FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/12 p. 28-31
  • “Avy Aiza Ireo Vola?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Avy Aiza Ireo Vola?”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ohatra navelan’ny Isiraely fahiny
  • Izay ilaina amin’izao andro izao
  • Mankaiza ireo vola?
  • Hamaly soa anareo i Jehovah
  • Ny Fomba Anaovan’ny Sasany Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • “Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Zava-tsarobidinao” — Amin’ny Fomba Ah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nahoana no Manome ho An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/12 p. 28-31

“Avy Aiza Ireo Vola?”

TALANJONA ireo mpijery ilay vidéo hoe “Les Témoins de Jéhovah: un nom, une organisation”, an’ny Fikambanana Watch Tower. Mahita lehilahy sy vehivavy manana fisehoana ivelany milamina, avy amin’ny firazanana sy ny fiaviana maro samihafa, mitsikitsiky sy miara-miasa ao anatin’ny firindrana, izy ireo. Tsy vitan’ny hoe ireo mpiasa falifaly an’arivony maro ihany no manaitra ny sainy fa toy izany koa ireo fitambaran-trano lehibe any amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn sy any amin’ireo toeram-pamboleny any Wallkill, New York. Asehon’ilay vidéo fa hita ao anatin’ireny trano ireny ny teknolojia araka ny toetr’andro — fitaovana fanaovam-pirinty sy famonosana boky haingam-pandeha izay mamoaka zavatra vita an-tsoratra an-tapitrisany maro isam-bolana, fitaovana maro isan-karazany amin’ny ordinatera, sy sampan-draharaha maro be manohana izany.

Mampiseho taratry ny fandaniana goavana amin’ny fananana izany. Koa manontany àry ny sasany hoe: “Avy aiza ireo vola?”

Talanjona toy izany koa ireo mpitsidika ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana. Manalava tenda izy ireo mba hijerena ilay trano ipetrahana vaovao misy rihana 29, iray amin’ireo trano maro ampiasaina mba hipetrahan’ireo mpanompo an-tsitrapo maherin’ny 3 000 izay miasa ao. Mampitolagaga olona maro koa ny fitsidihana ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower vaovao, tokony ho 110 kilaometatra any avaratr’i Brooklyn. Mbola eo am-panorenana azy izy io, ary manome filasiana ho an’ny mpiasa 1 200 eo ho eo. Hisy kilasy roan’ny misionera hampiofanina ao isan-taona ka halefa any ivelan’ny tany misy azy hankany amin’ny toerana hanendrena azy ireo. Avy eo amin’io toerana io koa no anomezana ny fitarihana an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 10 000 any Etazonia. Sampana maro maneran-tany koa no nanitatra ireo biraony vao haingana na eo an-dalam-panaovana izany. Mitaky vola be ny fanatanterahana ireo tetik’asa rehetra ireo. Manontany ny olona hoe: “Avy aiza ireo vola?”

Ny valiny dia hoe avy amin’ny olon-tsotra tahaka ny olona na iza na iza amintsika, izany. Izy ireo dia olona maneran-tany izay maniry hanao izay rehetra azony atao mba hampandrosoana ilay asa kristiana tena lehibe, dia ny asa fitoriana sy fampianarana. Tsy hoe tsy nisy ny toe-tsaina vonona hanome toy izany teo aloha.

Ny ohatra navelan’ny Isiraely fahiny

Maherin’ny 3 500 taona lasa izay, dia nipoitra ny toe-javatra nilana fanomezana tamim-pahalalahan-tanana. Nanome toromarika an’i Mosesy mba hampanorina tabernakely, na “trano-lay fihaonana”, iray hampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana taminy, i Jehovah. Nitaky kojakoja sarobidy maro isan-karazany ilay drafitra nomen’Andriamanitra. Nandidy toy izao i Jehovah: “Manalà ao aminareo fanatitra [“fanomezana”, NW ] ho an’i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka hitondra fanatitra [“fanomezana”, NW ] ho an’i Jehovah”. (Eksodosy 35:4-9). Nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoaka? Milaza amintsika ilay fitantarana fa “samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra [“fanomezana”, NW ] ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina”. Nanjary nihabetsaka aoka izany io “fanatitra [an-t]sitra-po” io, hany ka ‘nihoatra lavitra noho izay nahavitana ny fanompoana tamin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao’ izy io. (Eksodosy 35:21-29; 36:3-5). Toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena sy feno fahalalahan-tanana toy inona moa no nasehon’ilay vahoaka!

Latsaka ny 500 taona tatỳ aoriana, dia nisy antso indray navoaka ho amin’ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy tamin’ireo Isiraelita. Nadiva ho tanteraka tamin’ny alalan’i Solomona zanany ny fanirian’i Davida Mpanjaka hanorina trano raikitra ho an’i Jehovah tao Jerosalema. Ny tenan’i Davida mihitsy no nanangona sy nandray anjara tamin’ny fanomezana ny ampahany lehibe tamin’izay hilaina. Nandray anjara ny hafa rehefa namoaka ilay antso hitondrana “fanatitra ho an’i Jehovah” i Davida. Inona no vokany? “Faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.” (1 Tantara 22:14; 29:3-9). Ny volafotsy sy ny volamena fotsiny dia ho nitentina tokony ho dimy alina tapitrisa dolara (225 000 000 000 000 FMG eo ho eo) amin’ny sandam-bola ankehitriny! — 2 Tantara 5:1.

Marihintsika avy amin’ireo ohatra ireo fa tsy nisy voatery hanome. “An-tsitrapo” tanteraka sy nomena ‘tamin’ny fo rehetra’ izany. Tsy ho nampifaly an’i Jehovah ny zavatra latsaka noho izany. Nitovy tamin’izany koa, rehefa nipoitra ny fahafahana hanome vola hanampiana ireo Kristiana sahirana, dia nanoratra ny apostoly Paoly fa izany dia tsy tokony ho “toy ny zavatra nalaina an-keriny” (NW ). Izao no teny nanampiny: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.” — 2 Korintiana 9:5, 7.

Izay ilaina amin’izao andro izao

Misy ilana fanomezana ve amin’izao andro izao? Eny tokoa, ary hilaina bebe kokoa mihitsy aza arakaraka ny handrosoan’ny fotoana. Nahoana?

Nomena toromarika voafaritra tsara ho an’izao fotoan’ny farany izao ny Kristiana. Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidi[ak]o anareo”. — Matio 28:19, 20.

Mitaky fotoana sy fananana be dia be ny fanatontosana io asa fampianarana sy fitoriana lehibe io, arakaraka ny anatonantsika akaiky kokoa ny faran’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” (NW ). Nahoana? Noho izay rehetra tafiditra amin’ny fitondrana ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra “hatramin’ny faran’ny tany”. (Asan’ny Apostoly 1:8). Tsy mahafantatra tsara ny Soratra Masina toy ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny ankamaroan’ny olona. Raha ny marina, dia olona maro be amin’ny mponina eto an-tany no tsy mahafantatra ny Baiboly akory aza ary tsy mihevitra azy io ho Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy misy mpitory ampiofanina sy alefa any an-tany lavitra. (Romana 10:13-15). Ary hevero ny isan’ireo fiteny tafiditra! Mila manana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra mifototra amin’ny Baiboly mba hovakina sy hianarana amin’ny fiteniny manokana ireo olona itoriana. Ny fanatratrarana azy rehetra amin’ny fomba voalamina sy ny fitondrana azy ireo amin’ny fomba miandalana ho amin’ny fahamatorana ara-panahy mba hahafahan’izy ireo hanampy olon-kafa koa, dia mitaky fandaminan-javatra amin’ny ambaratonga lehibe. — 2 Timoty 2:2.

Nilaza i Jesosy fa ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” dia tsy maintsy “hotorina amin’ny tany onenana manontolo [aloha] (...), ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany”. (Matio 24:14, NW ). Koa izao no fotoana tokony hanokanana izay rehetra azontsika atokana mba hamitana an’io asa tena lehibe io. Tsy azo ampiasaina amin’ny fomba tsara kokoa noho izany ny fananantsika, alohan’ny hitsaharan’ny harena ara-nofo ho tsy hisy vidiny mahasoa. — Ezekiela 7:19; Lioka 16:9.

Mankaiza ireo vola?

Mamoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny maherin’ny 230, ary koa amin’ny Braille ho an’ny jamba sy vidéos amin’ny baikon’ny moana ho an’ny marenina, ny Fikambanana Watch Tower. Izany dia mitaky ekipana mpandika teny sy mpanao fanitsiana amin’ny fiteny tsirairay. Mahazendana ny mieritreritra fotsiny ny fanaovana izany asa rehetra izany, indrindra ho an’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, izay avoaka isam-bolana amin’ny fiteny 121 ka miara-mivoaka ny 101 amin’ireo. Kanefa tena ilaina izany mba hahafahan’ny olona maneran-tany hanana sy hamaky fanazavana mitovy. Isan-taona dia misy fitomboana amin’ny fandaniana taratasy sy fitaovana hafa ampiasaina amin’ny famoahana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny endriny vita pirinty na nalaina feo na vidéo. Tsy maintsy aloa ny fandaniana toy ireny amin’ny fampiasana ireo fanomezana avy amin’ireo rahalahy.

Tanterahina any amin’ny faritany iasan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 75 000 maneran-tany ny asa fitoriana sy fampianarana. Mba hampiraisana sy hampaherezana azy ireo, dia mitsidika ny kongregasiona tsirairay tokony ho indroa isan-taona ireo mpiandraikitra mpitety faritany voaofana. Mitana anjara asa tena lehibe koa ireo fivoriambe amin’ny fampitana fampianarana. Tsy maintsy misy trano lehibe hofana ho amin’ireo fivoriambe, izay manatanjaka finoana aoka izany. Ampiasaina koa ho an’ireny zava-kendrena ireny ireo fanomezana ataonareo.

Raha atao intelo isan-taona monja ireo fivoriambe amin’ny ankapobeny, dia mivory ho amin’ny fivoriana dimy isan-kerinandro kosa ireo kongregasiona eo an-toerana. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 34:23, 24.) Ny fahatongavan’ireo vaovao nandray ny vaovao tsara dia nidika ho kongregasiona vaovao an’arivony maro fanampiny isan-taona. Noho ny fanampian’ny dolara an-tapitrisany maro ampisamborina izay tsinjaraina amin’ny alalan’ny Fikambanana, dia Efitrano Fanjakana vaovao an-jatony maro no aorina isan-taona, ary maro hafa no havaozina sy itarina. Na dia tahirim-bola mihodinkodina izay ampiasaina miverimberina aza izy io, dia mitombo hatrany ny fangatahana.

Ny faritra iray izay nisy fitomboana mbola tsy nisy toy izany dia any amin’ireo firenena any Eoropa Atsinanana izay teo ambany fahefan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nahafaly toy inona moa ireo vaovao niandalana hoe nisokatra tany amin’ireny toerana ireny ny asa! Ankehitriny dia misy misionera irahina ho any amin’ny maro amin’ireo tany ireo. Naorina any amin’ny tany sasany ireo sampana vaovao, ka nampitombo ho maherin’ny 15 000 ny isan’ny mpanompo an-tsitrapo izay miasa amin’ny maha-mpianakavin’ny Betela maneran-tany izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy novidina na naorina ireo tranon’ny sampana hipetrahan’izy ireo. Manampy hanomezana fahafaham-po izay ilaina ireo fanomezana ataonareo.

Tsy hoe tsy voamarik’i Satana sy ireo demoniany akory izany asa rehetra izany. Manao izay rehetra azony atao izy ireo mba hampandamòka ny fiezahan’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky na mba hitondrana zava-manahirana ho azy ireo. (Apokalypsy 12:17). Midika ho fanaovana ady ara-pitsarana maro be mihamitombo izany mba hiarovana ny zon’ny vahoakan’Andriamanitra hitory sy hiaina mifanaraka amin’ny lalàny marina. Fanampin’izany, ireo fandravana entin’ny ady eo amin’ny fandehan-javatr’i Satana, ary koa ireo loza araka ny natiora, dia midika fa ilaina matetika ireo vatsy fanampiana ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika tra-doza ary ireo olon-kafa miaraka aminy. Manampy amin’ny fanomezana io fanampiana tena lehibe io ireo fanomezana ataonareo.

Hamaly soa anareo i Jehovah

Ny fampiasantsika amim-pahalalahan-tanana ny fotoantsika sy ny fananantsika mba hampandrosoana ny asan’ny Tompo dia mitondra fitahiana lehibe. Amin’ny fomba ahoana? Satria Andriamanitra, izay tompon’ny zava-drehetra amin’ny fotony, dia hamaly soa antsika. Hoy ny Ohabolana 11:25: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” Mahafaly an’i Jehovah tokoa ny fanaovantsika ny anjarantsika amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana aminy. (Hebreo 13:15, 16). Nampanantena toy izao an’ireo Isiraelita fahiny izay ho nitondra fanomezana notakina teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna izy: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:10). Ny firoboroboana ara-panahy hitan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao dia porofo fa mitana ny fampanantenany Andriamanitra.

Tsy hitohy mandrakizay akory io asa lehibe fanambarana amin’ny olona rehetra ny andro famonjena sy fanampiana ny olona tso-po eo amin’ny lalan’ny fiainana io. (Matio 7:14; 2 Korintiana 6:2). Tsy maintsy angonina anefa izay rehetra anisan’ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo. (Jaona 10:16). Tena ilaina toy inona moa ny fiatrehana io zava-tsarotra io amin’izao andro izao! Ary ho sambatra toy inona moa ny tsirairay avy amintsika, rehefa hanao jery todika avy any amin’izany tontolo vaovaon’ny fahamarinana izany, ka hilaza hoe: ‘Nandray anjara feno tamin’io asa fanangonana farany io aho’! — 2 Petera 3:13.

[Efajoro, pejy 30, 31]

NY FOMBA ANAOVAN’NY SASANY FANOMEZANA HO AN’NY ASA FITORIANA ILAY FANJAKANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY: Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana an-tsitrapo misy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany Ataon’ny Fikambanana — Matio 24:14”. Isam-bolana ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, na any amin’ny biraon’ny sampana akaiky azy indrindra.

FANOMEZANA: Ny fanomezam-bola an-tsitrapo dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io miaraka amin’ireny fanomezana ireny.

FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower mandra-pahafatin’ilay mpanome, amin’ny fametrahana fepetra fa, raha ilain’ilay nanome izany, dia haverina aminy indray.

FIANTOHANA: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

KAONTY ANY AMIN’NY BANKY: Ny kaonty any amin’ny banky, ny fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo omena ho antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

PETRA-BOLA MIASA (ACTIONS) SY RENIVOLA NAMPISAMBORINA (OBLIGATIONS): Ny petra-bola miasa sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana tanteraka ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony na ny zanabola dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.

TRANO SY TANY: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tanteraka, na amin’ny fanisiana famerana izany ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona koa izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.

DIDIM-PANANANA SY FANANKINAM-PANANANA (FIDÉICOMMIS): Azo ampandovana fananana na vola ny Watch Tower Society amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana ny Fikambanana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fandaminana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hisy kopian’ilay didim-pananana na ilay fifanarahana momba ny fanankinam-pananana halefa any amin’ny Fikambanana.

FANOMEZANA NALAMINA MIALOHA: Ny Fikambanana dia nanomana bokikely amin’ny fiteny anglisy mitondra ny lohateny hoe “Fanomezana Nalamina Mialoha”. Ireo izay any Etazonia ka mikasa ny hanao fanomezana manokana ho an’ny Fikambanana amin’izao fotoana izao, na hamela fananana ho azy amin’ny fotoana hahafatesana, dia mety hahita fa manampy io fanazavana io. Marina indrindra izany raha toa izy ireo ka maniry hanatanteraka tanjona ara-pianakaviana na zava-kendrena ho fandaminana mialoha ny fananana avelan’ny maty, ka hampiasa ireo fandaharana araka ny lalàna mba hampihenana ny hetra ilaina haloa.

Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ny iray amin’ireo raharaha voalaza etsy ambony, dia manorata any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara