FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/11 p. 9-15
  • Jehovah — Ilay Raintsika Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah — Ilay Raintsika Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fetra faran’ny fangoraham-pon’Andriamanitra
  • Fangoraham-po ho an’ny anarany
  • Ny fanehoam-pangoraham-po lehibe indrindra
  • Rehefa onena i Jesosy
  • Fanoharana izay manasongadina ny fangoraham-po
  • Manapaka Amim-pangoraham-po i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aoka Ianao ho Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • “Tena Mangoraka Ilay Andriamanitsika”
    Manatòna An’i Jehovah
  • “Nangoraka ... i Jesosy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/11 p. 9-15

Jehovah — Ilay Raintsika Be Fangoraham-po Miharo Fitiavana

“Be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany i Jehovah sady be fangoraham-po.” — JAKOBA 5:11, NW, fanamarihana ambany pejy.

1. Nahoana ny madinika no voasintona ho amin’i Jehovah Andriamanitra?

LEHIBE aoka izany izao rehetra izao, hany ka tsy afa-manisa ireo vahindanitra rehetra ao aminy akory ireo mpandinika ny kintana. Midadasika aoka izany ny vahindanitra misy antsika, ny Voie lactée, hany ka tsy ho afa-manisa ireo kintana rehetra ao aminy akory ny olombelona. Ny kintana sasany, toa an’i Antares, dia lehibe sy mamiratra avo an’arivony maro heny noho ny masoandrontsika. Tsy maintsy ho mahery toy inona moa ilay Mpamorona Lehibe ireo kintana rehetra eo amin’izao rehetra izao! Tena ilay “mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy” tokoa izy. (Isaia 40:26). Kanefa, io Andriamanitra mahatahotra io ihany dia ‘be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany sady be fangoraham-po’ koa. Mamelombelona toy inona moa ny fahafantarana izany ho an’ireo mpanompon’i Jehovah manetry tena, indrindra fa ho an’ireo izay mijaly noho ny fanenjehana, ny aretina, ny fahaketrahana, na ny zava-tsarotra hafa!

2. Manao ahoana ny fiheveran’ny olona eo amin’itỳ tontolo itỳ ny fihetseham-po miharo fitiavana?

2 Maro no mihevitra ny fihetseham-po malefaka kokoa, toy ny ‘firaiketam-po sy famindram-po miharo fitiavan’i’ Kristy, ho toy ny fahalemena. (Filipiana 2:1, NW ). Niharan’ny fitaoman’ny filozofia momba ny fivoarana miandalana izy ireo ka mampirisika ny olona hitady ny tombontsoan’ny tenany manokana aloha, na dia midika ho fandratrana ny fihetseham-pon’ny hafa aza izany. Olo-malaza sasantsasany eo amin’ny sehatry ny fialam-boly sy ny fanatanjahan-tena no machos (lehilahy manampatra ny reharehany noho ny tanjany amin’ny maha-lehilahy) izay tsy mandatsa-dranomaso na mampiseho firaiketam-po miharo fitiavana. Ny mpanapaka ara-politika sasany dia mitondra tena toy izany. Ilay filozofa stoisiana atao hoe Sénèque, izay nanabe ny emperora Néron tsy nifaditra ovana, dia nanantitrantitra fa “fahalemena ny hoe onena”. Ny Cyclopædia an’i M’Clintock sy i Strong dia manambara hoe: “Ny fitaoman’ny Stoisisma (...) dia manohy manan-kery eo amin’ny sain’ny olona na dia amin’izao andro ankehitriny izao aza.”

3. Ahoana no nilazalazan’i Jehovah ny tenany tamin’i Mosesy?

3 Mifanohitra amin’izany kosa, fa ny toetran’ilay Mpamorona ny taranak’olombelona dia manafana ny fo. Nilazalaza ny tenany tamin’i Mosesy tamin’ireto teny ireto izy: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, (...) mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka [“tsy hanafaka amin’ny famaizana velively”, NW ]”. (Eksodosy 34:6, 7). Marina fa namarana ny filazalazana momba ny tenany tamin’ny fanasongadinana ny fitiavany ny rariny, i Jehovah. Tsy hanafaka ny mpanota an-tsitrapo amin’ny famaizana mendrika ho azy izy. Na dia izany aza, dia milazalaza ny tenany voalohany indrindra ho Andriamanitra be famindram-po izy.

4. Inona no hevitr’ilay teny hebreo adika matetika hoe “famindram-po”, hevitra izay manafana ny fo?

4 Indraindray ny teny hoe “famindram-po” dia tsy heverina afa-tsy amin’ilay heviny ara-pitsarana sy tsy misy fihetseham-po hoe tsy fampiharana famaizana. Kanefa, ny fampitahana fandikan-tenin’ny Baiboly dia mamoaka ilay hevitra fenon’ilay mpamaritra anarana hebreo izay avy amin’ny matoanteny hoe ra·chamʹ. Araka ny manam-pahaizana sasany, ny hevitry ny fototeniny dia hoe “malefaka”. Ny hoe “Racham”, hoy ny fanazavan’ny boky Synonyms of the Old Testament, “dia milaza fangoraham-po lalina sy fanehoam-pitiavana, dia fihetseham-po toy izay ahetsiky ny fahitana fahalemena na fijaliana eo amin’ireo olon-tsy fointsika na mila ny fanampiantsika.” Misy famaritana manafana ny fo hafa koa momba io toetra tsara faniry io ao amin’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1023-1026.

5. Tamin’ny ahoana ny famindram-po no niharihary tao amin’ny Lalàn’i Mosesy?

5 Miharihary mazava tsara ao amin’ny Lalàna nomeny ny firenen’ny Isiraely ny fangoraham-pon’Andriamanitra miharo fitiavana. Ireo tsy nambinina, toy ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny mahantra dia tsy maintsy nentina tamim-pangoraham-po. (Eksodosy 22:22-27; Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 15:7-11). Ny rehetra, anisan’izany ireo mpanompo sy ireo biby, dia tsy maintsy nandray soa avy tamin’ny Sabata fitsaharana isan-kerinandro. (Eksodosy 20:10). Ankoatra izany, dia naneho fiheverana ny olona izay nitondra ny madinika tamim-panehoam-pitiavana Andriamanitra. Manambara ny Ohabolana 19:17 hoe: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.”

Fetra faran’ny fangoraham-pon’Andriamanitra

6. Nahoana i Jehovah no naniraka mpaminany sy iraka teo amin’ny vahoakany?

6 Nitondra ny anaran’Andriamanitra ireo Isiraelita ary nanolotra fanompoam-pivavahana teo amin’ny tempoly tao Jerosalema, izay “trano ho an’ny anaran’i Jehovah”. (2 Tantara 2:3; 6:33). Tatỳ aoriana, anefa, dia nanjary nilefitra teo anoloan’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fanompoan-tsampy ary ny vonoana olona izy ireo, ka nitondra fahafaham-baraka lehibe ho an’ny anaran’i Jehovah. Mifanaraka amin’ny toetrany be fangoraham-po, dia niezaka tamim-paharetana nanitsy io tarehin-javatra ratsy io Andriamanitra kanefa tsy nitondra loza tamin’ilay firenena manontolo. “[Tsy nitsahatra, NW ] nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy [Izy]; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa [nahatsapa fangoraham-po, NW ] tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” — 2 Tantara 36:15, 16.

7. Rehefa nahatratra ny fetrany farany ny fangoraham-pon’i Jehovah, inona moa no nanjo ny fanjakan’i Joda?

7 Na dia be fangoraham-po sy fahari-po aza i Jehovah, dia maneho fahatezerana araka ny rariny, rehefa tena ilaina izany. Tamin’izay, ny fangoraham-pon’Andriamanitra dia nahatratra ny fetrany farany. Hoy ny vakintsika momba ny vokatr’izany: “Koa nentin[’i Jehovah] namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.” (2 Tantara 36:17). Araka izany dia ringana i Jerosalema sy ny tempoliny, ary nentina ho babo tany Babylona ilay firenena.

Fangoraham-po ho an’ny anarany

8, 9. a) Nahoana i Jehovah no nanambara fa hanana fangoraham-po ho an’ny anarany izy? b) Ahoana no nampanginana ireo fahavalon’i Jehovah?

8 Nifaly noho io loza io ireo firenena nanodidina. Tamim-panazimbana dia nilaza izy ireo hoe: “Ireo no olon’i Jehovah, nefa niala tamin’ny tanin’i Jehovah izy.” Nahatsapa izany fanalam-baraka izany i Jehovah ka nanambara hoe: “Namindrako fo ny anarako masina (...). Ary hohamasiniko ny anarako lehibe (...), ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah”. — Ezekiela 36:20-23.

9 Rehefa avy tany amin’ny fahababoana nandritra ny 70 taona ilay fireneny, dia nanafaka azy ireo i Jehovah, ilay Andriamanitra be fangoraham-po, ary namela azy ireo hiverina sy hanorina indray ilay tempoly tany Jerosalema. Izany dia nampangina ireo firenena nanodidina, izay nitazana tamim-pahatalanjonana. (Ezekiela 36:35, 36). Mampalahelo anefa fa latsaka tao anatin’ny fanao ratsy indray ny firenen’ny Isiraely. Nisy Jiosy nahatoky iray, i Nehemia, nanampy mba hanitsy ny tarehin-javatra. Tao amin’ny vavaka ampahibemaso iray izy dia namerina indray ireo fifampiraharahana feno fangoraham-pon’Andriamanitra tamin’ilay firenena, tamin’ny filazana hoe:

10. Ahoana no nanasongadinan’i Nehemia ny fangoraham-pon’i Jehovah?

10 “Tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ny tànan’ny fahavalony ireo. Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao. (...) Nandefitra taona maro taminy Hianao”. — Nehemia 9:26-30; jereo koa ny Isaia 63:9, 10.

11. Fifanoherana inona no misy eo amin’i Jehovah sy ireo andriamanitry ny olona?

11 Tamin’ny farany, rehefa avy nanda tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana ny Zanaka malalan’Andriamanitra ny firenena jiosy, dia namoy mandrakizay ny toerany feno tombontsoa. Naharitra 1 500 taona mahery ny fifikiran’Andriamanitra tamim-pahatokiana tamin’izy ireo, ka izany dia vavolombelona mandrakizay ny amin’ny maha-tena Andriamanitra be famindram-po an’i Jehovah. Manaitra toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ireo andriamanitra tsy mifaditra ovana sy mafy fo noforonin’ny olona mpanota! — Jereo ny pejy faha-8.

Ny fanehoam-pangoraham-po lehibe indrindra

12. Inona no fanehoam-pangoraham-pon’Andriamanitra lehibe indrindra?

12 Ny fanehoam-pangoraham-pon’Andriamanitra lehibe indrindra dia ny nanirahany ny Zanany malalany teto an-tany. Marina fa ny fiainana tsy nivadika narahin’i Jesosy dia nitondra fahafinaretana lehibe ho an’i Jehovah, satria nanome azy valiny lavorary ho an’ireo fiampangana dison’ny Devoly. (Ohabolana 27:11). Kanefa, etsy an-danin’izany koa, ny naha-voatery azy hijery ny Zanany malalany niharan’ny fahafatesana tsy nifaditra ovana sy nampietry dia tsy isalasalana fa niteraka tao amin’i Jehovah fanaintainana lehibe kokoa noho izay voatery ho niaretan’ny ray na reny olombelona iray hatramin’izay. Izany dia sorona nampiseho fitiavana aoka izany, satria nanokatra ny lalana ho an’ny famonjena ny taranak’olombelona. (Jaona 3:16). Araka ny nambaran’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao batisa, mialoha, izany dia nanandratra “ny fangoraham-pon’Andriamanitsika miharo fitiavana”. — Lioka 1:77, 78, NW.

13. Tamin’ny fomba lehibe inona no nanomezan’i Jesosy taratry ny toetran’ny Rainy?

13 Ny nanirahana ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany koa dia nanome ho an’ny taranak’olombelona fahitana mazava kokoa ny toetran’i Jehovah. Ahoana izany? Satria i Jesosy dia nanome taratry ny toetran’ny Rainy tamin’ny fomba lavorary, indrindra fa teo amin’ny fomba feno fangoraham-po niharo fitiavana nitondrany ny madinika! (Jaona 1:14; 14:9). Amin’io lafiny io, ny telo amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, i Matio sy i Marka ary i Lioka, dia mampiasa matoanteny grika iray, splag·khniʹzo·mai, izay avy amin’ny teny grika adika hoe “tsinay”. “Avy amin’io fiaviany io mihitsy”, hoy i William Barclay, manam-pahaizana momba ny Baiboly, “dia efa hita fa izy io dia tsy milazalaza fahatsapana ho onena na fangoraham-po tsotra, fa fihetseham-po izay manetsika ny olona iray hatrany anatin’ny tenany mihitsy. Izy io no teny mahery indrindra ilazana ny fangoraham-po amin’ny teny grika.” Ny fandikana samihafa azy io dia hoe “onena” na “mahonena”. — Marka 6:34; 8:2.

Rehefa onena i Jesosy

14, 15. Tao amin’ny tanàna iray tany Galilia, tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no onena, ary inona no asehon’izany?

14 Tao amin’ny tanàna iray tany Galilia tamin’izay. Nanatona an’i Jesosy tsy nanome ny fampitandremana nahazatra ny lehilahy iray “heniky ny habokana”. (Lioka 5:12). Moa ve i Jesosy niteny azy tamim-pahasiahana noho izy tsy nihiakiaka hoe “Maloto e! maloto e!”, araka ny notakin’ny Lalàn’Andriamanitra? (Levitikosy 13:45). Tsia. Nihaino izao fitalahoana feno famoizam-pon’ilay lehilahy izao kosa aza i Jesosy: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” “Onena azy” i Jesosy ka naninjitra ny tanany ary nanendry ilay boka tamin’ny filazana hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” Niverina teo no ho eo ihany ny fahasalaman’ilay lehilahy. Nasehon’i Jesosy tamin’izany, tsy ny hery nomen’Andriamanitra azy hanao fahagagana fotsiny, fa ireo fihetseham-po feno fanehoam-pitiavana izay nanosika azy hampiasa izany hery izany koa. — Marka 1:40-42.

15 Tsy maintsy nohatonina ve i Jesosy vao hampiseho fangoraham-po? Tsia. Fotoana kelikely taorian’izay, dia nifanena tamina filahara-mpandevina nivoaka avy tao amin’ny tanànan’i Naina izy. Tsy isalasalana fa efa nahita fandevenana maro i Jesosy talohan’io; itỳ iray itỳ anefa dia nampalahelo aoka izany tamin’ny heviny manokana. Ilay nody mandry dia ny zanakalahy tokan’ny vehivavy mpitondratena iray. “Onena” i Jesosy ka nanatona azy ary nanao hoe: “Aza mitomany [intsony, NW ].” Avy eo, dia nanao fahagagana nahavariana izy tamin’ny fananganana ny zanany lahy ho amin’ny fiainana indray. — Lioka 7:11-15.

16. Nahoana i Jesosy no onena nahita ilay vahoaka betsaka nanaraka azy?

16 Ny fianarana manaitra azo avy amin’ireo fisehoan-javatra voalaza eo aloha ireo dia hoe, rehefa “onena” i Jesosy, dia manao zavatra hentitra mba hitondrana fanampiana. Tamin’ny tarehin-javatra iray tatỳ aoriana i Jesosy dia nandinika ireo vahoaka betsaka izay tsy nitsahatra nanaraka azy. Mitantara i Matio fa “nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36). Ireo Fariseo dia tsy nanao zavatra firy mba hanomezana fahafaham-po tamin’ny hanoanana ara-panahin’ny sarambaben’ny olona. Nampitambesatra fitsipika tsy nilaina maro tamin’ireo olona nanetry tena kosa aza izy ireo. (Matio 12:1, 2; 15:1-9; 23:4, 23). Niharihary ny fomba fiheviny momba ny sarambaben’ny olona rehefa nilaza toy izao momba ireo izay nihaino an’i Jesosy izy ireo: “Voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” — Jaona 7:49.

17. Rehefa onena nahita ireo vahoaka i Jesosy, dia nanosika azy hanao inona moa izany, ary toro lalana mahatratra lavitra inona no nomeny tamin’izay?

17 Nifanohitra tamin’izany, fa i Jesosy dia onena mafy noho ny toe-javatra ara-panahy nampahory ireo vahoaka. Be dia be loatra tsotra izao anefa ireo olona liana ka tsy afaka nikarakara manokana ny tsirairay avy taminy izy. Koa nilaza tamin’ny mpianany àry izy mba hivavaka mba hisian’ny mpiasa betsaka kokoa. (Matio 9:35-38). Nifanaraka tamin’izany vavaka izany, dia naniraka ireo apostoliny i Jesosy hitondra ny hafatra hoe: “Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Ireo toromarika nomena tamin’io fotoana io dia mpitari-dalana sarobidy ho an’ny Kristiana hatramin’izao andro ankehitriny izao. Tsy misy isalasalana fa ny fangoraham-pon’i Jesosy dia nanosika azy hanome fahafaham-po amin’ny hanoanana ara-panahin’ny taranak’olombelona. — Matio 10:5-7.

18. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy rehefa nanelingelina ny fiainany manokana ireo vahoaka, ary fianarana inona no azontsika avy amin’izany?

18 Tamin’ny fotoana hafa iray, i Jesosy dia nahatsapa fiahiana indray koa ny amin’ireo zavatra ara-panahy nilain’ireo vahoaka. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia vizana izy sy ireo apostoliny rehefa avy nanao dia fitoriana feno iray, ary nitady toerana hialana sasatra. Tsy ela anefa dia nahita azy ireo ny olona. Tsy sosotra noho io fanelingelenana ny fiainan’izy ireo manokana io i Jesosy, fa “onena” kosa, hoy ny firaketana an-tsoratra nataon’i Marka. Ary inona no antony nahatsapan’i Jesosy izany fihetseham-po lalina izany? ‘Tahaka ny ondry tsy nanana mpiandry ireo.’ Teo indray koa, dia nanao zavatra ho fanehoana ny fihetseham-pony i Jesosy ka nanomboka nampianatra ireo vahoaka “ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Eny, onena aoka izany izy nahita ny hanoanana ara-panahin’izy ireo, ka nanao sorona ilay fialan-tsasatra nilainy, mba hampianarana azy ireo. — Marka 6:34; Lioka 9:11.

19. Tamin’ny ahoana ny fiahian’i Jesosy ireo vahoaka no nihoatra ireo zavatra ara-panahy nilain’izy ireo mihitsy?

19 Na dia niahy voalohany indrindra ny amin’ny zavatra ara-panahy nilain’ny olona aza i Jesosy, dia tsy nanadino mihitsy ireo zavatra ara-nofo fototra nilain’izy ireo koa. Tamin’io fotoana io ihany, dia ‘nositraniny koa izay narary’. (Lioka 9:11). Tamin’ny tarehin-javatra iray tatỳ aoriana, dia efa niaraka taminy nandritra ny fotoana ela ireo vahoaka, ary lavitra ny tranony. Tsapan’i Jesosy ny zavatra ara-batana nilain’izy ireo, ka nilaza tamin’ireo mpianany izy hoe: “Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana taty amiko izy izao ka tsy manan-ko hanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dàlana izy.” (Matio 15:32). Nanao zavatra izao i Jesosy mba hisorohana izay mety ho fisehoan’ny fijaliana. Nanao fahagagana izy ka nanome sakafo avy tamin’ny mofo fito sy hazandrano madinika vitsy, ho an’ny lehilahy sy vehivavy ary zaza an’arivony maro.

20. Inona no ianarantsika avy amin’ilay tarehin-javatra farany voarakitra an-tsoratra momba an’i Jesosy onena?

20 Ny tarehin-javatra farany voarakitra an-tsoratra momba an’i Jesosy onena dia nandritra ny dia farany nataony nankany Jerosalema. Nisy vahoaka betsaka niara-dia taminy mba hankalaza ny Paska. Teny an-dalana teo akaikin’i Jeriko, dia nisy mpangataka jamba roa lahy tsy nitsahatra nihiakiaka hoe: ‘Mamindrà fo aminay, ry Tompo ô.’ Nitady ny hampangina azy ireo ny vahoaka, nefa niantso azy ireo i Jesosy ary nanontany ny amin’izay tian’izy ireo hataony. “Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.” “Onena azy” i Jesosy, ka nanendry ny masony, ary dia nahiratra izy ireo. (Matio 20:29-34). Fianarana lehibe toy inona moa no azontsika avy amin’izany! Nadiva hiditra tao amin’ny herinandro farany tamin’ny fanompoany teto an-tany i Jesosy. Be dia be ny asa tokony hotanterahiny alohan’ny hijaliany noho ny fahafatesana tsy mifaditra ovana teo an-tanan’ireo irak’i Satana. Kanefa, tsy navelany hisakana azy tsy haneho ny fangoraham-pony niharo fitiavana ny fanerena nampiharin’io fotoana nanan-tantara io, noho ny zavatra tsy dia lehibe nilainy tamin’ny naha-olombelona azy.

Fanoharana izay manasongadina ny fangoraham-po

21. Inona no asehon’ny nanafoanan’ilay tompo ny trosa lehiben’ilay mpanompony?

21 Ny matoanteny grika hoe splag·khniʹzo·mai, nampiasaina tamin’ireo fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy ireo, dia ampiasaina koa ao amin’ny telo amin’ireo fanoharan’i Jesosy. Ao amin’ny tantara iray, dia niangavy mba homena fotoana handoavana trosa lehibe iray ny mpanompo iray. “Onena azy” ilay tompony ka nanafoana (NW ) ilay trosa. Izany dia mampiseho fa naneho fangoraham-po lehibe i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fanafoanana trosa lehibe iray, dia ny fahotan’ny Kristiana tsirairay izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. — Matio 18:27; 20:28.

22. Inona no asehon’ilay fanoharana ny amin’ilay zanaka mpandanilany foana?

22 Avy eo, dia eo ny tantaran’ilay zanaka mpandanilany foana. Tsarovy izay nitranga rehefa niverina nody ilay zanaka nania. “Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.” (Lioka 15:20). Izany dia mampiseho fa, rehefa maneho tena fibebahana marina ny Kristiana iray izay nanjary nania, i Jehovah dia onena ary hanaiky azy io amim-panehoam-pitiavana indray. Araka izany, amin’ny alalan’ireo fanoharana roa ireo, i Jesosy dia mampiseho fa ilay Raintsika, i Jehovah, dia ‘be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany sady be fangoraham-po’. — Jakoba 5:11, NW, fanamarihana ambany pejy.

23. Fianarana inona no azontsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritana tia namana?

23 Ny fampiasana ara-panoharana fahatelo ny hoe splag·khniʹzo·mai dia mahakasika ilay Samaritana be fangoraham-po izay “onena” nahita ny toe-javatra nampahory ny Jiosy iray izay norobain’ny mpangalatra ary nilaozany rehefa saiky maty. (Lioka 10:33). Nanao zavatra ho fanehoana ireo fihetseham-po ireo ilay Samaritana ka nanao izay rehetra azony natao mba hanampiana io olona tsy fantany io. Izany dia mampiseho fa i Jehovah sy i Jesosy dia manantena ny hanarahan’ny tena Kristiana ny ohatra omeny amin’ny fanehoana fitiavana sy fangoraham-po. Ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika manao izany dia hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Fanontaniana ho Famerenana

◻ Inona no hevitry ny hoe mamindra fo?

◻ Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fangoraham-po ho an’ny anarany?

◻ Inona no fanehoam-pangoraham-pon’Andriamanitra lehibe indrindra?

◻ Tamin’ny fomba mahavariana inona no nanomezan’i Jesosy taratry ny toetran’ny Rainy?

◻ Inona no ianarantsika avy amin’ny fanaovan’i Jesosy zavatra amim-pangoraham-po sy avy amin’ireo fanoharany?

[Efajoro, pejy 12, 13]

TENY AZO ALAINA SARY AN-TSAINA TSARA ILAZANA NY “FIAHIANA AMIM-PANEHOAM-PITIAVANA”

“ENDREY ny kiboko! Endrey izany kiboko!”, hoy ny fitomanian’i Jeremia mpaminany. Moa ve izy nitaraina noho ny aretin-kibo azony avy amin’ny zavatra ratsy nohaniny? Tsia. I Jeremia teo dia nampiasa oha-teny hebreo iray mba hilazalazana ny fiahiany lalina noho ny loza nanjo ny fanjakan’i Joda. — Jeremia 4:19.

Koa satria manana fihetseham-po lalina Andriamanitra, ilay teny hebreo adika hoe “kibo” na “tsinay” (NW ) (me·ʽimʹ), dia ampiasaina koa mba hilazalazana ireo fihetseham-pony feno fitiavana. Ohatra, am-polony taona maro talohan’ny andron’i Jeremia, ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely, dia nentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo. Namela izany hitranga i Jehovah ho famaizana azy ireo noho ny tsy fahatokiany. Hadinon’Andriamanitra tany an-tsesitany ve anefa izy ireo? Tsia. Mbola nifikitra mafy tamin’izy ireo ihany izy, noho izy ireo anisan’ilay vahoaka nifanaovany fanekena. Niantso azy ireo tamin’ny anaran’i Efraima, ilay foko lehibe indrindra teo aminy, i Jehovah ka nanontany hoe: “Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia [maneno ny tsinaiko, fanamarihana ambany pejy]; hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.” — Jeremia 31:20.

Tamin’ny filazana hoe “maneno ny tsinaiko”, dia nampiasa fomba fiteny ara-panoharana i Jehovah mba hilazalazana ny fahatsapany fitiavana lalina an’ilay vahoakany tany an-tsesitany. Ao amin’ny fanazavany io andinin-teny io, dia hoy ny nosoratan’i E. Henderson, nanam-pahaizana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19: “Tsy misy na inona na inona afaka ny hihoatra ny fanehoana mampihetsi-po ny fihetseham-pon-dray aman-dreny maneho fitiavana amin’ny zanaka mpandanilany foana miverina iray, ka asehon’i Jehovah eto. (...) Na dia nanameloka [ireo Efraimita nanompo sampy] sy nanafay azy ireo aza izy (...), dia tsy nanadino azy ireo na oviana na oviana, fa, mifanohitra amin’izany kosa aza, niravoravo noho ny fiandrasana ny fahasitranan’izy ireo amin’ny farany.”

Ilay teny grika adika hoe “tsinay” na “kibo” dia ampiasaina amin’izany fomba izany koa ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana. Rehefa tsy ampiasaina ara-bakiteny izy io, toy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:18, dia manondro fahatsapana fitiavana na fangoraham-po miharo fitiavana. (Filemona 12). Io teny io indraindray dia akambana amin’ilay teny grika midika hoe “tsara”. Nampiasa io fitambaran-teny io ny apostoly Paoly sy Petera rehefa nampahery ny Kristiana mba “hifampiantra”, izay midika ara-bakiteny hoe “mirona tsara ho amin’ny fahatsapana ho onena”. (Efesiana 4:32; 1 Petera 3:8). Ilay teny grika adika hoe “tsinay” dia azo akambana koa amin’ilay teny grika hoe pol·yʹ. Ny fitambaran’ireo teny roa ireo dia midika ara-bakiteny hoe “manana tsinay be dia be”. Io fitenenana grika izay hita mahalana dia mahalana io dia tsy ampiasaina afa-tsy indray mandeha ao amin’ny Baiboly, ary manondro an’i Jehovah Andriamanitra. Mandika azy io toy izao ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao: “Be firaiketam-po miharo fitiavana aoka izany i Jehovah”. — Jakoba 5:11, NW.

Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny tsy itovian’ilay mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia i Jehovah Andriamanitra, amin’ireo andriamanitra tsy mifaditra ovana noforon’ny olona tsy manana fangoraham-po! Ho fanahafana ilay Andriamaniny “be fangoraham-po miharo fitiavana”, ireo tena Kristiana dia voatosika hitondra tena toa azy eo amin’ny fifampiraharahany amin’izy samy izy. — Efesiana 5:1.

[Sary, pejy 10]

Rehefa nahatratra ny fetrany farany ny fangoraham-pon’Andriamanitra, dia namela ny Babyloniana handresy ny vahoakany nania i Jehovah

[Sary, pejy 11]

Tsy maintsy ho niteraka tao amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanaintainana lehibe indrindra mbola tsy voatery ho tsapan’iza na iza hatramin’izay, ny fijerena ny Zanany malala maty

[Sary, pejy 15]

Nanome taratry ny toetran’ny Rainy be fangoraham-po tamin’ny fomba lavorary i Jesosy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara