FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/1 p. 21-23
  • Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no tonga mpisava lalana ny sasany?
  • Afaka manampy ny hafa
  • Fifikirana amin’ny fanapahan-kevitrao
  • Fifaliana sy fitahiana maro be
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Afaka ny ho Mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • “Nahoana Raha Manao Mpisava Lalana?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/1 p. 21-23

Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana

“NY ASAN’NY mpisava lalana dia mendrika lavitra noho ny asa iray mahomby ivelan’ny fivavahana fidina hatao eo amin’ny fiainana. Tsy misy zavatra mahafa-po kokoa noho ny fanampiana olona hahazo fahalalana ny amin’i Jehovah sy ny fahamarinany.” Izany no nolazain’ny vehivavy kristiana iray izay nifidy ny asan’ny mpisava lalana — fitoriana ilay Fanjakana manontolo andro — hataony eo amin’ny fiainana. Firy ireo asa hafa fidina hatao eo amin’ny fiainana afaka manome fahasambarana toy izany?

Ny asan’ny mpisava lalana dia sady zava-kendrena mendri-kaja no tombontsoa sarobidy. Ahoana no ahafahan’ny olona iray mifidy fiainana toy izany? Inona no ilaina mba hifikirana ela amin’ny asan’ny mpisava lalana ka hahazo ny fitahiana atolotr’izy io?

Zavatra roa no tena ilaina. Voalohany, ny toe-piainana mety. Maro no manana toe-piainana izay mazava fa tsy ahafahany manao ny asan’ny mpisava lalana mihitsy. Ary faharoa, ny fahaizana sy ny toe-tsaina ara-panahy mety. Mazava ho azy fa, na mamela azy ho tonga mpisava lalana na tsia ny toe-piainan’ny olona iray amin’izao fotoana izao, dia ny rehetra kosa no afaka miezaka mba hivelaran’ireo toetra kristiana matotra.

Nahoana no tonga mpisava lalana ny sasany?

Inona avy ireo fahaizana ilaina mba hahombiazana amin’ny asan’ny mpisava lalana? Tena ilaina ny fahaizana mitory. Ilain’ireo mpisava lalana ny mahafantatra ny fomba fampiseho ny vaovao tsara amin’ny olon-kafa sy ny manao fiverenana mitsidika any amin’ireo olona liana ary ny mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Ny tsy fahampian’ireo fahaizana ireo dia mety hahakivy ny mpisava lalana iray. Zava-dehibe koa anefa ny zavatra hafa.

Ohatra, izay zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahantsika dia mifandray amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Voafaoka ao anatin’izany ny asan’ny mpisava lalana. Nanazava toy izao ny mpisava lalana tanora iray atao hoe Rado: “Ho an’ny tanora iray, dia tsy misy zavatra tsara dia tsara kokoa noho ny mahatsiaro an’i Jehovah sy ny mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana.” Eny, fomba iray tsara dia tsara hanehoan’ny tanora ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fifandraisany akaiky aminy, ny asan’ny mpisava lalana. — Mpitoriteny 12:1.

Tena ilaina koa ny fahalalana sy ny fahazoana hevitra. (Filipiana 1:9-11). Raha ny marina, dia izy ireo no solika mihazona ny milintsika ara-panahy handeha. Tsy azo avela ny fianarana manokana tsy tapaka mba tsy hanjary ho reraka ara-panahy, ka hamoy ny hafanam-po sy fahatapahan-kevitra mafy. Mazava ho azy fa ny fahalalana raisintsika dia tokony hisy heriny, tsy eo amin’ny saina ihany, fa eo amin’ny fo koa. (Ohabolana 2:2). Ankoatra ny fianarana manokana àry dia mila fotoana isika mba hivavahana sy hisaintsainana, mba hahatonga ny fahalalana azontsika hanohina ny fo. Aorian’izany, raha mamela antsika ny toe-piainana misy antsika, dia haniry ny ho tonga mpisava lalana isika. — Ampitahao amin’ny Ezra 7:10.

Ny firotsahana amin’ny asan’ny mpisava lalana koa dia mitaky toe-tsaina tia fahafoizan-tena. Ny tovolahy iray atao hoe Ron dia nahavita ny vinavina rehetra ho an’ny asan’ny mpisava lalana. Niandry ny toe-piainana mety fotsiny izy mba hahazoany hanomboka. Tamin’ny fomba voafaritra tsara, dia naniry asa iray izay sady hamela azy ho tonga mpisava lalana no hamela azy hifaly amin’ireo zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana izy. Rehefa nilaza izany tamin’ny anabavy matotra iray izy, dia nandona azy mafy ny valin-tenin’izy io. Hoy ilay anabavy taminy: “Mitahy ny asa atao i Jehovah, fa tsy ny fampanantenana.” Nahita asa iray kely karama kokoa, izay namela fotoana hanaovana ny asan’ny mpisava lalana ilay tovolahy. Ny fampiharana ny Matio 6:25-34 dia hanampy ny olona iray hahazo izay ilainy amin’ny fidiram-bola kely kokoa.

Ny fahavononana feno fanetren-tena hanaraka ireo fanipazan-kevitra tsara dia mety hanampy tsara amin’ny fidirantsika amin’ny asan’ny mpisava lalana. Teo am-panombohan’ny fiainany tamin’ny naha-Kristiana, dia namboly faniriana ny ho tonga mpisava lalana i Hanna. Nefa tsy tonga mpisava lalana izy teo am-pitaizana fianakaviana, ary tatỳ aoriana izy dia niditra tamin’ny raharaham-barotra. Tamin’ny fanarahany ny torohevitra tsara avy tamin’ireo loholona mailo, dia niala tamin’ny asa ivelan’ny fivavahana nahaliana nofidina natao teo amin’ny fiainana izy ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Mahita fifaliana lehibe izao i Hanna amin’ny fitondrana ny hafa ho amin’ny fanoloran-tena sy amin’ny fanampiana ireo nanjary tsy nitory intsony.

Ny fankasitrahana noho izay nentin’ny fahamarinana teo amin’ny fiainan’ny tena koa dia mety ho antony iray manosika ho tonga mpisava lalana. Hevero izay nitranga tamin’ny vehivavy iray ketraka lalina, izay teo an-dalam-paharavana ny fanambadiany. Niova tamin’ny fomba nanaitra izany toe-javatra izany rehefa nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ka nampihatra izany. Nientam-po noho izay nentin’ny fahamarinana ho azy izy, ka nanapa-kevitra fa ny fomba tsara indrindra hanehoany ny fankasitrahany dia ny fahatongavana ho mpisava lalana ary ny hanampy ny hafa. Izany no nataony, ary izao izy dia mahita fitahiana amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly maro sady manana fiainam-pianakaviana sambatra.

Afaka manampy ny hafa

Ny mpisava lalana dia matetika no mamokatra mpisava lalana hafa. I Rado izay voalaza tetsy ambony, dia enin-taona fony niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny mpisava lalana roa ny ray aman-dreniny. Fony izy mbola kely, dia niaraka tsy tapaka tamin’ireny mpitory manontolo andro ireny teny amin’ny asa fanompoana izy. Tonga mpisava lalana maharitra mihitsy i Rado fony izy 17 taona. Ny tovolahy hafa iray atao hoe Arno, dia notezaina tao amin’ny tokantrano kristiana iray, nefa nanjary nalemy ara-panahy. Tatỳ aoriana izy dia tapa-kevitra ny hamerina indray ny fahatanjahany ara-panahy, ary izao izy dia nilaza hoe: “Nahazo fampaherezana be dia be avy tamin’ireo mpisava lalana aho. Niaraka tamin’izy ireo aho, indrindra nandritra ireo andro fialan-tsasatry ny sekoly ary indraindray dia nahavita hatramin’ny 60 ora tao anatin’ny volana iray teny amin’ny asa fanompoana aho. Taorian’izany, dia tsy lehibe loatra ny dingana natao mba hahatongavana amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra [mitaky 90 ora isam-bolana].” Ny fisaintsainana ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 7:29-31 (NW ) mba tsy hampiasa amin’ny fomba feno an’izao tontolo izao, dia tena nanampy ny tanora toy izany.

Ny toe-tsain’ny mpisava lalana dia mamaka mora foana ao amin’ny tokantrano izay ametrahana ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany ary izay isian’ny ray aman-dreny mampirisika ny zanany hiditra amin’ny fanompoana manontolo andro. I Philo izay nihalehibe tao amin’ny tokantrano iray toy izany, dia nanao izao fanamarihana izao: “Maro no nanoro hevitra ahy hanohy ny fianarako, mba hiasa ho an’ny hoavy tsy ara-pivavahana. Nefa nanampy ahy ny ray aman-dreniko mba hanao safidy mampiseho fahendrena kokoa. Nilaza tamiko izy ireo fa raha tena naniry hanorina ho an’ny hoavy aho, dia tokony ho ny famatorana fifandraisana amin’i Jehovah no homeko laharam-pahamehana.”

Nilaza koa ny vehivavy tanora iray atao hoe Thamar fa ny antony nanaovany ny asan’ny mpisava lalana dia noho ny ohatra sy ny fiezahana nasehon’ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Tsy afaka milaza marina aho hoe oviana no nanana fomba fijery ara-panahy ny amin’ny fiainana, nefa fantatro fa tsy voajanahary tamiko izany. Ny fahazaran’ny ray aman-dreniko nandray anjara tsy tapaka tamin’ny asa fanompoana sy nanatrika ireo fivoriana, ary koa ny fitiavany lalina ny fahamarinana, dia nanampy ahy be dia be mba hanana fomba fijery ara-panahy.”

Fifikirana amin’ny fanapahan-kevitrao

Rehefa miditra amin’ny asan’ny mpisava lalana ny olona iray, ny faharetany amin’izany dia mamela azy handray soa feno amin’izany fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena izany. Misy torohevitra betsaka azo ampiharina azo omena mba hahatratrarana an’izany. Ohatra, ho tsara raha mianatra ny fomba handaharana ny fotoanany mba hahatonga izany hahitam-bokatra araka izay azo atao, ireo mpisava lalana. Kanefa, ny anton-javatra lehibe indrindra mitoetra dia ny fifandraisan’ilay olona amin’i Jehovah sy ny fandaminany.

Mifandray amin’izany ny toe-tsaina tia mivavaka. “Rehefa tonga tao amin’ny fahamarinana aho, dia naniry mafy mihitsy ho tonga mpisava lalana”, hoy i Cor. Kanefa, nitaky taminy ny rainy mba hamitany ny fianarany tany amin’ny Oniversite Momba ny Fambolena aloha. Rehefa afaka izany, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana i Cor. Tatỳ aoriana dia nanambady izy, ary niaraka taminy tamin’ny asan’ny mpisava lalana ny vadiny. Rehefa bevohoka ny vadiny, dia niatrika ny mety ho fialana amin’ny asan’ny mpisava lalana izy. “Nivavaka matetika tamin’i Jehovah aho ary nametraka teo anoloany ny fanirian’ny foko hanohy ny asan’ny mpisava lalana”, hoy i Cor. Tamin’ny farany, dia nahita ny karazana asa izay namela azy hanao ny asan’ny mpisava lalana izy sady hamelona fianakaviana iray.

Anton-javatra hafa iray, izay manampy ny olona iray mba haharitra amin’ny asan’ny mpisava lalana matetika, dia ny ho afa-po amin’ireo zavatra tena ilaina ara-nofo. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ ” (Hebreo 13:5). Ny hoe afa-po amin’ny zavatra eo am-pelatanana dia nanampy an’i Harry sy i Irene mba hitoetra ho mpisava lalana hatrany. Mpisava lalana efa hatramin’ny valo taona izao i Irene, izay jamba. “Tsy nihevitra na oviana na oviana ny toerana nisy anay ara-bola ho toy ny zava-manahirana izahay”, hoy izy. “Nitandrina fotsiny izahay mba tsy hitondra na oviana na oviana enta-mavesatra ara-bola tsy ilaina. Manisa foana ny vola lany izahay. Tsotra foana ny fiainanay, na dia tena nahafinaritra aza, ary nitondra fitahiana be dia be ho anay izany.”

Fifaliana sy fitahiana maro be

Rehefa mitodika any amin’ireo sivy taona nanaovany ny asan’ny mpisava lalana i Thamar, dia nilaza toy izao: “Manjary tena akaiky an’i Jehovah ianao, toy ny hoe nihazona ny tananao tokoa izy.” (Salamo 73:23). Tonga ao an-tsaina koa ireo fisedrana sasany. “Ny tsy fahatanterahako manokana ampian’ny an’ny hafa dia nahavelona ahiahy ahy tsy tapaka”, hoy ny teny nanampin’i Thamar. “Ankoatra izany, dia nijery ireo anadahy sy rahavavy izay nifidy fomba fiaina nahafa-po kokoa teo amin’ny lafiny ara-nofo aho, ary toa somary nanintona ny safidy nataony rehefa nandeha isam-baravarana tamin’ny ranonorana sy ny hatsiaka aho. Nefa, tao anatin’ny foko lalina tao dia tsy naniry na oviana na oviana hanakalo ny toerako aho. Zavatra hafa inona, ankoatra ny asan’ny mpisava lalana, no afaka mitondra fifaliana sy fahafaham-po ara-panahy ary fitahiana toy izany?” Ho sarobidy aminao ve ny fifaliana sy fitahiana toy izany?

Satria mandany fotoana betsaka amin’ny fanompoana kristiana ireo mpisava lalana, dia tsara toerana izy ireo mba hanampy olona maromaro hahazo ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nilaza toy izao i Harry sy i Irene voalaza tetsy aloha: “Misy tombontsoa maro tokony hananana ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, fa ny fanampiana ny vaovao liana iray handroso hatramin’ny fahatongavana ho mpanompon’i Jehovah no mahafinaritra indrindra amin’ny rehetra.”

Ny mpisava lalana hafa iray dia nilaza tsara ny toe-javatra rehefa nanambara toy izao: “Ny tenin’ny Ohabolana 10:22 dia voamarina tamin’izay nitranga tamiko: ‘Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.’ Imbetsaka no tanteraka tamiko io andinin-teny io nandritra ireo taona nanompoako an’i Jehovah.”

Ry ray aman-dreny, mandatsaka ao am-pon’ireo zanakareo ny faniriana ny ho tonga mpisava lalana ve ianareo? Ry mpisava lalana, miezaka mamelona an’io faniriana io ao amin’ny hafa ve ianareo? Ry loholona, manohana ny mpisava lalana ao amin’ny kongregasionanareo ve ianareo ary manao izay hanorenana ny toe-tsain’ny mpisava lalana ao amin’ny hafa? Enga anie hihabetsaka hatrany ny olon’i Jehovah ho voatosika handray fitahiana be dia be toy izany satria miditra ao amin’ny asan’ny mpisava lalana izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara