Marisika Ireo Mpitory Ilay Fanjakana any Amin’ny Tany Rehetra
“Ho vavolombeloko [ianareo] (...) hatramin’ny faran’ny tany.” — ASAN’NY APOSTOLY 1:8.
1. Hafatra inona no nolazain’i Jesosy fa hambaran’ireo mpanara-dia azy amin’izao androntsika izao?
REHEFA nilazalaza ny amin’ilay asa nanirahan’i Jehovah ny Zanany mba hataony teto an-tany i Jesosy, dia nilaza hoe: “Tsy maintsy mitory ny [vaovao tsara, NW ] ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra (...) Aho”. (Lioka 4:43). Toy izany koa fa, fony izy nilaza ny amin’ilay asa hataon’ny mpianany eto an-tany amin’ny fiverenany hanana ny fahefan’ny mpanjaka, dia niteny toy izao i Jesosy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ny, NW ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.
2. a) Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fampahafantarana be dia be ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Fanontaniana inona no tokony hataontsika rehetra amin’ny tenantsika?
2 Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny vaovao momba ny Fanjakan’Andriamanitra? Nahoana no mitaky ny fampahafantarana azy io be dia be toy izany ilay Fanjakana? Satria ilay Fanjakana Mesianika no hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. (1 Korintiana 15:24-28). Amin’ny alalany, i Jehovah dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny fandehan-javatr’i Satana ankehitriny, ary hanatanteraka ny fampanantenany hitahy ny fianakaviana rehetra amin’ny tany. (Genesisy 22:17, 18; Daniela 2:44). Tamin’ny fanaovana izay hisian’ny fitoriana ilay Fanjakana no nahitan’i Jehovah an’ireo izay nohosorany tatỳ aoriana mba ho mpiara-mandova amin’ny Zanany. Amin’ny alalan’ny fanambarana an’ilay Fanjakana, dia misy asa fanasarahana koa tanteraka amin’izao andro izao. (Matio 25:31-33). Tian’i Jehovah ny hampahalalana ny fikasany amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Tiany ny hananan’izy ireo fahafahana hifidy ny fiainana amin’ny maha-olom-pehezin’ny Fanjakany. (Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 13:47). Moa ve ianao mandray anjara feno amin’ny fanambarana io Fanjakana io?
Fanampoizana ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa
3. a) Inona ilay foto-kevitra tena nifanentana nasongadin’i C. T. Russell tamin’ny diany tany am-boalohany mba handaminana antokon’olona hianatra ny Baiboly? b) Inona no takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany ireo mikasika ny toerana tokony hotanan’ny Fanjakan’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo?
3 Tamin’ny 1880, i Charles Taze Russell, ilay mpampanonta voalohany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, dia nanao dia nanerana ny faritra avaratra-atsinanan’i Etazonia mba hampirisihana ny fiforonan’ny antokon’olona hianatra ny Baiboly. Tena nifanentana ilay foto-kevitra noresahiny hoe “Zavatra Mifandray Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Araka ny hita taratra tao amin’ireo nomerao voalohan’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ireo Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah) dia nahatakatra fa raha te ho hita ho mendrika ny hahazo anjara ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, dia tsy maintsy nanao ilay Fanjakana ho ny zavatra nahaliana azy voalohany izy ireo, tamin’ny fampiasana tamim-pifaliana ny fiainany sy ny fahaizany ary ny fananany ho fanompoana azy io. Ny zavatra hafa rehetra teo amin’ny fiainana dia tsy maintsy naka ny toerana faharoa. (Matio 13:44-46). Ny andraikitr’izy ireo dia nahatafiditra ny fanambarana tamin’ny hafa ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Isaia 61:1, 2). Hatraiza no nanaovan’izy ireo izany talohan’ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914?
4. Hatraiza no nizaran’ilay andian’olom-bitsy nisy ny Mpianatra ny Baiboly zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, talohan’ny 1914?
4 Nanomboka tamin’ireo taona 1870 ka hatramin’ny 1914, ireo Mpianatra ny Baiboly dia somary vitsy an’isa ihany. Tamin’ny 1914, dia tsy nisy afa-tsy 5 100 teo ho eo monja no narisika nandray anjara tamin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso. Kanefa niavaka toy inona moa izany fanambarana izany! Tamin’ny 1881, roa taona monja taorian’ny namoahana voalohany Ny Tilikambo Fiambenana, dia nanomboka nizara ilay zavatra vita an-tsoratra 162 pejy hoe Hanina ho An’ny Kristiana Mieritreritra (anglisy) izy ireo. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nizara 1 200 000 tamin’izany izy ireo. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia taratasy mivalona am-polo tapitrisany maro no voazara isan-taona tamin’ny fiteny maro.
5. Iza moa ireo colporteurs, ary karazana toe-tsaina manao ahoana no nasehon’izy ireo?
5 Nanomboka tamin’ny 1881 koa, ny sasany dia nanolo-tena hanao ny asan’ny colporteurs mpitory ny Filazantsara. Izy ireo no mpialoha lalana ny mpisava lalana (mpitory ny Filazantsara manontolo andro) amin’izao andro izao. Ny sasany tamin’ireo colporteurs, nandeha an-tongotra na bisikilety, dia nitory manokana saiky tany amin’ny faritra rehetra tamin’ilay tany nonenany. Ny hafa nankany amin’ireo faritany tany an-tany hafa, ka izy ireo no voalohany nitondra ny vaovao tsara tany amin’ny tany toa an’i Failandy sy i Barbade ary i Birmania (Myanmar ankehitriny). Naneho zotom-pon’ny misionera izy ireo, toy ny an’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. — Lioka 4:43; Romana 15:23-25.
6. a) Tonga hatraiza ny dia nataon’ny Rahalahy Russell mba hampielezana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? b) Zavatra hafa inona koa no natao mba hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireo faritany tany an-tany hafa talohan’ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa?
6 Ny tenan’ny Rahalahy Russell mihitsy dia nanao dia betsaka mba hampielezana ny fahamarinana. Niverimberina nankany Kanada izy; nanao lahateny tany Panama sy Jamaika ary Cuba; nanao dia am-polony maro nankany Eoropa; ary nanodidina ny tany tamin’ny dia natao hitoriana ny Filazantsara. Naniraka lehilahy hafa koa izy mba hanomboka sy hitarika ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireo faritany tany an-tany hafa. I Adolf Weber dia nirahina nankany Eoropa tany antenatenan’ireo taona 1890, ary ny fanompoany dia tonga hatrany Soisa sy Frantsa, Italia, Alemaina ary Belzika. I E. J. Coward dia nalefa tany amin’ny faritr’i Caraïbes. I Robert Hollister dia notendrena ho any Orient tamin’ny 1912. Tany dia nisy taratasy mivalona manokana nomanina tamin’ny fiteny folo, ary an-tapitrisany maro tamin’izany no naparitak’ireo teratany mpizara nanerana an’i India, i Sina sy i Japana ary i Korea. Raha niaina tamin’izany ianao, moa ve ny fonao ho nanosika anao hanao ezaka tamim-pahatsorana mba hanatratrarana ny hafa tao amin’ny fiaraha-monina nisy anao sy ny ankoatr’izany, tamin’ny vaovao tsara?
7. a) Ahoana no nampiasana gazety mba hanamafisana ilay fitoriana? b) Inona ilay “Photo-Drame de la création”, ary firy ny olona nahita azy io tao anatin’ny herintaona monja?
7 Rehefa nanakaiky ny fiafarany ny Andron’ny Jentilisa, dia nampiasaina ireo gazety mba hamoahana ireo toriteny ara-baiboly nataon’ny Rahalahy Russell. Ny noantitranterin’izy ireny voalohany indrindra dia tsy ny taona 1914 akory, fa ny fikasan’Andriamanitra sy ny naha-azo antoka ny fahatanterahan’izany kosa. Gazety nahatratra 2 000 niara-nivoaka, ka nahatratra mpamaky 15 000 000, no nampisongadina tsy tapaka ireny toriteny ireny. Avy eo, raha vao nanangasanga ny taona 1914, ny Fikambanana dia nanomboka ny fampisehoany ampahibemaso ny “Photo-Drame de la création”. Tamin’ny fampisehoana efatra naharitra adiny 2 avy, izy io dia nampiseho ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly nanomboka tamin’ny famoronana ka hatramin’ny Fanjakana Arivo Taona. Tao anatin’ny herintaona monja, dia mpanatrika maherin’ny sivy tapitrisa tany Amerika Avaratra, Eoropa sy Aostralia ary Nouvelle-Zélande no nahita azy io.
8. Tamin’ny 1914, tany firy no tratran’ireo Mpianatra ny Baiboly tamin’ny vaovao tsara?
8 Araka ny firaketana an-tsoratra misy, tamin’ny tapany faran’ny 1914, io andiana mpitory ny Filazantsara be zotom-po io dia nampiely ny fanambarany ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny tany 68.a Kanefa mbola fiandohany fotsiny izany!
Fanambarana tamin-jotom-po ilay Fanjakana efa miorina
9. Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika tany Cedar Point, ahoana no nanomezana tosika manokana ny asa fitoriana ilay Fanjakana?
9 Rehefa nivory tao Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1919 ny Mpianatra ny Baiboly, i J. F. Rutherford, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nanambara hoe: “Ny asa efa nanokanantsika tena ary mbola anokanantsika tena, dia ny fanambarana ny fahatongavan’ny fanjakana be voninahitry ny Mesia.” Tany amin’ny fivoriamben’ny distrika faharoa tany Cedar Point tamin’ny 1922, ny Rahalahy Rutherford dia nanasongadina fa, tamin’ny fifaranan’ny Andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914, ‘ny Mpanjakan’ny voninahitra dia nandray ny fahefany lehibe ary nanomboka nanjaka’. Nanaraka izany dia napetrany tsy niolakolaka tamin’ny mpihaino ilay raharaha niadian-kevitra, tamin’ny filazana hoe: “Mino ve ianareo fa ny Mpanjakan’ny voninahitra dia nanomboka ny fanjakany? Miverena àry any amin’ny saha, ry zanaky ny Andriamanitra avo indrindra! (...) Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy mahafantatra izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ireo tompo. Itỳ no andro iray toa zato. Jereo fa manjaka ny Mpanjaka! Ianareo no masoivoho mpampahafantatra azy.”
10, 11. Ahoana no nampiasana tamin’ny fomba nandaitra ny radio sy ny fiara nisy fanamafisam-peo ary ny takelaka nisy soratra mba hanatratrarana ny olona tamin’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana?
10 Maherin’ny 70 taona izay no lasa hatramin’ireny fivoriambe tany Cedar Point ireny — efa ho 80 taona hatramin’ny nanombohan’i Jehovah naneho ny fiandrianany tamin’ny alalan’ny fanapahana Mesianikan’ny Zanany. Hatraiza no tena nanatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa voasoritra ho azy ireo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Inona no anjaranao manokana amin’izany?
11 Tany am-piandohan’ireo taona 1920, dia nanjary nisy ny radio, dia fitaovana azo nampiasaina mba hampahafantarana be dia be ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nandritra ireo taona 1930, ireo lahateny tamin’ny fivoriamben’ny distrika izay nampisongadina ilay Fanjakana ho ny fanantenan’izao tontolo izao dia nampitaina tamin’ny alalan’ny radio na ny mifandray aminy, sy tamin’ny telefaonina izay nahatratra ny tany manontolo. Nampiasaina koa ireo fiara nisy fanamafisam-peo mba handefasana teny an-kalamanjana, lahateny ara-baiboly noraisina feo. Avy eo, tamin’ny 1936, tany Glasgow, any Ekosy, ireo rahalahintsika dia nanomboka niambozona takelaka nisy soratra raha nandeha nilahatra teny amin’ireo faritra feno fivarotana mba hampahafantarana ireo lahateny ampahibemaso. Izany rehetra izany dia fomba nandaitra nanaovana fanambarana tamin’ny olona maro tamin’ny fotoana izay mbola naha-vitsy ny isantsika.
12. Araka ny asehon’ny Soratra Masina, inona ny iray amin’ireo fomba mandaitra indrindra mba hanaovantsika fanambarana isam-batan’olona?
12 Mazava ho azy fa ny Soratra Masina dia mampahafantatra mazava fa, amin’ny maha-Kristiana antsika, ny tsirairay amintsika dia manana ny andraikitra hanao fanambarana. Tsy afaka ny hamela fotsiny ireo lahatsoratra an-gazety na ny fampielezam-peo amin’ny radio hanao ilay asa, isika. Kristiana tsy nivadika an’arivony maro — lehilahy, vehivavy, tanora — no nanaiky izany andraikitra izany. Ho vokatr’izany, dia nanjary marika famantarana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitoriana isan-trano. — Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20.
Fanatratrarana ny tany onenana manontolo
13, 14. a) Nahoana no misy Vavolombelona sasany mifindra any amin’ny tanàna hafa, any an-tany hafa mihitsy aza, mba hanohizana ny fanompoany? b) Tamin’ny ahoana ny fiahiana feno fitiavana an’ireo olona any amin’ny tany nahaterahan’ny tena no nanampy mba hampielezana ny vaovao tsara?
13 Noho ny fahafantarana fa ny hafatra momba ilay Fanjakana dia tsy maintsy torina amin’ny tany onenana manontolo, ny sasany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nieritreritra tsara ny amin’izay azon’ny tenany atao mba hahatratrarana ny faritra ivelan’ny fiaraha-monina nisy azy.
14 Olona maro no nianatra ny fahamarinana rehefa avy nifindra niala tamin’ny toerana nahaterahany. Na dia nety ho nifindra mba hahazoana tombontsoa ara-nofo aza izy ireo, dia nahita zavatra sarobidy kokoa, ary ny sasany dia nahatsiaro ho voatery hiverina tany amin’ny tany na ny fiaraha-monina nahaterahany mba hizara ny fahamarinana tany. Araka izany, tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, ny fitoriana ny vaovao tsara dia niitatra nankany Skandinavia, Gresy, Italia, ireo tanin’i Eoropa Atsinanana sy faritra maro hafa. Na dia amin’izao fotoana izao aza, ao anatin’ireo taona 1990, dia miely amin’ny fomba mitovy amin’izany ny hafatra momba ilay Fanjakana.
15. Nandritra ireo taona 1920 sy 1930, inona no vitan’ny sasany izay nanana fihetsika nitovy tamin’ilay voalaza ao amin’ny Isaia 6:8?
15 Rehefa nampihatra teo amin’ny fiainany ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ny sasany dia afaka nanaiky hampiasaina ho amin’ny fanompoana tany amin’ireo toerana izay mbola tsy niainany taloha. Iray amin’ireny i W. R. Brown (matetika nantsoina hoe “Brown Baiboly”). Tamin’ny 1923, dia nifindra avy tany Trinité nankany Afrika Andrefana izy mba hampandroso ny asa fitoriana ny Filazantsara. Nandritra ireo taona 1930, i Frank sy i Gray Smith, i Robert Nisbet, ary i David Norman dia anisan’ireo izay nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana hatrany amin’ny moron-tsiraka atsinanan’i Afrika. Nisy hafa nanampy tamin’ny fambolena ny faritany tany Amerika Atsimo. Teo am-piandohan’ireo taona 1920, i George Young, Kanadianina iray, dia nandray anjara tamin’ny asa tany Arzantinina sy Brezila, Bolivia sy Chili ary Peroa. I Juan Muñiz, izay nanompo tany Espaina, dia nanohy ny asa tany Arzantinina sy Chili sy Paraguay ary Uruguay. Ireo rehetra ireo dia naneho toe-tsaina sahala amin’ilay voalaza ao amin’ny Isaia 6:8 hoe: “Inty aho, iraho aho.”
16. Taiza, ankoatra ireo foibe lehibe feno mponina, no nanaovana fitoriana nandritra ireo taona talohan’ny ady?
16 Ny fitoriana ny vaovao tsara dia nahatratra na dia ireo faritra lavitra be aza. Nisy sambo nentin’ny Vavolombelona nitsidika ireo tanàna kelin’ny mpanjono rehetra any Newfoundland sy ny moron-tsiraka norvezianina any amin’i Arktika, ireo nosin’i Pasifika, ary ireo seranan-tsambo any Azia Atsimo-Atsinanana.
17. a) Tamin’ny 1935, tany firy no efa tratran’ny Vavolombelona? b) Nahoana no tsy vita ny asa tamin’izay?
17 Mahazendana fa, tamin’ny taona 1935, ny Vavolombelon’i Jehovah dia efa nitory tany amin’ny tany 115, ary nahatratra tany 34 hafa, na tamin’ny dia natao hanaovana fitoriana izany na tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra nalefa tamin’ny paositra. Mbola tsy vita anefa ny asa. Tamin’io taona io, dia nosokafan’i Jehovah ny mason’izy ireo mikasika ny fikasany hanangona “vahoaka betsaka” izay ho tafita velona ka hiditra avy hatrany ao amin’ilay tontolony vaovao. (Apokalypsy 7:9, 10, 14, NW ). Mbola nisy fitoriana betsaka mbola tokony hatao!
18. Teo amin’ny asa fanambarana ilay Fanjakana, anjara asa inona avy no noraisin’ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana?
18 Na dia rehefa nanafotra ny tany aza ny Ady Lehibe Faharoa, ary nisy ny fandrarana ireo zavatra vita an-tsoratra na ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany am-polony maro, dia nanokatra ny varavarany ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower mba hampiofana ireo ho misionera mba hanatanteraka asa lehibe kokoa, dia ny fanambarana ilay Fanjakana maneran-tany. Amin’izao fotoana izao, ireo nahazo diplaoma avy tany Gileada dia efa nanompo tany amin’ny tany maherin’ny 200. Nanao zavatra bebe kokoa izy ireo, fa tsy hoe nametraka zavatra vita an-tsoratra fotsiny, avy eo dia nanohy ny diany. Nitarika fampianarana Baiboly izy ireo, nandamina kongregasiona ary nampiofana olona mba hiantsoroka andraikitra teokratika. Vao haingana kokoa, dia nisy loholona sy mpikarakara momba ny asa izay nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, nanampy koa mba hanomezana zavatra tena ilaina mifandray amin’io asa io any amin’ny kaontinenta enina. Nisy fanorenana mafy napetraka ho an’ny fitomboana hitohy. — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:2.
19. Hatraiza no namalian’ireo mpanompon’i Jehovah ilay fanasana hanompo any amin’ny faritra ilana mpitory bebe kokoa?
19 Moa ve nisy hafa koa afaka nanampy mba hikarakara ny sasany tamin’ireo faritany tsy voasa? Tamin’ny 1957, tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika natao naneran-tany, dia nisy isam-batan’olona sy fianakaviana — Vavolombelon’i Jehovah matotra — nampirisihina mba handinika ny hifindra tany amin’ny faritra ilana mpitory bebe kokoa mba hanorim-ponenana sy hanohy ny fanompoany tany. Ilay fanasana dia nitovy be dia be tamin’ilay natolotr’Andriamanitra ny apostoly Paoly, izay nahita tao amin’ny fahitana, lehilahy iray niangavy azy hoe: “Mità mankatỳ Makedonia, ka vonjeo izahay!” (Asan’ny Apostoly 16:9, 10). Nisy nanao izany fifindra-monina izany nandritra ireo taona 1950, ny hafa dia tatỳ aoriana. Nahatratra arivo ireo Vavolombelona nifindra nankany Irlande sy Kolombia; an-jatony maro ireo nankany amin’ny toerana maro hafa. An’aliny maro hafa no nifindra nankany amin’ny faritra nila fanampiana bebe kokoa tao amin’ny taniny ihany. — Salamo 110:3.
20. a) Inona no efa tontosa hatramin’ny 1935, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14? b) Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, ahoana no nisian’ny fanafainganana ny asa?
20 Noho ny fitahian’i Jehovah eo amin’ny olony, dia mandroso hatrany manao dingana mahatalanjona ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Hatramin’ny 1935, ny isan’ny mpitory dia nitombo efa ho avo valopolo heny, ary ny taham-pitomboana teo amin’ny laharan’ny mpisava lalana dia nihoatra 60 isan-jato noho ny taham-pitomboana teo amin’ny isan’ny mpitory. Natomboka nandritra ireo taona 1930 ny fandaharana momba ny fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano. Izao dia misy antsalany amin’izy io maherin’ny efatra tapitrisa sy sasany, tarihina isam-bolana. Hatramin’ny 1935, dia ora maherin’ny 15 000 tapitrisa no natokana ho an’ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Atao tsy tapaka any amin’ny tany 231 izao ny fitoriana ny vaovao tsara. Rehefa nisokatra ho an’ny fitoriana ny vaovao tsara malalaka kokoa ny faritany any Eoropa Atsinanana sy atsy Afrika, dia nampiasaina tamin’ny fomba nandaitra ireo fivoriambe iraisam-pirenena mba hanomezana toerana lehibe ho an’ny hafatra momba ilay Fanjakana teo amin’ny olona. Araka ny nampanantenain’i Jehovah efa ela be, ao amin’ny Isaia 60:22, dia tena ‘manafaingana ny asa amin’ny fotoany’ tokoa izy. Tombontsoa lehibe toy inona moa ny antsika mandray anjara amin’izany!
Fanatratrarana ny olona rehetra araka izay azo atao, amin’ny vaovao tsara
21, 22. Inona no azontsika atao manokana mba ho Vavolombelona mahita vokatra bebe kokoa na aiza na aiza anompoantsika?
21 Mbola tsy nilaza ny Tompo hoe vita ilay asa. An’arivony maro no mbola eo am-panekena ny fanompoam-pivavahana marina. Noho izany dia mipoitra ilay fanontaniana hoe: Moa ve isika manao izay rehetra azo atao mba hampiasana tsara ilay fotoana navelan’ny fahari-pon’i Jehovah ho amin’io asa io? — 2 Petera 3:15.
22 Tsy ny olona rehetra no afaka mifindra any amin’ny faritany tsy voasa matetika. Kanefa, moa ve ianao mampiasa amin’ny fomba feno ireo fahafahana izay misokatra eo anoloanao? Moa ve ianao mitory amin’ireo mpiara-miasa aminao? amin’ireo mpampianatra sy mpiara-mianatra? Moa ve ianao nifanaraka tamin’ireo tarehin-javatra niovaova tao amin’ny faritaninao? Raha vitsy dia vitsy ny olona ao an-trano mandritra ny andro noho ny fiovan’ny fomba fiasa, moa ve ianao nanova ny fandaharam-potoananao mba hitsidihana azy ireo amin’ny takariva? Raha misy trano avo, manjary tsy azo idirana ho an’ny mpitsidika tsy nasaina, moa ve ianao manao fitoriana an-telefaonina na fitoriana an-taratasy? Moa ve ianao manaraka ny fahalianana miseho ary manolotra ny hitarika fampianarana ny Baiboly? Moa ve ianao manatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoanao? — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:21; 2 Timoty 4:5, NW.
23. Rehefa mandinika izay ataontsika eo amin’ny fanompoana azy i Jehovah, dia inona no tokony hiharihary mikasika antsika?
23 Enga anie isika rehetra samy hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny fomba izay mampiseho mazava amin’i Jehovah fa tena ankasitrahantsika tokoa ilay tombontsoa lehibe ho Vavolombelony amin’izao fotoan-dehibe izao. Enga anie ho tombontsoantsika ny hanatri-maso eo rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ny fandehan-javatra tranainy mikororosy i Jehovah ka hampiditra ilay Fanapahana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nisaina araka ilay fomba nizarana ny tany tany am-piandohan’ireo taona 1990.
Ho Famerenana
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana?
◻ Hatraiza no nitoriana ny vaovao tsara hatramin’ny 1914?
◻ Toy inona no hamafin’ny fitoriana natao hatramin’ny fiorenan’ilay Fanjakana?
◻ Inona no mety hahatonga ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana hahitam-bokatra kokoa?
[Efajoro, pejy 16, 17]
Vavolombelon’i Jehovah — Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika an-jatony maro naneran-tany nandritra ny taona 1993-1994, dia nisy fampandrenesana natao tamin’ny fivoahan’ny boky vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu. Izy io no tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mampahafanta-javatra indrindra sy feno indrindra. Izy io dia boky misy 752 pejy, voaravaky ny sary amin’ny fomba kanto, misy sary maherin’ny arivo nangonina avy amin’ny tany 96 samy hafa. Tamin’ny faran’ny 1993, dia efa navoaka sahady tamin’ny fiteny 25 izy io, ary eo am-pandikana azy amin’ny fiteny maro kokoa.
Inona no mahatonga io boky io ho tonga amin’ny fotoana ilana azy? Tamin’ireo taona faramparany, dia olona an-tapitrisany maro maneran-tany no tonga Vavolombelon’i Jehovah. Izy rehetra ireo dia tokony hahafantatra tsara ny tantaran’ilay fandaminana izay misy azy. Ankoatra izany, ny fitoriany sy ny fomba fanaovany ny fanompoam-pivavahany dia tafiditra tany amin’ireo antokom-pirenena sy antokom-pirazanana maneran-tany, no sady noraisin’ny olona antitra sy tanora, avy amin’ny ambaratonga ara-toe-karena sy ara-panabeazana rehetra. Ho vokatr’izany, dia olona maro mandinika izay mitranga no manana fanontaniana mikasika ny Vavolombelona — tsy momba ny zavatra inoan’izy ireo ihany, fa momba ny fiaviany, ny tantarany, ny fandaminany sy ny zava-kendreny koa. Ny hafa dia nanoratra momba azy ireo, na dia nisy fizahan-tavan’olona aza izany indraindray. Tsy misy anefa mahafantatra tsara kokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao noho ireo Vavolombelona mihitsy. Ireo mpamoaka io boky io dia niezaka nampiseho izany tantara izany araka ny tena izy sy tamin’ny fomba feno fahatsorana. Tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia nanome porofo koa fa tanteraka amin’izao andro izao ilay lafiny tena lehibe amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy voarakitra ao amin’ny Matio 24:14. Ary nomen’izy ireo izany porofo izany niaraka tamin’ny tsipiriany maro izay tsy nisy afaka nanome afa-tsy ireo izay tafiditra lalina tao amin’ilay asa nambara mialoha ao amin’io andininy io.
Ilay boky dia voazara ho fizarana fito lehibe:
Fizarana Voalohany: Io tapany io dia mandinika ireo fototra ara-tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy io dia mahatafiditra famintinana mampahafanta-javatra fohy ny amin’ny tantara maoderina momba azy ireo, nanomboka tamin’ny 1870 ka hatramin’ny 1992.
Fizarana faha-2: Eto no misy famerenana mampiharihary zavatra mikasika ny fizotran’ireo zavatra inoana izay mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireo antokom-pivavahana hafa.
Fizarana faha-3: Itỳ tapany amin’ilay boky itỳ dia mandinika ny fizotran’ny firafitry ny fandaminan’izy ireo. Izy io dia mitantara zava-misy mahaliana mikasika ireo fivorian’ny kongregasionany sy ireo fivoriambeny, ary koa ny fomba fanorenan’izy ireo Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe malalaka kokoa, ary ireo trano naorina ho famoahana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Izy io dia mampita ilay zotom-po entin’ny Vavolombelon’i Jehovah manambara ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitiavana izay miseho rehefa mifampiahy izy ireo amin’ny fotoan-tsarotra.
Fizarana faha-4: Eto ianao dia hahita tsipirian-javatra mahavariana momba ny fomba nahatongavan’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra hatrany amin’ireo tany lehibe sy ireo nosy lavitra be manerana ny tany. Alao sary an-tsaina fotsiny hoe — fitoriana tany amin’ny tany 43 tamin’ny taona 1914, kanefa any amin’ny tany 229 tamin’ny 1992! Ny fanandraman-javatra hitan’ireo izay nandray anjara tamin’io fitarana maneran-tany io dia mampientana ny fo marina tokoa.
Fizarana faha-5: Ny fanatanterahana izany asa fanambarana ilay Fanjakana rehetra izany dia nitaky ny fanamboarana toerana iraisam-pirenena natao hanontana Baiboly ary koa zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’ny fiteny maherin’ny roanjato. Eto ianao dia hianatra mikasika io lafiny amin’ny asan’izy ireo io.
Fizarana faha-6: Niatrika fitsapana koa ny Vavolombelona — ny sasany noho ny tsy fahalavorarian’olombelona, ny hafa noho ireo rahalahy sandoka, ary maro kokoa aza noho ny fanenjehana mivantana. Ny Tenin’Andriamanitra dia nampitandrina fa tsy maintsy ho toy izany no ho izy. (Lioka 17:1; 2 Timoty 3:12; 1 Petera 4:12; 2 Petera 2:1, 2). Io fizarana amin’ilay boky io dia mitantara amin’ny fomba toa hita maso erỳ izay tena nitranga tokoa sy ny fomba nahatonga ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah hamela azy ireo hivoaka ho mpandresy.
Fizarana faha-7: Ho famaranana, ilay boky dia mandinika ny antony mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiaiky mafy fa ilay fandaminana misy azy ireo dia tena tarihin’Andriamanitra tokoa. Izy io koa dia miresaka ny amin’ny antony mahatonga azy ireo hahatsapa ny ilana ny tsy hitsaharana ny hiambina, amin’ny maha-fandaminana sy amin’ny maha-isam-batan’olona.
Ho fanampin’ny etsy ambony, itỳ boky natao tamin’ny fomba manintona itỳ dia mahatafiditra fizarana misy sary miloko kanto sy tena mampahafanta-javatra 50 pejy, mampiseho ny foibe maneran-tany ary koa ireo sampana izay ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.
Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia azo antoka fa handray soa avy amin’ny fahazoana sy amin’ny famakiana ny iray amin’io boky mahasondriana io, ianao.
Fanazavana avy tamin’ny olona sasany izay efa namaky azy io
Nanao ahoana ny fihetsik’ireo izay efa namaky io boky io? Indro misy vitsivitsy amin’izany:
“Vao avy nahavita ny famakiana an’ilay boky mahasondriana sy manome fanaporofoana velombelona hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu aho. Tsy misy afa-tsy fandaminana iray tsy mivadika sy miaro ny fahamarinana amim-panetren-tena ihany no afaka manoratra amin’ny fomba tsy miolakolaka sy amin-kerim-po ary amin’ny fomba mora mangoraka toy izany.”
“Rehefa vakina izy io dia sahala amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, amin’ny filazany ny marina sy amin’ny fahatsorany.”
“Boky vaovao mahavariana re izany! (...) Sangan’asa ara-tantara izy io.”
Rehefa avy namaky ny antsasak’ilay boky teo ho eo ny lehilahy iray, dia nanoratra toy izao: “Talanjona aho, tankina, ary saiky latsa-dranomaso. (...) Tamin’ny androko rehetra, dia tsy nisy boky hafa nampihetsi-po toy izany.”
“Ravoravo ny foko isaky ny mieritreritra ny amin’ny fomba hanatanjahan’io boky io ny finoan’ireo tanora sy ireo vaovao tonga ao amin’ny fandaminana amin’izao andro izao, aho.”
“Nankasitrahako foana ny fahamarinana, fa ny famakiana io boky io dia nanokatra ny masoko ary nanampy ahy hahatakatra bebe kokoa mbola tsy nisy toy izany fa ny fanahy masin’i Jehovah no ao ambadik’izany rehetra izany.”
[Sary, pejy 18]
Olona maro be no tratra amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana na dia fony mbola vitsy an’isa aza ny Vavolombelona