FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/3 p. 21-23
  • “Ny Vava Fahanana, fa Tsy ny Tongotra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny Vava Fahanana, fa Tsy ny Tongotra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fombam-pandevenana nentin-drazana
  • Zavatra inoana nentin-drazana afrikana
  • Izay lazain’ny Baiboly
  • Nahoana no manao zavatra mahatonga ny tena hiavaka?
  • Tokony Homem-boninahitra ve ny Maty?
    Mifohaza!—1999
  • Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Halaviro ny Fanao Tsy Mampifaly An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/3 p. 21-23

“Ny Vava Fahanana, fa Tsy ny Tongotra”

Topy Maso Amin’ireo Fombam-pandevenana Afrikana Nentin-drazana

“TSY mba mandevina ry zareo ireny!” Izany dia fanambarana mahazatra atao momba ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika Andrefana. Fantatra tsara anefa fa tena mandevina ny Vavolombelona, raha ny marina.

Nahoana ny olona no milaza fa tsy mandevina ny Vavolombelon’i Jehovah? Manao izany izy satria ny Vavolombelona dia tsy manaraka ny maro amin’ireo fombam-pandevenana tiam-bahoaka eo an-toerana.

Fombam-pandevenana nentin-drazana

Mipetraka ao amin’ny vohitra kely iray ao Nizeria Afovoany i Aliu. Rehefa maty ny reniny, dia nampilaza tany amin’ireo havany ny amin’ilay fahafatesana izy, ary avy eo dia nandamina ny hisian’ny lahateny iray araka ny Soratra Masina hatao tao an-tranon-dreniny. Ilay lahateny nataon’ny loholona iray tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana dia nifantoka tamin’ny toetran’ny maty sy ilay fanantenana fananganana amin’ny maty mampahery resahina ao amin’ny Baiboly. Taorian’ilay lahateny, dia nalevina ny renin’i Aliu.

Faran’izay tafintohina ireo havana. Tamin’izy ireo, dia tsy misy fandevenana vita raha tsy misy fiandrasam-paty, izay mazàna atao ny alina aorian’ny nahafatesan’ny olona iray. Eo amin’ny tany ama-monina misy an’i Aliu, ny fiandrasam-paty dia fotoan’ny fankalazana fa tsy fisaonana. Ampandroina ilay faty, dia ampiakanjoana fotsy, ary atsotra eo am-pandriana. Ireo mana-manjo dia mampaka mpilalao zavamaneno, mividy labiera amin’ny kesika sy toakan-drofia amin’ny damizana, ary mandamina ny hisian’ny omby iray na osy iray hatao sorona. Avy eo dia tonga ny havana aman-tsakaiza mba hihira sy handihy ary hihinana sy hisotro mandra-maraina.

Mandritra ireo lanonana ireo, dia misy sakafo apetraka eo an-tongotr’ilay faty. Misy ampahany amin’ny volon’ilay olona maty sy ny hohon-tanany ary ny hohon-tongony tapahina sy atokana ho amin’ny “fandevenana faharoa”. Atao izy io andro na herinandro, na taona maro mihitsy aza atỳ aoriana.

Ny andro manaraka ny fiandrasam-paty, dia alevina ilay faty, kanefa ireo fombafomba fankalazana amin’ny fandevenana dia mitohy mandritra ny herinandro na maharitra kokoa. Atao ny fandevenana faharoa atỳ aoriana. Ilay ampahany amin’ny volo sy hohon-tanana ary hohon-tongotra dia fonosina ao anaty lamba fotsy izay afatotra amin’ny hazo fisaka iray metatra sy sasany na iray metatra sy valopolo. Ao anatin’ny filaharan’olona mihira sy mandihy, dia entina mankany am-pasana ilay hazo fisaka ka alevina eo akaikin’ilay olona asehony. Eto indray dia misy mozika be sy fisotroana be ary fihinanam-be. Amin’ny faran’ireo fomba fanao amin’ny fandevenana, dia apoaka indray mandeha atao tifi-danitra ny basy iray.

Koa satria tsy namela ny hisian’ny iray tamin’ireo zavatra ireo i Aliu, dia nampangaina ho tsy nanaja ny maty sy ny fomban-drazana izay anajana azy ireo, izy. Nahoana anefa i Aliu, izay Vavolombelon’i Jehovah, no tsy nety nanaraka ny fomban-drazana? Satria tsy afaka nanaiky tamim-pieritreretana madio an’ireo hevitra ara-pivavahana izay iorenan’ireny fomban-drazana ireny izy.

Zavatra inoana nentin-drazana afrikana

Manerana an’i Afrika, ny olona dia mino fa ny olombelona rehetra dia samy avy any amin’ny faritra ara-panahy avokoa ary hiverina any. Ny Yorobà any Nizeria dia milaza hoe: “Ny tany dia tsena iray, fa ny lanitra kosa no fonenana.” Ary fitenin’ny Ibo ny hoe: “Izay rehetra tonga eto amin’itỳ tontolo itỳ dia tsy maintsy hiverina hody, na hafiriana na hafiriana izy no mitaraikiraiky eto an-tany.”

Diniho ireo fomba voalaza teo aloha. Ny zava-kendrena amin’ilay fiandrasam-paty dia ho firariana an’ilay fanahy ho tody soa any amin’izay alehany. Ny akanjo fotsy dia heverina fa fitafiana mety ho an’ny faritra ara-panahy. Ny fametrahana sakafo eo an-tongotra dia ampifandraisina amin’ilay hevitra hoe ilay faty dia mihinana amin’ny alalan’ny ranjo, ary tsy maintsy omen-tsakafo izy mba tsy ho noana eny an-dalana mankany amin’ny tanin’ireo razana.

Ambonin’izany, ny olona amin’ny ankapobeny dia mino fa rehefa mandao ny vatana ny fanahy, dia mihelohelo eny akaikin’ny velona izy, ary tsy miverina any amin’ireo razana mandra-pamela azy handeha amin’ny farany amin’ny alalan’ilay fandevenana faharoa. Raha tsy atao ilay fandevenana faharoa, dia atahoran’ny olona ho tezitra ilay fanahy ka hamely ny velona amin’ny aretina sy ny fahafatesana. Ny fanapoahana basy dia “fandroahana ilay fanahy” hankany an-danitra.

Na dia miovaova be arakaraka ny toerana aza ireo fombam-pandevenana atsy Afrika, ny hevitra fototra mazàna dia hoe tsy miara-maty amin’ny vatana ny fanahy. Ny zava-kendrena fototra amin’ireo fombafomba dia ny fanampiana ilay fanahy mba hanaiky an’ilay “fiantsoana hody”.

Ireny zavatra inoana sy fanao ireny dia nampirisihan’ireo foto-pampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, mikasika ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona sy ny fankamasinany ireo “olo-masina”. Mahazatra ilay fanazavana nataon’ny pretran’ny tafika tany Swaziland, izay nilaza fa i Jesosy dia tonga, tsy handrava ireo zavatra inoana nentin-drazana akory, fa mba hanatanteraka na hanamafy izany kosa. Koa satria mazàna ireo mpitondra fivavahana no mitarika ireo fomba fanao amin’ny fandevenana, dia misy olona maro mihevitra fa ny Baiboly dia manohana ireo zavatra inoana nentin-drazana sy ireo fomba izay nivoaka avy amin’izany.

Izay lazain’ny Baiboly

Manohana ireo zavatra inoana ireo ve ny Baiboly? Izao no ambaran’ny Mpitoriteny 3:20 mikasika ny toetran’ny maty: “Izy rehetra [ny olona sy ny biby] samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” Hoy ny Soratra Masina ho fanampin’izany: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...) Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona (...); tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

Ireo andinin-teny ireo sy ny hafa dia mampiseho mazava fa ny maty dia tsy afaka mahita antsika, na mandre antsika, na manampy antsika, na manisy ratsy antsika. Tsy mifanaraka amin’izay efa voamarikao ve izany? Mety hahafantatra lehilahy nanankarena sy nanan-kery iray izay maty ianao, ka taorian’izay ny fianakaviany dia nijaly, na dia nanatanteraka tamin’ny fomba feno ireo fombafomba fankalazana fandevenana fanao aza. Raha velona any amin’ny faritra ara-panahy io lehilahy io, nahoana izy no tsy manampy ny fianakaviany? Tsy afaka manao izany izy satria marina izay lazain’ny Baiboly — tsy manana aina tokoa ny maty, “tsy manan-kery ao amin’ny fahafatesana”, ary noho izany dia tsy afaka manampy na iza na iza. — Isaia 26:14, NW.

Fantatr’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, fa marina izany. Diniho izay nitranga taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy. Izao no ambaran’ny Baiboly: “Hoy Izy [Jesosy] taminy [ireo mpianany]: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany”. — Jaona 11:11-13.

Mariho fa ny fahafatesana dia nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso, tamin’ny fialan-tsasatra. Teo am-pahatongavany tany Betania, dia nampionona an’i Maria sy i Marta, anabavin’i Lazarosy, izy. Nentanim-pangorahana i Jesosy ka nitomany. Izy anefa dia tsy niteny na nanao na inona na inona izay nanipy hevitra ny amin’ny hoe i Lazarosy dia manana fanahy mbola velona ka maniry fanampiana mba hahatongavana any amin’ny tanin’ireo razany. Nanao izay nolazainy fa hataony kosa i Jesosy. Nanaitra an’i Lazarosy tamin’ny torimasom-pahafatesana izy, tamin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty. Izany dia nanome porofo fa, amin’ny farany, Andriamanitra dia hampiasa an’i Jesosy mba hanangana izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana. — Jaona 11:17-44; 5:28, 29.

Nahoana no manao zavatra mahatonga ny tena hiavaka?

Misy maha-ratsy azy ve ny fanekena ireo fombam-pandevenana izay miorina amin-javatra inoana tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina? Mino i Aliu sy ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro hafa fa misy maha-ratsy izany. Fantatr’izy ireo fa tsy mety — fihatsarambelatsihy mihitsy aza — ho azy ireo ny manohana izay fanao rehetra miharihary fa miorina amin’ny foto-pampianarana diso sy mamitaka. Tsy irin’izy ireo ny ho toy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay nomelohin’i Jesosy noho ny fihatsarambelatsihiny ara-pivavahana. — Matio 23:1-36.

Nampitandrina an’i Timoty mpiara-miasa taminy toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga”. (1 Timoty 4:1, 2). Fampianaran’ny demonia ve ilay fiheverana fa ireo maty eo amin’ny olombelona dia mbola velona any amin’ny faritra ara-panahy?

Eny, izany no izy. I Satana Devoly, ilay “rain’ny lainga”, dia nilaza tamin’i Eva fa tsy ho faty izy, tamin’ny fandrosoana hevitra fa ho velona hatrany ao amin’ny nofo izy. (Jaona 8:44; Genesisy 3:3, 4). Izany akory tsy mitovy amin’ny filazana hoe miaina aorian’ny fahafatesan’ny vatana ny fanahy tsy mety maty iray. Kanefa dia miezaka mafy mba hampiala ny olona amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Satana sy ny demoniany, amin’ny fampandrosoana ilay hevitra hoe mitohy aorian’ny fahafatesana ny fiainana. Noho izy ireo mino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manana anjara amin’ireo fiheverana sy fanao izay manohana ny laingan’i Satana. — 2 Korintiana 6:14-18.

Amin’ny fanalavirana ireo fanao amin’ny fandevenana tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina, dia mizaka ny tsy fankasitrahan’ny sasany izay tsy miray hevitra aminy ny mpanompon’i Jehovah. Tsy nomena lova ny Vavolombelona sasany. Ny hafa nailikiliky ny havany. Amin’ny maha-tena Kristiana azy ireo anefa, dia takany fa ny fankatoavana amim-pahatokiana an’Andriamanitra dia mahatonga ny tsy fankasitrahan’izao tontolo izao. Sahala amin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy tsy nivadika, dia tapa-kevitra ny ‘hankato an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’ izy ireo. — Asan’ny Apostoly 5:29; Jaona 17:14.

Na dia mankamamy ny fahatsiarovana ireo olon-tiany izay matory ao amin’ny fahafatesana aza ny tena Kristiana, dia miezaka maneho fitiavana ny velona izy ireo. I Aliu, ohatra, dia naka an-dreniny tany an-tranony taorian’ny nahafatesan-drainy, ary namelona sy nikarakara azy nandritra ny sisa tamin’ny androm-piainany. Rehefa milaza ny hafa fa tsy niraharaha an-dreniny i Aliu, noho izy tsy nandevina azy araka ny fomba tiam-bahoaka, dia asiany fitenenana ny amin’ilay fiteny lazaina mahazatra eo amin’ny olona hoe: “Fahano aloha ny vavako alohan’ny hamahananao ny tongotro.” Ny famahanana ny vava, na ny fikarakarana olona iray faha-velony, dia zava-dehibe lavitra noho ny famahanana ny tongotra, dia ilay fanao voalazalaza teo aloha izay ampifandraisina amin’ny fiandrasam-paty aorian’ny ahafatesan’ilay olona. Tsy mitondra soa velively ho an’ilay maty, raha ny marina, ny famahanana ny tongony.

Nanontany ireo mpanakiana azy toy izao i Aliu: ‘Inona no tianareo kokoa: ny hikarakaran’ny fianakavianareo anareo amin’ny fahanteranareo sa ny handaminan’izy ireo fankalazana lehibe aorian’ny hahafatesanareo?’ Ny ankamaroany dia nifidy ny hokarakaraina faha-velona. Ankasitrahan’izy ireo koa ny fahafantarana fa, raha sanatria ka maty izy ireo, dia hahazo fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana mendri-kaja miorina amin’ny Baiboly sy fandevenana mihaja.

Izany no iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatao ho an’ireo olon-tiany. Ny vava no fahanan’izy ireo fa tsy ny tongotra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara