Ny Valisoa Entin’ny Fikirizana
VEHIVAVY grika iray nipetraka tany Fenisia, tamin’ny taona 32 am.f.i. ilay izy. Narary mafy ny zanany vavy, ary tsy nanantena ny hahita fanasitranana, ilay vehivavy. Rehefa nandre ny amin’ny olon-tsy fantatra iray nitsidika ny faritra nisy azy izy — vahiny iray nalaza ho nanana hery hanasitranana ny marary — dia tapa-kevitra ny hihaona taminy sy hiangavy ny fanampiany.
Raha vao nihaona taminy izy, dia nandohalika ka nitalaho hoe: “Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.” Tamin’izany fomba izany no niangavian’ilay vehivavy grika an’i Jesosy mba hanasitrana ny zanany vavy.
Azonao alaina sary an-tsaina ve ny herim-po sy ny fanetren-tena notakina taminy mba hanaovana izany? I Jesosy dia olona niavaka ho nanana fahefana sy laza tsara, ary efa nampahafantariny taloha kokoa, fa tsy tiany hisy hahafantatra izay toerana nisy azy. Nentiny tany Fenisia ireo apostoliny mba haka fialan-tsasatra tena nilaina, fa tsy hiasa teo amin’ireo tsy mpino jentilisa akory. Ankoatra izany, i Jesosy dia Jiosy, ary ilay vehivavy dia Jentilisa, ary tsy isalasalana fa fantany ny tsy fitiavan’ny Jiosy hifanerasera tamin’ireo firenena nohamavoina. Na dia izany aza, dia hentitra izy tamin’ny fahatapahan-keviny hahazo fanasitranana ho an’ny zanany.
Nanandrana nanakivy ilay vehivavy tsy hitady fanampiana tamin’izay fotoana izay, i Jesosy sy ireo apostoliny. Tamin’ny voalohany, i Jesosy dia tsy niresaka taminy. Avy eo, noho ny antsoantsony niverimberina sy feno fikirizana dia hoy ny apostoly, tamim-pisafoahana, tamin’i Jesosy: “Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.”
Kanefa tsy niala mora foana izy. Niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy kosa aza ny tenany, sady niteny hoe: “Tompoko ô, vonjeo aho.”
Tamin’ny fampisehoana tsara ny andraikiny voalohany tamin’ny taranak’Isiraely, ary tamin’ny fitsapana, tamin’izay fotoana izay, ny finoana sy ny fahatapahan-kevitry ravehivavy, dia nanazava tamim-pangoraham-po taminy toy izao i Jesosy: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza [ny Isiraely] ka manipy azy ho an’ny amboakely [ny Jentilisa].”
Tsy tafintohina tamin’ilay fanamarihana an-kolaka tsy nanorina momba ny firazanany izy, fa nikiry tamim-panetren-tena, tamin’ilay zavatra notadiaviny kosa, tamin’ny famaliana hoe: “Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”
Novalian’i Jesosy soa ny fikirizan’ilay vehivavy grika tamin’ny fiderana ny finoany sy tamin’ny fanaovan-javatra nampiseho fankasitrahana noho ny fitalahoany. Alao sary an-tsaina ange ny fifaliany rehefa tafaverina tany an-trano izy ka nahita ny zanany vavy sitrana tanteraka e! — Matio 15:21-28; Marka 7:24-30.
Sahala amin’io vehivavy tamin’ny taonjato voalohany io, isika dia mila ny ho feno fikirizana eo amin’ny ezaka ataontsika mba hampifaly an’i Jehovah sy mba hahazoana ny fankasitrahany. Toy ny tamin’ilay vehivavy grika, ny Baiboly dia manome antoka antsika fa hovalian-tsoa tokoa ny fikirizantsika “amin’ny fanaovan-tsoa” — Galatiana 6:9.
Inona moa ny fikirizana? Nahoana no ilaina izy io? Anton-javatra inona avy no mety hahatonga antsika hamoy io toetra tsara io, hiala na hanaiky ho resy? Valisoa inona avy moa no azontsika antenaina horaisina raha maneho fikirizana isika ankehitriny eo amin’ny fanompoana ny Mpamorona sady Raintsika, dia i Jehovah?
Ny rakibolana iray dia mamaritra ny matoanteny “mikiry” hoe: “mifikitra mafy sady tsy azo hozongozonina amin’ny fikasana, na toetra, na zavatra atao sasany, na dia eo aza ireo vato misakana, fampitandremana na fahavoazana. (...) mba ho velona hatrany; mba haharitra”.
Ny Baiboly dia mampirisika mafy, amin’ny fomba miverimberina, an’ireo mpanompon’i Jehovah mba haneho fikirizana amin’ny fanaovana ny sitrapony. Ohatra, lazaina isika mba ‘tsy hitsahatra hikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana’, mba ‘hihazona mafy izay tsara’, mba ‘hitozo amin’ny vavaka’, ary mba tsy ho “reraka” amin’ny fanaovana izay tsara. — Matio 6:33, NW; 1 Tesaloniana 5:21; Romana 12:12, NW; Galatiana 6:9.
Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fikirizana dia toetra tsara tsy maintsy ananantsika rehetra ary tsy maintsy ampitomboina mba hahatafitana velona. Raha tsy manana azy io isika, dia tsy ho afaka hanatontosa zavatra tena misy vidiny sy maharitra. Hevero ny ohatra ny amin’ny zazakely iray miezaka hijoro sy hanao ireo dingana voalohany mikaviavia. Tsy fahita firy ny zazakely izay afaka mianatra mijoro sy mamindra mora foana ao anatin’ny indray andro. Fony isika zazakely, dia azo inoana fa samy nanandrana ary tsy nahomby imbetsaka isika rehetra, izay vao nahita fahombiazana sasany teo amin’ny fahaiza-mamindra. Inona no ho nitranga raha nanapa-kevitra ny hitsahatra tsy hanandrana intsony isika raha vao nianjera voalohany? Mety ho mbola mandady amin’ny tanantsika sy ny lohalitsika isika! Tena ilaina ny fikirizana mba hanatratrarana tanjona mendrika sy mba hahazoana ny fitomboana mifanaraka amin’izany, eo amin’ny fahaizana sy ny hajan’ny tena. Araka ny lazain’ny fitenenana mahazatra dia hoe “Ny mpandresy tsy miala na oviana na oviana, ary izay miala tsy mandresy na oviana na oviana.”
Fantatr’ireo mpisava lalana efa hatramin’ny ela tsara fa tsy miantoka ny fahombiazana ny fahaizana manokana na ny talenta. Izy io dia mitaky fananana fifikirana, fahatapahan-kevitra hanao ny sitrapon’i Jehovah amin’ny fomba feno, sy herim-po manoloana ireo fahavoazana mihelina, fahaketrahana mihitsy aza. Tsy maintsy hazonina ho hita mazava tsara ny tanjona ny amin’ny fahazoana anjara mandrakizay amin’ireo fitahian’Andriamanitra.
Eny, isika rehetra izay mitady ny hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy izay mitady ny handresena amin’ny hazakazaka ho amin’ny fiainana, dia mila fikirizana sy fitozoana ary fiaretana. Raha tsy manana ireo toetra tsara ireo isika, dia mety hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny valisoa, dia ny tena fiainana. — Salamo 18:20; Matio 24:13; 1 Timoty 6:18, 19.
Matetika dia sarotra kokoa ho an’ny Kristiana iray ny ho be fikirizana amin’ireo asany ara-panahy noho ny amin’ireo adidiny hafa. Ny lehilahy iray dia mety tsy hitsahatra hiasa mafy any amin’ny asa fivelomany, mba hikarakarana ireo zavatra ara-nofo ilain’ny fianakaviany, kanefa dia mety ho “sasatra loatra” izy mba hitarihana fianarana ny Baiboly tsy tapaka amin’ny vady aman-janany. Anton-javatra inona avy no mety hahatonga ny fikirizana eo amin’ny asa kristiana ho sarotra erỳ ho an’ny maro?
Ny anton-javatra iray dia ny fahakiviana ateraky ny fahalemen’ny tenantsika manokana. Raha mieritreritra tsy an-kijanona ny amin’ireo fahadisoantsika isika, dia mety hamoy fo isika ka hiala, amin’ny finoana fa tsy ho afaka hamela mihitsy ny fahotantsika rehetra i Jehovah.
Ny anton-javatra iray hafa dia ny rivo-piainana maloto ara-pitondran-tena, ny fahasimbana ara-pitondran-tena, sy ny fankahalana eo amin’izao tontolo izao. (1 Jaona 2:15, 16). Iray amin’ireo “fahazarana mahasoa” izay azon’ny fitaoman’izao tontolo izao simbana, dia ny fikirizana kristiana. — 1 Korintiana 15:33, NW.
Ny fikirizantsika eo amin’ny asa fitoriana dia mety hohalemen’ny fanoherana na ny tsy firaikan’ny olona amin’ny fanompoana masina ataontsika. Noho ny fahakiviana, dia mety hanatsoaka hevitra isika fa tsy mila tsotra izao ny fahamarinana ny olona eo amin’ny faritanintsika. Izany dia mety hahatonga antsika hanontany hoe: ‘Inona no ilana izany?’ ary dia hamela ny tombontsoam-panompoana manokana ananantsika isika.
Mety hiharan’ny fitaoman’ny toe-tsain’izao tontolo izao feno fampanaranam-po ny tena koa isika. Nahoana isika no tokony hiady mafy sy hanao sorona zavatra betsaka aoka izany, kanefa ny olon-kafa rehetra toa mampifalifaly tena sy tsy misahirana? — Ampitahao amin’ny Matio 16:23, 24.
Mba hikirizana amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, dia mila mitafy ny toetra vaovao kristiana isika, ary miaina araka ny fanahy fa tsy araka ny nofo. (Romana 8:4-8; Kolosiana 3:10, 12, 14). Hahatonga antsika ho afaka hanohy ny asantsika ara-panahy iankinan’ny aina, ny fananantsika ny fomba fihevitr’i Jehovah an’ilay raharaha. — 1 Korintiana 16:13, NW.
Ohatra mampiseho fikirizana
I Jehovah dia nanome antsika ohatra mamelombelona maro ny amin’ireo mpanompo izay nitoetra tsy nivadika sy nahatoky teo anatrehany tao anatin’ny fisedrana mafy maro. Amin’ny fandinihana azy ireo, isika dia mahita ny fomba azontsika ampitomboana sy anehoana fikirizana kristiana ary mahita ny antony maha-sarobidy aoka izany azy io.
Ny ohatra miavaka indrindra dia i Jesosy izay nijaly aoka izany mba hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah. Ny Baiboly dia mampirisika antsika hianatra amim-pitandremana ireo asany mampiseho fifikirana feno fikirizana: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka [amim-piaretana, NW ] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay [niaritra, NW ] ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay [niaritra, NW ] ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” — Hebreo 12:1-3.
Hazakazaka lavitra ezaka, fa tsy fohy ny hazakazaka ho amin’ny fiainana. Izany no antony ilantsika fikirizana sahala amin’ny an’i Kristy. Ny tanjona, ny tsipika fahatongavana, dia mety tsy ho tazana mandritra ny tapany lehibe amin’ilay hazakazaka. Tsy maintsy mazava eo amin’ny mason’ny saintsika ny tanjona mba hahafahantsika hiezaka ao an-tsaina hanatratra azy io mandritra ilay hazakazaka mafy manontolo. Nanana an’io sary an-tsaina io teo anoloany i Jesosy, izany hoe “ny fifaliana napetraka teo anoloany”.
Inona no tafiditra amin’io fifaliana io ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao? Voalohany aloha, izy io dia ny valisoa ho amin’ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana, any an-danitra, ho an’ny olom-bitsy, ary fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny maro. Afa-tsy izany koa, izy io dia fahatsapana fahafaham-po avy amin’ny fahalalana fa nitondra hafaliana ho an’ny fon’i Jehovah ny tena, ary nandray anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra. — Ohabolana 27:11; Jaona 17:4.
Tafiditra amin’io fifaliana io ny fifandraisana akaiky sady mahafinaritra amin’i Jehovah. (Salamo 40:8; Jaona 4:34). Ny fifandraisana toy izany dia manatanjaka sy mampaharitra ny fiainana, ka manome ho an’ny tena ny hery mba hanaovana ilay hazakazaka amim-piaretana ary tsy hiala. Ankoatra izany, i Jehovah dia mitahy io fifandraisana io amin’ny fandrotsahana ny fanahiny masina eo amin’ireo mpanompony, ka mahatonga fitomboan’ny fifaliana sy ny asa mahafaly. — Romana 12:11; Galatiana 5:22.
Mahasoa ny fandinihana ny ohatra mampiseho finoana feno fikirizana navelan’i Joba. Tsy lavorary izy, sady nanana fahalalana voafetra ny amin’ilay tarehin-javatra nisy azy. Koa indraindray izy dia latsaka tao amin’ny toe-tsaina nanamarin-tena sy ny famoizam-po. Kanefa, dia nampiseho tamin’ny fomba tsy niovaova, fahatapahan-kevitra hentitra ny hihazona ny tsy fivadihany teo anatrehan’i Jehovah sy ny tsy handao Azy mihitsy, izy. (Joba 1:20-22; 2:9, 10; 27:2-6). Namaly soa an’i Joba i Jehovah noho ny fifikirany feno fikirizana, tamin’ny fanomezana azy fitahiana ara-panahy sy ara-nofo, ary ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Joba 42:10-17; Jakoba 5:10, 11). Sahala amin’i Joba, isika dia mety handalo fijaliana sy famoizana lehibe, mandritra ny fiainantsika ankehitriny, nefa afaka mahazo antoka koa isika ny amin’ny hitahian’i Jehovah ny fiaretantsika amim-pahatokiana. — Hebreo 6:10-12.
Amin’ny andro ankehitriny, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany dia maneho fikirizana kristiana amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Ohatra, ny asa isan-trano atao amim-pikirizana sy ny fitoriana ampahibemaso hafa ataony, dia mahatonga azy sy ny hafatra entiny ho voamarika maneran-tany. Ny fampitam-baovao dia manao filazana maro ny amin’ny zotom-pony sy ny fahatapahan-keviny hitory ny vaovao tsara na dia eo aza ny fanoherana sy ny fisedrana. Ny iray tamin’izy ireny aza dia nanasongadina ilay fitenenana milaza hevi-dehibe hoe: “Tsy misy afa-mandositra ny Vavolombelon’i Jehovah, na iza na iza!” — Matio 5:16.
Mitahy ny ezaka amim-pikirizana ataon’ny Vavolombelony i Jehovah, amin’ny fampitomboana ny vokatra eo amin’ny fanompoana. Mariho ny fitantarana ny amin’ny Vavolombelona mahay mahita hevitra sasany, tany Italia tamin’ireo taona 1960, fony nisy Vavolombelona 10 000 teo ho eo nitory tamin’ny firenena iray nisy olona maherin’ny 53 000 000. Tao amin’ny tanàna iray nisy mponina 6 000, dia tsy nisy Vavolombelona na dia iray aza. Ireo rahalahy tonga nitsidika dia nahita fihetsika feno fankahalana tamin’ny fanompoana nataony.
Isaky ny tonga tao ireo rahalahy mba hitory, dia nangonin’ny maro tamin’ireo vehivavy, ary na dia ny lehilahy tao an-tanàna koa aza, ireo ankizilahy ka nampirisihiny mba hanaraka ny Vavolombelona, sady hisioka no hitabataba be. Fotoana fohy taorian’io fihetsika io, dia voatery niala ary nandeha tany amin’ny tanàna hafa ireo rahalahy. Tamin’ny fiezahana hanao fanambarana feno iray, fara faharatsiny, tamin’ny mponina rehetra tao amin’io tanàna io, ireo rahalahy dia nanapa-kevitra ny hitory tao tamin’ny andro avy orana be ihany, tamin’ny fanantenana fa tsy ho voahelingelin’ireo tanora, izy ireo. Nomarihiny fa tsy vonona ny ho lena ny mponina tao amin’ilay tanàna mba hanakorontana ny mpitory fotsiny. Tamin’izany fomba izany no nanomezana fanambarana tsara. Nisy olona liana hita. Nisy fampianarana Baiboly vaovao natomboka. Vokatr’izany, dia tsy vitan’ny hoe niorina tao amin’io tanàna io ny kongregasiona niroborobo iray, fa nanomboka natao na dia tamin’ny andro nibaliaka koa aza, ny asa fitoriana. Manohy mitahy ny fikirizan’ireo Vavolombelony ao amin’io faritra io sy manerana an’i Italia, i Jehovah. Misy Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 200 000 ankehitriny ao amin’io tany io.
Lehibe ny valisoan’ny fikirizana eo amin’ny fanaovana izay marina. Noho ny herin’ny fanahin’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka manatontosa asa mahatalanjona iray mbola tsy nisy toa azy teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, eo am-baravarana na amin’ny fomba hafa, amin’ny olona an-tapitrisany maro. (Zakaria 4:6). Hitany amim-pifaliana ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, eo amin’ny fitomboana mahatalanjona sy ny havitriky ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. (Isaia 54:2; 60:22). Mihazona feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary miravoravo amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay. Ambonin’ny zavatra rehetra, izy dia manana fifandraisana akaiky amin’ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 11:7.
[Sary, pejy 25]
Namaly soa ny fikirizana feno fanetren-tena nananan’io vehivavy grika io, i Jesosy
[Sary, pejy 26]
Tafiditra ao amin’ilay fifaliana napetraka eo anoloan’ny Kristiana amin’izao andro izao, ny fiainana ao amin’ny Paradisa