FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/12 p. 14-19
  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny herin’ny vavaka
  • Ny hafanan’ny firahalahiana
  • Ny herin’ny Tenin’Andriamanitra
  • Loholona izay “fierena amin’ny rivotra”
  • Isaia 40:31: “Izay Manantena An’i Jehovah ... Hahazo Hery Indray”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Aoka isika handray hery indray ka tsy ho ketraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aza Milavo Lefona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/12 p. 14-19

Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah

“Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery”. — ISAIA 40:31.

1, 2. Inona no omen’i Jehovah an’ireo izay mitoky aminy, ary inona izao no hodinihintsika?

ANISAN’IREO voro-manidina mahery indrindra ny voromahery. Afaka misononòka mahavita halaviran-dalana be tsy mila mikopaka elatra akory izy ireo. Noho ny fananany elatra mety hirefy maherin’ny roa metatra rehefa mivelatra, ny voromahery volombolamena, “ilay Mpanjakan’ny Vorona”, dia “iray amin’ireo manaitra ny saina indrindra amin’ny voromahery rehetra; miakatra ambonin’ireo havoana sy tany lemaka [izy], dia misidina mandritra ny ora maro eo ambonin’ny tandavan-tendrombohitra, avy eo dia miolikolika miakatra toy ny tangoli-bahy mandra-pahatongany ho toy ny pentina kely eny amin’ny lanitra”. — The Audubon Society Encyclopedia of North American Birds.

2 Tao an-tsain’i Isaia ny fahaizan’ny voromahery manidina rehefa nanoratra toy izao izy: “Mampahatanjaka ny reraka [i Jehovah], ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31). Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa i Jehovah dia manome ho an’ireo mitoky aminy ny hery mba hanohizana, toy ny hoe mampitafy azy amin’ireo elatra toa tsy mety reraka ananan’ilay voromahery misidina! Diniho izao ny sasany amin’ireo fandaharana izay nataony mba hampahatanjahana ny reraka.

Ny herin’ny vavaka

3, 4. a) Nampirisika mafy ny mpianany mba hanao inona i Jesosy? b) Inona no azontsika antenaina fa hataon’i Jehovah ho valin’ny vavaka ataontsika?

3 Nampirisika mafy ny mpianany i Jesosy mba ‘hivavaka mandrakariva ka tsy ho reraka’. (Lioka 18:1). Moa ve ny famborahana ny ao am-pontsika amin’i Jehovah tena afaka manampy antsika tokoa hahazo hery indray sy hanalavitra ny hilavo lefona rehefa toa manafotra ireo faneren’ny fiainana? Eny, kanefa dia misy zavatra sasany tsy maintsy tadidintsika ao an-tsaina.

4 Tsy maintsy mijery ny zava-misy isika eo amin’izay antenaintsika fa hataon’i Jehovah ho valin’ny vavaka ataontsika. Ny Kristiana iray izay latsaka tao anatin’ny fahaketrahana mafy, dia nanao izao fanamarihana izao tatỳ aoriana: “Toy ny amin’ny aretina hafa, dia tsy manao fahagagana i Jehovah amin’izao fotoana izao. Kanefa dia tena manampy antsika izy mba hiatrika sy hanasitrana araka izay fetrany azontsika atao eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ.” Rehefa nanazava ny naha-zava-dehibe ny vavaka nataony izy, dia nanampy teny hoe: “Afaka nahazo ny fanahy masin’i Jehovah 24 ora isan’andro, aho.” Araka izany, dia tsy miaro antsika amin’ireo faneren’ny fiainana izay afaka mitambesatra mafy amintsika i Jehovah, fa tena ‘manome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy’ kosa izy! (Lioka 11:13; Salamo 88:1-3). Izany fanahy izany dia mahatonga antsika ho afaka hisetra izay mety ho fisedrana na fanerena mety hatrehintsika. (1 Korintiana 10:13). Raha tena ilaina izany, izy io dia afaka mameno antsika amin’ny “hery mihoatra noho ny mahazatra” mba hiaretana ambara-panesotry ny Fanjakan’Andriamanitra ireo zava-manahirana mampihenjana rehetra ao amin’ilay tontolo vaovao efa antomotra dia antomotra. — 2 Korintiana 4:7, NW.

5. a) Mba hampandaitra ny vavaka ataontsika, dia zavatra roa inona avy no tena zava-dehibe? b) Ahoana no azontsika ivavahana rehefa miady amina fahalemen’ny nofo isika? d) Mampiseho inona amin’i Jehovah moa ny vavaka feno fikirizana sy milaza zavatra voafaritra tsara ataontsika?

5 Mba hampandaitra ny vavaka ataontsika anefa, dia tsy maintsy maharitra isika, ary tsy maintsy milaza zavatra voafaritra tsara isika. (Romana 12:12). Ohatra, raha mihasasatra ianao indraindray satria miady amina fahalemen’ny nofo, eo am-piandohan’ny andro tsirairay, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hanalavitra ny fahalavoana amin’io fahalemena voafaritra tsara io mandritra ilay andro. Mivavaha toy izany koa mandritra ilay andro manontolo sy alohan’ny hatoriana isan’alina. Raha lavo indray ianao, dia mitalahoa amin’i Jehovah mba hahazo ny famelany heloka, kanefa dia resaho aminy koa ny amin’izay nitarika ho amin’ilay fahalavoana indray sy ny amin’izay azonao atao mba hanalavirana ireny toe-javatra ireny amin’ny hoavy. Ny vavaka feno fikirizana sy milaza zavatra voafaritra tsara toy izany dia hampiseho amin’ilay “Mpihaino vavaka” ny fahatsoran’ny fanirianao handresy amin’ilay ady. — Salamo 65:2; Lioka 11:5-13.

6. Nahoana isika no afaka manantena ara-drariny an’i Jehovah hihaino ny vavaka ataontsika na dia rehefa mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka aza isika?

6 Indraindray anefa, dia mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka ireo izay nihasasatra. Ny vehivavy kristiana iray izay nahatsiaro tena ho toy izany dia nanao izao fanamarihana izao tatỳ aoriana: “Fieritreretana tena mampidi-doza izany satria midika hoe noraisintsika ho andraikitsika ny hitsara ny tenantsika, kanefa dia tsy antsika ny manao izany.” Tsy azo lavina fa “Andriamanitra no Mpitsara”. (Salamo 50:6). Manome toky antsika ny Baiboly fa na dia mety ‘hanameloka antsika aza ny fontsika, Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra’. (1 Jaona 3:20). Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa raha mety hitsara ny tenantsika ho tsy mendrika ny hivavaka isika, i Jehovah kosa dia mety tsy hihevitra toy izany ny amintsika! “Mahalala ny zavatra rehetra” momba antsika izy, tafiditra amin’izany ireo toe-javatra teo amin’ny fiainantsika izay mety ho nahatonga antsika hahatsiaro tena ho tsy mendrika aoka izany. (Salamo 103:10-14). Ny famindram-pony sy ny halalin’ny fahatakarany ny fihevitry ny hafa dia manosika azy hihaino vavaka avy amin’ny “fo torotoro sy mangorakoraka”. (Salamo 51:17). Ahoana moa no ahafahany mandà tsy hihaino ny antsoantso ataontsika mba hahazoana fanampiana, kanefa ny tenany mihitsy aza dia manameloka “izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny malahelo”? — Ohabolana 21:13.

Ny hafanan’ny firahalahiana

7. a) Inona no fandaharana hafa iray nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahazo hery indray? b) Afaka mampahatanjaka antsika ny fahafantarana inona momba ny firahalahiantsika?

7 Ny fandaharana hafa iray nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahazo hery indray, dia ny firahalahiantsika kristiana. Tombontsoa sarobidy toy inona moa ny hoe anisan’ny fianakaviana maneran-tany iray misy rahalahy sy anabavy! (1 Petera 2:17, NW ). Rehefa mitambesatra amintsika ireo faneren’ny fiainana, dia afaka manampy antsika hahazo hery indray ny hafanan’ny firahalahiantsika. Ahoana izany? Ny fahafantarana fotsiny fa tsy irery isika amin’ny fiatrehana zava-tsarotra mampihenjana dia efa afaka mampahatanjaka. Eo anivon’ireo rahalahintsika sy anabavintsika, dia tsy isalasalana fa misy sasany izay niatrika fanerena na fisedrana mitovy amin’izany sy nandalo fihetseham-po be itoviana amin’ny antsika. (1 Petera 5:9). Manome toky indray ny mahafantatra fa tsy maningana akory izay zakaintsika, ary tsy hoe tsy fahita akory ny fihetseham-pontsika.

8. a) Ohatra inona avy no mampiseho ny fomba mety hahitantsika fanampiana sy fampiononana ilaina mafy eo amin’ny firahalahiantsika? b) Tamin’ny fomba ahoana ny tenanao manokana no efa nampian’ny “tena sakaiza tokoa” iray na nampiononiny?

8 Ao anatin’ny hafanan’ilay firahalahiana no ahafahantsika mahita “tena sakaiza tokoa”, izay afaka manome fanampiana sy fampiononana ilaina mafy rehefa azom-pahoriana isika. (Ohabolana 17:17). Matetika, dia teny feno hatsaram-panahy na fanaovan-javatra amim-piheverana sasany fotsiny no hany ilaina. Nahatsiaro toy izao ny Kristiana iray izay niady mafy tamin’ny fahatsiarovan-tena ho tsinontsinona: “Nisy namana izay niresaka tamiko ny amin’ireo zavatra manorina momba ny tenako mba hanampiana ahy handresy ireo eritreritra tsy manorina nananako.” (Ohabolana 15:23). Taorian’ny nahafatesan’ny zanany vavikely, dia sarotra tamin’ny anabavy iray, tamin’ny voalohany, ny nihira ireo hiran’ilay Fanjakana tao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, indrindra fa ireo hira izay manonona ny fitsanganan’ny maty. “Indray mandeha”, hoy izy nahatsiaro, “dia nahita ahy nitomany ny rahavavy iray nipetraka terỳ ampitan’ilay lalana nanelanelana ireo laharan-tseza. Nanatona izy, nisakambina ahy, ary dia nihira ny sisa tamin’ilay hira niaraka tamiko. Nahatsiaro tena ho feno fitiavana aoka izany an’ireo anadahy sy rahavavy aho ary faly aoka izany noho ny nankanesanay tany amin’ireo fivoriana, ka takatro fa any no misy ny fanampiana antsika, any amin’ny Efitrano Fanjakana.”

9, 10. a) Ahoana no ahazoantsika mandray anjara amin’ny fisian’ny hafanan’ny firahalahiantsika? b) Iza indrindra no mila fiarahana mahasoa? d) Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo izay mila fampaherezana?

9 Mazava ho azy fa ny tsirairay amintsika dia manana andraikitra handray anjara amin’ny fisian’ny hafanan’ilay firahalahiana kristiana. Noho izany, dia tokony ‘hihamalalaka’ ny fontsika mba hahatafiditra ireo rahalahintsika sy anabavintsika rehetra. (2 Korintiana 6:13). Hampalahelo toy inona moa ny hahatsapan’ireo nihasasatra fa nihanangatsiaka tamin’izy ireo ny fitiavan’ilay firahalahiana! Kanefa dia manao tatitra ny Kristiana sasany fa mahatsiaro tena ho manirery sy tsy misy miraharaha ny tenan’izy ireo. Nitaraina toy izao ny anabavy iray manana vady manohitra ny fahamarinana: “Iza moa no tsy maniry sy mila fisakaizana mampahery sy fampaherezana ary fiarahana feno fitiavana? Mba ampahatsiarovy re ireo anadahinay sy rahavavinay fa mila azy ireo izahay e!” Eny, mila fiarahana mahasoa, indrindra fa ireo izay vesaran’ny toe-javatra misy azy eo amin’ny fiainana — ireo manambady tsy mpino, ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany, ireo manana zava-manahirana ara-pahasalamana mitaiza, ireo be taona sy ny hafa. Mila ny hampahatsiarovana an’izany ve ny sasany amintsika?

10 Inona no azontsika atao mba hanampiana? Aoka isika hihamalalaka eo amin’ny fampisehoana ny fitiavantsika. Rehefa manolotra fampiantranoam-bahiny isika, dia aoka tsy hanadino ireo izay mila fampaherezana. (Lioka 14:12-14; Hebreo 13:2). Toy izay hihevitra fa manakana azy ireo tsy hanaiky ny toe-javatra misy azy, nahoana raha manasa azy ireo ihany aloha? Avy eo dia avelao izy ireo hanapa-kevitra. Na dia tsy afaka manaiky aza izy, dia tsy isalasalana fa hahatsapa fampaherezana izy ireo amin’ny fahafantarana fa nieritreritra azy ireo ny hafa. Mety ho izany indrindra no ilain’izy ireo mba hahazoana hery indray.

11. Mety hila fanampiana amin’ny fomba ahoana avy ireo izay itambesaran-javatra?

11 Mety hila fanampiana amin’ny fomba hafa ireo izay itambesaran-javatra. Ny reny mitaiza irery ny zanany, ohatra, dia mety hila rahalahy matotra iray mba haneho fiheverana ny zanany lahy tsy manan-dray. (Jakoba 1:27). Ny rahalahy iray na anabavy iray manan-java-manahirana ara-pahasalamana lehibe dia mety hila fanampiana eo amin’ny fiantsenana na eo amin’ireo raharaha ao an-trano. Ny be taona iray dia mety haniry fatratra fiarahana amin’ny namana na mila fanampiana mba hivoaka any amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Rehefa misy ilana fanampiana toy izany mitohy hatrany, dia mametraka tena ‘fizahan-toetra ny maha-marina ny fitiavantsika’ izany. (2 Korintiana 8:8). Toy izay hihatakataka amin’ireo sahirana noho ny fotoana sy ny ezaka tafiditra amin’izany, dia enga anie isika ho tafavoaka amim-pahombiazana amin’ny fizahan-toetra ny fitiavana kristiana, amin’ny fisehoana ho mangoraka sy mailaka hahatsapa izay ilain’ny hafa.

Ny herin’ny Tenin’Andriamanitra

12. Ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika mba hahazo hery indray?

12 Ny olona iray mitsahatra tsy mihinan-kanina dia hamoy tsy ho ela ny tanjany na ny heriny. Mifanaraka amin’izany, ny fomba iray anomezan’i Jehovah antsika hery mba hanohizana dia ny fanaovana izay hahatsara fahana antsika ara-panahy. (Isaia 65:13, 14). Sakafo ara-panahy inona no nomeny? Ambonin’ny zava-drehetra, dia eo ny Teniny, ny Baiboly. (Matio 4:4; ampitahao amin’ny Hebreo 4:12.) Ahoana no ahafahan’izy io manampy antsika hahazo hery indray? Rehefa manomboka misoko mikiky ny tanjatsika ireo fanerena sy zava-manahirana atrehintsika, dia afaka manovo tanjaka isika amin’ny famakiana ny amin’ny fihetseham-po sy ady mafy tena niainan’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly. Na dia ohatra niavaka teo amin’ny tsy fivadihana aza izy ireny, dia olombelona “nanana fihetseham-po tahaka ny antsika” (Jakoba 5:17, NW; Asan’ny Apostoly 14:15). Niatrika fisedrana sy fanerena mitovy amin’ny antsika izy ireo. Diniho ny ohatra sasany.

13. Ohatra inona avy ao amin’ny Soratra Masina no mampiseho fa nanana fihetseham-po sy zavatra niainana be itoviana amin’ny antsika ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly?

13 Nalahelo mafy noho ny fahafatesan’ny vadiny i Abrahama patriarika na dia nino ny fitsanganan’ny maty aza izy. (Genesisy 23:2; ampitahao amin’ny Hebreo 11:8-10, 17-19.) Nihevitra i Davida nibebaka fa nahatonga azy ho tsy mendrika hanompo an’i Jehovah ny fahotany. (Salamo 51:11). Nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana i Mosesy. (Eksodosy 4:10). Nanjary difotra alahelo i Epafrodito rehefa nanjary fantatry ny olona fa nametra ny fanaovany zavatra teo amin’ny “asan’i Kristy” ny aretina mafy iray. (Filipiana 2:25-30). Voatery niady tamin’ny nofo mpanota i Paoly. (Romana 7:21-25). Toa nanan-java-nanahirana sasany teo amin’ny fifankahazoana i Eodia sy i Syntyke, anabavy voahosotra roa tao amin’ny kongregasiona tany Filipy. (Filipiana 1:1; 4:2, 3). Mampahery toy inona moa ny mahafantatra fa ireny olona nahatoky ireny dia nanana fihetseham-po sy zavatra niainana mitovy amin’ny antsika, kanefa dia tsy nilavo lefona izy ireo! Tsy nahafoy azy ireo koa i Jehovah.

14. a) Fitaovana inona no nampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika hanovo tanjaka avy amin’ny Teniny? b) Nahoana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! no nitondra lahatsoratra momba ireo vahaolana ara-tsosialy sy ara-pianakaviana ary ara-pihetseham-po?

14 Mba hanampiana antsika hanovo tanjaka avy amin’ny Teniny, dia mampiasa ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina i Jehovah mba hanomezana antsika ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ tonga tsy tapaka. (Matio 24:45, NW ). Nampiasa hatramin’ny ela ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mba hiarovana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy mba hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana ho an’ny olombelona, ilay mpanompo mahatoky. Tao anatin’ireo am-polony taona vitsivitsy lasa indrindra no nitondran’ireo gazety ireo lahatsoratra araka ny Soratra Masina amin’ny fotoana ilana azy, dia lahatsoratra momba ireo zava-tsarotra ara-tsosialy sy ara-pianakaviana ary ara-pihetseham-po izay atrehin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany mihitsy aza. Noho ny zava-kendrena inona no namoahana ny fanazavana toy izany? Azo antoka fa mba hanampiana ireo izay mandalo ireny zava-tsarotra ireny hanovo tanjaka sy fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra toy izany koa anefa dia manampy antsika rehetra hanana fahatakarana mazava kokoa ny amin’izay mety hodiavin’ny rahalahintsika sy anabavintsika sasany. Araka izany dia tsara fitaovana kokoa isika mba hanarahana ny tenin’i Paoly hoe: “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ireo malemy, aoka hahari-po amin’ny rehetra.” — 1 Tesaloniana 5:14, NW.

Loholona izay “fierena amin’ny rivotra”

15. Naminany inona momba ireo izay manompo amin’ny maha-loholona i Isaia, ary mametraka andraikitra inona eo amin’izy ireo izany?

15 Nanome antsika zavatra hafa koa i Jehovah mba hanampiana antsika rehefa mihasasatra isika — ireo loholon’ny kongregasiona. Nanoratra toy izao momba azy ireo i Isaia mpaminany: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:1, 2). Ireo loholona, àry, dia manana andraikitra hanana ireo toetra ilaina nambaran’i Jehovah mialoha momba azy ireo. Tsy maintsy loharanom-pampiononana sy famelombelomana ho an’ny hafa izy ireo ary vonona ny ‘hifampitondra izay mavesatra [na “zavatra manahirana”, ara-bakiteny hoe “zavatra mavesatra”]’. (Galatiana 6:2, fanamarihana ambany pejy ao amin’ny NW ). Ahoana no ahafahan’izy ireo manao izany?

16. Inona no azon’ireo loholona atao mba hanampiana olona iray izay mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka?

16 Araka ny voalaza teo aloha, indraindray ny olona iray izay nihasasatra dia mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka. Inona no azon’ireo loholona atao? Afaka mivavaka miaraka amin’ilay olona sy ho azy io, izy ireo. (Jakoba 5:14). Amin’ny feo ren’ilay nihasasatra, ny fangatahana fotsiny amin’i Jehovah mba hanampy azy io hahatakatra fa tia azy tokoa i Jehovah sy ny hafa, dia azo antoka fa hampionona. Ny fandrenesana vavaka amin-kafanam-po sy amim-pahatsorana ataon’ny loholona iray dia mety hanampy mba hanatanjaka ny fatokian’ilay olona azom-pahoriana. Azo ampiana izy io hanjohy hevitra hoe, raha matoky ireo loholona fa hamaly ireo vavaka natao ho azy i Jehovah, dia afaka manana izany toky izany koa ny tenany.

17. Nahoana ireo loholona no tsy maintsy mpihaino mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa?

17 “Ny olona rehetra [dia tsy maintsy, NW ] halady hihaino, ho malai-miteny”, hoy ny Jakoba 1:19. Mba hanampiana ireo sasatra hahazo hery indray, dia tsy maintsy mpihaino mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa koa ireo loholona. Amin’ny toe-javatra sasany, dia misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona mety hiady mafy amin-java-manahirana na fanerena izay tsy azo alamina eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Ny mety hilain’izy ireo àry, dia tsy vahaolana mba “handaminana” ny zava-manahirana azy ireo, fa mba hiresaka fotsiny amin’ny mpihaino tsara iray — dia olona izay tsy hilaza amin’izy ireo hoe izao no tokony ho tsapan’izy ireo, fa hihaino kosa tsy misy fitsarana ny hafa. — Lioka 6:37; Romana 14:13.

18, 19. a) Amin’ny ahoana ny fahamailahana hihaino no manampy loholona iray hanalavitra ny vao mainka hanavesatra ny entan’ny olona sasatra iray? b) Inona no vokatra mitranga rehefa mampiseho ‘fiaraha-miory’ ireo loholona?

18 Ry loholona, ny fahamailahanareo hihaino dia afaka manampy anareo hanalavitra ny vao mainka hanavesatra tsy nahy ny entan’ny olona sasatra iray. Ohatra, raha toa ny rahalahy na anabavy iray ka tsy nanatrika fivoriana sasany, na nampiadam-pandeha teo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, moa ve izy io tena mila tokoa torohevitra mba hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana na mba tsy hanapatapaka kokoa ny fivoriana? Angamba. Kanefa fantatrao avokoa ve ny tarehin-javatra manontolo? Misy zava-manahirana ara-pahasalamana mitombo ve? Niova ve tato ho ato ireo andraikitra ara-pianakaviana? Misy toe-javatra na fanerena hafa ve mitambesatra aminy? Tadidio fa mety ho efa mahatsiaro tena ho meloka be ilay olona noho izy tsy afaka manao bebe kokoa.

19 Ahoana àry no ahafahanao manampy ilay rahalahy na ilay anabavy? Alohan’ny hanatsoahanao hevitra sy hanoloranao torohevitra, dia mihainoa! (Ohabolana 18:13). Amin’ny fanontaniana mampiseho fahaiza-manavaka, dia ‘tovozy’ ireo fihetseham-po izay ao am-pon’ilay olona. (Ohabolana 20:5). Aza odian-tsy hita ireny fihetseham-po ireny — ekeo izy ireny. Ilay olona sasatra dia mety hila ny homen-toky indray fa miahy antsika i Jehovah sady takany fa mety hametra antsika indraindray ny toe-javatra misy antsika. (1 Petera 5:7). Rehefa mampiseho ‘fiaraha-miory’ ny loholona, dia ‘hahita famelombelomana ho an’ny fanahiny’ ireo olona sasatra. (1 Petera 3:8; Matio 11:28-30, NW ). Rehefa mahita fitsaharana toy izany izy ireo, dia tsy hila ny hasaina hanao bebe kokoa; ny fony dia hanosika azy hanao izay rehetra azony atao araka ny antonona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:12; 9:7.

20. Noho ny faran’itỳ taranaka ratsy itỳ efa akaiky dia akaiky aoka izany, dia tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

20 Marina tokoa fa miaina ao anatin’ny fotoana faran’izay be fitakiana teo amin’ny tantaran’olombelona iray manontolo, isika. Mitombo ireo fanerena amin’ny fiainana eo amin’ny tontolon’i Satana, arakaraka ny hidirantsika lalindalina kokoa ao anatin’ny fotoan’ny farany. Tadidio fa toy ny liona mihaza iray, ny Devoly dia miandry ny hahatonga antsika hihasasatra sy hilavo lefona mba hahafahany hanararaotra antsika toy ny remby mora azo. Afaka ny ho velom-pisaorana toy inona moa isika fa mampahatanjaka ny reraka i Jehovah! Enga anie isika hanararaotra amin’ny fomba feno an’ireo fandaharana nataony mba hanomezana hery antsika hanohizana, toy ny hoe, nanome antsika elatra matanjaky ny voromahery misidina izy. Noho ny faran’itỳ taranaka ratsy itỳ efa akaiky tokoa, dia tsy izao no fotoana tokony hitsaharana tsy hihazakazaka ao amin’ilay fifaninanana hazakazaka nataontsika mba hahazoana ilay loka — dia ny fiainana mandrakizay. — Hebreo 12:1.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no azontsika antenaina fa hataon’i Jehovah ho valin’ny vavaka ataontsika?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika manovo tanjaka avy amin’ny firahalahiantsika kristiana?

◻ Ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika hahazo hery indray?

◻ Inona no azon’ireo loholona atao mba hanampiana ireo olona sasatra hahazo hery indray?

[Sary, pejy 17]

Rehefa manolotra fampiantranoam-bahiny isika, dia aoka tsy hanadino ireo izay mila fampaherezana

[Sary, pejy 18]

Ireo loholona dia afaka mangataka an’i Jehovah mba hanampy ireo olona sasatra hahatakatra fa tiana tokoa izy ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara