Afaka Maneho Faharetana ve Ianao?
NILAZA tamin’i Abrama i Jehovah hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao (...) hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao”. (Genesisy 12:1, 2). Dimy amby fitopolo taona i Abrama tamin’izay. Nankato izy ary naneho faharetana tamim-pahendrena nandritra ny andro sisa niainany, niandry an’i Jehovah.
Tamin’ny farany dia nanome izao fampanantenana izao an’i Abrahama (Abrama) izay nanam-paharetana Andriamanitra: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”. Nanampy teny toy izao ny apostoly Paoly: “Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.” — Hebreo 6:13-15.
Inona no atao hoe faharetana? Misy rakibolana mamaritra azy io ho ny fahaizana “miandry zavatra amim-pahatoniana” na maneho “fahatanan-tena eo anatrehan’ny filam-baniny na ao anatin’ny fihenjanana”. Koa sedraina ny faharetanao rehefa voatery miandry olona na zavatra ianao, na rehefa misy mila vaniny aminao na rehefa ao anatin’ny fihenjanana ianao. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia mitoetra ho tony ilay olona manam-paharetana; ilay tsy manam-paharetana dia manjary dodona sy mora sosotra.
Ny tontolo maoderina tsy manam-paharetana misy antsika
Ny hafainganana fa tsy ny faharetana no asiana fanantitranterana, indrindra fa any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe maro. Ho an’ny olona an-tapitrisany maro miaina any an-tanàn-dehibe feno olona, ny andro tsirairay dia manomboka rehefa maneno ny fanairana maraina. Izany dia mampanomboka ilay hazakazaka feno fikoropahana — handeha any an’anona, hijery an-dranona, hamita zavatra. Mahagaga ve raha maro no mihenjana sy tsy manam-paharetana?
Sosotra ve ianao rehefa miatrika ny tsy fahalavorarian’ny hafa? “Tsy tiako ny tsy fanajana fotoana”, hoy i Albert. Ny ankamaroan’ny olona dia hiara-manaiky fa ny fiandrasana olona izay diso fotoana dia mampihenjana, indrindra fa raha misy fotoana tsy maintsy tratrarina. Izao no voalaza mikasika ilay Andrianan’i Newcastle, mpanao politika britanika tamin’ny taonjato faha-18: ‘Very antsasa-kadiny izy ny maraina, dia manenjika izany izy ny sisa amin’ilay andro fa tsy mahatratra foana.’ Raha voatery miankina amin’ny olona toy izany ianao isan’andro isan’andro, moa ve ianao hitoetra hanam-paharetana?
Rehefa mamily fiara ianao, moa ve ianao vetivety dia sosotra, malaina ny hiandry, na alaim-panahy handeha mafy? Amin’ny toe-javatra toy izany, ny tsy faharetana matetika dia midika ho loza. Nandritra ny 1989, tany amin’ilay nantsoina tamin’izay hoe Alemaina Andrefana, dia lozam-piarakodia teny amin’ny autoroute maherin’ny 400 000 no nahatonga ratra sy fahafatesana. Tamin’ireo, dia 1 tao anatin’ny 3 no vokatry ny fandehanana mafy loatra na ny fanantomorana akaiky loatra ny fiara eo aloha. Noho izany, tamin’ny fetrany sasany fara faharatsiny, dia tompon’andraikitra tamin’ny ratra na ny fahafatesan’olona maherin’ny 137 000 ny tsy fananana faharetana. Vidina lafo toy inona moa ny tsy faharetana!
“Sarotra amiko ny hanam-paharetana rehefa misy manapa-teny tsy an-kijanona”, hoy ny fitarainan’i Ann, “na rehefa misy olona mirehareha be.” Niaiky i Karl-Hermann fa nihantsy ny faharetany ireo “ankizy tsy manaja ny zokiolona”.
Izany sy ny tarehin-javatra hafa dia mety hahatonga anao tsy hanam-paharetana. Ahoana àry no ahafahanao mamboly faharetana bebe kokoa?
Afaka manamafy ny faharetanao i Jehovah
Olona maro no mihevitra fa ny faharetana dia milaza tsy fahatapahan-kevitra na fahalemena. Amin’i Jehovah anefa, izy io dia midika hoe tanjaka. Ny tenany mihitsy dia ‘maharitra satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin’ny toetra ratsy avokoa ny olona rehetra’. (2 Petera 3:9, DIEM ). Noho izany, mba hanamafisana ny fandeferanao, dia mitoera ho akaiky an’i Jehovah ary miantehera aminy amin’ny fonao rehetra. Ny fanatanjahana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra no hany dingana lehibe indrindra mankamin’ny fampitomboana fironana hanam-paharetana.
Ambonin’izany, dia tena lehibe ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona. I Abrahama dia “niandry ilay tanàna mafy orina [ny Fanjakan’Andriamanitra], ka Andriamanitra no tompo-marika tamin’izany sady nanao azy”. (Hebreo 11:10, DIEM ). Toy izany koa, fa hitondra soa ny fitanana fomba fijery mazava mikasika ireo fampanantenan’Andriamanitra sy ny fianinana amin’ny fiandrasana an’i Jehovah. Amin’izay ianao dia hahatakatra fa ny faharetana dia tsy milaza fisalasalana velively, fa, raha ny marina, dia manintona olona ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Noho izany, “ny [faharetan’ny, NW ] Tompontsika dia ekeo ho famonjena”. — 2 Petera 3:15.
Ahoana raha misedra ny faharetanao amin’ny fomba mila tsy ho zaka ny toe-javatra misy anao manokana? Misy tsy mpino mahatonga fihenjanana manorisory eo aminao ve? Marary hatramin’ny fotoana ela toa tsy misy fiafarany ve ianao? Amin’ny toe-javatra toy izany, dia raiso am-po izay nosoratan’i Jakoba mpianatra. Rehefa avy nanisy fitenenana ny amin’ny modelim-paharetana nomen’ireo mpaminany izy, dia nanambara ny tsiambaratelon’ny fitoerana ho tony ao anatin’ny fihenjanana mafy. Hoy i Jakoba: “Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka.” — Jakoba 5:10, 13.
Amin-kafanam-po, dia angataho amin’ny vavaka Andriamanitra mba hanamafy ny faharetanao sy hanampy anao hifehy ny sainao ao anatin’ny fitsapana. Mitodiha matetika any amin’i Jehovah, ary hanampy anao izy hamantatra ireo toe-javatra na fahazaran’ny hafa izay mahatonga fandrahonana manokana ho an’ny fahatonianao. Ny fivavahana mialoha mikasika ireo tarehin-javatra misedra mety hitranga dia afaka manampy anao hitoetra ho tony.
Fomba fijery ny tena sy ny hafa araka ny tokony ho izy
Mba hitanana toe-tsaina tony, dia tsy maintsy mijery ny tenanao sy ny hafa araka ny tokony ho izy ianao. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, satria asehon’izy io fa ny rehetra dia samy nandova tsy fahalavorariana, ka noho izany dia samy manana ny fahalemeny avy. Ambonin’izany, dia hanampy anao hitombo amin’ny fitiavana ny fahalalana ara-baiboly. Tena ilaina io toetra io mba hanehoana faharetana amin’ny hafa. — Jaona 13:34, 35; Romana 5:12; Filipiana 1:9.
Afaka mampitony anao rehefa hendratrendratra ny fitiavana sy ny fahadodonana hamela heloka. Raha misy olona manana fahazarana mahasosotra anao, dia hampahatsiahy anao ny fitiavana fa ny fahazarany no mahasosotra anao, fa tsy ilay olona. Hevero hoe impiry ny fahalemenao no tsy maintsy nisedra ny faharetan’Andriamanitra sy tsy maintsy nahatezitra ny hafa.
Afaka manampy anao hiandry amim-paharetana koa ny fomba fijery mety ny amin’ny tenanao. Niezaka ny hahazo tombontsoa sasany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ianao, ohatra, kanefa dia diso fanantenana fotsiny? Tsapanao ve fa kely sisa dia ho lany ny faharetanao? Raha izany no izy, dia tadidio fa maro ny tsy faharetana mamaka ao amin’ny avonavona. “Tsara ny [maharitra, NW ] noho ny miavonavom-panahy”, hoy i Solomona. (Mpitoriteny 7:8). Eny, fanakanana lehibe eo amin’ny fambolena faharetana ny avonavona. Tsy marina ve fa mora kokoa amin’ny olona manetry tena ny miandry amim-pahatoniana? Noho izany dia mambole fanetren-tena, dia ho afaka hanaiky kokoa ny fanemoram-potoana amim-piadanan-tsaina ianao. — Ohabolana 15:33.
Manome valisoa manana amby ampy ny faharetana
Fantatra voalohany indrindra noho ny finoany i Abrahama. (Romana 4:11). Nahatonga ny finoany haharitra anefa ny faharetana. Inona no valisoany noho ny fiandrasany an’i Jehovah?
Nomen’i Jehovah fitokiana nitombo i Abrahama. Araka izany dia nanjary lehibe ny anaran’i Abrahama, ary nanjary firenena mahery ny taranany. Afaka mahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranany ny firenena rehetra eto an-tany. Niasa ho toy ny mpitondra tenin’Andriamanitra sy ho tandindona nampiseho ny Mpamorona mihitsy i Abrahama. Nety ho nisy valisoa lehibe kokoa noho izany ve ho an’ny finoana sy ny faharetan’i Abrahama?
“Miantra indrindra [i Jehovah, NW ]” amin’ireo Kristiana izay miaritra fitsapana amim-paharetana. (Jakoba 5:10, 11). Manana feon’ny fieritreretana madio ny olona toy izany noho izy ireo manao ny sitrapony. Raha ny aminao àry, raha miandry an’i Jehovah sy miaritra fitsapana amim-paharetana ianao, ny fandeferanao dia hitondra ny fankasitrahana sy ny fitahian’i Jehovah.
Manampy ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ny faharetana. Nahita izany ny roa tamin’ny mpanompon’i Jehovah, dia i Christian sy i Agnès, fony izy ireo nanapa-kevitra ny hifamofo. Nampihemotra ilay fifamofoana izy ireo noho ny fanajana ireo ray aman-drenin’i Christian izay nila fotoana mba hahafahany hahalala an’i Agnès. Inona no vokatr’io fihetsika io?
“Tatỳ aoriana izahay vao nahatakatra hoe toy inona ny hasarobidin’ny faharetanay ho an’ireo ray aman-dreniko”, hoy i Christian nanazava. “Tsy namono ny fifandraisana teo aminay mivady ny fiandrasanay tamim-paharetana. Izy io kosa anefa no fanorenana voalohany teo amin’ny fifandraisanay tamin’ny ray aman-dreniko.” Eny, manome valisoa manana amby ampy ny faharetana.
Mampandroso ny fihavanana koa ny faharetana. Ho velom-pisaorana ny havana aman-tsakaiza fa tsy nila ady tamin’ny fahadisoana kely rehetra vitany ianao. Ny fahatonianao sy ny fahazoanao ny fihevitry ny hafa rehefa manao fahadisoana izy ireo dia hisoroka fisehoan-javatra mahasanganehana. Hoy ny ohabolana sinoa iray: “Ny faharetana amin’ny fotoana mahatezitra iray dia hitsimbina anao tsy hahita androm-pahoriana zato.”
Manatsara ny maha-izy anao ny faharetana, izany hoe manampy anao hitana tsara ireo toetranao tsara dia tsara hafa. Mahatonga ny finoanao haharitra izy io, mahatonga ny fiadananao haharitra ela, ary ny fitiavanao tsy ho azo hozongozonina. Ny fananana faharetana dia hanampy anao ho falifaly eo am-panehoanao hatsaram-panahy sy hatsaram-po ary fahalemem-panahy. Manorina ilay tanjaka tena ilaina mba hambolena fahari-po sy fifehezan-tena ny fanehoana faharetana.
Andraso amim-paharetana ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’i Jehovah, amin’izay dia hahazo antoka ny amin’ny hoavy iray mahatalanjona ianao. Sahala amin’i Abrahama, dia enga anie ianao ‘handova ny lova nampanantenaina noho ny finoana sy ny faharetana’. — Hebrio 6:12, Kat.
[Sary, pejy 23]
Hanampy anao haneho faharetana sahala amin’ny nataon’i Abrahama, ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah