FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/1 p. 10-15
  • Manapaka i Jehovah — Amin’ny Alalan’ny Teokrasia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manapaka i Jehovah — Amin’ny Alalan’ny Teokrasia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Teraka ny teokrasia iray
  • Fahefana teo ambanin’ny teokrasia
  • Asa sy fihetsika tsy teokratika
  • Ny faran’ny teokrasia iray
  • Teokrasia vaovao iray
  • Mifikira Hatrany Amin’ny Teôkrasia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ireo Mpiandry sy Ireo Ondry ao Anatin’ny Teokrasia Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Asa Fiandrasana Miaraka Amin’ilay Mpamorona Antsika Lehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitombo ny Asan’ilay Fanjakana
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/1 p. 10-15

Manapaka i Jehovah — Amin’ny Alalan’ny Teokrasia

“Manjaka mandrakizay Jehovah”. — SALAMO 146:10.

1, 2. a) Nahoana no tsy nahomby ny ezaka nataon’olombelona teo amin’ny fanapahana? b) Inona ilay hany endri-pitondram-panjakana tena nahomby tokoa?

HATRAMIN’NY andron’i Nimroda, ny olombelona dia nanandrana fomba samy hafa mba hitondrana ny fitambaran’olona. Tao ny fitondrana jadona, ny fitondran’olon-tokana sy ny fitondran’olom-bitsy ary endrika maro samy hafa amin’ny demokrasia. Namela ny hisian’ireo rehetra ireo i Jehovah. Marina tokoa fa noho Andriamanitra Loharano tampony amin’ny fahefana rehetra, dia izy, amin’ny heviny iray, no nametraka ireo mpanapaka samy hafa eo amin’ny toerany avy. (Romana 13:1, NW ). Na dia izany aza, dia tsy nahomby ny ezaka rehetra nataon’olombelona teo amin’ny fitondram-panjakana. Tsy nisy mpanapaka olombelona nahatsangana fiaraha-monina maharitra sy tsy mihilangilana ary manao ny rariny. Matetika loatra ‘ny olona dia nanapaka ny olon-kafa ka nampiditra loza taminy’. — Mpitoriteny 8:9, NW.

2 Tokony hahagaga antsika ve izany? Mazava ho azy fa tsia! Tsy natao hanapa-tena ny olombelona tsy tanteraka. “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Izany no antony tsy nisian’ny endri-pitondram-panjakana, afa-tsy iray ihany, tena nahomby tokoa nandritra ny tantaran’olombelona iray manontolo. Iza izany? Ny teokrasia eo ambany fanapahan’i Jehovah Andriamanitra. Amin’ny teny grika araka ny Baiboly, ny hoe “teokrasia” dia midika hoe fanapahana [kraʹtos] iray ampiharin’Andriamanitra [the·osʹ ]. Aiza no mety hisy fitondram-panjakana tsaratsara kokoa noho ilay an’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy? — Salamo 146:10.

3. Inona avy ireo ohatra taloha sasany mikasika ny fisian’ny teokrasia teto an-tany?

3 Nanapaka fotoana fohy tao Edena ny teokrasia, mandra-pikomin’i Adama sy i Eva tamin’i Jehovah. (Genesisy 3:1-6, 23). Tamin’ny andron’i Abrahama, dia toa nisy tao amin’ny tanànan’i Salema ny teokrasia iray, nanana an’i Melkizedeka ho mpanjaka sady mpisorona. (Genesisy 14:18-20; Hebreo 7:1-3). Ny teokrasiam-pirenena voalohany teo ambanin’ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra anefa dia naorina tany an’efitr’i Sinay, tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. Ahoana no nitrangan’izany? Ahoana no niasan’io fitondram-panjakana teokratika io?

Teraka ny teokrasia iray

4. Ahoana no nananganan’i Jehovah ilay firenena teokratikan’ny Isiraely?

4 Tamin’ny 1513 al.f.i. i Jehovah dia namonjy ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta ary nandringana tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafik’i Farao izay nanenjika. Avy eo Izy dia nitarika ny Isiraelita tany amin’ny Tendrombohitra Sinay. Rehefa nitoby teo am-pototr’ilay tendrombohitra izy ireo, dia nilaza taminy, tamin’ny alalan’i Mosesy, Andriamanitra nanao hoe: “Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo”. Namaly toy izao ireo Isiraelita: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (Eksodosy 19:4, 5, 8). Natao ny fanekena iray, ary dia teraka ny firenena teokratikan’ny Isiraely. — Deoteronomia 26:18, 19.

5. Nahoana no azo lazaina fa nanapaka teo amin’ny Isiraely i Jehovah?

5 Tamin’ny fomba ahoana anefa ny Isiraely no hoe notapahin’i Jehovah izay tsy hitan’ny mason’olombelona? (Eksodosy 33:20). Nanapaka izy tamin’ny heviny hoe ireo lalàna sy ny fisoronana teo amin’ilay firenena dia nomen’i Jehovah. Izay nankato ireo lalàna sy nanolotra fanompoam-pivavahana nifanaraka tamin’ireo fandaharana nandidian’Andriamanitra, dia nanompo an’i Jehovah, ilay Teokraty Lehibe. Fanampin’izany, ny mpisoronabe dia nanana ny Orima sy ny Tomima izay nanomezan’i Jehovah Andriamanitra fitarihana tamin’ny fotoana nahadodona. (Eksodosy 28:29, 30). Ankoatra izany, ireo loholona ampy fahaizana dia solontenan’i Jehovah tao amin’ilay teokrasia, ary izy ireo dia nanara-maso ny fampiharana ny Lalàn’Andriamanitra. Raha dinihintsika ny fitantarana mikasika ny sasany amin’ireny lehilahy ireny, dia ho takatsika tsaratsara kokoa ny fomba tokony haneken’ny olombelona ny fanapahan’Andriamanitra.

Fahefana teo ambanin’ny teokrasia

6. Nahoana no nitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ho an’ny olombelona ny fitanam-pahefana ao amin’ny teokrasia iray, ary karazana olona nanao ahoana no nilaina tamin’io andraikitra io?

6 Ireo izay nanan-toeram-pahefana teo amin’ny Isiraely dia nanana tombontsoa lehibe, kanefa dia nitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ho azy ireo ny fitoerana ho nahay nandanjalanja. Tsy maintsy nitandrina izy ireo mba tsy hahatonga ny maha-izy azy ireo manokana ho zava-dehibe kokoa noho ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah. Marina teo amin’ireo Isiraelita ilay filazana ara-tsindrimandry hoe “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany”, ary toy izany koa izy io ho an’ny sisa amin’ny taranak’olombelona. Tsy niroborobo mihitsy ny Isiraely raha tsy nahatsiaro ireo loholona fa teokrasia iray ny Isiraely, ary tokony hanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo fa tsy ny azy manokana. Tsy ela taorian’ny niorenan’ny Isiraely, i Jetro rafozan-dahin’i Mosesy dia nilazalaza tsara ny amin’ny hoe tokony ho karazana lehilahy manao ahoana izy ireo, izany hoe ho “lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly”. — Eksodosy 18:21.

7. Tamin’ny fomba ahoana avy i Mosesy no ohatra tsara dia tsara ny amin’ny olona iray nanam-pahefana teo ambany fanapahan’i Jehovah Andriamanitra?

7 I Mosesy no voalohany nampihatra fahefana ambony teo amin’ny Isiraely. Ohatra tsara dia tsara izy raha ny amin’ny olona nitam-pahefana tao amin’ilay fandaharana teokratika. Marina aloha fa niharihary indray mandeha ny fahalemen’olombelona, kanefa dia niantehitra mandrakariva tamin’i Jehovah i Mosesy. Rehefa nipoitra ny zava-nanahirana izay mbola tsy voalamina, dia nitady ny fitarihan’i Jehovah izy. (Ampitahao amin’ny Nomery 15:32-36.) Ahoana no nahatoheran’i Mosesy ny fakam-panahy hampiasa ny toerana ambony nananany ho an’ny voninahiny manokana? Na dia nitarika firenena iray nisy olona an-tapitrisany maro aza izy, dia “nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Tsy nanana faniriana fisondrotana manokana izy fa niahy ny amin’ny voninahitr’Andriamanitra kosa. (Eksodosy 32:7-14). Ary nanam-pinoana natanjaka i Mosesy. Raha niresaka ny aminy talohan’ny nahatongavany ho mpitarika firenena, ny apostoly Paoly dia nilaza hoe: “Fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Hebreo 11:27). Mazava fa tsy nanadino mihitsy i Mosesy fa i Jehovah no tena Mpanapaka an’ilay firenena. (Salamo 90:1, 2). Ohatra tsara dia tsara toy inona moa izany ho antsika amin’izao andro izao!

8. Baiko inona no nomen’i Jehovah an’i Josoa, ary nahoana izany no mendrika homarihina?

8 Rehefa hita fa be loatra ho an’i Mosesy samy irery ny fanaraha-maso ny Isiraely, dia nametraka ny fanahiny tamin’ny loholona 70 i Jehovah, mba hanampy azy teo amin’ny fitsarana ilay firenena. (Nomery 11:16-25). Tamin’ireo taona tatỳ aoriana, dia samy nanana ny loholony avy ny tanàna tsirairay. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 19:12; 22:15-18; 25:7-9.) Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy, dia notendren’i Jehovah ho mpitarika ilay firenena i Josoa. Azontsika an-tsaina fa nanan-javatra be hatao i Josoa tamin’izany tombontsoa izany. Na dia izany aza, dia nilaza taminy i Jehovah fa nisy zavatra iray tsy tokony hohadinoiny mihitsy: “Tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo”. (Josoa 1:8). Mariho fa na dia efa nanompo hatramin’ny 40 taona mahery aza i Josoa, dia nila nanohy namaky ny Lalàna ihany izy. Isika koa dia mila mianatra ny Baiboly sy manavao ny saintsika raha ny amin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah — na hafiriana na hafiriana no efa nanompoantsika ary na firy na firy tombontsoa ananantsika. — Salamo 119:111, 112.

9. Inona no nitranga tamin’ny Isiraely tamin’ny andron’ireo mpitsara?

9 Nisy fifandimbasana mpitsara nanaraka taorian’i Josoa. Nampalahelo fa nandritra ny andron’izy ireo, dia matetika ireo Isiraelita no ‘nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah’. (Mpitsara 2:11). Mikasika ilay vanim-potoana nisy ny mpitsara, dia hoy ny fitantarana: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.” (Mpitsara 21:25). Samy nanao ny fanapahan-keviny ny amin’izay fitondran-tena sy fanompoam-pivavahana ny tsirairay, ary asehon’ny tantara fa nisy Isiraelita maro nanao fanapahan-kevitra ratsy. Nivily tany amin’ny fanompoan-tsampy izy ireo, ary indraindray dia nanao heloka bevava nahatsiravina. (Mpitsara 19:25-30). Ny sasany anefa dia naneho finoana fakan-tahaka. — Hebreo 11:32-38.

10. Tamin’ny ahoana ny fitondram-panjakana teo amin’ny Isiraely no niova tanteraka tamin’ny andron’i Samoela, ary inona no nitarika izany?

10 Nandritra ny androm-piainan’ilay mpitsara farany, i Samoela, dia nandalo fotoan-tsarotra mikasika ny fitondram-panjakana ny Isiraely. Voataonan’ireo firenena fahavalo nanodidina, izay samy notapahin’ny mpanjaka avy, ireo Isiraelita ka nanjohy hevitra fa nila mpanjaka koa izy ireo. Hadinon’izy ireo fa efa nanana Mpanjaka anie izy ireo, ary ny fitondram-panjakany dia teokrasia iray. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Samoela: “Tsy hianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.” (1 Samoela 8:7). Ny ohatr’izy ireo dia mampahatsiaro antsika fa mora aoka izany ny manary ny fomba fijerintsika ara-panahy ka ho voataonan’izao tontolo izao manodidina antsika. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 2:14-16.

11. a) Na dia teo aza ny fiovana teo amin’ny fitondram-panjakana, nahoana no azo lazaina fa mbola teokrasia iray ihany ny Isiraely teo ambany fanapahan’ireo mpanjaka? b) Baiko inona no nomen’i Jehovah an’ireo mpanjakan’ny Isiraely, ary noho ny fikendrena inona?

11 Na dia izany aza, dia nanaiky ny fangatahan’ireo Isiraelita i Jehovah ka nifidy ireo mpanjaka roa voalohany teo aminy, dia i Saoly sy i Davida. Nitohy ho teokrasia notapahin’i Jehovah ihany ny Isiraely. Mba hitadidian’ireo mpanjakany izany, ny tsirairay taminy dia voatery nanao ny kopian’ny Lalàna ho an’ny tenany manokana sy hamaky izany isan’andro, “mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny”. (Deoteronomia 17:19, 20). Eny, ny nirin’i Jehovah dia ny hoe: Ireo manana fahefana ao amin’ny teokrasiany dia tsy tokony hanandra-tena ary ny asany dia tokony hanome taratry ny Lalàny.

12. Fitantarana nampiseho fahatokiana inona no nomen’i Davida Mpanjaka?

12 Nanam-pinoana an’i Jehovah niavaka i Davida Mpanjaka, ka nanao fanekena taminy Andriamanitra fa ho rain’ny tarana-mpanjaka izay haharitra mandrakizay izy. (2 Samoela 7:16; 1 Mpanjaka 9:5; Salamo 89:29). Mendrika hotahafina ny faneken’i Davida tamim-panetren-tena an’i Jehovah. Hoy izy: “Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ny hiravoravoany amin’ny famonjenao!” (Salamo 21:1). Na dia nanao fahadisoana aza i Davida indraindray noho ny fahalemen’ny nofo, dia niantehitra tamin’ny herin’i Jehovah izy tamin’ny naha-mpanapaka azy, fa tsy tamin’ny an’ny tenany.

Asa sy fihetsika tsy teokratika

13, 14. Inona avy ny sasany amin’ireo fanaovan-javatra tsy teokratika nataon’ireo mpandimby an’i Davida?

13 Tsy sahala amin’i Mosesy sy i Davida avokoa akory ireo mpitondra isiraelita. Maro no nampiseho tsy fanajana niharihary an’ilay fandaharana teokratika, tamin’ny famelana ny hisian’ny fanompoam-pivavahan-diso teo amin’ny Isiraely. Nisy aza mpanapaka nahatoky mihitsy nanao zavatra tamin’ny fomba tsy teokratika indraindray. Tena nampalahelo ilay nanjo an’i Solomona izay nomena fahendrena sy fanambinana lehibe. (1 Mpanjaka 5:5, 9). Noho ny tsy firaharahana ny lalàn’i Jehovah anefa, dia naka vady maro izy ary namela ny fanompoan-tsampy hisy teo amin’ny Isiraely. Miharihary fa feno fampahoriana ny fanapahan’i Solomona tamin’ny fahanterany. — Deoteronomia 17:14-17; 1 Mpanjaka 11:1-8; 12:4.

14 I Rehoboama zanaka lahin’i Solomona dia niatrika fitakiana ny hanamaivanany ny fanompoan’ireo olom-peheziny. Tsy nandamina ilay tarehin-javatra tamim-pahalemem-panahy izy, fa nanambara tamim-pilana ady kosa ny fahefany — ary dia nafoiny ny 10 tamin’ireo foko 12. (2 Tantara 10:4-17). I Jeroboama no mpanjaka voalohany tamin’ilay fanjakan’ireo foko folo nisintaka. Nanao ezaka izy mba hiantohana ny tsy hiverenan’ny fanjakany mihitsy tany amin’ilay firenena nitovy taminy, ka dia nanangana fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely izy. Nety ho toa dingana ara-politika nampiseho hakingan-tsaina izany, kanefa dia nampiseho tsy firaharahana nibaribary ny teokrasia ilay izy. (1 Mpanjaka 12:26-30). Tatỳ aoriana, i Asa Mpanjaka dia namela ny avonavona hanimba ny tantaram-piainany, teo amin’ny faran’ny androm-piainana lava be nanompoany tamim-pahatokiana. Nentiny tamin’ny fomba ratsy ilay mpaminany izay tonga teo aminy niaraka tamin’ny torohevitra avy tamin’i Jehovah. (2 Tantara 16:7-11). Eny, na dia ireo efa tranainy aza indraindray dia mila torohevitra.

Ny faran’ny teokrasia iray

15. Fony i Jesosy teto an-tany, tamin’ny ahoana ireo mpitondra jiosy no tsy nahomby tamin’ny naha-olona nitam-pahefana azy tao anatin’ny teokrasia iray?

15 Fony i Jesosy Kristy teto an-tany, dia mbola teokrasia ihany ny Isiraely. Nampalahelo anefa fa tsy nanana toe-tsaina araka ny fanahy ny maro tamin’ireo loholona tompon’andraikitra teo aminy. Azo antoka fa tsy namboly ilay fahalemem-panahy nasehon’i Mosesy izy ireo. Nanondro ny fahasimban’izy ireo ara-panahy i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” — Matio 23:2, 3.

16. Ahoana no nampisehoan’ireo mpitondra jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa tsy nanaja ny teokrasia izy ireo?

16 Taorian’ny nanolorany an’i Jesosy tamin’i Pontio Pilato, dia nasehon’ireo mpitondra jiosy fa lasa lavitra izy ireo teo amin’ny fialany tamin’ny fanekena teokratika. Nandinika an’i Jesosy i Pilato ary nanatsoaka hevitra fa lehilahy tsy nanan-tsiny izy. Nitondra an’i Jesosy tany ivelany teo anatrehan’ny Jiosy i Pilato ka niteny hoe: “Indro ny Mpanjakanareo!” Rehefa niantsoantso ny hamonoana an’i Jesosy ny Jiosy, dia nanontany toy izao i Pilato: “Hohomboako amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo?” Namaly toy izao ireo lohan’ny mpisorona: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jaona 19:14, 15). Nanaiky an’i Kaisara ho mpanjaka izy ireo, fa tsy i Jesosy, ilay tonga ‘tamin’ny anaran’i Jehovah’! — Matio 21:9.

17. Nahoana ny Isiraely ara-nofo no nitsahatra tsy ho firenena teokratika?

17 Tamin’ny fandavany an’i Jesosy, dia nanda ny teokrasia ireo Jiosy, satria i Jesosy no tokony ho ny olona lehibe indrindra ao amin’ireo fandaharana teokratika ho avy. I Jesosy no ilay tarana-mpanjaka avy amin’i Davida izay hanjaka mandrakizay. (Isaia 9:5, 6; Lioka 1:33; 3:23, 31). Noho izany, dia nitsahatra tsy ho firenena voafidin’Andriamanitra ny Isiraely ara-nofo. — Romana 9:31-33.

Teokrasia vaovao iray

18. Teokrasia vaovao inona no teraka tamin’ny taonjato voalohany? Hazavao.

18 Tsy namarana ny teokrasia teto an-tany akory ny fandavan’Andriamanitra ny Isiraely ara-nofo. Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia nanorina teokrasia vaovao iray i Jehovah. Izany dia ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra izay firenena vaovao iray, raha ny marina. (1 Petera 2:9). Niantso azy io hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ny apostoly Paoly, ary tamin’ny farany ireo mpikambana tao aminy dia “avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny”. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 5:9, 10). Na dia manaiky ireo fitondram-panjakan’olombelona manapaka any amin’izay misy azy aza izy ireo, ny mpikambana amin’io teokrasia vaovao io dia azo antoka fa tapahin’Andriamanitra. (1 Petera 2:13, 14, 17). Tsy ela taorian’ny nahaterahan’ilay teokrasia vaovao, ireo mpanapaka teo amin’ny Isiraely ara-nofo dia nanandrana nanery ny mpianatra sasany hitsahatra tsy hankato baiko iray nomen’i Jesosy azy ireo. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Tena fomba fiheverana teokratika tokoa izany!

19. Tamin’ny heviny ahoana ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany no azo nantsoina hoe teokrasia?

19 Ahoana anefa no fiasan’ilay teokrasia vaovao? Nisy Mpanjaka iray, i Jesosy Kristy, izay nampiseho an’ilay Teokraty Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra. (Kolosiana 1:13). Na dia tsy hita maso any an-danitra aza ilay Mpanjaka, dia tena misy ho an’ny olom-peheziny ny fanapahany, ary mifehy ny fiainan’izy ireo ny teniny. Raha ny amin’ny fiandraiketana hita maso, dia nisy loholona ampy fahaizana notendrena. Nisy antokona lehilahy toy izany niasa tamin’ny naha-fitambara-mpitantana iray tao Jerosalema. Nisolo tena an’izany fitambaran’olona izany ireo loholona mpitety faritany sahala amin’i Paoly sy i Timoty ary i Titosy. Ary ny kongregasiona tsirairay dia nokarakarain’ny fitambaran-doholona iray. (Titosy 1:5). Rehefa nipoitra ny zava-nanahirana, ireo loholona dia naka hevitra tany amin’ny fitambara-mpitantana na tany amin’ny iray tamin’ireo solontenany sahala amin’i Paoly. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:2; 1 Korintiana 7:1; 8:1; 12:1.) Ankoatra izany, ny mpikambana tsirairay tao amin’ny kongregasiona dia samy nanana anjara asa teo amin’ny fanohanana ny teokrasia. Ny tsirairay dia samy nanana andraikitra teo anatrehan’i Jehovah hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina teo amin’ny fiainany. — Romana 14:4, 12.

20. Inona no azo lazaina mikasika ny teokrasia taorian’ny andron’ireo apostoly?

20 Nampitandrina i Paoly fa aorian’ny fahafatesan’ireo apostoly, dia hitombo ny fivadiham-pinoana, ka izany tokoa no nitranga. (2 Tesaloniana 2:3). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ny isan’ireo izay nilaza tena fa Kristiana dia niakatra ho an-tapitrisany maro, ary avy eo dia an-jatony tapitrisa maro. Nampitombo karazana fitondram-piangonana samy hafa izy ireo, toy ny fitondran’ny ambaratongam-pahefana ara-pivavahana sy ny fitondrana presbyteriana ary ny fitondrana tsy miankina. Na ny fitondran-tena na ny zavatra inoan’ireny fiangonana ireny anefa dia samy tsy nanome taratry ny fanapahan’i Jehovah. Tsy teokrasia izy ireny!

21, 22. a) Ahoana no namerenan’i Jehovah indray ny teokrasia mandritra ny fotoan’ny farany? b) Fanontaniana inona avy mikasika ny teokrasia no hovaliana manaraka?

21 Mandritra ny fotoan’ny farany ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy maintsy misy fanasarahana an’ireo Kristiana marina amin’ireo Kristiana sandoka. (Matio 13:37-43). Nitranga izany tamin’ny 1919, taona iray tena lehibe teo amin’ny tantaran’ny teokrasia. Tamin’izay fotoana izay, dia tanteraka ilay faminaniana be voninahitra ao amin’ny Isaia 66:8 hoe: “Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka?” Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia “eny” tsy misy isalasalana! Tamin’ny 1919 dia nisy indray ny kongregasiona kristiana tamin’ny naha-“firenena” voatokana azy. Teraka toy ny indray andro marina tokoa ny “tany” teokratika iray! Arakaraka ny androsoan’ny fotoan’ny farany, dia nasiana fanitsiana ny fandaminana io firenena vaovao io mba hahatonga azy hanakaiky araka izay farany azo atao an’ilay nisy tamin’ny taonjato voalohany. ​(Isaia 60:17). Teokrasia foana anefa izy io. Teo amin’ny fitondran-tena sy ny zavatra inoana, dia nanome taratry ny lalàna sy ny fotopoto-pitsipika ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina foana izy io. Ary nanaiky foana an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nahazo fiandrianana, izy io. — Salamo 45:17; 72:1, 2.

22 Tafakambana amin’io teokrasia io ve ianao? Manana toeram-pahefana ao anatiny ve ianao? Raha izany no izy, moa ve fantatrao ny dikan’ny hoe manao zavatra amin’ny fomba teokratika? Fantatrao ve ireo fandrika tokony hialana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana roa farany.

Azonao Hazavaina Ve?

◻ Inona no atao hoe teokrasia?

◻ Tamin’ny heviny ahoana ny Isiraely no teokrasia iray?

◻ Fandaharana inona no nataon’i Jehovah mba hampahatsiarovana an’ireo mpanjaka fa teokrasia iray ny Isiraely?

◻ Tamin’ny heviny ahoana no teokrasia ny kongregasiona kristiana, ary ahoana no nandaminana azy io?

◻ Fandaminana teokratika inona no naorina amin’izao androntsika izao?

[Sary, pejy 12]

I Kaisara no neken’ireo mpanapaka jiosy fa tsy ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah tamin’ny fomba teokratika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara