Fandroahana — Fandaharana Mampiseho Fitiavana Ve?
“MASINA, masina, masina [Jehovah, NW ] Andriamanitra Tsitoha”. (Apokalypsy 4:8). Araka izany filazalazana izany, dia i Jehovah no Loharanon’ny fari-pitsipika masina. Voambara ao amin’ny “Soratra Masina” izy ireo, ary ny Kristiana dia didiana mba hanaraka ireny toro lalana ireny. Marina tokoa fa tsy maintsy manalavitra izay rehetra maloto eo imason’i Jehovah, izy ireo. — 2 Timoty 3:15; Isaia 52:11.
Mandidy mazava toy izao ny Baiboly: “Araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho’.” (1 Petera 1:15, 16). Hatramin’ny nisian’ny kongregasiona kristiana, taonjato 19 lasa izay, dia niady mafy mba hiarovana azy io tamin’ny fahalotoana ara-panahy sy ara-pitondran-tena ny Kristiana marina. — Joda 3, NW.
Ny antony ilana fiarovana
Miatrika fihaikana amin’ny hitoerany ho madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Noho izany, dia misy fahavalo mahery telo tsy maintsy toherina — i Satana sy ny tontolony ary ireo fironantsika ara-nofo feno ota. (Romana 5:12; 2 Korintiana 2:11; 1 Jaona 5:19). Ny tontolon’i Satana dia haka fanahy anao mba haloto fitondran-tena, hihaika anao mba hanaraka ireo lalany, ary hanolotra anao harena ara-nofo, laza, toerana sy fisandratana ary fahefana. Kanefa ireo izay tapa-kevitra ny hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina, dia manohitra izay atolotr’i Satana ary mitoetra ho ‘tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. Nahoana? Satria izy ireo maniry hijanona eo ambany fikarakarana mampiseho fitiavana sy fiarovana omen’ny fandaminana madion’i Jehovah. — Jakoba 1:27; 1 Jaona 2:15-17.
I Jehovah dia nanomana fanampiana ho an’ny mpikambana na iza na iza ao amin’ny kongregasiona kristiana, ka lavo amin’ny fakam-panahin’i Satana noho ny fahalemen’olombelona. Notendrena ireo loholona mahafeno fepetra ara-panahy mba hiaro ny kongregasiona sy mba hanampy amim-pitiavana ireo nanao fahadisoana, hibebahany amin’ny fahotany sy hanaovany ny fanitsiana ilaina mba ho sitrana. Na iza na iza Kristiana tafiditra amin’ny fanaovan-dratsy, dia tokony hampiana amim-paharetana mba hibebaka sy hanova ny lalany. — Galatiana 6:1, 2; Jakoba 5:13-16.
Amin’ny ahoana ny fandroahana no mampiseho fitiavana?
Ireo mpanompon’i Jehovah vita batisa izay minia manaraka lalana mampiseho haratsiam-panahy ary tsy mety miova, dia tsy maintsy heverina ho tsy mibebaka, ka noho izany dia tsy mendrika ny fisakaizana kristiana. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 2:19.) Ny olona toy izany dia tsy azo avela hijanona ao amin’ny kongregasiona kristiana madio ary amin’izany fomba izany dia handoto azy io. Tsy maintsy roahina izy.
Ny maha-mety ny fandroahana ireo zatra manao asa mampiseho haratsiam-panahy, dia azo hazavaina amin’ny alalan’izao tarehin-javatra manaraka izao: Noho ny fitomboan’ny fanafihana sy ny heloka bevava feno herisetra atao amin’ny mpianatra, ny sekoly sasany dia nanaraka fitsipika iray izay “mitaky ny fandroahana tanteraka ireo mpianatra izay mampiasa na mandrahona ny hampiasa fitaovam-piadiana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Globe and Mail, gazety iray any Toronto, Kanada. Atao ilay fandroahana mba hiarovana ireo mpianatra maniry handray soa amin’ny fandaharam-pampianarana, kanefa tsy horahonan’ireo asa feno herisetra.
Nahoana no mampiseho fitiavana ny fandroahana ny mpanao ratsy tsy mibebaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona? Ny fanaovana toy izany dia fisehoan’ny fitiavana an’i Jehovah sy ny lalany. (Salamo 97:10). Io fanaovan-javatra io dia fampisehoana fitiavana an’ireo manaraka lalana marina, satria manaisotra tsy ho eo anivon’izy ireo, olona iray izay afaka mampihatra fitaomana ratsy eo aminy. Izy io koa dia miaro ny fahadiovan’ny kongregasiona. (1 Korintiana 5:1-13). Raha navela hijanona tao amin’ny kongregasiona ny fahalotoam-pitondran-tena lehibe na fahalotoana ara-panahy, dia ho nanjary voaloto izy io ka tsy ho mendrika hanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah izay masina. Ankoatra izany, ny fandroahana ilay mpanao ratsy dia mety hanampy azy hahita ny halehiben’ny faniasiavany, ka hibebaka izy sy hanao ireo fiovana ilaina ary noho izany dia hekena hiverina ao amin’ny kongregasiona.
Ny vokany eo amin’ny hafa
Rehefa manao fahotana lehibe, toy ny fijangajangana, ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona, dia tsy mampifaly ny fon’i Jehovah izy. (Ohabolana 27:11). Na iza na iza Kristiana latsaka ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy dia azo inoana fa tsy mieritreritra toy ny nataon’i Josefa rehefa nanandrana nanao izay hananany firaisan’ny lahy sy ny vavy taminy ny vadin’i Potifara. Toy izao no fihetsik’i Josefa: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:6-12). Nanaja ireo fari-pitsipika masin’i Jehovah i Josefa ka nandositra ilay tarehin-javatra nisy fakam-panahy. Etsy an-danin’izany, ny mpijangajanga iray dia toa tsy ampy fitiavana an’Andriamanitra mba hitana tena tsy hanome fahafaham-po ny fahamaimaizan’ny nofony. — Galatiana 5:19-21.
Ny olona iray vita batisa, izay mandika ny didin’Andriamanitra, dia tsy mihevitra ny amin’ny fahavoazana sy ny alahelo be hoentiny ho an’ny havany mpino. Ny fiantraikany eo amin’ny fihetseham-po dia mihoatra noho izay azon’ny sasany zakaina. Taorian’ny nahafantarany fa naloto fitondran-tena ny zanany lahy, dia nitaraina tamin-dranomaso toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Vitsy dia vitsy, raha misy aza, ireo anadahy sy rahavavy no toa mahatakatra hoe toy inona ny alahelonay sy ny fahorianay. (...) Vaky fo izahay.” Mety hisy fisalasalana ny amin’ny laza tsaran’ny fianakaviana iray manontolo. Mety hamely ireo mpianakavy mahatoky ny fahaketrahana sy ny fahatsapana ho meloka amin’ny fetra sasany. Mahatonga fahorian-tsaina amin’ny fianakaviana, araka izany, ny lalana mampiseho haratsiam-panahy arahin’ilay mpanao ratsy.
Fanampiana mampiseho fitiavana an’ireo mpianakavy
Ny mpianakavy kristiana mahatokin’ireo voaroaka dia mila mitadidy fa ny fandroahana dia sady mampiseho fitiavana no miaro. Atao ny ezaka rehetra azo atao mba hanampiana ilay nanao ratsy. Kanefa, raha miharihary ho tsy mankato an’Andriamanitra izy, ary mikiry tsy hibebaka, dia mila ny harovana ny kongregasiona, ka tsy manana safidy afa-tsy ny manao zavatra araka ny hazavain’ny Tenin’Andriamanitra tsara izy, dia izao: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Korintiana 5:13). Toy izao no nolazain’ny Vavolombelona iray: “Raharaha mahakasika ny tsy fivadihana amin’i Jehovah ny fandroahana.”
Rehefa voaroaka ny mpianakavy iray, dia malahelo ireo havana kristiana. Noho izany, dia tokony hanao izay rehetra azony atao ireo loholona voatendry mba ho famelombelomana ara-panahy ho azy ireo. (1 Tesaloniana 5:14). Afaka mivavaka ho azy sy miaraka aminy ireo loholona. Matetika dia azo atao ny mitsidika ireny Kristiana mahatoky ireny, mba hiara-midinika hevitra araka ny Soratra Masina mampahery. Ireo mpiandry ny andian’ondry dia tokony hampiasa ny fahafahana rehetra mba hanatanjahana ara-panahy an’ireny olona tiana ireny, aloha sy aorian’ireo fivoriana kristiana. Misy fampaherezana fanampiny azo omena amin’ny fiarahana aminy amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. (Romana 1:11, 12). Mila mampiseho amin’ireny mpanompon’i Jehovah mahatoky ireny ny fitiavana sy ny fiheverana mendrika azy, ireo mpiandry ara-panahy. — 1 Tesaloniana 2:7, 8.
Ny lalan-dratsy arahin’ny olona iray dia tsy antony tokony tsy hiraharahana na iza na iza mpianakaviny mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah. Nolavin’Andriamanitra i Saoly, Mpanjaka ratsy fanahin’ny Isiraely, kanefa tsy namela izany hanembantsembana ny firaiketam-pony manokana tamin’i Jonatana, zanakalahin’i Saoly, i Davida. Raha ny marina, dia nanjary tena mafy ny fatorana nampiray an’i Davida sy i Jonatana. (1 Samoela 15:22, 23; 18:1-3; 20:41). Koa tokony hampiseho fanohanana sy fitiavana amin’ireo Kristiana manana havana nanota tamin’i Jehovah àry ny rehetra ao amin’ny kongregasiona.
Ho tsy fanehoam-pitiavana toy inona ny tsy hiraharahana ireny olona mahatoky ireny, na ny tsy ho tsara fanahy aminy! Ireo mpianakavy tsy mivadika dia mila fampaherezana manokana. Mety hahatsiaro ho manirery izy ireo, ary mety hahita ny tarehin-javatra misy azy ho tena sarotra. Angamba ianao afaka mizara aminy vaovao ara-panahy mahafaly iray, na fanandraman-javatra mampahery iray, an-telefaonina. Raha ilay olona voaroaka no mamaly ao amin’ny telefaonina, dia mangataha fotsiny mba hiresaka amin’ilay havana kristiana. Ho azonao atao ny hanasa ny mpikambana mahatoky ao amin’ny ankohonana toy izany ho amin’ny fiaraha-mikorana, na ho amin’ny fiaraha-misakafo any an-tranonao. Raha mifanena amin’izy ireo any am-piantsenana ianao, dia ho azonao atao ny hampiasa izany fotoana izany ho amin’ny fiarahana mampahery. Tadidio fa mbola anisan’ny fandaminan’i Jehovah madio ireo Kristiana tsy mivadika izay manana havana voaroaka. Mety hanjary hitoka-monina sy ho kivy mora foana izy ireny. Noho izany, dia aoka ianao ho mailaka hampiseho aminy hatsaram-panahy sy fitiavana. Manohiza manao soa ‘amin’ny mpianakavin’ny finoana rehetra’. — Galatiana 6:10.
Ankasitraho ny fandaharan’i Jehovah
Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho i Jehovah Andriamanitra mampiseho fiahiana miharo fitiavana ny tsirairay amin’ny fianakavian’ny mpivavaka aminy manerana izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny fandaminany, izy dia nanomana tamim-pitiavana fandaharana iray, mba hanampiana antsika handeha eo anatrehany amim-pahitsiana. Na dia zatra manota amim-piniavana aza ny mpianakavy iray, ka tsy maintsy roahina hiala ao amin’ny kongregasiona, dia misy fomba hiverenana raha mibebaka marina izy. Hazavaina ao amin’itỳ ohatra manaraka itỳ izany:
Nanandrana nanampy olona iray, hantsointsika hoe Anna, ireo loholona, kanefa nikiry tamin’ny fifohana sigara, fisotroana sy fandraisana zavatra mahadomelina izy. Tsy nibebaka izy ka tsy tafajanona tao amin’ny kongregasiona. Tsy ela anefa i Anna dia nanomboka nalahelo ilay fisakaizana mampiseho fitiavana misy ao amin’ny kongregasiona madion’i Jehovah ary nangataka fanampiana taminy tao amin’ny vavaka izy. Miaiky izy fa tsy tsapany tamin’ny fomba feno ny halehiben’ny fikarakaran’ny loholona ireo maniasia. Nanomboka nanatrika indray ireo fivoriana i Anna, ary nitarika ho amin’ny fibebahana izany. Taorian’izany, dia nekena hiverina tao amin’ilay kongregasiona maneho fitiavana sy miaro izy. Izao dia manohana indray ny fari-pitsipika ambony ara-pitondran-tena nofaritan’i Jehovah, i Anna. Velom-pankasitrahana noho ny fitiavana nasehon’ireo loholona izy, ary manao izao fanamarihana izao koa: “Tsy azonao alaina sary an-tsaina hoe toy inona ny fanampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana ahy. Tsy misy isalasalana fa tena mikarakara tsara ireo zavatra ilaintsika i Jehovah.”
Eny, Andriamanitra dia nanomana fomba hiverenana ho an’ireo voaroaka tao amin’ny kongregasiona, kanefa mibebaka atỳ aoriana. Hitantsika fa na dia ny fandroahana mihitsy aza, dia fandaharana mampiseho fitiavana. Kanefa, tsara lavitra toy inona moa ny hanalavirana io fanandraman-javatra mampalahelo io amin’ny fifikirana foana amin’ireo lalana marin’ilay Andriamanitsika masina! Enga anie isika hankasitraka mandrakariva ny tombontsoa hidera an’i Jehovah amin’ny maha-anisan’ny fandaminany madio sy be fitiavana ary miaro.
[Sary, pejy 26]
Moa ve ianao mampiseho fitiavana an’ireo havana mahatokin’ireo voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona?