FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/10 p. 16-21
  • Mampianatra toy ny Nataon’i Jesosy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampianatra toy ny Nataon’i Jesosy ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahatratra ny fo ny fampianarany
  • Nandefitra i Jesosy rehefa namela hanao izany ny fitiavana
  • Fahatongavana ho “zanaky ny didy”
  • Tia sy nahatakatra ny fihevitry ny ankizy i Jesosy
  • “Efa Tonga ny Ora”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Jesosy Kristy, Ilay Misionera Lehibe Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mampahafantatra ny “Fahendren’Andriamanitra” i Jesosy
    Manatòna An’i Jehovah
  • “Fianarana no Nomeko Anareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/10 p. 16-21

Mampianatra toy ny Nataon’i Jesosy ve Ianao?

“Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.” — MATIO 7:28, 29.

1. Iza no nanaraka an’i Jesosy rehefa nampianatra tany Galilia izy, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy?

NA TAIZA na taiza nalehan’i Jesosy dia nitangorona teo aminy ny vahoaka. “Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.” Arakaraka ny nielezan’ny tatitra momba ireo lafin-javatra nosahaniny, dia “nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana”. (Matio 4:23, 25). Rehefa nahita azy ireo izy dia “nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. Rehefa nampianatra izy, dia afaka nahatsapa izy ireo fa naneho fiantrana sy ny firaiketam-po feno fitiavana taminy i Jesosy; izany dia sahala amin’ny menaka fanosotra nampitony ny ferin’izy ireo ka nanintona azy ireo taminy. — Matio 9:35, 36.

2. Ho fanampin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy, inona no nanintona vahoaka maro be?

2 Fanasitranana ara-batana nahagaga toy inona moa no nataon’i Jesosy! Nanadio ny boka, nampahalady ny marenina, nampahiratra ny jamba, nampandeha ny mandringa, namerina ny maty ho amin’ny fiainana! Azo antoka fa ireny fampisehoana nanaitra ny amin’ny herin’i Jehovah niasa tamin’ny alalan’i Jesosy ireny dia nanintona vahoaka maro dia maro! Tsy ireo fahagagana ihany anefa no hany nanintona azy ireo; vahoaka maro koa no tonga noho ilay fanasitranana ara-panahy nomena rehefa nampianatra i Jesosy. Mariho ny fihetsik’izy ireo, ohatra, rehefa avy nihaino ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra: “Nony efa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.” (Matio 7:28, 29). Ireo raby teo aminy dia nanonona lovantsofina avy tamin’ireo raby fahiny ho fahefana hanohanana ny fampianarany. I Jesosy dia nampianatra azy ireo tamin’ny fahefana avy tamin’Andriamanitra: “Izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko.” — Jaona 12:50.

Nahatratra ny fo ny fampianarany

3. Tamin’ny ahoana ny fomba fanambaran’i Jesosy ny hafatra nentiny no tsy nitovy tamin’ny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

3 Ny fahasamihafana teo amin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia tsy avy amin’izay noraketiny ihany — ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra nifanohitra tamin’ireo lovantsofina navesatra avy tamin’olombelona — fa avy tamin’ny fomba nampianarana izany koa. Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia nizahozaho sy sarotiny, nitaky tamim-piavonavonana anaram-boninahitra mankalaza ary nitondra tamim-panamavoana ny vahoaka ho “voaozona”. I Jesosy kosa anefa dia nalemy fanahy sy nalefaka, tsara fanahy sy nangoraka ary nandefitra matetika, ary onena azy ireo izy. Tsy vitan’ny hoe nampianatra tamin’ny teny marina fotsiny i Jesosy, fa tamin’ny teny namabo izay avy tao am-pony koa, dia teny izay namantana tany am-pon’ny mpihaino azy. Ny hafatra falifaly nentiny dia nanintona ny olona hanatona azy, nanosika azy ireo handeha vao maraina tany amin’ny tempoly mba handre azy, ary nahatonga azy ireo hanaraka azy akaiky sy hihaino azy tamim-pahafinaretana. Nisy olona sesehena tonga nihaino azy, ka nanambara hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” — Jaona 7:46-49; Marka 12:37; Lioka 4:22; 19:48; 21:38.

4. Inona teo amin’ny fitorian’i Jesosy no nanintona indrindra olona maro?

4 Azo antoka fa ny iray amin’ireo antony nahatonga ny olona hahatsiaro tena ho voasinton’ny fampianarany, dia ny fampiasany fanoharana. Nahita izay hitan’ny hafa i Jesosy, saingy nihevitra zavatra izay tsy nandalo mihitsy tao an-tsain’izy ireo izy. Ny lilia naniry tany an-tsaha, vorona nanorina ny akaniny, olona namafy voa, mpiandry ondry nampody zanak’ondry very, vehivavy nanampina akanjo tonta, ankizy nilalao teny an-tsena, mpanjono nisarika ny haratony — zavatra nahazatra fahitan’ny rehetra — dia tsy zavatra nahazatra fotsiny mihitsy teo imason’i Jesosy. Teny amin’izay rehetra nojereny, dia hitany izay azony nampiasaina mba hanazavana tamin’ny ohatra ny amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany, na mba hiresahana ny amin’ny fitambaran’olona nanodidina azy.

5. Tamin’inona no nanorenan’i Jesosy ny fanoharany, ary inona no nahatonga ny fanoharany handaitra?

5 Miorina amin-javatra andavanandro efa hitan’ny olona imbetsaka ireo fanoharana nataon’i Jesosy. Ary rehefa ampifandraisina amin’ireny zavatra mahazatra ireny ny fahamarinana, dia voasokitra haingana sy lalina ao an-tsain’ireo mihaino. Tsy re fotsiny ny fahamarinana toy izany; tonga sary ao an-tsaina izy ireny, ary dia mora tsaroana atỳ aoriana. Ireo fanoharana nataon’i Jesosy dia niavaka noho ny fahatsorany, tsy nofenoina zavatra tsy nilaina izay nety ho nanembantsembana sy nanakana ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinana. Hevero, ohatra, ilay fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. Azonao an-tsaina mazava tsara ny atao hoe namana tsara. (Lioka 10:29-37). Avy eo, dia teo koa ilay fanoharana ny amin’ireo zanaka roa lahy — ny iray nilaza fa handeha hiasa tany amin’ny tanimboaloboka fa tsy nandeha, ilay hafa nilaza fa tsy handeha nefa nandeha ihany. Hitanao haingana ny hevitra fototra momba ny atao hoe tena fankatoavana: fanaovana ilay asa nampanaovina. (Matio 21:28-31). Tsy nisy saina rendremana na niriorio nandritra ny fampianarana velombelona nataon’i Jesosy. Revo dia revo tamin’ny fihainoana sy ny fijerena izy ireo.

Nandefitra i Jesosy rehefa namela hanao izany ny fitiavana

6. Amin’ny fotoana toy inona no mahasoa indrindra ny fahalalana ny antonona na ny fandeferana?

6 Imbetsaka, rehefa miresaka ny amin’ny hoe mahalala ny antonona ny Baiboly, dia asehon’ny fanamarihana ambany pejy fa izany dia midika hoe mandefitra. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia mandefitra rehefa misy toe-javatra manalefaka. Tokony hahalala ny antonona, na handefitra isika indraindray. Ireo loholona dia tokony ho vonona ny handefitra rehefa mamela hanao izany ny fitiavana sy rehefa misy fibebahana mendrika izany. (1 Timoty 3:3; Jakoba 3:17). Namela ohatra mahatalanjona i Jesosy teo amin’ny fandeferana, ka nanisy fanavahana teo amin’ny fitsipika ankapobeny izy rehefa nitaky izany ny famindram-po na ny fangorahana.

7. Tamin’ny ohatra sasany inona avy i Jesosy no nandefitra?

7 Hoy i Jesosy indray mandeha: “Na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” Tsy nanda an’i Petera anefa izy, na dia nanda azy intelo aza i Petera. Nisy toe-javatra nanalefaka izay niharihary fa nasian’i Jesosy fiheverana. (Matio 10:33; Lioka 22:54-62). Nisy koa toe-javatra nanalefaka rehefa nandika ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny fandehanana nanavatsava ny vahoaka, ny vehivavy iray naloto noho ny fandehanan-dra. Tsy nanameloka azy koa i Jesosy. Takany ny famoizam-po nahazo azy. (Marka 1:40-42; 5:25-34; jereo koa ny Lioka 5:12, 13.) Nilaza tamin’ireo apostoliny i Jesosy mba tsy hampahafantatra azy ho ny Mesia, kanefa dia tsy nifikitra tsy nilefitra tamin’izany fitsipika izany izy rehefa nampahafantatra ny tenany ho ny Mesia tamin’ny vehivavy samaritana iray teny am-pantsakana. (Matio 16:20; Jaona 4:25, 26). Tamin’ireo toe-javatra rehetra ireo, dia ny fitiavana sy ny famindram-po ary ny fangorahana no nahatonga ny fandeferana hety. — Jakoba 2:13.

8. Oviana ireo mpanora-dalàna sy Fariseo no nampilefitra ny fitsipika ary oviana izy ireo no tsy nanao izany?

8 Izany dia tsy nitovy tamin’ny tsy fandeferan’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Raha ho an’ny tenany, dia nandika ny lovantsofina momba ny Sabata izy ireo mba hitondrana ny ombiny hisotro rano. Na raha latsaka tao anaty lavaka fantsakana ny ombiny na ny zanany lahy, dia ho nandika ny Sabata izy ireo mba hamoahana azy ireo tao. Kanefa raha ho an’ny sarambaben’olona, dia tsy nandefitra mihitsy izy ireo! ‘Tsy nety nanetsika izany [ireo fitakiana] na dia tamin’ny rantsan-tànany anankiray aza’ izy ireo. (Matio 23:4; Lioka 14:5). Tamin’i Jesosy dia zava-dehibe kokoa noho ny fitsipika ny olona; tamin’ireo Fariseo, dia zava-dehibe kokoa noho ny olona ny fitsipika.

Fahatongavana ho “zanaky ny didy”

9, 10. Rehefa avy niverina tany Jerosalema izy ireo, dia taiza no nahitan’ireo ray aman-dreniny an’i Jesosy, ary toy inona ny naha-zava-dehibe ny fanontanian’i Jesosy?

9 Mitaraina ny sasany fa tsy misy afa-tsy fisehoan-javatra iray monja teo amin’ny fotoana naha-zazalahy an’i Jesosy no voarakitra an-tsoratra. Maro anefa no tsy mahatakatra ny hevi-dehibe raketin’io fisehoan-javatra io. Voatantara ho antsika ao amin’ny Lioka 2:46, 47 izy io manao hoe: “Rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.” Ny Theological Dictionary of the New Testament nataon’i Kittel dia nampipoitra ilay hevitra hoe, tamin’io toe-javatra io, ny teny grika nadika hoe “nanontany” dia tsy fanirian-jazalahy ta hahafanta-javatra fotsiny. Ilay teny dia nety ho nanondro fanontaniana nampiasaina tamin’ny fandinihana ara-pitsarana sy famotopotorana ary famakafakana, ary nety ho nanondro mihitsy aza an’ireo “fanontaniana fitsapana sy feno hafetsena nataon’ny Fariseo sy ny Sadoseo”, toy ireo voatonona ao amin’ny Marka 10:2 sy ny Mr 12:18-23.

10 Manohy toy izao io rakibolana io ihany: “Noho io fampiasana io, dia azo atao ny manontany raha toa (...) ny [Lioka] Lk 2:46 ka milaza an-kolaka, tsy ny fanontaniana ta hahafanta-javatra nataon’ilay zazalahy loatra, fa ny ady hevitra nahomby nataony. Mifanaraka tsara amin’io hevitra farany io ny Lk 2:47 [andininy] faha-47.”a Mampiseho izany ho toy ny fampifanatrehana nampihetsi-po lalina ny nandikan’i Rotherham ny andininy faha-47 manao hoe: “Izay rehetra nandre azy izao dia taitaitra fatratra, noho ny fahatakarany hevi-javatra sy ny valin-teniny.” Ny Word Pictures in the New Testament nataon’i Robertson dia milaza fa ny fahatalanjonan’izy ireo tsy an-kijanona dia midika fa “taitaitra fatratra izy ireo toy ny hoe nivontirika ny masony”.

11. Nanao ahoana ny fihetsik’i Maria sy i Josefa tamin’izay hitany sy reny, ary inona no fanipazan-kevitra nataon’ny rakibolana ara-teolojia iray?

11 Rehefa tonga teo amin’ny tempoly tamin’ny farany ny ray aman-drenin’i Jesosy, dia “talanjona” izy ireo. (Lioka 2:48). Nilaza i Robertson fa ilay teny grika tao amin’io fitenenana io dia midika hoe “mandona na manosika amin’ny kapoka”. Nanampy teny izy fa “voadona” tamin’izay hitany sy reny i Josefa sy i Maria. Tamin’ny heviny iray, dia efa mpampianatra nampitolagaga sahady i Jesosy. Ary noho io fisehoan-javatra tao amin’ny tempoly io, dia nilaza ilay asa soratra nataon’i Kittel fa “efa natombok’i Jesosy sahady tamin’ny fotoana naha-zazalahy azy ilay fifanoherana izay nahavoatery ny mpifanandrina taminy hilavo lefona tamin’ny farany”.

12. Inona no nanamarika ny fifanakalozan-kevitra nataon’i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana?

12 Ary dia nilavo lefona tokoa moa izy ireo! Taona maro tatỳ aoriana, dia tamin’ny alalan’ny fanontaniana toy izany no nandresen’i Jesosy an’ireo Fariseo ambara-pahatongan’izy ireo tsy ho ‘sahy hanontany Azy intsony’. (Matio 22:41-46). Nampanginina toy izany koa ireo Sadoseo tamin’ilay fanontaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty, ary dia “tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo”. (Lioka 20:27-40). Tsy nahomby kokoa ny mpanora-dalàna. Rehefa avy nifanakalo hevitra tamin’i Jesosy ny iray tamin’izy ireo, dia “tsy nisy sahy nanontany Azy intsony”. — Marka 12:28-34.

13. Inona no nahatonga ilay fisehoan-javatra tao amin’ny tempoly ho nanana heviny lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy, ary fahafantaran-javatra fanampiny inona no toa lazain’izany?

13 Nahoana io fisehoan-javatra nahatafiditra an’i Jesosy sy ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly io no nosinganina avy tao amin’ny fotoana naha-zazalahy an’i Jesosy mba hotantaraina tamin’ny an-tsipiriany? Fotoana nisian’ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy izy io. Rehefa sahabo ho 12 taona i Jesosy, dia tonga izay nantsoin’ny Jiosy hoe “zanaky ny didy”, tompon’andraikitra tamin’ny fanarahana ireo fehezan-dalàny rehetra. Rehefa nitaraina ny amin’ny fahorian-tsaina nentin’i Jesosy taminy sy tamin’i Josefa i Maria, ny valin-tenin’ny zanany lahy dia nilaza fa azo inoana fa fantany ny naha-fahagagana ny nahaterahany sy ny hoaviny tamin’ny naha-Mesia. Toa milaza izany ilay fanamarihana nataony tamin’ny fomba tena nivantana hoe Rainy Andriamanitra: “Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” Marihina kely fotsiny fa ireo no teny voalohany nataon’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, ary izy ireo dia milaza ny fahafantarany ny fikasan’i Jehovah tamin’ny nanirahana azy teto an-tany. Araka izany, dia manana heviny tena lehibe io fisehoan-javatra io manontolo. — Lioka 2:48, 49.

Tia sy nahatakatra ny fihevitry ny ankizy i Jesosy

14. Hevitra mahaliana inona avy no ampahafantarin’ilay fitantarana ny amin’i Jesosy tanora tao amin’ny tempoly, ho an’ny tanora?

14 Io fitantarana io dia tokony hampientam-po indrindra ny tanora. Asehony fa tsy maintsy nianatra tamim-pitandremana i Jesosy teo am-pitomboany ho lehilahy lehibe. Raiki-tahotra ireo raby tao amin’ny tempoly noho ny fahendren’io “zanaky ny didy” 12 taona io. Kanefa dia mbola niara-niasa tamin’i Josefa tao amin’ny trano fandrafetana ihany izy, nanohy “nanoa” azy sy i Maria, ary dia “nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona”. — Lioka 2:51, 52.

15. Ahoana no nanohanan’i Jesosy ny tanora nandritra ny fanompoany teto an-tany, ary midika ho inona ho an’ny tanora amin’izao andro izao izany?

15 Tena nanohana ny tanora i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany: “Nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! — dia tezitra izy ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?” (Matio 21:15, 16; Salamo 8:2). Mbola tohanany toy izany ihany ireo tanora ana hetsiny maro amin’izao andro izao, izay mitana ny tsy fivadihany sy manome fiderana, ka ny sasany taminy aza namoy ny ainy mihitsy tamin’ny fanaovana izany!

16. a) Lesona inona no nampianarin’i Jesosy ny apostoliny tamin’ny fampijoroana zaza iray teo afovoan’izy ireo? b) Mbola nanam-potoana ho an’ny ankizy ve i Jesosy tamin’ny fotoana tena lehibe teo amin’ny fiainany?

16 Rehefa niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra ireo apostoly, dia nilaza tamin’ireo 12 i Jesosy hoe: “Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy. Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.” (Marka 9:35-37). Ambonin’izany, rehefa nitodi-doha nankany Jerosalema farany mba hiatrika fitsapana sy fahafatesana nahatsiravina izy, dia nanokana fotoana ho an’ny ankizy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” Avy eo, dia “nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy”. — Marka 10:13-16.

17. Nahoana no mora tamin’i Jesosy ny nifandray tamin’ny ankizy, ary inona no tokony hotadidin’ny ankizy momba azy?

17 Fantatr’i Jesosy izany atao hoe zaza iray eo amin’ny tontolon’ny olon-dehibe izany. Niara-niaina tamin’ny olon-dehibe izy, niara-niasa tamin’izy ireo, nahita izany atao hoe manaiky azy ireo izany, ary nahatsapa koa ilay hafanana sy tsy fananana ahiahy rehefa tian’izy ireo. Rankizy, io Jesosy io dia sakaizanareo; maty ho anareo izy, ary hiaina mandrakizay ianareo raha mankato ny didiny. — Jaona 15:13, 14.

18. Eritreritra mampientam-po inona no tokony hataontsika an-tsaina, indrindra mandritra ny fotoana misy fihenjanana na loza?

18 Tsy sarotra araka ny mety hiheverana azy akory ny fanaovana izay nandidian’i Jesosy. Ry tanora, eo mba hanohana anareo sy ny hafa rehetra izy, araka ny amakiantsika izany ao amin’ny Matio 11:28-30 manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako [na “Mankanesa eo ambanin’ny ziogako miaraka amiko”, NW, fanamarihana ambany pejy], ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Alao sary an-tsaina fotsiny ange: Eo am-pandehananao mamakivaky ny fiainana amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mandeha eo anilanao i Jesosy, manao izay hahamora ilay zioga sy hahamaivana ilay entana. Eritreritra mampientam-po toy inona moa izany ho antsika rehetra!

19. Fanontaniana inona avy mikasika ny fomba fampianatr’i Jesosy no azontsika averina jerena indraindray?

19 Rehefa avy namerina nijery ny vitsivitsy monja tamin’ireo fomba nampianaran’i Jesosy isika, moa ve hitantsika fa mampianatra toy ny nataony isika? Rehefa mahita ireo izay marary ara-batana na mosarena ara-panahy isika, moa ve isika onena ka manao izay azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Rehefa mampianatra ny hafa isika, mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ve isika, sa ny hevitsika manokana, sahala amin’ireo Fariseo? Mailo ve isika mijery ireo zavatra fahita andavanandro manodidina antsika izay azontsika ampiasaina mba hampahazava sy mba hahazoana sary an-tsaina, sy hanome endrika voafaritra tsara ary hanatsara ny fahatakarana ireo fahamarinana ara-panahy? Moa ve isika manalavitra ny fifikirana tsy milefitra amin’ny fitsipika sasany rehefa, noho ny toe-javatra, dia mety kokoa ny mampiseho fitiavana sy famindram-po amin’ny fandeferana eo amin’ny fampiharana ny fitsipika toy izany? Ary ahoana ny amin’ireo ankizy? Moa ve isika mampiseho amin’izy ireo fiahiana feno halemem-panahy sy hatsaram-panahy miharo fitiavana toy ny nataon’i Jesosy? Moa ve ianao mampirisika ny zanakao hianatra amin’ny fomba toy ny narahin’i Jesosy fony izy zazalahy? Moa ve ianao hanao zavatra amin’ny fomba hentitra toy ny nataon’i Jesosy, kanefa vonona ny handray amin-kafanana ireo mibebaka, toy ny anangonan’ny reny akoho iray ny zanany ao ambany elany? — Matio 23:37.

20. Eritreritra mahafinaritra inona no azontsika ampiononan-tena eo am-panompoantsika an’Andriamanitra?

20 Raha miezaka mafy mba hanao izay tsara indrindra azontsika atao isika mba hampianarana toy ny nataon’i Jesosy, dia azo antoka fa hamela antsika izy ‘hankeo ambanin’ny ziogany miaraka aminy’. — Matio 11:28-30, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mazava ho azy fa isika dia manana ny antony rehetra inoana fa naneho fiheverana sahaza an’ireo be taona kokoa noho ny tenany i Jesosy, indrindra fa ireo fotsy volo sy ny mpisorona. — Ampitahao amin’ny Levitikosy 19:32; Asan’ny Apostoly 23:2-5.

Tadidinao Ve?

◻ Nahoana no nitangorona teo amin’i Jesosy ny vahoaka?

◻ Nahoana no nandefitra tamin’ny fitsipika sasany i Jesosy indraindray?

◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanontanian’i Jesosy an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly?

◻ Lesona inona avy no azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ireo ankizy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara