FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/9 p. 15-20
  • Alao ho Fianarana Ireo Mpaminanin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alao ho Fianarana Ireo Mpaminanin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nizaka fahoriana izy ireo
  • Naneho faharetana izy ireo
  • ‘Dia izany no nataony’
  • Nanana toe-tsaina nanorina izy ireo
  • Loharanom-pampaherezana
  • Zotom-po sy toe-tsaina mahay miandry
  • Fanehoana faharetana amin’izao andro izao
  • Sahia Mitory ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • “Ambarao any Amin’ireo Firenena Izao”
    Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah
  • Manàna Faharetana toa An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Manaova Fanambarana Ampahibemaso ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/9 p. 15-20

Alao ho Fianarana Ireo Mpaminanin’Andriamanitra

“Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’[i Jehovah, NW ] no halainareo ho fianarana ny [fizakana fahoriana, NW ] sy ny faharetana.” — JAKOBA 5:10.

1. Inona no manampy ny mpanompon’i Jehovah ho falifaly na dia rehefa enjehina aza izy ireo?

MIRAMIRAN’NY hafaliana ny mpanompon’i Jehovah na dia eo aza ny rivo-piainana feno fahakiviana miely patrana maneran-tany amin’izao andro farany izao. Izany no izy satria fantatr’izy ireo fa mampifaly an’Andriamanitra izy. Miaritra koa ny Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny fanenjehana sy ny fanoherana ny fanompoany ampahibemaso, satria takatr’izy ireo fa mijaly noho ny fahamarinana izy. Niteny toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy Kristy: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.” (Matio 5:10-12). Marina tokoa fa na rahoviana na rahoviana ny mpanompon’Andriamanitra no miatrika fisedrana ny finoany, dia ataony ho fifaliana izany. — Jakoba 1:2, 3.

2. Araka ny Jakoba 5:10, inona no afaka manampy antsika haneho faharetana?

2 Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’[i Jehovah, NW ] no halainareo ho fianarana ny [fizakana fahoriana, NW ] sy ny faharetana.” (Jakoba 5:10). I W. F. Arndt sy i F. W. Gingrich dia mamaritra ilay teny grika nadika eto hoe “fianarana” (hy·poʹdeig·ma) ho “ohatra, modely, fianarana, amin’ny heviny tsara toy ny zavatra iray izay mandrisika na tokony handrisika ny tena hanahaka azy”. Araka ny aseho ao amin’ny Jaona 13:15, “izany dia bebe kokoa noho ny ohatra iray. Modely voalohany miavaka tsara natao halain-tahaka izy io”. (Theological Dictionary of the New Testament). Koa noho izany, ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro maoderina dia afaka maka ho fianarana ireo mpaminaniny nahatoky raha ny amin’ny “fizakana fahoriana” sy ny fanehoana “faharetana”. Inona koa no mety ho tsikaritsika rehefa mandinika amim-pitandremana ny fiainan’izy ireo isika? Ary amin’ny ahoana izany no afaka manampy antsika eo amin’ny asa fitoriana ataontsika?

Nizaka fahoriana izy ireo

3, 4. Nanao ahoana ny fihetsik’i Amosa mpaminany teo anatrehan’ny fanoheran’i Amazia?

3 Matetika ireo mpaminanin’i Jehovah dia nizaka fahoriana na fitondrana ratsy. Tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., ohatra, dia nanohitra tamin-karatsiam-panahy an’i Amosa mpaminany i Amazia, mpisorona mpivavaka tamin’ny ombilahikely. Nilaza tamin’ny fomba diso i Amazia fa nikomy tamin’i Jeroboama II i Amosa tamin’ny faminaniana fa ho faty amin’ny sabatra ilay mpanjaka ary ho lasa babo ny Isiraely. Niteny tamim-panesoana toy izao tamin’i Amosa i Amazia: “Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda hianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.” Tsy nihontsina tamin’io famelezana am-bava io i Amosa fa namaly hoe: “Tsy mba mpaminany aho, na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho, saingy nalain’i Jehovah tany am-piandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ny Isiraely oloko.” — Amosa 7:10-15.

4 Nanome hery an’i Amosa mba haminany tamin-kerim-po ny fanahin’i Jehovah. Alao sary an-tsaina ny fihetsik’i Amazia rehefa niteny toy izao i Amosa: “Henoy ny tenin’i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’Isaka; koa izao no lazain’i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, ary ny taninao hozaraina amin’ny famolaina; ary ny tenanao ho faty any amin’ny tany maloto; ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa.” Tanteraka izany faminaniana izany. (Amosa 7:16, 17). Tsy maintsy tafintohina toy inona moa i Amazia mpivadi-pinoana tamin’izany!

5. Fifanitsian-javatra inona no azo tsoahina avy amin’ny tarehin-javatra misy ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro maoderina sy ny an’i Amosa mpaminany?

5 Izany dia mitovy amin’ny tarehin-javatra misy ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Mizaka fahoriana isika, toy ireo izay manambara ny hafatr’Andriamanitra, ary olona maro no miresaka amim-panesoana ny amin’ny asa fitoriana ataontsika. Marina fa tsy avy amin’ny seminera ara-teolojia ny fahazoan-dalana ananantsika mba hitory. Ny fanahy masin’i Jehovah kosa no manosika antsika hanambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy manova na manatsatso ny hafatr’Andriamanitra isika. Sahala amin’i Amosa kosa dia ambarantsika amim-pankatoavana izany, na toy inona na toy inona fihetsik’ireo mpihaino antsika. — 2 Korintiana 2:15-17.

Naneho faharetana izy ireo

6, 7. a) Inona no nampiavaka ny faminanian’i Isaia? b) Amin’ny ahoana ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao no manao zavatra sahala amin’i Isaia?

6 Naneho faharetana ireo mpaminanin’Andriamanitra. Naneho faharetana, ohatra, i Isaia izay nanompo tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. Nilaza taminy toy izao Andriamanitra: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala; ary mijere mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahafantatra. Ataovy adala ny fon’ity frenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana.” (Isaia 6:9, 10). Nanana izany fihetsika izany tokoa ny olona. Nahatonga an’i Isaia hiala ve anefa izany? Tsia. Nanambara tamim-paharetana sy tamin-jotom-po ny hafatra fampitandreman’i Jehovah kosa izy. Amin’ny teny hebreo, ny firafitr’ilay tenin’Andriamanitra vao avy notononina teo dia manohana ilay hevitra hoe “hitohy ela” ny fanambaran’ilay mpaminany, izay ren’ny olona “miverimberina foana”. — Gesenius’ Hebrew Grammar.

7 Amin’izao andro izao, ny fihetsiky ny maro eo anoloan’ny vaovao tsara dia toy ny fihetsiky ny olona teo anoloan’ny tenin’i Jehovah nampitain’i Isaia. Sahala amin’io mpaminany nahatoky io anefa, dia mamerina ny hafatra momba ilay Fanjakana “miverimberina foana” isika. Manao izany amin-jotom-po sy fikirizana miharo faharetana isika, satria izany no sitrapon’i Jehovah.

‘Dia izany no nataony’

8, 9. Amin’ny lafiny inona avy i Mosesy mpaminanin’i Jehovah no ohatra tsara dia tsara?

8 Fakan-tahaka teo amin’ny faharetana sy ny fankatoavana i Mosesy mpaminany. Nifidy ny hiandany tamin’ireo Isiraelita nandevozina izy, kanefa dia voatery niandry tamim-paharetana ny fotoana fanafahana azy ireo. Nipetraka tany Midiana nandritra ny 40 taona izy mandra-pampiasan’Andriamanitra azy mba hitarika ny vahoakan’ny Isiraely hiala tamin’ny fanandevozana. Rehefa teo anatrehan’ny mpanapaka an’i Egypta i Mosesy sy i Arona rahalahiny, dia niteny sy nanao tamim-pankatoavana izay nandidian’Andriamanitra azy. Raha ny marina ‘dia izany no nataony’. — Eksodosy 7:1-6; Hebreo 11:24-29.

9 Niaritra tamim-paharetana ireo 40 taona mafy lanin’ny Isiraely tany an’efitra i Mosesy. Narahiny tamim-pankatoavana koa ny toromarik’Andriamanitra momba ny fanorenana ny tabernakelin’ny Isiraely sy momba ny fanaovana ireo zavatra hafa nampiasaina teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Nanaraka akaiky aoka izany ny toromarik’Andriamanitra ilay mpaminany, hany ka izao no vakintsika: “Dia nataon’i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony.” (Eksodosy 40:16). Eo am-panatanterahana ny fanompoantsika miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia aoka isika hitadidy ny fankatoavan’i Mosesy sy hampihatra ilay torohevitry ny apostoly Paoly mba ‘hanaiky ny mpitondra antsika’. — Hebreo 13:17.

Nanana toe-tsaina nanorina izy ireo

10, 11. a) Inona no mampiseho fa nanana fomba fijery nanorina ny mpaminany Hosea? b) Ahoana no ahafahantsika mitana toe-tsaina manorina rehefa manatona olona ao amin’ny faritanintsika?

10 Nila nanana toe-tsaina nanorina ireo mpaminany teo am-pilazany hafatra fanamelohana ary koa faminaniana nampiseho taratry ny fiahian’Andriamanitra tamim-pitiavana an’ireo nahatoky izay niely teo amin’ny Isiraely. Marina izany raha ny amin’i Hosea izay mpaminany nandritra ny tsy latsaka ny 59 taona. Tamin’ny fomba nanorina, dia tsy nitsahatra nilaza ny hafatr’i Jehovah izy, ary namarana ny bokiny ara-paminaniana tamin’ny teny hoe: “Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny làlan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.” (Hosea 14:10). Raha mbola avelan’i Jehovah hanao fanambarana koa isika, dia aoka isika hanana toe-tsaina manorina ary tsy hitsahatra hitady ireo izay hanaiky amim-pahendrena ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory.

11 Mba ‘hitadiavana izay mendrika’, dia ilaintsika ny fikirizana sy ny fijerena zavatra amin’ny fomba manorina. (Matio 10:11, NW ). Raha tsy tsaroantsika, ohatra, ny nametrahantsika ny fanalahidintsika, dia mety hiverina hanaraka ny diantsika isika ka hitady any amin’ireo toerana maro samihafa nalehantsika. Rehefa avy manao izany miverimberina ihany isika vao mety hahita azy io. Aoka isika hanana fikirizana toy izany koa eo amin’ny fitadiavana ireo olona toy ny ondry. Fifaliana toy inona no ananantsika rehefa manaiky ny vaovao tsara izy ireo, any amin’ny faritany voasa matetika! Ary toy inona ny fifaliantsika noho ny fitahian’Andriamanitra ny asantsika any amin’ireo tany nisy fameperana nametra ny fanompoantsika ampahibemaso taloha! — Galatiana 6:10.

Loharanom-pampaherezana

12. Faminanian’i Joela inona no manana fahatanterahany amin’ny taonjato faha-20, ary amin’ny fomba ahoana?

12 Afaka mitondra fampaherezana lehibe ho antsika eo amin’ny fanompoantsika ny tenin’ireo mpaminanin’i Jehovah. Diniho, ohatra, ny faminanian’i Joela. Mirakitra hafatra fanamelohana izay natao ho an’ireo Isiraelita nivadi-pinoana sy ny hafa tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. izy io. Kanefa dia nahazo tsindrimandry mba haminany toy izao koa i Joela: “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho [Jehovah]; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahi-antitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.” (Joela 3:1, 2). Hita fa marina izany teo amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. Ary fahatanterahan’io faminaniana io malaza toy inona moa no hitantsika amin’izao taonjato faha-20 izao! Amin’izao andro izao, dia manana olona an-tapitrisany maro izay ‘maminany’, na manambara ny hafatr’i Jehovah isika, ka eo amin’izy ireo dia maherin’ny 600 000 no ao amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana.

13, 14. Inona no afaka manampy ireo tanora kristiana mba hahita fifaliana eo amin’ny asa fanompoana?

13 Maro amin’ireo mpitory ilay Fanjakana no tanora. Tsy mora foana ho azy ireo ny miresaka ny Baiboly amin’ireo zokiolona. Indraindray dia ilazana ireo tanora mpanompon’i Jehovah hoe: ‘Mandany ny fotoananao ianao amin’ny fitoriana’ sy hoe: ‘Tokony hanao zavatra hafa ianao.’ Amim-pahaiza-mandanjalanja, ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia afaka mamaly fa malahelo izy ireo noho ny fiheveran’ilay olona toy izany. Hitan’ny tanora iray mpitory ny vaovao tsara fa mahasoa ny fanampiana hoe: “Tsapako fa tena mandray soa tokoa aho amin’ny firesahana amin’ny zokiolona toa anao, ary ankafiziko izany.” Mazava ho azy fa tsy fandaniam-potoana velively ny fitoriana ny vaovao tsara. Misy ain’olona tandindomin-doza. Tamin’ny alalan’i Joela, dia izao no nambaran’Andriamanitra ho fanampin’izany: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. — Joela 3:5.

14 Ireo ankizy izay miaraka amin’ny ray aman-dreniny amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia manaiky amim-pahafinaretana ny fanampian’ny ray aman-dreny eo amin’ny famerana tanjona ho an’ny tenany manokana. Tsikelikely, ny tanora toy izany dia handroso avy amin’ny famakiana andinin-teny iray ho amin’ny fanazavana ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly sy ny fanolorana zavatra vita an-tsoratra mifanentana amin’ny olona liana. Arakaraka ny ahitan’izy ireo ny fandrosoany manokana sy ny fitahian’i Jehovah, dia hahita fifaliana lehibe eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ireo tanora mpitory ilay Fanjakana. — Salamo 110:3; 148:12, 13.

Zotom-po sy toe-tsaina mahay miandry

15. Ahoana no ahafahan’ny ohatr’i Ezekiela manampy antsika handrehitra indray ny zotom-pontsika ho an’ny asa fitoriana ilay Fanjakana?

15 Fakan-tahaka koa ireo mpaminanin’Andriamanitra teo amin’ny fampisehoana zotom-po sy toe-tsaina mahay miandry — dia toetra izay ilaintsika eo amin’ny fanompoantsika amin’izao andro izao. Fony isika vao nianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia azo inoana fa narehitry ny zotom-po izay nanosika antsika ho sahy hiteny tamin-kerim-po isika. Mety ho nandeha anefa ireo taona hatramin’izay, ary mety ho niasa matetika ny faritany fitoriantsika isika. Olona vitsy kokoa izao no mety hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nampihena ny zotom-pontsika ve izany? Raha izany no izy, dia diniho ny mpaminany Ezekiela, izay ny anarany dia midika hoe “Manatanjaka Andriamanitra”. Na dia niatrika olona mafy fo teo amin’ny Isiraely fahiny aza i Ezekiela, dia nanatanjaka azy Andriamanitra, ary tamin’ny heviny ara-panoharana dia nataony mafy kokoa noho ny vatolampy ny handriny. Araka izany, dia afaka nanatanteraka ny fanompoany nandritra ny taona maro dia maro i Ezekiela, na nihaino ny olona na tsia. Asehon’ny ohatra navelany fa afaka manao toy izany koa isika, ary io ohatra io dia afaka manampy antsika handrehitra indray ny zotom-pontsika ho an’ny asa fitoriana. — Ezekiela 3:8-9; 2 Timoty 4:5.

16. Toe-tsain’i Mika inona no tokony hambolentsika?

16 Mendrika homarihina noho ny faharetany i Mika izay naminany tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. “Fa izaho kosa”, hoy ny nosoratany, “dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.” (Mika 7:7). Nifototra tamin’ny finoany natanjaka ny fatokian’i Mika. Sahala amin’i Isaia mpaminany, dia fantatr’i Mika fa izay nokasain’i Jehovah hatao, dia azo antoka fa hataony tokoa. Fantatsika koa izany. (Isaia 55:11). Noho izany, dia aoka isika hamboly toe-tsaina mahay miandry mikasika ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Ary aoka isika hitory ny vaovao tsara amin-jotom-po, na dia any amin’ireo faritra tsy anehoan’ny olona fahalianana firy amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana aza. — Titosy 2:14; Jakoba 5:7-10.

Fanehoana faharetana amin’izao andro izao

17, 18. Ohatra tranainy sy maoderina inona avy no afaka manampy antsika haneho faharetana?

17 Ny sasany tamin’ireo mpaminanin’i Jehovah dia naharitra tamim-pikirizana tao amin’ny asa nanendrena azy nandritra ny taona maro kanefa dia tsy nahita ny fahatanterahan’ireo faminaniana nambarany. Na dia izany aza anefa, ny fikirizan’izy ireo tamim-paharetana matetika sady nizaka fitondrana ratsy, dia manampy antsika hahatakatra fa afaka manatanteraka ny fanompoantsika isika. Afaka mandray soa koa isika avy amin’ny ohatr’ireo voahosotra nahatoky tany amin’ireo folo taona voalohan’ny taonjato faha-20. Na dia tsy tanteraka haingana araka ny nanampoizany azy aza ny fanantenany ho any an-danitra, ny fahadisoam-panantenana noho ny toa fanemoram-potoana dia tsy navelan’izy ireo hampihena ny zotom-pony teo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra araka ny naharihariny taminy.

18 Maro tamin’ireny Kristiana ireny no nizara tsy tapaka nandritra ny taona maro Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay gazety namany hoe Mifohaza! (nantsoina taloha hoe L’Age d’or ary tatỳ aoriana hoe Consolation). Tamin-jotom-po, dia nataon’izy ireo izay hahazoan’ny olona teny amin’ny arabe sy tany an-tranony an’ireo gazety sarobidy ireo, ka izany dia tamin’ilay antsointsika hoe lalana fizarana gazety amin’izao andro izao. Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany ny anabavy zokiolona iray. Vetivety dia nahamarika ny tsy naha-teo azy ny mpandalo iray izay zatra nahita azy nanao fanambarana teo amin’ny arabe. Fanambarana toy inona moa no nataony nandritra ireo taona maro nanompoany tamim-pahatokiana, araka ny asehon’ireo fanamarihana feno fankasitrahana nataon’ireo nandinika ny fanompoany ampahibemaso! Amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana anao, moa ve ianao mametraka tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! eny am-pelatanan’ireo izay hitanao eny amin’ny fanompoanao?

19. Fampaherezana inona no omen’ny Hebreo 6:10-12 antsika?

19 Hevero koa ny fanompoana amim-paharetana sy fahatokiana ataon’ireo rahalahy izay manompo amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maromaro amin’izy ireo izao no eo amin’ny fahasivy folo na fahazato taona niainany, kanefa dia mbola mpitory ilay Fanjakana mikarakara amin-jotom-po ny adidy nampiandraiketina azy ihany. (Hebreo 13:7). Ary ahoana ny amin’ireo zokiolona hafa manana fanantenana ny ho any an-danitra sy ny sasany anisan’ireo “ondry hafa” mihitsy aza, izay efa mandroso taona? (Jaona 10:16). Afaka matoky izy ireo fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asan’izy ireo sy ny fitiavana izay nasehony ho an’ny anarany. Miaraka amin’ireo mpiray finoana tanora kokoa, dia enga anie ireo Vavolombelon’i Jehovah be taona hanana fikirizana eo amin’izay azony atao, amin’ny fanehoana finoana sy faharetana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Hebreo 6:10-12). Avy eo, na amin’ny alalan’ny fananganana ny maty, toy ny an’ireo mpaminany taloha, na amin’ny alalan’ny fahatafitana velona avy hatrany amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy, dia hijinja valisoa sarobidy izy ireo, dia ny fiainana mandrakizay. — Matio 24:21.

20. a) Inona no “fianarana” azonao avy amin’ireo mpaminany? b) Amin’ny ahoana ny faharetana toy ny an’ireo mpaminany no afaka manampy antsika?

20 Fianarana tsara dia tsara toy inona moa no navelan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ho antsika! Noho izy ireo niaritra fahoriana sy naneho faharetana ary nampiseho toetra araka an’Andriamanitra hafa, dia nanana tombontsoa niteny tamin’ny anaran’i Jehovah izy ireo. Amin’ny maha-Vavolombelony antsika amin’ny andro maoderina, dia aoka isika ho toa azy ireo ary ho tapa-kevitra sahala amin’ny mpaminany Habakoka izay nanambara hoe: “Hitsangana eo ambonin’ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin’ny mànda, hiandry hahitako izay holazainy [Andriamanitra] amiko”. (Habakoka 2:1). Aoka isika hanana finiavana mitovy amin’izany eo am-panehoantsika faharetana sy eo am-panohizantsika amim-pifaliana manao fanambarana ampahibemaso an’ilay anarana malazan’ny Mpamorona antsika Lehibe, dia i Jehovah! — Nehemia 8:10; Romana 10:10.

Takatrao ve Ireto Hevitra Ireto?

◻ Ohatra feno herim-po inona no navelan’i Amosa mpaminany?

◻ Tamin’ny lafiny inona avy i Mosesy mpaminany no fakan-tahaka?

◻ Ahoana no ahafahan’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina manao zavatra sahala amin’i Amosa sy i Isaia?

◻ Inona no azon’ireo mpitory kristiana ianarana avy amin’ny fitondran-tenan’i Hosea sy i Joela?

◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatr’i Ezekiela sy i Mika?

[Sary, pejy 16]

Na dia teo aza ny fanoherana tamim-pahatezerana mafy nataon’i Amazia, dia nanome hery an’i Amosa mba haminany tamin-kerim-po ny fanahin’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Namela ohatra tsara dia tsara ireo voahosotra nahatoky tamin’ny fanehoana faharetana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara