FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/12 p. 2-5
  • Ireo Fototry ny Tsy Finoana An’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fototry ny Tsy Finoana An’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahitana ireo fotony
  • Voafafy ireo voa
  • Mitsimoka ny fisalasalana
  • Mahatratra ny fara tampony ny tsy finoana an’Andriamanitra
  • Ny Fandavana An’Andriamanitra Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Hihatsara ve ny Fiainana Raha Tsy Misy ny Fivavahana?
    Mifohaza!—2010
  • Inona no Hanampy Anao Hino fa Misy ny Mpamorona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nitranga ny Fivadiham-pinoana Lehibe
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/12 p. 2-5

Ireo Fototry ny Tsy Finoana An’Andriamanitra

MIAINA eto amin’ny planeta iray heniky ny zava-tsarotra isika; manamafy izany zava-misy izany isan’andro ny topy maso vetivety eo amin’ireo matoam-baovaon’ireo gazety. Nahatonga olona maro hisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra ny toe-javatra mampamoy fo misy ny tontolontsika. Ny sasany, mitonona ho tsy mpino an’Andriamanitra, dia mandà ny fisiany mihitsy aza. Marina ve izany raha ny aminao?

Afaka manana fiantraikany lalina eo amin’ny fomba fijerinao ny hoavy ny finoana na ny tsy finoana an’Andriamanitra. Raha tsy misy Andriamanitra, ny fitohizam-pahaveloman’ny taranak’olombelona dia ho eo am-pelatanan’ny olombelona tanteraka — hevitra mahakivy, rehefa heverina ny fahafahan’ny olona mandrava. Raha tena mino ianao fa misy Andriamanitra, dia azo inoana fa ekenao fa tena manana zava-kendrena iray — zava-kendrena iray izay mety ho tanteraka any aoriana any — ny fiainana eto amin’itỳ planeta itỳ.

Na dia nitsitapitapy aza ireo fandavana ny fisian’Andriamanitra nandritra ny tantara, dia vao tamin’ireo taonjato faramparany no niely patrana sy tiam-bahoaka ny tsy finoana an’Andriamanitra. Fantatrao ve hoe nahoana?

Fahitana ireo fotony

Manaitra ny saina ny fahitana hazo mijoalajoala iray. Kanefa, ny maso dia mahita fotsiny ireo raviny sy sampany ary ny vatany. Ireo fakany na fotony — ny loharanom-piainan’ilay hazo — dia mitoetra ho miafina lalina ao anaty tany.

Misy fitoviana be dia be amin’izany ny tsy finoana an’Andriamanitra. Tahaka ny hazo mijoalajoala iray, ny fandavana ny fisian’Andriamanitra dia nitombo ka nahatratra halehibe nanaitra ny saina, taloha sy nandritra ny taonjato faha-19. Ho afaka ny hisy ve ny fiainana sy izao rehetra izao raha tsy misy ny Antony Voalohany iray ambony noho ny natiora? Fandaniam-potoana ve ny fanompoam-pivavahana amin’izany Mpamorona izany? Mafy sy nazava ny valin-tenin’ireo filozofa mpitarika tamin’izay fotoana izay. “Toy ny tsy ilantsika fehezan-dalàna ara-pitondran-tena intsony no tsy ilantsika fivavahana koa”, hoy ny nambaran’i Friedrich Nietzsche. “Nofinofin’ny sain’olombelona ny fivavahana”, hoy ny nantitranterin’i Ludwig Feuerbach. Ary i Karl Marx, izay ireo asa sorany dia nanjary nisy fitaomana lehibe tao anatin’ireo taona am-polony maro nanaraka, dia nanambara tamim-pahasahiana hoe: “Tiako ny hampitombo ny fahafahan’ny saina amin’ny gadran’ny fivavahana.”

Nanaitra ny sain’ny olona maro be izany. Izay hitany anefa, dia ireo ravina sy sampana ary vatan’ny tsy finoana an’Andriamanitra fotsiny. Efa tao sady nitsimoka ela talohan’ny niandohan’ny taonjato faha-19 ireo fakany. Mahagaga fa nokolokoloin’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny fitomboana maoderin’ny tsy finoana an’Andriamanitra! Ahoana no nahatonga izany? Noho ny faharatsiany, ireny fikambanana ara-pivavahana ireny dia niteraka fahadisoam-panantenana sy fanoherana be dia be.

Voafafy ireo voa

Nandritra ny Moyen Age, ny Eglizy Katolika dia nangeja ireo olom-peheziny. “Toa tsy ampy fitaovana mba hikarakarana ireo zavatra ara-panahy nilain’ny olona ny ambaratongam-pahefan’ny klerjy”, hoy ny fanamarihan’ny The Encyclopedia Americana. “Ireo anisan’ny klerjy nanana toerana ambony, indrindra fa ireo eveka, dia nalaina avy tao amin’ny sarangan’olona ambony ary nihevitra ny toerany ho loharanon-daza sy fahefana voalohany indrindra.”

Ny sasany, toa an’i Jean Calvin sy i Martin Luther, dia niezaka nanavao ny fiangonana. Ireo fomba fanaovany zavatra anefa, dia tsy tahaka ny an’i Kristy foana; nanamarika ny Fanavaozana (Réforme) ny tsy fileferana sy ny fandatsahan-dra. (Ampitahao amin’ny Matio 26:52.) Feno halozana aoka izany ireo fanafihana sasany, hany ka nanoratra toy izao i Thomas Jefferson, ilay prezidàn’i Etazonia fahatelo, taonjato telo tatỳ aoriana: “Ho azo alan-tsiny bebe kokoa ny tsy finoana an’izay mety ho andriamanitra, noho ny fitenenan-dratsy azy amin’ny alalan’ireo toetra nampiseho habibiana nananan’i Calvin.”a

Mazava fa tsy namerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio ny Fanavaozana. Kanefa, nampihena ny fahefan’ny Eglizy Katolika izy io. Tsy nanana fifehezana samirery teo amin’ny finoana ara-pivavahan’ny olona intsony ny Vatikana. Maro no nanatevin-daharana ireo antokom-pivavahana protestanta niforona vao haingana. Ireo hafa, izay diso fanantenana tamin’ny fivavahana, dia nanao ny sain’ny olombelona ho ny zavatra niantefan’ny fanompoam-pivavahany. Nanaraka izany ny toe-tsaina malalaka, izay nanome lalana ho amin’ny fiheverana samy hafa momba an’Andriamanitra.

Mitsimoka ny fisalasalana

Tamin’ny taonjato faha-18, ny fomba fisaina azon’ny saina ekena dia noderaina fatratra tamin’ny ankapobeny ho ny fanafodin’ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao. Nanantitrantitra ilay filozofa alemanina atao hoe Immanuel Kant fa ny fivoaran’ny olona dia nosakantsakanan’ny fiankinany tamin’ny politika sy ny fivavahana mba hahazoana fitarihana. “Sahia mahalala!”, hoy ny fampirisihany. “Manàna herim-po hampiasa ny fahaizanao ara-tsaina manokana!”

Io toe-tsaina io dia nampiavaka ny filozofian’ny Fanazavana, fantatra koa ho ny Vanim-potoan’ny Fahaiza-misaina (l’Ere de la raison). Naharitra nandritra ny taonjato faha-18 io fe-potoana io ary voamariky ny fikatsahana fahalalana nimatimatesana. “Nisolo toerana ny finoana an-jambany ny fisalasalana”, hoy ilay boky hoe Milestones of History. “Nametrahana fisalasalana ireo finoana sy fanao nentim-paharazana tranainy rehetra.”

Ny “finoana sy fanao nentim-paharazana tranainy” iray izay nanjary nanaovana famotopotorana dia ny fivavahana. “Nanova ny fomba fijeriny momba ny fivavahana ny olona”, hoy ilay boky hoe The Universal History of the World. “Tsy afa-po intsony tamin’ilay fampanantenana valisoa any an-danitra izy ireo; nitaky fiainana tsaratsara kokoa teto an-tany izy ireo. Nanomboka nanary ny finoany ny amin’ny fisiana ambony noho ny natiora izy ireo.” Eny tokoa, ny ankamaroan’ireo filozofa mpanaraka ny Fanazavana dia nihevitra ny fivavahana tamim-panamavoana. Nomeny tsiny indrindra ireo mpitondra liam-pahefana tao amin’ny Eglizy Katolika noho ny nihazonana ny olona tao anatin’ny tsy fahalalana.

Tsy afa-po tamin’ny fivavahana ny maro tamin’ireny filozofa ireny ka nanjary déistes; nino an’Andriamanitra izy ireo kanefa nanantitrantitra fa tsy naneho fiheverana ny olona izy.b Nisy vitsivitsy nanjary tsy niahotra nilaza tena ho tsy mpino an’Andriamanitra, toy ilay filozofa atao hoe Paul Henri Thiry Holbach, izay nanizingizina fa “loharanon’ireo fisaratsarahana sy hadalana be ary heloka bevava” ny fivavahana. Rehefa nandeha ireo taona, dia nihamaro kokoa no leon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ary niombon-kevitra tamin’i Holbach.

Hafahafa toy inona moa ny hoe ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nampirisika ny fitomboan’ny tsy finoana an’Andriamanitra! “Ireo Fiangonana no tany nanirian’ny tsy finoana an’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’ilay profesora momba ny teolojia atao hoe Michael J. Buckley. “Nahatsiaro ho tafintohina sy feno rikoriko lalina tamin’ireo fivavahana voalamina ny feon’ny fieritreretan’ny Tandrefana. Nandrava an’i Eoropa ireo Fiangonana sy antokom-pivavahana, nitarika fandripahana olona, nitaky fanoherana na revaolisiona ara-pivavahana, niezaka tsy nampandray fanasan’ny Tompo na nanongana mpanjaka.”

Mahatratra ny fara tampony ny tsy finoana an’Andriamanitra

Tamin’ny taonjato faha-19, ny fandavana an’Andriamanitra dia nolazaina an-karihary ary niroborobo. Tsy nenjehin’ny feon’ny fieritreretany ireo filozofa sy mpahay siansa tamin’ny fanambarana tamim-pahasahiana ireo fiheverany. “Ny fahavalontsika dia Andriamanitra”, hoy ny nambaran’ny olona iray tsy niahotra nilaza tena ho tsy mpino an’Andriamanitra. “Ny fankahalana an’Andriamanitra no fiandoham-pahendrena. Raha ta hanao fandrosoana marina ny olombelona, dia tsy maintsy miorina amin’ny tsy finoana an’Andriamanitra izany.”

Kanefa, nitranga ny fiovana an-kolaka iray nandritra ny taonjato faha-20. Nanjary tsy niady firy ny fiheverana nanda an’Andriamanitra; nanomboka niely ny karazana tsy finoana an’Andriamanitra hafa iray, izay misy fiantraikany na dia eo amin’ireo izay milaza ho mino an’Andriamanitra aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nitana foto-pampianarana maro tsy araka ny Soratra Masina ireo antokom-pivavahana protestanta izay vokatra azo tamin’ny Fanavaozana. Jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Aogositra 1989, pejy faha-16-20 sy tamin’ny 8 Septambra 1989, pejy faha-23-27.

b Nanizingizina ireo déistes fa, misy fitoviana be dia be amin’ny mpanao famantaranandro iray, Andriamanitra dia nampandeha ny zavatra noforoniny ary avy eo dia nampitodika ny lamosiny tamin’izy io tanteraka, nitoetra ho tsy rototra. Araka ny lazain’ilay boky hoe The Modern Heritage, ireo déistes dia “nino fa fahadisoana iray nateraky ny famoizam-po ny tsy finoana an’Andriamanitra, kanefa vao mainka aza nampahonena kokoa ny rafitra tia nanjakazaka nahaforona ny Eglizy Katolika ary ny naha-henjana sy tsy nilefitra ireo foto-pampianarany”.

[Sary, pejy 3]

Karl Marx

[Sary, pejy 3]

Ludwig Feuerbach

[Sary, pejy 3]

Friedrich Nietzsche

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Tany: Nahazoan-dalana avy amin’ny British Library; Nietzche: Copyright British Museum (jereo koa ny pejy faha-3); Calvin: Musée Historique de la Réformation, Genève (Photo F. Martin); Marx: U.S. National Archives photo (jereo koa ny pejy faha-3); Planeta, fitaovana, mpanao kroazada, lohan-damasinina: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck; Feuerbach: The Bettmann Archive (jereo koa ny pejy faha-3)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara