Afaka Mahita Antsika ve ny Maty?
NAMONO nahafaty ny vadiny ny vehivavy iray. Fito taona tatỳ aoriana, dia nampihorohoroin’ny nofy iray izay ninoany fa famantarana iray ny amin’ny fahatezeran’ilay vadiny maty, izy. Mba hampitonena ilay ‘fanahiny’, dia naniraka ny zanany vavy izy mba handraraka fanatitra zava-pisotro teo amin’ny fasany.
Tsy fantatr’ilay zanakavavy izay holazaina amin’ny fanahin’ilay rainy satria ilay fanatitra dia avy amin-dreniny izay namono azy. Avy teo amin’ny toeram-piafenana iray no nitazana ny zandriny lahy. Nanatona izy io ary nanolotra vavaka ho an’ilay rainy izy sy ilay anabaviny mba hanampy azy ireo hamaly faty ny famonoana azy.
Io fisehoan-javatra io dia avy ao amin’ny Ireo Mpitondra Fanatitra Zava-pisotro, tantara an-dampihazo grika iray nosoratana maherin’ny 2 400 taona lasa izay. Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, indrindra fa atsy Afrika, dia atao ny fanolorana fanatitra eo am-pasana toy izany na dia amin’izao andro izao aza.
Diniho, ohatra, ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Ibe, izay mipetraka any Nizeria. Namoy zanaka telo tamin’ny fahafatesana izy, ka nanatona ny mpimasy teratany mpanaraka fomban-drazana, izay nilaza tamin’i Ibe fa tsy hoe tsy misy antony ny nahafatesan’izy ireny — tezitra ny dadan’i Ibe efa maty satria tsy natao tamin’ny fomba mety ny fandevenana azy.
Nanaraka ny torohevitra nomen’ilay mpimasy teratany i Ibe ka nanao sorona osy iray sady nandraraka fanatitra gin (karazana toaka) sy divay teo am-pasan-drainy. Niantso ny fanahin’ilay rainy izy, niangavy famelan-keloka, nanamafy ny fitiavany azy, sy nangataka fitahiana.
Tsy misalasala i Ibe fa afaka mahita sy mandre azy ny rainy. Tsy mino izy fa tsy misy aina ny rainy fa tamin’ny nahafatesan’izy io, dia “niampita” avy tamin’ny tontolo hita maso nankany amin’ny tontolo tsy hita maso izy. Mino i Ibe fa niala tamin’ny tontolon’ny nofo aman-dra nankany amin’ny tontolon’ireo fanahy, izay faritra misy ireo razana, ny rainy.
Manjohy hevitra toy izao i Ibe: ‘Na dia tsy eto amin’itỳ tontolo itỳ intsony aza i Dada, dia mbola mahatsiaro ahy izy ary miahy ny amin’izay mahasoa ahy. Ary koa satria fanahy iray manana hery manan-tombo izy izao, dia eo amin’ny toerana tsara lavitra noho ny tamin’ny naha-olona azy teto an-tany izy mba hanampy ahy. Ambonin’izany, dia afaka manatona mivantana an’Andriamanitra ho ahy izy satria Andriamanitra koa dia fanahy. Mety ho tezitra i Dada izao ankehitriny izao, kanefa raha mampiseho aminy fanajana araka ny mety aho, dia hamela ny heloko izy ary hitahy ahy.’
Atsy Afrika, ny finoana fa mahita ny olona eto an-tany ary manan-kery eo amin’ny fiainany ny maty dia fatra-piely eo amin’ireo izay manaraka ny fivavahana nentim-paharazana. Miharihary eo amin’ireo milaza tena fa Kristiana koa izany. Ohatra, aorian’ny ankalazana ny fampakaram-badin’ny vehivavy iray any am-piangonana, dia tsy mahalana no mankany an-tranon’ireo ray aman-dreniny izy mba handray ny tsodrano araka ny fomban-drazana. Ao dia antsoina ireo razana, ary araraka ho azy ireo ny fanatitra zava-pisotro iray. Olona maro no mino fa mitondra loza eo amin’ny fanambadiana ny tsy fanaovana izany.
Heverina fa ireo razana, na ny fanahin’ireo razana, dia miantoka ny fitohizam-pahavelomana sy ny firoboroboan’ireo fianakaviany eto an-tany. Araka izany fomba fihevitra izany, ireo fanahy dia mpanampy mahery, afaka mitondra vokatra tsara sy mampandroso ny fanambinana ary miaro ny olona amin’ny fahavoazana. Manelanelana ho an’ny olona izy ireo. Raha tsy raharahaina na omena fanafintohinana anefa izy ireo dia mitondra loza — aretina, fahantrana, fahafatesana mihitsy aza — izy. Vokatr’izany, amin’ny alalan’ny fanatitra sy ny fombafomba, ny olona dia miezaka mafy ny hihazona fifandraisana tsara amin’ny maty.
Mino ve ianao fa tafiditra amim-paharisihana amin’ny fiainan’ny velona ny maty? Efa mba nijoro teo anilan’ny fasan’ny olon-tiana iray ve ianao ary nahatsapa ny tenanao namoaka teny vitsivitsy, sao mba afaka mandre anao izy? Ny hoe mahita sy mandre antsika ny maty na tsia dia miankina amin’izay mitranga eo amin’ny fahafatesana. Aoka isika handinika izay lazain’ny Baiboly momba io foto-kevitra lehibe io.