) Izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.” (Filipiana 2:20-22). Maro ireo fanisiana fitenenana manokana izay mampiharihary ny firaiketam-po mafana nananan’i Paoly tamin’i Timoty, ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty. Mariho, ohatra, ny 1 Timoty 6:20 manao hoe: “Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao”. (Jereo koa ny 1 Timoty 4:12-16; 5:23; 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.) Ny fampitahana ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty amin’ilay taratasiny ho an’i Titosy dia mampisongadina indrindra ilay firaiketam-po manokana nananan’i Paoly tamin’i Timoty. Tsy maintsy nanana fihetseham-po toy izany koa mikasika ny fisakaizan’izy ireo i Timoty, araka ny azo marihina amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 1:3, 4 manao hoe: “Tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako (...) ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho”.
6, 7. Inona no fihetseham-po nifanehoan’i Davida sy i Jonatana, ary nahoana?
6 Ny Soratra Hebreo koa dia manome ohatra tsara dia tsara, toy ny an’i Davida sy i Jonatana. Vakintsika fa taorian’ny namonoan’i Davida an’i Goliata, “dia raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy”. (1 Samoela 18:1). Ny fankasitrahana ny ohatr’i Davida teo amin’ny zotom-pony ho an’ny anaran’i Jehovah sy ny nandrosoany tsy nisy tahotra hifanandrina tamin’i Goliata goavana, no tsy isalasalana fa nahatonga an’i Jonatana hanana firaiketam-po manokana tamin’i Davida.
7 Nanana firaiketam-po aoka izany tamin’i Davida i Jonatana, hany ka nanao vivery ny ainy mihitsy izy mba hiarovana an’i Davida tamin’i Saoly Mpanjaka. Ary tsy nisy mihitsy fotoana nanehoan’i Jonatana fahasosorana tamin’ny nifidianan’i Jehovah an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely nanaraka. (1 Samoela 23:17). Nanana firaiketam-po lalina toy izany ho an’i Jonatana koa i Davida, ka izany dia miharihary amin’izay nolazainy toy izao fony izy nitomany ny fahafatesan’i Jonatana: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.” Marina tokoa fa nisy fankasitrahana fatratra nanamarika ny fifandraisan’izy ireo. — 2 Samoela 1:26.
8. Vehivavy roa iza avy no nifaneho firaiketam-po manokana, ary nahoana?
8 Manana ohatra iray tsara dia tsara koa isika ao amin’ny Soratra Hebreo, dia ny amin’ny firaiketam-po manokana teo amin’ny vehivavy roa, i Naomy sy i Rota vinantovaviny nanano tena. Tsarovy ireo tenin’i Rota tamin’i Naomy hoe: “Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”. (Rota 1:16). Moa ve isika tsy tokony hanatsoaka hevitra fa tamin’ny fitondran-tenany sy tamin’ny firesahany ny amin’i Jehovah, i Naomy dia nanampy mba hanaitra izany fihetsika feno fankasitrahana izany tao amin’i Rota? — Ampitahao amin’ny Lioka 6:40.
Ny ohatry ny apostoly Paoly
9. Inona no mampiseho fa ohatra fakan-tahaka teo amin’ny fanehoana firaiketam-pon-drahalahy i Paoly?
9 Araka ny efa hitantsika, dia nanana firaiketam-pon-drahalahy tena manokana tamin’i Timoty ny apostoly Paoly. Kanefa dia namela ohatra mahatalanjona iray koa izy teo amin’ny fanehoana firaiketam-pon-drahalahy mafana tamin’ireo rahalahiny tamin’ny ankapobeny. Nilaza tamin’ireo loholon’i Efesosy izy fa “telo taona mipaka [izy] tsy nitsahatra nananatra [azy] rehetra andro aman-alina tamin’ny ranomaso”. Tsy firaiketam-pon-drahalahy mafana ve izany? Tsy misy isalasalana ny amin’izany! Ary nanana fihetseham-po toy izany tamin’i Paoly koa izy ireo. Rehefa nandre izy ireo fa tsy hahita an’i Paoly intsony, dia “nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’i Paoly ka nanoroka azy”. (Asan’ny Apostoly 20:31, 37). Tsy firaiketam-pon-drahalahy miorina amin’ny fankasitrahana ve izany? Eny! Hita koa ny firaiketam-pon-drahalahy nananan’i Paoly tamin’ireo teniny ao amin’ny 2 Korintiana 6:11-13 manao hoe: “Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. Tsy tery aminay hianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ny zanako), dia mba mihalalaha kosa hianareo.”
10. Tsy fisian’ny firaiketam-pon-drahalahy inona no nitarika an’i Paoly hitantara ny fitsapana nahazo azy ao amin’ny 2 Korintiana toko faha-11?
10 Mazava fa maro tamin’ireo Korintiana no tsy nanana firaiketam-pon-drahalahy feno fankasitrahana tamin’ny apostoly Paoly. Noho izany dia nitaraina toy izao ny sasany tamin’izy ireo: “Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin’i Paoly; nefa rehefa mbỳ eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.” (2 Korintiana 10:10, DIEM ). Izany no nahatonga an’i Paoly hanisy fitenenana ny amin’ireo “Apostoly ambony indrindra” teo amin’izy ireo, sy nanosika azy hilaza ny amin’ireo fisedrana niaretany, araka ny voatantara ao amin’ny 2 Korintiana 11:5, 22-33.
11. Inona no vavolombelon’ny firaiketam-po nananan’i Paoly tamin’ireo Kristiana tany Tesalonika?
11 Ny firaiketam-po mafana nananan’i Paoly tamin’ireo izay nokarakarainy dia miharihary indrindra amin’ireo teniny ao amin’ny 1 Tesaloniana 2:8 (DIEM ) manao hoe: “Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo.” Raha ny marina, dia nanana firaiketam-po aoka izany tamin’ireo rahalahy vaovao ireo izy, hany ka rehefa tsy andriny intsony — noho izy dodona aoka izany ny hahafantatra ny fomba niaretan’izy ireo fanenjehana — dia nirahiny i Timoty, izay nanao tatitra tsara namelombelona an’i Paoly tokoa. (1 Tesaloniana 3:1, 2, 6, 7). Mety indrindra ny nanaovan’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible izao fanamarihana izao: “Nisy ny fatoran’ny firaiketam-pon-drahalahy mafy teo amin’i Paoly sy ireo izay nokarakarainy.”
Fankasitrahana — Fanalahidin’ny firaiketam-pon-drahalahy
12. Inona avy no antony mahatonga antsika haneho firaiketam-po mafana amin’ireo rahalahintsika?
12 Tsy isalasalana fa ny fanalahidin’ny firaiketam-pon-drahalahy dia ny fankasitrahana. Moa ve ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena rehetra tsy manana toetra tsara izay ankasitrahantsika, izay manetsika ny firaiketam-pontsika, mahatonga antsika hankamamy azy ireo? Isika rehetra dia samy mikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Isika rehetra dia samy manana ady mafy atao amin’ireo fahavalo telo iombonantsika: i Satana sy ny demoniany, ny fandehan-javatra ratsy eo ambany fanapahan’i Satana, ary ny fironana feno fitiavan-tena nolovana ao amin’ny nofo mpanota. Moa ve isika tsy tokony hihevitra foana fa ireo rahalahintsika dia manao izay farany azony atao raha jerena amin’ny toe-javatra? Ny olona tsirairay eto an-tany dia, na miandany amin’i Jehovah, na miandany amin’i Satana. Ireo rahalahintsika sy anabavintsika vita fanoloran-tena dia miandany amin’i Jehovah, eny, ao amin’ny andaniny misy antsika, ary noho izany dia mendrika ny firaiketam-pon-drahalahy avy amintsika.
13. Nahoana isika no tokony hanana firaiketam-po mafana amin’ireo loholona?
13 Ahoana ny amin’ny fankasitrahantsika ireo loholona eo amintsika? Moa ve isika tsy tokony hankamamy azy ireny manokana noho ny fiasan’izy ireo mafy ho an’ny tombontsoan’ny kongregasiona? Sahala amintsika rehetra, dia tsy maintsy mamelona ny tenany sy ny ankohonany izy ireo. Manana andraikitra mitovy amin’ny antsika koa izy ireo mba hanao fianarana manokana sy hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona ary handray anjara amin’ny asa fanompoana. Fanampin’izany, dia manana adidy izy ireo hanomana tapany amin’ny fandaharana ho an’ireo fivoriana sy hanao lahateny ampahibemaso ary hikarakara ireo zava-manahirana mipoitra ao amin’ny kongregasiona, ka izany indraindray dia mitaky ora maro hihainoana raharaha ara-pitsarana. Irintsika tokoa ny “hankamamy hatrany ny olona toy izany”. — Filipiana 2:29, NW.
Fanehoana firaiketam-pon-drahalahy
14. Andinin-teny inona avy no mandidy antsika haneho firaiketam-pon-drahalahy?
14 Mba hampifaly an’i Jehovah, dia tsy maintsy maneho ilay firaiketam-pon-drahalahy mafana amin’ireo mpiray finoana amintsika isika, toy ny nataon’i Jesosy Kristy sy i Paoly. Izao no vakintsika: “Amin’ny [firaiketam-pon-drahalahy], mifanehoa firaiketam-po”. (Romana 12:10, Kingdom Interlinear). “Raha ny amin’ny [firaiketam-pon-drahalahy], dia tsy mila ny hanoratanay ianareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra mba hifankatia.” (1 Tesaloniana 4:9, Int). “Aoka hitohy ny [firaiketam-pon-drahalahy] anananareo.” (Hebreo 13:1, Int). Azo antoka fa faly ny Raintsika any an-danitra rehefa maneho firaiketam-pon-drahalahy amin’ireo zanany eto an-tany isika!
15. Inona avy no fomba sasany fanehoana firaiketam-pon-drahalahy?
15 Tamin’ny andron’ireo apostoly, ny Kristiana dia nanana fahazarana nifampiarahaba tamin’ny “fanorohana masina” na “fanoroham-pitiavana”. (Romana 16:16; 1 Petera 5:14). Tena fisehoan’ny firaiketam-pon-drahalahy tokoa izany! Amin’izao andro izao, any amin’ny ankamaroan’ny faritra eto an-tany, dia fanehoana mety kokoa ny tsiky feno fisakaizana amim-pahatsorana sy ny fifandraisan-tanana fihinina mafy. Any amin’ireo tany latina, toa an’i Meksika, dia misy ny fifampiarahabana amin’ny endriky ny fifamihinana, izay tena fisehoan’ny firaiketam-po tokoa. Io firaiketam-po mafana avy amin’ireo rahalahy io dia mety ho anisan’ny antony mahatonga ny fitomboana be any amin’ny tanin’izy ireo.
16. Fahafahana inona avy no ananantsika mba hanehoana firaiketam-pon-drahalahy any amin’ny Efitrano Fanjakanantsika?
16 Rehefa miditra ny Efitrano Fanjakana isika, moa ve isika manao fiezahana manokana mba haneho firaiketam-pon-drahalahy? Izany dia hahatonga antsika hanana teny mampahery holazaina, indrindra fa ho an’ireo izay toa ketraka. Asaina ‘hanao teny mampionona amin’ny fanahy ketraka’ isika. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Azo antoka fa izany dia fomba iray ahazoantsika mampita ny hafanan’ny firaiketam-pon-drahalahy. Fomba tsara dia tsara hafa iray ny fanehoana fankasitrahana ny lahateny ampahibemaso tsara dia tsara iray, ny anjara iray tamin’ny fandaharana izay vita tsara, ny ezaka tsara nataon’ny mpianatra mandaha-teny iray ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ary ny toy izany.
17. Inona no nataon’ny loholona iray mba hahazoana ny firaiketam-pon-drahalahin’ny kongregasiona?
17 Ahoana ny amin’ny fanasana olona maro samihafa any an-tranontsika hisakafo na angamba hanao ody ambavafo kely aorian’ny fivoriana iray, raha tsy alina loatra? Tsy tokony hamela ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:12-14 hanapaka ve isika? Indray mandeha ny misionera taloha iray dia voatendry ho mpiandraikitra prezidà tao amin’ny kongregasiona iray izay nisy olona samy hafa firazanana avokoa. Nahatsapa tsy fisian’ny firaiketam-pon-drahalahy izy, ka nanao planina hanitsiana ilay tarehin-javatra. Tamin’ny fomba ahoana? Isaky ny alahady izy dia nanasa fianakaviana samy hafa hisakafo. Tamin’ny faran’ny taona iray, dia naneho firaiketam-pon-drahalahy mafana taminy avokoa ny rehetra.
18. Ahoana no ahazoantsika maneho firaiketam-pon-drahalahy amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika marary?
18 Rehefa misy rahalahy na anabavy iray marary, any an-trano na any amin’ny hopitaly, ny firaiketam-pon-drahalahy dia hanosika antsika hampahafantatra an’ilay marary fa mihevitra azy isika. Ahoana ny amin’ireo izay mipetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra? Nahoana raha manao fitsidihana manokana, na miantso an-telefaonina, na mandefa taratasy mampiseho fihetseham-po mafana?
19, 20. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mihamalalaka ny firaiketam-pon-drahalahy ananantsika?
19 Rehefa maneho firaiketam-pon-drahalahy toy izany isika, dia afaka manontany tena hoe: ‘Moa ve mizaha tavan’olona ny firaiketam-pon-drahalahy ananako? Moa ve ny anton-javatra toy ny volon-koditra, ny fianarana azo, na ny fananana ara-nofo misy heriny eo amin’ny fanehoako firaiketam-pon-drahalahy? Moa ve aho mila ny hihamalalaka eo amin’ny fanehoako firaiketam-pon-drahalahy, toy ny nampirisihan’ny apostoly Paoly hataon’ireo Kristiana tany Korinto?’ Ny firaiketam-pon-drahalahy dia hahatonga antsika hijery ireo rahalahintsika amin’ny fomba manorina, amin’ny fankasitrahana azy ireo noho ireo toetrany tsara. Ny firaiketam-pon-drahalahy dia hanampy antsika koa hifaly amin’ny fisondrotana ara-panahy azon’ny rahalahintsika, fa tsy hialona izany.
20 Ny firaiketam-pon-drahalahy koa dia tokony hahatonga antsika ho mailaka ny hanampy ireo rahalahintsika eo amin’ny fanompoana. Tokony ho sahala amin’ilay lazain’ny hirantsika iray (faha-92) toy izao izy io:
“Ampaherezo ny ketraka
Mba hiloa-bava tsy reraka.
Hevero koa ireo tanora;
Ampio hampisava ny tahotra”.
21. Fihetsika manao ahoana no azontsika ampoizina rehefa maneho firaiketam-pon-drahalahy isika?
21 Aoka àry isika tsy hanadino fa amin’ny fanehoana firaiketam-pon-drahalahy, dia mihatra ilay fotopoto-pitsipika nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” (Lioka 6:38). Ny tenantsika manokana dia mandray soa rehefa maneho firaiketam-pon-drahalahy, amin’ny fanehoana fanajana an’ireo izay mpanompon’i Jehovah toa antsika. Marina tokoa fa sambatra izay mahita fahafinaretana amin’ny fanehoana firaiketam-pon-drahalahy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra manaraka hoe: “Fitiavana (Agape) — Ny Izy sy ny Tsy Izy”.
Ahoana no Havalinao?
◻ Teny grika inona avy no mivaofy ny amin’ny fihetseham-pontsika, ary amin’ny ahoana izy ireo no samy miavaka?
◻ Inona no fanalahidin’ny firaiketam-pon-drahalahy?
◻ Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no ananantsika momba ny firaiketam-pon-drahalahy manokana?
◻ Nahoana isika no tokony hanana firaiketam-po mafana amin’ireo rahalahintsika sy amin’ireo loholona?
[Sary, pejy 15]
Nampirisika ireo rahalahiny ny apostoly Petera mba hanampy firaiketam-pon-drahalahy amin’ny finoany sy ny toetra kristiana hafa ananan’izy ireo