Mamela Heloka ve Ianao?
SAROTRA tamin’i Bill sy i Lisa zanany vavy 16 taona ny nahay nifanaraka. Niitatra ka nanjary fifamaliana tamim-pitabatabana matetika ireo tsy fifanarahana madinika teo amin’izy ireo. Farany, dia nitombo ny fihenjanana ka tonga hatramin’ny fitakiana tamin’i Lisa mba hiala tao an-trano.a
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary niaiky i Lisa fa diso ka nitady ny famelan’ny rainy. Kanefa, tsy namela tanteraka ireo fahadisoan’i Lisa tamin’ny lasa, ilay rainy feno lonilony fa nanda ireo fiezahany hamitrana fihavanana. Eritrereto ange izany e! Tsy vonona ny hampiseho famindram-po tamin’ny zanany vavy mihitsy ilay ray!
Taonjato maro lasa izay, dia nisy lehilahy iray tsy nanan-tsiny nomelohina ho faty noho ny heloka bevava izay tsy nataony. Nanao fanambarana tsy marina ireo vavolombelona ary ninia tsy nampihatra ny rariny ireo manam-pahefana ara-politika. Io lehilahy tsy nanan-keloka io dia i Jesosy Kristy. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nangataka tamim-bavaka tamin’Andriamanitra toy izao izy: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” — Lioka 23:34.
Namela malalaka sy avy tamin’ny fony i Jesosy, ary nampirisihina mba hanahaka azy tamin’io lafiny io ireo mpanara-dia azy. (Efesiana 4:32). Tahaka an’i Bill anefa, dia olona maro no tsy vonona, amin’ny fomba tsy miantra, ny hamela heloka. Aiza ho aiza ny fanananao ireo toetra ilaina amin’io lafiny io? Vonona ny hamela ny hafa ve ianao rehefa manota aminao izy ireo? Ary ahoana ny amin’ireo fahotana lehibe? Tsy maintsy avela koa ve izy ireny?
Zava-tsarotra ny famelan-keloka
Tsy mora foana akory ny mamela heloka. Ary amin’izao fotoan-tsarotra izao, dia mihamanahirana hatrany ireo fifandraisan’olombelona. Ny fiainam-pianakaviana indrindra matetika no feno fihenjanana sy fanerena. I Paoly, apostoly kristiana dia efa nilaza taloha ela be fa hanjaka amin’ny “andro farany” izany toe-javatra izany. Hoy izy: “Ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, (...) tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina noho ny fieboeboana”. — 2 Timoty 3:1-4, NW.
Amin’ny fomba tsy azo ialana àry, isika rehetra dia miatrika fanerena avy eny ivelany izay misedra ny fahaizantsika mamela ny hafa. Fanampin’izany, dia miady mafy amin’ny fanerena anaty koa isika. Nilaza ny alahelony toy izao i Paoly: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.” (Romana 7:19, 20). Vokatr’izany, dia maro amintsika no tsy mamela heloka araka izay sitratsika. Rehefa dinihina tokoa, dia mampihatra fitaomana mahery eo amintsika rehetra ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana nolovana, ka indraindray dia manaisotra amintsika ny fiantrana ny olona tahaka antsika.
Rehefa nampirisihina ny vehivavy iray mba hamela olon-kafa noho ny fahadisoana kely, dia namaly izy hoe: “Tsy misy na dia iray aza mendrika ilay ezaka ilaina amin’ny famelan-keloka.” Raha jerena etỳ ivelany, dia mety ho toa mangatsiaka sy tsy misy fangorahana ary tsy misy fatokiana olona mihitsy aza izany fanazavana izany. Rehefa mijery lalina kokoa anefa isika dia mahita fa mampiharihary ny fahadisoam-panantenana tsapan’ny olona maro izy io rehefa miatrika tontolo iray izay heveriny fa tia tena sy tsy misy fiahiana ary tsy misy fisakaizana, izy ireo. Hoy ny lehilahy iray hoe: “Manararaotra anao ny olona rehefa mamela azy ireo ianao. Izany dia tahaka ny hoe hitsakitsahina ny tena.”
Tsy mahagaga àry raha sarotra ny mamboly fihetsika vonona ny hamela heloka amin’izao andro farany izao. Kanefa, mampirisika antsika ny Baiboly mba hamela heloka amin-katsaram-panahy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:7.) Nahoana isika no tokony hamela heloka?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.