Mahalala ny Antonona i Jehovah!
“Ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) mandefitra [“mahalala ny antonona”, NW ].” — JAKOBA 3:17.
1. Ahoana no nilazalazan’ny olona sasany an’Andriamanitra ho tsy mahalala ny antonona, ary ahoana ny hevitrao momba izany fiheverana an’Andriamanitra izany?
KARAZANA Andriamanitra manao ahoana no toloranao fanompoam-pivavahana? Inoanao ve fa izy dia Andriamanitra iray manana toetra tsy milefitra, mampihatra ny rariny amin’ny fomba hentitra, mafy fo sy henjana? Tamin’i Jean Calvin, mpanao fanavaozana protestanta, Andriamanitra dia tsy maintsy ho tahaka izany. Nanizingizina i Calvin fa manana “planina maharitra mandrakizay sy tsy azo ovana” momba ny tsirairay Andriamanitra, ka manendry mialoha ny isam-batan’olona, na hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana izy io, na hampijalijalina mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. Alao sary an-tsaina izao: Raha marina io voalaza io, dia tsy hisy na inona na inona ho azonao atao, ary na dia miezaka mafy toy inona aza ianao, hampiova ny planin’Andriamanitra momba anao sy ny hoavinao, planina izay sady haharitra ela no ho henjana. Ho voasintona hanatona Andriamanitra tsy mahalala ny antonona toy izany ve ianao? — Ampitahao amin’ny Jakoba 4:8.
2, 3. a) Ahoana no mety hanazavantsika an’ohatra ny tsy fahalalana ny antonona eo amin’ireo fikambanana sy fandaminan’olombelona? b) Ahoana no nampihariharian’ny fahitana azon’i Ezekiela ny amin’ny kalesin’i Jehovah any amin’ny lanitra fa mahay mampifanara-javatra Izy?
2 Maivamaivana toy inona moa isika mianatra fa ilay Andriamanitry ny Baiboly dia tena miavaka ho mahalala ny antonona! Tsy Andriamanitra fa ny olombelona no mirona ho henjana sy tsy milefitra noho izy ireo voafatotry ny tsy fahalavorarian’ny tenany. Mety ho sarotra entina sahala amin’ny masinina mpitondra entana ireo fandaminan’olombelona. Rehefa mandroso manatona zavatra misakana iray eo amin’ny lalana ny masinina mpitondra entana goavana iray, dia tsy misy hevitra ny hampihodinana azy ary tena sarotra koa ny hampijanonana azy. Manana hery manosika azy lehibe aoka izany ny masinina sasany, hany ka maka iray kilaometatra mahery izy ireny vao mijanona aorian’ny nampiasana ny freins! Toy izany koa, ny sambo goavana mpitatitra solika iray dia mety mbola hisosa handroso hatrany amin’ny valo kilaometatra fanampiny aorian’ny namonoana ny maotera. Na dia atao eo amin’ny dia mianotra (marche arrière) aza ny maotera, dia mbola mety hamakivaky ny rano hatreo amin’ny telo kilaometatra ilay sambo! Hevero anefa izao ny fiara iray mahatahotra lavitra noho ireo roa ireo, dia ilay fiara mampiseho ny fandaminan’Andriamanitra.
3 Maherin’ny 2 600 taona lasa izay, i Jehovah dia nanome an’i Ezekiela mpaminany fahitana iray izay nampiseho an-tsary ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, voaforon’ny zavaboary ara-panahy. Kalesy iray manana habe mahatahotra ilay izy, dia ny ‘fiaran’i’ Jehovah mihitsy eo ambany fifehezany mandrakariva. Ny fomba fihetsehany no mahaliana indrindra. Nisy lafiny efatra sady feno maso ireo kodia goavana, hany ka afaka nahita hatraiza hatraiza izy ireo ary afaka niova zotra avy hatrany, kanefa tsy nila nijanona na nihodina. Ary tsy voatery ho sahirana rehefa hihetsika, sahala amin’ny sambo goavana mpitatitra solika na ny masinina mpitondra entana, io fiara goavana io. Afaka nihetsika tamin’ny hafainganam-pandehan’ny tselatra izy io, ka nanao fihodinana zoro mahitsy mihitsy aza! (Ezekiela 1:1, 14-28). Tahaka ny maha-samy hafa an’i Jehovah amin’ilay Andriamanitra notorin’i Calvin no maha-samy hafa ny fiarany amin’ireo milina votsa namboarin’olombelona. Mahay mampifanara-javatra amin’ny fomba lavorary izy. Tokony hanampy antsika hahay hampifanara-javatra hatrany sy hanalavitra ny fandriky ny tsy fahalalana ny antonona ny fahatakarana io lafin-toetra manokan’i Jehovah io.
Jehovah — Ilay fisiana mahay mampifanara-javatra indrindra eo amin’izao rehetra izao
4. a) Amin’ny fomba ahoana no ampihariharian’ny anaran’i Jehovah mihitsy fa Andriamanitra mahay mampifanara-javatra izy? b) Inona avy no sasany amin’ireo anaram-boninahitra ampiharina amin’i Jehovah Andriamanitra ary nahoana no mety tsara izy ireo?
4 Ny anaran’i Jehovah mihitsy dia milaza ny fahaizany mampifanara-javatra. Ny hoe “Jehovah” dia midika ara-bakiteny hoe “Mahatonga Izy”. Midika miharihary izany fa mahatonga ny tenany ho ilay Mpanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah. Rehefa nanontany an’Andriamanitra izay anarany i Mosesy, dia namelabelatra ny amin’ny hevitr’io anarany io toy izao i Jehovah: “Hoporofoiko fa izay hoporofoiko ny tenako”. (Eksodosy 3:14, NW ). Nilaza azy io mivantana tsara toy izao ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho Tonga araka izay tiako Aho”. I Jehovah dia manaporofo ny tenany ho na inona na inona ilaina, na koa mifidy ny ho tonga toy izany mba hahatanteraka ireo fikasany sy fampanantenany feno fahamarinana. Araka izany, dia mitondra anaram-boninahitra maro be manohina ny fo izy, toy ny hoe: Mpamorona, Ray, Tompo Manam-piandrianana, Mpiandry, Jehovah Tompon’ny maro, Mpihaino vavaka, Mpitsara, Mpampianatra Lehibe, Mpanavotra. Nahatonga ny tenany ho ireo rehetra ireo sy ny hafa koa Izy mba hanatontosana ireo fikasany feno fitiavana. — Isaia 8:13; 30:20, NW; 40:28; 41:14; Salamo 23:1; 65:2; 73:28, NW; 89:26; Mpitsara 11:27; jereo koa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao (anglisy), Appendice 1J.
5. Nahoana isika no tsy tokony hanatsoaka hevitra fa ny fahaizan’i Jehovah mampifanara-javatra dia milaza fa miovaova ny toetra maha-izy azy na ny fari-pitsipiny?
5 Midika àry ve izany fa miovaova ny toetra maha-izy an’Andriamanitra na ny fari-pitsipiny? Tsia, araka ny ilazan’ny Jakoba 1:17 azy hoe: “Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.” Misy fifanoheran-kevitra ve eo? Tsy izany velively. Ohatra, ray na reny be fitiavana iza no tsy miovaova anjara asa mba handraisan’ny zanany soa? Ao anatin’ny andro iray monja, ny ray na ny reny iray dia mety ho mpanolo-tsaina, mpahandro sakafo, mpikarakara tokantrano, mpampianatra, mpampihatra fifehezana, namana, mpanamboatra milina, mpitaiza zaza — ary mitohy hatrany ny lisitra. Tsy manova ny toetra maha-izy azy manokana ilay ray na reny rehefa miantsoroka ireo anjara asa ireo; mampifanara-javatra araka izay ilaina amin’io fotoana io fotsiny izy. Toy izany koa ny amin’i Jehovah, saingy amin’ny ambaratonga lehibe lavitra. Afaka mahatonga ny tenany hanatontosa anjara asa tsy misy fetra izy, mba handraisan’ny zavaboariny soa. Tena mahazendana marina tokoa ny halalin’ny fahendreny! — Romana 11:33.
Fahalalana ny antonona — Lafin-toetra mampiavaka ny fahendren’Andriamanitra
6. Inona avy no dikany ara-bakitenin’ilay teny grika nampiasain’i Jakoba hilazalazana ny fahendren’Andriamanitra ary inona no hevitra tafiditra amin’izy io?
6 Nampiasa teny mahaliana iray i Jakoba mpianatra mba hilazalazana ny fahendren’io Andriamanitra faran’izay mahay mampifanara-javatra io. Izao no nosoratany: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) mandefitra [“mahalala ny antonona”, NW ]”. (Jakoba 3:17). Sarotra adika ilay teny grika (e·pi·ei·kesʹ) nampiasainy teto. Nisy mpandika teny nampiasa teny toy ny hoe “malefaka”, “milefitra”, “manana faharetana”, sy “maneho fiheverana ny hafa”. Mandika azy io hoe “mahalala ny antonona” ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary manampy fanamarihana ambany pejy mampiseho fa “mandefitra” no dikany ara-bakiteny.a Ilay teny dia mampita koa ny hevitra hoe tsy “manao senegaly mahazo baiko”, tsy hentitra tafahoatra na tsy azo ivalozana. Nanazava toy izao i William Barclay, manam-pahaizana manokana, ao amin’ny New Testament Words: “Ny hevitra fototra sy lehibe indrindra momba ny epieikeia dia ny hoe miandoha amin’Andriamanitra izy io. Raha manizingizina ny amin’ny zony Andriamanitra, raha tsy nampihatra tamintsika afa-tsy ny fari-pitsipika henjana ao amin’ny lalàna Andriamanitra, dia mba ho taiza moa isika? Andriamanitra no ilay ohatra tampony ny amin’ny olona izay epieikēs sy mifampiraharaha amin’ny hafa amin’ny epieikeia.”
7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fahalalana ny antonona tany amin’ny zaridainan’i Edena?
7 Hevero ny fotoana fony nikomy tamin’ny fiandrianan’i Jehovah ny olombelona. Ho mora toy inona tamin’Andriamanitra moa ny ho namono ho faty an’ireo mpikomy telo tsy nahay nankasitraka ireo, dia i Adama sy i Eva ary i Satana! Nety ho nitsimbina ny tenany tamin’ny alahelom-po be toy inona moa izy tamin’izany! Ary iza no ho afaka hanaporofo fa tsy nanana zo hitaky ny hampiharana ny rariny tamin’ny fomba hentitra toy izany izy? Na dia izany aza, i Jehovah dia tsy nihazona mafy na oviana na oviana ny fandaminany any amin’ny lanitra, oharina amin’ny kalesy, tao amin’ny fari-pitsipiky ny rariny henjana sy tsy azo ampifanarahina amin’ny toe-javatra. Koa tsy nanorotoro tsy nisy fangorahana ny fianakavian’olombelona sy izay mety ho fahatsinjovany hoavy sambatra àry io kalesy io. Mifanohitra amin’izany kosa aza fa nitondra io kalesiny io tamin’ny hafainganam-pandehan’ny tselatra i Jehovah. Taorian’ilay fikomiana avy hatrany, dia nanoritra fikasana iray mitsinjo ny lavitra i Jehovah Andriamanitra sady nanolotra famindram-po sy fanantenana ho an’ny taranak’i Adama rehetra. — Genesisy 3:15.
8. a) Ahoana no ifanoheran’ny hevi-dison’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana momba ny fahalalana ny antonona sy ny tena fahalalan’i Jehovah ny antonona? b) Nahoana isika no afaka milaza fa ny fahalalan’i Jehovah ny antonona dia tsy milaza fa mety hanaiky lembenana izy raha ny amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra?
8 Ny fahalalan’i Jehovah ny antonona anefa tsy milaza fa mety hanaiky lembenana izy raha ny amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao dia mety hieritreritra fa mahalala ny antonona izy ireo rehefa manakimpy ny masony amin’ny fahalotoam-pitondran-tena mba ho mamy hoditra amin’ireo ondriny mania fotsiny. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:3.) Tsy mandika na oviana na oviana ny lalàna navoakan’ny tenany anefa i Jehovah, na manaiky lembenana raha ny amin’ireo fotopoto-pitsipiny. Mampiseho fahavononana handefitra kosa aza izy mba hifanaraka amin’ny toe-javatra. Amin’izany no azo ampiharana ireo fotopoto-pitsipika ireo araka ny rariny sy famindram-po. Miahy mandrakariva izy mba ho voalanjalanja ny fampiasany ny rariny sy ny heriny miaraka amin’ny fitiavany sy ny fahendreny mahalala ny antonona. Aoka isika handinika ireo fomba telo ampisehoan’i Jehovah fahalalana ny antonona.
“Vonona hamela heloka”
9, 10. a) Inona no ifandraisan’ny hoe “vonona hamela heloka” amin’ny fahalalana ny antonona? b) Ahoana no nandraisan’i Davida soa tamin’ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka, ary nahoana?
9 Nanoratra toy izao i Davida: “Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady [vonona hamela heloka, NW ] ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.” (Salamo 86:5). Rehefa nadika ho amin’ny teny grika ny Soratra Hebreo, ny teny nandikana ny hoe “vonona hamela heloka” dia natao hoe e·pi·ei·kesʹ, na “mahalala ny antonona”. Eny tokoa, ny fahavononana hamela heloka sy haneho famindram-po angamba no fomba fototra hampisehoana fahalalana ny antonona.
10 Tena nahatsapa ny fahalalan’i Jehovah ny antonona tamin’io lafiny io ny tenan’i Davida mihitsy. Rehefa naka an’i Batseba, vadin’olona i Davida ary nandamina ny hampamonoana ny vadin’i Batseba, dia samy mendrika ny fanamelohana ho faty izy sy i Batseba. (Deoteronomia 22:22; 2 Samoela 11:2-27). Raha notsarain’ny mpitsara olombelona henjana ilay raharaha, dia nety ho samy namoy ny ainy tokoa izy roa. Nampiseho fahalalana ny antonona (e·pi·ei·kesʹ) anefa i Jehovah. Io fahalalana ny antonona io, araka ny ilazan’ny Vine’s Expository Dictionary of Biblical Words azy, dia “mampiseho ilay fanehoam-piheverana ny hafa izay mijery ‘ny zava-misy momba ilay raharaha amim-pamindram-po sy amim-pahalalana ny antonona’.” Ny zava-nisy izay nanan-kery teo amin’ny fanapahan-kevitra nampiseho famindram-po noraisin’i Jehovah dia azo inoana fa nahatafiditra ny fibebahan’ireo mpanao heloka tamim-pahatsorana sy ny famindram-po nasehon’ny tenan’i Davida tamin’ny hafa, taloha. (1 Samoela 24:4-6; 25:32-35; 26:7-11; Matio 5:7; Jakoba 2:13). Kanefa, mifanaraka amin’ny filazalazan’i Jehovah ny tenany ao amin’ny Eksodosy 34:4-7, dia ho fahalalana ny antonona raha hampihatra famaizana amin’i Davida i Jehovah. Naniraka an’i Natana mpaminany hitondra hafatra mahery tany amin’i Davida izy, ka nanao izay hahalatsa-paka tao amin’i Davida fa nanamavo ny tenin’i Jehovah izy. Nibebaka i Davida ka noho izany dia tsy maty noho ny helony izy. — 2 Samoela 12:1-14.
11. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fahavononana hamela heloka tamin’ny toe-javatra nisy an’i Manase?
11 Mbola miavaka kokoa amin’io lafiny io aza ny ohatr’i Manase Mpanjakan’ny Joda, satria i Manase dia tena ratsy fanahy nandritra ny ela be, tsy tahaka an’i Davida. I Manase dia nampandroso ireo fanao ara-pivavahana naharikoriko tao amin’ilay tany, anisan’izany ny sorona olombelona. Nety ho tompon’andraikitra tamin’ny ‘fanatsofana’ an’i Isaia mpaminany nahatoky koa izy. (Hebreo 11:37). Mba hanasaziana an’i Manase, dia navelan’i Jehovah hoentina ho babo tany Babylona izy. Kanefa nibebaka i Manase tany an-tranomaizina ary nitalaho famindram-po. Ho valin’io fibebahana tamim-pahatsorana io, i Jehovah dia “vonona hamela heloka” — na dia tamin’io toe-javatra nihoa-pampana io aza. — 2 Tantara 33:9-13.
Fanovana ny fizotran’ny zavatra hatao rehefa mipoitra ny toe-javatra vaovao
12, 13. a) Tamin’ny toe-javatra nisy an’i Ninive, fiovan’ny toe-javatra inona no nandrisika an’i Jehovah hanova ny fizotran’ny zavatra hataony? b) Ahoana no nanaporofoan’i Jona fa latsaka noho ny an’i Jehovah Andriamanitra ny fahalalany ny antonona?
12 Niseho koa ny fahalalan’i Jehovah ny antonona teo amin’ny fahavononany hanova ny fizotran’ny zavatra noheveriny hatao rehefa mipoitra ny toe-javatra vaovao. Ohatra, rehefa nandeha namakivaky ny araben’i Ninive fahiny i Jona mpaminany, dia tena tsotra ny hafatra azony ara-tsindrimandry: Horavana ao anatin’ny 40 andro ilay tanàna lehibe. Kanefa niova ny toe-javatra, tamin’ny fomba nanaitra ny saina! Nibebaka ireo Ninivita. — Jona 3 , toko faha-3.
13 Ahitana fianarana ny fampifanoherana ny fihetsik’i Jehovah sy ny an’i Jona teo anoloan’io fiovan’ny toe-javatra io. Raha ny tena izy, dia nanova ny fizotran’ny kalesiny any an-danitra i Jehovah. Tamin’io ohatra io izy dia nampifanara-javatra, ka nahatonga ny tenany ho mpamela heloka fa tsy “mpiady mahery”. (Eksodosy 15:3). I Jona kosa, tetsy an-danin’izany, dia latsaka be teo amin’ny fahaizana milefitra. Tsy niara-namindra tamin’ny kalesin’i Jehovah izy, fa nanao kosa zavatra nitovy kokoa tamin’ilay masinina mpitondra entana na ilay sambo goavana mpitatitra solika voalaza erỳ aloha. Nanambara fiafarana ratsy izy, koa tsy maintsy hisy ny fiafarana ratsy! Nihevitra angamba izy fa hanala baraka azy teo imason’ireo Ninivita izay nety ho fiovan-javatra. Tamim-paharetana anefa, dia nomen’i Jehovah fianarana mendrika hotsaroana momba ny fahalalana ny antonona sy ny famindram-po ilay mpaminaniny mafy loha. — Jona 4 , toko faha-4.
14. Nahoana i Jehovah no nanova ny fizotran’ny zavatra hataony nikasika an’i Ezekiela mpaminaniny?
14 Nanova ny fizotran’ny zavatra hataony i Jehovah tamin’ny tarehin-javatra hafa — na dia tamin’ny raharaha toa madinika aza. Ohatra, indray mandeha dia naniraka an’i Ezekiela mpaminany izy mba hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsehana, tantara ara-paminaniana iray. Anisan’ireo toromarika nomen’i Jehovah an’i Ezekiela ny tokony hahandroany ny sakafony tamin’ny diky hatao kitay. Tena tafahoatra tsotra izao ilay izy ho an’ilay mpaminany izay nihiaka hoe: “Indrisy! Jehovah Tompo ô”, ary nitalaho mba tsy hasaina hanao zavatra naharikoriko azy tahaka izany. Tsy nailik’i Jehovah ho toy ny tsy azon’ny saina ekena ny fihetseham-pon’ilay mpaminany; navelany kosa aza i Ezekiela hampiasa tain’omby, izay zavatra fitaina mahazatra any amin’ny tany maro hatramin’izao andro izao. — Ezekiela 4:12-15.
15. a) Ohatra inona avy no mampiseho fa vonona ny hihaino sy hanaiky ny tenin’ny olombelona i Jehovah? b) Fianarana inona no mety homen’izany antsika?
15 Moa ve tsy manafana ny fo ny misaintsaina ny fanetren-tenan’i Jehovah Andriamanitsika? (Salamo 18:35, NW ). Ambony lavitra noho isika Izy, kanefa dia mihaino amim-paharetana ny olombelona tsy lavorary ary indraindray aza dia manova ny fizotran’ny zavatra hataony arakaraka ny toe-javatra. Navelany i Abrahama hifandahatra taminy ela be momba ny fandravana an’i Sodoma sy i Gomora. (Genesisy 18:23-33). Ary navelany i Mosesy hampipoitra fanoherana tamin’ny fikasany handringana ireo Isiraelita nikomy ka hanao an’i Mosesy ho firenena lehibe izy ho solon’izany. (Eksodosy 32:7-14; Deoteronomia 9:14, 19; ampitahao amin’ny Amosa 7:1-6.) Tamin’izany izy dia namela ohatra lavorary ho an’ireo mpanompony olombelona izay tokony hampiseho fahavononana toy izany koa hihaino ny hafa rehefa mampiseho fahalalana ny antonona sy azo atao izany. — Ampitahao amin’ny Jakoba 1:19.
Fahalalana ny antonona eo amin’ny fampiharana fahefana
16. Ahoana no tsy itovian’i Jehovah amin’ny olombelona maro eo amin’ny fomba ampiharany ny fahefany?
16 Efa mba voamarikao ve fa rehefa mahazo fahefana bebe kokoa ny olona, dia toa mihamihena ny fampisehoan’ny maro fahalalana ny antonona? I Jehovah, mifanohitra amin’izany, dia manana ny toerana misy fahefana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao, kanefa dia izy no ilay ohatra tampony amin’ny fahalalana ny antonona. Mampihatra ny fahefany amin’ny fomba mampiseho fahalalana ny antonona azo antoka izy. Tsy mba tahaka ny olombelona maro i Jehovah, fa azony antoka ny amin’ny fahefany; noho izany dia tsy mahatsiaro tena ho voatery hitandrina azy io amim-pahasarotam-piaro izy — toy ny hoe mety hahatandindomin-doza ny fahefan’ny tenany ny fanomezana fahefana sasany ho an’ny hafa. Raha ny marina, fony tsy nisy afa-tsy fisiana hafa tokana teo amin’izao rehetra izao, i Jehovah dia nanolotra fahefana be dia be ho an’io fisiana io. Nataony “mpità-marika” ho azy ny Logos, ka nanomboka teo, dia noharìny tamin’ny alalan’io Zanaka malalany io ny zavatra rehetra. (Ohabolana 8:22, 29-31; Jaona 1:1-3, 14, NW, fanamarihana ambany pejy; Kolosiana 1:15-17). Nomeny azy tatỳ aoriana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. — Matio 28:18; Jaona 5:22.
17, 18. a) Nahoana i Jehovah no naniraka anjely tany Sodoma sy Gomora? b) Nahoana i Jehovah no nangataka fanipazan-kevitra tamin’ny anjely ny amin’ny fomba hitaomana an’i Ahaba?
17 Toy izany koa, i Jehovah dia nanankina asa izay azon’ny tenany niantsorohana tsara kokoa aza, tamin’ny zavaboariny maro. Ohatra, rehefa nilaza tamin’i Abrahama izy hoe: “Hidina Aho [ao Sodoma sy Gomora] ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia”, dia tsy te hilaza izy akory fa handeha ho any mihitsy ny tenany. Nifidy ny hanome fahefana kosa aza i Jehovah ka nanendry anjely mba haka izany fanazavana izany ho azy. Nomeny fahefana ireo hanatontosa io asa fanirahana hijery ny zava-misy io ary hanao tatitra aminy rehefa tafaverina. — Genesisy 18:1-3, 20-22.
18 Tamin’ny tarehin-javatra hafa iray, rehefa nanapa-kevitra ny hampihatra fanamelohana tamin’i Ahaba Mpanjaka ratsy fanahy i Jehovah, dia nanasa ny anjely tamin’ny fivoriambe iray tany an-danitra mba hanome fanipazan-kevitra ny amin’ny fomba ‘hitaomana’ io mpanjaka nivadi-pinoana io handray anjara tamin’ilay ady izay hamarana ny fiainany. Azo antoka fa tsy nila fanampiana akory i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra, mba hanoro ny fizotran’ny zavatra hatao tsara indrindra! Kanefa, nomeny voninahitra ny anjely tamin’ny fanomezana azy ireo tombontsoa hahita ala olana sy ny fahefana hanao zavatra nifanaraka tamin’ilay ala olana izay nofidiny. — 1 Mpanjaka 22:19-22.
19. a) Nahoana no feran’i Jehovah ny isan’ny lalàna ataony? b) Ahoana no isehoan’i Jehovah ho mahalala ny antonona raha ny amin’izay antenainy amintsika?
19 I Jehovah dia tsy mampihatra ny fahefany mba hifehezana tafahoatra ny hafa. Amin’io lafiny io koa izy dia mampiseho fahalalana ny antonona tsy misy toy izany. Ferany amim-pitandremana ny isan’ny lalàna ataony ary rarany ireo mpanompony ‘tsy hihoatra noho ny voasoratra’ ka hanampy lalàna manavesatra ataon’ny tenan’izy ireo ihany. (1 Korintiana 4:6; Asan’ny Apostoly 15:28; ampifanohero amin’ny Matio 23:4.) Tsy mitaky na oviana na oviana fankatoavana an-jambany amin’ireo zavaboariny izy. Omeny fanazavana ampy kosa aza izy ireo mazàna mba hitarihana azy ary apetrany eo anoloan’izy ireo ny safidy amin’ny famelana azy ireo hahafantatra ny soa entin’ny fankatoavana ary ny vokatry ny tsy fankatoavana. (Deoteronomia 30:19, 20). Tsy manery ny olona amin’ny alalan’ny fahatsapana ho meloka, na ny henamaso na ny tahotra izy, fa ataony kosa izay hanohinana ny fo; iriny ny hanompoan’ny olona azy noho ny fitiavana marina fa tsy an-tery. (2 Korintiana 9:7). Mampifaly ny fon’Andriamanitra ny fanompoana rehetra atao amin’ny fanahy manontolo toy izany, koa tsy “sarotra ampifalina” amin’ny fomba tsy mahalala ny antonona àry izy. — 1 Petera 2:18, NW; Ohabolana 27:11; ampitahao amin’ny Mika 6:8.
20. Inona no fiantraikan’ny fahalalan’i Jehovah ny antonona eo aminao?
20 Moa ve tsy zava-miavaka ny hoe i Jehovah Andriamanitra, izay manana hery lehibe kokoa noho ny persona na iza na iza eo amin’izay noforonina, dia tsy mampihatra na oviana na oviana io hery io amin’ny fomba tsy mahalala ny antonona, ary tsy mampiasa na oviana na oviana azy io koa hanaovana kely tsy mba mamindro amin’ny hafa? Kanefa ny olona, izay kely sy bitika aoka izany raha ampitahaina aminy, dia tsy misy afa-tsy fifanjakazakana ny tantarany. (Mpitoriteny 8:9, NW ). Mazava tsara fa ny fahalalana ny antonona dia toetra sarobidy izay vao mainka manosika antsika ho tia an’i Jehovah bebe kokoa ihany. Izany indray avy eo dia mety hanosika antsika hamboly io toetra tsara io koa. Ahoana no ahafahantsika manao izany? Hiditra amin’io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny 1769, i John Parkhurst, mpanazava hevi-teny, dia namaritra ilay teny ho “mandefitra, manana fironana handefitra, malefaka, malemy fanahy, maharitra”. Nanolotra ny hoe “mandefitra” ho toy ny famaritana koa ny manam-pahaizana manokana hafa.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no anantitranteran’ny anaran’i Jehovah sy ny fahitana ny amin’ny kalesiny any amin’ny lanitra ny fahaizany mampifanara-javatra?
◻ Inona no atao hoe fahalalana ny antonona, ary nahoana izy io no lafin-toetra mampiavaka ny fahendren’Andriamanitra?
◻ Tamin’ny fomba inona avy no nampisehoan’i Jehovah fa “vonona hamela heloka” izy?
◻ Nahoana i Jehovah no nifidy ny hanova ny fizotran’ny zavatra noheveriny hatao tamin’ny toe-javatra sasany?
◻ Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fahalalana ny antonona amin’ny fomba ampiharany fahefana?
[Sary, pejy 10]
Nahoana i Jehovah no namela ny helok’i Manase Mpanjaka ratsy fanahy?