Fanomezana Fahafaham-po ny Filana Fototra Iray ao Amin’ny Olombelona Amin’ny Alalan’ny Fanekena Azy ho Mendrika
MANAMPY be dia be amin’ny fampitomboana ny fahatsiarovan-tena ho mendrika ny filazana amim-pahatsorana hoe “Vita tsara ny asa!” “Faly aho amin’ny zava-bitanao!”, na hoe “Nanao izay tsara indrindra vitanao ianao; mirehareha ny aminao izahay”, indrindra fa rehefa avy amin’ny olona iray izay hajainao izany. Sambatra sy manao zavatra tsara ny olona rehefa mahazo fanekena azy ho mendrika. Rehefa mahazo izany izy ireo dia manao zavatra tsara kokoa sady sambatra kokoa. Eny tokoa, ny fanekena ny hafa ho mendrika, izay fanekena tokony ho azy, dia tena ilain’ny saina sy ny fo toy ny ilan’ny vatana sakafo mahasalama.
Ny rakibolana iray dia manome famaritana ny fanekena olona iray ho mendrika hoe “fanekena olona iray amin’ny maha-olona tokony hahazo fiheverana azy” sy hoe “fanamarihana na fiheverana manokana”. Izy io dia mifandray akaiky amin’ny fanajana, ny fahatsapana ho mendri-kaja, izay, rehefa omena, dia mahafaoka fanombanana amim-pisainana olona iray sy mahafaoka ny ampahan’ny fanekena azy ho mendrika, izay tokony ho azy.
Ny fanekena ny tena ho mendrika — Filana fototra iray
Ny fanomezana fiderana amin’izay maha-mety ny fiderana dia azon’ny saina ekena sy ara-dalàna. Namela ny modely harahina i Jesosy tao amin’ny fanoharany ny amin’ireo mpanompo izay nanankinan’ny tompony ireo fananany. Tamin’ny fanekena ny fitantanana araka ny mety ireo fananany, dia hoy ilay tompo: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky”. (Matio 25:19-23). Matetika indrindra anefa, io fitenenana amim-pahalalam-pomba tokony holazaina io dia atao tsirambina. Mangeja ny risi-po sy ny faharisihana hanombo-javatra ny tsy fanomezana ho an’ny olona iray ny fanekena azy ho mendrika. Nilaza izany toy izao i Iona: “Ny fanekena anao ho mendrika dia mahatonga anao hahatsiaro tena ho ilaina sy irina ary ankasitrahana. (...) Manome anao faharisihana hanombo-javatra izy io. Raha odian-tsy hita ianao, dia mahatsiaro tena ho kivy sy tsy mahazo fanohanana.” Nanampy teny toy izao i Patrick: “Amin’izay dia ho sarotra ny hihazonana ho ambony ny hatsaran’ny asa sy ny asa vita.” Noho izany, dia zava-dehibe toy inona moa ny ianarantsika ny fomba sy ny fotoana tokony hanomezana ho an’ny hafa ny fanekena azy ho mendrika. Isika rehetra dia maniry fatratra ny tsy fananana ahiahy amin’ny fahafantarana fa eken’ny hafa isika. Filana fototra iray ao amin’ny olombelona izany.
Ny teny fiderana iray, ampiana andraikitra, na fanomezana ara-nofo iray mihitsy aza, dia mandrisika anao mba hanohy hanao izay tsara indrindra vitanao. Marina izany na ray ianao na reny, na lehilahy manambady, na vehivavy manambady, na ankizy, na mpikambana ao amin’ny kongregasiona, na mpiandraikitra. “Rehefa ekena ho mendrika aho”, hoy i Margaret, “dia mahatsiaro tena ho sambatra sy ilaina, ary manana faniriana ny hanao tsaratsara kokoa aho.” Miombon-kevitra amin’izany i Andrew, tamin’ny filazana hoe: “Mientan-kafaliana ny fanahiko, ka manome risi-po hiasa mafimafy kokoa aza izany.” Kanefa, ny fanomezana ho an’ny olona iray ny fanekena azy ho mendrika sy ny fanajana azy dia mitaky fieritreretana amim-pitandremana sy fahaiza-mitsara zavatra.
Manahafa ny modely navelan’i Jehovah amin’ny fanekena ny hafa ho mendrika
Ny ohatra voalohany indrindra amin’ny fanekena ny hasarobidin’ny hafa dia i Jehovah Andriamanitra. Ekeny ireo izay tokony hekena fa mendrika. Nomarihiny ireo lehilahy toa an’i Abela sy i Enoka ary i Noa. (Genesisy 4:4; 6:8; Joda 14). Neken’i Jehovah i Davida noho ny fahatokiany niavaka. (2 Samoela 7:16). I Samoela, izay nanome voninahitra an’i Jehovah nandritra ny taona maro tamin’ny naha-mpaminany azy, dia nomen’Andriamanitra voninahitra koa ho setriny. Andriamanitra dia namaly haingana ny vavak’i Samoela nangataka fanampiana mba handresena ireo Filistina. (1 Samoela 7:7-13). Tsy hahatsiaro tena ho omem-boninahitra ve ianao raha mahazo ny faneken’Andriamanitra anao ho mendrika toy izany?
Mifamatotra akaiky amin’ny fanekena olona iray ho mendrika ny fankasitrahana. Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘ho feno fisaorana isika’ sy mba hankasitraka izay atao ho antsika. (Kolosiana 3:15; 1 Tesaloniana 5:18). Na dia mihatra indrindra amin’ny fanehoam-pisaorana an’i Jehovah aza izany, dia mihatra koa amin’ny asa aman-draharaha eo amin’ny fiainana andavanandro. Nahatakatra izany ny apostoly Paoly. Nanaiky an’i Foiby ho mendrika izy tamin’ny naha-“mpiahy ny maro” azy io, ary an’i Prisila sy i Akoilà noho ny ‘nanaovan’izy ireo vy very ny ainy’ ho azy sy ho an’ny hafa. (Rômanina 16:1-4, DIEM ). Alao sary an-tsaina ny tsy maintsy ho tsapan’izy ireo tamin’ny fahazoana tenim-pankasitrahana an-karihary toy izany. Tsara ho an’i Paoly koa ny nanana fahasambarana tamin’ny fanekena ny hafa ho mendrika sy tamin’ny fanomezana voninahitra sy fampaherezana. Afaka manahaka an’i Jehovah sy ireo mpivavaka aminy mahay mankasitraka koa isika amin’ny fanehoana fanekena ho mendrika araka ny mety amin’ireo izay tokony hahazo izany. — Asan’ny Apostoly 20:35.
Fanekena ny hafa ho mendrika ao anatin’ny faritry ny fianakaviana
“Ny fanekena kely ny tena ho mendrika dia manampy be dia be amin’ny fanaovana ny fiainana ho mahafinaritra”, hoy i Mitchell, lehilahy manambady sady loholona kristiana iray. “Mahatonga anao ho tia, angamba ho mandrakizay, an’ilay manaiky anao ho mendrika izany.” Ohatra, ny lehilahy kristiana iray manambady dia miantsoroka andraikitra mavesatra ary manao fanapahan-kevitra lehibe izay mahafaoka izay mahasoa ny fianakaviana. Tsy maintsy manome izay ilain’ny fianakaviana ara-panahy sy ara-nofo ary ara-pihetseham-po izy. (1 Timoty 5:8). Ho velom-pankasitrahana toy inona moa izy rehefa aseho ny fanekena azy ho mendrika araka ny mety noho ny asa nanendren’Andriamanitra azy amin’ny maha-filohan’ny fianakaviana sy rehefa mampiseho aminy “fanajana lalina” ny vadiny! — Efesiana 5:33, NW.
Tsy tokony hodian-tsy hita ny asan’ny vehivavy mpikarakara tokantrano, izay tsy hitan’ny besinimaro. Mety hanambany izany asa izany ireo fiheverana maoderina ary mety hanaisotra amin’izy io ny fahamendrehany sy ny hasarobidiny. Kanefa, mahafaly an’Andriamanitra izy io. (Titosy 2:4, 5). Mamelombelona toy inona moa rehefa midera ny vadiny ny lehilahy iray mahay manavaka, indrindra amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana izay hain-dravehivavy tsara, amin’ny fanomezana izany fanekena azy ho mendrika izany eo ambanin’ny fahefany! (Ohabolana 31:28). Izao no nolazain’i Rowena momba ny vadiny: “Rehefa mankasitraka izay ataoko izy, dia hitako ho mora kokoa ny manaiky sy manome voninahitra ary manaja azy.”
Nilaza toy izao indray mandeha ilay mpanabe amerikana atao hoe Christian Bovee: “Ny teny fiderana amim-pahaiza-mitsara zavatra atao amin’ny ankizy dia toy ny masoandro ho an’ny voninkazo.” Eny, na dia ny ankizy tena mbola kely aza dia mila fanomezan-toky tsy tapaka fa mpianakavy heverina ho sarobidy izy. Mandritra ireo taonan’ny fahatanorana itomboana, izay feno fiovana vaovao ara-pihetseham-po sy ara-batana, dia misy fahatsapan-tena mihamitombo momba ny fisehoan’ny tena ivelany, miaraka amin’ny faniriana mafy hahazo fahaleovan-tena sy fanekena ny tena ho mendrika. Mandritra izay fotoana izay indrindra, ny tanora iray dia mila ny mahatsiaro tena ho tian’ireo ray aman-dreniny sy hoentina amim-pahaiza-mahatakatra ny heviny ary amin-katsaram-panahy. Ireo ray aman-dreny sy raibe aman-drenibe be taona dia mila toy izany koa ny fanomezan-toky fa mbola ilaina sy tiana izy ireo, fa tsy ‘nariana izy ireo rehefa antitra’. (Salamo 71:9; Levitikosy 19:32; Ohabolana 23:22). Mitondra fahasambarana sy fahombiazana mihamitombo ho an’ny faritry ny fianakaviana ny fanomezana fahafaham-po araka ny mety ny filana hahazo fanekena ho mendrika.
Fanekena ny hafa ho mendrika ao anatin’ny kongregasiona kristiana
Misy vidiny lehibe ny fambolena fiheverana amim-pahatsorana ny hafa ao amin’ny kongregasiona kristiana sy ny tsy fitsitsiana tenim-pankasitrahana noho ireo asa sy ezaka ataony. Tokony ho loha laharana ireo loholona kristiana amin’ny fankasitrahana ireo zava-bita sy ezaka ataon’ny hafa ao amin’ny kongregasiona. “Raha tsy efa nahazo fitsidihan’ny mpiandry maromaro aho tsy nahatsapa ny hevitr’ireo teny fanekena ny maha-mendrika ahy mifandray amin’ny fampaherezana sy ny fahafaham-po ary ny fahasambarana”, hoy i Margaret. “Tsapako izay tsy ananan’ny olona iray rehefa tsy omena ny fanekena azy ho mendrika amin’ny ankapobeny izy.” Antony tsara mba hanehoana fiheverana manokana sy marina ary mampiseho fitiavana amin’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona re izany! Ankasitraho ny asa tsara ataon’izy ireny. Aza mitsitsy teny fiderana sy fampaherezana. Ao amin’ny kongregasiona maro, dia misy ray na reny mitaiza irery ny zanany izay miezaka mafy mba handentika ao an-tsainy ireo zavatra ara-panahy heverina ho sarobidy. Mendrika fiderana manokana izy ireny. Asongadino ireo lafiny manorina fa tsy ireo izay tsy manorina. Aoka ho hitan’ny hafa ny firaiketam-pon-drahalahy anananao amin’izy ireny. Aoka ho hitan’izy ireny fa miahy ianao. Amin’izany fomba izany, ireo mpiandraikitra be fitiavana dia miasa amin’ny fampandrosoana ny kongregasiona. (2 Korintiana 10:8). Ny asetrin’ireo mpikambana tsirairay izany dia ny fanomezana fanekena ho mendrika tokony ho an’ireny loholona mahatoky ireny sy ny fanomezana fanajana azy ireny, izay miezaka mafy ho azy. — 1 Timoty 5:17; Hebreo 13:17.
Kanefa misy lafiny hafa amin’io raharaha io. Ny faniriana hahazo fanekena ho mendrika dia ekena fa tena mahery. Tamin’ny andron’i Jesosy, izany dia nanjary zavatra nitana ny saina teo amin’ireo mpitondra ara-pivavahana. Tsy maintsy nanitsy ny fomba fijery diso nananan’ireo mpianany tamin’io lafiny io i Jesosy. (Marka 9:33-37; Lioka 20:46). Mila ny mahalala ny antonona sy mahay mandanjalanja ireo Kristiana. Raha avela ho tsy voafehy ny faniriana hahazo fanekena ho mendrika dia mety hampidi-doza ara-panahy. (Jakoba 3:14-16). Hampalahelo toy inona moa raha hanjary hiavonavona, ohatra, ny loholona iray ka hanomboka hitaky ny haneken’ny hafa ny fiheverany manokana ny tenany amim-pahamboniana! — Romana 12:3.
Nananatra tamim-pahendrena an’ireo Kristiana namany tany Roma toy izao ny apostoly Paoly: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Ireo teny ireo dia mihatra voalohany indrindra amin’ireo loholona kristiana, izay tsy maintsy manaiky an’i Kristy amin’ny fotoana rehetra ho Filohan’ny kongregasiona. Ny fanekena ny fahefana eo an-tanany havanana dia aseho amin’ny fitadiavana ny fitarihan’i Kristy amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary ny fitarihana omen’ny Fitambara-mpitantan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45-47, NW; jereo ny Apokalypsy 1:16, 20; 2:1.
Araka izany, rehefa mivory ireo loholona, ary mivavaka mba hahazoana ny fitarihan’i Jehovah amin’ny fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra, dia hiezaka mafy izy ireo mba hanao fanapahan-kevitra marim-pototra araka ny Soratra Masina. Ny tsy fireharehana sy ny fahalemem-panahy ary ny fanetren-tena kristiana dia hisakana ny loholona tsy hanandrana ny hanandra-tena sy hanjakazaka eo amin’ireo rahalahiny ary hanery ny hanarahana ny fomba fiheviny amin’ireny fivoriana ireny. (Matio 20:25-27; Kolosiana 3:12). Araka izay azo atao, ny mpitari-draharaha amin’ny fitambaran-doholona dia hanao tsara amin’ny fangatahana filazan-kevitra mialoha avy amin’ireo loholona namany ary avy eo dia hanome planina aloha be mba hamelana fotoana ho an’ny fieritreretana amim-pitandremana sy amim-bavaka ny hevitra tsirairay natao lisitra. Mandritra ny fivorian’ireo loholona, dia hiezaka izy, tsy hamolavola ny fomba fihevitr’ireo loholona, fa hampirisika azy ireo kosa mba hampiseho “fahalalahana hiteny amim-pahatsorana” momba ireo raharaha dinihina. (1 Timoty 3:13, NW ). Ho setrin’izany, ireo loholona namany dia tokony hifampihaino amim-pitandremana ireo filazan-kevitry ny hafa ka handray soa amim-pifaliana avy amin’ny fahatakarana hevi-dalina ananan’ireo loholona izay manana fanandraman-javatra kristiana an-taonany maro. — Eksodosy 18:21, 22.
Takatr’ireo mpiandraikitra anefa fa afaka mampiasa loholona na iza na iza ao amin’ny fitambaran-doholona i Kristy mba hanome ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly ilaina amin’ny fiatrehana tarehin-javatra iray na amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra lehibe iray. Hanjaka eo amin’ilay fitambaran-doholona ny toe-panahy tsara rehefa omena ny loholona tsirairay avy ny fanekena azy ho mendrika araka ny mety, noho ny fandraisany anjara amin’ny fikarakarana ireo tombontsoa ara-panahin’ny kongregasiona. — Asan’ny Apostoly 15:6-15; Filipiana 2:19, 20.
Manaova ezaka amin’ny fanomezana sy ny fanaovana izay tokony hahazoana fanekena ho mendrika
Mampandroso ny fanekena ny tena ho mendrika. Mampahery sy mahatonga ny tena ho tia izy io. “Na dia mahatsiaro tena ho olon-tsotra fotsiny aza isika”, hoy i Mary, “dia mila fampaherezana ho amin’ny fahatsapantsika tena ho mendrika.” Ekeo amim-pahatsorana ireo ezaka ataon’ny hafa isan’andro. Ny fanaovana izany dia mahatonga ny fiainana ho mendrika ny hiainana sy mahafinaritra aoka izany ho azy ireny. Ry ray aman-dreny, zanaka, mpiandraikitra, sy mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana, ianareo dia afaka ny ho mendrika ny hahazo fanekena anareo ho mendrika amin’ny fomba fiteninareo sy ny fomba fiasanareo. Miresaka amim-pankasitrahana ny amin’ireo olona mazoto miasa sy tsy mirehareha ary manetry tena ny Baiboly. (Ohabolana 11:2; 29:23; Hebreo 6:1-12). Mianara ny manaiky amin-katsaram-panahy ny hasarobidin’ny hafa. Asio fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa rehefa miara-miasa amin’izy ireo ianao. Nanome izao fananarana izao ny apostoly Petera: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena”. (1 Petera 3:8). Izany dia mitaky ny hanehoana fanekena ireo hafa ho mendrika, ka araka izany, dia manome fahafaham-po ny filana fototra iray ao amin’ny olombelona.