Midika ho Inona ho Anao ny Krismasy?
Ahoana no havalinao? Ny Krismasy dia 1) fotoana iarahanao amin’ny fianakavianao; 2) fotoana anaovana lanonana; 3) fotoanan’ny fankalazana ara-pivavahana; 4) fotoana mampihenjana; 5) fotoana mampanembona; 6) fotoana fanararaotana ara-barotra miharihary.
NA DIA toa mahagaga aza izany, dia 6 isan-jato monja tamin’ny olona maherin’ny 1 000 nofotopotorana tany Angletera no nihevitra ny Krismasy voalohany indrindra ho fotoan-dehibe ara-pivavahana. Mifanohitra amin’izany, fa ny 48 isan-jato dia nihevitra ny Krismasy indrindra ho fotoana iarahany amin’ny fianakaviany. Marina tokoa fa maro no manizingizina fa izy io dia fotoana manokana ho an’ny ankizy. Toy ny mahazatra, rehefa nanontaniana ny amin’izay tiany indrindra momba ny Krismasy ny zazavavy iray 11 taona, dia namaly izy hoe: “Ny fahataitairana entiny, ny fahatsapana hasambarana [sy] ny fanolorana fanomezana.” Manaiky ny The Making of the Modern Christmas fa “ny antitranterina mafy indrindra eo amin’ny (...) Krismasy ‘mahazatra’ dia tsy isalasalana fa ny tokantrano sy ny fianakaviana ary indrindra fa ny ankizy”.
Kanefa dia any amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tandrefana indrindra no iheverana ny Krismasy ho fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviana, rehefa mivory ireo havana mba hifanolotra fanomezana. Any amin’ireo tany tapahin’ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana, ny olona dia manantitrantitra kokoa ny fetin’ny Paka; na dia izany aza, ny fotoan’ny Krismasy dia mazàna vanim-potoam-pialan-tsasatra.
“Fandraharahana ara-barotra”
“Niova tsikelikely ho fanaovam-barotra nanaitra” ny Krismasy, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Angamba tsy misy toerana maha-marina kokoa izany toy ny any Japana.
“Nialan’ny Japoney ny fihamboana rehetra momba ny fivavahana ka novany ho fandraharahana ara-barotra ranofotsiny ny Krismasy”, hoy ny tatitra nataon’ny Daily Record any Washington. Ny Krismasy any Japana, hoy ny teny nanampiny, dia “fankalazana lehibe izay mavesa-danja eo amin’ny fanararaotana ara-barotra, ary somary maivana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana”.
Na dia any amin’ny tany maro lazaina fa kristiana aza, dia matetika sarotra vao tazana izany “lafiny ara-pivavahana” izany. Sahabo ho 40 taona lasa izay, dia nampiseho ny alahelony toy izao ny bokikely iray nanohitra ny Krismasy: “Ny Krismasy dia ampiroboroboin’ny tontolon’ny varotra. Io no vanin-taona ahazoam-bola indrindra ao anatin’ny taona. Ireo mpandraharaha milaza tena ho kristiana dia miandry amim-pahadodonana ny vanin-taonan’ny Krismasy, tsy noho ny amin’i Kristy, fa noho ny tombony ara-bola.” Marina toy inona moa ireo teny ireo amin’izao andro izao! Any amin’ny tany maro, dia mahalana isika vao mahatratra ny fiandohan’ireo telo volana farany amin’ny taona ka tsy handre fampahatsiarovana ny amin’ny isan’ny andro sisa tavela mba hividianana fanomezana ho amin’ny Krismasy manaraka. Manjary velombelona kokoa ny fandraharahana rehefa mifarana ny taona, noho ny ampahefatry ny vola miditra amin’ireo tranom-barotra ao anatin’ny taona azo amin’ny fotoan’ny Krismasy.
Na inona na inona no dikan’ny Krismasy aminao izao, dia mety hanontany tena tokoa ny amin’ny fomba niandohan’izy io ianao. Moa ve ny Baiboly manohana ny fanolorana fanomezana amin’ny Krismasy, raha ny tena izy? Tena kristiana tokoa ve ireo fankalazana ny Krismasy amin’izao andro izao? Aoka hojerentsika izany.