FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/1 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Ray ho An’ny Kamboty Ray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ampio sy Anehoy Fitiavana ny “Kamboty”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Kamboty Ray
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/1 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria ny Baiboly miresaka matetika ny amin’ny “zazalahy kamboty ray”, moa ve izany manondro tsy fiahiana firy an’ireo zazavavy?

Tsy izany velively.

Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia mampiasa ny fitenenana hoe “zazalahy kamboty ray” ao amin’ny andininy maro izay mampiseho ny fiahian’Andriamanitra an’ireo ankizy kamboty ray na reny. Nasehon’Andriamanitra mazava tsara izany fiahiana izany tao amin’ireo lalàna nomeny ny Isiraely.

Ohatra, nanambara toy izao Andriamanitra: “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny [zazalahy kamboty ray, NW ] akory hianareo, fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho [zazalahy kamboty ray, NW ] kosa ny zanakareo.” (Eksodosy 22:21-23). ​“Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly; manome rariny ny [zazalahy kamboty ray, NW ] sy ny mpitondratena Izy”. — Deoteronomia 10:17, 18; 14:29; 24:17; 27:19.

Fandikan-tenin’ny Baiboly maro no amakiana hoe “zaza kamboty ray” na “kamboty” eo amin’ireo andinin-teny ireo, ka mahafaoka amin’izany zazalahy sy zazavavy. Kanefa, ny fandikana toy izany dia tsy mihevitra ny fiavahana hita eo amin’ny teny hebreo fototra (ya·thohmʹ), izay milaza lahy. Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao kosa dia mampiasa ny dikany marina hoe “(ireo) zazalahy kamboty ray”, toy ny ao amin’ny Salamo 68:5, izay amakiana toy izao: “Rain’[ireo zazalahy kamboty ray, NW ] sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.” Miorina amin’ny fahatakarana tahaka izany ny teny hebreo fototra, ny matoanteny milaza vavy ao amin’ny Salamo 68:11 (NW ) dia ahazoana ny vakiteny toy izao: “Ny vehivavy mpilaza ny vaovao tsara dia andian-tafika lehibe.”a

Na dia “zazalahy kamboty ray” aza no dikan’ny ya·thohmʹ voalohany indrindra, izany dia tsy tokony horaisina amin’ny heviny hoe tsy misy fiahiana an’ireo zazavavy izay kamboty ray na reny. Ireo andinin-teny voatonona ireo sy ny hafa koa dia mampiseho fa nampirisihina hikarakara an’ireo vehivavy sy ireo mpitondratena ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 146:9; Isaia 1:17; Jeremia 22:3; Zakaria 7:9, 10; Malakia 3:5). Tao amin’ny Lalàna, Andriamanitra dia nampiditra koa fitantarana momba ny didim-pitsarana iray izay nanome antoka ny lova ho an’ireo zanakavavin’i Zelofada kamboty ray. Izany didy izany dia nanjary fitsipika nitondrana teo amin’ny fandaminana tarehin-javatra nitovy tamin’izany, ka dia nanohana araka izany ny zon’ireo zazavavy kamboty ray. — Nomery 27:1-8.

Tsy nanavakavaka izay lahy na vavy i Jesosy tamin’ny fampisehoana hatsaram-panahy tamin’ny ankizy. Izao kosa no vakintsika: “Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” — Marka 10:13-16.

Ny teny grika nadika hoe “zazakely” eto dia tsy milaza lahy na vavy. Ny boky mpanazava hevi-teny grika malaza iray dia milaza fa io teny io “dia ampiasaina amin’ny zazalahy sy zazavavy”. I Jesosy dia nampiseho taratry ny fiahiana ny ankizy rehetra, zazalahy sy zazavavy, toy ny nasehon’i Jehovah. (Hebreo 1:3; ampitahao amin’ny Deoteronomia 16:14; Marka 5:35, 38-42.) Tokony ho tsapa araka izany fa ny torohevitra hita ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny fikarakarana an’ireo “zazalahy kamboty ray”, dia mitovy amin’ny torohevitra ny amin’ny fomba tokony hiahiantsika an’ireo ankizy rehetra izay kamboty ray na reny na izy roa miaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Izao no vakina ao amin’ny Tanakh jiosy: “Ny TOMPO manome baiko; ny vehivavy izay mitondra ny vaovao dia andian-tafika lehibe.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara