FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/12 p. 19-24
  • Sambatra ny Manetry Tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra ny Manetry Tena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampy antsika mba hanetry tena ny finoana an’i Jehovah
  • Ny fanetren-tena — Lalam-pahendrena
  • Manampy hanana fifandraisana tsara amin’ny hafa ny fanetren-tena
  • Hanampy antsika mba hanetry tena ny fitiavana
  • Miezaha Hanana ny Tena Fanetren-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ahoana no Ahafahanao Mampiseho ny Tena Fanetren-tena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/12 p. 19-24

Sambatra ny Manetry Tena

“Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” — 1 PETERA 5:5.

1, 2. Ahoana no nampifandraisan’i Jesosy ny fahasambarana sy ny fanetren-tena, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra?

MIFANDRAY ve ny hoe sambatra sy ny hoe manetry tena? Tao amin’ilay toriteniny malaza indrindra, i Jesosy Kristy, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia nilazalaza fahasambarana na fahatretrehana sivy. (Matio 5:1-12, NW ). Nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny hoe sambatra ve ny hoe manetry tena? Eny, nanao izany izy, satria ny hoe manetry tena dia voafaoka tao anatin’ny fahasambarana maromaro noresahiny. Ohatra, tsy maintsy manetry tena ny olona iray mba hahafahany hahatsapa fa mila zavatra ara-panahy ny tenany. Ny olona manetry tena ihany no noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Ary ny olona miavonavona dia tsy mba malemy fanahy na mamindra fo na mampihavana.

2 Sambatra ny olona manetry tena satria rariny sy marina ny manetry tena. Ankoatra izany, dia sambatra ny olona manetry tena satria fahendrena ny manetry tena; izany dia manampy hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ireo namana Kristiana. Ambonin’izany, dia sambatra ny olona manetry tena satria fanehoam-pitiavana avy aminy ny manetry tena.

3. Nahoana ny fanaovana ny marina no manery antsika mba hanetry tena?

3 Nahoana no mitaky amintsika mba hanetry tena ny fanaovana ny marina? Ny antony iray, dia satria nandova tsy fahatanterahana isika rehetra ka manao fahadisoana foana. Nilaza toy izao momba ny tenany ny apostoly Paoly: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.” (Romana 7:18). Eny, manota avokoa isika rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra. (Romana 3:23). Hiaro antsika mba tsy hiavonavona ny fahatsoram-po. Ny fiekena fahadisoana dia mitaky fanetren-tena, ary ny fanaovana ny marina dia hanampy antsika hiaiky ny maha-tompon’andraikitra antsika na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona isika no manao fahadisoana. Koa satria tsy mahavita foana izay iezahantsika hatao isika, dia manana antony tsara tokony hanetren-tena isika.

4. Antony manery inona no omena ao amin’ny 1 Korintiana 4:7 mba hanetrentsika tena?

4 Ny apostoly Paoly dia manome antsika antony hafa amin’ny hoe nahoana no tokony hampanetry tena antsika ny fanaovana ny marina. Hoy izy: “Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?” (1 Korintiana 4:7). Tsy misy isalasalana mihitsy ny momba izany, tsy hanao ny marina isika raha mandray dera ho an’ny tenantsika, raha mirehareha ny amin’ny fananantsika, ny fahaizantsika, na ny zava-bitantsika. Manampy antsika hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra ny fanaovana ny marina, ka ho afaka “hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra” isika. — Hebreo 13:18.

5. Amin’ny ahoana koa ny fanaovana ny marina no hanampy antsika rehefa nanao fahadisoana isika?

5 Ny fanaovana ny marina dia manampy antsika mba hanetry tena rehefa manao fahadisoana isika. Izany dia hahatonga antsika ho vonona kokoa hiaiky ny maha-tompon’andraikitra antsika, fa tsy hanandrana hanilika izany amin’ny olon-kafa. Ohatra, na dia nanome tsiny an’i Eva aza i Adama, i Davida kosa dia tsy nanome tsiny an’i Batseba, tamin’ny filazana hoe: ‘Tsy tokony ho nandro an-karihary izy. Tsy azoko nialana ny ho voan’ny fakam-panahy.’ (Genesisy 3:12; 2 Samoela 11:2-4). Raha ny marina, dia azo atao ny milaza fa eo an-daniny, dia manampy antsika mba hanetry tena ny fanaovana ny marina; ary etsy an-kilany, dia manampy antsika mba hanao ny marina ny fanetren-tena.

Manampy antsika mba hanetry tena ny finoana an’i Jehovah

6, 7. Amin’ny ahoana ny finoana an’Andriamanitra no manampy antsika mba hanetry tena?

6 Hanampy antsika mba hanetry tena koa ny finoana an’i Jehovah. Ny fahatakarana fa lehibe aoka izany tokoa ilay Mpamorona, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, dia hiaro antsika amin’ny fiheveran-tena ho zavatra loatra. Mety tokoa ny ampahatsiahivan’ny mpaminany Isaia antsika izany! Ao amin’ny Isaia 40:15, 22, dia izao no vakintsika: “Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana. (...) Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala.”

7 Hanampy antsika koa ny finoana an’i Jehovah rehefa mahatsapa isika fa niharan’ny tsy rariny. Toy izay ho sosotra momba ilay raharaha, dia hiandry an’i Jehovah amim-panetren-tena kosa isika, araka ny ampahatsiahivan’ny mpanao salamo antsika azy ao amin’ny Salamo 37:1-3, 8, 9. Nilaza hevitra mitovy amin’izany ny apostoly Paoly: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” — Romana 12:19.

Ny fanetren-tena — Lalam-pahendrena

8. Nahoana ny fanetren-tena no manampy antsika hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah?

8 Misy antony maro maha-lalam-pahendrena ny fanetren-tena. Ny iray, araka ny efa voalaza, dia hoe manampy antsika hanana fifandraisana tsara amin’ilay Mpamorona antsika izy io. Manambara mazava toy izao ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Ohabolana 16:5: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po.” Mamaky toy izao koa isika ao amin’ny Ohabolana 16:18: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” Na ho ela na ho haingana, dia hahita fahasahiranana ny olona miavonavona. Tsy maintsy ho toy izany tokoa no ho izy, noho izao vakintsika ao amin’ny 1 Petera 5:5 izao: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.’ ” Hahita hevitra mitovy amin’izany ianao ao amin’ilay fanoharana nomen’i Jesosy ny amin’ny Fariseo sy ny mpamory hetra izay samy nivavaka. Ilay mpamory hetra nanetry tena no hita fa marina kokoa. — Lioka 18:9-14.

9. Inona no fanampiana entin’ny fanetren-tena amin’ny toe-javatra sarotra?

9 Lalam-pahendrena ny fanetren-tena satria ny fanetren-tena dia manamora ny fanarahantsika ilay torohevitra hita ao amin’ny Jakoba 4:7 manao hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo”. Raha manetry tena isika, dia tsy hikomy rehefa mamela antsika hiaritra toe-javatra sarotra i Jehovah. Hahatonga antsika ho afa-po sy hiaritra ny toe-javatra misy antsika ny fanetren-tena. Ny olona iray miavonavona dia tsy afa-po, mitady bebe kokoa lalandava, ary mikomy noho ny toe-javatra mampahory misy azy. Ny olona manetry tena kosa etsy an-daniny dia miaritra ireo zava-tsarotra sy ireo fitsapana, toy ny nataon’i Joba. Niaritra ny famoizana ny fananany rehetra sy nasian’ny aretina nampanaintaina i Joba, ary taorian’izany aza ny vadiny dia nanoro hevitra azy mba handeha amin’ny lalan’ny fiavonavonana, tamin’ny filazana hoe: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Ahoana no navaliny? Hoy ny fitantaran’ny Baiboly amintsika: “Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.” (Joba 2:9, 10). Satria nanetry tena i Joba, dia tsy nikomy izy, fa tamim-pahendrena dia nanaiky izay rehetra navelan’i Jehovah hitranga taminy. Ary tamin’ny farany izy dia nahazo valisoa sarobidy. — Joba 42:10-16; Jakoba 5:11.

Manampy hanana fifandraisana tsara amin’ny hafa ny fanetren-tena

10. Amin’ny ahoana no manatsara ny fifandraisantsika amin’ireo namantsika Kristiana ny fanetren-tena?

10 Lalam-pahendrena ny fanetren-tena satria izy io dia manampy hanana fifandraisana tsara amin’ireo namantsika Kristiana. Mety ny nanoroan’ny apostoly Paoly hevitra antsika toy izao: “[Aza] manao na inona na inona noho ny fifampiandaniana na noho ny fitiavan-tena, fa amin’ny fananana saina tsy manambony tena, dia hevero ho ambony noho ny tenanao ny hafa, amin’ny fanehoana fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenanao manokana ihany, fa amin’ny fanehoana fiheverana ny an’ny hafa koa.” (Filipiana 2:3, 4, NW ). Ny fanetren-tena dia hiaro antsika amim-pahendrena mba tsy hifaninana amin’ny hafa na hanandrana hihoatra azy ireny. Ny toe-tsaina toy izany dia miteraka zava-manahirana ho antsika sy ho an’ireo namantsika Kristiana.

11. Nahoana ny fanetren-tena no afaka manampy antsika hisoroka ny fanaovana fahadisoana?

11 Amin’ny toe-javatra maro dia hanampy antsika mba tsy hanao fahadisoana ny fanetren-tena. Amin’ny fomba ahoana? Satria ny fanetren-tena dia hiaro antsika mba tsy hatoky tena be loatra. Hahatakatra ny maha-sarobidy ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:12 toy izao kosa isika: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” Matoky tena loatra ny olona miavonavona, hany ka mirona hanao fahadisoana noho ny fitaomana ivelany na noho ny fahalemen’ny tenany.

12. Hanosika antsika hanatanteraka andraikitra araka ny Soratra Masina inona moa ny fanetren-tena?

12 Hanampy antsika hanatanteraka ny fepetra takina ny amin’ny fanekena, ny fanetren-tena. Ao amin’ny Efesiana 5:21, dia toroana hevitra toy izao isika: “Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy.” Moa ve, raha ny marina, tsy ilaintsika rehetra ny manaiky? Mila manaiky ny ray aman-dreniny ny zanaka; ny vehivavy, ny vadiny; ary ny lehilahy manambady, an’i Kristy. (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:22; 6:1). Manaraka izany, ireo rehetra ao anatin’ny kongregasiona kristiana, anisan’izany ny mpikarakara momba ny asa, dia tsy maintsy mampiseho fanekena ny loholona. Moa ve tsy marina koa fa ireo loholona dia manaiky ny kilasin’ny mpanompo mahatoky, indrindra rehefa misolo tena azy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany? Manaraka izany indray, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia mila manaiky ny mpiandraikitra ny distrika, ary ny mpiandraikitra ny distrika, ny Komitin’ny Sampana ao amin’ny tany anompoany. Ahoana ny amin’ny mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana? Izy ireo dia tsy maintsy “mifanaiky” ary koa manaiky ny Fitambara-mpitantana, misolo tena ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina, izay, avy eo koa dia ampamoahin’i Jesosy, ilay Mpanjaka nandray fahefana. (Matio 24:45-47, NW ). Toy ny ao amin’ny fitambaran-doholona, ireo mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana koa dia tsy maintsy manaja ny fomba fijerin’ny hafa. Ohatra, mety hihevitra ny olona iray fa manana hevitra iray tsara dia tsara izy. Nefa tokony hitsahatra tsy hihevitra ilay raharaha fotsiny izy, raha tsy hoe ampy isa angaha ireo mpikambana hafa manaiky ny soso-keviny. Raha ny marina, dia samy mila fanetren-tena isika rehetra, satria samy mila ny manaiky isika rehetra.

13, 14. a) Amin’ny toe-javatra manokana inona no hanampy antsika ny fanetren-tena? b) Ohatra inona no nomen’i Petera raha ny amin’ny fanekena torohevitra?

13 Hita indrindra ho ny lalam-pahendrena ny fanetren-tena, noho izy io manamora kokoa ny fanekentsika torohevitra sy fanitsiana. Mila fanitsiana indraindray ny tsirairay avy amintsika, ary tokony hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 19:20 manao hoe: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” Araka ny efa nanambarana azy tsara, ny olona manetry tena dia tsy ho sosotra rehefa ahitsy. Ankoatra izany, dia manoro hevitra antsika ny amin’ny maha-fahendrena ny fanekena amim-panetren-tena ny fanitsiana ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 12:4-11. Amin’izany fomba izany ihany no ahafahantsika manantena hitarika ny lalantsika ho avy amim-pahendrena ary ho setrin’izany, dia hahazo ny lokan’ny fiainana mandrakizay. Ho fiafarana hahasambatra tokoa re izany!

14 Amin’io lafiny io, dia afaka mitodika any amin’ny ohatry ny apostoly Petera isika. Nahazo fananarana mafy avy tamin’ny apostoly Paoly izy, araka ny fantatsika avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Galatiana 2:14 toy izao: “Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’i Kefasy [Petera] teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha hianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?” Tafintohina ve ny apostoly Petera? Tsy naharitra izany, raha nisy aza, araka ny hita amin’ny firesahana nataony tatỳ aoriana ny amin’i “Paoly, rahalahy malalantsika” ao amin’ny 2 Petera 3:15, 16.

15. Fifandraisana inona no misy eo amin’ny fanentren-tenantsika sy ny fahasambarantsika?

15 Anton-javatra iray koa ny amin’ny fahaiza-mianina na ho afa-po. Tsy afaka ny ho sambatra tsotra izao isika, raha tsy mianina amin’ny toe-piainana misy antsika eo amin’ny fiainana, ny tombontsoantsika, ny fitahiana azontsika. Ny Kristiana manetry tena dia manana izao fihetsika izao: “Matoa avelan’Andriamanitra hisy izao, dia afaka miaritra izany aho”, satria, raha ny marina, dia izany no nolazain’ny apostoly Paoly, araka ny vakintsika toy izao ao amin’ny 1 Korintiana 10:13: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” Koa hitantsika indray hoe hatraiza no maha-lalam-pahendrena ny fanetren-tena, satria manampy antsika mba ho sambatra izy io, na inona na inona mety ho toe-piainana misy antsika.

Hanampy antsika mba hanetry tena ny fitiavana

16, 17. a) Ohatra araka ny Soratra Masina inona no manamafy ny toetra lehibe indrindra manampy antsika mba hanetry tena? b) Ohatra ivelan’ny fivavahana inona koa no mampiseho izany hevitra izany?

16 Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia hanampy antsika mba hanetry tena, ny fitiavana a·gaʹpe, fitiavana tsy mitady tombony ho an’ny tena. Nahoana i Jesosy no afaka niaritra tamim-panetren-tena izay nitranga taminy teo amin’ny hazo fijaliana, ary nolazalazain’i Paoly tamin’ireo Filipiana? (Filipiana 2:5-8). Nahoana izy no tsy nihevitra mihitsy ny fitoviana tamin’Andriamanitra? Araka ny nolazain’ny tenany mihitsy dia satria: “Tiako ny Ray”. (Jaona 14:31). Izany no antony nanomezany voninahitra sy haja tamin’ny fotoana rehetra an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. Ohatra, tamin’ny toe-javatra iray dia nanamafy izy fa tsy misy afa-tsy ny Rainy any an-danitra ihany no tsara. — Lioka 18:18, 19.

17 Mampiseho io hevitra io izay nitranga teo amin’ny fiainan’i John Greenleaf Whittier, iray tamin’ireo poety voalohany tany Amerika. Nanana olon-tiana io lehilahy io fony izy mbola tanora, ary indray mandeha, tamin’ny fifaninanana manonona teny, dia nanonona tamin’ny fomba marina teny iray ilay zazavavy, kanefa izy kosa dia nanonona izany tamin’ny fomba diso. Nalahelo mafy noho izany ilay zazavavy. Nahoana? Araka ny fitadidian’ilay poety, dia izao no nolazain’ilay zazavavy: “Malahelo aho nanonona izany teny izany. Tsy tiako ny hihoatra anao (...) satria tiako ianao.” Eny, raha tia olona iray isika, dia hirintsika izy mba ho ambony, fa tsy ho ambanintsika satria ny fitiavana dia manetry tena.

18. Manampy antsika hanaraka torohevitra araka ny Soratra Masina inona ny fanetren-tena?

18 Izany dia fianarana tsara ho an’ny Kristiana rehetra, indrindra fa ireo rahalahy. Rehefa tombontsoam-panompoana manokana no resahina, moa ve isika mifaly satria nahazo izany ny rahalahintsika fa tsy isika, sa isika mahatsapa fialonana sy fitsiriritana kely? Raha tena tia ny rahalahintsika isika, dia hifaly satria nahazo izany fanendrena manokana na fiheverana na tombontsoam-panompoana izany izy. Eny, ny fanetren-tena dia hahamora ny fanarahana izao torohevitra izao: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Izao no vakintsika ao amin’ny fandikan-teny hafa iray: “Mifanomeza voninahitra ambony noho ny ho an’ny tenanareo.” (New International Version). Avy eo indray, dia toroan’ny apostoly hevitra toy izao isika: “Mifampanompoa amin’ny fitiavana.” ​(Galatiana 5:13). Eny, raha manam-pitiavana isika, dia ho faly hanampy ireo rahalahintsika, hanompo azy ireny, amin’ny fametrahana ny tombontsoany sy izay hahasambatra azy alohan’ny antsika manokana, ka izany dia mitaky fanetren-tena. Hiaro antsika amin’ny fireharehana koa ny fanetren-tena, ka noho izany dia hisoroka ny famelomana ao amin’ny hafa toe-tsaina feno fialonana na fitsiriritana. Nanoratra i Paoly fa ny fitiavana dia “tsy mirehareha, tsy mieboebo”. Nahoana? Satria ny antony manosika ao ambadiky ny fireharehana sy ny fieboeboana dia ny fitiavan-tena sy ny fanindrahindran-tena, kanefa kosa ny fitiavana dia tena toetran’izay tsy mitady tombony ho an’ny tenany. — 1 Korintiana 13:4.

19. Ohatra ao amin’ny Baiboly inona avy no mampiseho fa miaraka akaiky ny fanetren-tena sy ny fitiavana, toy ny iarahan’ny avonavona sy ny fitiavan-tena akaiky?

19 Hita teo amin’ny fifandraisan’i Davida tamin’i Saoly Mpanjaka sy i Jonatana zanany lahy, ny ohatra iray manaitra ny amin’ny fomba iarahan’ny fitiavana sy ny fanetren-tena akaiky sy ny fomba iarahan’ny avonavona sy ny fitiavan-tena akaiky toy izany koa. Noho ireo fandresena azon’i Davida tamin’ny ady, dia nihira toy izao ireo vehivavy teo amin’ny Isiraely: “Saoly nahafaty arivoarivo; fa Davida nahafaty alinalina.” (1 Samoela 18:7). Koa satria i Saoly tsy nanetry tena mihitsy fa simban’ny avonavona, nanomboka hatreo izy dia namelona fankahalana nikendry ny hahafaty an’i Davida. Samy hafa tamin’ny toe-tsaina nasehon’i Jonatana zanany lahy tokoa izany! Vakintsika fa i Jonatana dia tia an’i Davida tahaka ny tenany mihitsy. (1 Samoela 18:1). Koa nanao ahoana ny fihetsik’i Jonatana rehefa, araka ny fandehan’ny fisehoan-javatra, niharihary fa nitahy an’i Davida i Jehovah ka izy, fa tsy i Jonatana, no handimby an’i Saoly tamin’ny naha-mpanjakan’ny Isiraely? Moa ve i Jonatana nanjary nialona na nitsiriritra? Tsy izany velively! Noho ny fitiavany lehibe an’i Davida, dia afaka nilaza toy izao izy, araka ny vakintsika ao amin’ny 1 Samoela 23:17: “Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tanan’i Saoly raiko; fa hianao no ho mpanjaka amin’ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany.” Ny fitiavana lehibe nananan’i Jonatana ho an’i Davida dia nahatonga azy hanaiky tamim-panetren-tena izay takany fa sitrapon’Andriamanitra raha ny amin’izay tokony handimby ny rainy tamin’ny naha-mpanjakan’ny Isiraely.

20. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fifandraisana akaiky misy eo amin’ny fitiavana sy ny fanetren-tena?

20 Ny mbola manamafy ny fifandraisan’ny fitiavana sy ny fanetren-tena dia izay nitranga tamin’ny alina farany niarahan’i Jesosy Kristy tamin’ireo apostoliny, talohan’ny nahafatesany. Ao amin’ny Jaona 13:1, dia vakintsika fa i Jesosy dia “efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao (...), dia tia azy hatramin’ny farany”. Taorian’izany, dia vakintsika fa nanasa ny tongotr’ireo apostoliny i Jesosy, tamin’ny fanaovan-javatra toy ny mpanompo ambany iray. Fianarana lehibe ny amin’ny fanetren-tena tokoa re izany! — Jaona 13:1-11.

21. Raha fintinina, nahoana isika no tokony hanetry tena?

21 Marina tokoa fa misy antony maro tokony hanetren-tena. Zavatra araka ny rariny sy araka ny marina ny hoe manetry tena. Izany no lalan’ny finoana. Manampy hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ireo mpino namantsika izany. Izany no lalam-pahendrena. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia izany no lalan’ny fitiavana sady mitondra ny tena fahasambarana.

Ahoana no havalinao?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy ny fanaovana ny marina no manampy mba hanetry tena?

◻ Nahoana no afaka manampy antsika mba hanetry tena ny finoana an’i Jehovah?

◻ Inona no mampiseho fa ny manetry tena no lalam-pahendrena?

◻ Nahoana ny fitiavana no manampy antsika indrindra mba hanetry tena?

[Sary, pejy 21]

Nanaiky an’i Jehovah tamim-panetren-tena i Joba. Tsy ‘nahafoy an’Andriamanitra izy ka hoe maty’

[Sary, pejy 23]

Nanaiky tamim-panetren-tena i Petera rehefa notoroan’i Paoly hevitra ampahibemaso

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara