FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/9 p. 19-21
  • Afaka Mamboly Fahaiza-manavaka Bebe Kokoa ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mamboly Fahaiza-manavaka Bebe Kokoa ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy fananan’ny Isiraely fahaiza-manavaka
  • Fahazoana fahaiza-manavaka ara-panahy
  • Fahaiza-manavaka sy fahaiza-mahataka-javatra
  • Ampitandremo Fahaiza-manavaka ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aoka Hiaro Anao ny Fahaiza-manavaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amim-pahaiza-manavaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/9 p. 19-21

Afaka Mamboly Fahaiza-manavaka Bebe Kokoa ve Ianao?

NY FAHAIZA-MANAVAKA dia “ilay herin’ny saina na fahaizan’ny saina izay ampiasainy mba hanavahana zavatra iray amin’ny anankiray hafa.” Izy io koa dia mety ho “fahakingan-tsaina amin’ny fahaiza-mitsara zavatra”, na “fananana hery ahatsapana ny fahasamihafana eo amin’ny zavatra na hevitra”. Toy izany no lazain’ny rakibolana iray. Mazava ho azy, fa ny fahaiza-manavaka dia toetra iray faniry. Ny vidiny dia hita ao amin’ny tenin’i Solomona manao hoe: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia (...) hiambina anao ny [fahaiza-manavaka, NW ], ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy”. — Ohabolana 2:10-12.

Eny, ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika hanohitra “ny làlan-dratsy”, izay maro be amin’izao andro izao. Ary mitondra soa maro hafa izy io. Ohatra, ireo ray aman-dreny matetika dia mandre ny zanany milaza hoe: ‘Tsy takatrareo mihitsy ilay izy!’ Amin’ny alalan’ny famotopotorana kely fotsiny, ny ray aman-dreny izay mahay manavaka dia mahafantatra ny fomba hamoahana ireo fihetseham-po sy raharaha iadian-kevitra manahiran-tsaina ny zanany. (Ohabolana 20:5, NW ). Ny lehilahy iray manambady mahay manavaka, dia hihaino ny vadiny ka hahazo fahaiza-mahatakatra ny fiheviny sy ny fihetseham-pony, fa tsy hanao fanatsoahan-kevitra maimaika fotsiny. Hanao toy izany koa amin’ny vadiny ny vehivavy manambady. Araka izany, dia “fahendrena no anaovana trano; ary [fahaiza-manavaka, NW ] no mampaharitra azy”. — Ohabolana 24:3.

Ny fahaiza-manavaka dia manampy ny olona iray handamina amim-pahombiazana ireo tarehin-javatra. Hoy ny Ohabolana 17:27: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay [manana fahaiza-manavaka, NW ] no manan-tsaina.” Ny olona iray mahay manavaka dia tsy mirehidrehitra foana, ka maika erỳ hiroboka ao amin’ny tarehin-javatra iray, kanefa tsy nieritreritra akory. Mandanjalanja amim-pitandremana ny mety ho vokany kosa izy, alohan’ny hidirana amin’ilay izy. (Lioka 14:28, 29). Manana fifandraisana milamina kokoa amin’ny hafa koa izy, satria ny ‘vava mampiseho fahamalinana’ dia mitarika azy hifidy amim-pitandremana ny teniny. (Ohabolana 10:19; 12:8, NW ). Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe ny olona iray mahay manavaka dia manaiky amim-panetren-tena ny fetran’ny tenany, ka mitodika any amin’Andriamanitra, fa tsy any amin’ny olona, mba hahazoana fitarihana. Mampifaly an’i Jehovah izany, ary antony hafa iray koa tokony hampitomboana fahaiza-manavaka. — Ohabolana 2:1-9, NW; Jakoba 4:6.

Tsy fananan’ny Isiraely fahaiza-manavaka

Hita ao amin’ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny tantaran’ny Isiraely tany am-boalohany ny loza ateraky ny tsy fanehoana fahaiza-manavaka. Rehefa nisaintsaina ny amin’izany fotoana izany ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry dia nilaza hoe: “Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ny famindramponao ireny, fa niodina teo amoron-dranomasina, dia teo amoron’ny Ranomasina Mena.” — Salamo 106:7.

Rehefa nitarika ny Isiraely hivoaka an’i Egypta i Mosesy, dia efa nasehon’i Jehovah ny heriny sy ny fahatapahan-keviny hanafaka ny vahoakany tamin’ny famelezana an’io herim-panjakana natanjaka io tamin’ny loza folo. Taorian’ny namelan’i Farao ny Isiraelita handeha, dia nentin’i Mosesy teo amoron’ny Ranomasina Mena izy ireo. Kanefa tamy nanenjika azy ireo ny tafika egyptiana. Toy ny hoe tafiditra tao anaty fandrika ny Isiraelita, ary tsy haharitra mihitsy ilay fahafahana vao azony. Koa milaza ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly hoe: “Raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Isiraely ka nitaraina tamin’i Jehovah.” Ary nifotitra tany amin’i Mosesy izy ireo, ka niteny hoe: “Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? (...) Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.” — Eksodosy 14:10-12.

Mety ho toa mora takatra ny anton’ny tahotra nahazo azy ireo, mandra-pahatadidintsika fa efa nahita fampisehoana folo niavaka ny amin’ny herin’i Jehovah, izy ireo. Fantatr’izy ireo nivantana izay hampahatsiahivin’i Mosesy azy ireo 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana, manao hoe: “Tànana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta”. (Deoteronomia 26:8). Noho izany, araka ny nosoratan’ny mpanao salamo, rehefa nitsangana nanohitra ny fitarihan’i Mosesy ny Isiraelita, dia “tsy mba nandinika [izy ireo]”. Na dia izany aza, i Jehovah, izay nitana ny fampanantenany, dia namely ny tafika egyptiana tamin’ny faharesena iray nanaitra aoka izany. — Eksodosy 14:19-31.

Mety hihozongozona toy izany koa ny finoantsika raha raisintsika amim-pisalasalana ireo fisedrana. Ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika hijery zavatra araka ny fomba fijery mety mandrakariva, amin’ny fitadidiana fa i Jehovah dia lehibe lavitra noho izay olona na iza na iza mety hanohitra antsika. Ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika koa hitadidy izay efa nataon’i Jehovah ho antsika. Hanampy antsika izy io tsy hanadino na oviana na oviana ny zava-misy hoe: izy no Ilay “miaro izay rehetra tia Azy”. — Salamo 145:18-20.

Fahazoana fahaiza-manavaka ara-panahy

Tsy tonga ho azy arakaraka ny fitombon’ny taona akory ny fahaiza-manavaka. Tsy maintsy ambolena izy io. I Solomona Mpanjaka hendry, izay fanta-daza maneran-tany noho ny fahaiza-manavaka nananany, dia nilaza hoe: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo [fahaiza-manavaka, NW ]. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.” (Ohabolana 3:13, 14). Taiza no nahazoan’i Solomona ny fahaiza-manavaka nananany? Avy tamin’i Jehovah. Rehefa nanontanian’i Jehovah i Solomona ny amin’ny fitahiana niriny, dia namaly toy izao i Solomona: “Omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy”. (1 Mpanjaka 3:9). Eny, nitodika tany amin’i Jehovah i Solomona ho mpanampy azy. Nangataka fahaiza-manavaka izy, ary nomen’i Jehovah azy betsaka tsy toy ny mahazatra izany. Ny vokany ve? “Ny fahendren’i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ny Egyptiana rehetra.” — 1 Mpanjaka 5:10.

Ny fanandraman-javatra hitan’i Solomona dia mampiseho amintsika hoe aiza no haleha mba hitadiavana fahaiza-manavaka. Sahala amin’i Solomona, dia tokony hitodika any amin’i Jehovah isika. Amin’ny fomba ahoana? I Jehovah dia nanome ny Teniny, ny Baiboly, izay manome antsika fahaiza-mahatakatra ny fiheviny. Rehefa mamaky Baiboly isika, dia mangady ao amin’ny toerana iray fikarohana fahalalana sarobidy izay hanome ny fototra ho an’ny fahaiza-manavaka ara-panahy. Ny fanazavana izay angonintsika avy amin’ny famakiantsika Baiboly dia tokony hosaintsainina. Avy eo, dia azo ampiasaina izany mba hanaovana fanapahan-kevitra tsara. Atỳ aoriana, dia hitombo ny fahaizantsika mahataka-javatra, ka ho tonga hatramin’ny hoe hanjary ho ‘lehilahy tokoa amin’ny fahalalana’, mahay “manavaka ny tsara sy ny ratsy”, isika. — 1 Korintiana 14:20; Hebreo 5:14; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 2:10.

Mahaliana fa mbola afaka mandray soa avy amin’ny fahaiza-manavaka nomen’i Jehovah an’i Solomona, isika. Amin’ny fomba ahoana? I Solomona dia nanjary nanam-pahaizana tamin’ny filazana fahendrena tamin’ny endriky ny ohabolana, izay raha ny marina, dia famintinana faran’izay fohy ny fahendrena ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Maro amin’ireny teny ireny no voatahiry ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika handray soa avy amin’ny fahaiza-manavaka nananan’i Solomona ny fianarana an’io boky io, ary manampy ny tenantsika koa hampitombo fahaiza-manavaka.

Mba hanampy antsika eo amin’ny fianarantsika Baiboly, dia afaka mampiasa ireo fitaovana fianarana Baiboly, toy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, isika. Hatramin’ny 116 taona mahery, Ny Tilikambo Fiambenana dia manambara ny Fanjakan’i Jehovah amin’ireo olona tso-po. Ny gazety Mifohaza! sy ireo nialoha azy dia nanazava ny amin’ireo toe-piainana maneran-tany nanomboka tamin’ny 1919. Ireo gazety roa ireo dia mandinika ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary manome fahazavana ara-panahy mitombo izay manampy antsika hahay hanavaka ireo fahadisoana, na ampianarin’ny Tontolon’Ireo Fivavahana Lazaina Fa Kristiana izy ireny, na hita ao amin’ny rafi-pisainantsika manokana. — Ohabolana 4:18.

Fanampiana hafa koa eo amin’ny fampitomboana fahaiza-manavaka ny fifaneraserana tsara. Milaza toy izao ny iray amin’ireo ohabolan’i Solomona Mpanjaka: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Mampalahelo fa tsy notadidin’i Rehoboama, zanakalahin’i Solomona Mpanjaka io ohabolana io tamin’ny fotoana fanapahan-javatra lehibe teo amin’ny fiainany. Taorian’ny nahafatesan-drainy, dia tonga nanatona azy ny fokon’ny Isiraely mba hitaky ny hanamaivanany ny enta-mavesatra nentin’izy ireo. Voalohany, dia naka hevitra tamin’ireo zokiolona i Rehoboama, ary nampiseho fahaiza-manavaka ireo rehefa nampirisika azy hihaino ny olom-peheziny. Avy eo, dia nandeha tany amin’ireo lehilahy tanora kokoa izy. Nampiseho tsy fahampian’ny fanandraman-javatra sy tsy fananana fahaiza-manavaka ireo, ka nampirisika an’i Rehoboama hamaly ny Isiraelita tamin’ny fandrahonana. Nihaino ireo lehilahy tanora kokoa i Rehoboama. Ny vokany ve? Nikomy ny Isiraely, ary nafoin’i Rehoboama ny tapany lehibe tamin’ny fanjakany. — 1 Mpanjaka 12:1-17.

Tapany tena lehibe amin’ny fampitomboana fahaiza-manavaka ny fitadiavana ny fanampian’ny fanahy masina. Teo am-pandinihana indray ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraelita taorian’ny fanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozan’i Egypta, dia hoy i Nehemia, mpanoratra ao amin’ny Baiboly: ‘Ny Fanahinao tsara dia nomenao azy [hahamalina, NW ] azy’. (Nehemia 9:20). Afaka manampy koa ny fanahin’i Jehovah mba hahamalina antsika. Rehefa mivavaka ianao mba hanomezan’ny fanahin’i Jehovah anao fahaiza-manavaka, dia mivavaha amim-patokiana, satria i Jehovah dia “manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa”. — Jakoba 1:5; Matio 7:7-11; 21:22.

Fahaiza-manavaka sy fahaiza-mahataka-javatra

Nampiseho fahaiza-manavaka ny apostoly Paoly rehefa nitory ny fahamarinana tamin’ny olona avy amin’ireo firenena. Indray mandeha, ohatra, fony izy tany Atena, dia ‘nandeha ka nandinika’ izay zavatra nivavahan’ireo izy. Voahodidin’ny sampy i Paoly, ka nanjary sosotra tao anatiny ny fanahiny. Izao dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra izy. Tokony hanaraka ny lalana hahavoaro azy amin’ny loza ve izy ka hangina? Sa tokony hiteny tsy miolakolaka kosa momba ny fanompoan-tsampy niely patrana izay hitany ho nahasosotra aoka izany izy, na dia hitany fa nety ho nampidi-doza aza ny fanaovana izany?

Nanao zavatra tamim-pahaiza-manavaka i Paoly. Nahita alitara iray nisy izao soratra izao izy: “Ho An’izay Andriamanitra Tsy Fantatra.” Tamim-pahaiza-mandanjalanja, i Paoly dia niaiky ny amin’ny fifikiran’izy ireo tamin’ny sampy, ary avy eo dia nampiasainy io alitara io ho toy ny fomba hampidirana ny foto-kevitra ny amin’ilay “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra”. Eny, i Jehovah no ilay Andriamanitra izay tsy fantany! Tamin’izay dia nomarihin’i Paoly fa mora nihetsi-po tamin’ilay raharaha izy ireo, ary dia afaka nanao fanambarana nahatalanjona izy. Inona no vokany? Nanaiky ny fahamarinana ny olona sasantsasany, anisan’izany “Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.” (Asan’ny Apostoly 17:16-34, NW ). Ohatra ny amin’ny fahaiza-manavaka toy inona moa i Paoly!

Tsy misy isalasalana fa tsy tonga mora foana, na tonga ho azy ny fahaiza-manavaka. Kanefa amim-paharetana, amin’ny alalan’ny vavaka, ny ezaka amim-pahatsorana, ny fifaneraserana mampiseho fahendrena, ny fianarana Baiboly sy ny fisaintsainana an’izy io, ary ny fianteherana amin’ny fanahy masin’i Jehovah, dia afaka mamboly azy io koa ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara