Ny Fijalian’olombelona — Nahoana Andriamanitra no Mamela Azy Io Hisy?
TANY am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia tsy nisy tsotra izao ranomason’alahelo na ranomasom-panaintainana. Tsy nisy ny fijalian’olombelona. Nomena fiandohana lavorary ny taranak’olombelona. “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” — Genesisy 1:31.
Misy anefa manohitra hoe: ‘Fanoharana fotsiny ny tantaran’i Adama sy i Eva tao amin’ny sahan’i Edena.’ Mampalahelo fa mpitondra fivavahana maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no milaza izany. Kanefa, ny tenan’i Jesosy Kristy, ilay mitana fahefana ambony, mihitsy no nanamarina fa tena ara-tantara ireo fisehoan-javatra tany Edena. (Matio 19:4-6). Ankoatra izany, ny hany fomba hahatakarana ny antony namelan’Andriamanitra ny fijalian’olombelona hisy dia ny fandinihana ireny fisehoan-javatra teo amin’ny tantaran’ny olombelona tany am-boalohany ireny.
I Adama, ilay lehilahy voalohany, dia nomena ilay asa nahafa-po hikarakara ny sahan’i Edena. Afa-tsy izany koa, Andriamanitra dia nametraka teo anoloany ny tanjona hanitatra ny fonenany edenika ho saham-pahafinaretana hanerana ny tany. (Genesisy 1:28; 2:15). Mba hanampiana an’i Adama hanatanteraka io asa lehibe io, dia nanome vady azy, dia i Eva, Andriamanitra, ary nilaza tamin’izy ireo mba ho maro fara sy hihabetsaka ary mba hampanompo ny tany. Kanefa nisy zavatra hafa nilaina mba hahazoana antoka fa hahomby ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny taranak’olombelona. Noho izy natao tahaka ny endrik’Andriamanitra, dia nanana safidy malalaka ny olombelona; noho izany, dia tena nilaina ny tsy hifandonan’ny sitrapon’ny olombelona tamin’ny an’Andriamanitra mihitsy. Raha tsy izany, dia hisy fikorontanana eo amin’izao rehetra izao, ary tsy ho to ny fikasan’Andriamanitra hameno ny tany amin’ny fianakavian’olombelona mandry feizay.
Tsy nandeha ho azy akory ny fanekena ny fanapahan’Andriamanitra. Tokony ho fanehoana feno fitiavana ny safidy malalaky ny olombelona izy io. Ohatra, mamaky isika fa, rehefa niatrika fitsapana mafy iray i Jesosy Kristy, dia nivavaka hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” — Lioka 22:42.
Mitovy amin’izany koa fa anjaran’i Adama sy i Eva ny hanaporofo raha naniry ny hanaiky ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo na tsia. Noho izany zava-kendrena izany, dia nandamina ny hisian’ny fitsapana tsotra iray i Jehovah Andriamanitra. Ny iray tamin’ireo hazo tao amin’ilay saha dia nantsoina hoe “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. Nampiseho ny zon’Andriamanitra hamaritra ireo fari-pitsipiky ny fitondran-tena tsara izy io. Tamin’ny teny tsotra, Andriamanitra dia nandrara ny fihinanana ny voa tamin’io hazo io. Raha tsy nankato i Adama sy i Eva, dia hitarika ho amin’ny fahafatesany izany. — Genesisy 2:9, 16, 17.
Ny fiandohan’ny fijalian’olombelona
Indray andro, dia sahisahy nisalasala ny amin’ny fomba fanapahan’Andriamanitra ny zanak’Andriamanitra ara-panahy iray. Nampiasa menarana iray ho solontenany izy ka nanontany an’i Eva hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” (Genesisy 3:1). Araka izany, dia voafafy tao an-tsain’i Eva ny voan’ny fisalasalana ny amin’ny maha-mety na tsia ny fomba fanapahan’Andriamanitra.a Ho valiny, i Eva dia nanome ny valin-teny marina, izay nianarany avy tamin’ny vadiny. Kanefa, tamin’izay ilay zavaboary ara-panahy dia nanipaka ny tenin’Andriamanitra ary nandainga momba ireo ho vokatry ny tsy fankatoavana, tamin’ny filazana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” — Genesisy 3:4, 5.
Mampalahelo fa voafitaka i Eva hihevitra fa ny tsy fankatoavana dia hitarika, tsy ho amin’ny fijalian’olombelona, fa ho amin’ny fiainana tsara kokoa. Arakaraka ny nijereny an’ilay voankazo no nisehoan’izy io ho faniry, ka dia nanomboka nihinana azy izy. Tatỳ aoriana, dia nampiaiky an’i Adama hihinana azy io koa izy. Mampalahelo fa nifidy ny hihazona ny fankasitrahan’ny vadiny, fa tsy ny an’Andriamanitra, i Adama. — Genesisy 3:6; 1 Timoty 2:13, 14.
Tamin’ny fanombohana io fikomiana io, ilay zavaboary ara-panahy dia tonga mpanohitra an’Andriamanitra. Araka izany, izy dia nanjary nantsoina hoe Satana, avy amin’ilay teny hebreo midika hoe “mpanohitra”. Nandainga momba an’Andriamanitra koa izy, ka nanao ny tenany ho mpanendrikendrika. Noho izany, dia antsoina hoe Devoly, avy amin’ilay teny grika midika hoe “mpanendrikendrika”, koa izy. — Apokalypsy 12:9.
Araka izany, dia nanomboka ny fijalian’olombelona. Nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy malalaka nomena azy ny telo tamin’ireo zavaboarin’Andriamanitra, ka nifidy fomba fiaina feno fitiavan-tena sy nifanohitra tamin’ny Mpamorona azy. Nipoitra izao ilay fanontaniana hoe: Ahoana no handaminan’Andriamanitra io fikomiana io araka ny rariny no sady hanome toky indray ny zavaboariny manan-tsaina hafa rehetra, anisan’izany ireo anjely mahatoky any an-danitra sy ireo ho taranak’i Adama sy i Eva ho avy?
Ny fihetsika feno fahendren’Andriamanitra
Mety hilaza ny sasany fa ho ny tsara indrindra ny nandringanan’Andriamanitra avy hatrany an’i Satana sy i Adama ary i Eva. Tsy ho nandamina ireo raharaha napoitran’ilay fikomiana anefa izany. Nitondra fisalasalana momba ny fomba fanapahan’Andriamanitra i Satana, tamin’ny fanipazana hevitra fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona raha tsy niankina tamin’ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo. Afa-tsy izany koa, ny fahombiazany tamin’ny fitarihana ireo olombelona roa voalohany hanohitra ny fanapahan’Andriamanitra dia nampipoitra fanontaniana hafa. Koa satria nanota i Adama sy i Eva, moa ve izany nidika fa nisy zavatra tsy nety tamin’ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Moa ve Andriamanitra hanana olona eto an-tany izay hitoetra ho mahatoky eo anatrehany? Ary ahoana ny amin’ireo anjely zanak’i Jehovah izay vavolombelona nanatri-maso ny fikomian’i Satana? Moa ve izy ireo hiaro ny maha-marina ny fiandrianan’Andriamanitra? Miharihary fa nilaina ny hisian’ny fotoana ampy mba handaminana ireo raharaha ireo. Izany no antony namelan’Andriamanitra an’i Satana hisy mandrak’ankehitriny.
Raha ny amin’i Adama sy i Eva kosa, tamin’ny andro tsy nankatoavany, dia nanameloka azy ireo ho faty Andriamanitra. Nanomboka àry ny fikororosiana ho amin’ny fahafatesana. Nandova ny ota sy ny fahafatesana avy tamin’ireo ray aman-dreniny tsy tanteraka ireo taranany, izay notorontoronina taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva. — Romana 5:14.
Nanomboka tamin’ny fahazoana ireo olombelona roa voalohany ho eo amin’ny andaniny misy azy amin’ilay raharaha i Satana. Nampiasa ny fotoana navela hampiasainy izy, mba hiezahana hihazona ny taranak’i Adama rehetra ho eo ambany fifehezany. Nahavita namitaka anjely sasantsasany hanaraka azy tamin’ny fikomiany koa izy. Kanefa, ny ankamaroan’ireo anjely zanak’Andriamanitra dia nanohana tamim-pahatokiana ny maha-marina ny fanapahan’i Jehovah. — Genesisy 6:1, 2; Joda 6; Apokalypsy 12:3, 9.
Ilay raharaha nalamina dia ny amin’ny fanapahan’Andriamanitra ampifanoherina amin’ny an’i Satana, dia raharaha izay mbola tsy nisinda velively tamin’ny andron’i Joba. Io lehilahy nahatoky io dia nanaporofo tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany fa naleony ny fanapahana marin’Andriamanitra, toy izay ny tsy fiankinan’i Satana, toy ny efa nataon’ny lehilahy natahotra an’Andriamanitra toa an’i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Isaka, i Jakoba ary i Josefa. Nanjary fototry ny resaka nifanaovana tany an-danitra teo anatrehan’ireo anjely mahatokin’Andriamanitra i Joba. Ho fanohanana ny fanapahany marina, Andriamanitra dia niteny tamin’i Satana hoe: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” — Joba 1:6-8.
Tsy nanaiky ho resy i Satana ka nilaza fa tsy nanompo an’Andriamanitra afa-tsy noho ny antony feno fitiavan-tena i Joba, satria hoe nanome fitahiana tondraka an’i Joba Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambinana ara-nofo. Koa namely àry i Satana hoe: “Ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” (Joba 1:11). Lasa lavitra kokoa noho izany aza i Satana, tamin’ny fampipoirana fisalasalana momba ny tsy fivadihan’ireo zavaboarin’Andriamanitra rehetra. “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy”, hoy izy namely. (Joba 2:4). Io famelezana feno fanendrikendrehana io dia nahakasika, tsy an’i Joba ihany, fa ny mpivavaka mahatoky amin’Andriamanitra rehetra any an-danitra sy eto an-tany koa. Nanipy hevitra i Satana fa hamela ny fifandraisany amin’i Jehovah izy ireo raha toa ka tandindomin-doza ny ainy.
Nanana fatokiana feno ny tsy fivadihan’i Joba i Jehovah Andriamanitra. Mba hanomezana porofo ny amin’izany, dia namela an’i Satana hitondra fijalian’olombelona tamin’i Joba izy. Tamin’ny alalan’ny fahatokiany i Joba dia tsy vitan’ny hoe nanamarina ny anaran’ny tenany, fa ny zava-dehibe kokoa, dia nanohana ny maha-marina ny fiandrianan’i Jehovah koa. Voaporofo fa mpandainga ny Devoly. — Joba 2:10; 42:7.
Kanefa ny ohatra tsara indrindra ny amin’ny fahatokiana ao anatin’ny fitsapana dia i Jesosy Kristy. Namindra ny ain’io Zanany, izay anjely, io avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny virjiny iray Andriamanitra. Noho izany, dia tsy nandova ota sy tsy fahatanterahana i Jesosy. Nihabe ka tonga lehilahy lavorary izy, dia ny nifanitsy tanteraka tamin’ilay lehilahy voalohany talohan’ny namoizan’io ny fahatanterahany. Nanao an’i Jesosy ho lasibatra manokana i Satana, ka nitondra fakam-panahy sy fisedrana maro taminy, ary namarana izany tamin’ny fahafatesana nampietry. Tsy nahavita nampiala an’i Jesosy tamin’ny tsy fivadihany anefa i Satana. Tamin’ny fomba feno, i Jesosy dia nanohana ny maha-marina ny fanapahan-drainy. Noporofoiny koa fa i Adama, lehilahy tanteraka, dia tsy nanana fialan-tsiny rehefa nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany. Afaka ny ho nahatoky tao anatin’ilay fitsapana kely lavitra nahazo azy i Adama.
Zavatra hafa inona koa no voaporofo?
Tokony ho 6 000 taona nisian’ny fijalian’olombelona no lasa hatramin’ny fikomian’i Adama sy i Eva. Nandritra izany fotoana izany Andriamanitra dia namela ny taranak’olombelona hanandrana endri-pitondram-panjakana maro samy hafa. Ny tantara mampivadi-pon’ny fijalian’olombelona dia manaporofo fa tsy afaka manapa-tena ny olombelona. Raha ny marina, dia manjaka any amin’ny faritra maro amin’ny tany ankehitriny ny fanjakan’i Baroa. Mampidi-doza ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra, izay ampirisihan’i Satana.
Tsy voatery ho nanaporofo na inona na inona tamin’ny tenany i Jehovah. Fantany fa ny fomba fanapahany dia marina sady hitondra ny soa be indrindra ho an’ny zavaboariny. Kanefa, mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra napoitran’ny fikomian’i Satana, dia navelany ireo zavaboariny manan-tsaina hanana fahafahana hampiseho raha naleon’izy ireo ny fanapahany marina.
Ireo valisoa noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahatokiana eo anatrehany dia mihoatra lavitra noho ny fe-potoana tsy maharitra ijaliana eo an-tanan’ny Devoly. Mampiseho izany ny zava-nitranga tamin’i Joba. Nanasitrana an’i Joba tamin’ilay aretina nentin’ny Devoly taminy, i Jehovah Andriamanitra. Ankoatra izany, Andriamanitra dia “nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany”. Farany, rehefa avy niaina 140 taona fanampiny i Joba, dia “maty (...), rehefa tratrantitra ka ela niainana”. — Joba 42:10-17.
Nisarika ny saina ho amin’izany i Jakoba, ilay Kristiana nanoratra tao amin’ny Baiboly, tamin’ny filazana hoe: “Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany i Jehovah sady be fangoraham-po.” — Jakoba 5:11, NW, fanamarihana ambany pejy.
Tapitra ankehitriny ny fotoana ho an’i Satana sy ny tontolony. Tsy ho ela, Andriamanitra dia hanafoana ny fijaliana rehetra nentin’ny fikomian’i Satana tamin’ny taranak’olombelona. Na dia ny maty aza dia hatsangana. (Jaona 11:25). Amin’izay, ireo olona mahatoky toa an’i Joba dia hanana fahafahana hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany ho tonga paradisa. Ireo fitahiana ho avy ireo izay harotsak’Andriamanitra amin’ny mpanompony dia hanamarina azy mandrakizay ho Tompom-piandrianana marina izay ‘be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany sady be fangoraham-po’.
[Fanamarihana ambany pejy]
a I Philip Mauro, mpisolovava sady mpanoratra tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, izay nandinika io fanontaniana io tao amin’ny famakafakana nataony momba “Ny Loharanon’ny Ratsy”, dia nanatsoaka hevitra fa izany no “anton’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona rehetra”.
[Efajoro/Sary, pejy 8]
ANDRIAMANITRA TSY MIFADITRA OVAN’NY OLONA
IREO andriamanitra fahizay dia aseho matetika ho toy ny lian-dra sy tia ny fahafinaretan’ny nofo. Mba hampitonena azy ireny, dia nandoro velona ny zanany tamin’ny afo mihitsy aza ireo ray aman-dreny. (Deoteronomia 12:31). Tetsy an-danin’izany kosa, ireo filozofa mpanompo sampy dia nampianatra fa Andriamanitra dia tsy nanam-pihetseham-po toy ny fahatezerana na ny fahatsapana ho onena.
Ny fomba fihevitra avy amin’ny demonian’ireo filozofa ireo dia nisy fitaomana teo amin’ireo nihambo ho vahoakan’Andriamanitra, ireo Jiosy. Ilay filozofa jiosy atao hoe Philon, niaina tamin’ny andron’i Jesosy, dia nanambara marimarina fa Andriamanitra dia “tsy mirona ho amin’ny fihetseham-po mahery na inona na inona velively”.
Na dia ny antokom-pivavahana jiosy hentitr’ireo Fariseo aza dia tsy afa-nandositra ny fitaoman’ny filozofia grika. Nandray ireo fampianaran’i Platon ny amin’ny olombelona voaforona fanahy (âme) tsy mety maty izay voatana ao anatin’ny vatan’olombelona iray, izy ireo. Ankoatra izany, araka ilay mpanoratra tanatra tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Josèphe, ireo Fariseo dia nino fa ny fanahy (âme) an’ireo ratsy fanahy “dia iharan’ny famaizana mandrakizay”. Kanefa ny Baiboly dia tsy manome fototra ho an’ny fomba fihevitra toy izany. — Genesisy 2:7, NW; 3:19; Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4.
Ahoana ny amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? Moa ve izy ireny namela ny tenany hiharan’ny fitaoman’ny filozofian’ny mpanompo sampy? Nahita io loza io ny apostoly Paoly ka nampitandrina ireo Kristiana namany hoe: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:8; jereo koa ny 1 Timoty 6:20.
Mampalahelo fa nisy ireo izay nihambo ho mpiandraikitra kristiana tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo tsy niraharaha io fampitandremana io ka nampianatra fa tsy manana fihetseham-po Andriamanitra. Ny The Encyclopedia of Religion dia manambara hoe: “Amin’ny fitambarany, ireo toetran’Andriamanitra dia takatra indrindra araka ny nanambarana azy ireo tao amin’ny hevitra jiosy sy filozofika arakaraka ny fotoana (...) Ilay hevitra hoe mety hanana fihetseham-po toy ny fahatsapana ho onena Andriamanitra Ray (...) dia noheverina ho tsy azo nekena tamin’ny ankapobeny, fara faharatsiny hatramin’ny tapany farany amin’ny taonjato faharoapolo.”
Araka izany, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nandray ilay fampianaran-diso ny amin’ny andriamanitra tsy mifaditra ovana iray izay manafay ny mpanota amin’ny fampijalijaliana azy ireny amim-pahatsiarovan-tena mandrakizay. Etsy an-danin’izany anefa i Jehovah Andriamanitra dia manambara mazava ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, fa “fahafatesana no tambin’ny ota”, fa tsy fijalijaliana amim-pahatsiarovan-tena mandrakizay. — Romana 6:23.
[Sary nahazoan-dalana]
Eto ambony: Acropolis Museum, Grèce
Courtesy of the Britsih Museum
[Sary, pejy 7]
Tsy maintsy tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa edenika!