Ny Baiboly — Manao Ahoana ny Tena Hasarobidiny?
“ZAVA-MIAFINA ny Baiboly, boky izay tsy natao ho azo ny heviny”, hoy ny fanantitranteran’ny tompon-trano iray. Nanao fanamarihana toy izao ny iray hafa: “Fantatro fa boky manan-danja lehibe ny Baiboly, saingy tsy mahafantatra zavatra betsaka momba azy io aho. Sarotra ny mahazo ny hevitr’izy io.”
“Kristiana maro no tsy mahafantatra (...) afa-tsy zavatra kely momba ny Baiboly”, hoy ny filazan’ny The Toronto Star. Nanome fanazavana toy izao ny vehivavy katolika iray: “Mahafaly ahy ny fananana Baiboly. Mitondra fiadanana anaty izy io.” “Ny Baiboly dia tahaka ny famantaranavaratra iray izay mitari-dalana ny tena hamakivaky ny onjam-piainana mitroatra sy misamboaravoara ho any amin’ny toerana tsy misy ahiahy”, hoy ny mpanjono iray. Araka ny nolazain’ny Hindoa taloha iray, “ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra sy fanomezana ho an’ny taranak’olombelona ary fanafody ho an’ny fijaliana ara-panahy”.
Maro sady miovaova ireo fiheverana ny amin’ny tena hasarobidin’ny Baiboly. Manao ahoana anefa ny tena hasarobidiny?
Ny Baiboly no boky manan-danja sy miely patrana indrindra amin’izay misy. Ao anatin’ireo pejiny no misy ireo vaha olana ho an’ireo zava-manahirana mahavery hevitra indrindra izay efa hitan’ny olona na mbola hatrehiny. Tsy manam-paharoa ny maha-azo ampiharina ny torohevitra omeny. Tsy misy toa azy ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena tohanany. Mahery sy mahasoa ny hafatra raketiny. Mendrika ny halaina eo amin’ny talantalam-bokintsika io boky manana hasarobidy tsy manan-tsahala io ka hanehoana fiheverana sy fandinihana amim-pitandremana.
Afaka manokatra ny Baiboly amim-patokiana feno isika fa izy io dia araka ny marina sy azo ianteherana ary azo itokiana tanteraka. Hamafisin’ny tantara tsy ara-pivavahana ireo zava-nitranga ara-tantara voarakitra an-tsoratra ao anatiny. Imbetsaka ireo zavatra hitan’ny arkeolojia no manamafy fa miorina amin’ny zava-misy sy milaza ny marina ny Baiboly. Ny fahatsoran’ireo mpanoratra ny Baiboly miisa 40 eo ho eo dia mampiavaka azy ireo ho lehilahy milaza ny marina sy tsy mivadika. Asehon’ny firindrana anaty ananan’ny Baiboly fa tsy avy amin’ny olombelona izy io. Tena izy ireo fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra ao anatiny. Tena izy ireo olona resahiny. Tena izy ireo toerana asiany firesahana. Ankoatra izany, ny Baiboly dia mirakitra faminaniana miavaka izay mampahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba tsy azo lavina ho ny Loharanon’ny Baiboly. — 2 Petera 1:21.
Nataon’ilay Mpampianatra antsika Lehibe azo antoka fa ny fahalalana ny sitrapony sy ny fikasany dia ho azo raisin’ireo izay naniry ny hahafantatra an’izany. Raha ny tena izy, i Jehovah dia milaza amintsika amin’ny teny mazava fa sitrapony ny hianaran’ny karazan’olona rehetra ny Teniny sy ny ‘hahatongavany amin’ny fahalalana [araka, NW ] ny marina’. (1 Timoty 2:3, 4; Ohabolana 1:5, 20-33). Izany no iray amin’ireo zava-dehibe indrindra azontsika atao amin’ny androm-piainantsika. Zava-tsarotra tsy maintsy atrehintsika izany fahazoana fahalalana araka ny marina izany. Nahatakatra izany ireo Kristiana tany am-boalohany. Voatosika hilaza toy izao ny iray tamin’izy ireo: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba hamantaranareo izay [zavatra lehibe, NW ] indrindra”. — Filipiana 1:9, 10; Kolosiana 1:9, 10.
Ny Baiboly no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ny Mpamorona amin’ny fampahafantarana ny sitrapony sy ny fikasany amin’ny fianakavian’olombelona, ary manazava ny fomba idirantsika amin’ny maha-isam-batan’olona ao anatin’izany fikasana izany izy io. Ao anatiny no voarakitra an-tsoratra ireo zava-nitranga tamin’ny lasa, ary manome fahitana mazava ny hoavy izy io. Manoritra ny foto-pampianarana marina ny Baiboly ary manitsy antsika ny amin’izay tokony na tsy tokony hinoantsika. (Asan’ny Apostoly 17:11; 2 Timoty 3:16, 17). Manome fitsipi-pitondran-tena izay tokony hiainan’ny olona izy io, ary mitarika ny olombelona ho amin’ny lalan’ny fahombiazana sy ny fahasambarana. (Matio 5-7 toko faha-5 ka hatramin’ny toko faha-7). Manasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona rehetra izy io ary mampiseho ny maha-fitaovana hanamasinana ny anarany sy hanamarinana ny fiandrianany an’ilay fitondram-panjakany. Ny Baiboly dia manazava ny lalana tsy maintsy arahintsika mba hananana fifandraisana akaiky sy feno fitiavana amin’i Jehovah, Mpanome aina antsika.
Ankoatra izany, ny Baiboly no hany boky izay hitarika anao ho any amin’ilay loka lehibe indrindra amin’izay ho azon’ny taranak’olombelona hatramin’izay: ny fiainana mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany amin’ny maha-olombelona lavorary. (Romana 6:23). Milaza amintsika toy izao ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Azo antoka fa ny boky manana hasarobidy lehibe toy izany dia tokony hanome antony manosika antsika hianatra ny amin’izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ilay loka, dia ny fiainana mandrakizay. Ny Baiboly dia boky natao ho azo ny heviny, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.