FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/6 p. 3-4
  • Hifarana ve ny Fankahalana Indray Andro Any?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hifarana ve ny Fankahalana Indray Andro Any?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fambolena ny voan’ny fankahalana
  • Ny vokatry ny fankahalana
  • Maninona ny Olona no Mifankahala?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Nahoana no Betsaka Izaitsizy ny Fankahalana?
    Mifohaza!—1997
  • Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/6 p. 3-4

Hifarana ve ny Fankahalana Indray Andro Any?

RAHA nijery filazam-baovao tao amin’ny televiziona na dia vitsy monja aza ianao, dia tsy vaovao aminao ny fankahalana. Ny fankahalana no fototra iombonan’ireo famonoana olona izay, saika isan’andro, dia toa arahina fandatsahan-dra eo amin’itỳ tontolo itỳ. Hatrany Belfast ka hatrany Bosnia, hatrany Jerosalema ka hatrany Johannesburg, dia olona sendra nitazana tsy ambinina maro no atao vono moka.

Mazàna ireo iharam-pahavoazana no tsy fantatr’ireo mpamely azy. Ny hany ‘helok’izy ireo’ dia angamba izy anisan’ilay “ankilany”. Amin’ny alalan’ny famaliana mampihorohoro, ny famonoana olona maro be toy ireny dia mety ho valy faty noho ny habibiana sasany teo aloha na endrika “famongorana firazanana iray”. Mampiredareda ny lelafon’ny fankahalana eo amin’ireo antokon’olona mpifandrafy ny fiverimberenan’ny herisetra.

Toa mihamitombo hatrany ireny tsingerim-pankahalana mahatsiravina ireny. Mipoaka eo amin’ny samy foko sy samy firazanana ary samy antokom-pirenena na samy antokom-pivavahana ireo valy faty ataon’ny olona iray ra. Ho azo foanana ve ny fankahalana indray andro any? Mba hamaliana izany, dia mila ny mahatakatra ireo antony miteraka fankahalana isika, satria tsy teraka mba hankahala isika.

Fambolena ny voan’ny fankahalana

Mbola tsy nianatra ny hankahala i Zlata Filipovic, zazavavy tanora bosniaka, avy any Sarajevo. Ao amin’ny diariny, dia hainy tsara ny milaza an-tsoratra ny momba ny fankahalana ara-pirazanana: “Tsy mitsahatra manontany aho hoe Nahoana? Hatao inona? Iza no tokony homen-tsiny? Manontany aho saingy tsy misy valiny. (...) Eo amin’ireo ankizivavy namako, eo amin’ireo namanay, ao amin’ny fianakavianay, dia misy Serba sy Kroaty ary Silamo. (...) Miaraka amin’ny tsara izahay, fa tsy amin’ny ratsy. Ary eo amin’ny tsara dia misy Serba sy Kroaty ary Silamo, tsy misy hafa amin’izany koa eo amin’ny ratsy.”

Etsy an-danin’izany, dia olon-dehibe maro no mihevitra ny mifanohitra amin’izany. Mino izy ireo fa manana antony be dia be mba hankahalana. Nahoana?

Tsy rariny. Azo inoana fa ny zavatra mampirehitra voalohany indrindra ny fankahalana dia ny tsy rariny sy ny fampahoriana. Izany dia araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. (Mpitoriteny 7:7). Rehefa ambakaina na entina amin-kalozana ny olona, dia mora aminy ny mamelona fankahalana ireo mpampahory. Ary na dia mety ho tsy ara-drariny, na ‘mampiseho fahaverezan-tsaina’ aza ilay fankahalana, dia matetika no antefa amin’ny antokon’olona iray manontolo.

Na dia mety ho ny antony lehibe indrindra miteraka fankahalana aza ny tsy rariny, na tena misy na foromporonin’ny saina fotsiny, dia tsy io ihany no izy. Antony hafa ny fitsarana an-tendrony.

Fitsarana an-tendrony. Matetika ny fitsarana an-tendrony no mipoitra avy amin’ny tsy fahalalana ny antokom-pirazanana na ny antokom-pirenena iray. Noho ny honohono fotsiny, ny fankahalana nentim-paharazana, na ny zava-nitranga ratsy hita niaraka tamin’ny olona iray na roa, ny sasany dia mety hihevitra fa manana toetra tsy mahafinaritra ny firazanana na ny firenena iray manontolo. Rehefa namaka ny fitsarana an-tendrony, dia afaka manajamba ny olona tsy hahita ny marina izy io. “Mankahala olona sasany isika satria tsy fantatsika izy ireo; ary tsy hahafantatra azy ireo isika satria halantsika izy ireo”, hoy ny fanamarihan’ilay mpanoratra anglisy atao hoe Charles Caleb Colton.

Etsy an-danin’izany, ireo mpanao politika sy mpanoratra tantara dia mety hinia hampitombo ny fitsarana an-tendrony noho ny zava-kendrena ara-politika na ara-panindrahindram-pirenena. Ohatra voalohany indrindra i Hitler. Hoy i Georg, mpikambana taloha tao amin’ny fihetsiketsehan’ny Tanora Mpanohana an’i Hitler: “Nampianatra anay aloha ny fampielezan-kevitra nazia mba hankahala ny Jiosy, avy eo ny Rosiana, avy eo ny ‘fahavalon’ny Reich’ rehetra. Tamin’ny naha-zatovo ahy, dia nino izay nolazaina tamiko aho. Tatỳ aoriana vao hitako fa voafitaka aho.” Toy ny tany Alemaina nazia sy tany an-toeran-kafa, ny fitsarana an-tendrony ara-pirazanana na ara-pirenena dia nohamarinin’ny fanentanana ho amin’ny fanindrahindram-pirenena, izay loharanom-pankahalana hafa.

Fanindrahindram-pirenena sy fanindrahindram-poko ary fanavakavaham-bolon-koditra. Ao amin’ilay bokiny hoe The Cultivation of Hatred, ilay mpanoratra tantara atao hoe Peter Gay dia milazalaza izay nitranga tamin’ny fipoahan’ny ady lehibe voalohany: “Teo amin’ny fifandonan’ny fampisehoan’ny andaniny sy ny ankilany tsy fivadihana, dia ny fanindrahindram-pirenena no nahery tamin’izany. Ny fitiavana ny tanindrazan’ny tena sy ny fankahalana ny fahavalon’izy io no hita ho ny fomba nandaitra indrindra mba hanaovana izay haneken’ny saina ilay fanafihana novokarin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo lasa lavitra.” Ny fihetseham-po nanindrahindram-pirenena alemanina dia nanao izay hitiavan’ny vahoaka ny hiran-tafika iray fantatra hoe “Hiran’ny Fankahalana”. Namorona tsaho momba ny miaramila alemanina nisavika vehivavy sy namono zazakely ireo mpanakorontana tany Grande-Bretagne sy Frantsa, hoy ny fanazavan’i Gay. Milazalaza toy izao ny votoatin’ny fampielezan-kevitra britanika ho amin’ny ady i Siegfried Sassoon, miaramila anglisy: “Ny lehilahy dia toa noforonina mba hamono Alemanina.”

Tahaka ny fanindrahindram-pirenena, ny fanandratana tafahoatra antokom-poko na antokom-pirazanana dia afaka mampitombo ny fankahalana antokom-poko na antokom-pirazanana hafa. Manohy mampirehitra herisetra any amin’ny tany maro atsy Afrika ny fanindrahindram-poko, raha mbola mampahory an’i Eoropa Andrefana sy i Amerika Avaratra ny fanavakavaham-bolon-koditra. Ny lafiny mampisaratsaraka iray fanampiny izay mety hiharo amin’ny fanindrahindram-pirenena dia ny fivavahana.

Fivavahana. Manana antony ara-pivavahana mahery ny maro amin’ireo ady sarotra atsahatra indrindra eo amin’izao tontolo izao. Any Irlande Avaratra, any Moyen-Orient, sy any an-toeran-kafa, ny olona dia ankahalaina noho ny fivavahana arahiny. Taonjato roa mahery lasa izay, dia nanamarika toy izao ilay mpanoratra anglisy atao hoe Jonathan Swift: “Manana fivavahana ampy tsara mba hahatonga antsika hankahala isika, fa tsy manana ampy mba hahatonga antsika hifankatia.”

Tamin’ny 1933, i Hitler dia nampahafantatra tamin’ny evekan’i Osnabrück hoe: ‘Raha ny amin’ny Jiosy, dia tsy manao afa-tsy ny manohy ilay fomba narahin’ny Eglizy Katolika nandritra ny 1 500 taona aho.’ Tsy nomelohin’ny ankamaroan’ny mpitondra fiangonana alemanina mihitsy ireo famonoana Jiosy feno fankahalana nampanaoviny. Manamarika i Paul Johnson, ao amin’ilay bokiny hoe A History of Christianity, fa “ny Eglizy dia nanongana Katolika izay nilaza tao amin’ny didim-pananany fa iriny ny handoroana ny fatiny, (...) nefa tsy nandrara azy ireo tsy hiasa tany amin’ny toby fitanana na toby famonoana olona”.

Ny mpitondra fivavahana sasany dia nanao mihoatra noho ny fanalana tsiny ny fankahalana — nankamasina azy io izy ireo. Tamin’ny 1936, tamin’ny fipoahan’ny Ady An-trano Espaniola, ny Papa Pie XI dia nanameloka ny ‘fankahalana tena satanika an’Andriamanitra’ nasehon’ireo Repoblikana — na dia nisy pretra katolika aza niandany tamin’ny Repoblikana. Toy izany koa, ny Kardinaly Gomá, evekan’i Espaina nandritra ilay ady an-trano, dia nilaza fa ‘tsy mety hisy ny fampandrian-tany raha tsy misy ny ady ampiasana fiadiana’.

Tsy hita izay fihenan’ny fankahalana ara-pivavahana. Tamin’ny 1992 ny gazetiboky Human Rights Without Frontiers dia nanome tsiny ny fomba nandrisihan’ireo mpitondra ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny hankahalana ny Vavolombelon’i Jehovah. Notononin’izy io, niaraka tamin’ny ohatra maro, ny amin’ny pretra ortodoksa grika iray izay nitory Vavolombelona 14 taona roa. Ilay fiampangana? Niampanga azy ireo ho ‘nitady hampiova fivavahana azy’, izy.

Ny vokatry ny fankahalana

Maneran-tany, ny voan’ny fankahalana dia ambolena sy tondrahana amin’ny alalan’ny tsy rariny, ny fitsarana an-tendrony, ny fanindrahindram-pirenena, sy ny fivavahana. Fahatezerana, fanafihana, ady sy fandravana no vokatr’izany tsy azo ialana. Manampy antsika hahita ny maha-zava-dehibe izany ny filazan’ny Baiboly ao amin’ny 1 Jaona 3:15 hoe: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona”. Azo antoka fa any amin’izay iroboroboan’ny fankahalana, dia tsy azo antoka ny fandriampahalemana — raha toa ka misy aza izany.

Manoratra toy izao i Elie Wiesel, nahazo ny Loka Nobel sady tafita velona tamin’ny Holocauste: “Ny adidin’ilay tafita velona dia ny manambara izay nitranga (...) Tsy maintsy mampitandrina ny olona ianao fa mety hitranga ireny zavatra ireny, fa mety ho votsotra ny faharatsiana. Ny fankahalana ara-pirazanana, ny herisetra, ny fifikirana tafahoatra amin-javatra iray — dia mbola miroborobo.” Porofoin’ny tantaran’ny taonjato faha-20 fa tsy afo izay ho faty ho azy ny fankahalana.

Ho voaongotra ao am-pon’ny olona ve ny fankahalana indray andro any? Mandrava foana ve ny fankahalana, sa manana lafiny manorina? Aoka hojerentsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara