Ataovy Fatorana Maharitra ny Fanambadianao
“Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — MATIO 19:6.
1. Inona no fototry ny fahombiazana ara-panambadiana eo amin’ireo Kristiana marina amin’izao andro izao?
OLONA an’arivony maro eo amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao no manana fanambadiana mahafa-po sy maharitra. Azo antoka anefa fa tsy kisendrasendra ny fahombiazana miely patrana toy izany. Vanona ny fanambadiana kristiana rehefa samy 1) manaja ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana ny mpivady sy 2) miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Teniny izy ireo. Raha dinihina tokoa, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fandaharana momba ny fanambadiana. Izy no Ilay ‘ahazoan’ny fianakaviana rehetra eto an-tany ny anarany’. (Efesiana 3:14, 15). Koa satria fantatr’i Jehovah izay ilaina mba hahavanona ny fanambadiana, dia handray soa ny tenantsika amin’ny fanarahana ny fitarihany. — Isaia 48:17.
2. Inona avy no vokatry ny tsy fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ao amin’ny fanambadiana?
2 Mifamadika amin’izany, ny tsy fampiharana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia afaka miteraka fahoriana ara-panambadiana. Mino ny manam-pahaizana manokana sasany fa mahatratra ny androatokon’ireo manambady amin’izao andro izao any Etazonia dia hahazo fisaraham-panambadiana amin’ny farany. Na dia ny Kristiana aza dia tsy vita fanefitra amin’ireo fanerena sy fihenjanana amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Mety hitondra vokany manimba eo amin’ny fanambadian’iza na iza ireo fihenjanana ara-toe-karena sy ireo fanerena any amin’ny toeram-piasana. Misy Kristiana sasany koa diso fanantenana mafy noho ny tsy fetezan’ny vadiny hampihatra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. “Tia an’i Jehovah aho“, hoy ny vehivavy kristiana manambady iray, “kanefa dia nikorontana ambony ambany ny fanambadiako hatramin’ny 20 taona. Tia tena ny vadiko ary tsy maniry ny hanao fiovana na inona na inona izy. Mahatsiaro tena ho voafandrika aho.” Maromaro ihany ny Kristiana manambady, lahy na vavy, izay nilaza fihetseham-po mitovy amin’izany. Inona no tsy mety? Ary inona no afaka misakana ny fanambadiana tsy hizotra ho amin’ny tsy firaikana mangatsiaka na ho amin’ny fifankahalana mivantana?
Ny faharetan’ny fanambadiana
3, 4. a) Inona no fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana? b) Nahoana ny faharetan’ny fanambadiana no ara-drariny sy mahasoa?
3 Na dia ao anatin’ny toe-javatra tsara indrindra aza, ny fanambadiana dia fanakambanana olona tsy lavorary. (Deoteronomia 32:5). Araka izany, dia nilaza ny apostoly Paoly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofo ireny [manambady ireny]”. (1 Korintiana 7:28). Mety hiteraka fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana mihitsy aza ny toe-javatra tafahoatra sasany. (Matio 19:9; 1 Korintiana 7:12-15). Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia mampihatra ny torohevitr’i Paoly toy izao ny Kristiana: “Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (...); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy.” (1 Korintiana 7:10, 11). Tsy azo lavina fa ny fanambadiana dia natao ho fatorana maharitra, satria izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — Matio 19:6.
4 Ho an’ny olona izay mahatsiaro tena ho voafandrika ao anatin’ny fanambadiana feno fankahalana na tsy misy fitiavana, dia mety ho toa henjana sy tsy azon’ny saina ekena ny fari-pitsipik’i Jehovah. Tsy izany anefa no izy. Ny faharetan’ny fatoram-panambadiana dia manosika mpivady matahotra an’Andriamanitra mba hifanatrika ka hitady izay handaminana ny zava-manahirana azy, fa tsy ho maika ny handao ireo adidiny raha vao misy famantarana fahasahiranana manangasanga. Nilaza izany toy izao ny lehilahy iray nanambady efa hatramin’ny 20 taona mahery: “Tsy azonao ialana ireo fotoam-pahasahiranana. Tsy ho faly foana amin’ny andaniny akory ny ankilany amin’ny fotoana rehetra. Amin’izay vao tena zava-dehibe ny fifanekena.” Mazava ho azy fa ireo mpivady kristiana dia mahatsapa ny adidy voalohany amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Niavian’ny fanambadiana. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 5:4.
Ny maha-lohany sy ny fanekena
5. Inona no torohevitra sasany nomen’i Paoly ho an’ny lehilahy sy vehivavy manambady?
5 Rehefa mipoitra àry ny zava-manahirana, dia eo no fotoana hitadiavana fomba tsara kokoa hampiharana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy hitadiavana fomba ialana. Diniho, ohatra, ireto tenin’i Paoly hita ao amin’ny Efesiana 5:22-25, 28, 29 ireto: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (...). Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana”.
6. Ahoana no tokony tsy hitovian’ireo lehilahy kristiana manambady sy ireo lehilahy eo amin’izao tontolo izao?
6 Matetika ireo lehilahy dia nanampatra ny fahefany amin’ny maha-vady azy, ary nanjakazaka tamin’ny vadiny. (Genesisy 3:16). Nampirisihin’i Paoly anefa ireo lehilahy kristiana manambady mba tsy hitovy amin’ireo lehilahy eo amin’izao tontolo izao, mba ho sahala amin’i Kristy fa tsy ho mpitondra tsy refesi-mandidy iray izay mifehy ny tsipiriany rehetra amin’ny fiainan’ny vadiny. Azo antoka fa tsy henjana na nanjakazaka mihitsy i Jesosy Kristy izay lehilahy. Nitondra ny mpanara-dia azy tamim-panomezam-boninahitra sy tamim-panajana izy, tamin’ny filazana hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho”. — Matio 11:28, 29.
7. Ahoana no hahafahan’ny lehilahy iray hanaja ny vadiny rehefa voatery mandeha mikarama izy io?
7 Ny lehilahy kristiana manambady dia manaja ny vadiny toy ny atao amin’ny fanaka malemilemy kokoa. (1 Petera 3:7). Ohatra, aoka hatao hoe voatery mandeha mikarama ravehivavy. Hanisy fiheverana izany izy ka hanampy sy ho feno fiheverana araka izay azo atao. Ny antony lehibe iray mahatonga ny vehivavy hirona hisara-panambadiana dia noho ny vadin’izy ireo manao tsirambina ireo ankizy sy ny tokantrano. Noho izany, ny lehilahy kristiana manambady dia mitady izay hanampiana azy ao an-trano, amin’ny fomba misy heviny, izay hitondra soa ho an’ny fianakaviana manontolo.
8. Mitaky inona amin’ny vehivavy kristiana manambady ny fanekena?
8 Rehefa entina amim-panajana ny vehivavy kristiana manambady, dia mora kokoa aminy ny manaiky ny vadiny. Izany anefa tsy midika hoe fanandevozana manambany. Nanao lalàna Andriamanitra fa ny vehivavy dia tokony, tsy ho andevo, fa ho “vady sahaza” (“mpanampy tandrifiny”, fanamarihana ambany pejy), milaza zavatra mifanentana tsara amin’ny lehilahy. (Genesisy 2:18). Ao amin’ny Malakia 2:14, ny vehivavy manambady dia resahina ho toy ny ‘namana’ ho an’ny lehilahy. Tamin’ny naha-izany azy, dia nanana fahalalahana lehibe sy fahafahana hanao zavatra sy hanao safidy ireo vehivavy nanambady tamin’ny andron’ny Baiboly. Izao no lazain’ny Baiboly mikasika ilay “vehivavy tsara”: “Matoky azy ny fon’ny lahy”. Mazava ho azy, fa nankinina taminy ireo raharaha toy ny fitantanana ankapobeny ny tokantrano, ny fanaraha-maso ny fividianan-tsakafo, ny fifampiraharahana teo amin’ny varotra fananana, sy teo amin’ny fitantanana fandraharahana kely nahazoam-bola. — Ohabolana 31:10-31.
9. a) Tamin’ny ahoana ireo vehivavy natahotra an’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly no naneho tena fanekena? b) Inona no afaka manampy vehivavy kristiana manambady iray hanaiky hatrany amin’izao andro izao?
9 Na dia izany aza, dia nanaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy manambady matahotra an’Andriamanitra. I Saraha, ohatra, “izay nanaiky an’i Abrahama ka nanao azy hoe ‘tompoko’ ” dia tsy nanao izany ho toy ny fahalalam-pomba fotsiny, fa ho taratry ny fanekeny tamim-pahatsorana kosa. (1 Petera 3:6; Genesisy 18:12). Nandao an-tsitrapo ny tranony nampiadana tao amin’ny tanànan’i Ora koa izy mba hitoetra an-day niaraka tamin’ny vadiny. (Hebreo 11:8, 9). Ny fanekena anefa tsy nidika hoe tsy afaka nanao zavatra tamim-pandraisana andraikitra ny vehivavy nanambady rehefa nilaina izany. Rehefa tsy nanaraka ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny famorana i Mosesy, dia nisakana ny loza i Zipora, tamin’ny fanaovan-javatra tamin’ny fomba feno fahatapahan-kevitra. (Eksodosy 4:24-26). Misy zavatra bebe kokoa tafiditra noho ny fampifaliana lehilahy tsy lavorary iray fotsiny. Tsy maintsy ‘manaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo’ ny vehivavy manambady. (Efesiana 5:22). Rehefa mieritreritra indrindra ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny vehivavy kristiana manambady iray, izany dia manampy azy handefitra eo anoloan’ireo kilema sy fahadisoana madinika ao amin’ny vadiny, toy izay ilainy hatao koa eo amin’ny fifampiraharahana amin-dravehivavy.
Fampitana hevitra — Hery manome aina ny fanambadiana
10. Toy inona no maha-zava-dehibe ny fampitana hevitra ho an’ny fanambadiana?
10 Rehefa nanontaniana mikasika ilay antony tokana lehibe indrindra mampisaraka ny mpivady ny mpisolo vava mpikarakara fisaraham-panambadiana iray, dia namaly hoe: “Ny tsy fahaizana mifampiresaka amim-pahatsorana, mifamboraka ny eritreriny lalina indrindra, sy mifampitondra toy ny mpinamana tsara indrindra.” Eny, ny fampitana hevitra dia hery manome aina ny fanambadiana matanjaka. Araka ny lazain’ny Baiboly, dia “tsy mahomby ny drafitra raha tsy misy fiaraha-midinika mangina”. (Ohabolana 15:22, NW ). Mila ny ho ‘mpinamana miara-midinika mangina’ ny mpivady, mankafy fifandraisana mafana sy manokana. (Ohabolana 2:17, Kat.). Sarotra amin’ny mpivady maro anefa ny mampita hevitra, ary araka izany dia mitombo miharatsy ny fahasosorana mandra-pitrangan’ny fipoahan’ny fahatezerana mandrava. Na mety hiafina ao ambadiky ny fahalalam-pomba an-kosotra fotsiny ny mpivady ka samy mifanalavitra ara-pihetseham-po.
11. Ahoana no ahafahana manatsara ny fampitana hevitra eo amin’ny mpivady?
11 Misy ampahany amin’ilay zava-manahirana toa avy amin’ny tsy fitoviana matetika eo amin’ny fomba fampitan’ny lehilahy hevitra sy ny an’ny vehivavy. Ny ankamaroan’ny vehivavy dia toa mahita fahafaham-po amin’ny firesahana ny amin’ny fihetseham-po, kanefa kosa ny lehilahy amin’ny ankapobeny dia toa tia kokoa miresaka ny amin’ny zava-misy. Mirona kokoa haneho fangorahana sy hanome fanohanana ara-pihetseham-po ny vehivavy, fa ny lehilahy kosa mirona hitady sy hanolotra ala olana. Na dia izany aza, dia misy ny fahafahana hampita hevitra tsara rehefa samy tapa-kevitra ny “halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra” ny mpivady. (Jakoba 1:19). Mahaiza mifandray amin’ny alalan’ny fifampijerena ary tena mihainoa. Ataovy izay hiresahan’ny andaniny avy tsy amim-pisalasalana, amin’ny fanaovana fanontaniana feno fiheverana. (Ampitahao amin’ny 1 Samoela 1:8; Ohabolana 20:5.) Aza manandrana manolotra ala olana haingana rehefa mamboraka ny zava-manahirana azy ny vadinao, fa mihainoa kosa amim-pitandremana eo am-piezahanao mandamina ilay raharaha. Ary miaraha mivavaka amim-panetren-tena, amin’ny fitadiavana ny fitarihan’Andriamanitra. — Salamo 65:2; Romana 12:12.
12. Ahoana no ahafahan’ny mpivady kristiana maka fotoana avy amin-javatra hafa mba hatokana ho an’ny andaniny avy?
12 Indraindray ny fanerena sy ny fihenjanana eo amin’ny fiainana dia tsy mamela ireo mpivady hanana fotoana na hery firy hanaovana resaka misy heviny. Raha te hitana ny fanambadiany ho mendri-kaja sy hiaro azy io amin’ny fahalotoana anefa ny Kristiana, dia tsy maintsy mitoetra ho akaikin’ny andaniny avy. Ilain’izy ireo hoentina toy ny zava-tsarobidy, lafo vidy ilay fatorana misy azy, ary tsy maintsy maka fotoana avy amin-javatra hafa mba hatokana ho azy io sy ho an’ny andaniny avy izy ireo. (Ampitahao amin’ny Kolosiana 4:5, NW.) Amin’ny toe-javatra sasany ny ala olana eo amin’ny fahitana fotoana ho an’ny firesahana mahasoa, dia mety ho tsotra toy ny fanapihana ny televiziona. Ny fiaraha-mipetraka tsy tapaka mba hisotro dite na kafe dia afaka manampy ireo mpivady mba hitana fifandraisana ara-pihetseham-po. Amin’ny tarehin-javatra toy izany dia afaka “miara-midinika” ny amin’ny raharaham-pianakaviana maro samihafa izy ireo. (Ohabolana 13:10, NW ). Ary fanehoam-pahendrena toy inona moa ny fampitomboana fahazarana miresaka ny amin’ireo zavatra nahasosotra sy ireo tsy fifankahazoan-kevitra madinika, alohan’ny hahatongavan’izy ireny ho loharanom-pihenjanana lehibe! — Ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24; Efesiana 4:26.
13. a) Ohatra inona no navelan’i Jesosy mikasika ny tsy fanaovana an-kifonofono sy ny fahatsorana? b) Inona avy no fomba sasany ahafahan’ny mpivady mifanatona akaiky kokoa?
13 Niaiky toy izao ny lehilahy iray: “Matetika tokoa, dia sarotra amiko ny tena milaza ny eritreritro sy ny tena milaza [amin’ny vadiko] izay tena tsapako tokoa.” Ny fampiharihariana ny maha-izy ny tena anefa dia fanalahidy lehibe iray ho amin’ny fampitomboana fifankahazoana akaiky. Mariho ny tsy fanaovan’i Jesosy an-kifonofono sy ny fahatsorany tamin’ireo ho tonga mpikambana amin’ilay kilasin’ny ampakariny. Hoy izy: “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15). Koa hevero ho toy ny sakaiza iray ny vadinao. Amborahy ny fihetseham-ponao ny vadinao. Miezaha manao “teny fanehoam-pitiavana” tsotra sy amim-pahatsorana. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2, NW ). Mety ho toa hikaviavia indraindray ny fampitana hevitra tsy misy an-kifonofono, kanefa rehefa manao ezaka ampy ny mpivady, dia be no ho vita eo amin’ny fanaovana ny fanambadiany ho fatorana iray maharitra.
Fikarakarana ireo tsy fifanarahana
14, 15. Ahoana no ahafahana manalavitra ny fifandirana?
14 Azo antoka fa tsy maintsy mipoitra indraindray ny tena tsy fifanarahana. Tsy voatery hanjary ‘trano feno fifandirana’ anefa ny tranonao. (Ohabolana 17:1). Mitandrema mba tsy hiresaka raharaha mahakasika zavatra manokana rehefa mety handre izany ny ankizy, ary manehoa fiheverana ny fihetseham-pon’ny vadinao. Rehefa naneho ny fahoriany noho izy momba i Rahely, ka nangataka an’i Jakoba hanome azy zanaka, dia namaly tamim-pahatezerana toy izao izy: “Solon’Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?” (Genesisy 30:1, 2). Rehefa mipoitra ny fahasahiranana ao an-tokantrano, dia ilay zava-manahirana no asio, fa tsy ilay olona. Mandritra ny resaka manokana iray, dia halaviro ny “mandefalefa teny tsy tsaroana” na mifanapa-teny tsy amin’antony. — Ohabolana 12:18.
15 Marina fa mety hanana fihetseham-po mafy mikasika ny fiheveranao ianao, kanefa dia azo aseho tsy misy ‘fo lentika, fahavinirana, fahatezerana, fitabatabana sy fitenenan-dratsy’ izany. (Efesiana 4:31). “Resaho amin’ny feo mahazatra ny zava-manahirana anao”, hoy ny lehilahy manambady iray. “Raha misy feo miakatra, dia ajanony ilay resaka. Miverena rehefa afaka fe-potoana fohy. Dia atombohy indray.” Manome izao torohevitra tsara izao ny Ohabolana 17:14: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Andramo resahina indray ilay raharaha rehefa samy efa tony ianareo roa.
Mitoera ho mahatoky eo anatrehan’ny andaniny avy
16. Nahoana no raharaha lehibe aoka izany ny fanitsakitsaham-bady?
16 Izao no lazain’ny Hebreo 13:4: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” Fanotana amin’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady. Manimba ny fanambadiana koa izy io. (Genesisy 39:9). Izao no nosoratan’ny mpanolo-tsaina ara-panambadiana iray: “Raha vantany vao vaky betroka ny fanitsakitsaham-bady, dia mamely ny fianakaviana iray manontolo toy ny rivo-doza lehibe iray izy io, mandrava ankohonana, manamontsamontsana ny fatokiana sy ny fanajan-tena, manimba ny ankizy.” Mety ho vokatr’izany koa ny fitondrana vohoka na ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana.
17. Ahoana no azo analavirana na anariana ny fironana ho amin’ny fanitsakitsaham-bady?
17 Misy olona sasany mampitombo fironana hanitsakitsa-bady, amin’ny fandraisana ilay fiheveran’izao tontolo izao simba mikasika ny firaisana, araka ny ilazalazana azy ao amin’ny boky sy ny televiziona ary ny sinema. (Galatiana 6:8). Milaza anefa ny mpanao fikarohana fa ny fanitsakitsaham-bady mazàna dia tsy vokatry ny faniriana hanao firaisana fotsiny, fa avy amin’izay heverina fa filana hanaporofo fa mbola manintona ihany ny tena, na avy amin’ny faniriana hahatsiaro tena ho tiana kokoa. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 7:18.) Na inona na inona antony, ny Kristiana iray dia tsy maintsy manary ireo nofinofy maloto ara-pitondran-tena. Resaho amim-pahatsorana amin’ny vadinao ny fihetseham-ponao. Raha ilaina izany, dia mitadiava fanampiana any amin’ny loholon’ny kongregasiona. Ny fanaovana izany dia tena mety hisoroka fahalatsahana ao anatin’ny ota. Ambonin’izany, dia ilain’ny Kristiana ny mitandrina eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tenany. Hifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina ny hoe manambady olona iray sady mijery amim-pahamaimaizana mafy olon-kafa iray. (Joba 31:1; Matio 5:28). Tokony hitandrina manokana ny Kristiana mba tsy hampitombo fifamatorana ara-pihetseham-po amin’ny mpiara-miasa. Tano ho feno fisakaizana ny fifandraisana toy izany, kanefa dia araka izay mifanentana amin’ny asa ihany.
18. Inona mazàna no fototry ny zava-manahirana momba ny firaisana ao anatin’ny fanambadiana, ary ahoana no azo andaminana izany?
18 Mbola fiarovana lehibe kokoa ny fananana fifandraisana mafana sy tsy misy an-kifonofono amin’ny vadin’ny tena. Milaza ny mpanao fikarohana maro fa ireo zava-manahirana momba ny firaisana ao anatin’ny fanambadiana dia mahalana no manana toetra ara-batana, fa mazàna kosa dia voka-dratsy fanampiny avy amin’ny fampitana hevitra tsizarizary. Mahalana ny zava-manahirana amin’izany lafiny izany rehefa mifampiresaka tsy misy an-kifonofono ny mpivady ary manome izay tokony hatao amin’ny vady, ho toy ny fampisehoam-pitiavana fa tsy ho toy ny adidy iray.a Ao anatin’ny toe-javatra araka ny tokony ho izy toy izany, dia azo ampiasaina mba hanamafisana ny fatoram-panambadiana ny firaisana. — 1 Korintiana 7:2-5; 10:24.
19. Inona no “fatorana mampiray tanteraka”, ary vokany inona no mety hananan’izany eo amin’ny fanambadiana?
19 “Fatorana mampiray tanteraka” ao anatin’ny kongregasiona kristiana ny fitiavana. Amin’ny fambolena fitiavana, ny mpivady matahotra an’Andriamanitra dia afaka ‘manohy mifampizaka sy mifamela heloka malalaka’. (Kolosiana 3:13, 14, NW ). Ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika dia mitady izay hahasoa ny hafa. (1 Korintiana 13:4-8). Mambole fitiavana toy izany. Hanampy anao hanatanjaka ny fatoram-panambadianao izany. Ampiharo ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainam-panambadianao. Raha manao izany ianao, dia ho fatorana haharitra ny fanambadianao ka hitondra fiderana sy voninahitra ho an’i Jehovah Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fifandraisana Amin’ny Vady — Tsy Vitan’ny Firesahana Fotsiny”, miseho ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1993, dia aseho amin’ny mpivady ny fomba azony andresena ireo zava-manahirana amin’io lafiny io.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny fanambadiana no tokony ho fatorana maharitra?
◻ Inona no fiheverana araka ny Baiboly mikasika ny maha-lohany sy ny fanekena?
◻ Ahoana no ahafahan’ny mpivady manatsara ny fampitana hevitra?
◻ Ahoana no ahafahan’ny mpivady mikarakara ireo tsy fifanarahana amin’ny fomba kristiana?
◻ Inona no hanampy mba hanamafisana ny fatoram-panambadiana?
[Sary, pejy 12]
Raha tsy maintsy mandeha mikarama ravehivavy vadiny, dia tsy hamela azy hitondra enta-mavesatra tafahoatra ny lehilahy kristiana manambady