“Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”
“ETO amin’itỳ tontolo itỳ, dia tsy misy zavatra azo antoka afa-tsy ny fahafatesana sy ny hetra ihany.” Izany no nambaran’ilay mpitondra fanjakana sady mpamoron-javatra amerikana atao hoe Benjamin Franklin, tamin’ny taonjato faha-18. Ireo teniny, izay voatonona matetika aoka izany, dia tsy vitan’ny hoe taratry ny maha-tsy azo ihodivirana ny hetra fotsiny, fa taratry ny tahotra mafy aterany koa. Ho an’ny olona maro, ny fandoavan-ketra dia tsy manintona firy, toy ny fahafatesana ihany.
Na dia mety tsy hahafinaritra toy inona aza ny fandoavan-ketra, izy io dia adidy izay raisin’ny Kristiana marina ho tena zava-dehibe. Nanoratra ho an’ny kongregasiona kristiana tany Roma toy izao ny apostoly Paoly: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Raha tokony handoa hetra ianao, dia mandoava hetra; raha fadintseranana, dia fadintseranana; raha fanajana, dia fanajana; raha voninahitra, dia voninahitra.” (Romana 13:7, New International Version). Ary nanisy firesahana voafaritra tsara ny amin’ny hetra i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” — Marka 12:14, 17.
Namela ireo “manam-pahefana ambony” hisy i Jehovah, ka mitaky ny haneken’ny mpanompony azy ireny amin’ny fomba voafetra. Nahoana àry Andriamanitra no manantitrantitra ny handoavan’ireo mpivavaka aminy hetra? Nanonona antony fototra telo i Paoly: 1) ny ‘fahatezeran’ireo’ “manam-pahefana ambony” rehefa manafay ireo mandika làlana; 2) ny fieritreretan’ny Kristiana iray, izay tsy hadio raha mifetsy eo amin’ny hetrany izy; 3) ny ilana handoa ny volan’ireny “mpanompo sivily” ireny noho ny fanaovany asa mahasoa ny besinimaro sy noho izy mitana filaminana amin’ny ambaratonga sasany. (Romana 13:1-7, NW ). Maro no mety tsy ho tia ny handoa hetra. Kanefa azo antoka fa vao mainka tsy ho tian’izy ireo kokoa aza ny hiaina ao amin’ny tany iray tsy misy polisy na fiarovana amin’ny hain-trano, tsy misy fikarakarana ny lalana, tsy misy sekolim-bahoaka, ary tsy misy paositra. Nilaza izany toy izao indray andro ilay mpahay lalàna amerikana atao hoe Oliver Wendell Holmes: “Ny hetra dia izay aloantsika mba hahazoana fitambaran’olo-mandroso.”
Tsy vaovao velively ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra akory ny fandoavan-ketra. Ireo mponina teo amin’ny Isiraely fahiny dia nandoa karazana hetra mba hanohanana ny mpanjakan’izy ireo, ary ny sasany tamin’ireny mpanapaka ireny dia nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka tamin’ny fitakiana hetra tafahoatra. Ireo Jiosy koa dia nandoa fadintseranana sy hetra tamin’ireo herim-panjakana vahiny izay nanapaka azy ireo, toa an’i Egypta sy i Persia ary i Roma. Koa ireo Kristiana tamin’ny andron’i Paoly àry dia nahafantatra tsara izay noresahiny rehefa nanonona ny fandoavan-ketra izy. Fantatr’izy ireo fa, na tamin’ny antonona na tsia ireo hetra, ary na ahoana na ahoana no nety ho nandanian’ny fanjakana io vola io, dia tsy maintsy nandoa izay nety ho hetra tokony ho naloany izy ireo. Izany koa dia mihatra amin’ny Kristiana amin’izao andro izao. Fotopoto-pitsipika inona avy anefa no mety hanome antsika fitarihana eo am-pandoavantsika ny hetrantsika amin’izao andro misafotofoto izao?
Fotopoto-pitsipika mpitari-dalana dimy
Aoka ianao hilamina. Isika dia manompo sy maka tahaka an’i Jehovah izay “Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana, fa loharanon’ny fiadanana”. (1 Korintianina 14:33, DIEM; Efesiana 5:1). Ny hoe milamina dia tena zava-dehibe raha ny amin’ny fandoavan-ketra. Moa ve feno sy araka ny marina ary voalamina ireo taratasinao? Mazàna dia tsy ilaina ny fitaovana fampiriman-taratasy lafo vidy. Mety hanana chemise na valopy iray nasiana anaran’ny karazan-taratasy tsirairay (toy ny rosia mitanisa ireo fandaniana samihafa nataonao), ianao. Mety ho ampy ny manambatra azy ireo ao anatina chemise na valopy lehibe kokoa ho an’ny taona tsirairay. Any amin’ny tany maro dia tena ilaina ny mitana fampiriman-taratasy toy izany mandritra ny taona maromaro sao manapa-kevitra ny handinika ireo taratasy tamin’ny lasa ny fanjakana. Koa aza manary na inona na inona mandra-pahazoana antoka fa tsy ilaina intsony izany.
Aoka ianao hilaza ny marina. Nanoratra toy izao i Paoly: “Manohiza mivavaka ho anay, fa matoky izahay fa manana fieritreretana mahitsy ka maniry hitondra tena amim-pahitsiana amin’ny zavatra rehetra.” (Hebreo 13:18, NW ). Ny faniriana amim-pahatsorana hilaza ny marina dia tokony hitarika ny fanapahan-kevitra rehetra ataontsika rehefa mandoa ny hetrantsika isika. Voalohany, dia diniho ireo hetra tokony haloa amin’ireo vola miditra tokony holazaina amin’ny fanjakana. Any amin’ny tany maro, ireo vola miditra fanampiny — avy amin’ireo falimpo, asa an-tselika, varotra — dia iharan’ny fitakiana hetra raha vantany vao mihoatra ny habetsahana voafaritra iray. Ny Kristiana manana “fieritreretana mahitsy” dia hamantatra izay mahaforona ny atao hoe vola miditra tokony handoavany hetra ao amin’ny toerana onenany, ary handoa ilay hetra mifanentana amin’izany.
Faharoa, dia eo ilay raharaha momba ireo zavatra azo esorina ao amin’ny filazan-ketra. Ireo fanjakana mazàna dia mamela ireo mpandoa hetra hanaisotra fandaniana sasany amin’ny vola miditra tokony handoavany hetra. Eto amin’itỳ tontolo tsy manao ny marina itỳ, dia olona maro no tsy mahita ny maha-ratsy ny fananana saina “mahay mamoron-kevitra” rehefa mangataka izany fanesoran-javatra izany ao amin’ny filazan-ketra. Nisy lehilahy iray tany Etazonia voalaza fa nividy palitao volom-biby lafo vidy iray ho an’ny vadiny, ary avy eo dia nanantona izany nandritra ny andro iray tao amin’ny toeram-piasany izy mba hahafahany hanaisotra izany tamin’ny filazan-ketrany, ho toy ny hoe “fandravahana” ny toeram-piasana! Ny lehilahy hafa iray dia nangataka ny fandaniana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany vavy ho zavatra mahakasika ny fandraharahana izay azo nesorina tamin’ny filazan-ketra. Ny hafa iray koa dia nanandrana nanaisotra tao amin’ny filazan-ketrany ny fandaniana tamin’ny nanarahan’ny vadiny azy tamin’ny diany am-bolana maromaro tany Extrême-Orient, na dia noho ny zava-kendrena ara-tsosialy sy ho fialam-boly voalohany indrindra aza no tena anton-dian-dramatoa tany. Toa tsy misy farany ny toe-javatra toy izany. Raha tsorina, ny fiantsoana zavatra iray hoe zavatra mahakasika ny fandraharahana azo esorina amin’ny filazan-ketra, kanefa tsy misy ifandraisany amin’izany akory ilay izy raha ny marina, dia endrika iray amin’ny lainga — zavatra izay hamavoin’i Jehovah Andriamanitsika tanteraka. — Ohabolana 6:16-19.
Aoka ianao ho malina. Nampirisika mafy ny mpanara-dia azy mba ‘ho malina tahaka ny bibilava, ary ho tsotra tahaka ny voromahailala’ i Jesosy. (Matio 10:16, DIEM ). Mety hihatra tsara amin’ireo fanaontsika eo amin’ny fandoavan-ketra izany torohevitra izany. Mihamaro hatrany ny olona amin’izao andro izao, indrindra fa any amin’ireo tany mandroso, no manakarama orinasa mpanao comptabilité na olona sasany manao izany ho fototr’asa, mba hamantatra ny hetra tokony haloan’izy ireo. Avy eo dia manao sonia ireo taratasy nofenoina sy mandefa ny taratasim-bola fotsiny izy ireo. Ho fahafahana tsara izany mba hanarahana ilay fampitandremana voarakitra ao amin’ny Ohabolana 14:15 manao hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”
Mpandoa hetra maro no nahita fahasahiranana tamin’ny fanjakana noho izy ireo ‘nino ny teny rehetra’ nataona comptable maty eritreritra na mpamantatra ny hetra tokony haloa, izay tsy ampy fanandraman-javatra. Tsara kokoa toy inona moa ny ho mahira-tsaina! Aoka ianao ho malina amin’ny famakiana amim-pitandremana izay mety ho taratasy, alohan’ny hanaovanao sonia izany. Raha misy zavatra nampidirina na hadino na nesorina hafahafa aminao, dia asaivo hazavainy — imbetsaka raha ilaina izany — mandra-pahazoanao antoka fa marina sy ara-dalàna ilay raharaha. Marina fa any amin’ny tany maro, ireo lalàna momba ny hetra dia nanjary nisafotofoto izaitsizy, kanefa raha mbola azo atao koa, dia lalan’ny fahendrena ny fahazoana ny hevitr’izay rehetra ataonao sonia. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho hitanao fa afaka manome fahatakarana hevi-javatra sasany ny namana Kristiana iray izay mahafantatra tsara ny lalàna momba ny hetra. Ny Kristiana iray loholona mpisolo vava amin’ny raharaha momba ny hetra dia niteny tamin’ny fomba voafintina toy izao: “Raha mandroso zavatra toa tsara loatra ka tsy mampino ny comptable-nao, dia azo inoana fa tsy filazana ny marina ilay zavatra!”
Aoka ianao ho tompon’andraikitra. “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Romana Galatiana 6:5). Raha ny amin’ny fandoavan-ketra, dia tsy maintsy samy miantsoroka ny andraikitra hanao ny marina sy hanara-dalàna ny Kristiana tsirairay. Izany dia tsy raharaha anarahan’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona maso ny andian’ondry karakarainy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 1:24.) Tsy miditra amin-draharaha momba ny hetra izy ireo, raha tsy hoe angaha misy fanaovan-dratsy lehibe, izay angamba mahatafiditra fahafaham-baraka eo amin’ny mpiara-monina, hitan’izy ireo. Amin’ny ankapobeny, izany dia faritra iray izay maha-tompon’andraikitra ny Kristiana isam-batan’olona. Tompon’andraikitra izy amin’ny fampiasana ny fieritreretany nampiofanina araka ny tokony ho izy eo amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina. (Hebreo 5:14). Tafiditra amin’izany ny fahatakarana fa ny fanaovana sonia taratasy momba ny hetra — na iza na iza nikarakara izany — dia mety ho efa tena filazana ara-dalàna iray fa efa namaky ilay taratasy ianao ary mino fa izay raketiny dia marina.a
Aoka ianao tsy hanan-tsiny. Tsy maintsy “tsy manan-tsiny” ireo mpiandraikitra kristiana mba hahafeno fepetra ho amin’ny toerany. Toy izany koa fa ny kongregasiona iray manontolo dia tokony tsy hanan-tsiny eo imason’Andriamanitra. (1 Timoty 3:2; ampitahao amin’ny Efesiana 5:27.) Noho izany, izy ireo dia mikely aina mba hitana laza tsara eo amin’ny mpiara-monina, na dia eo amin’ny fandoavan-ketra aza. Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no namela ny ohatra amin’io lafiny io. Nisy nanontany an’i Petera mpianany raha nandoa ilay hetran’ny tempoly, dia hetra izay tsy inona fa antsasaky ny sekely monja, i Jesosy. Raha ny tena izy, dia afaka tamin’io hetra io i Jesosy satria ny tempoly dia tranon-dRainy ary tsy misy mpanjaka mampandoa hetra ny zanany naterany. Izany indrindra no nolazain’i Jesosy; kanefa dia nandoa izany hetra izany izy. Raha ny marina, dia nampiasa fahagagana mihitsy aza izy mba hamoahana ilay vola nilaina! Nahoana izy no handoa hetra izay naha-afaka azy ara-dalàna? Araka ny nolazain’i Jesosy, izany dia “andrao isika manafintohina azy”. — Matio 17:24-27.b
Mihazòna laza izay manome voninahitra an’Andriamanitra
Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia miahy toy izany koa mba tsy hanafintohina ny hafa. Tsy mahagaga àry, raha amin’ny fitambarany, izy ireo dia manana laza tsara maneran-tany ho olom-pirenena manao ny marina sy mpandoa hetra. Ilay gazety espaniola hoe El Diario Vasco, ohatra, dia nanazava ny amin’ny fielezan’ny fandosirana hetra any Espaina, kanefa izao no nohazavainy: “Ny hany maningana [dia] ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa mividy na mivarotra [tany] izy ireo, dia fahamarinana tanteraka ny vidiny ambaran’izy ireo.” Mitovy amin’izany koa fa nanamarika toy izao ilay gazety amerikana hoe San Francisco Examiner, taona vitsivitsy lasa izay: “Azonao atao ny mihevitra [ny Vavolombelon’i Jehovah] ho olom-pirenena modely. Mandoa hetra amim-pitandremana tsara izy ireo, mikarakara ny marary, miady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra.”
Tsy misy Kristiana marina haniry hanao na inona na inona izay mety handoto izany laza nisahiranana mafy izany. Raha tsy maintsy misafidy ianao, moa ve ianao hisetra ny mety hahafantarana anao ho mpangalatra amin’ny hetra mba hitsitsiana vola kely? Tsia. Azo antoka fa aleonao aza mamoy vola, toy izay handoto ny laza tsaranao sy hanary ireo zavatra heverinao ho sarobidy mbamin’ny fanompoam-pivavahanao amin’i Jehovah mihitsy aza.
Raha ny marina, dia mety hovidinao vola tokoa indraindray ny fihazonana laza ho olona tia ny rariny sy milaza ny marina. Araka ny nomarihin’ilay filozofa grika fahiny atao hoe Platon, taonjato 24 lasa teo ho eo izay, dia hoe: “Rehefa misy hetra amin’ny vola miditra, ilay olo-marina dia handoa bebe kokoa ary ilay tsy marina dia handoa kely kokoa, amin’ny vola miditra mitovy ihany.” Ho afaka nanampy teny izy fa ilay olo-marina dia tsy manenina mihitsy raha mandoa ny vidin’ny maha-marina azy. Na dia ny fananana laza toy izany aza dia efa mendrika ny handoavana ny vidiny. Tena marina izany raha ny amin’ny Kristiana. Ny laza tsara ananan’izy ireo dia sarobidy aminy satria manome voninahitra ny Rainy any an-danitra ary afaka manampy ny hafa ho voasinton’ny fomba fiainan’izy ireo sy ho voasintona ho amin’i Jehovah, Andriamanitr’izy ireo. — Ohabolana 11:30; 1 Petera 3:1.
Ambonin’ny zava-drehetra anefa, ny Kristiana marina dia mihevitra ho sarobidy ny fifandraisan’ny tenany amin’i Jehovah. Hitan’Andriamanitra izay rehetra ataon’izy ireo, ary maniry ny hampifaly azy izy ireo. (Hebreo 4:13). Noho izany, dia lavin’izy ireo ny fakam-panahy hanandrana hangalatra amin’ny fanjakana. Fantatr’izy ireo fa Andriamanitra dia mahita fahafinaretana amin’ny fitondran-tena marina sy mahitsy. (Salamo 15:1-3). Ary noho izy ireo maniry ny hampifaly ny fon’i Jehovah, dia mandoa ny hetra rehetra tokony haloany izy ireo. — Ohabolana 27:11; Romana 13:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izany dia mety hitondra zava-tsarotra ho an’ireo Kristiana izay mandefa filazan-ketra mikambana amin’ny an’ny vadiny tsy mpino. Ny vehivavy kristiana dia hanao ezaka amim-pahamarinana tsara mba hampifandanja ny fotopoto-pitsipika momba ny fahefan’ny vadiny sy ny ilana hankato ireo lalàn’i Kaisara momba ny hetra. Tokony ho takany anefa ireo vokany araka ny lalàna mety hateraky ny finiavana hanao sonia taratasy misy hosoka. — Romana 13:1; 1 Korintiana 11:3.
b Mahaliana fa ny Matio ihany no Filazantsara mirakitra an-tsoratra io fisehoan-javatra teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany io. Tamin’ny naha-mpamory hetra azy taloha, dia tsy isalasalana fa talanjona tamin’ny fihetsik’i Jesosy tamin’io raharaha io i Matio.