FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/8 p. 8-11
  • Voamarina ve Ireo Fisalasalana Momba An’i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voamarina ve Ireo Fisalasalana Momba An’i Jesosy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba namafazana ireo fisalasalana momba an’i Jesosy
  • Porofo izay mampisinda fisalasalana
  • Antony isalasalan’ny sasany ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy
  • Voamarina ve ireo fisalasalana momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty?
  • Nahoana no misalasala ny amin’ny anjara asan’i Jesosy amin’izao fotoana izao?
  • Ireo Fahagagana — Tena Nitranga Tokoa ve Izy Ireny?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Inona no Vokatry ny Nitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fantatrao Tsara ve i Jesosy Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/8 p. 8-11

Voamarina ve Ireo Fisalasalana Momba An’i Jesosy?

TENA nanao fahagagana tokoa ve i Jesosy avy any Nazareta? Nitsangana tamin’ny maty araka ny nambaran’ireo mpianany ve izy? Efa niaina akory ve izy? Amin’izao vanim-potoana maoderina misy antsika izao, dia maro no toa tsy afaka mamaly amim-pahazoana antoka ny fanontaniana toy izany. Nahoana? Noho izy ireo mitana fisalasalana momba an’i Jesosy ao an-tsainy, ary ny fisalasalana dia fahatsapana tsy fahazoana antoka, tsy fahafantarana raha marina na mety hisy ny zavatra iray. Kanefa voamarina ve ny fahatsapana tsy fahazoana antoka ny amin’i Jesosy? Aoka hojerentsika izany.

Ny fomba namafazana ireo fisalasalana momba an’i Jesosy

Nisy teolojiana alemanina sasany tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 nilazalaza an’i Jesosy ho “olona noforomporonin’ny saina, tao amin’ny Eglizy fahiny”. Ny fanoheran’izy ireo ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy dia nitarika ho amin’ny ady hevitra teo amin’ireo manam-pahaizana manokana teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, ka izany dia nahatratra ny besinimaro tamin’izany fotoana izany, ary mbola misy heriny ihany amin’izao andro izao. Ohatra, ny fandinihana iray natao vao haingana tany Alemaina dia nampiharihary fa ny telo isan-jaton’ireo izay nadinadinina dia mino fa “mbola tsy niaina mihitsy” i Jesosy, fa “ireo apostoly no namoromporona ny aminy”. Eny, ireo voan’ny fisalasalana momba an’i Jesosy izay nafafy aloha be tamin’itỳ taonjato itỳ, dia mahita tany lonaka ao am-pon’ny olona na dia hatramin’izao aza.

Nahoana no tsy voamarina tsotra izao ilay fanatsoahan-kevitra hoe ‘noforomporonina’ ny amin’i Jesosy? Manazava toy izao ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Wolfgang Trilling: “Voalamina ilay ady hevitra ny amin’ny hoe tena niaina sa tsia i Jesosy, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe olona ara-tantara sa angano izy. Voalamina tamin’ny fomba nampiseho fahaizana ilay fanontaniana, fara faharatsiny, tamin’ny fomba izay nahatonga ireo olona misaina tsy hahita ilay olana intsony ho toy ny ady hevitra ambony latabatra.” Na dia izany aza, dia mbola misy ihany sasany misalasala ny amin’ny hoe tena nisy tokoa i Jesosy. Noho izany dia aoka isika hamotopototra ny fomba ahafahana mampiorina ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy, ary koa manala ireo fisalasalana hafa momba azy.

Porofo izay mampisinda fisalasalana

Ilay famonoana nahafa-baraka natao tamin’i Jesosy toy ny hoe mpanao heloka bevava faneso iray izy, dia manome “ny fanaporofoan-kevitra mampiaiky indrindra mamely ireo mpanohitra ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy”, hoy ny filazan’i Trilling. Nahoana? Satria ilay famonoana dia “nanembantsembana, nanakana mihitsy aza ny fielezan’ilay finoana vaovao teo anivon’ireo Jiosy sy tsy Jiosy”. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 1:23.) Raha fanevatevana feno fahasahiana aoka izany ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa ny famonoana an’i Jesosy ilay Mesia, dia azo antoka fa tsy ho zavatra noforomporonin’ireo apostoly izany! Ankoatra izany, ny fahafatesan’i Jesosy dia voamarina ho zava-nitranga ara-tantara tsy ao amin’ireo Filazantsara efatra ihany, fa araka an’ilay mpanoratra romana atao hoe Tacite sy araka ny Talmoda jiosy koa.a

Misy koa zava-nitranga hafa nandritra ny fiainan’i Jesosy heverina ho porofo anatiny momba ny maha-azo inoana ireo Filazantsara, ka noho izany dia ny amin’izay lazain’izy ireo amintsika. Ohatra, moa ve ireo mpanara-dia an’i Jesosy ho namoromporona ny naha-avy any Nazareta azy, dia tanàna iray toa tsy dia nanao ahoana loatra? Sa azo inoana ve fa ho noforomporonin’izy ireo ny famadihan’i Jodasy azy, dia i Jodasy izay namana nitokiana iray? Toa mifanaraka amin’ny zava-misy ve ny fiheverana fa izy ireo dia ho nanamboamboatra tantara iray momba ny nandaozan’ny sisa tamin’ireo mpianatra an’i Jesosy tamin’ny fomba feno hakanosana aoka izany? Azo antoka fa tsy araka ny fandrindran-kevitra ny hoe ireo mpianatra dia hamoromporona tsipirian-javatra izay hita fa nanaratsy azy ireo tokoa, ary avy eo dia hanambara izany hatraiza hatraiza! Fanampin’izany, ny fahaiza-mampianatra nampiasain’i Jesosy dia niavaka tamin’ny fomba fiteny iray tsy nisy toa azy. Ny haisoratra jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia tsy nirakitra na inona na inona azo nampitahaina tamin’ireo fanoharana nataony. Olona tsy nitonona anarana iza no ho afaka ‘hamoromporona’ sangan’asa iray toy ny Toriteny teny An-tendrombohitra? Ireny fanaporofoan-kevitra rehetra ireny dia mirona hanamafy ny maha-mendrika itokiana an’ireo Filazantsara ho toy ny fitantarana ny amin’ny fiainan’i Jesosy.

Misy koa porofo ivelany momba ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy. Ireo Filazantsara efatra dia milazalaza azy ho niaina tao anatin’ny zava-nitranga ara-tantara voafaritra tsara sy be tsipiriany araka ny marina. Tsy zavatra noforomporonina fotsiny ny toerana toa an’i Betlehema sy Galilia; ny olona sy ny antokon’olona malaza toa an’i Pontio Pilato sy ireo Fariseo; ary koa ireo fanao sy fomba hafahafa hafa teo amin’ny Jiosy. Izy ireny dia nahaforona tapany tamin’ny rafitry ny fiainana tamin’ny taonjato voalohany, ary nohamarinin’ireo loharanon-kevitra tsy ara-baiboly sy ireo zavatra hitan’ny arkeolojia.

Araka izany, dia misy porofo mampiaiky, porofo anatiny sy ivelany, fa olona ara-tantara i Jesosy.

Kanefa olona maromaro ihany no mitana ao an-tsaina fisalasalana momba ireo fahagagana nahatafiditra azy. Raha ny marina, araka ilay fanadihadiana voalaza tetsy ambony, dia ankavitsian’ireo mpiangona alemanina ihany no mino mafy fa “tena nitranga tokoa” ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Voamarina ve ireo fisalasalana ny amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty?

Antony isalasalan’ny sasany ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy

Manao tatitra ny Matio 9:18-36 fa tamin’ny fahagagana, dia nanasitrana marary sy nanangana ny maty ary nandroaka demonia i Jesosy. Manazava toy izao ny profesora Hugo Staudinger, mpanoratra tantara: “Tsy azo inoana tanteraka fotsiny, ary tsy mety hisy raha jerena amin’ny tantara, ny hoe ireny tatitra mahatalanjona ireny dia vokatry ny saina mazoto mamoron-javatra.” Nahoana? Satria toa voasoratra ireo Filazantsara voalohany indrindra, tamin’ny fotoana izay mbola nahaveloman’ny ankamaroan’ireo vavolombelona nanatri-maso ireny fahagagana ireny! Misy fanamafisana fanampiny hita eo amin’izay nanohizan’i Staudinger ny teniny hoe, ireo mpanohitra jiosy dia “tsy nanda mihitsy fa nanao asa nahatalanjona i Jesosy”. Raha mody tsy mahita ireo porofo hafa rehetra isika, ka mampiorina ny fitsarantsika amin’io porofo ivelany io, dia hahita isika fa mendrika tanteraka ny finoantsika ireo fahagagana nataon’i Jesosy. — 2 Timoty 3:16.

Na dia “miaiky aza ny ankamaroan’ireo Alemanina fa nanasitrana olona narary i Jesosy”, dia maro no misalasala ny amin’ilay hery tao ambadik’ireny fanasitranana ireny. Ohatra, ny teolojiana alemanina be mpahalala iray dia nilaza ampahibemaso fa ireo fanasitranana nataon’i Jesosy dia vokatry ny herin’ny hipnotisma teo amin’ny olona izay nijaly noho ny fahorian-tsaina. Fanazavana marim-pototra ve izany?

Hevero fotsiny izao. Manao tatitra ny Marka 3:3-5 fa nanasitrana lehilahy iray maty tanana i Jesosy. Moa ve anefa ny tanana maty vokatry ny fahorian-tsaina? Tsy izany velively. Noho izany, dia tsy azo lazaina fa avy amin’ny herin’ny hipnotisma io fanasitranana io. Koa inona àry no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hahavita fahagagana? Miaiky toy izao ny profesora Staudinger: “Raha tsy misy lalàna izay manan-kery amin’ny fomba tanteraka, ary raha tsy mandà tanteraka an’Andriamanitra ny tena, amin’ny fotony dia tsy azon’ny tena ailika ny mety hisian’ny hoe afaka manao zavatra izay tsy mahazatra Andriamanitra izay manana hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” Eny tokoa fa noho ny fanampian’ny “herin’Andriamanitra” no nanasitranan’i Jesosy ara-bakiteny ireo olona izay narary. Noho izany dia tsy misy antony tokony hisalasalana ny amin’ny maha-marina an’ireo fahagagana nataony. — Lioka 9:43, NW; Matio 12:28.

Araka ny ilazan’ny The American Peoples Encyclopedia azy, raha niseho ilay lehibe indrindra tamin’ny fahagagana rehetra — ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty — dia “mety hisy” avokoa ireo fahagagana hafa rehetra voatatitra ao amin’ireo Filazantsara. Tena nitsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy?

Voamarina ve ireo fisalasalana momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty?

Diniho aloha ny porofo lehibe iray tsara homarihina izay manohana ny fahamarinan’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty: ny fasany foana. Ny fahitana ny naha-foana ny fasan’i Jesosy dia tsy niadian-kevitra teo amin’ireo olona velona tamin’ny androny, na dia teo amin’ireo mpanohitra azy aza. (Matio 28:11-15). Ho mora foana ny namaky betroka famitahana iray! Manatsoaka hevitra ara-drariny toy izao ilay boky fakan-teny voatonona tetsy ambony: “Mbola tsy nisy mihitsy fanazavana marim-pototra naroso momba ilay fasana foana, afa-tsy ilay filazana ara-baiboly hoe: ‘Tsy ato Izy, fa efa nitsangana’ (Matio 28:6).”

Hanohitra ny sasany amin’ny filazana fa tsy nisy afa-tsy ny mpianatr’i Jesosy ihany no nanambara hatraiza hatraiza fa izy no ilay Mesia nitsangana tamin’ny maty. Nanao izany tokoa izy ireo. Kanefa moa ve ny maha-azo inoana ny hafatra nentin’izy ireo tsy niorina mafy tamin’ny zava-nisy ara-tantara, indrindra fa ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty? Mazava ho azy. Nahafantatra io fifandraisan-javatra io ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’i Kristy”. — 1 Korintiana 15:14, 15; ampitahao amin’ny Jaona 19:35; 21:24; Hebreo 2:3.

Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy olona maro izay be mpahalala, afaka nanamarina ny fisehoan’i Jesosy taorian’ny nahafatesany. Teo amin’ireny ny apostoly 12 sy i Paoly ary koa vavolombelona nanatri-maso hafa maherin’ny 500.b (1 Korintiana 15:6). Tadidio koa ny antony nahatonga an’i Matia hahafeno ireo fepetra handimbasana an’i Jodasy, ilay apostoly tsy nahatoky. Manao tatitra ny Asan’ny Apostoly 1:21-23 fa i Matia dia afaka nanamarina ny fitsanganan’i Jesosy sy ireo zava-nitranga nifandray taminy taloha kokoa. Raha zavatra noforomporonin’ny saina fa tsy zava-misy ny fiainan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty, dia tsy ho nisy heviny tanteraka ny fepetra toy izany ho an’ilay fanendrena.

Koa satria maro aoka izany tamin’ny taonjato voalohany ny vavolombelona nanatri-maso afaka nanamarina ny fiainana sy ireo fahagagana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy, dia niely somary haingana ihany ny Kristianisma nanerana ny Empira Romana na dia teo aza ireo vato nisakana voalaza tetsy ambony. Vonona ny hiaritra zava-tsarotra sy fanenjehana ary fahafatesana mihitsy aza ireo mpanara-dia azy mba hanambarana hatraiza hatraiza ny fananganana amin’ny maty sy ilay fahamarinana fototra avy amin’izy io. Fahamarinana inona? Ny hoe tsy nety hisy ny fananganana azy raha tsy noho ny herin’Andriamanitra ihany. Ary nahoana i Jehovah Andriamanitra no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty? Ny valin’io fanontaniana io dia mampiseho hoe iza ilay Jesosy ara-tantara.

Tamin’ny andro Pentekosta, dia nanambara tamin-kalalahana toy izao ny apostoly Petera tamin’ireo Jiosy nitolagaga tany Jerosalema: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’. Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” (Asan’ny Apostoly 2:32-36). Eny, i Jehovah Andriamanitra dia nanao an’i Jesosy avy any Nazareta ho “Tompo sy Kristy”. Voamarina ve ireo fisalasalana momba ny anjara asany ao amin’io tapany amin’ny fikasan’Andriamanitra io?

Nahoana no misalasala ny amin’ny anjara asan’i Jesosy amin’izao fotoana izao?

Ahoana no ahazoana mampisinda ireo fisalasalana rehetra momba ny maha-izy an’i Jesosy sy ny anjara asany? Amin’ny alalan’ny fihariharian’ny maha-mpaminany marina azy. Nambarany mialoha ireo ady, mosary, horohoron-tany, heloka bevava, sy ny tsy fisian’ny fitiavana izay hitantsika amin’izao andro izao. Ho fanampin’izany dia nanambara mialoha toy izao izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3-14). Ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny dia manaporofo fa i Jesosy no ilay Kristy tafatsangana amin’ny maty, izay manjaka amin’ny fomba tsy hita maso ‘eo amin’ny fahavalony’ ary tsy ho ela izy dia hampiditra ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra. — Salamo 110:1, 2; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:1-5.

Mila maika mbola tsy nisy toy izany Mpamonjy manana fahendrena mihoatra noho ny azy ny olombelona. Nahoana isika no tokony hisalasala fa i Jesosy no ilay voafantina ara-drariny mba hamonjy ny olombelona? Izao no nambaran’i Jaona izay vavolombelona nanatri-maso ireo fahagagana manaitra ny saina nataon’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty: “Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:14; ampitahao amin’ny Jaona 4:42.) Tsy misy hafa amin’ny tsy ananantsika antony azon’ny saina ekena mba hisalasalana ny amin’ny fisian’i Jesosy sy ny fahagagana nataony sy ny fahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty, no tsy ananantsika koa antony tokony hisalasalana ny amin’ny nametrahan’i Jehovah Andriamanitra azy eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka ara-dalàna eo an-tanany ankavanana. Tsy isalasalana fa i Jesosy avy any Nazareta no ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy “Mpamonjy izao tontolo izao”. — Matio 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ireo firesahana misy ady hevitra momba an’i Jesosy ao amin’ny Talmoda dia eken’ny manam-pahaizana manokana sasany ihany ho marina. Etsy an-danin’izany, ireo firesahana momba an’i Jesosy nataon’i Tacite, Suétone, Pline le Jeune, ary nataon’i Flavius Josèphe indray mandeha fara fahakeliny, dia ekena amin’ny ankapobeny ho porofon’ny maha-ara-tantara ny fisian’i Jesosy.

b Indray mandeha dia nihinana trondro niaraka tamin’ireo mpianany i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, ka izany dia manaporofo fa tsy fahitana fotsiny akory ny fisehoany toy ny filazan’ny sasany ankehitriny. — Lioka 24:36-43.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara